Endri-pankalazana :: Mety haverina amin’ny fetin’ny Repoblika ny harendrina

News - Endri-pankalazana :: Mety haverina amin’ny fetin’ny Repoblika ny harendrina

News - Endri-pankalazana :: Mety haverina amin’ny fetin’ny Repoblika ny harendrina

Eo am-piomakomanana amin’ireo hetsika fanamarihana ny fetin’ny 14 oktobra 2020, daty fitsingerenan’ny faha-60 taona nahaterahan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ny fitondram-panjakana. Fantatra izao fa mety ho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanaovana harendrina, izay tsy natao tamin’ny 25 jona 2020 lasa teo, noho ny fiatrehana ny hamehana arapahasalamana.

Fantatra fa misy sahady ireo orinasa kely mpanao harendrina eto an-drenivohitra no mivonona ny hivarotra ny asa tanany. « Mandray kaomandy maromaro izahay, amin’izao fotoana izao. Izay takatry ny vola ihany aloha no hovitaina satria vao haingana izahay no lany vola tamin’ny fampidirana mpianatra », hoy Razafimahatratra, mpanamboatra harendrina eny Amboditsiry.

Tsy nahazoana antsipirian’ny fandaharam-potoana kosa ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, hatramin’ny omaly. « Vao eo an-dalampivoriana izahay », hoy fotsiny Rakotomanga Rinah, talen’ny serasera ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, tamin’ny alalan’ny antso antariby, afak’omaly.

L’article Endri-pankalazana :: Mety haverina amin’ny fetin’ny Repoblika ny harendrina est apparu en premier sur AoRaha.

Endri-pankalazana :: Mety haverina amin’ny fetin’ny Repoblika ny harendrina

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama  

Nanao hetsika fanakanan-dalana ny mponina eny amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro, omaly, noho ny fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana maharitra. Nanapa-kevitra hamatsy rano ny mponina avy amin’ny fizaran-drano entin’ny kamiaobe ny Jirama.Manao tohivakana ny olana momba ny fahatapahan-drano eto an-dRenivohitra. Tsy ny famatsian-drano isan-tokantrano ihany fa hatramin’ny paompin-drano iraisan’ny vahoaka. Omaly, nitrangana fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana naharitra ka nampihetsika ny mponina ao amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro. Voalazan’ny mponina sy ireo mpianatra fa hatramin’izay, mandeha kely ihany ny paompin-drano amin’ny alina ka manararaotra mantsaka ny olona. Tao anatin’ny herinandro farany, tsy nisy rano na andro na alina ka sahirana ny vahoaka. Izay afaka mampantsaka, any amin’ny 1 km vao mahita vovo hakana rano. Tsy vitsy koa ny misafidy ny rano eny an-tanimbary izay tsy manara-penitra.Nanakana ny lalana ireo mponina nandahatra ny “bidon” mavo ka nampikatso ny fifamoivoizana. Nidina an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ary niantso ny tomponandraikitra ny Jirama hijery ny olana. Tonga teny an-toerana ny mpiasan’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano nizaha ifotony ny zava-misy. Mandra-pahita ny vahaolana maharitra, nanapa-kevitra ny hamatsy rano ny mponina amin’ny kamiao lehibe izy ireo.Misy fotodrafitrasa famatsiana ho vitaVahaolana maharitra ny fametrahana fotodrafitrasa famatsian-drano vaovao afaka mamokatra rano 100 m toratelo isan’ora eny Amoronankona. Vinavinaina ho vita afaka volana vitsivitsy ny asa eny an-toerana. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa mikaikaika amin’ny fahatapahan-drano matetika ny toerana avo nefa be mponina. Ny faritra miala ny Renivohitra, efa maro no misafidy ny hanao vovo hialana amin’ny fahatapahan-drano matetika. Mila teknisianina manokana anefa ny fitrandrahana rano any ambanin’ny tany sady tokony hokojaina hikajiana ny kalitaon’ny rano.Vonjy A. L’article Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha teo aloha, Ravalomanana: “Aoka hajaina sy arahina ny lalàna…”

Nitondra ny heviny.  “Rehefa lalàna dia lalàna. Antony tena ilàna ny mpanohitra sy ny hampiharana ny demokrasia  izany hahafahana milaza ny marina.  Hanaja ny lalàna, hanaja ny lalàmpanorenana, hanaja ny zon’olombelona”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana  Marc.  Anisan’ireo  nasaina  tamin’ny fetim-pirenen’i Soisa natao teny Ambohibao, afakomaly ny tenany sy ny ben’ ny Tanàna,  Ravalomanana  Lalao. Ankoatra izany, nambarany fa matoky ny tenany sy ny vahoaka fa hanana ny maha izy azy ity fifidianana ben’ny Tanàna ity.Notsiahiviny avy eo ny fitsidihana  nataony tany ivelany ka nilazany fa nahita ny tena marina tany amin’ny “Vondrona eoropeanina” (UE) ny  tenany.  “Fantatro ny marina tamin’ny  fifidianana filoham-pirenena.  Tena mampalahelo sy mahamenatra ary mahatezitra. Tsy vitan’izany fa tena mahasosotra satria any ivelany indray no mahalala ny tena nisy”, hoy izy.Miantso fifampiresahana amin’ny mpitondra Tsiahivina fa efa nanambara ny fahavononany ny  sehatra iraisam-pirenena hanampy sy hanohana an’i Madagasikara, saingy nametraka fepetra, araka ny tatitra nataon-dRavalomanana, ny herinandro teo tetsy Bel’Air. « Tsy maintsy hapetraka aloha ny tena demokrasia sy ny fifampitokisana, indrindra ny fitoniana politika. Ilaina  ny mifampiresaka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Miandry izany ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy  izy.Synèse R.  L’article Filoha teo aloha, Ravalomanana: “Aoka hajaina sy arahina ny lalàna…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…”

Nidina ifotony nijery ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo  sy  ny manodidina ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, omaly. “Anton’ny fijerena ety tahaka izao  ny fandrindrana ny asa miaraka amin’ny teknisiana mba tsy hisy ny tandrametaka fa asa tokony hamaha  tanteraka ny olana rehetra… Efa  mandeha ny fanamboaran-dalana rehetra amin’izao  fotoana  izao… Manodidina ny  35% ny asa vita ho an’ny toerana  sasany. Tombanana fa ho vita mialohan’ny faran’ny taona avokoa izy rehetra”, hoy  izy.  Niara-dia tamin’ny minisitra ireo teknisianina eo anivon’ny minisitera sy ireo orinasa misahana ny fanamboaran-dalana. Nambarany fa tsy maintsy atao ny fandrindrana  izany mba tsy hiteraka fikorontanana eo amin’ny asa.  Efa hiatrika ny fotoam-pahavaratra rahateo  isika ka tsy maintsy miomana dieny mialoha hialana amin’ny mety hiakaran’ny rano. Ankoatra izany, niaiky ny minisitra fa misy ihany ny fahasarotana amin’ny fanamboarana ny lalana Antanimena mihazo an’Ankorondrano.Azo ampiasaina amin’ny fahatongavan’ny papa François…Tsy maintsy hafindra ny andrin-jiron’ny Jirama na koa ny taribin’ny orinasam-pifandraisana na koa  ireo fotodrafitrasa hafa hokitihina. Eo koa ny fivarinan’ny rano sy  ny rano maloto. “Na izany aza,  hiezaka ny orinasa  mba ho azo ampiasaina amin’ny fandraisana ny papa  François izany. Hohatsaraina indray aorian’izany avy eo”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo  Hajo.  Ho azon’ny fiara efatra, roa  mandroso sy miverina izany lalana  izany.Synèse R. Mirefy 47 km ny lalana amboarina eto Antananarivo  sy ny manodidina. Mitsinjara ho efatra izany, ahitana ny RN4 : Gara Soarano-Mahazo  sy Andravoahangy Ambony-Sabotsy Namehana. Ny RN4 kosa, Soarano  hatreny Imerinafovoany. Miainga eo Soarano mihazo an’i Mandriamena ho an’ny RN7 ary ny RN1 kosa, “Rond-point” Anosy mihazo ny tetezana Ampitatafika ary koa ny lalana Itaosy hatreny amin’ny tetezana Ampasika sy ny Cité Itaosy ary Avarabohitra. L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Betsiboka: tantara sisa ny tanimbary any Marovoay

Potika tanteraka ny fotodrafitrasa momba ny fambolena any Marovoay, anisan’ny sompitra iray lehibe eto Madagasikara, nefa tany amin’ny Repoblika voalohany ny lazany farany amin’ny maha mpamoka-bary azy. Ny « station de pompage » misintona rano avy any Amboromalandy, efa simba hatramin’ny taona maro, ireo lakandrano lehibe sy kely manondraka tanimbary, tototry ny fasika avokoa. 10 000 ha ny velarana tanimbary any Marovoay, nefa zara raha misy 1500 ha sisa ny azo volena noho ny fahanteran’ny  fotodrafitrasa.Manahirana tanteraka ny rano, “moto pompe” kely ireny sisa, ho an’izay manana, ny ampidiran-drano. Izay mahakasika rehetra momba ny fambolem-bary, manahirana avokoa raha ny any Marovoay.  Hafa tamin’ny andron’ny Fifabe (Fikambanana fampandrosoana ny lemak’i Betsiboka), namoka-bary ny kaominina rehetra ao anatin’ny distrika : Marovoay, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona, Antanimasaka. Nanana tanimbary tamin’ireo toerana ireo avokoa ny Fifabe, ankoatra ny an’olon-tsotra. Tantara sisa izany ankehiriny. Voalaza aza fa natao lavanty ireo tanimbarin’ny Fifabe, tamin’ny taona 2015, satria matiantoka  nidiran-trosa.Isaky ny fampielezan-kevitra, filoham-pirenena sy solombavambahoaka, nampanantena ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ireo nilatsaka hofidina. Vita ny fifidianana, veloma hatreo i Marovoay ! Angamba andrasana famatsiam-bola avy any ivelany indray, toy ny ataon’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) any Bas Mangoky. R.MathieuL’article Faritra Betsiboka: tantara sisa ny tanimbary any Marovoay a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Firehetana tetsy manarintsoa :: Kilan’ny afo ireo trano enina niaraka tamin’ny fiara sy môtô

Nitrangana hain-trano indray, teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, omaly vao maraim-be. Ravan’ny afo ny trano hazo enina tafo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. May ihany koa ny môtô roa sy bisikileta telo ary fiara roa efa tsy miasa intsony. Nieren-doza ireo tompontrano. Soa fa tsy voakitika ny trano hafa teo amin’ny manodidina. Ny mponina teny antoerana no niara-nisalahy namono ny afo teo am-piandrasana ny sampana mpamonjy voina. Tonga teny ihany koa ny mpitandro filaminana. Vao tsy ela no nisy haintrano tahaka izao teny Manarintsoa Isotry. Mifanakaiky amin’ireo trano am-polony nirehitra, tamin’ny 11 jona lasa teo, ireto tra-doza omaly ireto. Olona maromaro mpihavana, samy manana orinasa kely fanamboarana kiraro sy paoketra vita amin’ny hoditra, no mipetraka ao amin’ireo trano enina tafo. Tamin’ny dimy ora maraina teo ho eo no niantomboan’ny loza. Nampiitatra ny firehetana ny trano hazo sy ny fisian’ny entana maro tao an-trano. Afon-tsaribao “Tombanana ho avy tamin’ ny afon-tsaribao tao an-tranon’ ny olona nahandro sakafo maraina no niavian’ny firehetana. Hoditra nalona tao anaty rano sisa no avotra tao amin’ilay orinasa kely lasibatra. Simba ny entana efa vita rehetra”, hoy ny tompon’andraikitra iray eny amin’ny fokontany Manarintsoa. Matetika ny hain-trano, indrindra ireo nahamaizana trano hazo tahaka izao teto an-drenivohitra, tao anatin’ny volana sy andro vitsy izay. Trano dimy amby roapolo no ravan’ny afo teny Anosibe Mandrangobato I, tamin’ny harivan’ny talata teo. “Fanindroany izao ny haintrano tety aminay, tao anatin’ ny roa volana monja. Tsy maintsy hisy ny fanentanana hataonay amin’ny tokony hitandreman’ny olona ho fisorohana ny loza”, araka ny nambaran’ny tompon’ andraikitra eny amin’ny fokontany Manarintsoa hatrany. L’article Firehetana tetsy manarintsoa :: Kilan’ny afo ireo trano enina niaraka tamin’ny fiara sy môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fandaharanasa PEJAA: 870 tapitrisa Ar ho an’ny tanora tantsaha miisa 35

 Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly tany Antsirabe, ireo tanora tantsaha mpandraharaha miisa 35 mianadahy. Niofana nandritra ny herintaona izy ireo, mikasika ny fandraharahana amin’ny fambolena ao anatin’ny Fandaharanasa ho an’ny tanora hampiroboroboana ny orinasa miompana amin’ny fambolena sy ny fanodinam-bokatra (PEJAA). Namolavola azy ny governemanta malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep).Nandritra ny herintaona ny fiofanana, ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 35 taona, manana ny mari-pahaizana licence, mavitrika ary manana hevitra sy tetikasa mikasika ny fandraharahana amin’ny fambolena. Avy any amin’ny faritra 22 izy ireo, niofana momba ny asa tany amin’ny Fifamanor Antsirabe.Nandrafitra tetikasa miisa 27Miisa 27 ny drafitrasa narafitr’izy 35 mianadahy. Hoentin’izy ireo hanatanteraka ny tetikasany avy, namatsy vola mitotaly 870 340 000 Ar ho an’ity andiany voalohany sady filamatra ity ny banky BNI, miendrika fampindramam-bola, saingy kely ny tahan’ny zanabola. Miaraka manara-maso ny fanatanterahana ny tetikasa tsirairay ny PEJAA sy ny BNI.Nahafahana nanatontosa ity fandaharanasa PEJAA ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampiroboroboana ny fambolena sy ny fanodinam-bokatra. Mitentina 7,23 tapitrisa dolara ny fandaharanasa ka fanomezana tsy onerana ny 6,23 tapitrisa dolara, ho an’ny PEJAA, hanohanana vola ny tetikasan’ny tanora.Nampahafantarina nandritra ity fotoana tany Antsirabe ity koa ny andiany faharoa manaraka.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Fandaharanasa PEJAA: 870 tapitrisa Ar ho an’ny tanora tantsaha miisa 35 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

“Famerenana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay ihany ny antoka ahafahantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana ”, hoy ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (Acmil), omaly nandritra ny lanonana famoahana ny “Fandresena 2019”. Naneho ny fahavononany  ny filoha hanampy hahamendrika hatrany ny Akademia miaramila satria hisahana andraikitra ambony ireo manamboninahitra mivoaka ao. Naneho fankasitrahana manokana ny filoha Rajoelina kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fampitaovana ary efa hita fa mihena ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra sasany. Afaka miatrika ny fivelomany ny mponina.Marihina fa nivoaka tamin’izany ny andiany mivantana faha-40 nitondra ny anaran’ny “Général de brigade Andranaivo Raymond”, ahitana manamboninahitra miisa 55 ka vehivavy ny enina amin’izy ireo nandritra ny “Fandresena 2019”. Notsofin-drano ara-miaramila ireo andiany mivantana faha-42 sy ny famindrana sabatra tamin’ny andiany faha-41. Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 “Andraina”. Ankoatra izany,  notokanana ny efitrano filanonana “Farimbona” sy ny “sale d’honneur” ary ny trano famakiam-bokin’ny  Acmil.J.C L’article Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 18.08.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 18.08.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Situation covid-19 du jour Sur les 764 tests effectués ces dernières 24 heures, 123 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus selon le bilan sur l’évolution de la pandémie de covid-19 rapporté ce 17 août. Ainsi, Madagascar compte actuellement 14009 contaminations depuis l’apparition de ladite pandémie dans le pays. Ce jour, ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Bongolava avec un total de 40 cas. Toutefois, certaines régions sont également encore actives, dont Analamanga avec 22 cas, Vakinankaratra avec 19 cas, Diana avec 14 cas, Alaotra Mangoro avec 7 cas, Sofia avec 7 cas, Matsiatra Ambony avec 6 cas, Boeny avec 3 cas, Atsinanana avec 3 cas et Ihorombe avec 2 cas. Ce jour, 164 malades ont recouvré la santé après avoir reçu les soins adéquats durant leur prise en charge au sein des Formations Sanitaires ou à domicile. Au total, la Grande Île enregistre 12767 cas de guérison soit 91,13%. Par contre, 1069 patients sont encore en cours de traitement, dont 89 sont malheureusement en état critique. Par ailleurs, 2 nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le territoire malagasy compte officiellement 173 morts dus à la covid-19.   L’article Covid-19: Situation du 18.08.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Midi Madagasikara

Toamasina : Zaza main’ny herinaratra, tamin’ny kilalao « auto-tamponeuse »

Ny harivan’ny alahady 16 jona teo izay fotoana somary naharatsy ny andro ka niteraka rivotra sy orana, dia zazalahy iray eo amin’ny 05 taona teo no main’ny herinaratra tamin’ity toeram-pilalaovana « Auto-Tamponneuse », teo akaikin’ny lapan’ny tanana. Niaraka tamin’ny zokiny ity zazalahy kely main’ny herinaratra ity nandritra izany, ka ny fahitan’ny zokiny azy nihindritsindritra tao anatin’ilay fiara kely no nanaitra azy. Niezaka nisintona azy ny zokiny noho ny fahatsapany fa herinaratra tamin’ny fiara kely mifandondona no nahavoa ny zandriny, ka teo am-pisintonana azy iny izy dia niara-nipitika izy roa lahy. Tsy nahatsiaro tena ity zazalahy 05 taona taorian’izay ary nentina haingana teny amin’ny hopitaliben’i Toamasina notsaboina. Avotra soamantsara ny ainy, tsy nisy fiantraikany tamin’ny fony sy ny ati-dohany koa ilay herinaratra, fa ny retsika amin’ny fihetsehana amin’ny vatan’ilay zazalahy no nisy voan’ilay herinaratra izay miteraka fahalemena amin’ny vatany ankehitriny. Mitaraina noho ny tsy fandraisana andraikitra an’ilay tompon’ny « Auto-Tamponneuse » ny fianakavian’ity zazalahy main’ny herinaratra ity, na ny fitondrana ilay zaza teny amin’ny hopitaly, na ireo fanafody marobe tsy maintsy novidiana, na ny famangiana fotsiny ihany aza, tsy mba nataon’izy ireo akory hatramin’izao. Efa nandray ny fepetra mikasika ity toeram-pilalaovana eo anoloany ity ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny prefektiora, ka efa nasaina niala avokoa izy ireo amin’izao ; izy ireo izay efa nipetraka teo amin’ity toerana manoloana ny lapan’ny tanana ity hatramin’ny fialan-tsasatry ny paska lasa teo. Raha ny angom-baovao anefa dia io fialan-tsasatry ny paska io ihany no fotoana tokony nijanonan’izy ireo teo, fa noho ny kolikoly nataon’ny tompony tamin’ny ekipan’ny ben’ny tanana naato dia izy ireo nitohy sy lasa tompon-toerana teo anoloan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina io. Malala DidierL’article Toamasina : Zaza main’ny herinaratra, tamin’ny kilalao « auto-tamponeuse » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ankifonofono, kihonohono… mamono

Mbola mety misy ihany ve, sanatria, ny ankifonofono amin’izao ady mafy amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao? Nahabe resaka sy nampiaka-peo ny sasany talohaloha teo, ohatra, ny amin’izay hoe fangaraharan’ny fitantanana ny famatsiam-bola sy ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombona antoka. Soa ihany, efa nisy ny tatitra. Mbola hisy ihany ny mila kisa? Ary ny amin’ny ady mivantana amin’ny valanaretina? Tsy ilaozan’izay tsy mahazo resaka any ho any… Na ny ny momba ny tsimokaretina Conoravirus, na izay atao sy fomba isorohana azy ary iadiana aminy. Na ny fanefitra sy ny fanafana amin’izany aza, mbola mampanontany tena ny sasany: mahomby sa tsia? Tsy ampy ny fanazavana sa misy ny tsy mahazo resaka na minia tsy miraharaha? Tsy vitan’izany, eny ho eny ihany, ohatra, ny tsy ma­naraka fepetra. Tsy mety ho tan-dalàna? Misy hatrany ny tsy manao aron-tava, tsy manasa tanana matetika. Tsy misy miraharaha firy izay elanelana iray metatra eny an-dalambe, an-tsena… Inona ny andrasana, rahoviana vao hahatsiaro tena? Efa iaraha-manaiky sy miaina isan’andro izao fa tsy hita maso ny fahavalo, tsy mifidy olona, mamono… Amin’izany, misy ihany ny kihonohono, hanamarinan’ny sasany tena amin’ny hevi-disony, ny fomba fijeriny, ny toetra amam-pomba ratsiny. Tsy marina, hono, ohatra, ny tarehi­marika mivoaka. Mety ho marina izay fa misy ny marary mamonjy avy hatrany dokotera, ohatra, na antony hafa. Na izany aza, famendrofendroana sy fanakorontanana no be ao an-doha fa tsy fisorohana sy fialana ny kifonofono. Loza iray, loza roa: mbola misy ve tokoa ve ny ankifono­fono, hany ka mandaitra amin’ny sasany kihono­hono… ma­mono? Mandreraka ny hafa tsinona, mandemy, mana­kivy, manakorontana aza. Misy ny maty ho azy amin’izany, sana­tria? Aleo mitandrina izay lazaina, mandinika sy mamaka­faka izay re. Mamono ny ankifonofono sy ny honohono amin’ity ady anaty akata… aretina. “Aza misoka-bava raha tsy azonao antoka fa tsara no ho ny fanginana izay holazainao”, hoy ny ohabolana arabo izay.Rafaly Nd.L’article Ankifonofono, kihonohono… mamono a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby
17/09/2020

Manao sesilany ny fanomezana fampiofanana avy amin’ny Komity olympika malagasy sy ny FMHMC (Fédération Malagasy d’Haltérophilie de Musculation et de Culturisme). Hiditra an-tsehatra, manomboka anio, amin’ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, ny eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Etsy amin’ny foiben’ny Malagasy Rugby Ankorondrano ny hanaovana izany, raha ny fanazavana, raha toa ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ireo hiofana.Ho an’ny taranja Escrime kosa, miditra amin’ny andro fahenina ny fiofanana etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tsy maintsy miatrika fanadinana ireo mpiofana ka izay afaka ihany no mahazo ny diplaoma, hozaraina amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Omaly, nanomboka niditra bebekokoa tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Tsiahivina, 14 mianadahy ny hizarana traikefa ho mpanazatra “niveau 1” eo amin’ity taranja Escrime ity. Mi.Raz  L’article KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby a été récupéré chez Newsmada.

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono
24/09/2020

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray
19/09/2020

Fotoana fohy taorian’ny niaingany tao amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabe, nidoboka tamin’ny tranon’olona iray, ao Tsarafiraisana, Ambano Antsirabe II, omaly antoandro, ny fiaramanidina kely iray. Naratra mafy tamin’izany ilay mpanamory sy mpianatra ho mpanamory tao anatiny.Nitrangana lozam-piaramanidina tao Antanivao Tombon­tsoa, fokontany Tsarafiraisana, kaominina ambanivohitr’Ambano, distrikan’Antsirabe II, omaly tamin’ny 12 ora sy 10 mn. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny talem-paritry ny Polisim-pirenena ao Vakinankaratra, fiaramanidina kely iray mitondra ny laharana 5RMKX no nianjera teo an-tokotanin’olona eo amin’io toerana io raha nikasa hihazo ny seranam-piaramanidina Antananarivo Ivato. Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidin’ Antsirabe ity fiaramanidina ity tamin’ny 11 ora sy 40 mn ka vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ny mpanamory sady mpampianatra ny niaraka aminy. Ireto olona roa ireto irery no tao anatin’ity fiaramanidina ity, araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Vao niainga kelikely anefa ilay fiaramanidina ka tamin’ny 12 ora sy 5 mn, fantatra fa nisy olana teknika tao amin’ny moterany ka nitarika ny fianjerany tao amina tokotanin’olona iray. Vokany, potipotika tsy nisy noraisina ilay fiaramanidina kely, nilatsaka mihitsy ny moterany. Naratra mafy ilay vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ilay mpanamory niaraka aminy.Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana…Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fizahana ny zava-nisy ny talen’ny fibaikoana ny Filaminam-bahoaka faritra Vakinankaratra sy ny lehiben’ny kaomisaria foibe Antsirabe, niaraka amin’ireo polisy miasa ao an-toerana. Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio ireto olona roa naratra ireto, saingy tsy misy atahorana kosa ny ainy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy ireo ary efa mahatsiaro tena. Nieren-doza ihany koa ireo olona tao amin’ny toerana nianjeran’ilay fiaramanidina. Ny elatra havian’ilay fiaramanidina no nahakasika ny trano ka nitarika ny fahasimbana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana rehetra momba ity fianjerana fiaramanidina ity. Ahina ho tsy fahampian’ny tosika teo amin’ny motera teny am-piaingana no nitarika ny loza, saingy ny valin’ny fanadihadiana rehetra ny hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.Jean ClaudeL’article Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… »
19/09/2020

Nitohy tany Sambava indray ny fidinana ifotony naton’ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nitokana fotodrafitrasa maromaro ny tenany sady nitondra fanampiana koa. “Tsy ho faritra tara intsony tahaka ny teo aloha i Sava sy i Sambava. Manao fanamby isika fa fotoana hampandrosoana ity distrika ity izao. Tsy maintsy hotanterahina ireo fotodrafitrasa efa nampanantenaina ho an’ny faritra”, hoy izy tany an-toerana. Notokanana tamin’izany ny Hotel des Finances ao Besopaka. Fotodrafitrasa manafaingana ny raharaham-panjakana. Eo ny fanomezana fisotroan-dronono, karaman’ny mpiasam-panjakana, ny hetra sy fadin-tseranana.Nampiasa ny CVO + “gelule”Nankahery sy nanome ny tamby fandrisika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Hopitalibe koa ny filoha mivady. Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny hopitaly, ahitana ireo fitaovana manara-penitra ahafahana haingana mamonjy aina ny tenany. Natolotra koa ireo “extracteur d’oxygène” miisa 50 handraisana ireo marary manana fahasarotana. Voalohany nisitraka ny « gelule CVO + » koa ny any Sambava. “Ho mora atelina sy ampiasaina kokoa ny CVO + mitaha amin’ny tambavy CVO ka antony namoronana azy io”, hoy ny filoha. Nijery ny fanamboarana ny lalana “pavet” sy “beton” eo an-tampon-tanàna sy ny manodidina koa ny tenany.Vatsy tsinjo sy Rakibolana ary kamiaoNotoloran’ny filoha fiara tsy mataho-dalana miisa roa koa ny faritra Sava ka ho an’ny distrikan’Andapa sy i Sambava izany. Manampy ireo ny “ca­mion benne” sy “benne” miisa dimy ho an’ny kaominina Sam­bava. Nifarana tamin’ny fanolorana Vatsy tsinjo avy aminy sy ny fanolorana milina fanjairana ary ny fizarana Rakibolana ho an’ny kilasy T5 sy T9 ny fitsidiham-paritry ny filoha mivady tao Sambava.Synèse R.L’article Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… » a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Kianja baolina kitra :: Miandry ny CAF ny fankatoavana an’i Barikadimy
21/09/2020

Manao ny ezaka rehetra mba hahazoana ny fankatoavan’ny Kaonfederasiona afrikana amin’ ny taranjana baolina kitra (CAF) amin’ny kianja any Barikadimy (Toamasina) ry zareo ao amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Fepetra fototra hahafahana mandray ny lalao iraisam-pirenena hampiantranoan’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea ny Elefanta Ivoriana io fankatoavana io, mandritra ny lalao miverina hatao eto amintsika ao anatin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN. Hiankina amin’ny fisokafan’ ny sidina iraisam-pirenena miditra eto Madagasikara no fotoana hahatongavan’ny ekipan’ny CAF, izay hanome fankatoavana na tsia an’ izany kianja any Barikadimy izay, raha ny nambaran’i Victorien Andrianony, filoha vonjimaikan’ny FMF. Maromaro ireo teboka takian’ ny CAF fahatomombanana amin’ io kianja io: ny lafiny fandriampahalemana, ny efitrano fisoloana akanjo ho an’ireo mpilalao sy mpitsara, ny fahazavan’ny kianja amin’ny lalao hatao amin’ny alina, ny fahalalahan’ny lalana mamonjy ny kianja ary ny hamaroana sy halalaky ny vavahady fidiran’ny mpijery. Nohamafisin-dRazafimamonjy Jocelyn, mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny FMF, fa « mila manaraka tsara an’ireo fanamarihan’ny CAF ny firenena izay mitaky fankatoavana kianja, mialoha ny hanomezany ny fankatoavana ». Volana maromaro izao no nisian’ny asa fampanaraham-penitra iraisam-pirenena ny kianjan’i Barikadimy. L’article Kianja baolina kitra :: Miandry ny CAF ny fankatoavana an’i Barikadimy est apparu en premier sur AoRaha.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski
23/09/2020

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.