e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI

News - e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI

News - e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI

Ho tombontsoan’ny mpikambana. Tontosa ny 14 septambra 2020 teny Antaninarenina  ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale)  sy ny DGI (Direction Générale des Impôts) momba ny « e-salariés ». “Na eo aza ny lalàna  dia mbola eo amin’ny  10 hatramin’ny 12 % ny orinasa  izay tokony hanao  ny filazana eo anivon’ny CNAPS ihany no mbola manao izany sy mbola mpikambana ao anatin’ny CNAPS ankehitriny”, hoy ny  talen’ny serasera eo anivon’ny CNAPS,  Ratsimbaharison .Araka ny fanazavany fa “taloha  ny mpampiasa manao filazan-karama mitokana, manao filazan-ketra mitokana”. “Rehefa mipetraka sy mandeha ity e-salariés” ity dia indray mandeha ihany ny mpampiasa no manao filazan-karama eny amin’ny Cnaps sy ny filazan-ketra eny amin’ny DGI. Midika izay fa mihamora ny fanatanterahana izany zavatra izany”, hoy izy.

Tombontsoa

Nambaran’i tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy fa “eo ny hoe teren’ny lalàna kanefa ho anay eo anivon’ny CNAPS: tena zava-dehibe ny fahatsapan’ny mpikambana fa misy ny tombontsoany  ny maha mpikambana azy”. Ezaka lehibe  atao miaraka amin’ny fitondram-panjakana hoy izy  ny fampahafantarana izay tombontsoa izay ho fanamorana ny fahafahan’ny mpikambana misitrika ny tolotra eo anivon’ny tahirim-pirenena ho fitsinjovana ny ara-tsosialy. Anisany anton’izao fiarahamiasan’ny roa tonta izao ny fanafoanana tsikelikely ny fikirakirana  ny taratasy sy fidirana  tsikelikely amin’ny teknolojia vaovao. Ho tsotra ho an’ny mikambana eo anivon’ny CNAPS ny mijery ny mombamomba ny mpampiasa sy ny mpiasa eo amin’ny lafiny filazan-karama sy filazan-ketra. Nohamafisiny fa “tombontsoan’ny fiarahamiasa  ihany koa ny fahafahana mikirakira ny vaovao indray mandeha.  Ny mpampiasa misoratra eo anivon’ny DGI dia lasa misoratra eo anivon’ny CNAPS. Lasa fikirakirana vaovao mitambatra raha taloha samy manana  vaovao sy antontan’isa ny tsirairay”. Ankoatra izany, lalana iray ahafahana mizotra mankany amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fampidiran-ketra sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fiahiana ara-tsosialy “e-salariés”. Amin’ny telovolana voalohany amin’ny taona 2021 no ho azo ampiasaina ity tolotra ity ary ho hita ao amin’ny tranokalan’ny “e-hetra” an’ny sampandraharahan’ny hetra.

Nirina R.

Cet article e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI est apparu en premier sur déliremadagascar.

e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI

L’article e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tolo-dalana eny Tsimbazaza: ho mailo amin’ny satan’ny mpanohitra ny Antenimiera 

Hanao ahoana ihany ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana? Ho mailo sy hitandrina ny Antenimierampirenena… “Mila mailo sy mitandrina tanteraka isika. Satria zava-dehibe loatra izy io eo amin’ny fiainana ara-politika sy demokratika eto amin’ny firenena.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana tamin’ny fanombohana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena.Tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka izy io, hanitsiana ny andininy sasany amin’ny lalàna lah. 2011-013, tamin’ny 9 septambra 2011. Mametraka andraikitra makadiry amin’ny Antenimierampirenena izany. Hafonja ny adihevitra, ary ny irariany: mba ho adihevitra parlemantera, ka ho tombontsoam-pirenena irery ihany no hanapahan-kevitra.Tsy afa-misaraka amin’ny rafitra ao amin’ny Antenimierampirenena io lalàna io, araka ny And. 76 Andl 2 amin’ny lalàmpanorenana. Mibaiko amin’izany ny foto-kevitra araka ny soatoavina na ny kolontsaina na ny adihevitra demokratika parlemantera.Mba ho antsipiriany ny fandaharanasan’ny governemanta “Fandaharanasa hotanterahina no hovelabelarina, ka ny fangatahan’ny solombavambahoaka: tsara raha somary miditra lalindaliana na amin’ny antsipiriany amin’ireo tetikasa hatao, miaraka amin’ny maridrefy”, hoy izy momba ny fanoloran’ny Praiminisitra ny fandaharanasan’ny governemanta  miainga amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hahazoan’ny solombavambahoaka mandrefy ny zava-bitan’ny governemanta izany.Tsara homarihina ny fanombohana ny asa, ny fizotran’izany, ny fe-potoana hanatanterahana izany sy ny tanjona.Haverina  ny hasin’ny Antenimierampirenena Famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena, fametrahana ny fangaraharana amin’ny amin’ny asa atao, fanajana ireo lalàna sy didim-panjakana ary didim-pitondrana isan-tokony… Ireo no hanatsarana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Tsy ambanin-javatra koa ny fitsinjovana ny tamberin’andraikitra amin’ny solombavambahoaka. “Tokony ho hita taratra ao amin’ny fitsipika anatiny tsara ireo foto-kevitra ireo, mibaiko ny solombavambahoaka “, hoy izy.Haharitra 12 andro ireo fotoam-pivoriana tsy ara-potoana. Raha vita alohan’izany ireo lahadinika telo loha ireo, faranana avy hatrany ny fivoriana.R.Nd. L’article Tolo-dalana eny Tsimbazaza: ho mailo amin’ny satan’ny mpanohitra ny Antenimiera  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.Landy R.  L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

BEPC: hifarana ny 19 avrily ny fisoratana anarana

Hifarana ny zoma izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana BEPC raha efa nisokatra ny 14 janoary lasa teo. Ho an’ny mpiadina atolotry ny sekoly, aterina any am-pianarana ny antontan-taratasy ka ny tomponandraikitra no manatitra izany eny amin’ny Cisco miahy azy. Ho an’ny mpiadina miahy tena kosa, aterina any amin’ny CEG hiadinana ny antontan-taratasy. Manaraka toromarika manokana izy ireny. Ho an’ny CEG Ankadikely, Zap Ankadikely, efa nilamina ny antontan-taratasy rehetra ho an’ny mpiadina manodidina ny 280 hiatrika ny BEPC, amin’ny volana septambra, araka ny fanazavan’ny talen’ny CEG, i Lalao Aimé, omaly. Efa mampiditra ny antontam-baovao ao anaty ordinatera ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Vita ny 55% amin’ny fandaharam-pianarana ary mbola malalaka be ny telo volana fahatelo -efa-bolana) hamitana azy tsara miaraka amin’ny fizarana. Tsapa fa nidina kely ny fari-pahaizan’ny mpianatra tao anatin’ny telo volana faharoa satria nihazakazaka ny mpanabe. Mbola azo arenina amin’ny telo volana fahatelo avokoa izany, hoy izy.Mbola manavia  ny kajy sy ny FrançaisHo an’ny EPP Antanandrano, Zap Ankadikely Andrefana kosa, vonona ary efa naterina eny amin’ny tomponandraikitra ny antontan-taratasy ho an’ny mpiadina 100 eo ho eo hiatrika ny CEPE. 48% amin’ny fandaharam-pianarana no tontosa, hoy ny talen’ny EPP Antanandrano, Rajoarihery Victor. Mbola azo lazaina fa mananosarotra ho an’ny mpianatra ao amin’ny likasy 7ème ny taranja kajy sy ny Français nefa mbola misy fotoana maharitra mialoha ny 27 aogositra, fotoana iatrehana ny CEPE. Izay rahateo no ilana ny fanadinana andrana hotontosaina ny volana mey sy jona karakarain’ny Zap sy ny Cisco hitsapana ny taranja mbola mila fanamafisana mialoha ny fanadinana.Vonjy A. L’article BEPC: hifarana ny 19 avrily ny fisoratana anarana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Rajoelina: « Mila filoha mijery ny sosialim-bahoaka ny firenena… »

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny mpanorina ny IEM eny anivon’ny fokontany. Nijery ifotony ny olana ary namaha izany avy hatrany ny tenany manoloana ny hetahetan’ny mponina. Anisan’ny fokontany notsidihiny ny eny Ambohimanarina, nitohy eny Andraisoro sy eny  Tsarahonenana iny. Namakivaky elakela-trano ary nitafa mivantana tamin’ny mponina. « Tsy maintsy filoha Rajoelina Andry na fihodinana voalohany na faharoa na fahatelo. Mila filoha tanora i Madagasikara. Tsy ilaina intsony ny « veteran »… Ilaina ny filoha mijery ny fahasahiranam-bahoaka tsy mijanona anaty birao eny Ambohitsorohitra sy Iavoloha fotsiny”, hoy ny lahateniny amin’ireo vahoaka niatrika izany. Nijery ireo lalana “pavé” namboariny eny amin’ny boriborintany fahenina, fony ben’ny Tanàna, izy ka nambarany fa tsy voakojakoja intsony izany. Fandraisana andraikitra dieny izao… Nampanantena ny hanarenana izany ny kandidà laharana faha-13.Teo koa ny nilazany fa tsy iandrasany ho voafidy ny tenany vao hiasa sy handray andraikitra fa dieny izao izany. “Horaofintsika ny fako. Homena tambiny amin’ny asa tana-maro ireo hiasa hanao izany… Hitankosina amin’ny vahoaka ny mpitondra ary hampandroso ny firenena. Hatao indroa isan-kerinandro ny “Tsena mora” hanalana fahasahiranana ny vahoaka”, hoy ihany izy. Hitohy any amin’ny fokontany hafa indray ny hetsika tahaka izao. Randria  sy Fano  L’article Kandidà Rajoelina: « Mila filoha mijery ny sosialim-bahoaka ny firenena… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra

Nanao fanambarana, tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny tompon’andrikitra eo anivon’ny FC Zanakala Matsiatra Ambony, fa nampindramina hanatevina ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny fotsiny, mandritra ny fiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Elio fa tsy nifindra tanteraka any amin’ity ekipa tompondakan’i Boeny, ity.Nomarihin’ny filazana fa efa nisy ny fifampiresahana, teo amin’ny tompon’andrikitra roa tonta, mikasika io fandehanan’i Elio, any amin’ny Fosa Jr, io. Araka izany, hiverina any amin’ny FC Zanakala, ekipa nisy azy fahiny, i Elio raha vao tapitra ny fifaninanana Afrikanina, ataon’ny Fosa Jr Boeny.Marihina fa anisan’ireo mpilalao najoron’ny mpanazatra, niatrika ny Pamplemousse, ny asabotsy lasa teo, tany Mahajanga, i Elio. Tsiahivina fa efa nanatevina ny Barea de Madagascar, nandray anjara tamin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2020”, farany teo ihany koa i Elio. Traikefa ho an’ity lohalaharana manana ny ho aviny ity, izany rehetra izany. Tompondaka L’article FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta

Nametraka tetikasa vaovao ny ivontoeram-pampianarana mozika, Jejy Music, ho fampivoarana ny tontolon’ny mozika eto Madagasikara sy ho fanohanana ary ho fampisongadinana ireo manan-talenta, araka ny valan-dresaka nifanaovan’ny mpitantana ity sekoly ity tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Andravoahangy Ambony.Tsy misy havahany fa samy homeny tosika avokoa ireo mpiangaly mozika amin’ny karazany rehetra: klasika, jazz, bà gasy, sns. Izany dia amin’ny alalan’ny fikarakarana fampisehoana, fandrindrana ny hira, ny fikarakarana ny lafiny teknika ary amin’ny alalan’ny fanentanana ny olona mba hijery sy hankafy ny talentan’izy ireo.Rehefa misy io sehatra hanehoana talenta io, heverina fa harisika ireo tanora hanatsara hatrany ny fahaizany ka hametraka tanjona amin’izany. Ho sehatra hifanakalozana eo amin’ny samy manan-talenta ihany koa izy ity ka hampivelatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy, amin’ny ankapobeny. Marihina fa efa voaomana ny toerana hanatanterahana ny seho: ny efitra Kintana, ao amin’ny Jejy Music etsy Andravoahangy Ambony; ny efitra Isaac Hamone Auditorium, etsy Isoraka ary toerana hafa, araka izay safidin’ilay mpandray anjara.Ankoatra ity tetikasa vaovao ity, manomana seho maromaro, handraisan’ireo mpikambana ao aminy anjara, ny Jejy Music. Hisantatra izany, ny 27 jolay izao, i Tsiky, vao 15 taona monja kanefa manan-talenta amin’ny fitendrena lokanga. Ny “Lokanga amin’ny endriny rehetra” ny lohatenin’ny fampisehoana hotanterahiny. Hanaraka azy, manomboka amin’ny volana aogositra, ireo mpitendry zavamaneno hafa, toy ny mpitendry gitara miisa 40, hiara-hiaka-tsehatra ny 31 aogositra izao. Ho fantatra amin’ny fotoana manaraka ny toerana hanatontosana izany.Landy R. L’article Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CEPE , BEPC , bakalorea: mari-pahaizana fa tsy diplaoma ny an’ny sekoly katolika

Hiroso amin’ny fanadinana andrana CEPE sy ny BEPC ny sekoly katolika manerana ny Nosy,  ny volana aogositra ho avy izao ary ny volana septambra kosa ho an’ny fanadinana bakalorea. « Hanomezana mari-pahaizana avy amin’ny tompon’andraikitra misahana ny sekoly katolika ny fanadinana », hoy ny tomponandraikitra, mopera Ranaivoson Jules, tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray. Tsy mahasolo ny diplaoma omen’ny fanjakana anefa ity mari-pahaizana ity fa ilaina kosa handrefesana ny fahaizan’ny mpianatra, araka ny fanazavany ihany. Efa mikarakara fanadinana sahala amin’izao hatrany ny sekoly katolika rehetra manerana ny Nosy hatramin’izay. Mampiavaka azy fotsiny manomboka izao, mitovy avokoa ny laza adina sy ny fotoana hanatanterahana ny fanadinana andrana. Manao fivoriana momba ny fanatontosana ity fanadinana ity ny mpiandraikitra ny sekoly katolika any Toliara.Momba ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) izay natomboka ny taona 2017, nanambara ny mpiandraikitra ny sekoly katolika fa tsy mbola hanova ny fandaharam-pianarana aloha hatreto. Nanome ny soso-kevitra entina hanatsarana ny fanavaozana izy ireo ary any amin’ny tompon’andraiki-panjakana izany amin’izao fotoana izao.Anisan’ny nahazo fanakihanana avy amin’ny ray aman-dreny koa ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana izay hoezahina ho tody amin’ny volana marsa ary mifarana volana desambra, ny taona 2023. Misavoritaka tanteraka ny ray aman-dreny satria mampitombo ny vola mivoaka ny fahalavan’ny andro fianarana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana.Ny sekoly miteny frantsay sy manaraka ny rafi-pampianarana frantsay ka maniry ny hampanala CEPE ny mpiadina 7ème ao aminy koa tsy maintsy miandry ny fanatanterahana ny CEPE, ny 27 aogositra.Vonjy A. L’article CEPE , BEPC , bakalorea: mari-pahaizana fa tsy diplaoma ny an’ny sekoly katolika a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fiaraha-miasa

Niresaka ny olana sedrain’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara tamin’ny Ambasadaoron’i Etazonia, Michael Pelletier sy ny tale jeneralin’ny fandaharanasa amerikana ho an’ny fampandrosoana (USAID), John Dunlop ary ny talen’ny fandraharahana Rakotoniaina Marina ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena, Fiompiana sy Jono, omaly. Hijery ny hampidirana ny tantsaha amin’ny tsena vaovao eto an-toerana sy ny tsenam-paritra ary iraisam-pirenena izy ireo. L’article Fiaraha-miasa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy

Hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny fiara 4×4 an’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa nitondra “agent de securité” ity fiara ity no nifanehatra tamin’ny jiolahy tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nobahanan’ireo olona tamin’ny vatobe sy vatan-kazo ny lalana ka rehefa nijanona ny fiara dia notsenain’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Tsy nisy fananana voaroba kosa na aina nafoy nandritra ity fanakanan-dalana niharo fanafihana ity. Nahazo loharanom-baovao avy hatrany ny zandary momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto ka nametraka ny vela-pandrika avy hatrany. Vokany, noraisim-potsiny ireo jiolahy mpanafika. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.J.CL’article Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty

Nanomboka ny 14 aogositra teo ny fanaovana lavanty ny entana tsy navoakan’ny tompony ao amin’ny fadin-tseranan’i Toamasina. Entana lany fetr’andro ao amin’ny toeram-pitahirizana ao amin’ny orinasa MICTSL sy ny SMMC. Anisan’izany ny lafarinina, ao anaty kaontenera miisa 24. Manamarika ny tompon’andraikitry ny fadin-tseranana Toamasina fa tsy miaraka amin’ireo entana, natao lavanty, ny 14 aogositra ireo, ny lafarinina fa amin’ny 27 aogositra ho avy izao. Amin’ny volana desambra vao tena lany fe-potoana azo ohanina ireo lafarinina ireo, saingy na izany aza, tsy azo hohanin’ny olombelona intsony fa havadika ho sakafom-biby. Fantatra koa fa tsy natao ho an’ny besinimaro ny lavantin’ireo fa natokana ho an’ny orinasa na mpandraharaha manokana misehatra amin’ny famokarana sakafom-biby.Ankoatra ny taratasy mikasika ny hetra, mila maka fahazoan-dalana manokana any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny mpandraharaha na orinasa hanodina azy, ho arofanina tsy hiparitahan’ny lafarinina eny amin’ny tsena.Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be
17/09/2020

L’article Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazam-boho ny « Slow dance »: miditra lalindalina hatrany ny Band dago  
21/09/2020

 Nanana ny vanim-potoana nampalaza azy tokoa ny “Slow dance”, teto Madagasikara. Misy ny mahatadidy fa ao ihany koa ireo tsy niaina niaraka taminy. Ny fahatsapana ireo no hamerenan’ny tarika Bad dago ny lazan’io gadona kanto io.Raha toa ka hadinodinon’ireo mpankafy ny fisian’ny « slow dance » noho ny fibosesehan’ireo gadona hafa loko teto Madagasikara… Tapa-kevitra ny hilofo ho amin’ny famerenana izany an-tsehatra indray i Rivo, i Tahina ary i Jamel. Telo mirahalahy samy zanak’Avaradrano, mivondrona ao anatin’ny tarika Band dago. Tsy nihambahamba ny tarika « Band dago » nanambara fa « tonga ny fotoana hampitana ny faneva ho an’ireo zandry mahaleo mahalasa avy amin’ireo zoky be efa nahavita be tokoa teo amin’ny fiangaliana ny « Slow dance » teto Gasikara”.Fanatsarana hoentin’ny Band dago ny fampivadiana amin’ny fomba kanto sy manaraka ny fitsipiky ny mozika ny « slow dance » amin’ny gadona malagasy ary ny fanatevenana bebe kokoa ny lafiny fandrindrana hanaraka vanimpotoana. Nampiavaka ireo tarika zokiny, ny filalaovana ny « Slow dance » ary mbola tazonin’ny « Band dago » ilay fianjaika ahatarafana hajejoana, izay manome hasina ny mpankafy sy lanja manokana ihany koa ny mozika atosak’izy ireo.Ampahany amin’ireo sanganasa efa vita rindrantsary, ankehitriny, ny « Ho any aminao » ary hivoaka ny volana ambony hitsidika io ny “Anjarako ianao”.Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 2006 no nahazo laka tao am-pon’ireo mpankafy ny fankafizana ny « Slow dance » teto an-tanindrazana, indrindra teto an-kibon’Imerina, tamin’ny alalan’ireo tarika niangaly izany avy any Antsirabe. Anisan’ny hotazonina ilay fomba fihirana sady fandihizana rehefa miantsehatra ny mpiangaly ny « Slow dance », raha ny fanazavan’izy telo mirahalahy.Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto vonona hanandratra avo ny kanto an-kira ry « Band dago » mpanakanto zanak’Avaradrano.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Fanabeazam-boho ny « Slow dance »: miditra lalindalina hatrany ny Band dago   a été récupéré chez Newsmada.

Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira
18/09/2020

Hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Ankaisy i Vaoliny (ilay zaza varira nalain’ny jiolahy an-keriny), rehefa napetrak’ireo olon-dratsy tamina trano vondro (falafa) iray eny an-toerana. Vokatry ny fahitan’ny polisy avy ao amin’ny DRSP Toliara tamin’ny alalan’ny fahazoana loharanom-baovao no nahafantarana ireo jiolahy mpividy zaza varira (zaza bobo). Nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra ireo jiolahy ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo niaraka amin’ny telefaonina finday entin’izy ireo mifandray amin’ireo olona akaiky ilay zaza varira. Araka ny nifanarahan’ny fianakaviana amin’ireo jiolahy, ny talata lasa teo ny fotoana nifanaovana amin’ireo jiolahy ka teo amin’ny Simpa ny toerana hifankahitana eo amin’ireo olon-dratsy sy ilay olona milaza fa mahita mpividy. Nasaina nifampiresaka tao anaty fiara ilay olona milaza fa mahita mpividy sy ireo olon-dratsy ka teo ry zalahy no voasambotry ny polisy. Nandritra ny famotoran’ny polisy ny nahafantarana ny toerana nametrahan’izy ireo an’i Vaoliny. Nambaran’ny polisy fa olona maromaro ny voarohirohy amin’ity raharaha halatra an’i Vaoliny ka isan’izany ireo roa lahy tratran’ny polisy. Marihina fa nalain’ny jiolahy an-keriny ny 17 aogositra ity ankizikely ity tao amin’ny fokontany Beravy, kaominina Belalanda. Mitentina 200 tapitrisa Ar no mody hoe hividianana azy vao nanaiky hanome azy ireo jiolahy. Efa tafaverina any amin’ny fianakaviany ilay zaza varira.CMSL’article Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira a été récupéré chez Newsmada.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, voasambotry ny zandary, ny alarobia teo, teny Analakely, Raveloson Ludovic, antsoina hoe Leva, depiote teo aloha an’i Mahabo, faritra Menabe. Nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny nisamborana azy. Nitsoaka, tsy hita popoka izy, nanomboka ny volana febroary teo, namoahana didy fampisamborana ary izao tratra izao indray.Manoloana izany, naneho hevitra ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny Alliance voahary gasy (AVG), fa tokony handray andraikitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna. Efa nanaitra rafi-panjakana sy ny masoivoho vahiny maromaro ity fikambanana fiarahamonim-pirenena ity. Maromaro ny raharaha maha voarohirohy azy any amin’ny fitsarana, toy ny  fivarotana hazo sarobidy avy any anaty faritra arovana Menabe Antimena, ny raharaha vonoan’olona, sns. Anisan’ny mitory an-dRaveloson Ludovic ny AVG.Nambaran’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa aorian’ny famotorana savaranonando ataon’izy ireo dia halefa hohadihadian’ny zandarimaria any Morondava ity depiote teo aloha voasambotra teny Analakely ity.Njaka A.L’article « Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG a été récupéré chez Newsmada.

Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry
21/09/2020

Hita faty nihantona tao amin’ny trano iray, tetsy Ivandry, ny lehilahy karàna iray, tamin’ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy fantatra hatreto na namono tena na nisy namono izy. Rahalahin’i Moustapha, izay karohina noho ny raharaha fakàna an-keriny, ity namoy ny ainy. Mbola manjavozavo ny zava-nitranga, hatramin’ny omaly. « Efa naiditra am-ponja, teny Tsiafahy, niaraka tamin’ itsy rahalahiny itsy io Karàna hita faty io, nandritra ny Tetezamita farany, teto amin’ny firenena. Voarohirohy tamin’ny fanapoahana baomba teny amin’ny magazay lehibe iray tetsy Tsaralalàna izy roa lahy, tamin’izany fotoana izany », araka ny fanampim-baovao amin’ny mpitandro filaminana. Famotsiam-bola ? « Manomboka ny famotorana  momba an’io Karàna hita faty nihantona io izahay. Tsy vahiny aminay ny anarany satria voatonontonona matetika amin’ny fanaovana trafikana volamena izy sy ny rahalahiny (Naotin’ny fanoratana : Moustapha). Efa heno koa ny anaran’izy ireo tamin’ny raharaha famotsiam-bola mitentina telo hetsy dôlara isan’andro tao amina banky iray teny Antsahavola », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao teny amin’ny Zandarimaria no nahalalana fa isan’ireo karohin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava i Moustapha. « Voarohirohy amin’ny raharaha fakàna an-keriny karàna teto Madagasikara i Moustapha. Nisy nitifitra teny Analamahitsy izy, taona vitsy lasa izay, ka naratra mafy. Lasa nitsabo tena any La Réunion no nialany teto Madagasikara », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria. Ireo Polisy misahana ny heloka bevava (BC), izay manao ny famotorana momba an’izao tranga farany tetsy Ivandry izao, no miahiahy ny amin’ny mety ho fifandraisan’ny zava-nisy sy resaka valifaty. « Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho famonoantena. Ho hita eo ny marina, aorian’ny famotorana », hoy ny BC. L’article Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry est apparu en premier sur AoRaha.

Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina
21/09/2020

Vao ny herinandro teo no nirehitra ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Maninday Toliara. Nirehitra koa afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 mn, ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao amin’ny Bloc Amicale II, Cité Ankatso II…Fahavoazana iray lavaka ny an’ireo mpianatra niharam-boina nandritra ny haintrano mahatsiravina, teny amin’ny cité Ankatso II, afakomaly omaly alina. Ankoatra ny trano kila hotohoton’ny afo, lasa lavenona avokoa ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra, eny hatramin’ny diplaoma aza ho an’ireo mpianatra sasany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo fa araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, fipoahana herinaratra no nitarika ny firehetana. Raha ny antontanisa voaray, miisa 70 eo ho eo  ireo mpianatra tsy manan-kialofana sy rava fananana vokatr’ity fahamaizana ity. Fotoana fohy, taorian’ny fahamaizana, tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina nanao ny asam-pamonjena. Nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny rano nampiasain’ireo mpamono afo. Teo koa ny tsy fisian’ny vavam-pantson-drano fakana rano rehefa misy fahamaizana toy izao. Na teo aza izany, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy nandritra ny firehetan’ny trano.Nirehitra koa ny sekolin-dry masera ao ManjakandrianaFa may tamin’ny ampahany koa ny sekolin’ny masera Notre – Dame de Lourdes ao Manjakandriana, ny asabotsy teo ihany. Ahina ho fipoahana herinaratra koa no nitarika ny firehetan’ny afo. Olana ho an’ny kaominin’i Manjakandriana ny tsy fananan’izy ireo mpamonjy voina ka nitarika ny fiitaran’ny afo. Ny fokonolona tao an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no nifanome tanana niaraka tamin-dry masera namono ny  afo ka mba tsy niitatra. Naharitra adiny telo mahery ny famonoana ny afo, voafehin’ny fokolona sy ny mpitandro filaminana ihany izany. Levon’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy ny sekoly ka isan’ireo voa mafy tamin’izany ny tao amin’ny kilasy ambaratonga faharoa. Tsy voakasiky ny afo kosa ny tao amin’ny Lycée.Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana rehetra momba ireto haintrano goavana ireto.J.CL’article Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina a été récupéré chez Newsmada.

CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana
17/09/2020

Tao anatin’ny orana mikija no niatrehan’ ireo kilonga madinika, ny tapak’ andro voalohany teo amin’ny fanadinam-panjakana CEPE teto Toamasina tampon-tanàna, ny talata lasa teo. Ho an’ny etsy amin’ny CEG Ratsimilaho, izay nanaovan’ireo tomponandraiki-panjakana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panadianana, nahatratra hatramin’ny 52 ny tsy tonga nanatrika ary mpiadina telo mianadahy kosa diso ivontoeram-panadinana. Nandray andrakitra avy hatrany nanatitra azy ireo teny amin’ny ivontoerana tokony hanaovany fanadinana ny mpikarakara. Miisa 7428 ny mpiadina voasoratra anarana anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, araka ny  nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, Ramarolahy Joseph. Tombanana havoaka mialoha ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny voka-panadinana CEPE. Amin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana ary tomefy mpitandro filaminana rahateo ny manodidina ny sekoly nanaovoana ny CEPE. Teo amin’ny fenitra ara-pahasalamana, narahina ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana mialoha ny hidiran’ny ankizy ny tokotanin-tsekoly.SajoL’article CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.