DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar ilay birao vaovaon’ny polisy

News - DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar  ilay birao vaovaon’ny polisy

News - DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar ilay birao vaovaon’ny polisy

Trano lehibe misy efitra 31 ka ny
21 amin’ireo, birao fiasana miampy efitra lehibe iray fanaovana
fivoriana, efitra fitanana olona, misy an’ny tsy ampy taona sy ny
ampy taona. Izany ny trano vaovao fiasan’ny Fitaleavam-paritry ny
filaminana anatiny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra izay
notokanana, omaly. Fotodrafitrasa mitentim-bidy 1 049 000 000 Ar.
To­nga nitokana izany tamin’ny fo­mba ofisialy ny Filoham-pirenena
Andry Rajoelina. «Zava-dehibe ny fijoroan’ny fotodrafitrasa toy
izao satria mendrika ny hiasa amin’ny trano manara-penitra toy izao
ny mpitandro fi­la­minana, indrindra mendrika ho­raisina amin’ny
birao tsara ny vahoaka manan-draharaha atao», hoy ny Filoha
Rajoelina. Nambaran’ny minisitry ny Fi­laminam-bahoaka, ny
contrôleur général de police Randri­a­na­ri­son Fanomezantsoa fa
mipetraka eo amin’ny tantaran’ny polisim-pirenena ny datin’andro
an­droany (omaly io) satria tao anatin’izay 59 taona nijoroan’ny
polisim-pirenena malagasy izay, tsy mbola nisy fananganana
fo­todrafitrasa manara-penitra toy izao.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar ilay birao vaovaon’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 29/08/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany

Namoaka 23 mianadahy, misehatra amin’ny fizahantany, ny sekoly tsy miankina Ariane Tour, ny asabotsy 20 jolay teo. Nitondra ny anarana hoe “Ravinala” ity andiany ity, niofana nandritra ny roa taona taorian’ny fahazoany ny diplaoma bakalorea.Azo adika fa avo lenta ny fiofanana satria ambony ny salanisa azon’ireo mpiofana. Nahazo naoty 19,76/20 ny voalohany, 19,5/20 ny faharoa ary 19,1% ny fahatelo.Nambaran’ny mpampiofana, mpanorina sady talen’ny sekoly fa maro ny taranja nianaran’izy ireo, mahafeno ny fepetra takin’ny fikirakirana ny fizahantany. Toy ny fandrahoana sakafo, ny fandraisana olona, ny fandrosoana sakafo, ny fitarihan-dia, ny fandikan-teny, ny fikarakarana efitrano, ny sns. Nanao fitsidiham-paritra ihany koa izy ireo nandritra ny fiofanana, niampy fanarahana zotram-pizahantany (circuit touristique).Notsoriny koa fa olana eto amintsika ny tsy fisian’ny sekolim-panjakana mampiofana toy izao, indrindra any amin’ny faritra, nefa any amin’ny faritra no tena toerana mahaliana ny mpizahatany eto Madagasikara. Mba tokony ho mora kokoa amin’izay ny saram-pianarana satria mbola midangana ny an’ny sekoly tsy miankina.Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambanidia: tratra ny halatra ranon’ny Jirama

 Nidina tampoka teny ifotony ny Fitantanana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano (DPRO) ao amin’ny Jirama, omaly maraina teny Miandrarivo Ambanidia. Tratra ny fangalarana rano ataon’ny ramatoa iray, A.Volatiana ao an-tokantranony. Niaiky ny halatra nataony izy, ary nolazainy fa efa tao anatin’ny roa taona ny fangalarany ranon’ny Jirama, tsy miankina amin’ny kaontera. Amidiny 50 Ar ny iray daba mavo (jerricane) amin’ny olon-kafa ny rano avy eo, ary milahatra toy ireny amin’ny paompin-drano ho an’ny daholobe ireny mihitsy ny ao aminy. Misokatra amin’ny 5 ora sy sasany maraina hatramin’ny 8 ora maraina ny fivarotany rano, sy amin’ny 5 ora sy sasany hariva hatramin’ny 8 ora alina. Nandritra ny valo volana no nivarotany rano tamin’ny mponina manodidina.Nohararaotiny tamin’ny fotoana nisy fantsona vaky nahafahany namily ny ranon’nyJirama, nakao an-tranony.Handoa ny sarany sady hotoriana Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny mpitantana ny orinasa Jirama, notarihin-dRandriamanana Henri, Tale Jeneraly lefitra, notronin’ny vaditany. Nambarany fa, tsy azo leferina ny halatra toy izao, satria miteraka fatiantoka goavana ho an’ity orinasam-panjakana ity, indrindra, mahatonga ny tsy fahampian-drano amin’ny tokantrano maro eto an-dRenivohitra. Noho izany, hanery ilay tokan-trano hanefa ny sarany tokony honerany amin’ny Jirama, ny mpitantana ny orinasa sady hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Hosazina ihany koa izay mpiasan’ny Jirama voatonontonona tamin’izao raharaha halatra rano izao.Njaka A.L’article Ambanidia: tratra ny halatra ranon’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hanorina fasana vaovao miisa 96

Anisan’ny dingana hanajan’ny Base Toliara koa ny fifanarahana amin’ny fokonolona, hamindrana ny fasana tafiditra ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa. Miisa 96 izy ireo any amin’ny kaominina dimy. Nampifanarahana ny lalàna nentin-drazana malagasy sy ny lalàna velona ny fomba sy kolontsaina any an-toerana. Ao anatin’ny vaomiera misahana izany ny solontenam-pokonolona, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, ny fitantanam-paritry ny Kolontsaina sy ny vakoka, ny Harena an-kibon’ny tany, ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Fahasalamana, ny distrika Toliara II, ny olobe, ny mpikaroka ary ny orinasa Base Toliara.Hanorenana fasana vaovao ny tompom-pasana, sady sandaina vola. Miisa 16 ny fasana haorina voalohany ary ho vita amin’ny septambra 2019 ary hitohy indray ho an’ny andiany manaraka.L’article Hanorina fasana vaovao miisa 96 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM

Niompana tamin’ny fandokoana  ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny  fambolena voninkazo  eo amin’ny  CSB II Ampahimanga Ambohimanambola  ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM  ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo  anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro  lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny  VMMM. Ankoatra  izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko  Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa  tao amin’ity  CSB II eny an-toerana ity.Synèse R. L’article Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria (CSP) Arivonimamo, omaly tamin’ny 11 ora antoandro, ny lehilahy iray mpivarotra entana lany daty. Fantatra, araka ny fanazavan’ny polisy, fa mpivarotra biskoy sy sokolà, mandehaleha eny an-dalana eny ity lehilahy ity. Manoloana ny fahamaroan’ny ankizy marary vokatry ny fanapoizinana amin’ny sakafo noho ireny biskoy sy sokolà lany daty ireny, nanao fanadihadiana manokana ny polisy. Nahazo angom-baovao ny polisy, omaly maraina, momba ny fisiana lehilahy iray mivarotra entana lany daty mandehaleha eran’ny tanànan’Arivonimamo. Nokarohina avy hatrany ity mpivarotra ity ka voamarina fa mivarotra entana lany daty izy. Rehefa nosavaina ireo entana namidiny, tsy nahitana ny daty namokarana sy ahafahana mihinana farany ireo biskoy sy sokolà. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ny nilazany fa efa lany daty avokoa ireo entana amidiny ireo ary eny Isotry ny fakany azy ireo amin’ny vidiny mora. Rehefa azony kosa izany, kosehiny amin’ny “dissolvant” ny daty eo amin’ny fonony mba ho mora hamidy ilay entana aorian’izay. Efa fantatra izany fa eny Isotry ny fakan’ireo mpivarotra ireo sakafo lany daty. Jerem-potsiny anefa izy ireny fa tsy misy fandraisana andraikitra matotra. Matoa anefa ireny miparitaka eny, misy ireo mpandraharaha goavana misehatra amin’ny fanafarana azy ireny. Mitovy amin’ny tsipoapoaka. Ailika any amin’ny hoe ireo sisa tsy lany tamin’ny taon-dasa no amidin’ireo mpivarotra.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany

Vavany avy hatrany! Tsy nifampitsitsy fa samy nanao izay ho afany ny tarika Ramadison Anosimanjaka sy ny tarika Ratovoson Ampahimanga, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika « Hiragasy makotrokotroka » eny amin’ny Rovan’Antananarivo. Na teo amin’ny fomba fiseho na tany amin’ny fomba fanehoana ny hafatra ampitaina, samy tsapa ho niezaka mafy nisarika ny mason’ny mpijery sy ny mpitsara ny tarika tsirairay.Raha ny fandaharam-potoana manaraka, any Alarobian’i Manjakandriana indray no hanohizana ny « Hiragasy makotrokotroka », ny 11 aogositra izao. Hitohy any Sambaina izany, ny 18 aogositra. Eny Talata Volonondry ny 25 aogositra. Hiazo ny Fidasiana Rovan’Ambohimanga kosa ny 1 septambra.Marihina fa ny 6 oktobra izao, eo amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny famaranana sady hanolorana ny amboara ho an’izay mendrika izany.HaRy RazafindrakotoL’article Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana
29/10/2020

   Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.    Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.Vonjy A.L’article Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana a été récupéré chez Newsmada.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana »
28/10/2020

   Nanafatrafatra ireo olom-boafidy eny ifotony na ireo ho mpifidy vaventy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa misy fomba ratsy tsy tokony haverina intsony amin’izao.Nambarany fa fanohizana ny ezaka efa natomboky ny antoko sy ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, efa niadiana hatramin’izay izao firotsahana an-tsehatra amin’ny fifidianana loholona izao. « Mbola mitohy izany ady amin’ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana izany mba ho fototry ny fampandrosoana eto amin’ny firenena », hoy izy. Nanteriny fa efa zary ny fomba fiasainana  eo anivon’ny antoko, araka ny anarany « Malagasy miara-miainga » ny miady ho amin’ny  tombontsoa imbonana. Nihaona amin’ireo olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy amin’ny firehana samihafa eny Atsimondrano izy ireo tamin’izany. Notsindriny fa sarotra ny hampandrosoana ny firenena rehefa tsy hiarahana izany na koa mitanila. Nanafatrafatra ireo mpifidy vaventy ny tenany avy eo. « Aoka tsy hatahotra ny haneho ny safidy ianareo. Malalaka izany. Tokony hirotsaka ireo mitady hibaikobaiko na hanindry anareo ireo raha sahy… Tsy ekenay mihitsy ny faneriterena sy ny fibaikoana ny mpifidy raha tena hanaja ny safidim-bahoaka », hoy izy. Notsiahiviny fa nanahirana amin’ny fitantanana teto amin’ny firenena ny olom-boatendry mibaiko olom-boafidy.Vonona hihaino ny eny ifotony ny MMMNaneho fahavononana kosa ny kandidà loholona avy amin’ny antoko.  « Lehibe ny adidy miandry anareo ary tompon-tsafidy sy tompom-pahefana amin’ny hoavin’ny kaominina.  Tsy manavaka izahay ary vonona ny hihaino ny feonareo. Hiaraka hifanome tanana sy hitondra fampivoarana ny kaominina ho any amin’ny fampandrosoana isika », hoy ny lohalisitry ny MMM, Rakotondrainibe Michel. Nanteriny fa mandroso ny firenena rehefa mandroso ny faritra sy ny eny anivon’ny kaominina. « Miakatra ny fari-piainan’ny Malagasy », hoy izy.Synèse R.L’article Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana » a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara
23/10/2020

Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Anosy, ny alahady 21 septambra lasa teo, ny raim-pianakaviana iray 51 taona. Nitondra moto izy ka nandalo teo Anosy no nisy fiara iray nandona mafy azy avy ao aoriana. Nianjera ilay niharam-boina ka naratra mafy teo amin’ny sorony. Nirifitra nandositra kosa ilay fiara nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy teny an-toerana, nentina namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana naratra. Noho ny ratra nahazo anefa, tsy afaka niasa nandritra ny 45 andro izy araka ny baiko nomen’ny mpitsabo. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy hikarohana ilay fiara nandositra ka tamin’ny alalan’ny potik’ilay fiara tavela teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza no nahafahan’ny polisy nitondra fanadihadiana hatrany amin’ny fahitana ny tompon’ilay fiara. Nosamborina ilay tovolahy nitondra ilay fiara sy nandona ilay mpitondra moto ary niaiky ny heloka vitany izy.Jean ClaudeL’article Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy
23/10/2020

Ny 12 hatramin’ny 14 oktobra lasa teo ny nanatanterahana fivoriana ampitain-davitra ifanakalozan-kevitra an-tsary (virtuelle) teo amin’ny Fitantanana ny fadintseranana sy ny mpiara-miombona antoka mpamatsy vola maromaro.Nisahana ny fivoriana ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny ladoany (OMD), izay voalohany eo amin’ny tantaran’ny fadintseranana malagasy, nankatoavin’ireo mpitantana ambony, ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombona antoka. 27 ny tetikasa ho fanavaozana ny ladoany ka nampahafantarina sy niadin-kevitra ny 17, nahitana mpandray anjara sy famatsiam-bola, hotanterahina manomboka ny 2021. Ny 10 ambiny, mandeha miandalana eo ny fanatanterahana azy hatramin’ny 2023.Mifandray avokoa ireo tetikasa ireo ho antoky ny fampandrosoana, iarahan’ny fadintseranana amin’ireo mpiara-miombona antoka mpamatsy vola (FMI, BM, Bad, USAID,…). Hisy fivoriana mialoha ny faran’ny taona 2020 hiarahana amin’izy ireo handrafetana farany ny fiaraha-miasa. Fanoitra iray lehibe ny ladoany, nampahalala ny paikadiny 2020-2023, fanavaozana mifanaraka amin’ny laminasa fampivoarana nosoritan’ny fitondram-panjakana ankehitriny.Fiaraha-miasa fanjakana sy tsy miankinaFampandraisana anjara tsy misy ankanavaka ny fitantanana ny atao, miezaka hatrany ho fampiharana ny tetikasa rehetra. Mampiasa sy mitady araka izay eo am-pelatanana, manatanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Mila fiarovana sy fampandehanana ny toekarena ao aminy ny firenena isanisany amin’izao fotoana izao, noho ny valanaretina mamely ny toekarena maneran-tany. Tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara miezaka manome vahana ny indostria eto an-toerana, ny famoronana asa hahatojoana ny fahavitantena.« Miaraka isika, manova endrika ny ladoany malagasy ho fitaratra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana hafa », hoy ny tale jeneraly, i Lainkana Zafivanona Ernest, sy ny sekretera jeneralin’ny OMD, i Kunio Mikuriya, manohana ny eto an-toerana. R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Miaramila iray maty tao anaty fifandonana mahery vaika : efa lavo tamin’ny tany, mbola norarafan’ny dahalo tifitra
24/10/2020

Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanarahan-dia omby very ny miaramila kilasy voalo­hany, i Arison Nandraina Christophe, avy ao amin’ny 2BIA Tsiroanomandidy, afakomaly tolakandro. Latsaka tao anaty vela-pandriky ny dahalo izy…“Ho an’ny Tanindra­zana”! Lavo am-perinasa noho ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ity miaramila avy ao amin’ny 2BIA Tsiroanoman­didy ity. Lavo nandritra ny fifandonana raha nanara-dia ahafahana mamerina ny om­bin’ny mponina nangalarin’ny dahalo izy, niaraka tamin’ny fokonolona. Araka ny fampitam-baovao voaray, nitran­gana asan-dahalo nahery vaika tao Miandrarivo, kaominina ambanivohitr’i Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy, afa­komaly tolakandro.Raha vao nahare izany ireo miaramila mpampandry tany amin’iny faritra iny, nanao ny fanarahan-dia niaraka amin’ireo fo­konolona ao an-tanàna. Nifa­nehatra ireo dahalo sy ireo mpanara-dia ary tafalatsaka tao anaty vela-pandriky ny dahalo ny miaramila kilasy voalohany, i Arison Nandraina Christophe. Voalaza fa efa nianjera tamin’ny tany izy no mbola norarafan’ireo dahalo tifitra variraraka ihany. Na teo aza anefa izany, afaka namaly tifitra ireo dahalo ihany ireo miaramila mpanara-dia, saingy tafaporitsaka ireo malaso.Natao veloma ara-miaramila teny amin’ny Capsat…Efa nampiakarina aty an-dRenivohitra ny fatin’ity miaramila lavon’ny malaso ity. Ho fanaovam-beloma sy ho fa­nomezam-boninahitra farany azy, nasondrotra ho amin’ny laharam-boninahitra kaporaly izy ary notolorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre nationale”. Teny amin’ ny Capsat Fiadanana, toerana niasany, no nanaovana ny la­nonana ka nitarika izany teny an-toerana ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafika mala­gasy, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Maneho ny fiaraha-miory ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo olona akaiky azy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Na eo aza izao fahafatesana miaramila izao, mi­tohy hatrany ny asa fampandrian-tany ataon’ny miaramila any amin’iny faritra Bongo­lava iny.Jean ClaudeL’article Miaramila iray maty tao anaty fifandonana mahery vaika : efa lavo tamin’ny tany, mbola norarafan’ny dahalo tifitra a été récupéré chez Newsmada.

Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty
26/10/2020

Hatomboka tsy ho ela ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nandoavana haba ao amin’ny seranana. Tompon’antoka ny fadintseranana, mametraka fomba ho fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (en ligne). Araka ny andininy faha-237 amin’ny lalàna mifehy ny fadintseranana, « izay entana tsy alaina anatin’ny roa volana manomboka tamin’ny fotoana nanoratana izany ao amin’ny tahiry, amidy atao lavanty amin’ny rehetra ». Mivoatra izay fomba fanaovana lavanty izay, araka ny fivoaran’ny toetrandro.Fotoana tany aloha, antso avo ny fanaovana ny varotra; taty aoriana, novana tamina fonosana tolo-bidy, naterina eny amin’ny sampandraharahan’ny ladoany. Ireo fomba ireo, samy nandaniam-potoana sy nampiasam-batana.Ampiasana teknolojia vaovaoAnkehitriny, avadika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fampiharana izany, hita ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana. Manaporofo ny mangarahara izao fanavaozana izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny tolo-barotra, fanavaozana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany.Tafiditra tao amin’ny dinika nifanaovan’ny fadintseranana tamin’ireo mpiara-miombona antoka aminy (Tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy, Taratra 23 oktobra 2020, p.8) io fanovana fomba fiasa io. Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka ny fanavaozana eo anivon’ny ladoany nandritra io fivoriana io. Azo tamin’izany ny fahatokisan’ireo mpanohana, toy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Banky iraisam-pirenena (BM), sns. Betsaka ny tetikasa iarahana amin’ireo ho an’ny mpandraharaha, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso isan-karazany. R.MathieuL’article Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.