Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra

News - Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra

News - Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra

Hanatanterahana ny tetikasan’ny
governemanta malagasy, Asa Avotra Mirindra ny any amin’ny
distrikan’i Manandriana. Hisy, araka izany, ny fanamboarana
lakandrano mirefy 1.800m hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly
amina hektara maro iveloman’ny tantsaha any an-toerana .
Mahatratra 6.000 ireo fianakaviana hisitraka ity tetikasa Asa
Avotra Mirindra ity, izay avy ao amin’ny kaominina 10 ao amin’ny
distrikan’i Manandriana avokoa. Haharitra 2 taona ny tetikasa
hipaka eny ifotony.

Vatsin’ny banky iraisam-pirenena
ara-bola ny tetikasa ary iandraiketan’ny FID ny fanatanterahana sy
ny fandrindrana ary ny fisitrahan’ny mponina izany.

Nanara-maso ny fanombohana izany
asa izany ny minisitry ny Mponina, i Michelle Bavy Angelica.

Nitokana ny ivontoerana ho an’ny
fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany
koa ny tenany. Tamin’izany no nilazana ny hanaovana fanisana ireo
fikambanana rehetra manerana ny fokontany sy ny kaomnina
ambanivohitra rehetra ao anatin’izany distrika izany.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 21/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Aza mampihorohoro mpanao gazety

Nisesisesy indray ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety tamin’iny herinandro lasa iny. Nisy ireo voaendaka, rehefa nody alina avy niasa. Vao omaly indray no nisy niharan’ ny herisetra sy ny fanamparam-pahefana ataon’ny polisy.. Angamba, mety ho fifandrifian-javatra fotsiny ihany ireny tranga ireny saingy tokony hampisaina ny manam-pahefana isan’ambaratongany, indrindra fa hoe mpitandro filaminana miady amin’ny mpanao gazety. Tsy vao sambany no nisian’io herisetra amin’ny mpanao gazety io teto Madagasikara. Misy ireo efa voafelaka teny am-panaovana ny asany; misy ireo hitongavan’ny mpitandro filaminana any an-tokantranony; misy ihany koa no efa voaambana basy sy ny sisa. Ampy kosa izay e! Aza ampihorohoroana intsony ny mpanao gazety! Hafa kosa anefa raha sanatrian’ny vava, ka misy mpanao gazety tafiditra amina asan-jiolahy sy mpisoloky na asa ratsy hafa. Efa betsaka ihany koa mantsy amin’izao ireo mampiasa karatra hosoka hoentina hanaovan-dratsy. Na izany na tsy izany, tsy manakana ny mpanao gazety tsy hanao ny asany akory ireny rehetra ireny. Ny zava-misy marina tsy maintsy havoaka ho fanta-bahoaka. Tsy asiana amboako na amboan’olona eo fa rehefa vandana dia kary! L’article Aza mampihorohoro mpanao gazety est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra

Mazava ny tanàna! Tsy diso anjara amin’ireo reni­vohim-paritany 43 manerana ny Nosy misitraka ny hazavana an-dalambe ny tampon-tanànan’i Tsihombe, faritra Androy. Tonga tany an-toerana, ny alatsinainy 14 jolay teo, ny jirobe karazana Led Cobra, araka ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina. Hanazava sady hanome endrika ny tanàna ireto fitaovana ireto, ary hisoroka ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Mikasika ny mpanjifa mi­vantana, nampitomboan’ny Ji­rama ny tanjaky ny herinaratra mamatsy ny tanànan’i Tsi­hom­be, niaina tanaty delestazy nandritra ny volana maro. Natolo­tra tamin’io alatsinainy io ihany koa ny fitaovana mamokatra herinaratra miisa roa, manana tanjaka 220 KVA (175 KW), sy 165 KVA (132 KW), hanampy tosika ny efa any an-toerana. Tanjona amin’izao fizarana jirobe manazava tanàna sy fitaovana mamokatra herinaratra manerana ny tanàn-dehibe izao ny hanana angovo ampy ahafahan’ny vahoaka mamokatra mitondra fampandrosoana isam-paritra.Njaka A.L’article Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa

Anisan’ny fifidianana arahin’ny rehetra maso, tsy ny eto Madagasikara ihany fa na hatrany ivelany, ny an’ny baolina kitra (FMF). Andrasan’ny besinimaro ny ho isan’ny kandidà tena voatazona hiatrika izany.Ho fantatra, rahampitso alakamisy 1 aogositra, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hamoaka sy hampahafantatra izany ny “Comité de normalisation”. Raha tsiahivina, dimy mirahalahy mianaka ireo kandidà nahafeno ny fepetra: Andriamiasasoa Doda, Rasoamaromaka Hery, Rabekoto Raoul Romain, Rakotomamonjy Neypatraiky ary i Mohamad Abdillah.Araka ny tsilin-tsofina anefa, mety hisy kandidà roa hosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Noho ny resaka politika ny iray, voalaza fa tsy azo afangaro amin’ny fitantanana ny baolina kitra ary ady heloka tsotra ny an’ny iray.Etsy ankilany, heno ihany koa fa toa nisy kandidà niala an-daharana fa tsy vonona tamin’ny ora farany. Ny fanambarana ataon’ny “Comité de normalisation” no hanamarina izany rehetra izany fa hatreto aloha, ho mpifaninana izy dimy ireo.Raha tsiahivina, hotanterahina any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Hiara-dalana amin’izany koa ny an’ireo ho komity mpitantana.Aorian’ny famoahan’ny “Comité de normalisation” ny kandidà ofisialy, hotontosaina ny zoma 2 aogositra ny antsapaka, amin’ny filaharana ao amin’ny biletà tokana sy ny ho fandraisam-pitenenana, ao amin’ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, hanehoan’izy ireo ny fandaharanasany.Tsiahivina fa manan-jo feno handatsa-bato, amin’io fifidianana, hatao any Toliara, io, ireo filohan’ny ligim-paritra 22, manerana ny Nosy. TompondakaL’article Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FAKAFAKA: Aza mba donto ihany!

Aleo hazava ny resaka fa tsy ilay adikan’ny sasany hoe: “dondrona” akory ny hevitry ny donto fa manakaiky amin’ny hoe: “tsy mahare na inona na inona intsony noho ny zavatra na tranga nihatra taminy”. Rehefa ny zaza no maty vono sy voakapo-dava, manjary donto ka tsy handray anatra intsony. Raha ny lehibe no donton’ny eboebo, tsy mahatsapa esoeso. Ohatra ihany izany fa maro be ireo mety hitarika ny olona ho donto.Tafalatsaka ao anatin’izany fahadontoana izany ihany koa ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy andairana torohevitra intsony ny sehatra sasany, hany ka manohy hatrany ny lalan-diso alehany. Ambara fa ampy sy sahaza ny Malagasy ny fiteny malagasy, ny an-dry zareo efa donton’ny fiteny vahiny tsy mety raha tsy laroina izany rehefa miresaka. Aza mba donto ihany! Efa fantatra ao anatin’ny fahendrena malagasy fa “aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha”. Ny an-dry donto isany manjary “angalaro fa tsy misy mahita”.Tsy mba azon’io fahadontoana io ny Malagasy fahiny, noho izy nahay nampifandrindra tsara ny fiainany tamina lamina voajanahary. Tsy nogejain-javatra “hafahafa” tahaka ny eboebo, voninahitra, sns, izy ireo, hany ka tsy nety donto fa nanana faharanitan-tsaina lehibe sy fahatsapan-tena goavana.Manana ny maha izy azy ny Malagasy fahiny. Saingy, niova tsikelikely ny sasany tamin’izany rehefa nanomboka niha“donto” izy. Tsy nandaitra taminy intsony ny fahandren-drazana rehefa donton’ny “fandrosoana” ny ampahana Malagasy. Tsy henon’ny sofiny intsony ny “firaisankina no hery” ka nosoloiny “samy maka ho azy”. Tsy takatry ny sainy intsony fa “manody ny zava-drehetra”, sns.Mety mitombo isa andro aman’alina ireo Malagasy tafiditra ho anisan’ny donto (tsy mahare na inona na inona), raha tsy miverina manokatra ny masom-panahiny (fahendrena malagasy: Ny fanahy no maha olona) ny tsirairay!HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Aza mba donto ihany! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy

Hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny fiara 4×4 an’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana. Nohamafisin’ny zandary hatrany fa nitondra “agent de securité” ity fiara ity no nifanehatra tamin’ny jiolahy tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nobahanan’ireo olona tamin’ny vatobe sy vatan-kazo ny lalana ka rehefa nijanona ny fiara dia notsenain’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Tsy nisy fananana voaroba kosa na aina nafoy nandritra ity fanakanan-dalana niharo fanafihana ity. Nahazo loharanom-baovao avy hatrany ny zandary momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mpanakan-dalana ireto ka nametraka ny vela-pandrika avy hatrany. Vokany, noraisim-potsiny ireo jiolahy mpanafika. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.J.CL’article Tanandava: tratra ireo jiolahy nanafika ny fiaran’Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Asan-jiolahy tany Ambositra :: Tsy mbola votsotra ilay zaza roa taona nisy naka an-keriny

Roa volana mahery aty aoriana, voalaza fa tsy mbola tafaverina amin’ny fianakaviany Andriamiharisoa Jean Olivier na i Toky, zazalahikely, roa taona, nisy naka an-keriny tany Ankeniheny, Ambositra, tamin’ny 10 mey lasa teo. “Mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra”, hoy fotsiny ry zareo mpanao famotorana. Tsy nahazoam-panampim-panazavana ihany koa ny fizotran’ny asa ratsy ka nahavery an’io zaza io. Ny fikambanan’ireo Karàna mizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara (Cfoim) no nahafantarana fa tsy lavitra ny trano fonenany, tao Ankeniheny, no nakan’ireo olon-dratsy an-keriny an’ilay zazalahy. Nambaran’ity loharanom-baovao ity hatrany ny fisian’ny fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny ho takalon’ny famotsorana azy. Efa nanaparitaka ny filazana momba an’izao raharaha fakàna an-keriny an’Andriamiharisoa Jean Olivier izao ny fikambanana Cfoim. Azo antsoina ny laharana finday 032 21 121 21/ 033 31 121 21/034 81 121 21 ho an’izay manana fanampim-baovao marim-pototra. L’article Asan-jiolahy tany Ambositra :: Tsy mbola votsotra ilay zaza roa taona nisy naka an-keriny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Donia 2019 an-tsary

Sary sy soratra: Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Donia 2019 an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fisehoana teny amin’ny HJRA :: Nandray ny fanomezana frantsay ny minisitra Ahmad Ahmad

Kisendrasendra sa paikady napetraka sy hanaporofoana zavatra nanoloana ny resabe nandeha momba azy? Nandray ny fanomezana kojakoja hoenti-miatrika ny valanaretina Covid-19 avy amin’ny fanjakana frantsay, tetsy amin’ny Hopitaly Joesph Ravoahangy Andrianavalona ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Ahmad Ahmad, omaly. Nandrasan’ny mpanara-baovao ny ho avin’ity minisitra ity, ny ampitson’ny fivoahan’ny taratasin’ny governemanta, izay nanakiana ny taratasy nosoniaviny sy nalefany tany amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny momba ny fangatahana fitaovana sy kojakoja amin’ny ady amin’ny valanaretina eto Madagasikara. Tranga roa ihany no azo tombantombanana: na niravona ny disadisa naterak’ireny taratasy roa samy hafa ireny, na nihilana tany amin’ingahy minisitra ny mizanan’ny fananana ny rariny, indrindra fa ady amin’ny valanaretina no atrehin’ny firenena ankehitriny fa tsy ady amin’olona na vondron’olona na antokon’olona. Nifanindran-dalana tamin’ ny fiandrandran’ny mpanarabaovao ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana mantsy, dia fanendrena governera sy tompon’andraiki-panjakana ambony no isan’ny fanapahankevitra politika noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra, omaly hariva. Am-perinasa ary toa vao mainka nanamafy  ny sezany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ity fandraisany ny fanomezana frantsay, tetsy Ampefiloha, omaly, ity. Fanohanan’ny federasiona sendikaly Fitaovam-pisefoana « Mak’Air » miisa efatra ambin’ny folo no natolotry ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara tamin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny talen’ny HJRA, Profesora Rakoto Alson Olivat.  Na fanampiny amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana an’ireo mararin’ny Covid-19 ireo azon’ny fanjakana malagasy ireo, na fanentsenana an’izay banga tokoa. Tetsy andaniny dia naneho fankasitrahana nanoloana an’iny taratasin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka izay niteraka disadisa tao anatin’ny governemanta iny ny Federasiona sendikalin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nanaporofo ny mampitombina ny fangatahana sy ny fitakiana nataon’ny sendika hatramin’izay izany taratasy izany, araka ny fanambaràna nataon’ity Federasiona ity, omaly. Na izany aza, milaza ho tsy miady amin’ny fanjakana izy ireo fa miady amin’ny valanaretina ka miantso an’ireo lafin-kery hifanome tanana. L’article Fisehoana teny amin’ny HJRA :: Nandray ny fanomezana frantsay ny minisitra Ahmad Ahmad est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps

Vita ny antsapaka, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba, taranja baolina kitra. Hidona amin’ny ekipa tompondakan’i Maorisy ny Fosa Jr. Tsy miatrika ny savaranonando kosa ny Cnaps Sport.Hifanehatra amin’ny Fosa Jr Boeny, eo amin’ny fihodinana voalohany, ny ekipan’ny Pamplemousses SC avy atsy Maorisy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hampiantrano ny lalao mandroso ny Fosa Jr, ny 9 na ny 10 na ny 11 aogositra, ary hanafika atsy Maorisy kosa eo amin’ny fihaonana miverina, ny 23 na 24 na 25 aogositra ho avy izao.Ekipa fantatra anarana fotsiny, saingy tsy mbola misy mahalala ny fomba filalaony. Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, milalao ao amin’ity Pamplemousses SC ity Rabemananjara Praxis. Na izany aza, heverina fa mety tsy hampanano sarotra ny Fosa Jr ny handingana an-dry zareo Maorisianina, izay ambany lavitra raha mitaha amin’ny zava-bitan’ny Fosa Jr. Ny hany tombony ho an’ny Pamplemousses SC, izy ireo handray ny lalao miverina.Raha tafita eo ny Fosa Jr, hidona avy hatrany amin’ny Tout Puissant Mazembe avy any amin’ny RD Kongo, eo amin’ny lalao ampaha-16-n-dalana. Hotanterahina ny 13, ny 14, ny 15 septambra ny lalao mandroso ka eto Madagasikara ny hanatanterahana izany. Ny 27, ny 28, ny 29 septambra kosa ny fihaonana miverina.Tafita amin’ny fihodinana faharoaMiaina kely kosa ny Cnaps Sport Itasy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona satria tsy miatrika ny lalao savaranonando izy ireo fa miandry avy hatrany eo amin’ny fihodinana faharoa, na ny ampaha-16-n-dalana.Hikatroka amin’izay tafavoaka eo amin’ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo sy ny ST Louis Seychelles, ekipa nilalaovan-dRadafison Jimmy (Kundé), kosa ny Cnaps Sport, eo amin’izany dingana izany. Hivahiny an-tanin’olona ny Cnaps Sport, eo amin’ny lalao mandroso, hatao ny 13 – 15 septambra, ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina, ny 27 – 29 septambra. Heverin’ny rehetra fa mety ho ry zareo Afrikanina Tatsimo no hikatroka amin’ny Cnaps Sport, amin’izany. TompondakaL’article Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka
27/10/2020

Tsy hiverina hivory ireo loholona… Antony naroson’izy ireo ny tsy fisian’ny tetibola hampiakarana ireo loholona eto an-dRenivohitra. Tapaka mantsy ny bolongam-bola hatokana ho fampandehanan-draharaha ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Ny antony manaraka, izay iaraha-mahalala na tsy ambara mivantana aza, ny fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fifidianana loholona ho avy. Hitarika mankany amin’ny fialan’ireo loholona am-perinasa mantsy izany, mazava loatra. Amin’ny maha loholona azy ireo, olon-dehibe manam-pahendrena sady manam-pahaizana avokoa izy ireo. Heverina fa tsy izy ireo no tokony hanaotao foana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Toa tsy izany anefa ny andraisan’ny mpanara-baovao ny zava-misy. Toa mahatsapa ny rehetra fa manao takalonaina ny vahoaka ireo loholona. Anisan’ny lahadiniky ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fotoana izao mantsy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Raha tsy lany izany, tsy misy asa afaka mandeha eo. Ny loholona, efa fantapantatra ihany ny hataony. Fa mandiso fanantenana ny maro koa ny fahenoana ny fitakiana nataon’ireo solombavambahoaka. Ny mahakasika azy ireo aloha no tena nojereny voalohany! Ny fiara tsy mataho-dalana isaky ny solombavambahoaka sy ny fisotroan-dronono ho azy ireo no nahamaika azy. Tsy hoe tsy ilaina akory, saingy mba azo nafenimpenina tany amin’ny faramparany izany fitkakiana izany. Dia raha tsy hivaly ve ny fitakiana, mety hiray loha amin’ireo loholona koa ny solombavambahoaka? Fantatr’izy ireo tsara fa takin’ny lalàna ny fivezivezen’ny volavolan-dalàna eo amin’ireo Antenimera roa tonta. Izany hoe, eo am-pelatanan’izy ireo ny tohin’ny tantara. Tsy miandrandra zavatra maro, afa-tsy ny hanaovan’ireo parlemantera ny asany araka ny hitsiny ny vahoaka. Mba tsy ho nenina ho azy ireo ny safidiny. Mba tsy hahatsiaro ho takalonaina hatrany isaky ny misy kajikajy politika miainga ao…Randria.L’article Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar
23/10/2020

Taorian’ny fifandonana tamin’ireo zandary sy ireo jiolahy mpanao fanafihana, avotra teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy avokoa ireo efa-mianaka voatafika. Tranga niseho tao amin’ny fokontany Andranomaria, kaominina Tsiafajavona, ny 21 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.Tafaverina koa ny vola mitentina 11 tapitrisa Ar voaroban’ireo olon-dratsy.Ankehitriny, jiolahy miisa roa voasambotra. Isan’izany ilay nanao fanamiana mpiandry fonja sy nitondra basy poleta vita gasy. Tratra, omaly maraina, kosa ny namany iray hafa raha mbola karohina ireo afa-nandositra.Tsiahivina fa niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo jiolahy efa-dahy. Nilaza ho nirahin’ny sefo fokontany ireo olon-dratsy ka nandroba ireo vola mitentina 11 tapitrisa Ar tamin’ireo tompon-trano. Mbola nentin’ireo jiolahy koa ny raim-pianakaviana sy ireo zanany telo hahazoana vola ankoatra izay efa lasany. Teny an-dalana anefa, tafaporitsaka ireo zanaky ny tompon-trano ka nampandre avy hatrany ny zandary. Vokany, nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Ambatolampy. Nanao sakana ihany koa ireo zandarimarian’Ambohimandroso sy Ambatotsipihina. Vokany, raikitra ny fifandonana sy ny fifampitolomana. Voasambotra  ny jiolahy iray raha tafaporitsaka ny telo hafa. Taorian’ny fikarohana kosa, tratra omaly ny lehilahy iray hafa. Mbola karohina ireo namany roa. Henintsoa HaniL’article Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra
27/10/2020

  Vonjy aina an-tanety, fanokafan-dalana ary fanavotana traboina anaty rano. Ireo ny votoatin’ny fiofanana natrehin’ireo mpamonjy voina miisa 40 ao amin’ny Tafika nandritra ny herinandro ka nifarana ny zoma lasa teo teny amin’ny vondron’ny vonjy voina eny Ivato (CPC). Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, nisy ny fanehoana traikefa vao norantovin’ireto mpamonjy voina ireto. Nanatrika izany ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude, notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Nohamafisin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika fa hampitomboina ny ambaindain’ny CPC ka hisy ny “bataillon” roa hisahana izany, araka ny voasoritra anatin’ny fanavaozan-drafitra ampiharina ao amin’ny Tafika. Hisy koa ny fanofanana mpamonjy voina miisa 100 ny faran’ny volana novambra izao ka izy ireo indray no hanaparitaka ny traikefa any amin’ny faritra telo manamorona ny morontsika Atsinanana. Hisy ny ao Sambava amin’ny faritra avaratra, hisy ny ao Toamasina amin’ny faritra Atsinanana ary hisy ny ao Manakara ho an’ny faritra atsimo. Notolorana mari-pahaizana ireo mpamonjy voina nahavita fiofanana.Jean ClaudeL’article CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Tampody fohy «2e vague »…
26/10/2020

Niverina nihiboka sy nandray fepetra ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe any ivelany any amin’izao fotoana izao. Mailo tanteraka izy ireo noho ny fiverenan’ny valanaretina Covid-19. Anjatony maro isan’andro ireo maty ary analiny ireo tranga vaovao. Naverina noraisina ny fepetra maromaro. Anisan’izany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Ny famerana ny isan’ny olona mivorivory… Ahina mafy ny hahamaro ireo lavo sy ny ho tratran’ny valanaretina amin’ny volana novambra mitsidika io. Tsy mbola tafavoaka ny ala izao tontolo izao. Tahaka izany koa ny eto amintsika. “Ramalina aza, mifehy hazo tokana”. Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina. Tsy mbola tapitra niaraka amin’ny fanafoanana ny hamehana ara-pahasalamana, herinandro lasa izay, akory ny ady.  Maro ireo tsy taitra sy tsy mivaky loha intsony eny an-dalana eny. Any anaty fiara fitateram-bahoaka any. Tsy manao arovava orona, tsy voahaja ny elanelana iray metatra. Tsy misy miraharaha intsony fa samy mandeha samy mitady. Voaporofon’ny antontanisa herinandro anefa fa mbola eo ary tsy mbola foana ny valanaretina. Maherin’ny 100 ireo tranga vaovao ary enina ireo maty. Hoatra ny hadinontsika fa olona telo no nitondra io valanaretina io eto ka nampihiboka antsika fito volana teto. Niteraka olana samihafa teo amin’ny fihariana, ny sosialy sy ny toekarena hatrany amin’ny politika noho ny fepetra samihafa tsy maintsy napetraka, niadiana amin’izany.Ekena fa efa atao varoboba ny tambavy na ny fanafody iadiana amin’ity valanaretina ity, saingy aleo mailo sy mitandrina ihany. Aoka hanenjana ny tompon’andraikitra ka hanara-maso sy hanasazy ireo tsy manaja ny fepetra na koa ireo mihoa-pefy. Aoka samy handray andraikitra ny rehetra, hiarovana ny tena sy hiarovana ny hafa koa. Mahazo vahana ny tampody fohin’ity valanaretina ity any ivelany any. Mba tsy ho tonga eto amintsika izany “2e vague” izany.Synèse R. L’article Tampody fohy «2e vague »… a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao
28/10/2020

Mamolaka sy mandemy ny mpifanandrina ? Niova indray ny daty hanatanterahana ny lalao mandroso eo amin’ny Barea sy ny Elefanta, araka ny tetiandro naroson’ny Federasiona Ivorianina (Fif).Nahemotra ho ny asabotsy 14 novambra indray izany raha tokony ho ny 12 novambra izao, araka ny voalaza teo aloha. Na izany aza, tsy miova ny kianja fa ao Abidjan, eo amin’ny Stade Alassane Ouattara, vao nohavaozina sy nohatsaraina. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny daty ho an’ny lalao miverina hotanterahina eto amintsika na ho telo andro aorian’io, araka ny efa voafaritra ihany, izany hoe ny talata 17 novambra. Mbola andrasana rahateo ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny amin’ny fahafahan’ny Ivoarianina miditra eto na tsia, manoloana ny mbola tsy fisokafan’ny sisin-tanintsika.Mpitsara TonizianinaEtsy an-daniny,  navoakan’ny eo anivon’ny Caf  fa ilay Tonizianina, Haytem Guirat no hitsara ny fihaonan’ny Barea sy ny Elefanta Ivoarianina, amin’ny lalao mandroso amin’izao fifanintsanana hiakarana amin’ny “Can 2022” izao.  Tsy vahiny amin’ny ekipam-pirenena malagasy ity mpitsara ity. Efa nitantana ny fihaonana teo amin’ny Barea sy i Burundi tamin’ny Can 2019 tany Ejypta i Guirat  ka nandresentsika ny mpifanandrina tamin’ny isa 1 noho 0. Baolina tokana nampidirin’i Marco Ilaimaharitra io nitondrana ny fandresana io.Mafampana ny toe-draharaha politikaAnkoatra izany, nanome toky ny Fif fa hilamina ny lalaon’ny roa tonta na eo aza ny krizy politika any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hotanterahina ny 31 oktobra izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany any an-toerana. Mafampana ny toe-draharaha satria tsipahin’ny mpanohitra ivoarianina ny mbola nilatsahan’ny filoha am-perinasa, Ouattara, hitantana fanintelony indray an’i Cote d Ivoire rehefa nanova ny lalàmpanorenana afahany mirotsaka ny tenany ny taona 2016. Mety hanova ny fihaonana raha mikorontana ny any an-toerana.Synèse R.L’article Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao a été récupéré chez Newsmada.

Varimbarian’ny lavitra…
23/10/2020

Teny Alasora teny, tovovavikely vao 15 taona monja, niharan’ny fanolanana nandritra ny fanafihana sy ny fandrobana ny tranon’ny ray aman-dreniny. Teny Ivato, roa vavikely vao dimy taona, sendra tratra hariva nitady ny ray aman-dreniny, voaolan’ny tovolahy iray. Any Imerintsiatosika sy ny manodidina, iharan’ny fanolanana ny zaza amam-behivavy amin’ireo tokantrano tafihin’ny jiolahy… Lava ny lisitra. Vao ny eto Antananarivo sy ny manodidina ireo fa hafa koa ny tranga miseho any amin’ny faritany. Mirongatra dia mirongatra tato ho ato ny herisetra sy ny fanolanana atao amin’ny zaza amam-behivavy, indrindra amin’ny ankizy tsy ampy taona.Matetika, tsy maintsy arahina fanolanana ny asa fandrobana sy fanafihana ataon’ny jiolahy. Indraindray aza, miafara mihitsy amin’ny vonoan’olona. Efa hita ihany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny vokatra azo amin’izany. Ny etsy, voasambotra, aiditra am-ponja; ny eo, misosoka ihany, toa tsy misy fitsaharany. Saika isan’andro mihiratra no andrenesana trangana fanolanana hatraiza hatraiza.Inona loatra re ny mahatonga izany? Mety ho maro ny antony fa izay tiana hasongadina kely eto ny tsy fahafantaran’ny vahoaka lalàna, ireo karazan-keloka, indrindra ny heloka bevava sy izay sazy mifanandrify amin’izany. Mba firy amintsika izao, ohatra, ny mahafantatra fa ny atao hoe fanolanana dia firaisana ara-nofo, na inona na inona karazany, natao tamin’olon-kafa tamin’ny alalan’ny herisetra, ny fanerena, fny andrahonana tampoka? Azo heverina fa vitsy koa ny mahalala fa “heloka bevava mahavoasazy an-terivozona dimy hatramin’ny 20 taona ny fanolanana zaza 15 taona no ho midina”… Eny, fa na eo amin’ny mpivady aza, sokajina koa ho heloka ny fanolanana.Tsy ampy dia tsy ampy ny fampahafantarana ny lalàna amin’ny olom-pirenena eto amintsika. Indrindra ny lalàna momba ny heloka bevava, raha tsy hilaza afa-tsy izay, izay hita ho mirongatra dia mirongatra, araka iry voalaza etsy ambony iry. Heverina anefa fa fomba iray mety hiadiana amin’ny fandikan-dalàna ny fahafantaran’ny maro izany. Eo indrindra ny hanairana ny sain’ny fitondrana, ny minisiteran’ny Fitsarana… Manana andraikitra amin’izany koa ny fikambanana samihafa, ny firaisamonim-pirenena. Tena adidy amin’andraikiny mihitsy izany. Izay ilay hoe fanabeazana ho olom-pirenena vanona. Sao lahy varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso. Variana amin’ity adilahy politika tsy mampandroso ity.Mamy Randrian   L’article Varimbarian’ny lavitra… a été récupéré chez Newsmada.