“Dirigeants Sportifs”: sambany nandray anjara ny taranja aviron

News - “Dirigeants Sportifs”: sambany nandray anjara ny taranja aviron

News - “Dirigeants Sportifs”: sambany nandray anjara ny taranja aviron

Nifarana, ny alakamisy lasa teo,
ilay fampiofanana ho an’ny mpitantana fanatanjahantena,
karakarain’ny Komity olympika malagasy. Fampiofanana andiany
faharoa ho an’Antananarivo, amin’ity taona 2020 ity. Toy ny
mahazatra, 25 mianadahy ireo mpiofana ny nahavita fiofanana ka
nahazo mari-pankasitrahana. Mpitantana fanatanjahantena avy amin’ny
sehatra sy ny taranja samy hafa izy ireo fa sambany kosa nanana
solontena ny avy amin’ny taranja aviron. Ny filohan’ny kaomisiona
ny mpitsara sy ny filohan’ny komisiona ny fitsipika sy ny
fifampifehezana avy eo anivon’ny federasiona malagasy ny aviron ny
nandray anjara tamin’izany. Nitondra zava-baovao ho azy ireo ny
fiofanana, indrindra amin’ny maha mbola taranja an-dalam-pivoarana
ity taranja ity eto Madagasikara. Nanome toky ireo mpiofana fa tsy
handraraka ilo mby an-doha ny fahalalana noraisina nandritra ny
efatra andro ary hampihatra izany any amin’ny sehatra misy azy
avy.

Mbola manana vina hanohy ny
fampiofanana any amin’ny faritra ny Komity olympika malagasy,
amin’ity taona 2020 ity, ka hotaterina eto hatrany ny
fanampim-baovao mahakasika izay.

 

Mi.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article “Dirigeants Sportifs”: sambany nandray anjara ny taranja aviron a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 14/11/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15

“Maro ireo ambana sedraina amin’ny asa fampandriana fahalemana ilàna paikady manokana. Tsy tokony ho ny miaramila no matahotra dahalo fa ny dahalo no matahotra miaramila. Ny dahalo anefa, tsy fahavalo fa mpifanandrina amin’ny vahoaka, olom-pirenena ary ao anatin’izany zava-misy izany ny hampiharana ny rafitr’asa vaovao avy amin’ny fiofanana eo anivon’ny Etat major”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, nandritra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-15 ny sekoly ambony manofana manamboninahitra zokiny, omaly teny amin’ny Cemes Soanierana. Miisa 12 mirahalahy ireto navoakan’ny Sekoly ambony manofana manamboninahitra zoky eo anivon’ny Tafika malagasy na ny ecole d’Etat-Major eny Fiadanana. Nisy ny lanonana ara-miaramila nanolorana azy ireo ny mari-pahaizana “diplôme de l’Etat-Major”, natao teo ambany fiahian’ny MDN, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, ny Jly Rakotonirina Théophile, notronin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy malagasy. Nandritra ity fotoana ity koa, nisy famindrana ny fanevan’ny sekoly teo amin’ny talen’ny sekoly teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny tale mpandimby azy, ny Jly Razafitombo Maminirina. Nanamafy ny MDN fa amin’ny taona 2020, tsy maintsy miofana eo anivon’ny sekoly avokoa ireo manamboninahitra ambony ary tsy maintsy arahina sivana hatrany ny fidirana amin’izany.Jean ClaudeL’article Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15 a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ÛMMI MADAGASCAR: Manomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 ny Ramadany

Tsy hita ny volana omaly alakamisy 23 aprily 2020 ka noho izany dia sabotsy 25 aprily 2020  ny voalohany ny volana masina Ramadany. Manoloana ity valanaretina coronavirus ity dia misy fiovana ny  fanao isan-taona, fiatrehana ny volana masina Ramadany, araka ny fanambarany nataon’ny filohan’ny ÛMMI Madagascar, Sheikh Rijaly. “Raha hatrizay nisy hetsika maro isan-karazany toy ny fiaraha-mivavaka, fampianarana, fanaovana asa sosialy, fiaraha-mivavaka amin’ny alina, fiaraha-misakafo dia hisy fiovana izany. Na dia eo aza ny nanome karazana ampahana fahafahana ny fitondram-panjakana, 15 andro fahatelo afaka mivorivory raha latsaky ny 50. Nohamafisin’i Sheikh Rijaly fa anisany tombony lehibe ho an’ity tsimokaretina ity ny fifangaroana ka noho izany dia vavaka isan-tokantrano hoy izy no atao fa andian’olona vitsivitsy, mety mifandimby no afaka manao fiaraha-mivavaka rehefa tsy maintsy atao izany. Miarahaba ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny tratran’izao asaramanitra izao ny tenany ary “mirary ramadany sambatra ho antsika rehetra ary enga anie samy ho tahian’i Tsitoha, samy hahavita ny adidintsika antsakany sy andavany mandritra izany volana masina ramadany izany ary mirary ho an’ny firenentsika hivoaka mpandresy amin’ny valanaretina COVID 19”. Nirina R. Cet article ÛMMI MADAGASCAR: Manomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 ny Ramadany est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB

Araka ny efa fantatra, manomboka miverina amin’ny fanazarantena avokoa ny ekipa sy ny atleta manerana ny Nosy, isan’izany ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Ao anatin’izay indrindra, ho fampitomboana ny lenta sy hanomanana bebe kokoa ny ekipa amin’ny fifaninanana goavana hatrehina, mitady ankizy lava handrafitra ny ekipany ny filohan’ny GNVB, ny kolonely Rakotomalala Heriniaina. Somary lava ity fiatoana vokatry ny Coronavirus ity, raha ny nambarany, ka tena ilana ezaka goavana ny famerenana ny lentan’ny ekipa. Izany indrindra no tsy maintsy hirosoana amin’ny fitadiavana ankizy lava.Raha ny fanazavana hatrany, efa nanomboka niverina nikotrana, ny alatsinainy lasa teo, ny ekipan’ny volley ball ary mifantoka tanteraka amin’ny fanomanantena mafy. Nambaran’ity filohan’ny GNVB ity fa mila manao “revanche” mafy isika, taorian’ny faheresena azon’ny GNVB nanoloana an’ny Reonioney, nandritra ny “CCZone 7” farany teo iny. Fifaninanana notontosaina teto amintsika ny volana febroary lasa teo. Mba ho fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana fotsiny ihany ny nandraisan’ny La Réunion Ankara nandritra izany fa tsy ao anatin’ny faritra faha-7 izy. Izany hoe, ny GNVB ihany ny nahazo ny amboara, hisolo tena ny faritra faha-7, na laharana faharoa aza. Mi.RazL’article Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Amboasary Atsimo : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny polisy

Dahalo roa indray maty voatifitra nandritra ny fifandonan’ny polisy (CSP Am­bo­a­sary) sy ny dahalo tao Amboasary Atsimo, ny alarobia alina teo rehefa avy nanafika. Niditra an-keriny tao amina tokantranona vehivavy iray ny jiolahy miisa fito ni­rongo basy. Lasan’ireo mpanafika ny fananan’ny tompon-trano rehetra hatramin’ny vilany sy vola 350 000Ar. Olona teo amin’ny manodidina no nampandre ny polisy ka raikitra ny fanarahan-dia, izay niafara tamin’ny fifampitifirana. Vokany, lavo ny jiolahy roa raha tafaporitsaka ireo namany.Jean ClaudeL’article Amboasary Atsimo : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Alakamisy Ambohimaha : Tovovavy mpivarotra maty voatsatoka antsy tao an-tsena

Habibiana nataon’ny mpangalatra! Tovovavy iray 24 taona no maty notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo an-tsena, tany Alakamisy Ambohimaha, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro. Araka ny fanazavana,  nisy jiolahy mpangalatra nifaoka ny satroka iray fonosana miisa 30, izay anisan’ny entana namidin’ity vehivavy mpivarotra ity. Nanenjika izy noho  izany ka tratrany ity mpangalatra, saingy namoaka antsy ilay jiolahy, ary nolerany ilay tovovavy. Tsy afa-niala moa izy io ka voatsindron’ilay antsy, ka nijininika ny rà. Ny entana nangalarina kosa natsipin’ilay mpangalatra, ary avy hatrany dia nirifatra nitsoaka izy. Vokatry ny faheverezan-drà be loatra dia tsy tana ny ain’ilay mpivarotra. Mandeha ny fikarohana ilay tovolahy mpangalatra sady nahavanon-doza. Efa mandray andraikitra rahateo ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Yv Sam L’article Alakamisy Ambohimaha : Tovovavy mpivarotra maty voatsatoka antsy tao an-tsena est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Alakamisy Ambohimaha : Tovovavy mpivarotra maty voatsatoka antsy tao an-tsena a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fandaminana sy fandrindrana asa: ilana karnem-pokontany eny amin’ny biraom-panjakana

Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny 13 janoary teo ny tsy maintsy hananan’ny tokantrano tsirairay manerana ny Nosy ny karinem-pokontany.  Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izany.“Ilaina izany rehefa manao raharaha ara-panjakana hahafahana mandrindra sy mandamina ary mamaly ny filàn’ny mponina, indrindra eny amin’ny biraom-panjakana”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Hisy fokontany hatao filamatra “pilotes” hanombohana azy eto Antananarivo Renivohitra  ary hivoaka mialoha ny faran’ny volana ny ampahany amin’ny karinem-pokontany vaovao.Fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2021Fiaraha-miasa eo anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika (PREA), ny kaominina sy ny minisiteran’ny Atitany ary ireo minisitera isan-tokony, nifandrimbona nanao ny fanisana isan-tokantrano ny tamin’ny taona lasa no hoentina manatanteraka izany.Ankoatra izany, hatao any Taolagnaro ny fanokafana ny taom-pambolenkazo 2021ka hotanterahina ny 19 janoary izao. Hatao amin’io fotoana io koa ny Andron’ny fambolen-kazo any an-tsekoly na ny « Journée de reboisement scolaire » manerana ny Nosy. Lohahevitra amin’izany : « Mamboly hazo tia tanindrazana, mandoro ala mandoro tanindrazana ».Nahemotra ny fampahafantarana ny PEMNoho io hetsika iray lehibe io indrindra, nahemotra andro vitsivitsy ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny fandaharanasa PEM (Plan Emergence de Madagascar), tokony hatao ny 19 janoary 2021 ho avy izao. “Noho ny fandaminana isan-karazany sy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ka hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2021 any Tolagnaro amin’io andro io no antony”, hoy hatrany ny eo anivon’ny filankevitry ny minisitra.Synèse R.Natsangana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, araka ny filankevitry ny minisitra ny rafitra hanara-maso sy hanenjehana ireo mpanao hosoka « Agence nationale anti-fraude – Anaf ». natao izany mba hanaraha-maso ireo hosoka sy hanenjehana ireo mpanao hosoka araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàna. « Hanao ny fanadihadiana rehetra manodidina ireo hosoka rehetra ny Anaf, ary hiara-kiasa akaiky amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mahefa mpampihatra ny lalàna», hoy ny tatitra.L’article Fandaminana sy fandrindrana asa: ilana karnem-pokontany eny amin’ny biraom-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny fianakaviamben’ny Foloalindahy: nodimandry ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka

Fanamarihana tsotsotra ihany ny nentin’ny Foloalindahy nankalaza ny Andron’ny manamboninahitra omaly. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nisy ny fanolorana ny gisa ho an’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard. Nanamafy ny fijoroana hatrany ho tandroka aron’ny vozona hiaro ny vahoaka sy ny fananany ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, araka ny nambarany. Miarahaba ny manamboninahitry ny Foloalindahy rehetra manerana an’i Madagasikara izy sady nanamafy fa ny andro toy izao izay manamarika ny asa rehetra efa notanterahina ary mbola hotanterahina eo amin’ny fanovana ny rafitry ny Tafika. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana sy ny fankaherezana ho an’ny Foloalindahy amin’izao fahabangana misy eo amin’ny Tafika ana habakabaka izao noho ny fahalasanan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis. Nambarany fa olona miavaka ary anisan’ny andry iankinan’ny fitondrana ny fanovana ny rafitry ny Tafika ana habakabaka.Jean ClaudeL’article Misaona ny fianakaviamben’ny Foloalindahy: nodimandry ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famotorana momba ny fahafatesana :: Miantso fanampiana amin’ny fitsarana frantsay ny havan’ilay Karàna

« Novonoina ny havanay ». Io no fehin’ny tenin’ireo fianakavian’i Danil Radjan, ilay lehilahy karàna hita faty nihantona tetsy Ivandry, tamin’ny sabotsy 19 septambra lasa teo. Mahatoky ny mpitandro filaminana malagasy, polisy sy zandary, izy ireo amin’ny famotorana, saingy amin’ny maha mpizaka ny zom-pirenena frantsay an’itsy niharam-boina kosa dia miantso ny fitsarana frantsay hanome tanana ny mpanao famotorana ihany koa ireo havany. Misoko mangina ny famotorana ataon’ny polisy misahana ny heloka bevava na BC eny Ampefiloha momba an’ity tranga nahafatesana olona ity. « Manaitra ny tompon’andraikitra izahay mba hanamafy kokoa ny fanadihadiana. Vonona izahay hiara-hiasa hanome tanana amin’ny polisy sy ny zandarimaria. Efa nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny vondron’ny Karàna mizaka ny zom-pirenena frantsay na « CFOIM ». Novonoina tamin’ny fomba feno herisetra ny havanay », hoy ny fianakaviana Radjan. Isan’ireo noenjehina noho ny raharaha fanapoahana baomba teny Tsaralalàna i Danil Radjan sy ny rahalahiny Moustapha Radjan, tamin’ny taona 2014. « Manahy ny amin’ny mety fisian’ny lonilony tamin’ny fanenjehana azy sy ny rahalahiny izahay. Efa voarohirohy ho nanondrana volamena sy nanodinkodimbola ihany koa izy ireo. Afaka ihany anefa izy ireo tamin’ireny fiampangana ireny. Tsy tongatonga ho azy ny fitifirana an’i Moustapha teny Ambatobe, tamin’ny taona 2017. Mitondra takaitra izy ankehitriny. Mihorohoro izahay satria misy mifofo ny ainay mianakavy », hoy hatrany ny fianakaviana Radjan. L’article Famotorana momba ny fahafatesana :: Miantso fanampiana amin’ny fitsarana frantsay ny havan’ilay Karàna est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Notsongaina

Jaojoby, Tence Mena…: nahaliana ny maro ny “Jazz tropikaly”
11/10/2021

Seho hafakely, nampientanentana ny maro… Jaojoby sy i Tence Mena, kalazan’ny mozika tropikaly no naneho ny talentany tamina gadona Jazz, notendren-dry Weaver Trio, teo anoloan’ny Gara Soarano, ny asabotsy teo tamin’ny 4 ora 30 hariva.  Nampihetsi-po ny maro ny seho, tamin’izany no nitondran’i Tence Mena ny “Sitran’solo” sy ny an’i Jaojoby… Nampihetsika ny mpanatrika ny fiangalian-dry weaver trio ny feonkira jazz nolaroina tamina gadona salegy sns… “Mpanakanto manana ny maha izy azy “sakamalaho sy havozo”  eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy ireto niaka-tsehatra ireto”.“Mandritra ity herinandro ity dia hiaina jazz foana isika, ary hisy hetsika maro”, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Araka izany, fanombohana ihany ny tetsy Soarano fa maro ny seho sy hetsika isan-karazany, mandritra ity “Madajazzcar” andiany faha-32. Seho entina hanomezam-boninahitra an’i Désiré Razafindrazaka, izay filohan’ny komity mpikarakara, nodimandry tsy ela akory izay ity“Madajazzcar” andiany faha-32 ity . NarilalaL’article Jaojoby, Tence Mena…: nahaliana ny maro ny “Jazz tropikaly” a été récupéré chez Newsmada.

Sécurité publique : Participation de Madagascar à l’AG d’INTERPOL
11/10/2021

Au titre du ministère de la Sécurité publique, il s’agit de la participation de Madagascar à la 89e session de l’AG d’INTERPOL. Des communications ont été émises lors du Conseil de gouvernement du 6 octobre dernier. Pour le compte du ministère de la Sécurité publique, il s’agit de l’accord pour la 22ème édition du salon MILIPOL à Paris du 19 au 22 octobre 2021 ; de l’accord relatif à la demande d’autorisation pour la participation de Madagascar à la 89ème session de l’Assemblée Générale d’INTERPOL, du 23 au 25 novembre 2021 à Istanbul ; et de l’accord pour la cérémonie de baptême des camps abritant l’Ecole Nationale Supérieure de Police le vendredi 15 octobre 2021 à Ivato, et l’Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police le vendredi 29 octobre 2021 à Antsirabe. Standardisation. Au titre du ministère de la Justice, il a été décidé un accord pour le partenariat sur l’informatisation et la standardisation des services d’état civil dans la commune urbaine d’Ambohidratrimo et la commune rurale de Mahitsy ; l’accord pour le patronage du Colloque International : « Justice administrative et environnement » ; l’accord pour la cérémonie de remise de galons des inspecteurs d’administration pénitentiaire nouvellement nommés ; l’accord pour la participation du ministère de la Justice à la 8ème session du Groupe de travail sur le trafic illicite des migrants, les 14 et 15 octobre 2021, à Vienne, en Autriche ; l’accord pour la perspective de mise en place de nouveaux tribunaux de commerce à Antsiranana, Toliara et Antsirabe ; et l’accord pour l’accélération du traitement des dossiers pénaux avec détention. Pour ce qui est du ministère de l’Aménagement du territoire et des Services fonciers, il s’agit de l’accord pour l’organisation de la Journée mondiale des Villes, le 31 octobre 2021 à Morondava. Recueillis par Dominique R.  L’article Sécurité publique : Participation de Madagascar à l’AG d’INTERPOL a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà”
11/10/2021

Hentitra ary nahitsy. “Fantatray ny asanay sy andraikitray ka tsy hataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika na ny mpanohitra ho fitaovana politika”, hoy ny filoha vaovao eo anivon’ny Firaisakinan’ny sendikà (SSM), Andrianavalona Herizo Ramanambola, ny zoma teo, tetsy Anosy. Nanteriny fa ambara ho mpanao politika rehefa mitaky ny zo ka manao hetsika ny sendikà. “Lazaina fa manohana fanjakana indray anefa rehefa mangina… Natao hampivoatra ny fari-piainan’ny mpiasa sy hiaro azy ireo miaraka amin’ny tombontsoany ny sendikà”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hiezaka ny hametraka amin’ny toerany ny sendikà matanjaka sy ho lovainjafy.Tsiahivina fa hitantana ny SSM mandritra ny efa-taona ny tenany. Mpitarika mafana fo ny sendikan’ny fadin-tseranana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, nialoha izao nifidianan’ireo sendikà miisa 54 azy izao.Synèse R.L’article Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà” a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona
12/10/2021

Nanomboka omaly ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eny amin’ireo tahirim-bolam-panjakana eto Antananarivo. Efa nisy ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitra mba tsy hisian’ny filaharambe sy hitsinjovana ireo ray aman-dreny. Omaly anefa, tsikaritra tetsy amin’ny “perception” tetsy Ankadifotsy fa nilahatra maharitra ireo zokiolona tonga teny. Nisy tamin’izy ireo efa tonga teny tamin’ny 6 ora maraina kanefa tsy voaray raha tsy efa antoandro.Velon-taraina, noho izany, izy ireo ary nisy mihitsy no safotry ny hafanana sy ny havizanana ary ny hanoanana rehefa nilahatra ela loatra. Marihina fa ireo manana laharana miafara amin’ny 4-5-6 no handray ny volany, anio. Mitohy izany ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 7-8-9 maka ny anjarany, rahampitso alarobia. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny A-B-C-D kosa, ny alakamisy. Natokana ho an’ireo mitondra “procuration” sy ireo taraiky kosa, ny zoma. Ho an’ny faritra hafa, mety miova ny daty fanombohan’ny fizarana fa mitovy ny fandaminana amin’ny laharana.Azo alaina amin’ny fotoana rehetra ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo izay mbola tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro.Tatiana AL’article Fisotroan-dronono: nilahatra maharitra ireo zokiolona a été récupéré chez Newsmada.

FEPA : La 12 édition aura lieu dans l’enceinte du MPE à Nanisana
12/10/2021

La Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture (FEPA) n’a pas eu lieu l’an dernier en raison de la crise sanitaire liée à la pandémie de Covid-19. Cette année, la 12è édition de cet événement de grande envergure se tiendra du 15 au 17 octobre 2021 dans l’enceinte du MPE (Malagasy Professionnels de l’Elevage) à Nanisana. L’objectif consiste à booster tous les secteurs d’activité contribuant au développement rural et constituant également le pilier du développement économique de Madagascar. Outre les ventes-expositions de tous les produits issus de ces secteurs, notamment l’agriculture, l’élevage et la pêche, ainsi que des matériels et accessoires et intrants agricoles, sans oublier les ventes d’animaux vivants, des rencontres entre tous les acteurs concernés seront organisées. Les différents projets et programmes œuvrant pour le développement rural y exposeront également les produits spécifiques de leurs régions d’intervention. Il est à noter que cette 12è édition de la FEPA coïncide avec la célébration de la Journée mondiale de l’alimentation et de la Journée mondiale des femmes œuvrant dans le monde rural ainsi que la Journée mondiale de la lutte contre la pauvreté. Diverses actions y seront ainsi menées en partenariat avec le ministère de l’Agriculture et de l’élevage ainsi que la FAO. Le comité d’organisation a choisi cette année un slogan « FEPA 2021, Valorisation et relance du développement économique de Madagascar. Navalona R.  L’article FEPA : La 12 édition aura lieu dans l’enceinte du MPE à Nanisana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nécrologie du 14 octobre 2021
14/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 14 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahasalamana: nivoaka ny karaman’ny mpanao vaksiny
11/10/2021

Navoakan’ny fanjakana ny alin’ny zoma teo ihany ny karaman’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao vaksiny, izay nanao fanairana tamin’iny herinandro iny. Karama roa volana niasana no noraisin’ireo olona 170 voakasik’izany. Mitsinjara ho ekipa 34, samy ahitana olona dimy avy  ka ao ny mpanao vaksiny, ny mpandrakitra ny mombamomba ny olona vita vaksiny, ny mpara-maso, ny mpandrindra ary ireo mpifehy ny kojakoja rehetra avy nampiasaina Na dia efa nandroso ho alina aza ny andro, ny zoma teo dia tsy nikely soroka ireo mpikarakara eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nijery izay fomba rehetra nahafahan’ireo olona ireo nandray izany haingana, araka izay azo atao. Mbola misokatra hatrany ny toerana fanaovam-baksiny eto Antananarivo ary natao ho an’ireo olona rehetra mihoatra ny 18 taona izany.Tatiana AL’article Fahasalamana: nivoaka ny karaman’ny mpanao vaksiny a été récupéré chez Newsmada.

Développement rural : Le ministère de l’Industrie mise sur la « pépinière industrielle »
16/10/2021

Impulser des dynamiques de développement économique focalisées sur la valorisation de potentialités des territoires est le nouveau défi que compte lancer le ministère de l’Industrie, du Commerce et de la Consommation pour relancer l’économie nationale. Dans ce cadre, ce département dirigé par Edgard Razafindravahy veut mettre en place des « pépinière industrielles ». Ce concept consiste à mettre en place au niveau local, dans les communes et les fokontany, un espace favorable aux affaires et au développement de l’entreprise. Propriété foncière. Les jeunes sont ciblés par ce nouveau projet qui veut améliorer les conditions de vie dans le milieu paysan et constituer un levier pour le développement rural. Dans ce cadre, le ministère compte lever certains blocages récurrents à la réalisation des « pépinières industrielles » dans les territoires et afin de pouvoir obtenir un impact direct au sein des ménages, surtout en milieu rural. Notamment l’octroi et la sécurisation de propriété foncière, l’allègement des procédures administratives liées à la création d’entreprise. La valorisation et la promotion des potentialités locales, essentiellement en matière d’agriculture et d’élevage, est le cœur de ce nouveau projet de création de « pépinière industrielle ». Fond. La professionnalisation des métiers agricoles figure parmi les objectifs de la mise en place de « pépinière industrielle ». Le ministère de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation compte créer un fonds dédié à la promotion du projet afin de soutenir les initiatives locales. Le département d’Edgard Razafindravahy fait ainsi appel à contribution des investisseurs étrangers et locaux pour soutenir cette initiative qui veut donner du souffle à l’économie rurale. D’ailleurs, le ministère va apporter des appuis logistiques et fournir des formations par le biais des techniciens de ses directions régionales dans le cadre de la mise en œuvre du projet. Recueillis par Rija R.L’article Développement rural : Le ministère de l’Industrie mise sur la « pépinière industrielle » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Trafic de bois précieux : Saisie de 120 rondins de palissandre et de « bedara »
13/10/2021

Le MEDD maintient sa position et argue « la tolérance zéro ». La couverture forestière de Madagascar ne représenterait plus que 12% de sa superficie. Une perte qui est exacerbée par les divers trafics enregistrés ou non par les autorités.  La perte de biodiversité continue au vu et au su de tout le monde. Et ce, malgré les efforts menés par les divers acteurs comme le ministère de l’Environnement et du Développement durable et ses partenaires techniques et financiers. Notamment, dans la mise en place de dispositifs de lutte contre les divers trafics, en vue de renforcer les efforts de préservation et de consommation des ressources naturelles. La saisie de 120 rondins de bois précieux tels que le palissandre ou encore le  « bedara » constitue, d’un côté, la manifestation des entorses à ces règles et dispositifs stricts. Et des preuves tangibles du côté opérationnel desdits dispositifs, de l’autre. « Pris en flagrant délit pour transport illégal, les bois qui provenaient de Tsiroanomandidy devaient être acheminés à Ambodivona », nous confie une source auprès du ministère de l’Environnement et du Développement durable à Nanisana. Notre source fait également savoir que « le véhicule semi-remorque ayant servi pour le transport des bois interceptés a été mis en fourrière et la propriétaire des produits est déjà identifiée ». Aggravant. Outre l’exploitation illicite des ressources naturelles, la source auprès du ministère de l’Environnement et du Développement durable nous explique que la propriétaire des produits a recouru « aux faux et usages de faux». « Il s’agit d’une autorisation de transport et d’un procès-verbal d’embarquement de ces bois, qui sont totalement faux », nous rapporte la source. Avant de préciser que « ce sont des paperasses non délivrées par le ministère de tutelle. Sur l’en-tête des papiers figure en effet un logo du ministère des Eaux et Forêts et de l’Écologie, une ancienne dénomination du ministère de l’Environnement et du Développement durable, et une mention du Groupement Régional des Exploitants Forestiers de Bongolava sous le sigle du Secrétariat Général ». Et sur ce dernier point, le commissaire divisionnaire Elutin Razafiarison de la direction de l’Unité de Lutte contre la Corruption (DULC) précise que « le Groupement des Exploitants Forestiers est une organisation entièrement privée, et non pas sous la tutelle du SG du MEDD ». A la propriétaire des bois saisis d’expliquer donc les irrégularités devant les officiers de Police Judiciaire du MEDD.  José BelalahyL’article Trafic de bois précieux : Saisie de 120 rondins de palissandre et de « bedara » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina
12/10/2021

Mamoha, mitrandraka, mampahalala, manome sehatra ary manaparitaka ny mozika miaina ny « Angaredona ». Anjaran’i Toamasina indray no mandray ny andiany faha-16.Mbola tsy mikatona ny fery navelan’ny hamehana ara-pahasalamana, ho an’ny sehatry ny zavakanto. Na izany aza, efa nanombana Rajery tamin’ny volana jona, fa hotontosaina any Toamasina ny « Angaredona » amin’ity taona ity. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, nanamafisana ny fisian’ity hetsika lehibe ho an’ny mozika miaina ity. Fantatra fa hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao ny « Angaredona » andiany faha-16, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Manankarena zavakanto, indrindra ny mozika iny faritra atsinanana iny. Mbola voaporofo izany nandritra ireo fitetezam-paritra nataon-dRajery sy ny ekipany, nikaroka ifotony izay mahakasika ny mozika malagasy rehetra. Antony nisafidiana ny toerana, ary mbola nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, izay mpanakanto fanta-daza rahateo. Mifikitra amin’ny tanjona napetrany hatrany am-boalohany ny « Angaredona », raha ny fanazavan-dRajery, izay vy nahitana ny hetsika. Mampiaina, mampita ny manome lanja ny tafan-kolontsaina, izay harembakoka lehibe eto Madagasikara. Teny an-dalana teny, lasa sehatra ho an’ny kolontsaina isam-paritra ny « Angaredona ». Maro ireo mpanakanto nofohazina na nasondrotry ny hetsika, izay samy mivoy ny mozika miaina avokoa. Nametraka tanjona fanampiny, toy ny fivoizana ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy, ary ny fanentanana ny tanora hitodika amin’ny kolontsaina ny hetsika. Nametraka ny maha fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina rahateo ny “Angaredona”, ka ny hita maso akaiky indrindra dia ny lafiny fizahantany mandritra ny hetsika. “Hozaraintsika amin’ireo ankizy sy ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy hatrany ivelany ny kolontsaina malagasy”, hoy kosa ny nambaran’i Patrick Pisal Amida, tale jeneralin’ny Telma, izay hanana andraikitra lehibe amin’izay fanapariahana izay. Tsiahivina fa mpanakanto maro, mivoy ny mozika miaina marolafy, avy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no handray anjara amin’ny “Angaredona” any Toamasina amin’ity. Mazava loatra fa hahazo sehatra bebe kokoa ny avy ao an-toerana.Zo ny AinaL’article « Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Ifi : Assises nationales samedi dernier à Vontovorona
12/10/2021

La plateforme Ifi du sénateur Richard Ramanambitana toujours fidèle au président Andry Rajoelina. La plateforme «Isika Fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina » (Ifi) a tenu ses assises nationales, samedi dernier, à Vontovorona. Elle ne fait pas partie du TGV ni du Mapar mais elle reste convaincue du développement prôné par le président Andry Rajoelina. De ce fait, elle apporte son soutien indéfectible au chef de l’Etat. Ces assises entendent renforcer davantage l’idéologie de l’IFI durant ses trois années d’existence avec notamment la participation des représentants de différentes régions. Lors de son allocution, le président national de l’Ifi, le sénateur Richard Ramanambitana, a déclaré qu’« Ifi n’a pour ennemi que la pauvreté ». Et de continuer que « ce qui est important c’est l’amour de la patrie ». Toujours selon le sénateur, « nous restons fidèles au président Andry Rajoelina », tout en soulignant au passage que « nous soutenons les 13 velirano faisant partie de son programme ». Par ailleurs, il tient à préciser la place importante de la solidarité au sein de l’Ifi. Notons que cette plateforme compte 900 000 partisans et sympathisants éparpillés dans toute l’île. Recueillis par Dominique R.  L’article Ifi : Assises nationales samedi dernier à Vontovorona a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts
16/10/2021

Les techniciens de la DGD et de la DGI ont planché sur les moyens d’optimiser les contrôles L’Etat entend améliorer la collecte des recettes publiques. Les procédures légales sont renforcées pour y parvenir. C’est justement dans cette perspective que les administrations fiscales et douanières travaillent sur le  renforcement  des actions de lutte contre les fraudes à travers la mise en place d’une plateforme d’échanges de données La Direction Générale des Douanes et la Direction Générale des Impôts ont tenu mercredi dernier une réunion destinée justement à réorienter et à renforcer leur collaboration. Une collaboration qui ne date pas d’hier puisqu’elle a déjà fait l’objet d’un protocole de collaboration signé en 2010. Relance Déjà effectif, ce protocole a cependant  été suspendu pour diverses raisons. Sa relance va probablement améliorer les choses. Il s’agira  notamment de renforcer les contrôles mixtes et les échanges d’informations entre ces deux entités de collecte des recettes publiques. « L’objectif est d’arriver à un accroissement des recettes fiscales et douanières à travers un renforcement des contrôles et une fluidification des échanges des données », précise un responsable de l’administration douanière. En effet, l’exploitation conjointe des données et I ‘échange d’information entre les deux directions générales constituent les pierres angulaires du renforcement de la lutte contre les fraudes. Et ce, pour la bonne et simple raison que les deux administrations font face aux mêmes fraudeurs. Ce qui fait que la meilleure stratégie de ciblage et de mesure du risque de non-conformité douanière et fiscale est de coupler les bases de données des deux administrations et de partager des informations sur les profils des contribuables. Pour le contribuable, cette  collaboration entre les douanes et les impôts leur évite une perte de temps dans la mesure où les contrôles fiscaux et douaniers se font en même temps. En interne À terme, l’exploitation en commun  des informations sur les contribuables accumulées  au niveau de chacune des deux directions générales permettra d’améliorer les contrôles  et la lutte contre les fraudes et de parvenir ainsi à accroître les recettes fiscales et douanières. « Cette plateforme d’échanges de données réalisée en interne au niveau des douanes et des impôts va permettre de faire une économie d’échelle en matière de contrôle », précise Ernest Lainkana Zafivanona, Directeur Général des Douanes. Une manière en somme d’optimiser les résultats des contrôles et de limiter ainsi les fraudes et par conséquent d’augmenter les recettes fiscales. R.Edmond.L’article Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts a été récupéré chez Midi Madagasikara.