Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

News - Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

News - Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano »

Tsy ankiandriandry fa nitondra ny hetahetany sy ny olana avy hatrany. “Misedra olana eo amin’ny rano fisotro izahay. Efa an-taony maro izany ny niainan’ny mponina.  Tsy eto an-tampon-tanàna ihany fa iharan’izany avokoa ny kaominina rehetra manerana ny distrika”, hoy ny depiote voafidy tao Vohemar, i Edizard, omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza.  Nanteriny anefa fa manana riandrano azo trandrahina ho amin’izany ny any an-toerana. Olana anefa ny fotodrafitrasa hitarihana izany. Manoloana ireo, velon’ahiahy ny mponina any amin’ity distrika ity. “Atahorana ny valanaretina, toy ny takilidrano. Manao antso avo amin’ny fanjakana, indrindra fa ny minisitera, izahay hijery vahaolana momba izany”, hoy  ihany izy. Na misy paompy aza ny kaominina sasany, olana koa anefa ny tsy fahampian’izany. Mampiasa vovon-drano sy renirano ny ankamaroan’ny mponina.

Synèse  R. 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Depiote Edizard: « Tokony hojerena ny olan’ny rano » a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.Landy R.  L’article Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

MPAMPIANATRA FANATANJAHANTENA: Samy hafa ny any an-tsekoly sy ny federasiona

Mampatsiahy ny fitakiana nataony ny mpampianatra  fanatanjahantena (EPS). Efa nisy tamin’ireo fangatahan’izy ireo no voavaly amin’ny ampahany saingy mbola misy ihany koa no mbola tsy voavalin’ny fanjakana. Noho izany, mangataka fifampidinihana ahitam-bokatra ireo mpampianatra EPS araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety  omaly 27 novambra 2018. Ao anatin’ny fitakian’ny mpampianatra EPS ny hoe : « tsy tokony hasiana vary mangatsiaka ny fandoavana ny tambin-karama ny mpanadina EPS  amin’ny BAC na ny BEPC, tsy tokony hampianatra fanatanjahantena raha tsy mivoaka avy ao amin’ny fianarana ambaratonga ambony  mampiofana mpampianatra (ENS). Misy olona anefa mahazo fahazoan-dalana mampianatra ka mandeha mampianatra taranja fanatanjahantena. Tsy tokony avela hampianatra EPS izy satria saro-pady io taranja io », hoy ny mpitondra tenin’ireo mpampianatra, Rivo Blandin.  Ankoatra izany, mampatsiahy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN)  ireo mpampianatra fa zava-dehibe  ny  « Education physique de qualité » (EPQ) izay voizina manerantany. Manoloana izany, mangataka izy ireo mba hasiana sampandraharaha manokana eo anivon’ny MEN hisahana ny fanabeazana ara-panatanjahantena mba hisorohana ny olana miverimberina rehefa mikarakara ny adina ara-panatanjahantena. Hisahana ny fandrafetana  ny fandaharan’asa mifandraika amin’ny EPQ sy handrindra ny fanatanjahantena any an-tsekoly ihany koa  io sampandraharaha io. Nilaza izy ireo fa tady ho lasa any amin’ny fanatanjahantena tantanin’ny federasiona ny fanabeazana ara-panatanjahantena any an-tsekoly kanefa samy hafa ireo sehatra ireo. « Mamolavola ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ny any an-tsekoly. Misy fitsipika manokana kosa  ny an’ny federasiona”.  Araka ny fanambaran’ny mpampianatra, mitaky ny hamerenana ny  taranja EPS amin’ny  BAC ho “coefficient 2” sy ho taranja tsy maintsy atao ny EPS amin’ny BEPC ihany koa izy ireo rehefa mandeha tsara ny fanatanjahantena any an-tsekoly, mizotra tsara ihany koa ny fanatanjahantena tantanin’ny federasiona. Lynda A. Cet article MPAMPIANATRA FANATANJAHANTENA: Samy hafa ny any an-tsekoly sy ny federasiona est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Fikambanana Fitia sy ny fitaterana: maherin’ny 2 000  ireo fiara namendrahana fanafody

Andro faharoa ho an’ny fandrarahana fanafody ny fiara mpitatitra olona teny amin’ny toerana 11 eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, omaly.  Nahitana filaharan’ny taxi-be ny toerana rehetra hanaovana ny asa. Ny antoandro vao niroso tamin’ny fandrarahana ny teknisianina ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana nampimenomenona ny mpampiasa lalana. « Betsaka kokoa raha nitaha ny tamin’ny andro voalohany (nahatratra 2 100)  ny fiara omaly satria izay vao nahalala ny lamina ny mpitatitra ka tonga marobe », hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny fikambanana Fitia, Andrianisa Gentiane, teny amin’ny Coliséum, Antsonjombe. Nametrahana « autocollant » tsirairay ny fiara rehetra, asiana marika isan’andro rehefa avy norarahana fanafody. Tsy mitovy fa miova isan’andro ny lokon’ny marika hampiavaka azy. Nizarana saron-tava sy « gel désinfectant » avokoa ny mpamily sy ny mpanampy azy.Nangataka ireo kaoperativa mba ho izy ireo ihany no hanao ny fandrarahana fanafody. Manana ny fitaovana ahafahana manao izany izy ireo hisorohana ny filaharana. Nanolo-tanana amin’ny fitaovana enti-miasa ny fikambanana Fitia miaraka amin’ny minisiteran’ny Fitaterana.Vonjy A. L’article Fikambanana Fitia sy ny fitaterana: maherin’ny 2 000  ireo fiara namendrahana fanafody a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam-piarakodia :: Kodiarana vaky namono olona efatra

Olona efatra no namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, tany Iarintsena, Ambalavao, afak’ omaly tolakandro, taorian’ny fahavakisan’ny kodiaran’ny fiara marika “Mercedes Sprinter” iray. Maty tsy tradrano ny mpandeha roa. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa kosa ny roa hafa. Mbola misy ireo maratra manaraka fitsaboana, araka ny vaovao voaray farany, omaly. Avy any atsimo nikasa ho any Ambalavao ity fiara ity no tra-doza. Nandeha mafy izy rehefa niaka-piakarana saingy vaky ny kodiarana iray tao aoriana. Niala lalana sy nivadika ny fiara. “Olona valo, miandahy miambavy, samy mbola tanora, ireo naratra. Nieren-doza kosa ny mpamily sy ny mpanampy azy”, hoy ny polisy manao ny fanadihadiana. L’article Lozam-piarakodia :: Kodiarana vaky namono olona efatra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Ady amin’ny kolikoly

Manjaka amin’ny sehatra maromaro ny kolikoly eto Madagasikara. Anisany miady amin’izany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa misy ireo fitaovana napetraka hanampy amin’ny fiadiana amin’ny kolikoly sy komity miady amin’izany izay efa natsangana eny anivon’ny Cisco manerana ny Nosy. Ity komity ity no mandefa ny fitarainana any amin’ny Bianco ary ny Biraom-paritra misahana ny fanabeazana ny Cisco sy ny Dren. Ho fanampiana ny olona izay iharan’ny kolikoly na mivantana na an-kolaka ity vata ity. Nankalazaina, omaly ny “Andro maneran-tany momba ny ady amin’ny kolikoly”. L’article Ady amin’ny kolikoly est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina

Tamin’ny feo tony sy milamina. “Nidina an-keriny ary nanorina trano tsy ara-dalàna etsy amin’ny tanim-panjakana etsy Alarobia Raholdina Naivo. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana  hanorina. Tsy misy koa ny fanamarinana ny maha azy ny tany ka tsy maintsy naka fepetra ao anatin’ny  fanarahana ny lalàna ny fanjakana”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny  Fanajariana ny tany, Raharison Liva, notronin’ireo tale jeneraly miisa valo eo anivon’ny ity minisitra ity, omaly tetsy Anosy. Nambaran’izy ireo fa efa  ampiantsoina sy nangatahina ny antontan-taratasy rehetra ity olon’ny IRD ity, saingy tsy nahita taratra ny maha azy ny tany  izany.  “Tsy maintsy nakatona sy nogiazana ny toerana… Tsy ananan-kavana ny raharaha  tahaka izao. Rehefa vandana dia kary… Azy manokana indray ny fanenjehana sy ny  fanaratsiana… Tompon’andraikitra amin’ny nambarany izy. Tsy manenjina azy amin’izany ny minisitera”, hoy ihany izy ireo.Kianjan’ny rugby eny Soavimasoandro Tsy vitan’izany fa mbola nofoanan’ny fanjakana koa ny fifampivarotana sy ny fahazoany “titre”,  miaraka amin’ny olona hafa maromaro, ny tany etsy amin’ny kianjan’ny rugby Soavimasoandro, mitondra ny anarana “Fanantenana Hanitriniala”.Fotoana koa io nanambaran’ireo tale jeneraly ireo ny momba ireo tanim-panjakana namidy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ka nanaovana antso avo ny amin’ny tokony hamerenana  izany. “Misy ireo mbola karohina sy tadiavina. Eo koa ireo efa namerina ny tany.  Anisan’izany ilay nahazo ny zaridainan’Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy. Efa niverina amin’ny minisitera ny tanin’ny EPP any Toliara sy ny velaran-tany 230 ha nampanofaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”, hoy ihany izy ireo.Randria   L’article Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Betsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika 

Efa manomana paik’ady hentina hisorohana ny tsifandriampahalemana, mialoha, mandritra ny fankalazana ny fetin’ny « paska » ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka. Ohatra amin’izany ny fiambenana amin’ny alina, mandritra ny dimy andro. Hametrahana andiana Zandary eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ; izay ivezivezen’ny fiara. Nandraisana fepetra manokana ihany koa ny  fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ho hentitra ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fampanajana ny fitsipika rehetra sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana. « Zandary maherin’ny 150 no hahetsika ato anatin’ny Faritra Betsiboka, ary fiara tsy mataho-dalana telo sy miampy môtô enina no hampiasaina mandritra izany. Hiandreketan’ny Zandary hatramin’ny fanaraha-maso an’ireo toeram-pitsangantsanganana mahavory olona ny toeram-pilanonana, mandritra ny alahady sy ny alatsinainy paska, » araka nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarmaria  eto Betsiboka, ny Lietinà-kolonely Ratovonandrasana Veloson Julien. Izay vao avy nandray ny asany amin’ny maha- lehiben’ny Zandary vaovao azy, hatramin’ny tapa-bolana lasa izay. RatantelyL’article Betsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kongo: nanome vola hiadiana amin’ny Ebola ny Amerikanina

Tsy mbola lefy ny tsimokaretina Ebola amin’izao fotoana izao any Kongo, indrindra ao amin’ny faritra Avaratr’i Kivu. Olona 10 indray namoy ny ainy tao an-toerana nandritra ny 10 andro farany ka tafakatra 1 698 ireo maty noho ny aretina, nanomboka ny 1 aogositra 2018 ka hatramin’izao, ka mpiasan’ny fahasalamana ny 41 amin’ireo, araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamana kongoley. Ao amin’ny tanànan’i Beni, toerana nipoiran’ny valanaretina any amin’ny 50 km somary atsimo, ao Butemo-Katwa no nitrangan’ny  fahafatesana valo amin’ireo 10 voalaza. Mbola misy tranga 374 mampiahiahy eo an-dalam-panaovana fanadihadiana ary misy tranga 10 vaovao voamarina fa voan’ny aretina Ebola indray koa. Misy kosa ireo sitrana izay mahatratra 717 ary voasoroka ny fahafatesana ho an’ny olona 164 757 vita vaksiny miaro amin’ny aretina Ebola.Nanome toromarika ho an’ny mpitondra fiangonana ny fitondrana kongoley amin’ny tokony handraisan’ny mpitarika ireny fiangonana ireny fihetsika manazava ny sain’ny mpino ao aminy. Mila hazavaina fa aretina azo sitranina sy sorohina ny Ebola fa tsy mosavy na asan’ny maizina, araka fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamana kongoley, i Oly Ilunga.Tratran’ny Ebola ny pasitera iray  Pasitera rahateo ilay voatily fa nitrangan’ny aretina Ebola voalohany tao Goma ary namoy ny ainy taorian’izay. “Ao Rwanda izay firenena mifanila amin’i Kongo, tsy mbola nisy, hatreto, ny trangana Ebola voatily ka tokony hitony ny vahoaka”, hoy ny mpitondra ao aminy.Miantso ny firenena rehetra hiara-hiasa amin’i Kongo handray an-tanana amin’ny fisehoan’ny retina Ebola ny tale jeneralin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), i Tedros Adhanom Ghebreyesus. Nanambara ny fanjakana amerikanina amin’ny alalan’ny USAID fa hanome vola 98 tapitrisa dolara hanampiana amin’i Kongo ao anatin’izao ady amin’ny valanaretina Ebola izao. Miangavy ny firenena hafa, ohatra, i Frantsa hanolo-tanana koa izy ireo anefa.Vonjy A.                 L’article Kongo: nanome vola hiadiana amin’ny Ebola ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misy amin’izay ny azo atao amin’izao…

Mitohy ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Mandra-pahoviana? Efa an-dalam-pamaranana… Ny any Toamasina aza, efa naman’ny vita? Eny, na mbola eo hatrany aza ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana. Hatramin’izao, ny faritra Analamanga ihany, ohatra, no foiben’ny fihanaky ny tsimokaretina coronavirus. Na izany aza, tsy mitsaha-mitombo ny marary sitrana ary mihena manaraka izany ny tranga vaovao amin’ny fi­ton­drana ny tsimokaretina. Mahabe fanantenana ny hi­fa­ra­nan’ny ady mivantana izany? Saingy mahamalina sy mahamailo hatrany… Mby amin’ny fitenenana hoe: ny fanantenana no mampiaina, ny finiavana no mampandroso. Amin’izany, mila iomanana dieny izao ny fanarenam-piainana eo amin’ny isam-batan’olona sy ny isan-to­kan­tra­no. Eny, na mbola misy aza, ohatra, ny sehatra tsy afa-ma­noa­tra noho ny tsy fahazoana mamory olona, ny tsy fa­h­a­zo­an’ny fitarerana miasa… Samy mila miomana amin’izay fiverenana amin’ny fitadiavana andavanandro izay? Tsy inona fa ny fahazoana sy fahaizana miara-miaina amin’ny valanaretina covid-19 eo amin’ny fiainana an­da­va­nan­dro. Fahavalo tsy hita maso ny tsimokaretina: mbola any ho any fa tsy resy tosika tanteraka, na mety ho manana ny fotoana na tonontona mampirongatra azy, ohatra, sanatria? Mila fahamalinana sy fahamailoana hatrany… Na izany aza, amin’izay hoe fiaraha-miaina amin’ny tsi­mo­karetina izay: tsy maintsy atrehina sy irosoana ny fiainana. Tsy lavina, zava-dehibe ny fanampiana. Saingy tsy mahavita taona, tsy hahafa-po rahoviana, tsy hahenika ny rehetra… Misy ny azo atao amin’izao? Manaraka fepetra amin’ny fitadiavana, miara-miaina amin’ny aretina… Mila fiomanana izany mba tsy hiraparapana: itan­dre­ma­na sy iarovan-tena amin’izay atao, iarovana ny hafa koa. Inona no azo atao? “Aza manontany izay mety hataon’ny firenena aminao fa manontania izay azonao atao ho an’ny firenena”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i John Fitzgerald Kennedy, raha vao nandray fahefana.Rafaly Nd.L’article Misy amin’izay ny azo atao amin’izao… a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Kitra – Na teo aza ny ady sahala tamin’ny Elefanta…: efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto
18/11/2020

Na teo aza ny ady sahala nifanandrinan’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, omaly tany Toamasina, mbola misy hatrany ny fanantenana. Samy mitarika ao anatin’ny vondrona K misy azy ny roa tonta. Efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto.Efa any amin’ny ”Can 2022” hatao any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nanoloana ny Elefanta ivoarianina. Samy manana isa fito mitovy ny andaniny sy ankilany izao. Manana isa enina kosa ny ny Etiopianina, mijanona eo amin’ny laharana fahatelo rehefa nanamontsana 3 no ho 0 an’i Niger, miray sokajy amintsika,  tamin’ny lalao omaly koa. Handray an’i Niger ny Barea ny volana marsa 2021, raha efa nomontsanin’i Madagasikara 6 no ho 2 tamin’ny lalao mandroso ary hanafika an’i Etiopia kosa avy eo. Izany hoe, mila mandresy an’i Niger eto an-toerana sy any Etiopia na farafaharatsiny, manao sahala amin’izy ireo ahafahana mahazo ny tapakila amin’ny ”Can 2022”.Nivoaka sempotra tanterakaTsiahivina fa ady sahala, 1 sy 1, ny nisarahan’ny roa tonta teto amin’ny kianja Barikadimy Toamasina. Nivoaka sempotra tanteraka ny ekipa malagasy vao nahasala ny isa. Nitarika, 1 no ho 0, mantsy ny Ivoarianina, hatreo amin’ny minitra faha-50. Baolina tafiditr’i Kessi, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, teo amin’ny minitra faha-13, rehefa nandray tanana, tao anaty faritra tsy azo ivalozana, i Jeremy Morel, noho ny fikoropahana. Nanjakan’ny Elefanta, notarihin’i Nicolas Pepe sy i Teddy Haller ary i Serge Aurier, ny tapa-potoana voalohany. Nitsitapitapy kosa ny fanafihan’ny Barea, izay tsy nampitahotra mihitsy ny vodilaharana ivoarianina. Niezaka nandrindra fanafihana ihany i Amada sy i Marco, teo afovoan’ny kianja, saingy tsy tonga mihitsy tany amin’i Hakim, lohalaharana malagasy, ny baolina fa ravan’ny Ivoarianina hatrany. Hita ho tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy i Metanire sy i Ryan. Vokatr’izay, voatery nidina i Carolus, naka baolina. Zara fa nahatafavoaka baolina ny vodilaharana malagasy.Tara loatra ny fanoloana mpilalaoNiezaka nifoha tamin’ny torimasony ny Barea, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nosakanana tany ambony ny Elefanta ary nomena baolina matetika ireo lohalaharana. Nahitam-bokany izany teo amin’ny minitra faha-51, rehefa tafaporitsaka tampoka i Carolus, ka nanolotra baolina ho an’i Mombris ary nandefa izany ho an’i Amada, ary namarana izany tamin’ny daka mandrivorivo, ka nampikobana ny masonaraton’i Gbohouo.Nahazo aina ny Barea teo ka sesilany ny fanafihana, saingy hita ihany ny havizanan’ireo mpilalao. Efa tokony hisy ny fanoloana mpilalao, saingy toy ny mahazatra azy, tsy nanao izany i Nicolas Dupuis, raha tsy tany amin’ny 10 mn farany, ka nanala  an’i Carolus sy i Paulin ary i Ryan sy i Hakim ka nampiditra an’i Loic sy i Sylvio ary i Zotsara, niampy an-dRamalingom. Fohy loatra anefa ny fotoana nilalaovan’izy ireo ka tsy ampy nanehoan’izy ireo ny fahaizany.Samy nahazo isa 1 avy izany Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Barea, taorian’iny lalao iny, saingy mbola mitarika aloha, hatreto, ny Ivoarianina.Tompondaka sy Synèse R. Mpilalaon’ny Barea, i Carolus sy i Melvin: “Zava-dehibe ny ady sahala eo amin’ny  filaharana. Samy nanome ny tsara indrindra ny mpilalao na teo aza ny tsy fahampian’ny fifantohana sy ny fikorontanana. Nanao ny faran’ny hery isika… Miezaka ny ho laharana voalohany hatrany isika. Somary elaela vao tafiditra tao anaty lalao izahay tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Nohatsaraina izany tamin’ny fizaram-potoana faharoa tamin’ny fanovana mpilalao… Ireny aloha ny vokatra”. L’article Kitra – Na teo aza ny ady sahala tamin’ny Elefanta…: efa any Kameronina ny tongotra ilan’ny Barea, hatreto a été récupéré chez Newsmada.

Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena
19/11/2020

Dinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta, anekhitriny, ny Tetibolam-panjakana LFI 2021. Raha atao indray mijery ny taona 2020, nikatso ny famokarana ankapobeny sy ny varotra maneran-tany, vokatry ny krizy Covid-19. Hisy fiantraikany amin’ny seha-pihariana sasany izany, toy ny sehatry ny fampiantranoana sy ny fisakafoana izay nihena -79,4% tamin’ity taona 2020 ity, ary -53,2% ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Vokany, tafidina -3,8% ny tahan’ny fitomboan-karena ho an’ny taona 2020 raha novinavinaina ho +0,8%. Tsy tena niantraika loatra any amin’ny seha-pihariana voalohany, ahitana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana, anefa ny krizy, satria nahitana fitomboana +3,1% ny taona 2020 raha +3,5% ny vinavina.Nofaritana ao anatin’ny LFI 2021 fa hiakatra +4,5% ny tahan’ny fitomboan-karena amin’ny taona ho avy io. Hahatonga izany ny fitomboan’ny sehatra voalohany ho +3,6%, ho +10,6% ny sehatra faharoa (indostria sy fanodinam-bokatra, fanorenana BTP…) ary hiakatra +4,1% ny sehatra fahatelo (varotra sy ny servisy).Hihen-danja ny AriaryTombanan’ny LFI hiakatra +6,2% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny taona 2021. Voalaza fa antony hahatonga izany ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, sy ny vinavina ny salanisan’ny fitomboan-karena maneran-tany ho +5,2% amin’ny taona 2021. Manampy ireo ny fihenan-danjan’ny sandambola malagasy Ariary miohatra amin’ny dolara, vola ampiasaina amin’ny fanafarana entana, indrindra ny hividianana solika. Vinavinaina hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny seha-pihariana manomboka amin’ny telo volana voalohany ny taona 2021.Manoloana ireo, hiezaka ny governemanta malagasy hanohana ny sehatry ny famokarana eto an-toerana, indrindra ny fahavitantena sakafo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa (amin’ny fambolena, lalana,…), indrindra ny any amin’ny faritra sy ny distrika. Miavaka amin’ny LFI 2021 koa ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny distrika sy ny kaominina.Njaka A.L’article Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia
25/11/2020

   Nanampy ny vehivavy hahaleo tena ara-tsakafo ao Ifotoaka hisorohana ny kere ka nanome fitaovana azy ireo ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy. Nitondra ny anjara biriky hanohanana ny fianakaviana sahirana noho ny haintany sy ny kere ny fikambanana Fitia, nanomboka omaly. Kaominina roa Ifotaka sy Tsivory, distrika Amboasary Atsimo no niompanan’ny fanampiana niaraka amin’ny filohan’ny fikambanana, Rajoelina Mialy sy ny zanany lahimatoa Rajoelina Arena. Nanome fitaovam-pambolena sy masomboly maro karazana miraka amin’ny fitaovana fahazoan-drano (moto pompe) ho an’ny vehivavy izy hahazoan’ny isan-tokantrano sakafo. Aorian’ny enim-bolana hambolena ireo masomboly ireo, hioty ny vokatra ny olona 400 000 ka hisitraka sakafo mahavelona, hoy ny fanazavan’ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’ireo mponina tao amin’ny kaominina Ifotaka. Vokatra mamaly ny toe-tany sy ny filan’ny vahoaka no natolotra hamongorana ny kere. Nahazo akanjo koa ny ankizy tamin’ny fandalovan’ny ekipa. Hatao maodely amin’ny ady ialana amin’ny kere ny ao Ifotaka satria efa mametraka paikady goavana ny fitondrana : fanomezana tany, fitarihana rano hambolena ary fanofanana ny tantsaha. Nanatsatoka fototra mangahazo niaraka Rajoelina Mialy sy ny zanany lahy.Ho an’ny Tsivory, nanomana sakafo masaka ho an’ny olon-dehibe 1000 sy koba hozaraina amin’ny ankizy 500 mahery mandritra ny 15 andro ny fikambanana Fitia. Nomena akanjo ihany koa ny kilonga madinika. Ny sakafo hohanina no tena olana ho an’ny mponina ao Tsivory nefa mahavokatra ihany ny tany, hoy ny ben’ny Tanàna. Ireo masera ao an-toerana no manome sakafo ny mponina indraindray.Nitsidika ireo zokiolona roa samy marary koa ny filohan’ny fikambanana Fitia ary nampanantena milina fanjairana ho an’i Miza Elisabeth renim-pianakaviana iray mpanjaitra ny vadin’ny filoha.Vonjy A.L’article Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrsa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dàlana ao Antsirabe
19/11/2020

Mitohy hatrany ary mandroso ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny làlana ary ny fotodrafitrasan’ny lalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe. Tafiditra ao anatin’izany ny sampanan-dalana miisa enina: ny “Rond point Voirie”, ny “Quatre chemins voirie”, ny sampanana Ambohimiandrisoa, ny sampanana Andranomadio, eo amin’ny “station” Total ary eo amin’ny “rond point route d’Ambositra”. Natao « béton armé” ny arabe amin’ireo sampanan-dalana ireo hampaharitra azy amin’ny orana sy ny fandalovan’ireo fiara vaventy.  Namboarina koa ny lalana mirefy 6 km eo an-tampon-tanàna. Eo ny lalana “Mareshal Foch”, miainga eo amin’ny “rond point Andranomadio”, mandalo ny tobin’ny zandarimaria, mankeo amin’ny “Hôtel des Termes”, hatao rarivato (pavet).Nidina ifotony ny minisitra Andrianainarivelo HajoManampy izany lalana miala eo amin’ny sampanana “station” Total mankeo amin’ny Jirama, atao tara. Tahaka izany koa ny lalana avy eo Antsenakely mandalo ny fonja mivoaka amin’ny RN7, atao rarivato (pavet) ary ny lalana avy eo amin’ny “rond point route d’Ambositra” hatreo Ambohimena. Nidina ifotony tahaka ny fanaony, nijery ny fandroson’ny asa, ny minisitry Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, ny faran’ny herinandro teo. Nojerena tamin’izany ny olana tokony hovahana sy ny fanomezana toromarika amin’ny hampandrosoana haingana kokoa ny asa ary hanamafisana ny fanaraha-maso. Tsiahivina fa nanomboka ny 29 aogositra teo izao asa fanamboarana izao.Synèse R.L’article Fotodrafitrsa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dàlana ao Antsirabe a été récupéré chez Newsmada.

Orchidées Blanches II Toamasina: afaka handray ankizy 65
18/11/2020

Notokanana omaly ny fanitarana sy fanavaozana ny toeram-pandraisana ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana, Orchidées Blanches II any Toamasina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa fanampiana ny tetikasa eny ifotony ho an’ny fiahina ny maha olona miaraka amin’ny masoivoho japoney izany, araka ny fanazavana azo. Mitentina 308 tapitrisa Ar ny asa fanatsarana ny ivontoeram-pandraisana tokana ao Toamasina mandray ny ankizy manana fahasembanana. Noho ny fotodrafitrasa mbola voafetra ihany teo aloha, 33 ny isan’ny olona afaka noraisina tao ary tsy azo nampiasaina koa ny toeram-pivoahana. Rehefa vita ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nitombo ho 65 ny ankizy afaka manaraka fanabeazana ao amin’ny foibe ary manaraka ny fenitra ny toeram-pidiovana nohavaozina. Misy mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny fiaraha-miasa japoney koa manampy ao amin’ny foibe izay nankasitrahan’ny mponina any Toamasina. Nanamafy ny masoivoho japoney, Higuchi Yoshihiro fa maro ny tetikasa iarahan’ny Malagasy sy ny Japoney ankoatra ny sehatry ny fanabeazana. Iray amin’izany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.Vonjy A.L’article Orchidées Blanches II Toamasina: afaka handray ankizy 65 a été récupéré chez Newsmada.

Kolikoly sy fanararaotana: nahazo fahafahana vonjimaika ny DG-n’ny ACM
23/11/2020

  Nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha, ny herinandro teo, ny tale jeneralin’ny ACM. Nitory mpiasa vitsivitsy ao aminy ity tompon’andraikitra ity ka niitatra ka nanjary nahavoarohirohy olona ampolony. Vokany, roa naiditra vonjimaika am-ponja ka iray avy eo amin’ny ACM, ny iray avy eny anivon’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka. Ny sasany, nahazo fahafahana vonjimaika ka anisan’izany ny tale jeneraly nametraka ny fitoriana. Anisan’ny naha voarohirohy azy ireo ny kolikoly sy ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa.Efa maromaro ny antso fanairana momba ity raharaha ityEfa nialohavan’ny fanairana ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny fizotry ny fitantanana eo anivon’ny ACM, miantoka ny fandehanana ny tontolon’ny fitaterana ana habakabaka, ny raharaha. Nandefa fitarainana teny amin’ny fitsirihana asa koa ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny ACM.Tsy hita ny minisitera sy ny filankevi-pitantananaNotakina tamin’izany ny fanarahan-dalàna avy amin’ny ACM ny amin’ny tokony hanomezan-danja ny « delege sendikaly » sy ny “convention collective” eo anivon’ny orinasa ary hentitra ny tsy maintsy tanterahina haingana izany. Tsy nisy tohiny anefa hatramin’izao. Tsy fantatra ny toeran’ny ny minisitera mpiahy sy ny eo anivon’ny filankevi-pitantanana. Andrasana ny ho tohiny.Synèse R.L’article Kolikoly sy fanararaotana: nahazo fahafahana vonjimaika ny DG-n’ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur
25/11/2020

Le président de la Commission de mise en accusation devant la HCJ, Tsabotokay Honoré. Un renvoi sine die. Prévue se dérouler hier, la présentation du rapport d’activités des membres de la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice (HCJ) à l’Assemblée nationale n’a finalement pas eu lieu. Les députés ont décidé un report de dernière minute. En effet, le président de ladite Commission, le député de Vohipeno Tsabotokay Honoré, a annoncé l’ajournement du programme, environ 15 minutes seulement après le début de la séance plénière. Pour justifier ce deuxième report, car il convient de noter qu’un premier ajournement a déjà eu lieu la semaine dernière, Tsabotokay Honoré a annoncé que la Commission n’a pas encore terminé complètement l’étude des dossiers reçus à Tsimbazaza concernant quatre anciens ministres. « Il vaut mieux libérer un coupable plutôt que de condamner un innocent », a-t-il soutenu. A entendre ses explications, les conditions ne sont pas encore réunies pour que les députés prennent une décision concernant la mise en accusation de ces anciens hauts responsables, devant la Haute Cour de Justice. Selon ses dires, aucun des ministres concernés par ces premiers dossiers ne s’est présenté à Tsimbazaza pour plaider leur cause pendant les travaux en commission. Il s’agit de l’ex-ministre de la Population Onitiana Realy, l’ancien ministre de l’Aménagement du territoire du temps de la Transition Reboza Julien et l’ancien ministre de l’Environnement sous le régime Hery Vaovao hoan’i Madagasikara, Anthelme Ramparany. Certains d’entre eux auraient en revanche été représentés par leur avocat. Quant à lui, l’ex-ministre de la Santé, le Professeur Mamy Lalatiana Andriamanarivo aurait envoyé un certificat médical attestant qu’il aurait été testé positif au coronavirus. A noter qu’Onitiana Realy et Anthelme Ramparany se trouvent à l’extérieur malgré l’existence d’une Interdiction de Sortie du Territoire (IST) prise à leur encontre par les autorités compétentes. Investigations. En tout cas, la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice entend encore approfondir ses investigations. Par ailleurs, des témoins doivent encore être entendus pour éviter que les dossiers soient bâclés. Le président de la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice a toutefois laissé entendre hier que la présentation du rapport d’activités de la commission en séance plénière, et la prise de décision des députés auront lieu avant la fin de la session ordinaire actuellement en cours. En marge de cette séance plénière à l’Assemblée nationale, le député Tsabotokay Honoré a aussi annoncé que 8 autres anciens ministres sont aussi dans le collimateur de la Justice actuellement. Ils seraient, eux aussi, soupçonnés d’être impliqués dans des affaires de détournement et de malversations. Pour l’heure, aucune information sur l’identité de ces anciens hauts responsables n’a été divulguée. L’on sait toutefois que le président de la Commission de mise en accusation à la Chambre basse n’aurait pas évoqué cette information si le Bureau Indépendant Anti-Corruption (Bianco) et/ou du Pôle Anti-Corruption (PAC) n’a pas encore finalisé les investigations y afférentes. Davis R L’article Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiahiana sosialy avy amin’ny minisiteran’ny Mponina: raikitra ny “Kaly tsinjo” ho an’ny olona 16 000 isan’andro
20/11/2020

Natomboka teto Antananarivo Renivohitra ny hetsika « Kaly Tsinjo », tetikasan’ny minisiteran’ny Mponina ho fanampiana ireo tokantrano tena marefo. Mahatratra hatrany amin’ny 16 000 ireo olona hisitraka izany isan’andro, ao anatin’ny 78 andro. Tsy voatery hohanina eo an-toerana fa azo entiny mody koa ny sakafo. Hahazo tombony amin’izany ireo boriborintany enina. Kendrena hisitraka ny “Kaly tsinjo” ireo fianakaviana tena marefo, araka ny masontsivana voalohany napetraky ny minisitera hitsinjovana ireo tena sahirana sy tsy mahita na ny sakafo hohanina ao anatin’ny iray andro aza.Nirindra ny tetsy amin’ny boriborintany IIINambaran’ny tale misahana ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny minisitera, Randriamanjara Andrianiaina fa miara-miasa feno amin’ny fokontany sy ireo olom-boafidy eny ifotony izy ireo, hisorohana amin’ny mety hisian’ny korontana tahaka ny niseho tamin’ireo hetsika fizarana teo aloha. Arahin’ny fanaraha-maso koa izany ary miara-miasa ny distrika sy ny kaominina miaraka amin’ny depiote sy ny fokontany.  « Mitondra ny lisitra ny minisiteran’ny mponina ary misy ny fanaraha-maso. Avy eo mahazo ny tapakila ilay olona”, hoy ihany izy. Anisan’ny nanaovana ny hetsika ny tetsy amin’ny boriborintany III. Nilamina sy nirindra ny fizarana. Marobe ireo tokantrano nisitraka ny sakafo masaka tamin’ny  “Kaly tsinjo”.Hisitraka ny “Kaly tsinjo” ny any atsimoHiavaka kosa ny« Kaly tsinjo » hatao any atsimo. Tsy sakafo masaka fa manta ny azy ireo. Tanjona ny ahafahan’izy ireo manao tahiry araka ny safidiny na koa mizara izany ho an’ny fianakaviany. Fifampidinihana niarahana tamin’ny filoha Rajoelina ny anton’izany fanapahan-kevitra izany.Anisan’ny hisitraka ny “Kaly tsinjo” ny any Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa, Toliara, Betroka, Bekily, Ampanihy, Beloha, Tsihombe, Ambovombe ary Amboasary. Efa nisy lasa any an-toerana ny ekipan’ny minisiteran’ny Mponina handrindra sy handamina izany.Synèse R.L’article Fiahiana sosialy avy amin’ny minisiteran’ny Mponina: raikitra ny “Kaly tsinjo” ho an’ny olona 16 000 isan’andro a été récupéré chez Newsmada.

Andry Rajoelina à Toamasina : Début de la réalisation du projet MIAMI
18/11/2020

Andry Rajoelina a procédé, hier, au coup d’envoi des travaux de construction du bord de Toamasina.  » Nous allons réaliser tous nos engagements « . C’est ce qu’a martelé le président Andry Rajoelina hier lors de son déplacement à Toamasina. Actuellement en visite dans la Ville du Grand Port, le Chef de l’Etat a donné hier le coup d’envoi des travaux d’embellissement du bord de Toamasina. Un des projets phares de son quinquennat. Deux ans, ou enfin presque, après son accession au pouvoir, le TGV enclenche la vitesse supérieure et procède au lancement de ce projet, considéré par bon nombre d’observateurs comme l’un des grands défis présidentiels, outre la RN44, la RN5A, et la RN10. Le projet MIAMI comprend 4 phases. La première phase qui va débuter immédiatement concerne la Plateforme Nord engendrant la réalisation des protections de berge en béton et d’aménagement des quais de promenade entre l’Hopitaly Be de Toamasina et l’Hôtel Neptune. Cette première phase prévoit aussi la construction de nouvelles infrastructures et de lieux de loisirs sur un surface de 800m 2 longeant le bord. Le projet implique aussi l’installation de différentes infrastructures sportives, entre autres, des terrains de foot, de basket, de volley ball, un skatepark, mais aussi un jardin pour les amoureux, une aire de jeux pour les enfants ainsi qu’un espace destiné aux commerces de coco, les bars, les tekateka et les huîtres qui font la réputation du bord de Tamatave, des labos photos…  Les commerçants seront réintégrés sur des emplacements spécifiques aménagés spécialement pour leurs activités respectives et bénéficieront chacun d’un programme d’accompagnement professionnel. Centre d’exposition. A entendre les explications du ministre de l’Aménagement du territoire et des Travaux publics, Hajo Andrianainarivelo, les commerçants du bord de Toamasina pourront poursuivre leurs activités pendant la phase d’exécution de la Plateforme Nord qui durera 5 mois. La population Betsimisaraka pourra donc exploiter les nouvelles infrastructures et voir les changements apportés par le projet MIAMI d’ici le mois de mars 2021. Pour promouvoir l’artisanat et la culture, un centre d’exposition et un village artisanal seront implantés au bord de mer de Tamatave. C’est l’entreprise SMATP qui a été choisie pour réaliser cette promesse présidentielle. La 2ème phase du projet concerne, quant à elle, la Plateforme Sud comportant un Beach games.  » L’objectif de ce projet est de promouvoir le secteur touristique et de développer l’économie « , a déclaré le président Andry Rajoelina lors de sa prise de parole. Lancement des travaux. Tout de suite après son atterrissage à l’aéroport d’Ambalamanasy, le couple présidentiel a donné le coup d’envoi des travaux de réhabilitation du Boulevard Ratsimilaho, ravagé par les dernières intempéries. Le Chef de l’Etat a aussi inauguré la route en béton reliant l’Hopitaly Be de Morafeno et l’hôpital manara-penitra. Désormais, la Société du Port à gestion Autonome de Toamasina dispose d’un centre de formation dans le domaine du métier portuaire. Il s’agit du Port Academy Center Toamasina. Les travaux ont été financés entièrement par la SPAT. Après ces visites auprès des chantiers en cours, le couple présidentiel s’est rendu au stade de Barikadimy pour soutenir les Barea de Madagascar qui ont affronté la Côte d’Ivoire hier. Dans la soirée, Andry et Mialy Rajoelina ont fait la fête avec les joueurs des Barea et la population de Toamasina lors d’un grand rassemblement qui s’est tenu devant l’hôtel de ville. La soirée s’est clôturée par des feux d’artifice. Davis R L’article Andry Rajoelina à Toamasina : Début de la réalisation du projet MIAMI est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andry Rajoelina à Toamasina : Début de la réalisation du projet MIAMI a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Miverina ny trafika: andramena 87 tratra tany Amparafaravola
18/11/2020

Tsy foana! Hazo sarobidy maromaro ny tratran’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (Dredd) Alaotra Mangoro, niaraka amin’ny Polisim-pirenena, tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimandroso, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 16 novambra teo.Tratra ny olona roa, ny mpiambina sy ny sefo fokontany, hatao famotorana. Taorian’ny famotorana, fantatra fa olona roa no nitazona ireo hazo ary nitsoaka ka karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Nogiazan’ny Dredd Alaotra Mangoro ireo hazo, nahitana bolabola andramena 87 isa, voamboana iray mirefy 2 metatra ary hazo tsotra telo mirefy 2 metatra.Manamafy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (MEDD) fa mazava ny hafatra napetraky ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra, amin’ny tsy handeferana mihitsy ireo mpanao trafika hazo sarobidy toy izao. Marihina fa voasokajy ho ady heloka ny fikitihana zavamaniry na biby avy any anaty faritra arovana. Voarara tanteraka ny fikapana, ny fitaterana, ny fivarotana ary ny fanondranana any ivelany hazo sarobidy. Hiharan’ny sazy henjana izay tratra mandika ireo.Njaka A.L’article Miverina ny trafika: andramena 87 tratra tany Amparafaravola a été récupéré chez Newsmada.

Akon’ny baolina kitra
23/11/2020

Frantsa: Hilalao ao amin’ny Lille i SederaAraka ny vaovao, hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny zoma lasa teo, hanatevina ny ekipan’ny Losc Lille, “Ligue 1” any Frantsa, i Evan Sedera izay vao 15 taona monja. Zanaka Malagasy i Sedera ary teraka teto Madagasikara, ny 18 mey 2005. Mandritra ny roa taona sy tapany ny hilalaovany ao amin’ny Lille, hifaninana ao amin’ny “Ligue 1”. Azo havaozina izany fifanarahana izany.Kere any atsimo: nanome sakafo i MetanireNoho ny fisian’ny kere mahazo ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nanolotra fanomezana milanja 2 taonina, ahitana sakafo sy fanafody ary rano fisotro, ho azy ireo i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar, milalao any Etazonia. Nialoha ny niaingany ny alarobia 18 novambra lasa teo ny nanolorany izany, amin’ireo tomponandraikitra malagasy.Côte d’Ivoire: nodimandry ny filohan’ny federasionaMisaona ny tontolon’ny baolina kitra any Côte d’Ivoire, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy 21 novambra lasa teo, i Augustin Sidy Diallo, filohan’ny federasiona ivoarianina (FIF), taorian’ny valanaretina Covid-19 nahazo azy. 61 taona izy izao nodimandry izao. Nandefa taratasy fampiononana ho an’ny fianakaviany sy ny baolina kitra ivoarianina ny federasiona malagasy (FMF).Nangonin’i Tompondaka    L’article Akon’ny baolina kitra a été récupéré chez Newsmada.

Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort
19/11/2020

Les députés sont attendus pour adopter la loi de finances initiale 2021 Les députés viennent de boucler leur agenda pour cette session ordinaire du parlement qui est prévue se clôturer le vendredi 18 décembre prochain. Depuis hier, l’Assemblée nationale a donc abordé la deuxième partie de la session et fixe de nouvel ordre du jour pour les cinq prochaines semaines.  Une grande partie du programme des députés sera consacrée, cette fois-ci, à l’examen et l’adoption de la loi de finances initiale 2021. En effet, le document budgétaire sera présenté, demain, aux députés par le ministre de l’Economie et des finances suivi d’un examen en commission dans l’après-midi. Cette séance se poursuivra lundi et jeudi prochains avant l’adoption du texte en séances plénières qui sera prévue le vendredi 27 novembre prochain. Accusation. L’autre sujet qui préoccupera également les députés durant les premières semaines sera la mise en accusation devant la Haute cour de Justice. La présentation du rapport de la commission spéciale qui s’est penchée sur ce dossier délicat est repoussée pour ce mardi 24 novembre et jeudi 10 décembre prochains, si elle a été prévue se tenir mardi dernier. Ces séances devraient ainsi fixer le sort de quelques anciens ministres qui devraient apparaître devant la barre pour des affaires de malversations financières.   Dans la foulée, les députés, toujours soucieux de leurs conditions de travail, vont également examiner, mardi 08 décembre prochain, la proposition de loi portant régime de retraite parlementaire. Grève. Au sénat, en revanche, le ton n’est même pas encore donné. « Nous allons commencer à travailler l’ordre du jour », a lancé à la presse, mardi dernier, le président du Sénat, Rivo Rakotovao. En d’autres termes, les sénateurs ne vont commencer à aborder la session que d’ici peu. Depuis presque un mois, ces parlementaires ont choisi de  boycotter les réunions et désertent le palais d’Anosikely. Des sénateurs ont toujours évoqué le problème de prise en charge des « frais liés au déplacement » dans le cadre de cette session du parlement, pour justifier leur absence. Et si ce n’est pas une grève, ça y ressemble beaucoup. La coupe budgétaire, orchestrée par le ministère de l’Economie et des finances selon les sénateurs, a été dure à avaler pour ces derniers. Le président de cette institution, Rivo Rakotovao, accuse même le ministre des Finances d’être à l’origine de ce « coup » qui paralyse l’administration au sénat. Interpellation. Mais le sénat attire la foudre des critiques dans sa démarche. Le président de la Haute cour constitutionnelle, lui, a saisi l’occasion de l’inauguration d’un nouveau centre de documentation à Ambohidahy, pour lancer des piques à l’endroit des sénateurs. « La question budgétaire ne devrait pas constituer un blocage » pour tenir la session du parlement, ni servir de « chantage » contre qui que ce soit, a souligné Jean Eric Rakotoarisoa. Quelques jours après cette interpellation du président de la Haute cour constitutionnelle, les sénateurs ont choisi de mettre les points sur les « i », répondent aux critiques et clarifient, mardi dernier, leur position lors d’une séance publique à Anosikely. « Nous ne sommes pas à l’origine de ce blocage » a martelé, mardi, Rivo Rakotovao, qui souligne au passage que l’accès du sénat au système informatique qui débloque son budget reste verrouillé. Rija R L’article Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort a été récupéré chez Midi Madagasikara.