DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020

News - DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020

News - DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020

Taorian’ny fihaonana teo anivon’ny
Copries, nandraisana toromarika avy amin’ny minisitry ny
Fampianarana ambony ho amin’ny tetiandron’ny fampianarana ambony ho
an’ny taom-pianarana telo nifanesy, manao antso avo ny sojaben’ny
departemantan’ny Degmia, amin’ny onversiten’ i Barikadimy-
Toamasina, profesora Razanakolona Diny. Nambarany fa hitohy tahaka
ny isan’andro ny fampianarana ary efa hofaranana ihany koa ny
taom-pianarana 2018- 2019. Antsoina, araka izany, ireo mpianatra
rehetra hanatitra ny dikan’ny taratasim-panadinana “copie” any
aminy. Niantso ireo tokony hisoratra anarana, indrindra ireo
manomana sy “Licence” sy “Masters” ny tenany. Hifarana ny 30
septambra ho avy izao ny fandraisana ny
antontan-taratasim-panadianana, hivoaka aorian’izay ny vokatra
ary hikatona ny taom-pianarana 2018-2019. Hiditra ny 2 novambra ny
taom-pianarana 2019-2020, izay hovitaina anatin’ny fotoana fohy,
manodidina ny fito volana. Hirosoana aorian’ izay ny taom-pianarana
2020-2021. Ho an’ny sampam-piofanana toekarena, lalàna,
fitantanana, hisy ny fitsapam-pahaizana ho an ireo mpianatra
hiditra taona voalohany. Misokatra koa ny fampiofanana
ampitain-davitra ho an’ ireo efa miasa na tsy afaka hanatrika
fampiofanana an-dakilasy, na ireo monina ivelan’ i Toamasina. Afaka
misoratra anarana avokoa izy ireo ary hifarana ny 30 septambra
izany.

Fampiofanana
arakasa

Ho an’ny fampiofanana arakasa, ho
an’ ireo telo taona taorian’ny nahazoana bakalorea teo amin’ny
lalampiofanana lalàna sy matematika, mifarana ny 30 septambra ho
avy izao ihany koa ny fisoratana anarana “master professionnel en
marchés publics”, izay mety hazahoana toerana maha talena
fitantanana na izay mitovy lenta aminy eny anivon’ny
sampandraharaham-panjakana. Toy izany ihany koa ny fampiofanana
fitantanana seranan-tsambo sy ny fampitaovana, efa
hisokatra manomboka ny 8 oktobra izao ny fisoratana
anarana. Ho an’ ireto farany, voalaza fa matotra ny fiaraha-miasa
eo amin’ny PRMP, Smmc ary efa vita ihany koa ny fifampiresahana
tamin’ny Spat. Hanampy ny Degmia eo amin’ny fiaraha-miasa
hanatsarana ny fampiofanana hahazoan’ny mpianatra Master izy
ireo.Tsy ho ela ny fivoahan’ny andiany eo amin’ny Master 2
anivon’ny departemanta Degmia.

Sajo

 

Article tiré de Newsmada

L’article DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra: hitondra ny marika Errea Sport ny Fosa Jr

Araka ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, nivoaka omaly alahady, fantatra fa hitondra ny marika Errea Sport, ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny, tompondaka sady tompon’ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, eo amin’ny fiatrehana ny fifaninanana afrikanina, hanomboka ny 10 aogositra ho avy izao.Nanao ny fifanarahana i Angelo Gandolfi, mpitantana ny Errea, sy i Steenkist Arno, filohan’ny Fosa Jr Boeny, natrehin’i Mister D’Aversa Carlo Stronati, tomponandraikitry ny Errea, aty amin’ny faritr’i Afrika sy i Balkans.Raha tsiahivina, anisan’ny ekipa zandriny eto Madagasikara ny Fosa Jr, ary efa manana ny toerany sy ny lazany, tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany Afrika. Namoaka mpilalao mandrafitra ireo ekipa any ivelany, raha tsy hilaza afa-tsy i Dax, milalao ao amin’ny Kaizer Chiefs, Afrika Atsimo.Manana mpilalao ao amin’ny Barean’i Madagasikara ihany koa na ireo miatrika ny “Lalaon’ny Nosy”, na ny amin’ny fifaninanana “Chan 2019” na ny tamin’ny “Can”, natao tany Egypta farany teo. TompondakaL’article Kitra: hitondra ny marika Errea Sport ny Fosa Jr a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mbola ho ela e !

« Tsy fanasaziana akory izao, fa fampahatsiahivana anao amin’ny tokony hiarovanao tena mba tsy hiverenan’ny fihibohana indray… ». Mba nanaitra ihany ny nahita io teny io tamin’ny tatitra nataon’ny polisy, mikasika ny fahatrarana ireo olona miisa 398 tratra tsy nanao arovava teto an-drenivohitra, omaly. Hay ka tsy tena fanasaziana akory no nampiharina. Toy ny manao parady fotsiny ny fahitana ireo olona nasaina namafa lalana. “Manala azy!”, araka ny fitenin-jatovo. Ny fanambaran’ny prefet-n’ny polisy, nohamafisin’ny governoran’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo anefa, nilaza fa tsy azo ekena intsony ny gaboraraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, amin’ity tsy fanaovana arovava ity. Voalaza fa hoe hampiharina amin’ireo izay mandika izany ny sazy.Aiza rehefa tena hampiharina tokoa ny sazy ? Any Frantsa izao, ohatra, 135 euros, izany hoe, efa ho 6 hetsy Ar mahery ny lamandy ho an’izay tratra tsy manao arovava eny an-dalambe. 90 euros, izany hoe, 4 hetsy Ar mahery raha afaka mandoa eo no ho eo ilay olona tratra. Mbola henjana noho izany aza raha olona efa mpamerin-keloka no tratra ; 3750 euros, izany hoe, 17 tapitrisa Ar mahery, ary mety hiafara amin’ny fampidirana am-ponja hatramin’ny enim-bolana mihitsy aza. Izany ny an’ny olona rehefa tena hampiharina tokoa ny lalàna. Efa izany henjana be izany aza ny lalàna, mbola izao ihany ny zava-misy any Frantsa vokatry ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ity.Raha akapoka ny resaka, mbola tena lavitry ny afo ny kitay mikasika ity resaka fampiharan-dalàna ity eto amintsika. Be dia be ny fandikan-dalàna amin’ny lafiny sy amin’ny endriny maro, saingy… Tsy dia hita miharihary loatra ny fampiharana fa toa moramoraina, hamaivanina na saron-tsaronana eny. Tsy mahagaga raha misy ny mpamerin-keloka. Voatana na ampidirina am-ponja, avy eo tafavoaka tsy re tsaika. Mahavariana aza fa izay heverina ho mpanao na mpampihatra ny lalàna, na koa ny manampahefana sy tompon’andraikitra ambony koa aza indraindray no mahabe resaka amin’ity fandikan-dalàna sy tsy fampiharan-dalàna ity. Ndeha hatao hoe misy ihany ny fampiharan-dalàna. Saingy, ny hita toa fampiharan-dalàna miendrika na mamofompofona… politika. Tsy mahagaga raha manjaka ny gaboraraka tsy mampandroso firenena. Mbola ho ela isika e !RandriaL’article Mbola ho ela e ! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs

Nakotroka ary tena tamin’ny fomba manetriketrika ny nandraisan’ny vahoaka alzerianina ny ekipan’ny Fennecs, taorian’ny nahazoan’izy ireo ny amboara amin’ny maha tompondakan’i Afrika azy, ny «Can 2019 », rehefa nandresy an’i Sénégal.Toy ny nandraisan’ny vahoaka malagasy ny Barean’i Madagasikara, ny asabotsy 13 jolay lasa teo, ny nitsenan’ny vahoaka alzerianina ireo mpilalaon’ny Fennecs, ny asabotsy 20 jolay. Vahoaka antapitrisany, niteraka fitohanana goavambe, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreny amin’ny toerana efa voaomana nandraisana azy ireo. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary dihy ny nanehoan’ny Alzerianina ny hafaliany, tamin’ny nahazoan’ny Fennecs fanindroany ny amboara.Raha tsiahivina, resin’ny Fennecs-n’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Cairo Stadium, ny zoma lasa teo. Baolina tokana, tafiditr’i Baghdad Bounedjah, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny fihaonana.Tsy mbola afa-bela indray izany tamin’ity ry Mané izay efa lavon’ny Fennecs, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ihany koa, nandritra ny lalaom-bondrona, tamin’ity “Can 2019” ity. Tsy mbola tao amin-dry zareo Senegaley mihitsy ny vintana satria indroa tonga teo amin’ny famaranana ny Lionan’i Teranga, saingy indroa resy.Ankoatra izay, ilay Nizerianina, i Odion Ighalo, no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra. Nahatafiditra baolina dimy izy, nandritra iny “Can 2019” iny. Teo amin’ny laharana faharoa ilay Senegaley, i Sadio Mané, sy ilay Alzerianina, i Riyad Mahrez, ary ilay Kongoley, Bakambu, samy nahafaty baolina telo avy. Ho an’ny Barean’i Madagasika indray, i Carolus no nahafaty baolina be indrindra, miisa roa. Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tomban’ezaka zato andro :: Hanao tatitra ny Filohan’ny Repoblika

Tomban’ezaka voalohany. Hanao tatitra momba an’ ireo dingana vitany nandritra ny zato andro nitondrany an’i Madagasikara ny Filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny alahady 28 avrily 2019 ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Hibahan-toerana hatrany ny firosoana amin’ny fanatontosana an’ireo velirano nampanantenainy. Isan’ireo hanotrona ny hetsika eny an-toerana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Raha tsy misy ny fiovana dia ho tonga eny Mahamasina ihany koa ireo mpikatroka politika mpiara-dia aminy. Hifanojo amin’ny fotoam-panombohana ny fampi- elezan-kevitra mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka rahateo io andro io. L’article Tomban’ezaka zato andro :: Hanao tatitra ny Filohan’ny Repoblika est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Ambohimangakely : Lehilahy tra-tehaka teo am-pangalarana fiara

Nahazo vahana indray tato ho ato izay ny fangalarana kojakojana fiara, eny fa na hatramina vatana fiara mihitsy aza. Toy ity nitranga tetsy Ambohimangakely ity, ny alakamisy vao maraina lasa teo. Raha teo am-paningana « capot », hanamarina ny fatran’ny menaka mantsy ny tompon’ny fiara no niditra an-tsokotsoko tao anaty fiara ny lehilahy iray. Efa teo am-pamelomana izany mihitsy ny anao lahy no taitra ny tompony ary niantso vonjy avy hatrany. Tamin’io fotoana io mihitsy ihany koa no nandalo ireo zandary misahana iny faritra iny, teo am-panaovana fisafoana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, niditra an-tsehatra niezaka nisambotra ilay mpangalatra fiara. Tafatsoaka anefa ity farany ary nihazo ny tanimbary. Raikitra teo ny fifanenjehana ka taty Ambatomaro vao tratra ity mpangalatra ity. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana fa nikasa ny hangalatra io fiara io mihitsy ny tenany ary nolazainy fa handeha hamidiny izany raha azony teo. Natolotra avy hatrany teny amin’ny Fampanoavana moa ity farany rehefa vita ny famotorana natao azy. Taorian’izay dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy. m.LL’article Ambohimangakely : Lehilahy tra-tehaka teo am-pangalarana fiara a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Hain-trano

Nitrangana hain-trano tany Mahavoky Atsimo Mahajanga, omaly maraina. May ny ankamaroan’ny entana tao amin’ny efitra telo nandalovan’ny afo. Tombanana ho tao amin’ ny efitra iray nihidy no niavian’ny firehetana voalohany. Voafehy ny loza noho ny fahatongavan’ny sampana mpamonjy voina tany an-toerana. L’article Hain-trano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna

Miroso amin’ny fanalavam-potoana ny fanjakana. Tokony hifarana ny volana septambra izao ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Tsy azo ihodivirana anefa ny hanalavana ny hitantanan’izy ireo ny eny anivon’ny kaominina.   “Hanahirana ny hanendry delegasiona manokana (PDS) amin’ny kaominina miisa 1 695 ka hohalavaina ny fe-potoam-piasan’izy ireo na tokony ho efa tapitra aza” hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy mbola niroso amin’ny fankatoavana ny tolokevitry ny eo anivon’ny Ceni ny fitondram-panjakana ny hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny 28 oktobra ho avy izao.Fanavaozana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana “Hotanterahina amin’ny fotoana manaraka, amin’ny mahamety azy, izany”, hoy ihany ny eo anivon’ity minisitera misahana ny fitsinjaram-pahefana ity.Na izany aza, tombanana fa anisan’ny mety ho nampihemorana ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny resaka lisi-pifidianana, nahabe resaka taorian’ireo fifidianana intelo natao. Maromaro ireo antoko sy fikambanana ary koa fiarahamonim-pirenena nitaky ny hanavaozana na koa hanitsiana mihitsy ny lisi-pifidianana. “Hatao mialoha ny fifidianana ny fijerena izany ary mbola hiroso amin’ny karazana fikaonandoha aza ny rehetra”, hoy ihany ny minisitera.Kandidà ben’ny Tanàna lasa mpanolotsainaAnkoatra izany, voalaza fa mbola harindra sy hosokajina arakaraka ny isan’ny mponina ny sata sy ny lalàna hifehy ny fitantanana ireo kaominina manerana ny Nosy. Tokony hifanaraka, ohatra, ny isan’ny mponina sy ny filan’ny kaominina ahafahana mampandroso ny tanàna, miainga avy eny ifotony. Mbola olana koa ary tokony hijerena ny momba ny kandidà ben’ny Tanàna tsy lany nefa lasa mpanolotsaina avy eo. Zary lasa sakana ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ho an’ny faritra sasany izany noho ny hevitra tsy mitovy…Aorian’ny volana mey 2020 ny fifidianana ben’ny Tanàna Araka izany, tombanana fa mety ho aorian’ny fanavaozana na ny fanitsiana ny lisi-pifidianana ny 15 mey amin’ny taona 2020 ny tetiandro vaovao ho amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Tsiahivina fa tsy mankasitraka izao fanemorana ny fifidianana izao ny ankamaroan’ireo fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Safidy sy ny KMF/Cnoe… Ho azy ireo, efa tsy fanarahan-dalàna izany…Synèse R. L’article Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco-Fid: fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Bianco sy ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid), iadiana amin’ny kolikoly. Mandritra ny telo taona ny fifanarahana ka tanjona ny tsy handeferana mihitsy amin’ity fanetriben’ny firenena ity. Endrika iray hanamafisana ny fanjakana tsara tantana ihany koa, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fid.Mampihena ny fitomboana toekarena ny kolikoly, izay efa mahazo vahana manerana ny sehatra maro eto Madagasikara. Izay ny nahatonga ity fiaraha-miasan’ny Fid sy ny Bianco ity, hampiroboroboana ny fitondrantena mendrika sy ny mangarahara. Nambaran’ny tale jeneraly vonjimaika ny Fid, Rajaoharilala Serge, fa “nampiharin’ny Fid, nanomboka ny taona 2014, ny fomba fitantanana ahitana soritra ny maha olom-pirenena ho an’ireo mpisehatra rehetra mba ho tena tompon’andraikitra, hanamafisana ny fanajana ny zon’ny tsirairay sy ny vahoaka eny ifotony, hanehoana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny tetikasa rehetra ary koa hisian’ny tamberin’andraikitra any amin’ny vahoaka”.Vaomiera manokana hiady amin’ny kolikolyHanamarinana izany, hapetraka ao anivon’ny rantsa-mangaikan’ny Fid, manomboka izao, ny vaomiera miady amin’ny kolikoly (CAC), hanentana ny mpiasa sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, hisian’ny mangarahara, miaraka amin’ny drafitrasa hanatanterahana azy.Ho an’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis, “raharaha iombonan’ny rehetra ny ady amin’ny kolikoly ary mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay raha tian-ko tratra ny tanjona. Tsara ity fanaovan-tsonia ny fifanarahana ity, saingy ilaina ny tena fampiharana azy araka ny tokony ho izy. Endriky ny finiavana avy any amin’ny sehatra tsy miankina hiadiana amin’ny kolikoly ny nasehon’ny Fid”.Hanampy ny Fid hametraka ny CAC ny Bianco ary hanohana amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana ny daholobe hiadiana amin’ny kolikoly. Hiandraikitra ny fitiliana sy ny famantarana ny sehatra mety ahitana na hiteraka kolikoly koa izy, sady handroso soso-kevitra sy vahaolana.Njaka A.L’article Bianco-Fid: fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo
24/10/2020

Hiroso amin’ny andiany fa­haroa amin’ny bakalorea ny fampianarana teknika manerana ny Nosy, manomboka ny alatsinainy ho avy izao. 10 141 ny isan’ny mpiadina rehetra ka 5 529 amin’ireo, eto An­tananarivo avokoa. Ma­nom­boka ny alatsinainy ary maharitra hefarana ny tapany faharoa: ny comptabilité sy ges­tion, ny commerce, ny te­chnologie, ny secrétariat… anisany amin’ny lalam-piofanana atrehina. Foibem-panadinana handray ny mpiadina ny ivontoeram-pampianarana tek­nika eto an-dRenivohitra ary efa miomana amin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Ity andiany faharoa ity no tena mampiavaka ny fampianarana teknika ary ambony avokoa ny «coefficient» amin’ ireo taranja isanisany mampiavaka ny “spécialité”. Efa miroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny andiany voalohany amin’ ny fampianarana ankapobeny sy teknika kosa ireo tomponandraikitra, nanomboka anio, rehefa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpitsara rehetra.VonjyL’article Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana
27/10/2020

 Araka ny efa notaterina teto, tokony ho nivoaka ny asabotsy lasa teo, taorian’ny fihaonana nataon’ny ligy sy ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analamanga, ny daty hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga. Tsy izany anefa ny zava-nitranga fa nahazo baiko midina ny ligin’Analamanga fa tsy azo tontosaina intsony amin’ity taona ity ny fifidianana fa tsy maintsy miandry amin’ny taona ho avy. Araka izany, mbola mitohy indray izany ny fe-potoana hitantanan’ny filoha am-perinasa. Ity filoha ity izay nilaza fa mbola hangataka fanazavana misimisy kokoa eny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Raha ny fantatra, saika niharan’ny fanafoanana fifidianana toy izao avokoa ireo taranja rehetra, toy ny judo, izay tsy afaka nanatanteraka ny fifidianana ihany koa tamin’ity volana oktobra ity. Raha ny loharanom-baovao, ny eo anivon’ny komity iraisam-pirenena olympika mihitsy ny nanafoana ny fifidianana rehetra amin’ity taona ity. Nanamafy izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy, ny tapaky ny volana teo.Ho an’ny taranja lomano, mbola ny filoha am-perinasa izany ny hampandeha ny raharaha amin’izao fanombohana ny taom-pikatrohana vaovao izao. Hanomboka ny 8 novambra izao izany taom-pikatrohana 2021 izany, ho an’ity taranja ity. Taona ho feno tanteraka raha ny fandaharam-potoana napetraka.Mi.Raz L’article Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana
24/10/2020

Somary nihenjan-droa ny tady tato ho ato eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto na tsy hita niharihary be aza izany. Nisy ny dinika nifanaovan’ny solontenan’ny roa ton­ta, omaly tetsy amin’ny CGM Analakely, nandravonana ny lesoka. Nisongadina tao anatin’izany fa mila hampitomboina ny serasera eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto hifankahalala bebe kokoa eo amin’ny asa iandraiketan’ny tsirairay izy ireo. Hapetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana hisian’ny lamina sy ny fifandrohizan’asa eo amin’ny roa tonta. Nomarihin’ny solontenan’ny CGM Analakely fa mila mifampiresaka ihany koa ny samy mpanakanto sy ny samy mpanao gazety misahana ny kolontsaina satria endriky ny fifampitaizana sy ny fifampitan-kafatra ihany koa izany.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina
28/10/2020

 Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina miantsehatra amin’ny rano atao etsy Ivandry. Haharitra telo andro ny fihaonana.Handinihana ny fomba hampidiram-bola amin’ny sehatry ny fitantanana ny rano eto Madagasikara ny atrikasa. Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina handray anjara amin’ny fitantanana madio sy mangarahara ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana ihany koa.Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Randriatsiferana Simon, fa mbola ambany ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Toy izany koa ny fisitrahan’ny Malagasy ny fahadiovana sy fidiovana, izay mifamatotra tanteraka amin’ny rano rahateo.Rehefa natao ny fandihadiana, tsy nahitam-bokany ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana notantanin’ny fikambanana tsotra na ny kaominina. Porofon’izany ny vola vidin-drano lanin’ny mpiandry paompy ary mikatona ilay fotodrafitrasa avy ka lasa fatiantoka ho an’ny mponina sy ny tanàna ary vesatra ho an’ny fanjakana ny trosa avelan’izany avy eo.Eo koa ny fotodrafitrasan’ny fahadiovana izay lasa mitsipozipozy sy maloto satria ratsy tantana no nanaovan’ireo fikambanana sy kaominina azy.Tao anatin’ny 15 taona taty aoriana kosa, tsikaritra fa mateza kokoa ny fotodrafitrasa tantanan’ny otrinasa tsy miankina. Hentitra kokoa ny fitantanana tsy hita ny goragora ary mampanaja ny fepetra sy ny fandoavam-bola vidin-drano amin’ny mponina ireo mpitantana ny fotodrafitrasa eny ifotony.Izany indrindra no anton’ity atrikasa ity ary mbola hampandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina hatrany hanao famatsiam-bola amin’ny tontolon’ny rano sy fidovana ary fahadiovana.Tatiana AL’article Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika
28/10/2020

  Nanao sonia fiaraha-miasa ny Millenium Challenge Corporation (MCC) sy Africa50, mikendry ny fampiasam-bola hisy fiantraikany malaky aty Afrika (Millenium impact for infrastructure accelerator na MIIA), azo refesina eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Ny fampiasam-bola avy amin’ny alalan’ny MIIA, mikasika indrindra ny tetikasa momba ny rano, ny fidiovana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fitaterana, ny herinaratra, ny fifandraisan-davitra. « Ny MCC sy ny Africa 50, miaraka manaporofo mandray andraikitra manentana amin’ny fampiasam-bola ho an’ny tetikasa misy akony lehibe aty Afrika », hoy ny tale jeneralin’ny MCC,  i Sean Cairncross. « Fiaraha-miasa hahafahana mampahazo vahana ny toekarena aty Afrika ».« Faly kosa izahay miara-miasa amin’ny MCC, mamolavola sy mampihatra ny MIIA. Manamora ny asanay izany amin’izay tetikasa rehetra mila vola aty Afrika, hisy fiantraikany eo amin’ny fampandrosoana. Hatao hanampy amin’ny fotodrafitrasa, iray lehibe amin’ny asanay », hoy kosa ny tale jeneralin’ny Africa50, Alain Ebobisse. Misy amina miliara dolara maro hatramin’ny 2035, ny tinady eran-tany amin’ny fotodrafitrasa (3,7 billions de dollars). Ny 2/3 amin’izany tokony ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) manombana 130 hatramin’ny 170 miliara dolara isan-taona aty Afrika.Avy amin’ny fananan’ny roa tonta traikefa ny hanaovana ny MIIA aty Afrika, mitarika ireo mpampiasa vola sy mampisy tetikasa . Mahafantatra tsara momba an’i Afrika ny Africa50, manamarina izao fiaraha-miombon’antoka izao, mitovy araka ny efa fampiharana ny MIIA  any Azia, Amerika Atsimo, Eoropa Atsinanana. Famatsiam-bola avy amin’ny MCC ho an’ny tetikasa maro iadiana amin’ny fahantrana. Sampana iray mahaleotena ao amin’ny governemanta miasa maneran-tany , indrindra amin’ny tany mahantra vatsina vola ho an’ny sehatry toekarena.R.MathieuL’article MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra
27/10/2020

  Vonjy aina an-tanety, fanokafan-dalana ary fanavotana traboina anaty rano. Ireo ny votoatin’ny fiofanana natrehin’ireo mpamonjy voina miisa 40 ao amin’ny Tafika nandritra ny herinandro ka nifarana ny zoma lasa teo teny amin’ny vondron’ny vonjy voina eny Ivato (CPC). Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, nisy ny fanehoana traikefa vao norantovin’ireto mpamonjy voina ireto. Nanatrika izany ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude, notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Nohamafisin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika fa hampitomboina ny ambaindain’ny CPC ka hisy ny “bataillon” roa hisahana izany, araka ny voasoritra anatin’ny fanavaozan-drafitra ampiharina ao amin’ny Tafika. Hisy koa ny fanofanana mpamonjy voina miisa 100 ny faran’ny volana novambra izao ka izy ireo indray no hanaparitaka ny traikefa any amin’ny faritra telo manamorona ny morontsika Atsinanana. Hisy ny ao Sambava amin’ny faritra avaratra, hisy ny ao Toamasina amin’ny faritra Atsinanana ary hisy ny ao Manakara ho an’ny faritra atsimo. Notolorana mari-pahaizana ireo mpamonjy voina nahavita fiofanana.Jean ClaudeL’article CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra
26/10/2020

Nahatratra 740 isa ireo traboina vokatry ny haintrano goavana tetsy Manarintsoa Atsinanana, ny asabotsy atoandro teo. Hatreto, olona miisa roa ihany koa naratra vokatr’izany, raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Mponina. Voalaza fa fianakaviana 145 ireo may trano. Ao anatin’izany ireo hazo marobe hotohoton’ny afo sy ireo trano biriky may ihany koa. Taorian’ny loza, tonga nijery ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny minisitera sy ny BNGRC. Niaraka aminy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Croix Rouge, ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka. Tao anatin’izany ny lamba firakotra, ny fanampin-tsakafo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tamina trano hazo iray teny an-toerana ny afo ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina anefa ny fahamaizana vokatry ny fitsoky ny rivotra. « Nandritra io fahamaizana io, nahatratra 65 ireo trano hazo may, nisy koa ireo trano biriky simba vokatr’izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Fantatra fa manodidina ny dimy eo ireo trano biriky may raha roa kosa ny simba tanteraka.Sarotra ny famonoana ny afoNanano sarotra ny famonoana ny afo. « Mifanakaiky avokoa ireo trano, eo koa ny fahateren’ny lalana sy ny fahalaviran’ny “bouche d’incendie” », hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nambarany fa naharitra ora roa ny famehezana ny afo, levona tanteraka kosa izany tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva.« Efa niredareda be ny afo ary natao faran’izay haingana ny famoahana ny entana rehetra tao an-trano. Maro amin’ireo entanay ny simba, nisy ny natsipy teny am-baravarakely. Misy koa ireo natsipy tao amin’ny lakandranon’Andriantany », hoy ny fanazavan’i Jaona, isan’ireo traboina. Nambarany fa sarotra koa ny fidirana tamin’ireo trano may ka kilan’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entany. « Ny akanjo ety an-koditro sisa hany ananako », hoy hatrany ny fitarainan’ilay raim-pianakaviana.Niara-niisalahy ny mponina eny an-toerana namono ny afo, nisy ireo nitatitra ny ranon’Andriantany ho famonoana izany. Ireo mpamonjy voina kosa, niezaka namono ny lelafo sy nifehy izany. Henintsoa HaniL’article Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.