Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

L’article Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Nanokanana vola 143 074 dolara: hotombanana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro

Hotombanana ny asa fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina kitrotro intelo miantoana natao amin’ny distrika maromaro, nanomboka ny volana janoary lasa teo.Hankinina amin’ny mpanao fanadihadiana avy amin’ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa (Instat) ny fanatontosana ny fanadihadiana eny ifotony satria izy ireo no manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa mikasika izany. Hofantarina mandritra ny fanontaniana apetraka amin’ny olona hadihadiana ny fizotry ny asa sy ny fomba nanaovana izany tao anatin’ny andiany fanaovam-baksiny telo. Hivoaka avy amin’ny valin’ny fanadihadiana ny isan’ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny sivy taona vita vaksiny miaro amin’ny kitrotro nandritra ny andiany isanisany. Hofantarina koa ny antony tsy nahavita vaksiny ny ankizy ao anatin’ireo sokajin-taona ireo nefa nandalovan’ny ekipa mpanao vaksiny faobe tao anatin’ny faritra misy azy. Hotombanana ny fahombiazan’ny fomba fiasan’ny mpanentana isam-pokontany sy ny mpiasan’ny fahasalamana mialoha ny fahatongavan’ny mpanao vaksiny tany an-toerana. Farany, hapetraka ny lamina hanitsiana ny lesoka rehetra tsy nahatrarana ny tanjona nofaritana teny am-piandohan’ny hetsika.Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Instat ary ny mpanohana vola ny tetikasa fanadihadiana eny ifotony. Mitentina 143 074 dolara ny tetibola natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana hanatanterahana izany ao anatin’ny telo volana ary nosantarina tamin’ity herinandro ity ny asa. Nohazavaina tamin’ireo mpanao fanadihadiana ny maha zava-dehibe ny fahazoana ny antontanisa marina ahafahan’ny fitondrana mandrefy ny ezaka vita tao anatin’ny fanaovam-baksiny, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Instat. 473 ny trangana kitrotro niseho nandritra ny herinandro 27 mey-2 jona satria nitombo ho 146 750 ny isan’ny olona voan’ny aretina kitrotro nanomboka ny 3 septambra ka hatramin’ny 2 jona lasa teo, araka ny tatitra ny minisiteran’ny fahasalamana. 20 894 ny seho nahitana fahasarotana tamin’ireo. Tsy nisy intsony ny olona namoy ny ainy noho ny kitrotro. “Efa azo ambara fa foana ny valanaretina kitrotro tamin’ireo distrika 12 mbola nahitana tranga farany teo”, hoy ny tomponandraikitra.  Vonjy A. L’article Nanokanana vola 143 074 dolara: hotombanana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Voina tany Mahajanga :: Zaza 7 taona novonoina sy nalevina an-tsokosoko

Mampivarahontsana ny zava-nisy tany an-tampon-tanànan’i Mahajanga, afak’omaly maraina. Nalevina tany Ambohimandamina ny fatin’ny zazavavikely, 7 taona. Tamin’ny fizahana no nahafantarana fa novonoina, avy eo nalevina an-tsokosoko io zaza io. Miaraka manao ny fanadihadiana hikarohana an’izay nahavanona an’izao vono olona izao ny polisy sy ny zandary, any Mahajanga. Nalaza tany an-toerana ity raharaha ity. Avy ao amin’ny fianakaviana iray monina ao Tsararano Nosikely i Adriana, ilay zaza novonoina sy saika nalevina tsy hitan’ny havany. Niala tao an-tranony nandeha niantsena ny reniny no tsy nahita an’io zanany vavy tokana io, rehefa tafaverina tao an-tanàna. Nantsoina antelefaonina ny fianakaviana rehetra. Velona ny fitadiavana teo an-tanàna. Nitety fokontany niantsoantso ny anaran’ilay zaza sy nanontany olona ny fianakaviana. Ora roa taorian’izay no nahitana ny razan’ ilay zazavavikely. Nahitana faritra mangana, toy ny nokendaina ny tendany, nisy fery ny lohaliny roa. Voalaza ihany koa fa nomena poizina ity zaza ity. Tonga nanao ny fizahana ny mpitsabo avy amin’ny Birao monisipaly misahana ny fahadiovana (BMH) ary nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tovolahy nofosana…  « Nohenoina ny fitantaran’ ny ankizy niara-nilalao tamin’ilay ankizivavy. Nolazain’izy ireo ny fisian’ny olona naka sy nitondra an’io zaza io, raha teo am-pilalaovana iny. Olona nandalo tany Ambohimandamina kosa no nahatsikaritra tovolahy nofosana iray nihady tany sy nandevina an’ilay zaza teo amorontatatra. Azo sary io lehilahy io ka naseho an’ilay ankizy nilalao. Nohamarininy teo fa izy no olona nitondra ny namany tsy hita », araka ny tatitra azo avy ami’ny mpitandro filaminana, any Mahajanga. Tsy mbola nahitam-bokany, hatramin’ny omaly, ny fikarohana an’io lehilahy io. Hanaovana fanadihadiana ihany koa anefa ny ray aman-dreny sy ny fianakavian’ilay zaza namoy ny ainy mba hamantarana ny mety ho ao ambadik’izao vono olona izao. L’article Voina tany Mahajanga :: Zaza 7 taona novonoina sy nalevina an-tsokosoko est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

EPP Analakely: mpianatra 570 nizarana borosy nify

Mila kojaina dieny mbola kely ny nify hisorohana ny aretina samihafa rehefa lehibe. Vahaolana ny fiborosiana izany intelo isan’andro, hoy ny fanentanan’ny mpitsabo nify.   Efa manana nify telo simba ny 90% amin’ny ankizy malagasy, araka ny fanadihadian’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava, nanao hetsika fampianarana ny mpianatra hikoja ny nify sy ny ativava ny consulat de Monaco eto amintsika sy ny orinasa mpamokatra ny akora famotsiana nify, ny Colgate. Nosantarina teny amin’ny EPP Analakely ny fampianarana sy ny fizarana borosy nify sy ny akora miaraka aminy hanadiovana ny nify intelo isan’andro. Nampianarina ny mpianatra 570 (préscolaire-7ème) ny tokony ho fantatra rehetra ho salama ny nify. Hajanona any an-dakilsy rahateo ny fitaovana mba hitohy isan’andro ny fiborosiana nify ary misy mpanara-maso koa. EPP efatra (Analakely, Besarety, Antetezana Afovoany ary Faravohitra Ambony) ety am-piandohana ny hizarana ny fanentanana sy ny fitaovana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitarika aretina hafa ny nify simba tsy voatsabo ka fisorohana ny fiborosiana tsy tapaka izany. Ilaina koa ny manatona mpitsabo manokana ny nify, indroa isan-taona, ary soloina isaky ny telo volana ny borosy nify ampiasaina.“Nahazo tombony betsaka ny mpianatra eto aminay satria betsaka ireo tsy mahay miborosy nify na koa tsy manana fitaovana hanaovana azy”, hoy ny talen’ny EPP Analakely, Razafindranaivo Nadia, omaly teny an-toerana.Ankoatra ny fanohanana ny fahasalaman’ny mpianatra, mamatsy fitaovana toy ny orinatera ho an’ny mpianatra eny amin’ny CEG sy ny lycée ny consulat de Monaco, araka ny fanazavan’ny consul lefitra, Rabemanolontsoa Niry.Vonjy A. L’article EPP Analakely: mpianatra 570 nizarana borosy nify a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Vaky boky an-tsekoly”: nosokafana tetsy amin’ny Esca Antanimena

Mitohy ny hetsika “Andao hamaky boky”. Niitatra amin’ny “Andao hamaky boky any an-tsekoly” izany, izay natomboka tetsy amin’ny sekoly Esca Antanimena. “Vaky boky an-tsekoly, vaky boky ankalamanjana” ny lohahevitra nanentanana ny rehetra, izay tafiditra hatrany anatin’ny fampitiavana ny boky. Nanolotra boky miisa 500 mahery ho an’ny sekoly Esca ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, omaly. Natao hovakin’ireo mpianatra sy izay rehetra miasa ao, saingy tsy hijanona ho fananan’ny sekoly akory ireo boky ireo. Fotoana voafetra ihany ny hijanonany ao, ka hifindra any amina sekoly hafa indray izany aorian’izao. Na izany aza, nanome boky miisa 150 ho an’ny sekoly Esca madiodio ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana. “Any amin’ny fototra no hapetraka ny fampitiavana ny vaky boky. Toerana tokony hahafahan’ny mpianatra mahita boky hovakina voalohany ny sekoly, ka mirona mankany amin’izay ny tanjon’ny hetsika”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Zo ny AinaL’article “Vaky boky an-tsekoly”: nosokafana tetsy amin’ny Esca Antanimena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana :: Maty voadonan’ny fiara ireto tovolahy roa nanosika sarety

Niharam-boina ny andian-jatovo nanosika sy nitarika sarety, teny amin’ny digy Malaza Ampitatafika, ny alin’ny talata tokony ho tamin’ny folo ora, rehefa voadonan’ny fiara. Maty tsy tra-drano ny tovolahy roa, sivy ambin’ny folo taona sy valo ambin’ny folo taona. Naratra mafy kosa ny tovolahy iray sy tovovavy iray. Potika tanteraka ny sarety. Simba ihany koa ny lohan’ny fiara nandona. Avy nanatitra entan’olona, teny Fenoarivo, ireto zatovo dimy mianadahy nitondra sarety iray nandeha teny amin’ny digy Ampitatafika. Mpihavana sy mpiray tanàna izy ireo no nikasa hamonjy fodiana eny Ampitatafika, tamin’io alina io. Avy tao afaran’izy ireo ka nitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra ihany koa ny fiara iray kamiao marika « Mercedes 409 ». Voadonan’ilay fiara lehibe ny sarety. «Milaza ho voataratry ny jiro mazava be avy tamina fiara iray nifanena taminy ny mpamily. Jenjin’izany ny masony ka tsy nahita ny sarety teo aloha», araka ny nambaran’ny zandary eny Fenoarivo, izay misahana ny famotorana. Voadona ny sarety. Tafapitika izy dimy mianadahy. Noho ny dona mafy tamin’izany no nitarika ny fahafatesana sy ny faharatrana. «Nijanona sy tratra teo an-toerana ilay fiara nanao loza sy ny mpamily. Notazonina hatao famotorana izy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny fianakavian’ireo ankizy tra-doza, tamin’io alina io», hoy ihany ny zandary. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ireo maratra. Voalaza fa tsy mbola mahatsiaro tena ilay tovolahy. Nentina nokarakaraina eny amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ireo roa lahy. L’article Lozam-pifamoivoizana :: Maty voadonan’ny fiara ireto tovolahy roa nanosika sarety est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Ben’ny tanàna sy halatr’omby

Tra-tehaka tao amin’ny ben’ny tanàna iray any Miandrivazo ny omby halatra miisa roa avy any Ankondromena, tamin’ny 8 jona lasa teo. Nalain’ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo omby ary natoka-monina. Hatolotra ny Fitsarana any Morondava ity raharaha ity. L’article Ben’ny tanàna sy halatr’omby est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina

Fanamelohana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina ny nomen’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ny jiolahy iray nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, afakomaly, momba ilay raharaha fanolanana miharo herisetra tamina zazakely vao 6 taona monja.Maivana loatra ilay sazy nomen’ny fitsarana! Raha hiverenana ity raharaha ity, naolan’i Zara Michel, 25 taona, i Velotody Jessica, zazakely enin-taona, ny 27 jona 2018 tao Vohilengo, Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fanazavany nandritra ny fitsarana azy, nantsoiny nanaraka azy hiditra tao amina efitrano iray tsy misy olona ao Vohilengo ilay niharam-boina ka nentiny avy hatrany teny ambony fandriana nanaovany ny filàn-dratsiny. Nikiaka ilay tsy manan-tsiny ka nofatorany lamba ny vavany. Rehefa vita ny filany, norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ilay niharam-boina fa hovonoiny raha miteny amin’olona, araka ny fanazavan’ilay voampanga hatrany. Tsikaritry ny renin’ilay zaza anefa ny fihetsik’ity zanany somary hafahafa ka nanontaniany ary nambaran’ity niharam-boina ny anaran’ilay jiolahy nahavanon-doza taminy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana itony mahavita fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona itony. Any ivelany, fanamelohana ho faty na figadrana mandra-pahafaty ny mahazo ny olona manao fihetsika mamoafady na manolana ankizy toy izao.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono

Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), amin’ny alalan’ny foibe mpanadihady sy mpanoro lalana (CEO) sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi) . Votoatiny ny hiantohan’ny Afafi ny fitsaboana ho an’ny olona misotro ronono sy ny mpandray vidin-takaitra, nefa sahirana sy marefo. Arotsaka any amin’ny Afafi ny latsakemboka 3.500 Ar, ka aloan’ny mpiasa ny 1.000 Ar isam-bolana, ary aloan’ny CNaPS ny 2.500 Ar isam-bolana. Isaky ny enim-bolana no handoavan’ny CNaPS azy any amin’ny Afafi. Miisa 1.000 isan-taona ny fianakaviana kendrena hahazo tombontsoa.Nambaran’ny tale jeneraly vonjimaika, Rtoa Tsaboto Joslina. Fa mahazo tombontsoa amin’ity fanohanan’ny Afafi ity ireo mpiasa tany amin’ny tsy miankina na mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD), nahaloa latsakemboka hatramin’izay.Njaka A.L’article Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Haltérophilie : 19 entraîneurs diplômés !
28/09/2020

Les nouveaux entraîneurs diplômés en haltérophilie. . La formation d’entraîneurs organisée par la Fédération malgache d’haltérophilie a été clôturée par une remise de diplôme ce samedi, au gymnase couvert d’Ankorondrano. Après dix jours de formations, à compter de 17 septembre, vingt techniciens composés par des anciens athlètes, des dirigeants des ligues, des clubs et des entraîneurs, sous la houlette de Harimalala Solomampionona Rakotoariseheno, un expert international, ont bénéficié d’une formation pointue pour devenir entraîneurs de niveau 1 et niveau 2. En effet, parmi les participants, dix-neuf ont obtenu ce diplôme niveau 1. Mais il y en avait aussi neuf parmi eux qui ont validé tous les modules, à la fois pour le niveau 1 et niveau 2. C’était un stage de haut niveau qui a permis aux participants de bien planifier le travail d’entraînement, de savoir plus sur l’anatomie et la sociologie. Le président de la fédération, Jean Alex Harinelina Randriamanarivo, a honoré la journée de samedi par sa présence. Il a annoncé que la formation comme celle-ci compte beaucoup afin d’améliorer le niveau d’entraînement donné aux athlètes. Le but c’est de les pousser à décrocher des médailles dans les grandes compétitions. D’autant plus que la Grande Ile avait toujours brillé en haltérophilie, que ce soit dans le continent africain ou dans l’Océan Indien. Manjato Razafy L’article Haltérophilie : 19 entraîneurs diplômés ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Haltérophilie : 19 entraîneurs diplômés ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika
23/09/2020

Sarona niaraka tamin’ny basy mahery vaika “MAS 36” iray misy bala telo ny lehilahy iray, omaly vao maraina, tany Ankazobe. Voatondro ho isan’ireo nanafika tao amin’ny tokantrano iray tany Antakavana, tamin’ny 17 septambra lasa teo, izy. Teny ampisamborana ny namany, izay notononiny, no nisy ny fifampitifirana tamin’ny andian-jiolahy hafa. Namoy ny ainy tamin’io itsy jiolahy voasambotra itsy. « Efa voasambotra tany Beandrarezina-Beronono aty Ankazobe ihany izy. Nitaridalana anay andeha hisambotra an’ireo namany izy no niseho izao fifandonana tampoka tamin’ny jiolahy hafa izao », hoy ny loharanombaovao avy amin’ny Zandarimaria any Ankazobe. Tsy vahiny amin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy maty voatifitra ity satria isan’ireo malaza sy efa fantatra anarana ary karohina tamin’ny fanafihana mitampiadiana maro tany Anjozorobe, Maevatanàna sy Ankazobe izy. L’article Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika est apparu en premier sur AoRaha.

Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
25/09/2020

Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier
26/09/2020

Lasa mirongatra mihitsy ny mpisoloky tato ho ato! Vao haingana no nisy lehilahy iray namoahan’ny polisy didy fikarohana noho ny fisolokiana avolenta natao. Namoaka filazana didy fikarohana momba ity lehilahy iray hita amin’ny sary ity koa ny polisy misahana ny hekoka bevava sakelika faharoa (BC2) Anosy. Miangavy amin’ireo olona mahalala sy/na mahita ity lehilahy ity ny polisy mba hampandre azy ireo na hiantso ny laharana telefaonina finday 034.05.517.26. Toy izao ny mombamomba azy: Rakotoseheno Olivier, teraka tamin’ny 7 febroary 1972 tao Ambohidratrimo (48 taona), manana kara-panondro laharana 103 091 000 460 nomena ny 23 Septambra 1991 tao Ambohidratrimo. Toeram-ponenana nahitana azy farany tao Ankaraobato Antananarivo sy tao Morarano Amborovy Mahajanga. Antony hikarohana azy : Fanaovana asa ratsy, fisolokiana vola. Nanamafy ny polisim-pirenena fa manome toky fa tazonina ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Na izany aza, mampahafantatra ny rehetra izy ireo fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy, indrindra raha olona efa namoahana didy fikarohana toy izao dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna.Jean ClaudeL’article Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Faharatrana mpilalao :: Hanomantena tsy misy an’i Abel Anicet ny Barea
28/09/2020

Vaovao tsy dia mahafaly ho an’ny baolina kitra malagasy sy ny Barea. Naratra Andrianantenaina Abel Anicet, irakiraka mpiaro sady kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izao fotoana izao. Tsy isan’ireo hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ny Barea any Frantsa ary tsy hiatrika ny lalao fitsapana amin’ ny klioba diviziona voalohany any Luxembourg, amin’ny volana oktobra ho avy izao, ny lehilahy. Ratra eo amin’ny ranjony havia, azony nandritra ny fanazaran-tena nataony tao amin’ ny klioban’ny Ludogorets Razgrad, izay ilalaovany any Bolgaria, no nahavoa an’i Anicet. Haharitra telo herinandro ny fitsaharana tsy ahafahany miakatra kianja, araka ny nambaran’ny mpitsabo azy. « Mazava ho azy fa tsy ho eo i Anicet, mandritra ny  fampivondronana hatao aty Frantsa, amin’io voalohandohan’ny volana oktobra io. Efa fantatra fa amin’ny fihaonana amin’ny Côte d’Ivoire kosa izy dia efa tafaraka amin’i Barea. Antenaina fa ho sitrana tanteraka izy amin’ny lalao fifanintsanana hiadian-toerana, ho an’ny “Can 2021″, hikatrohana amin’ny Côte d’Ivoire, ny volana novambra », araka ny fampitambaovao avy amin’ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis. Aorian’ny fiofanana hotontosaina ao Frantsa, dia hisy ny fihaonana ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange, diviziona voalohany ao Luxembourg, amin’ny 12 oktobra 2020. « Nosafisidiana manokana io firenena io noho ny fahatahorana an’ilay valanaretina covid-19 sy ny fahaizan’ny mponina ao mandray vahiny. Eo ihany koa fihenan’ny vola mivoaka avy amin’ny fanjakana malagasy », hoy i Nicolas Dupuis. L’article Kitra – Faharatrana mpilalao :: Hanomantena tsy misy an’i Abel Anicet ny Barea est apparu en premier sur AoRaha.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 26.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 26.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.55 guérisons et 36 nouveaux cas de Covid-19 sont rapportés par le Pr Vololontiana ce 26 Septembre 2020. 18 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 9 cas dans la region de Sava, 3 cas dans la région Analamanga, 3 cas dans la région d’Alaotra mangoro et 1 cas dans la région Haute Matsiatra. Quant aux personnes guéries, elles sont éparpillés comme suit: 3 dans la région d’Analamanga, 4 dans la région de Haute Matsiatra, 15 dans la région de Vatovavy Fitovinany, 1 dans la région Atsimo Andrefana, 6 dans la région de Boeny, 2 dans la région de Sava et 24 dans la région de Diana. Selon le rapport du Professeur, 14 922 personnes sont totalement guéries du Covid-19 tandis que 1104 patients sont en cours de traitement dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs un nouveau décès lié au coronavirus a été egalement rapporté ce jour, portant à 229 le nombre de personnes ayant perdu la vie à cause de cette maladie. Depuis le début de l’épidémie, 16 257 contaminations ont été enregistrées dans la grande Île.L’article Covid-19: Situation du 26.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana
25/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.