Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

L’article Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

SEG Jly Ravalomanana Richard: handraisana fepetra ireo zandary mihoa-pefy, mandika lalàna…

Soavianandriana, Morombe, Toliara II, Beroroha… Notsikafonin’ny depiote ireo tranga mahabe taraina ny mponina noho ny fandikan-dalàna, fihoaram-pefy ataon’ny zandary sasany. Vokatr’izany, hisy fanadihadiana sy famotorana ifotony hatao ka handraisana fepetra ireo zandary voakasika izany.“Handraisana fepetra tsy misy hatak’andro ka hanaovan’ny foibem-pibaikoan’ny zandarimariam-pirenena famotorana ifotony ireo fitarainana sy porofo voalazan’ny solombavambahoaka mikasika ireo zandary manao fandikan-dalàna”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, nandritra ny fivoriana sy dinika manokana niarahana tamin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa tao amin’ny birao fiasany eny Betongolo, ny alatsinainy teo. Nandritra io fivoriana io koa no nametrahana ny fandrindrana ny firaisan-kery entina hampanjakana ny filaminana sy fandriampahalemana ao anatin’ny fanajana ny tany tan-dalàna. Voadinika niaraka tamin’ny solombavambahoaka sy ny lehiben’ny distrikan’i Soavinandriana koa ny hamahana ny olana mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsika ary ny fomba mamohehatra ataon’ireo zandary sasany ao amin’ny tsenan’omby ao Soavinandriana Itasy ka hametrahana “guichet unique”, manomboka izao.Omena tombondahiny ireo zandary tena miasa…Misy amin’ireo zandary no tena miasa na eo aza ireo “saonjo iray lohasaha”. Omena tombondahiny kosa ireo zandary teny miasa ary ireny no mendrika homena galona, araka ny filazany hatrany. Vao haingana koa no nisy ireo zandary tsy sahy mandray andraikitra manoloana ny tsy fandriampahalemana tahaka ny zava-nitranga tany amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Tsy nety handeha hanara-dia ireo zandary ary tsy sahy nivoaka. “Misy ireo zandary tsy matihanina eny amin’ny terrain toy ireo miasa any Amboasary Atsimo. Ireo iharan’ny fanafihana indray no manao fanadihadiana”, hoy izy.Nanamafy ny Seg fa miezaka hatrany manaja ny tarigetra nosafidiana dia ny hoe “Tanindrazana sy lalàna” ny zandarimariam-pirenena ary miara-miasa amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry mba hampanjakana ny tany tan-dalàna hiarovana ny tanindrazana sy izay rehetra ao aminy.Jean ClaudeL’article SEG Jly Ravalomanana Richard: handraisana fepetra ireo zandary mihoa-pefy, mandika lalàna… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pasipaoro

Mampahatsiahy ny avy ao amin’ny Sampandraharaha mikarakara ny famoahana pasipaoro fa tsy miova ny paik’ady sy ny torolalana fangatahana sy fanaovana pasipaoro malagasy eo anivon’ny Pôlisim-pirenena. Nambarany fa tsy misy afaka mamoaka pasipaoro malagasy afa-tsy ny Sampandraharaha manokana miandraikitra izany eo anivon’ny Pôlisim-pirenena ihany. Mila mailo hatrany izany mba hialana amin’ny fisolokiana sy ireo milaza fa afaka mamoaka izany. L’article Pasipaoro est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Valanaretina: 909 ireo matin’ny kitrotro

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamana momba ny zava-misy momba ny kitrotro, nanomboka ny 3 septambra hatramin’ny 4 mey lasa teo, valo ny distrika mbola ahitana ny tranganaretina kitrotro. Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Mahajanga II, Ambanja, Antsiranana I-II, Soavinandriana, ary Ambatomainty ireo distrika ahitana seho 14 isan’andro amin’ny ankapobeny. Tokony hohamafisina ny hetsika amin’ireo distrika ireo hanafoanana ny valanaretina. Tao anatin’ny efatra herinandro farany, nahatratra 3195 ny tranga ho an’ny distrika valo voalaza. Ny herinandro voalohany, 1652 ny olona voan’ny kitrotro ary nihena ho 97 ny herinandro fahefatra, araka ny fanazavana.Hatramin’ny fiandohan’ny fiparitahan’ny valanaretina kitrotro teto amintsika, 142 995 ny tranga ka 19 080 ny sokajy ahitana fahasarotana. 909 ny fahafatesana voamarina fa vokatry ny aretina kitrotro raha 340 ny fahafatesana hafa tsy voamarina ny antony. Amin’izao fotoana izao, misy fanadihadiana hamantarana ny antony nampirongatra ny valanaretina any Melaky sy ny distrikan’i Sambava. Vonjy A.     L’article Valanaretina: 909 ireo matin’ny kitrotro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampitomboina izay mampiombona         

   Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny fomba fanaovana politika… manakorontana sy manapotika. Tsy lavina, anjaran’ny mpanohitra ny mitsikera izay ataon’ny fitondrana sy ny asany: fitantanana ratsy, fampanantenana tsy tanteraka, tsy fanajana ny teny nomena. Tsy inona fa mba hahazoana mandimby toerana azy any aoriana.Maharesy lahatra sy ankasitrahin’ny vahoaka hanaraka ny mpanohitra ve izay lazainy sy ataony amin’izao? Indrindra amin’izao fotoan-tsarotra iatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina fahavalo iombonana izao: mila fifanomezan-tanana, fifankaherezana. Ao anatin’izany ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka.Any amin’ny fifidianana indray vao tsaroana amin’izany ny vahoaka hahazoana na takalona vato mba hifidy ny tena? Ekena, ny mpitondra no manana ny fahefana sy ny enti-manana hiahy sy hiaro ny vahoaka, indrindra raha ao anaty fahasahiranana. Saingy, hiandry fifidianana sy fahazoana fahefana ve vao afa-kanampy na hamonjy vahoaka?Sanatria, tsy misy afitsoka ny mpanohitra? Hany ka tsy misy vava asa fa asa vava fotsiny amin’ny fanatsatsoana, ny famendrofendroana, ny fitsikerana, ny fanakorotanana. Tsy misy izay mampiombona azy sy iombonany amin’ny mpitondra? Tsy inona fa ny tanindrazana iaraha-manana sy ivelomana, ny vahoaka antom-pisiana sy iasana.Ny fahefam-panjakana tsy iraisana no tsy mampiombona be ihany amin’izany rehetra izany? Hany ka adilahy lava no mitranga sy atao. Tsy izay mampiombona tsinona no ampitomboana sy velarina fa izay mampisaraka sy mampiady an-toerana. Tsy mahagaga raha sarotra sy mafy ary ela ny fampandrosoana amin’izay atao rehetra.Faminganana no ataon’ny sasany fa tsy fanampiana sy fanomezan-tanana. Nefa izay no hampisehoana amin’ny vahoaka fa mahay sy mahavita be lavitra no ho ny mpitondra ny tena, raha mahazo fahefam-panjakana. Amin’izany, hifidy ny tena izy amin’ny manaraka. Tsy fanararaotana anaovana izany ve izao fotoan-tsarotra izao?Rafaly Nd. L’article Ampitomboina izay mampiombona          a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afrika : vao mainka hitombo ny hanoanana

Namoaka fanadihadiana i Abebe Haile-Gabriel, tale je­neraly lefitra sady solotenan’i Afrika ao amin’ny Fikam­banana iraisam-pirenena mom­ba ny sakafo sy ny fambolena (FAO). Nambarany fa mitombo ny hanoanana aty Afrika, indrindra aty amin’ny tapany atsimon’i Sahara. Hany ka lasa lafo sy raitra ny sakafo ara-pahasalamana ka tsy zakan’ny ankamaroan’ny Afrika­nina Na tsy mbola nipoitra aza ny tsimokaretina Covid-19, efa tsinjo fa tsy ho tratra ny tanjona hanafoanana ny ha­noanana amin’ny taona 2030. Araka ny tatitry ny FAO, tamin’ity herinandro ity, avo roa heny amin’ny tsy fahampian-tsakafo maneran-tany ny aty Afrika sady mihazakazaka ny fitombon’ny olona tsy am­py sakafo. Hihoaran’i Afrika ny any Azia, amin’ny taona 2030 amin’ny fisian’ny olona be tsy ampy sakafo indrindra maneran-tany. Tsy manam-bola hisakafoana ara-pahasalamana ny 80%-n’ny mponina any Afrika Andrefana. Lafo, avo 3,2 heny miohatra amin’ny fetran’ny fahantrana ny vidin-tsakafo ara-pahasalamana aty Afrika tapany atsimon’i Sahara. Tsy takatry ny mponina, izay miaina ambanin’ny fetran’ny fa­hantrana, tsy mahazo vola afa-tsy latsaky ny 1,9 dolara isan’andro (manodidina ny 7.000 Ar isan’andro). Vao mainka nohamafisin’ny Covid-19 ity tsy fahampian-tsakafo ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article Afrika : vao mainka hitombo ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Lomano: montsan’i Jonathan ny zava-bita tsara indrindra

Nanomboka, omaly ao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny halavirana 50 m. Niakatra ny haavo teknikan’ny mpilomano, raha ny hita nandritra io andro voalohany io satria nisy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny alalan-dRaharvel Jonathan, mpilomano ao amin’ny klioban’ny Cosfa Analamanga, sokajy “open”. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 29’’: 96 ny 50 br raha toa ka izy ihany ny nahavita ny 50 m tsara indrindra tany La Réunion, tao anatin’ny fe-potoana 30”: 34.Tsahivina fa mpilomano miisa 350 ao anatin’ny klioba 19 ny mifaninana ary nahitana fiakarana taham-pahavitrihana izany. Ankoatra ireo ligy dimy efa nandray anjara tamin’ny herintaona, ahitana ny ligin’Analamanga, ny ligin’i Boeny, ny ligin’Atsinanana, ny ligin’i Vakinankaratra ary ny ligin’i Vatovavy Fitovinany, nahatonga solontena ihany koa ny ligin’Alaotra Mangoro sy ny ligin’i Matsiatra Ambony, sambany vao mifaninana ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona ny taranja lomano, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel.Mi.RazL’article Lomano: montsan’i Jonathan ny zava-bita tsara indrindra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11”

Natolotra sy nanaovana vela-kevitra teo anatrehan’ny CIJ (Comité internationale des jeux), ny asabotsy lasa teo, ny tetikasa mahakasika ny firotsahan’i Madagasikara ho kandidà amin’ny fandraisana ny « Lalaon’ny Nosy 2023 ». Araka ny nambaran’andriamatoa filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny firenena malagasy mihitsy no tokony hahazo io andiany faha- 11 io raha ny tokony ho izy. Rariny, hoy hatrany izy, raha mandray izany isika satria manana ny kianja lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Etsy andaniny, marobe ireo fotofrafitrasa fanatanjahantena. Nohamafisin’andriamatoa minisitra, i Tinoka Roberto, ihany koa, fa nanokanan’ny fitondram-panjakana tetibola manokana mihitsy ny fanatanjahantena sy ny fananganana fotodrafitrasa ka ho mora ho an’i Madagasikara ny handray ny “Lalaon’ny Nosy 2023” satria ezahina hovitaina mialoha io fotoana io avokoa ireo tetikasa rehetra. Mitentina 150 tapitrisa dolara ny tetibola amin’izany, araka ny fanazavana hatrany.Tsahivina fa telo firenena nametraka ny antonta-taratasy amin’ny maha kandidà azy, amin’ny fandraisana ny andiany faha-11 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, hotanterahina ny taona 2023, ahitana an’i Maldives, i Kaomoro ary i Madagasikara. Mbola ady goavana, araka izany, ny miandry antsika na efa manana tombony mihoatra amin’ireo firenena roa ireo aza isika. Ho fantatra ny asabotsy 27 jolay izao izay handray izany ary hambara amin’ny fomba ofisialy mandritra ny lanonana famaranana ny alahady 28 jolay izao, ao amin’ny kianjan’i Anjalay, Maorisy. Mi.Raz L’article « JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsara jerena ny maha olona 

Aorian’ny orana ny fiakaran’ny rano? Hatramin’ny fivangongoan’ny antsangana entin-driaka, ny mety ho faharavan-javatra… Tsy mifankaiza amin’izany izao fialana miandalana amin’ny fihibohana noho ny fahamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao?Hatramin’izao, misy hatrany, ohatra, ny mampiaka-peo eny ifotony fa tsy mba nahazo anjara fanampiana; eny, na anisan’izay niaritra sy naharitra tamin’ny fihibohana aza. Mbola misy ihany ny velon-taraina sy manome tsiny ny amin’ny fizarana izany: tsy mandeha araka ny tokony ho izy?Miara-dalana amin’izay ny fahaverezana asa, ny faharavan’ny fananana namidy noho ny tsy fisiana, ny fialana amin’ny fonenana tsy fidiny fa tsy nahaloa hofan-trano… Fahavoazana ifotony navelan’ny ady avokoa izany. Hanao ahoana ny hoavy? Mafimafy sy sarotsarotra no ho ny teo aloha.Misy ny karazana fanararaotana etsy sy eroa. Tratran’ny tsy fidiny ny maro ka tsy afa-manoatra sy tsy afa-manohitra? Karama mora, ohatra, fividianana entana mora, fandroahana mpiasa tsy amin’ny antony… Nefa misy koa ny mampiakatra vidin’entana, ny midongy tsy mandoa hofan-trano…Manginy fotsiny amin’izany ny karazana fisolokiana, fisandohana, fanendahana, fitantarana fahasahiranana ahazoana mangataka… Zava-tsy inona akory, mety hikasihan-tanana na hanalana aina olona. Tsy inona fa noho ny fitadiavana hoe sarotra sy mafy avokoa… Tsy misy tsy sahirana amin’izao?Mila mitandrina ny tena fa miakatra ny rano, miangona ny fako aman’antsanga. Mafy sy lalina ary ela loatra ny ady? Navesa-danja ho azy ny fahavoazana. Tsy nisy lafitsarany izay nentin’ny ady? Fandresena ny valanaretina, fitandremam-pahasalamana ho fomba fiaina, fahaizana mifampitsinjo…Mety ho mafy sy sarotsarotra ny hanarina izany rehetra izany amin’izao? Eo ny fomba fisaina, ny fomba fiaina, ny fomba fiasa… Ny maha olona ny an’ny sasany no tratran’ny karazana tsimokaretina amin’ny fanaovan-dratsy noho ny fihibohana? Na mila jerena ny maha olona, ankoatra ny sosialy.Rafaly Nd. L’article Tsara jerena ny maha olona  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany
29/09/2020

Samy manana ny lamina noraisiny ny EPP manoloana ny toromariky ny minisitera amin’ny tsy fandoavana intsony ny latsakemboky ny ray man-dreny.Araka ny fehinkevitra tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 16 septambra lasa teo, tsy mandoa saram-pisoratana anarana sy latsakemboky ny Fram ny ray aman-dreny ho fitsinjovana ny tokantrano sahirana taorian’ny fihibohana. Manoloana izany, samy manana ny heviny ny talen-tsekoly EPP eto an-dRenivohitra. Nanambara ny talen’ny EPP Antanandrano, Cisco Avaradrano, fa misy ny naoty manokana niainga avy any amin’ny minisitera nalefa teny amin’ny Dren sy ny Cisco ary nipaka eny amin’ny EPP isanisany nanazava fa ny saran’ny fisoratana anarana no tsy efain’ny ray aman-dreny fa manana ny fandaminana anatiny ireo EPP mbola manarama mpampianatra Fram nefa tsy misitraka karama avy amin’ny fanjakana. Tsy afa-manoatra ny talen-tsekoly satria mbola dimy ny mpampianatra Fram miampy mpiandry tanàna iray omena karama isam-bolana. Manefa 20 000 Ar, noho izany, ny ray aman-dreny rehetra ary fomba fanao isan-taona izany. Monina ao anatin’ny fokontany ihany koa ireo mpampianatra Fram ireo ka tsy malaina mandoa ny latsakemboka ny ray aman-dreny. Raha misy ny tohana manokana avy any amin’ny fanjakana momba ny karama ho an’ireo mpampianatra Fram ireo, alefa amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny vola efa naloa. Mikarakara ny fandefasana ny refin-tongotry ny mpianatra momba ny kiraro sy ny aron’akanjo ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Hahazo fitaovana mialoha ny fidirana ny mpianatra avy any amin’ny fanjakana.Nalefa any amin’ny fitondrana ny filanaHo an’ny EPP any Behenjy kosa, tsy naka vola tamin’ny ray aman-dreny izy ireo fa nanaraka ny toromarika. “Nalefa eny anivon’ny tomponandraikitra ny fampianarana ny filana rehetra ka miandry izay valiny izahay”, hoy ny talen-tsekoly. Ho an’ny EPP Analakely, miandry ny vokatry ny fivoriana miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny izy ireo hijerena ny vahaolana satria misy mpampianatra Fram dimy mbola homena karama koa fa tsy mahazo any amin’ny fanjakana.Vonjy A.                 L’article Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany a été récupéré chez Newsmada.

Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC
23/09/2020

Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io. Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao. Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany. Valy bontana « Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo. Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity. L’article Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC est apparu en premier sur AoRaha.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 27.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 27.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 28 nouvelles contaminations sur 417 tests effectués ont été enregistrées ces dernières 24h. Ces nouveaux cas sont éparpillés dans la région de Sava avec 15 cas, Vakinankaratra avec 6 cas, Analamanga avec 4 cas, Analanjirofo avec 1 cas, Matsiatra Ambony avec 1 cas et Vatovavy Fitovinany avec 1 cas. Par contre aucune guerison n’a été signalée ces dernières 24h, le nombre de guérisons reste donc à 14 922. Cependant, 1132 personnes suivent encore des traitements dont 17 présentent des formes graves. Le nombre total de décès reste également à 229 puisqu’aucun décès n’a été rapporté. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 16 285 cas confirmés.L’article Covid-19: Situation du 27.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard
29/09/2020

Razedra ihany koa no nahafantaran’ny olona maro azy! Fantatra, omaly, fa nodimandry Razafindrafahatra René Girard, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny arifenitra. Fa ankoatra izay, beso nikoizana tao amin’ny Ataum sy ny Solika ary R’imbosa izy. Anisan’ireo hira nahenoana ny feony ny « Tsy mba misy tsy ho diso”, ny “Vonimboahirana”, ny “Dobla sento”… Santionan’ny hira nasian-dRazedra ny “soniany”. “Poizina!”, hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson-dRazedra tao amin’ny Ataum, 50 taona lasa izay, ry zareo », hoy i Mbosa mitantara. Nohamafisiny fa « vitsy tokoa ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka ». Notohizany tamin’ny: « Razedra, tsy hohadinoina fa voarakitra tsy amin’onjam-peo ihany fa indrindra ao am-po ny feo sy ny hatsaram-panahy ary ny fandalinan’ialahy ny kolontsaina sy ny gadona bagasy ». Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard a été récupéré chez Newsmada.

« Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu »
23/09/2020

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany « Opération coup de poing » ao amin’ny faritra Bongolava nataon’ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy. Ny 15 sy ny 16 septambra 2020 teo, nisy ny vokatra azo nandritra izany hetsika izany. Olona dimy voasambotra tao Androtra sy tao Mangarivotra noho ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina, ny 15 septambra, raha olona roa kosa tratra tao Tsenankisoa, fokontany Tsaralalana, noho ny fisian’ireo roa lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ihany koa niaraka amin’ny ramatoa mpamatsy izany. Olona 13 ny nofotoran’ny polisy noho ny tsy fanajana ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina « couvre feu ». Olona 10 voasazy nanao asa miteraka tombontsoa iombonana noho tsy fanaovana arovava, moto miisa 32 nandalo fisavan’ny polisy noho ny tsy fanaovana aroloha. Posy miisa 43 voasava raha 10 amin’ireo kibota 60 nosavaina kosa no niharan’ny sazy avy hatrany. Teo koa ny fisian’ireo olona tratra nitondra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny odigasy, raha nikasa hangalatra kisoa.J.C L’article « Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu » a été récupéré chez Newsmada.

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha
25/09/2020

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.Njaka A.L’article Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha a été récupéré chez Newsmada.