Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

News - Santé - Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

L’article Décision N°3631/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 03 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique Analamanga dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nihena ny firongatry ny valanaretina : miisa 14 ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny herinandro

Eo am-piandrasana ny hambaran’ny fitondram-panjakana manoloana ny ady atao amin’ny Coronavirus, nihena hatrany aloha izany ny firongatry ny valanaretina eto amintsika. Miisa 14 ireo lavo tao anatin’ny herinandro, nanomboka ny 15 aogositra ka hatramin’ny anio. Manodidina ny roa isan’andro eo izany. Tsy nisy aina nafoy aza ny 19 aogositra teo raha efatra kosa ny 20 aogositra. Iray kosa ny lavo, omaly sy ny alatsinainy lasa teo.Miisa 29 ireo lavo ny herinandron’ny 8 aogositra Mbola marobe anefa ireo maty raha ny herinandro mialoha izao, nanomboka 8 aogositra hatramin’ny 15 aogositra teo. Miisa 29 ireo lavon’ny Covid-19 tamin’izany. Nidan­gana mihitsy aza ny roa andro farany satria miisa 13 ireo namoy ny ainy, tao anatin’ny 48 ora. Tahaka izany koa, nidina hatrany ny tahan’ny fifindran’ny valanaretina tao anatin’ny herinandro. Miisa 452 izany tao anatin’ny herinandro. Nisy fotoana aza latsaky ny 100, miisa 65 sy 80 ary 81 sy 59 ireo tranga vaovao ny 15 sy ny 17 ary ny 19 sy ny 20 aogositra teo. Niakatra kosa anefa izany ny 16 sy ny 18 aogositra ka miisa 103 sy 123 ireo nifindran’ny valanaretina. Voa­ma­rika fa nikisaka tany Bongo­lava ny maro amin’ireo tranga vaovao ny 18 aogositra teo. Nisy tranga vaovao misa 40 any an-toerana raha 22 kosa ho an’ny eto Analamanga.Nihoatra ny 100 hatrany ireo sitrana Etsy andaniny, nidina tahaka izany koa ny isan’ireo marary mafy. Latsaky ny 100 avokoa izany, nanomboka ny 15 aogositra teo, hatramin’ny omaly. Ankoatra izany, niakatra be nihoatra ny 100 hatrany ireo sitrana. Tafakatra 221 aza izany ny 15 aogositra lasa teo. Araka izany, nisy fidinany avokoa ny isan’ireo maty sy ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro ary nitombo be kosa ny isan’ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana.Synèse R.Miisa 64 ny tranga vaovao, omaly, ka avy eto Analamanga ny 39 amin’izany. Miisa 168 kosa ireo sitrana. Iray kosa ny lavon’ny Covid-19 ka avy any Ihorombe izy io. Tafakatra 178 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika. Miisa 76 ireo marary mafy, “forme grave”. Miisa  54 432 ny fitiliana PCR vita raha 5 012 kosa izany ho an’ny eo anivon’ny GenExpert.  14 218 ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tafakatra 13 206 kosa ireo sitrana ary miisa 834 sisa ireo mbola manaraka fitsaboana.L’article Nihena ny firongatry ny valanaretina : miisa 14 ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny herinandro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina

Hiankina betsaka amin’ny feon’ny fieritreretan’ireo filohana ligy miisa 22, ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Ny tsikaritra, misy ireo mpitantana ligy sasany, tsy manana hazon-damosina, ka zary manara-drenirano fotsiny. Tsy mijoro amin’ny tena heviny fa izay alehan’ny sasany, handehanany. Ny hafa indray, sady mahay atsy no mahay aroa, izany hoe : tsy te ho ratsy amin’ireo kandidà. Toa lasa feno fihatsarambelatsihy, ny fihetsik’izy ireo.Raha ny lojika, tokony ho ligy fito sisa no hiadian’ireo kandidà dimy mifaninana satria ny kandidà tsirairay avy, efa samy nahazo filohana ligy telo avy, tamin’ny alalan’ny fanomezana “caution”. Araka ny heno anefa, “caution” fotsiny no nataon’izy ireo fa tsy hifidy io kandidà io. Toe-javatra mampihomehy sady mahamenatra, ny fomba toa izany raha toa ka tena mitombina. Ny latsa-bato miafina no hilaza, ny marina mikasika azy ireo. Tsiahivina fa hanomboka anio, ny “5 mn n’ny stade”, hanaovana ny fampielezan-kevitra, ao amin’ny RNM, ho an’ny kandidà tsirairay. Hisantatra izany, Rabekoto Raoul, arahin’i Mohamad Abdillah, ny talata ho avy izao ary Andriamiasasoa Doda, ny alarobia. Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy ary Rakotomamonjy Neypatraiky, ny zoma. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Delire Madagascar

Primatiora : Misy eto Madagasikara ny aretina pesta

Toy izao no fanambarana sy fanentanana navoakan’ny te anivon’ny fiadidiana ny Primatiora eny Mahazoarivo: -Azo sitranina zato isan-jato izany aretina izany raha vantany vao marary ka entina avy hatrany eny amin’ny hopitaly ilay olona, ary arahina ireo fepetra rehetra lazain’ny mpitsabo. – Fadio araka izany ny manao dokotera tena. – Avy amin’ny parasy, ny voalavo sy ny loto ny pesta koa entanina ny isan-tokantrano mba hanadio ny manodidina azy sy tsy hanary ireo potikanina toa ny varimasaka satria ireny no misarika ny voalavo. -Rarana ny famoriambahoaka samihafa mba hiarovana ny tsirairay toa ny fety. Fepetra noraisina manokana ho an’ny fifaninana baskety ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena ny anaovana azy mikato trano sy tsy azon’ny be sy ny maro hatrehina hatramin’ny dingana famaranana noho ny trangan’aretina pesta izay nahafaty ilay seychellois. – hamafisina ny fizaham pahasalamana izay mivoaka sy miditra eto Madagasikara, izay atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny toerana ijanonan’ny taxi-brousse Misy ny tetibola iadiana amin’ny pesta ary ireo mpiara-miombon’antoka dia manampy an’i Madagasikara amin’ny fisorohana izany aretina izany. Araka izany dia misy famandriam-boalavo 20 000 ho zarain’ny OMS. Sady maty ny voalavo no maty ny parasy amin’izany famandriam-boalavo izany.Eto Madagasikara ihany ny orinasa mpamorina izany ka tsy misy ahiana raha lany ireo. Maimaimpoana izany famandriam-boalavo izany. Nisy fivoriana tsy ara-potoana entina hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta teny Mahazoarivo androany 30 septambra 2017. Fivoriana izay notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy notronin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny fanatanjahan-tena, Minisitry ny Rano, ny Angovo ary ny Akoranafo, ny solontena maharitry UNICEF, ny OMS, ny PNUD Cet article Primatiora : Misy eto Madagasikara ny aretina pesta est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany

Vavany avy hatrany! Tsy nifampitsitsy fa samy nanao izay ho afany ny tarika Ramadison Anosimanjaka sy ny tarika Ratovoson Ampahimanga, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika « Hiragasy makotrokotroka » eny amin’ny Rovan’Antananarivo. Na teo amin’ny fomba fiseho na tany amin’ny fomba fanehoana ny hafatra ampitaina, samy tsapa ho niezaka mafy nisarika ny mason’ny mpijery sy ny mpitsara ny tarika tsirairay.Raha ny fandaharam-potoana manaraka, any Alarobian’i Manjakandriana indray no hanohizana ny « Hiragasy makotrokotroka », ny 11 aogositra izao. Hitohy any Sambaina izany, ny 18 aogositra. Eny Talata Volonondry ny 25 aogositra. Hiazo ny Fidasiana Rovan’Ambohimanga kosa ny 1 septambra.Marihina fa ny 6 oktobra izao, eo amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny famaranana sady hanolorana ny amboara ho an’izay mendrika izany.HaRy RazafindrakotoL’article Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Triatra

Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany

Mbola mampiteny azy ny aretina kitrotro amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny andro vitsy dia nitombo isa indray ny olona voany. Raha 4 000 ireo voany ny alarobia teo dia efa tafakatra 4 600 izany ny zoma teo ka na olon-dehibe na zazakely tratrany avokoa. Na efa miparitaka manerana ny distrika 23 aza ny aretina dia mbola mitana laharana amin’ny olona voan’ny aretina ny eto amin’ny faritra Analamanga. Amin’ireo olona 4 600 ireo tokoa dia eto Antananarivo sy ny manodidina azy ny 3 900 amin’ireo. Marihina fa ireo olona namonjy toeram-pitsaboana ireto fantatra ireto ary voamarika ihany koa fa ireo olona tsy vita vaksiny tamin’ny mbola kely ny ankamaroany. Ny tsy fahavitana vaksiny tamin’ny mbola koa no antony maha maro isa ireo olona voa. Nambaran’ny mpitsabo tsy miankina iray fa tsy ampy hery fiarovana na koa diso reraka loatra na tsy ampy sakafo mihitsy aza no mahatonga ny fiverimberenan’ny aretina. Nomarihany ihany koa fa mahafaty na mampitondra takaitra mandrapahafaty ny tsy fitsaboana ny aretina kitrotro. Tsiahivina hatrany fa ny fanaviana, reraka, malain-komana, mena maso no fisehoan’ny aretina. Mikohaka, avy amin’ny ranon-delo sy ny rehoka kosa no fomba fifindrany. Tsara marihina koa fa ny fanaovana vaksiny ihany no hiadiana amin’ny aretina kitrotro, hoy ny ministera ary tsy maintsy atao vakisiny miaro amin’ny kitrotro ny zaza latasaka ny 5 taona. Laurena Nany L’article Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany est apparu en premier sur .L’article Miha mahazo vahana ny kitrotro : Miisa 4 600 efa voany a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

“Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana

Seho indroa miantoana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Ho feno ihany koa satria nasain’i Erick Manana hifampizara sehatra aminy ry Dama, Bebey, Benny, Kaolibera ary Nini…Akaiky ilay fotoana! Efa amam-bolana maro no nampiomana ireo mpankafy azy i Erick Manana, fa hisy ny seho izay hotontosainy eto Madagasikara, ny volana aogositra. Nambarany tamin’izay fa fanohizana ilay “Feo roa, gitara roa” niarahany tamin’i Dama io. Rehefa nandroso anefa ny fotoana, fantatra fa hanasany ihany koa an’i Bebey ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, sy ry Kaolibera, Nini ary Benny ao amin’ny tarika Feo Gasy, izany. “Maro ireo nangataka tamiko ny hanaovana sehon’ny Feo Gasy amin’ny fandalovako an-tanindrazana, ka izay no nahatapaka ny hevitra”, hoy ny nambaran’i Erick Manana. Hotontosaina ny asabotsy 10 aogositra sy ny alahady 11 aogositra izao ity fiarahana an-tsehatra ity. Fantatra fa hizara efatra mazava tsara izany: Erick Manana sy Dama, Erick Manana sy Benny ary Bebey (Lôlô sy ny tariny) ary ny fizarana farany dia iarahan’ny rehetra. “Hisy ampahany tsy hampitovy ireo seho roa ireo ihany, fa amin’ny ankapobeny ny fanomanana dia iray ihany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’i Erick Manana. Efa andro maromaro no nigadona an-tanindrazana sy nanomana ny seho ity mpanakanto ity. Anisan’ny fotoana niainan’izy ireo sahady ny “Revirevinay taloha”, izay natao anaran’ny fiarahana, ny famerenana. Mikasika ny Feo Gasy manokana, hihazo an’i Toamasina izy ireo, ny 16 sy 17 aogositra. Fantatra koa fa eo am-panomanana ny rakikira fahatelo, izay misy ny sanganasan’i Kaolibera sy Erick Manana, ankoatra izay indramin’izy ireo. Aorian’izay dia hisy ny fivoahan’ny Feo Gasy any Eoropa. Ho famaliana ny fanontaniana maro, tsy mbola afaka miaka-tsehatra noho ny toe-pahasalamany i Fafah. Zo ny Aina L’article “Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz

Taona maromaro tsy hita teny an-tsehatra teto Madagasikara. Ho setrin’izay, ao anatin’ny iray volana, ho tazana tsy tapaka amin’izay ny tarika Kazar sy ny tarika Märtz. Ho afaka hianoka misimisy kokoa ny mozika rock sy ny metaly indray ny rehetra…Noho ny antony maro samihafa, tsy tazana niaka-tsehatra firy teto Madagasikara loatra ny tarika Kazar. Fantatra, omaly tetsy amin’ny Carlton, fa ho avy i Milon, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’izany tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny rock sy ny metaly izany. Hanatanteraka hetsika nampitondraina ny lohateny « Metalygasy » izy ireo (tarika Kazar) sy ny tarika Märtz, raha ny fampahafantarana nataon-dRajaofetra Andrianaina Sandy avy ao amin’ny Sandix, trano mpamokatra mikarakara ity hetsika ity.Ny 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana miaraka amin’ny Kazar sy ny tarika Märtz. Ny 23 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny ADMC-Craam, oniversiten’Antananarivo, fihaonana sy velakevitra nampitondraina ny lohahevitra “Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara”. Nanasana ireo manana traikefa amin’izany toa an’i Dina Randrianoelison (Team Distortion), i Eric Rasoamiaramanana (Libertalia Music), i Mahalia (Loharano), i Abasse Djiva (tarika Apost), i Elia Ravelomanantsoa (minisitra teo aloha ny Kolontsaina), sns. Hialohavan’ny fandefasana horonantsary « Kazar : Malagasy Rock legende », novokarin’i Tsilavina Ralaindimby, ity velakevitra ity. Ny 24 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, « Milon Kazar en cabaret acoustic and electric ». Fotoana hitendren’i Milon ny karazan-gadona sy ny hira tahaka ny metaly, ny latino, ny hira malagasy, sns. Faranana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo ny « Metalygasy », ny 30 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, amin’ny alalan’ilay seho hiarahana amin’ny tarika Kazar.Raha tsiahivina, 33 taona lasa ny efa niforona ny tarika Kazar raha ny taona 1989 kosa ny nijoroan’ny Märtz.HaRy Razafindrakoto L’article Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim
25/09/2020

Handeha ila ny fifidianana ? « Tsy handray anjara izahay. Tsy ara-dalàna ny firosoana amin’io fifidianana io. Aleo hitsara ny vahoaka na ara-dalàna na tsia izany fifidianana izany. Tena amboletra ny hanaovana izany », hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. Namory sy nanome toromarika ireo olom-boafidy ahitana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, ny depiote, ny loholona tetsy Bel Air ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa miara-dalana amin’ny vondron’ny parlemantera sy ny mpanohira, nifamory teny Andrainarivo izy ireo. « Voafehy ary tsy hiatrika na handray anjara amin’izany fifidianana izany ireo olom-boafidinay ireo », hoy ihany izy.Momba ny fanakatonana ny AAA kosa, nambarany fa tsy tompon’andraikitra amin’io orinasa io ny tenany. « Mazava ny voalazan’ny sori-dalana raha momba ny hetran’ny Tiko fa anjaran’ny fanjakana ny manonitra ireo orinasa niharam-boina tamin’ny krizy teto amin’ny firenena », hoy ihany izy.Tsiahivina fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo antoko politika ivelan’ny fitondrana sy ireo parlemantera, ao anatin’ilay antsoina hoe “Groupe Panorama” ny avy amin’ny Tim. Mitovy ny tadin-dokanga ny amin’ny tsy fanekena ny hirosoana amin’ny fifidianana loholona.Synèse R.L’article Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim a été récupéré chez Newsmada.

Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika”
26/09/2020

 Manoloana ny firoboroboan’ny sarimihetsika amin’izao vanimpotoana izao sy noho ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny OFM Madagascar izao dia nanokatra fiofanana manokana izy ireo ho an’ireo izay te ho matihanina amin’ny sehatry ny filalaovana sarimihetsika. Ankoatra ny fanamarihana io vanim-potoana io, mikendry ny hanondrotra hatrany ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy no anisan’ny antom-pisian’i OFM Madagascar raha ny fanazavan’ny tale jeneraliny.“Manomboka efa mivoatra tsikelikely manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy. Na izany aza,  ilaina ny fiofanana mba hanome aina sy hitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona ny zavatra atao. Efa mihatsara ny fitaovana, fa tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika fa mila fandrindrana tsara. Tanjona ny ho avo lenta ny vokatra malagasy, toa ireny sarimihetsika vahiny ireny mihitsy ary mba hankatoavin’ireo fahitalavitra vahiny ny vokatra Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny OFM Madagascar, Ramaherison Hery Dimbiniaina.Hamokatra sarimihetsikaAzo vinavinaina fa hisy ihany koa ny famokarana horonantsary lalaovin’ireo mpiofana ao amin’ny OFM Mada, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana rahateo ny “art dramatique” handiavana ny  “master class”, ny senaristika, ireo fihetsika maro isan-karazany, sns, Eo koa ny fahalalana momba ny teatra. Iarahana amin’ireo matihanina efa milalao sarimihetsika mihitsy ity fiofanana ity, izay hotontosaina eny amin’ny foiben-toeran’ny OFM Madagascar, etsy Tanjombato. Ho an’izay liana, azo atao ny manoratra mivantana ao aminy tambajotran-tserasera fesiboky “OFM Madagasikara”. Tahaka izany ihany koa ireo izay vonona hanatsara hatrany ny sarimihetsika malagasy ka manana sosokevitra sy te hiaraka hiasa.Marihina fa manome lanja ny kolontsaina ny ivontoerana, indrindra ny fampiofanana ireo mpanakanto amin’ny sehatra maro sy amin’ny fahaizana mitady lalam-barotra, ho tia karokaroka.NarilalaL’article Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika” a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana
23/09/2020

Misy mandrehitra afo ho tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa anisan’ny ao ambadik’ireny fandorana oniversite na tranon’ny mpianatra ireny ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoha teo aloha. Anisan’ny efa niseho izany tany Manakara, tany Toliara ary ny teto Antananarivo tato ho ato. Efa tafiditra ao anatin’ny paikady maloto ketrehin’izy ireo koa ny handorana ny oniversiten’i Toamasina.Mpanolotsaina efa nigadra tamin’ny taon-dasaHita taratra tamin’ny fanadihadiana savaranonando efa natao fa miainga avy amin’ny trano tsy misy olona ny afo. Tsy misy fifampikasohana herinaratra “court- circuit” sady tsy misy afo mirehitra.Efa mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka voatonontonona ao ambadik’izany ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoham-pirenena iray teo aloha. Efa nigadra tamin’ny taona 2019 izy io nefa izao mbola manohy ny tetikady maloto izao ihany.Fampiasana akora hafa mihitsy…Tonga hatrany amin’ny fiketrehena sy ny fikononkononana fanonganam-panjakana ny raharaha, niainga tamin’ny fivorian’izy ireo.Manampy ireo ny fampiasan’ireo mpandoro fitaovana na akora “produits hautement inflammables » satria tsy vitan’ny miitatra ny afo miainga amin’ny toerana iray fa miara-mipoaka avokoa ny “bloc Amicale II” iray eny Ankatso.RandriaL’article Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be
23/09/2020

L’article Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona
22/09/2020

Feo vitsy mpanana. Fihetsika sarotra ianarana … Ramahafadrahona sy ny talentany izay. Lavo ny andrarezina! Nindaosin’ny fahafatesana ilay raiamandreny mpanoro sy mpananatra…Misaona ny tontolon’ny kanto malagasy sy ny haino aman-jery… «Inona intsony moa ny amiko», hira anisan’ny nahafantarana an-dRamahafadrahona, izay niarahany tamin’i Bakomanga. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity rehefa nivahiny 82 taona teto an-tany. Teraka ny 9 aogositra 1938 Ramahafadrahona Alphonse, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ramahafadrahona.Mpanentana fandaharana “ Hira malagasy”, izay nanana ny teny faneva hoe “Malagasy ve ianao? Malagasy ray sy reny, ary tena Malagasy ara-pomba sy fiteny”, isaky ny alahady tolakandro tao amin’ny Radio Madagasikara no sady mpilalao tantara an’onjampeo ny tenany. Efa nilalao sarimihetsika ihany koa izy tamin’ilay horonantsary “ Dadabe maoderina” izay nosoratany mihitsy. Ankoatra ny maha mpihira azy, mpanoratra ihany koa Ramahafadrahona ary anisan’ny manavanana azy ny fanoratana tononkalo.Ho an’ny hira manokana, anisan’ny nahafantarana azy ny “ Ity semboko ity”, “Bakomanga”, “Raozy maria”, “Vive l’amour”… Efa lehiben’ny “Varema” na Vondron’ny artista Arema, tamin’ny Repoblika faharoa ny tenany. Anisan’ny mpandrindra ny dihy tontosain’ny tarika  Ramahafadrahona ihany koa ny lehilahy, manavanana azy rahateo ny dihy. Mbola vitsy, ohatra, ny mahatafavoaka ilay dihy somary manozongozon-doha kely, izay tena mahaliana ny maro aminy sy nampiavaka azy satria zary haingon-tseho mampitolagaga tokoa.Niasa tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) Ramahafadrahona. Anisan’ny tena nampiavaka azy ny fankamamiana ny hira tena malagasy, toy ny vakodrazana isam-paritra sy ny hiragasy.Mpihira, mpanao hatsikana, mpilalao sarimihetsika, sns, nahavita be teo amin’ny zavakanto malagasy Ramahafadrahona. Tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany mihitsy. Firenena maro no efa nanehoany ny talentany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra!Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona a été récupéré chez Newsmada.

Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
25/09/2020

Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces
22/09/2020

Naneho hevitra eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny tamin’ny loza nitranga tao Ankatso II, oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny Seces sampana Antananarivo. Manantena izy ireo fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly intsony ny loza toy ireny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amin’ny trano fonenana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka.May ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatraNohamafisin’ny birao fa vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana no ilaina momba ny tranon’ny mpianatra. Zava-misy mahamenatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. Mankahery ireo mpianatra niharam-boina ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mora ny mamoy ny trano fonenana sy ireo entana ary fitaovana entina manatanteraka ny fianarana.Vao tsy ela akory no may ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatra miisa 62 any Maninday.VonjyL’article Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.