CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana

News - CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana

News - CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana

“Tsy hoe misy tsy mety
ny namindrana azy ireo fa amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa: mba
mahazo traikefa be dia be ireo mpitsara ary mifindrafindra toerana.
Tokony ho iray ny fomba fitsarana ka fanavaozana fahalalana ny
famindran-toerana. Mba tokony hiezaka hanana karazana fisondrotana
eo amin’ny asa koa ny sasany.” hoy ny minisitry ny Fitsarana,
Andriamahefarivo Johnny Richard, teny Faravohitra, tamin’ity
herinandro ity. Mpitsara miisa 100 mahery tamin’ny fanapahan’ny
fivorian’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM)
notarihiny.

Manahirana rehefa ela
loatra amin’ny toerana iray

Tsy maintsy mandeha mba hitovy
fahalalana sy mitondra ny fahaizany any amin’ny faritra hafa ireo
ela loatra amin’ny toerana iray. Misy mpitsara mpamoaka didy,
mpitsara mpanao famotorana…

Natao hifandimbidimby toerana ny
mpiasam-panjakana. “Miezaka izahay mba tsy
hampaharitra an’izay satria maro ny kazarana fanakianana”, hoy
izy. Rehefa ela eo amin’ny toerana iray, manjary manana
fifandraisana manahirana: sahirana ny mpitsara, ny olona koa
sahirana.

R.Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tselatra

 Jiolahy miisa enina indray saron’ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo, ny 24 jona 2019 alina teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mankany Mahitsy. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana amin’iny faritra iny ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Ny 24 jona 2019 tamin’ny 8 ora alina, nisy vehivavy roa sy lehilahy roa efa mamomamo niharan’ny fanendahan’ireto jiolahy ireto.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Raharaham-pitsarana

Isan’ireo kandidà manan-draharaha eny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ny kandidà iray nirotsaka tao amin’ny distrikan’ Analalava. Fanodinko­dinam-bolam-panjakana tao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, fony io kandidà io sekre­tera jeneraly, no anenjehana azy izay mety hiaka­tra eny amin’ilay Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC).   L’article Raharaham-pitsarana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika »

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Noresahiny tamin’izany ny momba ny Fitsipi-pifehezana monisipaly momba ny fikoloana fahasalamana (CMH). Eo koa ny fitaterana sy ny tsena ary ireo fotodrafitrasa samihafa.« Tsy voasazy rehefa tsy diso… Raisina ny fepetra rehefa misy ny fanelingelenana ny fiarahamonina, indrindra raha miverimberina izany ary afaka mitaraina ireo iharan’izany », hoy izy namaly ireo resabe momba ny CMH. Na izany aza, nambarany fa tsy mbola hampiharina izany. Ialohavan’ny fanentanana sy ny fanabeazana sady mbola miandry ny fanorenana fotodrafitrasa izany, araka ny nambarany. « Diso ny filazana fa hakan’ny CUA vola ny CMH. Samy hafa ny lamandy sy ny hetra », hoy izy. Natsidiny sahady fa hisy WC miisa 50 haorina mialoha ny faran’ny taona. Efa misy ny vola 32 miliara Ar avy amin’ny mpiara-miombona antoka hahazoana dabam-pako miisa 5 000 eny anivon’ny fokontany, sarety 600 sy borety 1 000 ary kifafa 45 000. Hanamboatra CSB miisa efatra sy idivianana fanafody ny iray tapitrisa dolara.Hivoaka ny tolo-bidy fanorenana tsena etsy Anosy Ankoatra izany, nambarany efa hivoaka ny tolo-bidy ho amin’ny fanorenana tsena etsy Anosy sy ny Coum 67 ha ary koa ny fanarenana ny Zaimaika. Efa manomboka koa ny fanamboaran-dalana ary hivoaka amin’ny herinandro ny tolo-bidy ho amin’izany. « Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny herintaona fa hovitaina mialoha ny fahavaratra aloha ireo lalana ireo », hoy izy.Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy maintsy hofoanana ny fifanarahana amin’ny Easy park noho ny fitongilanana nefa kosa handoavam-bola hatrany ny “parking”. Hatao amin’ny fomba hafa amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny “borne” izany. Hiitatra amin’ny tsena izany fomba fakana vola izany rehefa voaisa ireo mpivarotra. Mialoha ny faran’ny taona, homena toerana ireo mpivarotra etsy Behoririka. Haverina amin’ny toerany kosa ireo mpivarotra ara-dalàna miisa 16 etsy amin’ny Esplanade. “Manahirana ny fanararaotana politika ataon’ny sasany sy ny famadihana izany ho amin’ny sain-dratsy”, hoy izy. Hanorina trano fonenan’ireo sahirana ny CUAAnkoatra izany, nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hanamboarana trano fonenana ka ireo tena sahirana na ireo may trano. Tsy ho maimaimpoana anefa izany fa haverina tsikelikely amin’ny alalan’ny fanomezana asa azy ireo na ny Himo. “Tsy mijanona intsony isika rehefa manomboka ny asa”, hoy izy. Nanteriny indray koa fa hatsaraina sy ahitsy ny fomba fakana hetra amin’ny fanorenana trano ka anisan’ny hahazoana izany ireo fanorenana lehibe, toy ny an’ny orinasa na tranobe.Hatsaraina ny vola miditra amin’ny taxi-beNoresahina koa ny vahaolana amin’ny fitohananan’ny fifamoivoizana. Eo ny fanamboaran-dalana sy ny fanalana mpivarotra. Halamina koa ny zotra andehanan’ireo taxi-be. Ampidirina Cnaps ireo mpiasa ary hotadiavina ny fomba hampiakarana ny vola miditra amin’ireo mpitatitra. Ampiasaina ny “géolocalisation”, hanaraha-maso ireo fiara ary hampiana amin’ny fividianana fiara izy ireo hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha momba izany. Hoferana koa ny fidiran’ireo taxi-be “suburbaine” eto fa natao ho an’ny “urbaine”. Maka sisiny ireo avy any ivelan’ny Renivohitra.Ampahany amin’ireo resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna, tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana an’Antananarivo, ireo.Synèse R.                     L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra

Nanao fanambarana, tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny tompon’andrikitra eo anivon’ny FC Zanakala Matsiatra Ambony, fa nampindramina hanatevina ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny fotsiny, mandritra ny fiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Elio fa tsy nifindra tanteraka any amin’ity ekipa tompondakan’i Boeny, ity.Nomarihin’ny filazana fa efa nisy ny fifampiresahana, teo amin’ny tompon’andrikitra roa tonta, mikasika io fandehanan’i Elio, any amin’ny Fosa Jr, io. Araka izany, hiverina any amin’ny FC Zanakala, ekipa nisy azy fahiny, i Elio raha vao tapitra ny fifaninanana Afrikanina, ataon’ny Fosa Jr Boeny.Marihina fa anisan’ireo mpilalao najoron’ny mpanazatra, niatrika ny Pamplemousse, ny asabotsy lasa teo, tany Mahajanga, i Elio. Tsiahivina fa efa nanatevina ny Barea de Madagascar, nandray anjara tamin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2020”, farany teo ihany koa i Elio. Traikefa ho an’ity lohalaharana manana ny ho aviny ity, izany rehetra izany. Tompondaka L’article FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

233 no sitrana soa aman-tsara…: Zandary am-perinasa telo no matin’ny Covid-19

Ankoatra ireo 233 izay nahitana soritr’aretina sy ireo voatily ho tena mitondra ny valanaretina ka efa samy sitrana soa aman-tsara, nambaran’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa fa zandary telo no efa lavon’ny covid-19.“Izahay zandary dia mitovy amin’ny olon-drehetra ary tena misy tokoa ny tratran’ny covid-19”, hoy ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa. Nisy tokoa, araka ny nambarany, ireo zandary nifindran’ny valanaretina co­vid-19, toy ny tany amin’ny sekolin’ny zandary ao Ambosi­tra sy ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena any Mo­ramanga. Ho an’ny tao Ambositra, zandary fito no vita fitiliana ka ny dimy amin’ireo no “positif” raha miisa 357 kosa ireo nisy fambara ho hafahafa, teo koa ny tsy naheno fofona. Araka ny fepetra, notsaboina avokoa izy ireo ka 233 no efa sitrana. Miisa 26 kosa no efa sitrana ho an’ny ao Moraman­ga. Miisa 98 kosa ireo zandary tratran’ny covid-19 tany amin’ny faritra hafa ka ny 36 amin’ireo efa sitrana avokoa”, raha ny nambaran’ny COMGN hatrany.“Tsy andeferana ireo minia manakorontana”Nasiany tsindrim-peo koa ny mikasika ny fepetra efa mipetraka amin’ny hamehana ara-pahasalamana. “Raha mbo­la misy ny fandikana ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana dia tsy maintsy manasazy ny zandarimariam-pirenena. Hatramin’izay na­nombohan’ny hetsika fanasaziana ny olona tsy mitondra arovava izay, nahatratra fito alina ny olona nosazina ka nampanaovina asa soa iombonana”, hoy izy. Nambarany fa misy ny hetsika ataon’ny fanjakana amin’ny fizarana ny sosialim-bahoaka. Misy sivy ny toeram-pizarana iandraiketan’ny zandarimariam-pirenena ka mahatratra 300 ny olona miasa amin’ireny toerana ireny, toy ny eny amin’ny kianja malalaka manakaiky ny ambasadin’i Etazonia, ny eny amin’ny Kianja Alasora. “Rehefa misy ny fitangoronana olona toy ireny, miseho ihany ny fahasarotana ny fandrindrana ny olona. Ny zavatra hita, misy olona manao fanahy iniana mandeha amin’ireny toerana ireny ary manana tanjona hanakorontana, hanao izay hisian’ny korontana. Mampi­tan­drina ireny olona ireny izahay. Ny fanjakana efa manao ny ezaka rehetra amin’ny fanampiana ny olona. Raha misy olona tratra dia tsy andeferana fa hoentina avy hatrany eny amin’ny fitsarana”, hoy hatrany izy.Tsy ny mpitandro filaminana no tokony hatahorana…Nohamafisin’ity manamboninahitra ambony ity hatrany ny tokony hanajan’ny tsirairay avy ny fepetra napetraky ny fanjakana. “Aoka re mba tsy ny fahatahorana ny zandary na polisy na tafika no ametrahana ny arovavanao na hanajanao ny hetsika rehetra. Tsy ny mpitandro filaminana no tokony hatahorana fa tena anaovy ny arovava mba hiarovanao ny tenanao, ny mpiara-belona sy ny fianakavianao. Raha isika rehetra no samy mahavita mitandrina, azo antoka zato isan-jato fa ho resintsika ity valanaretina ity”, hoy izy. Ampiharina amin’izay tratra ny sazy sahaza azy.Jean ClaudeL’article 233 no sitrana soa aman-tsara…: Zandary am-perinasa telo no matin’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanamasinana eveka: homena etsy Mahamasina ny lamina ho an’ny lamesan’ny  papa  François

Iray volana sisa. Hanamarika ny volana aogositra ho an’ny fiangonana katolika ny fanamasinana eveka  sy pretra, mialoha ny hahatongavan’ny papa François. Anisan’izany ny hatao etsy Mahamasina, ny alahady  izao.Hohararaotina ny fotoana. Hohamasinina eveka ho mpanampy eto anivon’ny diosezin’Antananarivo, ny alahady ho avy izao, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Hotanterahina etsy Mahamasina izany ary hanamasina azy amin’izany ny eveka miisa telo.  Efa misy ny fandaminana amin’ny fiatrehana izany sy ny toromarika amin’ny fidirana ny kianja. Eo ny tsy tokony hipetrahana amin’ny tohatra eny amin’ny « gradins » sy ny bozaka eo amin’ny kianja ary koa ny « piste » fihazakazahana sy ny fanaovana matso. Hitohy amin’ny fanamasinana pretra any Amboara izany aorian’ny etsy Mahamasina. Ao anatin’izany ny hampitana hafatra ataon’ireo tompon’andraikitra rehetra momba ny fandaminana sy ny fandrindrana ny fahatongavan’ny papa François eto amintsika, indrindra ny lamesa ny 8 septambra. Ny momba ny fandraisana ireo vahiny avy any amin’ireo diosezy miisa 21, ny fitsenana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra samihafa: Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny FFKM, ny tanora ary ny pretra sy ny relijiozy.Mialoha izany, hisy ny fihaonan’ny eo anivon’ny “Nonce apostolique” amin’ny mpanao  gazety, eny Ivandry anio, hitondrana ny vaovao rehetra manodidina ny fahatongavan’ny papa  François.Synèse R.  L’article Fanamasinana eveka: homena etsy Mahamasina ny lamina ho an’ny lamesan’ny  papa  François a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama  

Nanao hetsika fanakanan-dalana ny mponina eny amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro, omaly, noho ny fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana maharitra. Nanapa-kevitra hamatsy rano ny mponina avy amin’ny fizaran-drano entin’ny kamiaobe ny Jirama.Manao tohivakana ny olana momba ny fahatapahan-drano eto an-dRenivohitra. Tsy ny famatsian-drano isan-tokantrano ihany fa hatramin’ny paompin-drano iraisan’ny vahoaka. Omaly, nitrangana fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana naharitra ka nampihetsika ny mponina ao amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro. Voalazan’ny mponina sy ireo mpianatra fa hatramin’izay, mandeha kely ihany ny paompin-drano amin’ny alina ka manararaotra mantsaka ny olona. Tao anatin’ny herinandro farany, tsy nisy rano na andro na alina ka sahirana ny vahoaka. Izay afaka mampantsaka, any amin’ny 1 km vao mahita vovo hakana rano. Tsy vitsy koa ny misafidy ny rano eny an-tanimbary izay tsy manara-penitra.Nanakana ny lalana ireo mponina nandahatra ny “bidon” mavo ka nampikatso ny fifamoivoizana. Nidina an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ary niantso ny tomponandraikitra ny Jirama hijery ny olana. Tonga teny an-toerana ny mpiasan’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano nizaha ifotony ny zava-misy. Mandra-pahita ny vahaolana maharitra, nanapa-kevitra ny hamatsy rano ny mponina amin’ny kamiao lehibe izy ireo.Misy fotodrafitrasa famatsiana ho vitaVahaolana maharitra ny fametrahana fotodrafitrasa famatsian-drano vaovao afaka mamokatra rano 100 m toratelo isan’ora eny Amoronankona. Vinavinaina ho vita afaka volana vitsivitsy ny asa eny an-toerana. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa mikaikaika amin’ny fahatapahan-drano matetika ny toerana avo nefa be mponina. Ny faritra miala ny Renivohitra, efa maro no misafidy ny hanao vovo hialana amin’ny fahatapahan-drano matetika. Mila teknisianina manokana anefa ny fitrandrahana rano any ambanin’ny tany sady tokony hokojaina hikajiana ny kalitaon’ny rano.Vonjy A. L’article Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny tenisy, ny FJKM, ny fifandraisan-davitra: nodimandry Rasolojaona Mamiharilala, rain’ny tenisy sy ny teknolojia nomerika

Lavo ny andrarezin’ny fanatanjahantena sy ny kanto malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-68 taony, Rasolojaona Mamiharilala. Efa nitana andraikitra maro tamin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena ny tenany.Hatairana ny an’ny rehetra nahita amin’ny tambajotran-tserasera sy naheno tamin’ny onjampeo RDJ, ny talata hariva lasa teo, fa nindaosin’ny fahafatesana Rasolojaona Mamiharilala. Efa filoha teo aloha ny federasiona malagasin’ny taranja tenisy, ny 2005 ka hatramin’ny 2010, izy. Nahavita be teto amin’ny firenena ary tsy teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ihany fa saika nametrahany ny dian-tanany avokoa ny sehatra rehetra.Nahalalana azy ny teo amin’ny resaka fifandraisan-davitra satria injeniera sady filohan’ny filankevi-pitantanana tao amin’ny Telma. Anisan’ireo nampiditra ny finday voalohany teto Madagasikara sy nampiroborobo izany, tamin’ny alalan’ny Nouvelle technologie de l’informartion et de la communication (NTIC). Efa nitana toerana ambony tao amin’ny Paositra malagasy ihany koa ary efa nitana ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, tamin’ny minisitra Andriamanjato Ny Hasina. Efa diplaomaty misahana ny iraka any ivelany eo anivon’ny masoivohon’i Madagasikara any Etazonia izy ny taona 2010. Zavatra nataony farany, nialoha izao fahafatesany izao, ny fananganana ny Consortium d’experts en économie numérique (C2EN), tamin’ny taon-dasa.Olon’ny kantoAnkoatra ny naha diplaomaty sy mpanao fanatanjahantena azy, olon’ny kanto ihany koa Rasolojaona Mamiharilala. Mpino eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM Anosipatrana) izy. Tsy kristianina tsotra fotsiny ihany fa namorona hira tao anaty fihirana fanampiny ka anisan’ireny ny “Voadiko”, laharana faha-25. Teo koa ireo hira evanjelika isan-karazany.Mpihira sady mpitendry zavamaneno ihany koa i Mamiharilala. Tena olona nilona tanteraka tao anatin’ny zavakanto izy. Porofon’izany ny namoronany ny onjampeo RDJ, tantanin’ny zanany, Rasolojaona Tahina (Jay Tax).Namela manano tena sy kamboty telo mianadahy Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny tenisy ny gazety Taratra. Tompondaka L’article Misaona ny tenisy, ny FJKM, ny fifandraisan-davitra: nodimandry Rasolojaona Mamiharilala, rain’ny tenisy sy ny teknolojia nomerika a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard
23/09/2020

« Nifanafatra foana, nifanome fotoana, indrindra tato ho ato, nifanao andraso andraso”… Iray amin’ireo tononkira nampalaza ny tarika Kafa tany ho any amin’ny taona 1983. Nindaosin’ny fahafatesana, ny 21 septambra teo, Randrianarisoa Richard, fantatra teo amin’ny tontolon’ny hira tamin’ny anarana hoe Kafa, fanafohezana ny “Kalo no fahafinaretana”. Raha ny heno, efa amam-bolana tsy salama i Richard Kafa. 61 taona izy izao nodimandry tany Analavory izao. Iray amin’ireo tarika nanana ny naha izy azy tany ho any amin’ny taona 1985 ry Kafa. Tononkira tsotra, gadona tsy niala lavitra ny funk ny nampitan’i Richard sy ireo namany ny hafatra tao anatin’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny “Tanisan’ny manina” (Isan’ny amontana, roa ny aviavy …).Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 9 ora maraina no hiala ao an-tranony ao Miadanarivo ny nofomangatsiakany, aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Handalo ao amin’ny PK 41 Mangatany Arivonimamo amin’ny 11 ora maraina ary hasitrika ao amin’ny fasan-drazany Ambohimandroso Arivonimamo avy eo.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
24/09/2020

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be
28/09/2020

L’article Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa
26/09/2020

Notanterahina omaly teny amin’ny fitandremana toby Fanantenana FLM 67 ha ny fanamasinana ny fitsofandranon’ny fanambadian’Andriandrantoson Riamaholy Haridina, mpanao gazety mikirakira ny vaovao ara-toekarena ao amin’ny gazety “Les Nouvelles” sy Rakotondraibe Hanitiriniaina Henintsoa, mpanao gazety mikirakira ny trangam-piarahamonina gazety Taratra, ao anatin’ny vondrona Ultima Media. Ny Pastora Rasolonjanahary Hobinirina Riri Harivelo sy Randrianarison Henri René ary Rakotondramanitra Mino Harivola no nifarimbona tamin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy roa kely ireto. Nosafidin’izy ireo manokana ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 8 : 7a “Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ary ny renirano tsy mahapaoka azy”. Taorian’ny fanamafisana ny fanambadian’izy ireo dia niara-nikorana tamin’ny fianakaviana sy ireo namana aman-tsakaiza teny amin’ny Espace Sahamadio Ilafy izy roa kely. Mirary tokantrano sambatra ho an’i Haridina sy i Henintsoa, harahin-jazalahy sy zazavavy ny fianakaviamben’ny vondrona Ultima Media.Ny fanoratanaL’article Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa a été récupéré chez Newsmada.

Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika
26/09/2020

Tsy mitovy ny nandalo sekoly fianarana mozika sy ny manao mozika fotsiny… Noporofoin’ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny CNEMD izany, nandritra ny lanonana roa sosona, omaly.CNEM, Ivontoeram-pirenena mampianatra mozika taloha, izay niampy ny dihy ka lasa CNEMD, ankehitriny. Mahalala azy avokoa ireo liana tamin’ny fianarana mozika rehetra. Saika nandalo nandranto fianarana tao ihany koa ireo andrarezina amin’ny mozika… Saingy nampalahelo fa simba tsikelikely ilay tranon’ny CNEMD ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ka tsy nampiasaina intsony, ny taona 2019. « Raha nandray ny fitantanana ny minisitera aho, ny taona 2019, naniry ny hitsidika ny ato amin’ny CNEMD. Nambara tamiko tamin’izany anefa fa tsy azo idirana intsony ity trano fianarana mozika manana ny lazany ity, noho ny fahasimbany. Tsy nisy nanamboatra nandritra ny taona maro kanefa dia toeram-piasana sy fandraisana olona izy ity. Nanapa-kevitra avy hatrany ny minisitera hiroso amin’ny asa fanarenana, noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ity toeram-pianarana zavakanto ity. Vita izao ny asa ary tsy ny trano ihany no nasiam-panavaozana fa ny fomba fampitana fahalalana ato ihany koa ho mendrika izany hoe CNEMD izany”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Notokanana omaly, araka izany, ny trano nasiam-panamboaran’ny CNEMD. Niara-dalana tamin’izany ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpampianatra sady mpikaroka miisa 13. “Mpampianatra manan-talenta avokoa izy ireo, izay mbola naniry ny hanatevina fahalalana. Nahavita soa aman-tsara ny fiofanana izy ireo ka mendrika ny homena ny mari-pahaizana ambony mifanaraka amin’ny lentany”, hoy kosa ny nambaran-dRazafindrazaka Holy, talen’ny CNEMD. Misongadina ry Zazakanto Nanapa-kevitra ny minisitera sy ireo teknisianina amin’ny sehatry ny mozika, hitondra fanazaovana amin’ny fampianarana mba hifanaraka amin’ny maha izy azy antsika sy ny iainan’ny Malagasy. Anisan’ireo mpianatra, tamin’iny taom-pianarana iny, noraisin’ny CNEMD sy nisitraka izany fanavaozana izany ry zalahy Zazakanto. Vao volana vitsy monja, kanefa efa nahafolaka zavamaneno sahady izy ireo, hany ka tafatsangana ireo mpanotrona rehetra taorian’ny seho fohy nataon’ireto manan-talenta ireto. Nisy 103 ireo mpianatra nandritra iny taom-pianarana iny ka ny 69 tamin’ireo no afaka tamin’ny fanadinana. Tsy tena sakana loatra tamin’ny fampianarana ny fihibohana, satria ampy ihany ny fotoana namitana ny fandaharam-pianarana, raha ny fanazavana. Fantatra fa hatao tanjona manaraka ny fanokafana ireo rantsan’ny CNEMD any amin’ny faritra. Eo koa ny fampiarahana ny asa, izay iandraiketan’ity ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy ity, amin’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, izay ho vita ny volana janoary 2021.Zo ny Aina L’article Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah
25/09/2020

Tapitra hatreo ihany koa ny lalan’i Tessah, eo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, taranja tenisy. Nihintsana izy rehefa lavon’ilay Sinoa, i Wang Xinyu, teo amin’ny fihodinana faharoa.Nifarana, omaly alakamisy, teo amin’ny fihodinana faharoa ny dian’Andrianjafitrimo Tessah, ilay mpilalao tenisy malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, teo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, tafiditra ao anatin’ny “Grand chelem”. Fihaonana, tanterahina any Frantsa.Resin’ilay teratany sinoa, i Wang Xinyu, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 5/7 ; 6/1), i Tessah. Niady ny seta roa voalohany teo amin’ny fihaonan’izy mirahavavy, saingy tany amin’ny seta fahatelo no tsy nahatohitra intsony i Tessah. Lasan’i Wang ny seta voalohany ary tena nifanakaiky ny lalao satria niafara tamin’ny 6 no ho 4. Mbola nangotraka ihany koa ny seta faharoa izay azon’i Tessah ary 7 no ho 5 ny niafaran’ny lalao . Nihevitra ny rehetra fa mety tsy haharesy an’i Tessah i Wang teo amin’ny seta fahatelo, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Nataon’i Wang, tsy nisotro rano mihitsy izy ary toy ny nanaovany fanazarantena fotsiny, satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Tessah, tao anatin’izany seta fahatelo izany. Hidona amin’ilay teratany arzantina, i Nadia Porodoska, izay nandresy an’ilay Romana, i Jaqueline Cristian, i Wang Xinyu, eo amin’ny fihodinana fahatelo.Azo lazaina fa tsara ny dingana vitan’i Tessah, tamin’ity satria nahadingana ny fihodinana voalohany rehefa nandresy ilay Espaniola, i Parizzas Dias. Tsy misy teratany malagasy intsony izany miatrika ity Roland Garros ity.Raha tsiahivina, fihodinana voalohany dia efa nihintsana Ramialison Irina rehefa lavon’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, ny tenany tamin’izany.Marihina fa tamin’ny alalan’ny fanasana manokana “wild card” no nahafahan’izy mirahavavy ireo niatrika ity fifaninanana ity. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Fahadimy taonan’ny tarika: hanome tolotra miavaka ny Miantsa’s Kanto Orchestre
28/09/2020

Feno dimy taona, ankehitriny, ny Miantsa’s Kanto Orchestre, izay tarika noforonin-dRafidimanana Noelison Erick (mpihira  sady mpanentana ary tonian-danonana na « maître de cérémonie » ao anatin’ny tarika ihany). Niforona tamin’ny taona 2015 ny Miantsa’s Kanto Orchestre. Fanentanana mariazy sy  « cabaret » no tena ataon’ny tarika. Manafana  ireny « déjeuner dansant » ireny ihany koa. Amin’izao fahadimy taonany izao, manana tolotra miavaka ny  Miantsa’s Kanto Orchestre, toy ny fanentanana lanonana sy ny fanamafisam-peo « sonorisation », ny jiro sy hazavana, ny « Animation DJ » miaraka amin’ny fanentanana sy ny tonian-danonana,  indrindra ny « effet spéciaux » manontolo. Marihina fa fitaovana an-dry zareo daholo ireo.« Anisan’ny mampiavaka anay amin’ny hafa ny filalaovana ny karazan-kira na « répertoire » misy amin’ny faritra enina. Izany hoe, tsy mifidy gadon-kira holalaovina izahay ary arakaraka ny karazan’olona ao anaty fety no hitondranay ny zavatra atao.  Raha olona efa nahazo taona daholo, ohatra, ny ankamaroan’ny mpanatrika, fantatra avy hatrany ny hira sahaza ho azy ireny. Raha avy any Mahajanga, afaka milalao salegy sy baoejy, avy any Toliara, efa fantatra avy hatrany ny tokony ho mety aminy”, hoy ny solontenan’ny tarika.  Milalao karazan-kira sy gadona maro be ny tarika ka ao anatin’izany ny tropikaly,  ny gasigasy, ny « danse de salon »,  ny kalon’ny fahiny, ny hira vao nivoaka, sy ny hira tsiahy.  Miankina be dia be amin’ny filan’ny olona ao anaty lanonana no andrindrana azy, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tarika.NarilalaL’article Fahadimy taonan’ny tarika: hanome tolotra miavaka ny Miantsa’s Kanto Orchestre a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.