Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD

News - Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD

News - Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD

 

Article tiré de Newsmada

L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea

Nandresy an’i Nzalang Nacional tamin’ny isa 1 no 0 ny Barea tany amin’ny Kianja Nkoantoma omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018. Miroso mankany amin’ny CAN 2019 atao any Cameroun ny dian’ny Barea tao aorian’ny fandresena azony ny andro fahatelo iny. Baolina nampidirin’i Faneva Ima tamin’ny 18 minitra fidirana voalohany. « reprise de volée » nalefany elatra ankavia no nampidirany azy. Tsy vitan’ny ekipan’i Guinée-équatorial izay notarihan’i Angel Lopez teratany Espaniola ny nahasahalana ny isa io. Ho fandraisana anjaran’’ny Barean’i Madagascar ny  CAN 2019 atao any Cameroun raha mitohy izao fandresena izao. Ho atao eny Vontovorona rahampitso Talata 16 Oktobra 2018 ny lalao amin’ny andro fahaefatra amin’ity fifanintsanana ity. Azo antoka ny fiankarana any amin’ity CAN 2019 ity raha toa ka mandresy ny Guinée-équatorial i Madagasikara  amin’io andro io. Voalohany amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy noho izany io CAN 2019 atao any Cameroun io. Mbola mitarika amin’ity vondrona A misy an’i Madagasikara ity ny Senegaly raha nandresy an’i Soudan tamin’ny isa 3 no 0 omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018  izay natao tany Senegal. Mijanona ho laharana faharoa hatrany noho izany ny Barean’i Madagasikara. Nirina R. Cet article CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Miaramila sandoka

Voasambotr’ireo Tafika manao fisafoana amin’ny alina, eny Analakely ny lehilahy iray 31 taona manao fanamiana miaramila, afak’omaly. Avy nanao fisafoana tany Isotry ireto miaramila nahita io lehilahy io teo Analakely. Tsikaritr’izy ireo ny tsy fetezana teo amin’ny galonany, ka nahatonga azy ireo hanadihady. Nilaza ho serzà-sefo io lehilahy mpisandoka io. Naterin’ireo miaramila tao amin’ny kaomisarian’ny polisy boriborintany voalohany avy hatrany io mpisandoka io. L’article Miaramila sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampindramam-bola Cnaps : manodidina ny 200.000 ny hahazo

Nitondra ny fanazavana antsipiriany ny tale jeneralin’ ny CNaPS, Rakotondrainibe Mamy, mikasika ilay fampindramam-bola ho an’ny mpiasa tsy miankina. Tsy manatona mi­vantana eny amin’ny CNaPS ny orinasa fa amin’ny alalan’ ny “internet” ny fikarakarana ny fangatahana. Miisa telo ny taratasy fenoina, hita ao ana­tin’ny adiresy internet-n’ny CNaPS, hoe “Fanampiana avy amin’ny CNaPS”. Voalohany, taratasy fenoin’ny mpampiasa mombamomba azy. Faharoa, ny mombamomba ny mpiasa miampy ny laharana bankiny, finday, laharana vola amin’ny finday (mobile banking), sns. Fahatelo, ny fifanarahana ataon’ny mpampiasa amin’ny CNaPS, milaza ny anaran’ny mpiasa misitraka ny findramam-bola. Mitentina 200.000 Ar ha­tramin’ny 500.000 Ar ny vola azo indramin’ny mpiasa tsirairay. Honerana tsikelikely ny 8,5% isam-bolana, mandritra ny 12 volana. Raha sendra miova asa ilay mpiasa, tohizana any amin’ny orinasa vaovao iasany ny fanonerana. Raha tsy miasa intsony izy, misy taratasy fenoina ho antoka fa handoa ny vola. Mivaly ao anatin’ny fito na valo andro ny fangatahana, manomboka amin’ny alatsinainy 17 aogositra hatramin’ ny 30 septambra.Misy sokajy teloMisy karazany telo ny fa­nasokajian’ny CNaPS ny mpikambana ao aminy. Voalohany, antsoina hoe “circuit vert”, ireo orinasa nahaloa latsakemboka ara-dalàna sy ara-potoana. Afaka misitraka amin’ity findramam-bola ity avy hatrany izy ireny. Faharoa, ny “circuit orange”, ireo tsy nahaloa ara-dalàna na ara-potoana, nandoa latsakemboka nefa tsy nanao filazan-karama (declaration), ohatra. Azo ahitsy izany ka ma­hazo ny fampindramam-bola ihany ny mpiasa fa mila ma­meno taratasy fahefatra ny mpampiasa, milaza fa manaiky handoa ireo latsakemboka tsy voaloa nandritra ny 24 volana. Fahatelo, ny “circuit rouge”, ho an’ireo tsy nahaloa mihitsy na zara raha nahaloa latsakemboka ka tsy afaka misitraka ity fampindramam-bola ity mi­hitsy ny mpiasa ao aminy. Mitentina 50 miliara Ar ny tetibola hatokan’ny CNaPS amin’ity fampindramam-bola ity ka manodidina ny 200.000 ny mpiasa vinavinaina hisitraka azy, manerana ny Nosy. Tsia­hi­vina fa hatao laharam-pahamehana ireo miasa amin’ny sehatra tena nisedra olana vokatry ny Covid-19, toy ny amin’ny fizahantany, ny fitaterana, ireo mpiasa tratry ny fitsaharana amin’ny asany, na ny ampahany fa tsy notapahana ny fifanarahany amin’ny orinasa, sns.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fampindramam-bola Cnaps : manodidina ny 200.000 ny hahazo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Fantatra tamin’ny alalan’ny atsapaka, omaly, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nifanaovan’ny Malagasy sy i Maorisy, tao amin’ny kianjan’ny Georges V Curepipe, teto Maorisy, fa tsy isan’ireo hiakatra amin’ny amanasa-dalana ny Barea.Tapitra hatreo ny dia ho an’ny Barea, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy, taranja baolina kitra. Nahatonga izany ny atsapaka. Ity lalana ity izay voasoratra ao anatin’ny lalan’ny fifaninanana fa atao aorian’ity lalao ity. Azo lazaina ho vintana ho antsika izany, saingy tsy voasarika ka voatery tsy maintsy nijanona hatreo ny lalan’ny Barea.Taorian’ny isa mitovy azon’ny ekipa roa (i Madagasikara sy i Seychelles), samy nanana isa 2 sy nahatafiditra baolina iray avy ny nahafantarana izany. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, tsy maintsy amin’ny alalan’ny atsapaka ny hisafidianana ny ekipa hanohy ny dia ka tsy nitsiky ho antsika ny vintana teo. Raha hiverenana ny lalao omaly, nahazo karatra mena i Dadafara na i Avotriniaina, 5 minitra monja nanombohana ka efa nilalao10 teo.Tany amin’ny minitra faha-43, nahatafiditra baolina ny Barea, tamin’ny alalan i Rinho, saingy nosahalain-dry zareo Club M maorisianina izany taty amin’ny ampahefa-potoana farany ka io ady sahala 1 no ho 1 io ny nisarahana. Niaiky ny mpanazatra Roro fa ratsy ny vokatra ho antsika, satria ady sahala roa ny azo tamin’ny lalao roa natao. Ankilany, nilaza i Ando, mpiandry tsatokazo, fa ny karatra mena azon’ny mpilalaontsika aloha be no nahatonga ny vokatra. “Nijaly izahay”, hoy izy, satria nilalao folo hatrany am-boalohany. Na izany aza, niady ireto mpilalao ireto, saingy ny tsy nambinina fotsiny ihany. Mi.Raz L’article Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

VHT: « Tsy madio ny voka-pifidianana »

Nivoaka amin’ny fanginany ny fikambanana VHT, tarihin-dRazanakoto Norbert. Nohitsin’izy ireo fa tsy araka ny tokony ho izy ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny faran’ny herinandro teo. “Tsy afaka ny hangina manoloana ny firenena izahay. Hitanay fa misy tsy mitombina ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni. Niovaova ny fotoana tokony hamoahany izany. Nambara fa ny 20 novambra. Avy eo indray, navoaka tampoka amin’ny andro alina ny asabotsy teo… Inona ny marina momba izany ?”, hoy izy ireo tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Nanterin’ny VHT fa ho tompon’andraikitra amin’ny ataony sy ny tsy mety ny Ceni. Nametra-panontaniana izy ireo raha tena mahaleo tena marina na tsia ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. “Tsy afa-bela amin’ny korontana mety hiseho ny manodinkodina ny safidim-bahoaka ary hiteraka savorovoro izany”, hoy ihany izy ireo. Miantso ny HCC ny VHT handeha amin’ny fahamarinana amin’ny famoahana voka-pifidianana tena izy sy marina. “Aleo handresy ny mpandresy na ho fihodinana voalohany na ho faharoa”, hoy izy ireo. Synèse R. L’article VHT: « Tsy madio ny voka-pifidianana » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Volley: nanomboka fanazarantena ny Stef’Auto

Rehefa samy nikotrana samy irery tany amin’ny toerana nisy azy, nandritra ny fotoana naharitra, ireo mpilalaon’ny Stef’Auto Toamasina, taranja volley ball, nanapa-kevitra namerina ny fanazarantena amin’izay ny mpanazatran’izy ireo. Araka izany, niverina, nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity, izay fanazarantena iraisana izay. Nambaran’ireo mpilalao fa efa ela ny niandrasana izao fiarahana mikotrana izao. “Tsy nanahirana ihany koa ny fanombohana satria hita ho efa samy nanoman-tena mafy tany an-trano izy ireo”, hoy ny mpanazatra. Na izany aza, mila hamafisina hatrany ilay fahaiza-miaraka somary very kely nandritra ny fihibohana. Misy mpilalao vaovao rahateo nantsoina hanatevin-daharana ny ekipa ka tena ilana teknika tsara eny ambony kianja. Nohamafisin’ny mpanazatra fa mbola eo am-pamitana ny “mutation” an’ireo mpilalao vaovao ireo izao ka aorian’izay vao holazaina amin’ny fomba ofisialy ny anarana sy ny klioba niavian’izy ireo.Etsy ankilany, manomana fivoriana maika amin’izao ny federasiona malagasy ny volley ball, handinihana ny fandaharam-potoana, taorian’ny nahenoana ilay fanambarana nataon’ny filoha Rajoelina Andry, amin’ny fahafahana manatanteraka hetsika fanatanjahantena. Hisy ny vaovao hampitaina aorian’izay, raha ny fanazavana. Mi.RazL’article Volley: nanomboka fanazarantena ny Stef’Auto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly       

 Misy olona manafatra mpiavy  ivelan’ny faritra Boeny hamboly ao anatin’ny atialan’Ankarafantsika izay midadasika amin’ny velarana 136 513 ha. Efa misy fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana, nanomboka ny taona 2018. Nahatratra 23 ireo olona notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.   Ny taona 2017 no nisy fanairana momba ny fahapotehan’ny ala ao anatin’ny valanjavaboary Ankarafantsika (RN4). Nijery ny zava-misy teny ifotony ny tompon’andraikitra ary nametraka lamina hiarovana ny valanjavaboary sy hifehezana ny mpiavy mitrandraka ny atiala. Voalaza fa olona avy amin’ny faritra hafa ivelan’ny faritra Boeny no manimba ny ala sy mamboly anatin’ny faritra arovana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Roa taona taty aoriana, tsapa fa tsy voafehy ny fifehezana ny fanimbana ala. Nandeha nizaha ifotony indray ny solontenam-panjakana ka nisongadina fa misy ny fatana fanaovana arina sy lasa faritra fambolena katsaka. Nanapa-kevitra niaraka amin’ny prefet eto Mahajanga izy ireo fa horavana avokoa ny tranokely ao anaty rebareba manodidina ny valanjavaboary. Nojerena  ihany koa ny lalana hidirana ao anatin’ny valanjavaboary ary nametrahana toerana fanaraha-maso miaraka amin’ny zandary hitsirihana ireo mpiavy manimba ny atiala. Efa vonona ny mpamatsy vola momba izay, araka ny fanazavany ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mahajanga. Fantatra fa avy any Toliara ny ankamaroan’ny mpiavy mamboly sy manao arina fandrehitra. Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ny mponina ao Anjijia mivelona manodidina ny vala ka nanentana ny mpiray fiaviana tsy hitrandraka ny atiala. Izy ireo rahateo no mpanelanelana ny mpitrandraka sy ny fitondram-panjakana.Nanamafy ny lehiben’ny faritra fa afaka mivezivezy malalaka ny olona ato anatin’ny faritra ka sarotra ny hanakana ny fiavian’ny mpitady velon-tena eto Madagasikara fa mila fehezina kosa ny fitrandrahan’izy ireo ny aty ala izay fandikan-dalàna faizin’ny lalàna mihatra eto amintsika. Misy ny fitsarana manokana mikarakara ny fanimbana ala.Tokony hisoratra anarana amin’ny fokontany Sarotra ny mitantana ireo olona mpifindra monina mitrandraka ny atiala ao Ankarafantsika satria tokony hisoratra amin’ny secteur sy fokontany avokoa ny mponina anamorana ny fanaraha-maso, hoy ny prefet ao Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana. Vahaolana mahomby indrindra ny hisoratan’izy ireo anarana amin’ny fokontany efa nisy fa tsy azo atao ny hametraka tanàna na fokontany vaovao ao anatin’ny faritry ny ala arovana.L’article Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly        a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty
26/10/2020

Hatomboka tsy ho ela ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nandoavana haba ao amin’ny seranana. Tompon’antoka ny fadintseranana, mametraka fomba ho fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (en ligne). Araka ny andininy faha-237 amin’ny lalàna mifehy ny fadintseranana, « izay entana tsy alaina anatin’ny roa volana manomboka tamin’ny fotoana nanoratana izany ao amin’ny tahiry, amidy atao lavanty amin’ny rehetra ». Mivoatra izay fomba fanaovana lavanty izay, araka ny fivoaran’ny toetrandro.Fotoana tany aloha, antso avo ny fanaovana ny varotra; taty aoriana, novana tamina fonosana tolo-bidy, naterina eny amin’ny sampandraharahan’ny ladoany. Ireo fomba ireo, samy nandaniam-potoana sy nampiasam-batana.Ampiasana teknolojia vaovaoAnkehitriny, avadika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fampiharana izany, hita ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana. Manaporofo ny mangarahara izao fanavaozana izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny tolo-barotra, fanavaozana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany.Tafiditra tao amin’ny dinika nifanaovan’ny fadintseranana tamin’ireo mpiara-miombona antoka aminy (Tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy, Taratra 23 oktobra 2020, p.8) io fanovana fomba fiasa io. Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka ny fanavaozana eo anivon’ny ladoany nandritra io fivoriana io. Azo tamin’izany ny fahatokisan’ireo mpanohana, toy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Banky iraisam-pirenena (BM), sns. Betsaka ny tetikasa iarahana amin’ireo ho an’ny mpandraharaha, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso isan-karazany. R.MathieuL’article Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Vaovao tambatra
27/10/2020

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

Tonton Pa, Rampal, José Hasina: mitohy hatrany ny “Vazon’ny tanàna”
23/10/2020

Efa zary seho nahenoina fankasitrahana maro ny « Vazon’ny tanàna » iarahan’i Tonton Pa sy i Rampal ary José Hasina. Nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hotohizana izany…Hafampana ny faran’ny herinandro… Mitohy indray ny “Vazon’ny tanàna” miaraka amin-dry Tonton Pa, Rampal, José, tarika Hasina. Anio manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lanonana hotanterahina etsy amin’ny La Cabane Jacks, Andavamamba anoloan’ny Alliance française. Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hitondra ny mozikany amin’io fotoana io. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana maro ihany koa.Samy manana ny hanitra ho azy, indrindra eo amin’ny lafiny feo sy ny famoronan-kira, izy telo mirahalahy ireto. Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika. Anisan’izany ny “Babonao”, ny “Fonjan’i neny”(José); ny “Mbola tsy mora”, ny “Dia ahoana?” (Tonton Pa); ny “Cyclone”, ny “Tsy misy nenina” (Rampal). Efa manomboka miverina tsikelikely ny hetsika zavakanto isan-karazany amin’izao, saingy mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana hatrany tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus indray na efa afaka amin’ny fihibohana aza ny eto Madagasikara ankehitriny.NarilalaL’article Tonton Pa, Rampal, José Hasina: mitohy hatrany ny “Vazon’ny tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa
29/10/2020

 Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy…  Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany.  Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia.   Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.NarilalaL’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana
28/10/2020

 Mbola eo ihany ny valanaretina covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza, tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra, efa voafandrika  mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra, nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.Ny 22 oktobra io rafitry ny minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19. Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa ny aty Ambatondrazaka.RarivoL’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra
26/10/2020

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire
24/10/2020

Taorian’ny fivoahan’ny lisitry ny Barea de Madagascar, miahiahy mafy amin’ny fifandonana amin’ireo mpilalao malagasy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Voatery nanafatra matihanina betsaka avy any Eoropa izy koa ireo.Toa manana tsindry ma­vesatra izany ny Ivo­arianina mialoha ny hifandonany amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Can 2022”. Tsy mitsahatra ny manara-maso sy maka vaovao mahakasika ireo mpilalaon’ny Barea mantsy ny mpanazatra an-dry zareo Elefanta, amin’ izao fotoana izao. Mihorohoro fatratra, araka izany, ny Ivoarianina, taorian’ny namoahan’i Ni­colas Dupuis ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea. Vokatr’izany, manatevina ny fiarovantenany ny Elefanta ka nanafatra ilay vodilaharana goavambe, i Willy Boly, milalao ao amin’ ny ekipan’ny Wolverhampton Wanderers Football Club ao Angletera. 29 taona, mirefy 1,95 m ary milanja 97 kg. Ankoatra izany, nantsoina hiverina hanatevina ny Ele­fanta ihany koa i Serge Aurier.Hatao ny 12 novambra ny lalao mandrosoSarotra ho an’ny Ivoa­rianina, hatreto, ny mamantatra ny tena fomba fila­laon’ny Malagasy. Ny hany ahalalan’izy ireo ny Barea ny hakingan’ireo mpilalao. “Tsy milalao amin’ny ekipa goavana sy malaza ry zalahy, afa-tsy i Morel ao amin’ ny FC Lorient, Frantsa, saingy tena tombony ho an’ny Barea ny firaisan-tsaina sy ny fa­haiza-miaraka”, hoy i Pa­trice Beaumelle, mpanazatra ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Fantatra fa hotanterahina ny 12 novambra ho avy izao ny lalao mandroso ao amin’ ny kianja Stade Olympique Alassane Ouattara, ao Abi­djan. Mitodi-doha miverina an-tanindrazana avy hatrany ny Barea, raha vantany vao vita io fihaonana mandroso io. Hatao ny 17 novambra ny lalao miverina, tanterahina any amin’ny kianja Stadium Barikadimy. Araka ny fepetra napetraky ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), tsy mihoatra ny 5 000 ny mpi­jery io lalao io.TompondakaL’article Kitra – Fivoahan’ny lisitry ny mpilalao : mihorohoro amin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra
26/10/2020

 Manana hatramin`ny 11 novambra ny eo anivon’ny Ceni, hikirakirana ny lisitr`ireo mpifidy vaventy. « Mety hiova ireo voarakitra ao satria misy ireo kandidà no nitory ireo ben’ny Tanàna lany tamin`ny fomba ofisialy navoakan`ny fitsarana miady amin`ny fanjakana. Nitondra ny raharaha eny anivon’ny filankevim-panjakana izy ireny », hoy ny mpampakan-teny, i Fano Rakotondrazaka. Miisa 155 ny didim-pitsarana voarain` ny Ceni avy amin`ny filankevi-panjakana momba ny fifanolanana tamin`ireo kandidà tamin` ny fifidianana kaominaly farany teo.Etsy andaniny, hamoaka ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà loholona afaka hifaninana ny eny Alarobia ny 29 oktobra izao. Miisa 14 izy ireo raha ny voarain’ny eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra a été récupéré chez Newsmada.