COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

D’après le bilan quotidien sur la situation de pandémie de Covid-19 à Madagascar rapporté ce vendredi 25 septembre, 30 personnes ont été diagnostiquées positives au coronavirus sur les 277 échantillons analysés. Ainsi, la Grande Île compte 16221 cas de contaminations depuis le mois de mars. La répartition de ces nouveaux cas se présente comme suit: 10 cas à Analamanga, 7 cas à Alaotra Mangoro, 4 cas à Matsiatra Ambony, 7 cas à Diana, 1 cas à Atsimo Andrefana et 1 cas à Menabe. Actuellement, 14867 d’entre eux sont déjà guéris, ce qui porte à 1124 le nombre des patients encore en traitement. Toutefois, ce qui est rassurant est qu’il ne reste plus que 11 formes graves sur ces cas actifs. Par ailleurs, 34 guérisons ont été annoncées et un nouveau victime. Désormais, le pays compte 228 décès liés au coronavirus.

COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020

L’article COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Santé

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tratra teo Analakely: nidoboka am-ponja ilay mpanendaka

Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily nanendaka vehivavy teo Analakely. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely, mipetraka eny Paraky Tsarasaotra ity jiolahy ity. Nambaran’ilay jiolahy nandritra ny famotorana fa telo lahy izy ireo ka ny fanaovan’izy ireo amin’izany dia mijery ireo olona mety hoendahina. Matetika, vehivavy hatrany ny tena lasibatra. Arahin’izy ireo avy ao aoriana ka rehefa tonga amin’ny toerana mety hanaovana izany, sintonin-dry zalahy mafy amin’izay. Tonga nitaraina teny amin’ny biraon’ny CSP1 Analakely ilay vehivavy voaendaka nitantara ny nanjo azy.J.CL’article Tratra teo Analakely: nidoboka am-ponja ilay mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 25.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 25.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis le 20 mars, 8866 cas de contamination ont été recensés dont 125 nouveaux cas enregistrés ce jour a fait savoir Pr VOLOLONTIANA Hanta lors de son intervention journalière sur les chaînes nationales TVM et RNM, également diffusée en direct sur toutes les autres chaînes audiovisuelles malagasy. 257 patients sont complètement guéris dont 191 ont suivi des traitements à domicile, portant à 5579 le nombre de cas de guérison. Parmi les 3009 cas actifs, 82 d’entre eux présentent de forme grave. Par ailleurs, 2 personnes ont succombé après avoir été prises en charge au CHUJRB et à l’Hôpital Militaire Soavinandriana.L’article Covid-19: Situation du 25.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15

“Maro ireo ambana sedraina amin’ny asa fampandriana fahalemana ilàna paikady manokana. Tsy tokony ho ny miaramila no matahotra dahalo fa ny dahalo no matahotra miaramila. Ny dahalo anefa, tsy fahavalo fa mpifanandrina amin’ny vahoaka, olom-pirenena ary ao anatin’izany zava-misy izany ny hampiharana ny rafitr’asa vaovao avy amin’ny fiofanana eo anivon’ny Etat major”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, nandritra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-15 ny sekoly ambony manofana manamboninahitra zokiny, omaly teny amin’ny Cemes Soanierana. Miisa 12 mirahalahy ireto navoakan’ny Sekoly ambony manofana manamboninahitra zoky eo anivon’ny Tafika malagasy na ny ecole d’Etat-Major eny Fiadanana. Nisy ny lanonana ara-miaramila nanolorana azy ireo ny mari-pahaizana “diplôme de l’Etat-Major”, natao teo ambany fiahian’ny MDN, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, ny Jly Rakotonirina Théophile, notronin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy malagasy. Nandritra ity fotoana ity koa, nisy famindrana ny fanevan’ny sekoly teo amin’ny talen’ny sekoly teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny tale mpandimby azy, ny Jly Razafitombo Maminirina. Nanamafy ny MDN fa amin’ny taona 2020, tsy maintsy miofana eo anivon’ny sekoly avokoa ireo manamboninahitra ambony ary tsy maintsy arahina sivana hatrany ny fidirana amin’izany.Jean ClaudeL’article Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Augure »: ho an’ny fitantanana ny mpiasam-panjakana

Tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny 17 avrily 2019, ny fampitoviana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana rehetra. Miara-miasa amin’izany ny minisitera roa: ny Vola sy toekarena, miaraka amin’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Koa naseho ireo tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny mpiasa any amin’ny minisitera sy ny andrimpanjakana samihafa ny logiciel «Augure»*. Tanjona amin’ny fampiasana io «Augure» io ny fiantohana fanatsarana ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola rehetra momba ny mpiasam-panjakana.Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny «Augure». Zava-dehibe indrindra ny fananana vaovao tokana sady mitovy momba ny mpiasa any anivon’ny minisitera sy ny andrimpanjakana mampiasa azy ireo. Firosoana miandalana amin’ny fampiasana teknolojia koa ny tombony lehibe azo. Ho mora ny fanaraha-maso ny fandehan’ny asam-panjakana sy ny fahalalana mialoha ny fotoana hamitàna ny asa. Mizara telo ny fampiharana izany: fitantanan-draharaha, fitantanam-bola ary manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.Manampy ihany koa amin’ny fahalalana marina ny isan’ny mpiasa iantohan’ny tetibolam-panjakana momba ny karama (EFA, ECD, ELD) sy ireo mpiasa iantohana amina tetibola hafa izany. Mbola hisy ny fanofanana sy ny fanampiana ataon’ireo minisitera roa ireo any anivon’ny sampandraharam-panjakana isanisany amin’ny foibe sy any amin’ny faritra, hifehezana tsara ny fampiasana «Augure».Ny 2 mey teo ny atrikasa niantsoana ireo tompon’andraikitra momba ny mpiasa any anivon’ny minisitera sy ny andriampanjakana. Nitarika ny fotoana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Vola miaraka amin’ny talen’ny Vola sy ny raharaha ankapobeny, ny talen’ny asam-panjakana ao minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa. R.MathieuL’article « Augure »: ho an’ny fitantanana ny mpiasam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahitana razana

Hita faty, tamin’ny marai­nan’ny zoma 12 jolay lasa teo, ireo lehilahy roa narendriky ny lakana tamin’ny ranon’Ikopa, tany Alarobia Ambatomanga Manjakandriana, tapa-bolana lasa izay. Efa simba ny razana ka niaraka nalevina tamin’io zoma io ihany. L’article Fahitana razana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo

Ny Voromaherin’i Nizeria no nahazo ny laharana fahatelo, ary nandrombaka ny medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Resin’i Nizeria, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, ny Tonizianina, ny alarobia lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Al-Salam Stadium Cairo.Baolina tokana, nampidirin’i Odion Ighalo, teo amin’ny minitra fahatelo monja, nanombohan’ny lalao. Niezaka nanindry sy nanao valim-panafihana avy eo ny Tonizianina, notarihin-dry Anice Badri, saingy tsy tafavoaka fa tsara fiarovan-tena ny Nizerianina. Somary henjankenjana ny fifandonana teny ambony kianja ka nisinisy ihany ny karatra mavo azon’ny ekipa roa tonta. Anisan’izany, ny azon’ilay Nizerianina, Wilfred Ndidi sy ny an’i Ghaylen Chaalei, ho an’i Tonizia. Saika mbola nahatafiditra baolina fanindroany indray ny Nizerianina, teo amin’ny minitra faha-81, saingy voatohan’i Chaouat, ny dakan’i Osimhen. Medaly alimo fanimbalony azon’i Nizeria, ity norombahiny teo amin’ny “Can” ity. Mitarika eo amin’ny famonoam-baolina, hatreto, i Odion Ighalo, izay nahatafiditra baolina 5.Mety mbola hosongonan’ilay senegaley, Mané sy ilay Alzerianina, Adam Ounas, anefa izany. Izy mirahalahy ireo izay hiatrika ny famaranana, rahampitso zoma. TompondakaL’article Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asief: tsy maintsy misy fifaninanana amin’ity taona ity, hoy i Jhone Love

Nitondra fanazavana mahakasika ny fanatanterahana ny fifaninanam-pirenena Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), ny filohany, Andrianarison Jean Aimé na i Jhone Love. Nambarany ary notsindriany mafy fa tsy maintsy misy fifaninanana amin’ity taona ity. Efa nanambara rahateo ny fanjakana fa misokatra tsikelikely ny lafiny ara-panatanjahantena ka antenaina fa hisokatra tsy ho ela ny fahafahana manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena. Tsy mbola fantatra ny daty hanaovana ny fifaninanam-pirenena, saingy vinavinaina hatao ny volana novambra izao izany, hoy hatrany ny nambaran’i Jhone Love. Notsipihiny anefa fa tsy tapany irery ny fanatanterahana io fifaninanana io fa mbola hampiantso fivoriana ny minisitera sy ny mpikambana eo anivon’ny Asief, ity filohany ity. Ny azo antenaina fotsiny, hoy izy dia tsy maintsy misy fifaninanana amin’ity taona 2020 ity.Nanamafy anefa i Jhone Love fa manaraka hatrany ny fepetra ara-pahasalamana izay fifaninanana karakarain’ny Asief, indrindra amin’izao mbola ady atao amin’ny tsimokaretina Coronavirus izao. Mi.Raz L’article Asief: tsy maintsy misy fifaninanana amin’ity taona ity, hoy i Jhone Love a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandrobana vola be

Noraofin’ireo jiolahy nanafika trano iray tany Anjiajia Ankazoabo ny volabe 15 tapitrisa ariary, ny marainan’ny talata lasa teo. Tsy voafaritra ny isan’ireo mpanafika nitondra zava-maranitra nanao ny asa ratsy. Olona iray no fantatra fa naratra voakapa famaky teo amin’ny lohany. L’article Fandrobana vola be est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra
23/10/2020

Afaka mampitombo ny hery fiarovana ny CVO ankoatra ny fitsaboana ny Covid-19 ampiasana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Tsy mamokatra CVO intsony ny Insititut malgache de recherches appliquées (Imra), amin’izao fotoana izao, fa ampy iatrehana ny filana ny tahiry ao amin’izy ireo”, hoy ny tale jeneraliny, ny dokotera Andrianjara Charles, omaly teny Avarabohitra Itaosy. Vonona sy ampy ny tahiry amin’ny CVO raha sanatria ka miverina miparitaka indray eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. Tokony hanohy ny fiarovantena sy ny fiarovana ny ankohonany ny rehetra ary hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Mila ampiana tosika koa ny hery fiarovana ka mety ny fisotroana ny tambavy nohavaozina CVO ho an’ny olona mahazaka izany, araka ny fanazavany ihany. Ho an’ny sokajin’olona tsy mahazaka ny CVO, efa namokatra ny ATA ny Imra, samy novolavolaina iadiana amin’ny Covid-19 avokoa ireo. Mahomby amin’ny fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana ny ATA raha mahery vaika hanoherana ny tsimokaretina ny CVO. Hatreto, tsy nahitana fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny olona mihinana azy ny ATA. Mety hampiakatra ny haavon’ny tosidra sy hahafanina eo amin’izay mampiasa azy kosa ny CVO, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Samy tsy voatondro hampiasa azy ireo kosa ny vehivavy mitondra vohoka sy ny mampinono. Tsy mety ho an’ny olona manana tosidra ambony sy ireo manana toe-tena diabetika tsy voaara-maso ny CVO. Efa notsinjaraina eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amin’ny tsena ireo vokatra roa ireo novolavolaina iadiana amin’ny Coronavirus.Momba ny vidin’ny CVO izay tafidina hatramin’ny 300 Ar ny tavoahangy iray eny amin’ny tsena, efa manakaiky ny fe-potoana ahazoana mampiasa ka nalefan’ny mpivarotra varoboba hisorohana ny fanariana azy fotsiny. Tsy misy idiran’ny Imra ny raharaha satria 1 500 Ar ihany ny hivarotan’izy ireo ny CVO miainga ao aminy.Tsy mandray anjara amin’ny famokarana ny CVO pilina sy tsindrona kosa ny Imra fa ny  ivontoerana fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) sy ny mpiray ombon’antoka hafa no misehatra amin’io sokajy io.Vonjy A.L’article Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra a été récupéré chez Newsmada.

400 afakomaly, tafakatra 624 omaly: tsy mitsaha-mitombo ireo tratra tsy manao arovava
29/10/2020

 Izay iray alehany na ny sazy hampiharina no maivana loatra, na ny olona mihitsy no  mafy hatoka tsy miraharaha.Raha nisy 400 latsaka, afakomaly, nahatratra 624 indray, omaly, ireo olona tratran’ny polisy teto an-drenivohitra tsy nanao arovana ka nampanaovina ilay hoe “asa ho amin’ny tombontsoan’ny maro”. Miteny ho azy ny tarehimarika. Tena tsy mivaky loha amin’ny fanarahana fepetra amin’ny tokony hanaovana arovava, hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 mihitsy ny ankamaroan’ny olona, na teo aza ny fampitandremana nataon’ny prefektioran’ny polisy sy ny governoran’ny faritra Analamanga.Na eo aza anefa izany, nanohy ny asany ihany ny polisy. Nasaina nanao fanadiovana ireo biraom-panjakana eto an-drenivohitra indray ireo olona tratra. Ireo tsy nahazo kifafa hamafan-dalana, nasaina nikarakara zaridaina, nanala bozaka amin’ireny faritra maitso ireny. Nisy koa ireo nobaikoina hitsimpona poti-taratasy, fonon-tsakafo nisy nanary teny an-dalambe rehetra teny.Raha izao fahamaroan’ny olona tratra tsy manaraka fepetra amin’ity fanaovana arovava hiarovana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 no mbola mitohy, tsy tokony hahagaga mihitsy raha hiverina hanao tampody fohy indray ity areti-mandoza ity. Hiverina manaraka izany indray koa ny fampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana, ny fihibohana… Sy ny olana ara-tsosialy, ara-toekarena haterak’izany.  Nahitana hetsika fisavana arovava toy izao manerana ny boriborintany valo teto an-drenivohitra.Henintsoa Hani sy J.CL’article 400 afakomaly, tafakatra 624 omaly: tsy mitsaha-mitombo ireo tratra tsy manao arovava a été récupéré chez Newsmada.

Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina
23/10/2020

   Hatevina ny fandaharam-potoan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fidinana ifotony any Ambatondrazaka, anio. Hitokana zava-bita sy hijery ny fizotry ny asa amin’ireo fotodrafitrasa nampanantenainy ny tenany.Anisan’ny hotsidihiny ny fahavitan’ny fanamboarana ny lalana tara, 800 m miainga eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalam-pirenena RN44. Nametrahana andrin-jiro koa ny faritry ny seranam-piaramanidina sy ny lalana. Vita koa ny fananganana ny EPP manara-penitra ao Ambatondrazaka. Mahazaka mpianatra miisa 600 ary ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5. Hisitraka toeram-pianarana « informatique » sy « cantine scolaire » ny mpianatra. Vaovao ny fitaovana toy ny dabilio, ny biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana.Ankoatra izany, efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa sasany. Vita 80% ny fananganana ny kianja manara-penitra Rasolonjatvo ao Ambatondrazaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique ». Efa voatsangana ny «tribune » ary nampitomboina izany raha mitaha amin’ny teo aloha.Tosika fameno sy Vatsy tsinjo ary hazavanaMihoatra ny 60% koa ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana « pont Kafe » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny tetezana « Manaingazipo » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana 25 km ao Vohidiala, Manakambahiny Andrefana. Hitokana izany koa miaraka amin’ny fahavitan’ny EPP manara-penitra ny filoha.Hahazo koa fitaovam-pianarana feno sy tsara kalitao EPP manara-penitra Asabotsy Ambatondrazaka.Manampy izany, hizara ny Tosika fameno amin’ny alalan’ny Paositra malagasy ho an’ny olona miisa 7000 isa koa ny filoha ho fitsinjovany ireo tokantrano ao an-toerana sahirana noho ny Covid-19. Eo koa ny Vatsy tsinjo sy ny hazavana ho an’ny rehetra, tolotra efa fanaon’ny filoha amin’ny fidinana ifotony tahaka izao.Synèse R.L’article Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami »
26/10/2020

Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina. Voaresaka tamin’izany ireo lafin-javatra maromaro.Anisan’ny nambarany fa dimy taona no nifanarahana amin’ny fitantanana ny firenena.  « Tazony amin’ny teniko aho raha tsy vita ao anatin’izany i Miami. Fantatro ny filoham-pirenena fa mitana ny teny nomena. Resaka tetinandro io. Tsy midika izany fa tsy atao ny fanajariana ny sisin-dranomasina mba hitovy amin’ny fivoaran’ny any ivelany », hoy izy. Nanteriny fa mahafinaritra amin’ity fitondrana ity ny fandrabirabian’ny sasany saingy avadiky ny mpitondra ho vato lasa fehizoro izany. « Misy ny demokrasia eto amintsika matoa afaka miteny sy manakiana momba izany izy ireo », hoy ihany izy.Nanteriny fa mitondra fanazavana ny tenany noho ny adidy amin’ny tamberin’andraikitra sy amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy sady minisitry ny Serasera. Nambarany fa miasa sy mihazakazaka ny mpitondra sy ny filoha mankatsy sy aroa. « Misy kosa anefa ny fotoana itondrana fanazavana manoloana ny tenin’ireo mpamendrofendro, tsy manao na inona na inona … », hoy ihany izy.Orinasan’ny filoha teo aloha, ao ToamasinaNovaliny tamin’izany ny filazana ho diso paikady hatrany am-boalohany ny fanjakana, manoloana ny fihanaky ny covid-19. Nohitsiny anefa fa nisy hatrany ireo fepetra samihafa noraisina, nanomboka ny volana febroary. Teo koa ny nilazany fa tsy nanao ny fifidianana teny anivon’ny faritra sy ny faritany ny fitondrana teo aloha nefa tokony ho nanatanteraka izany izy ireo.Etsy andaniny, notsikerainy ny fomba fitantanan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana amin’ny nampifangaroany ny fitantanana firenena sy ny orinasany. « Rindrina efa simba ny teo ary lainga ny sary ahitana milina na fitaovana tao amin’ny ozinina tao amin’ny seranan-tsambo. Efa namidiny anefa izany…  Nitsangana tsy ara-dalàna tao koa io orinasa io. Tsy nandoa hetra nanomboka ny taona 2008 koa izy nefa mitabataba », hoy ny ampahany amin’ny fanazavan’ny minisitra.Synèse R. L’article Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami » a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra
26/10/2020

Hotanterahina any Toamasina ny 30 sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.Miresaka mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra. Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.Betsaka ireo tanora afa-panadinana bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny asa.Takina indrindra amin’izao fotoana ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny asa izany.Misy amin’ireo tanora ihany koa no tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa izany.Tatiana AL’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy
24/10/2020

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

Fakafaka: taitaitra satria very fototra?
27/10/2020

 Na diso na marina ny fanambaran’ny Papa Fransoa. Na niteny na tsy niteny an’iny izy. Na nankatoa na tsy nankatoa ny fanambadian’ny mitovy fananahana izy. Inona ny tokony hampitsangam-bolo ny Malagasy amin’izany? Sanatria, tsy fanamaivanana ny tranga tahaka ireny akory fa matoa misy ny taitra, gaga, tezitra, mivarahontsana, malahelo, ketraka, mitebiteby, sns, olona tsy manana fototra ijoroana izy izay. Raha tena iainan’ny Malagasy ny kolontsainy, tsy misy tokony hahina sy hatahorana ny fielezan’iny vaovao iny. Tsy kolontsaina malagasy mihitsy ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Iny safotofotom-baovao iny no nanaporofo indray fa tsy miaina amin’ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony ny Malagasy sasany. Na, tsy mahafantatra akory ny momba azy ka sahiran-tsaina avy hatrany raha vao lalovana lamokam-baovao.Kolontsaina malagasy anisan’ny faratampony ny fanajana ny lalana voajanahary. Raha miaina izany hatramin’izay ka hatramin’izao ny Malagasy, tsy misy tokony hatahorana. Saingy, tsy izay ny zava-misy! Efa tazana etsy sy eroa ireo ampahana Malagasy very fototra sy atsingevan’ny « fandrosoana ». Eo koa ny Malagasy endrika ivelany fa poakaty. Na, feno ihany fa hipoky ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny hafa. Fanambadian’ny mitovy fananahana, tsy tokony ho tafiditra eto raha nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy! Misy adidy tsy efa ao. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny ray aman-dreny. Tsy notaizanareo amin’ny kolontsaina malagasy ve ny taranakareo no sahy manao tsinontsinona an-Janahary sy ny lamina napetrany?… Na izany na tsy izany, misy manozongozona mafy ny kolontsaina malagasy. Tsy vao izao io fa efa ela. Iray amin’ireny ny fampifangaroana ny finoana (araka ny nitondran’ny vahiny azy) sy ny fahalalana (niainan’ny Malagasy)… Sa ve manam-pahalalana lavitra no ho i Zanahary ny sasany ka sahy manao tsinontsinona ny lamina napetrany? Raha izay indray, azy ny azy fa tsy an’ny Malagasy rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: taitaitra satria very fototra? a été récupéré chez Newsmada.

Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao
28/10/2020

 Mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar, eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Asa maro ny efa vita sy mbola hokasaina atao. Vaovao mahafaly voaray, omaly, vita soa aman-tsara ny kianja basikety Sanfil,  izay namboarin’ny fikambanana EST sy novatsiny vola. Naharitra 10 andro ny faharetan’ny fanamboarana,  nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Mbola miankina amin’ny taratasy fahazoan-dalana kosa ny fanavaozana ny kianjan’Anketa, izay nitondran’ny filohan’ny fikambanana EST, i Vital Serge, fialan-tsiny ho an’ireo tanora any an-toerana, noho ny tsy mbola fahavitan’izany.Tafatsangana ny JeuestAnkoatra ny fanavaozana ny kianja, miroso hatrany koa ny fananganana klioba, taorian’ny RCEST (Rugby Club Espoirs Sportifs de Tuléar), tafatsangana tamin’ity herinandro ity koa ny Jeuest (Jeunes Étudiants Universitaires EST). Famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra no nananganana ity klioba ity.Hetsika maro no mbola miandry ny fikambanana ary efa an-dalam-pikarohana ny hoenti-manana amin’izany ny mpitantana. Isan’izany ny fifaninanana « multi-sports » hatao amin’ny novambra sy desambra izao, eo ihany koa ilay « soirée » kasaina hotanterahina amin’ny faran’ny volana novambra. Hanampiana ireo kliobany amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy ireo hetsika fitadiavam-bola ireo.Marihina, vonona hiara-kiasa amin’ny  rehetra ny fikambanana EST, amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina, efa tafakatra 30% ny mpikambana taorian’ny fanakambanana ny EST sy ny COSTM ka efa mahatratra 400 ireo atleta ao aminy.Mitohy ny fanatsarana ary tanjona ny hampiroborobo ny tanora, tsy ao Atsimo Andrefana ihany fa manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Manentana kosa izy ny mba hanajana sy hitandremana ny fotodrafitrasa rehetra hatsangana.Mi.RazL’article Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny Covid-19: fitaovana 237.463 dolara avy amin’o Korea
23/10/2020

Mitohy ady amin’ny valanaretina covid-19 na dia efa nambara tamin’ny fomba ofisialy aza fa efa tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony i Madagasikara. Mitohy ihany koa ny fanampiana ataon’ireo firenen-kafa hamongorana tanteraka ity aretina ity.Omaly, nanolotra fitaovana mitentina 237.463 dolara ho an’ny fanjakana malagasy ny firenena koreanina. Natolotra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Michelle Bavy Angelica tetsy Ambohijatovo izany. Ahitana karazan’akanjo ho an’ny ankizy sy olon-dehibe ao anatin’izany fanampiana izany.Hisitraka izao tolotra izao ny olona tena sahirana vokatry ny krizy nateraky ny valanaretina covid-19. Betsaka ireo ankohonana lasa farahidiny nahavita nivaro-pananana mihintsy noho ny fahantrana ka izy ireo no hisitraka izany akanjo izany.Iandraiketan’ny minisiteran’ny Mponina manontolo ny fizarana izany manerana ny Nosy sy ny fifantenana ireo olona tena sahirana hotsimbinina manokana amin’izany.Tatiana AL’article Ady amin’ny Covid-19: fitaovana 237.463 dolara avy amin’o Korea a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.