COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

Le principal fait à retenir du bilan sur l’évolution de la pandémie de covid-19 à Madagascar rapporté ce mardi 15 septembre par le CCO est le faible nombre des contaminations enregistrées au cours des dernières 24 heures. En effet, 34 nouveaux cas positifs au coronavirus ont été identifiés sur 552 échantillons analysés. Ainsi, le taux de positivité est de 6,15%. Ces nouveaux malades ont été localisés dans 8 régions: 6 cas à Analamanga, 2 cas à Itasy, 11 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony, 2 cas à Vatovavy Fitovinany, 1 cas à Sofia, 3 cas à Sava et 8 cas à Diana. Par ailleurs, 41 patients ont été déclarés complètement guéris et ne pourront plus transmettre la maladie. Rappelons que 14452 personnes ont toutes recouvré la santé sur les 15803 infectées depuis mars dernier; c’est pourquoi seules 1135 personnes sont en cours de traitement dont 29 développant une forme grave. Un nouveau décès supplémentaire lié au coronavirus survenu à Alaotra Mangoro a également été communiqué. Officiellement, le nombre des victimes de cette pandémie s’élève

COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020

L’article COVID-19: Statistique du 15 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Triatra

Norbert Ratsirahonana : Ampamoakan’i Camille Vital?

Milaza ny hanao fanambarana goavana i Norbert Ratsirahonana amin’ity faran’ny herinandro ity. Antenaina araka izany fa hanao ampamoaka ny antony nisakanany ny jeneraly Camille Vital tsy ho kandidà mpisolo toerana an’i Andry Rajoelina, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 ny tenany… Isan’ireo nahazo fanasana nanatrika ny lanonana fitokanana ny Azura Foulpointe-Toamasina ny jeneraly Camille Vital. Nanontany ity kandidà laharana faha-10 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 ity ny antony niverenany tamin’i Andry Rajoelina ny mpanao gazety nahazo izany fanasana izany. “Noho ny fiangavian’ny ranabavy Christine Razanamahasoa vao avy nivoaka ny hopitaly no nampiverina ahy…”, hoy ny jeneraly Camille Vital. Napetraka taminy ihany koa ny fanontaniana hoe: “fa naninona no tsy neken’i Andry Rajoelina tampoka teo ny naha kandidà anao kanefa nafarany avy tany Genève ianao fa ho kandidà mpisolo toerana azy?”. “Ratsirahonana no nanome loha an’i Andry Rajoelina niteny taminy hoe “fitondrana efa eo am-pelatanan’ny Merina ve omena Tanindrana indray”…!”, hoy ihany ity praiminisitry ny HAT teo aloha ity. Notendrena ho ambasadaoro tany Genève ny jeneraly Camille Vital taorian’ny filankevitry ny minisitra HAT ny faha-28 jona 2012, rehefa nosoloin’ny praiminisitra Omer Beriziky ny faha-20 desambra 2011. Andro vitsivitsy talohan’ilay simena natao teny Andranomena naha lany ho filohan’ny TGV an’i Edgard Razafindravahy anefa dia nantsoin’i Andry Rajoelina nody an-tanindrazana ny jeneraly Camille Vital, fa hisolo toerana azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena noho ny fisian’ny “Ni…Ni”. Efa nanomboka ny fivoriana sy fanomanana rehetra tao amin’ny trano fonenan’ny jeneraly Camille Vital tetsy Ivandry. Tampoka teo nefa nisy iny fifidianana anatiny teo amin’ny antoko TGV teny Andranomena iny, ka lany tamin’izany i Edgard Razafindravahy. Avy hatrany dia notsoahan’i Mamy Ravatomanga tao amin’ny jeneraly Camille Vital daholo ny zavatra rehetra efa natomboka. Naneho ny tsy fanoherany izany fanapahan-kevitra izany ny tale jeneralin’ny prezidansa, Mamy Ratovomalala ka dia noroahan’i Andry Rajoelina avy hatrany dia ireny niaraka nanangana ny antoko Hiaraka Isika ireny ny jeneraly Camille Vital sy Mamy Ratovomalala. “…Fitondrana efa eo am-pelatanan’ny Merina ve homena Tanindrana indray”. Io teny io araka ny nambaran’ny jeneraly Camille Vital no nataon’i Norbert Lala Ratsirahonana, antony nandakàna azy tampoka tsy ho kandidà mpisolo toerana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Fa iza tokoa moa izany ity Norbert Ratsirahonana ity? Zafy Albert sy Didier Ratsiraka Manamarina io teny nataon’ny jeneraly Camille Vital tany amin’i Azura Fouplpointe ve ireto tranga roa ireto? Naato tamin’ny andraikitra maha filoham-pirenena azy ny profesora Zafy Albert ny faha-5 Septambra 1996, rehefa avy naongan’ny solombavambahoaka maro an’isa, izay tsy iza fa i Norbert Lala Ratsirahonana, izay lasa filoham-panjakana mpisolo toerana sady lehiben’ny governemanta ihany no tao ambadik’izany “fanonganam-panjakana” izany. Mbola i Norbert Lala Ratsirahonana ihany koa no atidohan’ilay “1er tour” de vita” ny taona 2002 nahatonga ny amiraly Didier Ratsiraka voatery nanao sesitany ny tenany tany Frantsa. Antenaina araka izany fa ho isan’ny zavatra hotenenin’i Norbert Lala Ratsirahonana mandritra izany fanambarana hataony amin’ity faran’ny herinandro ity izany ny mikasika io antony nandakàna an’i Camille Vital io. Marihina moa fa nenjehina sy namoahana IST mihitsy i Mamy Ratovomalala sy Camille Vital ny harivan’ny fanisam-bato, fihodinana voalohany tamin’iny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 iny, ary i Andry Rajoelina mihitsy no niditra mivantana tamin’ny hainoamanjery nanitsakitsaka ny grady jeneraly teny am-bozonan’i Camille Vital, sy niampanga ity farany ho nikasa hamono ho faty an’i Marc Ravalomanana. L’article Norbert Ratsirahonana : Ampamoakan’i Camille Vital? est apparu en premier sur .L’article Norbert Ratsirahonana : Ampamoakan’i Camille Vital? a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Niato ny fizarana ary napetraka ny mason-tsivana: hisitraka ny Vatsy tsinjo ireo “tapaka asa sy tena sahirana”

Hivaha tsy ho ela ny olana. Nanatanteraka avy hatrany ny toromariky ny filoham-pirenena ny eo anivon’ny governemanta sy ny faritra ary ny CUA. Hisy ny fandaminana vaovao ny fizarana ny fanampiana “Sosialim-bahoaka”.« Atsahatra aloha ny fizarana ny Vatsy tsinjo fa hisy ny fanadihadiana eny ifotony ho an’ireo tena tokony hisitraka izany. Ny 11 aogotsitra indray vao hozaraina izany », hoy izy ireo tetsy Ampefiloha, omaly. Nofaritana tamin’izany ny mason-tsivana ka anisan’ny hisitraka izany ireo tsy anasa na koa ireo tapaka asa sy tena sahirana. Eo koa ireo tsy manan-koraisina. Nohitsin’ireto tompon’andraikitra ireto fa tsy azo ekena ny kiantranoantrano sy ny fiangarana na koa ny fitanilana amin’ny fizarana ny fanampiana. « Antony nahatonga ny fandaminana vaovao izany sady ho ao anatin’ny mangarahara. Miandry ny lisitra izy. Hapetraka avy eo ny rafitra ahafahan’ireo olona mitaraina ka tena hotsinjovina ireo tena marefo », hoy izy ireo.Nambaran’izy ireo fa ilaina koa ny fahatsapan-tena sy ny fihavanana ka mifampitsinjo. Mba ireo tena mila ny fanampiana no hisitraka izany. Anisan’ny hanaovana ny hetsika ireo renivohi-paritany enina, miampy ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, i Moramanga, i Nosy-Be ary ny any Antsirabe.« Hofantarina ireo mipetraka amin’ny trano, ny loham-pianakaviana. Havaozina koa ny karne, hampanarahina fenitra. Tsy hisy intsony hitangorona eny amin’ny biraon’ny fokontany », hoy ihany izy ireo.Hidina ifotony koa ny mpiasan’ny minisitera, ny faritra, ny kaominina hitety tokantrano hanao ny fanisana. « Tsy tokony hisy intsony hitaraina fa tsy mahazo », hoy izy ireo.Synèse R. sy Njaka A.L’article Niato ny fizarana ary napetraka ny mason-tsivana: hisitraka ny Vatsy tsinjo ireo “tapaka asa sy tena sahirana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah

Anisan’ireo, kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), i Mohamad Abdillah. Nanamafy izany, filatsahany izany izy. Nohamafisiny fa olona miaina isan’andro, amin’ny baolina kitra izy.Gazety Taratra (-) : Mety aminao ve any Toliara sy ny datin’ny 24 aogositra, hanaovana ny fifidianana?Mohamad Abdillah (*) : Mpilalao baolina aho, ka tsy mifidy kianja hilalaovana. Rehefa any Toliara, no heverin’ny mpitantana fa mahafeno ny fepetra dia vonona aho, hiatrika izany. Toy izany koa ny datin’ny fifidianana. Tsy fombako ny manohitra zavatra efa tapaka sy nekena. Manaja izany ny tenako ka hamonjy io toerana io.– : Inona no mampiavaka anao amin’ireo kandidà hafa?*-Misy zavatra telo heveriko fa mety hampiavaka ahy dia ny maha mpilalao baolina aloha, satria miaina izany isan’andro aho ary tsy mahazo aina raha tsy milalao baolina sy miresaka baolina ary manaraka vaovaon’ny baolina kitra maneran-tany. Fianakaviako faharoa ny baolina kitra. Eo koa ny fifandraisako amin’ireo ankolafin’olona maro samihafa. Amiko, ny baolina kitra dia tsy fanilikilihana fa fampiraisana ny rehetra. Farany, olona anisan’ireo, mitandrina ny lalàna sy manara-dalàna ary manaja ny soatoavina ny tenako.-Inona ny laharam-pahamehana ho anao ?*: Hanatanteraka ny fandaharanasa ao anatin’ny efa-taona gm quadrienal. Hanamboatra ny trano hiasan’ny federasiona fa tery loatra, ny amin’izao fotoana izao, izay hiarahana amin’ny Fifa. Toy izany koa ny an’ny ligy fa tsy hotadiavina eny an-tsena na any an-tranony ny filohany. Afaka manangana 7 na 8 ao anatin’ny taom-piasana iray, isika. Hampitomboina, ny kianja hilalaovana ary hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana, amin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa, mba hitovy ny lanjan’ny ekipa. Tsy atao mitanila ny fandaharam-potoana sy ny kianja hilalaovana, tsy hisian’ny isa midangana, 7 no ho 0. Omena fampirisihina ireo mpiantsehatra rehetra.-Ny fahitanao ireo filohana ligy manao fanambarana manohana kandidà? * : Zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra ireny, ka tsy hitako izay mahadiso azy ireo, saingy tsy tokony hanohintohina ny hafa. Na izany aza, tokony hojerena ihany, fa fifidianana miafina no atao, izany hoe mila hajaina ny tsiambaratelon’ny safidy, ka ny filazana ampahibemaso toa ireny, dia efa fantatra mialoha ny safidin’ny tsirairay, ka lasa voahosihosy ilay latsa-bato miafina.– Raha lany ianao, vonona ve hiara-kiasa amin’ireo mpifaninana. Raha tsy lany koa mbola ho ao anatin’ny baolina kitra hatrany ve? *: Mpilalao baolina ny tenako, noho izany, miomana amin’ny zava-drehetra. Mampiray ny baolina kitra fa tsy mampisaraka ary tsy vitan’ny olon-tokana. Raha lany aho, misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa. Raha sanatria tsy lany, vonona hifanampy amin’izay tonga eo, ary raha ilain’izy ireo ny fandaharanasako dia atolotro azy. Tsy mitady olona hampitombo ny fahantran’ny baolina kitra isika fa olona hanala azy ao anatin’izany. Nangonin’i TorcelinL’article Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ivontoerana Safidy: “Mila hajaina ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna”

Ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna. Hisy sa tsia ny fifidianana? “Tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’n y ben’ny Tanàna”, hoy ny Ivon-toerana Safidy. “Fanairana ny mpitondra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, miteny izahay hoe: hajao ilay fe-potoana fifandimbiasam-pahefana. Hotanterahina amin’ity taona ity ihany ny fifidianana  ben’ny Tanàna.”Izay ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Ivontoerana Safidy amin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Razanamahefa  Désirée Marie Stella, momba ny fanemorana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy ampy intsony ny 90 fihaikana mpifidy alohan’ny fifidianana, raha hatao ny 28 oktobra araka ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson’ny Ceni.“Raha hatao amin’ny tapatapaky ny volana novambra izany, mbola manam-potoana isika. Na hatao amin’ny voalohandohan’ny volana desambra aza, mbola manana fotoana isika”, hoy izy. Ny hanaovana ny fifidianana amin’ny 28 oktobra no tsy ampy intsony ny fotoana.Tokony hatao ny fifidiananaTapitra ny volana septambra ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, tokony hatao ny fifidianana hisian’ny fifandimbiasam-pahefana ara-dalàna. Tsy manaraka lalàna intsony, raha hatao amin’ny herintaona izany.“Ny tena ahiahinay, raha sanatria ka PDS no hapetraka ho solon’ny ben’ny Tanàna. Olona tendrena ny PDS, izay tsy maintsy manatanteraka ny tenin’izay manendry azy”, hoy ihany izy.Nefa raha tsy maintsy hahemotra ny fifidianana, hiitatra ny fe-potoan’ireo ben’ny Tanàna, izay efa miomana ny hiala aorian’ny volana septambra. Nefa mbola ho eo hatrany izy ireo mandra-pahatonga ny fotoana mahametimety ny fanjakana.R.Nd. L’article Ivontoerana Safidy: “Mila hajaina ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Ao Raha

LALAO «ORANGE E-SPORT EXPERIENCE» :: Mpilalao malagasy telo hifaninana any Dakar

Hanana solontena telo amin’ireo mpilalao dimampolo avy amin’ny firenena iraika ambin’ny folo mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, “Orange E-Sport Experience”, hatao any Dakar, Sénégal, i Madagasikara. Hotanterahina any an-toerana, amin’ny 5 – 6 desambra ho avy izao ity hetsika fanao isan-taona aty Afrika ity. Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’izany i Ranto Manoro Ratsimiliavahoaka (Big_Tom_2138) eo amin’ny lalao “Street Fighter” sy Mamitiana Michel Rakotoarison (Gogo) eo amin’ny lalao fifaninanana manamory fiarakodia amin’ny “Asphalt” ary i Mamitiana Herilanto Ralainaivo (Rayan) eo amin’ny lalao baolina kitra PES 2019. Nanainga ny alahady lasa teo, nihazo an’i Dakar, ireto mpilalao malagasy ireto. Ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar niaraka tamin’ny fikambanana e-Sport Mada no nikarakara ny fifaninanana teto an-toerana nahafahana nifantina azy telo mirahalahy ireto. Mandritra ny hetsika ho an’ny Afrikanina tandrefana, “1e Salon Ouest Africain” ao amin’ny Dakar Digital Show no hanaovana izany. L’article LALAO «ORANGE E-SPORT EXPERIENCE» :: Mpilalao malagasy telo hifaninana any Dakar est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz

Taona maromaro tsy hita teny an-tsehatra teto Madagasikara. Ho setrin’izay, ao anatin’ny iray volana, ho tazana tsy tapaka amin’izay ny tarika Kazar sy ny tarika Märtz. Ho afaka hianoka misimisy kokoa ny mozika rock sy ny metaly indray ny rehetra…Noho ny antony maro samihafa, tsy tazana niaka-tsehatra firy teto Madagasikara loatra ny tarika Kazar. Fantatra, omaly tetsy amin’ny Carlton, fa ho avy i Milon, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’izany tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny rock sy ny metaly izany. Hanatanteraka hetsika nampitondraina ny lohateny « Metalygasy » izy ireo (tarika Kazar) sy ny tarika Märtz, raha ny fampahafantarana nataon-dRajaofetra Andrianaina Sandy avy ao amin’ny Sandix, trano mpamokatra mikarakara ity hetsika ity.Ny 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana miaraka amin’ny Kazar sy ny tarika Märtz. Ny 23 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny ADMC-Craam, oniversiten’Antananarivo, fihaonana sy velakevitra nampitondraina ny lohahevitra “Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara”. Nanasana ireo manana traikefa amin’izany toa an’i Dina Randrianoelison (Team Distortion), i Eric Rasoamiaramanana (Libertalia Music), i Mahalia (Loharano), i Abasse Djiva (tarika Apost), i Elia Ravelomanantsoa (minisitra teo aloha ny Kolontsaina), sns. Hialohavan’ny fandefasana horonantsary « Kazar : Malagasy Rock legende », novokarin’i Tsilavina Ralaindimby, ity velakevitra ity. Ny 24 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, « Milon Kazar en cabaret acoustic and electric ». Fotoana hitendren’i Milon ny karazan-gadona sy ny hira tahaka ny metaly, ny latino, ny hira malagasy, sns. Faranana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo ny « Metalygasy », ny 30 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, amin’ny alalan’ilay seho hiarahana amin’ny tarika Kazar.Raha tsiahivina, 33 taona lasa ny efa niforona ny tarika Kazar raha ny taona 1989 kosa ny nijoroan’ny Märtz.HaRy Razafindrakoto L’article Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FITSARAM-BAHOAKA TANY FENOARIVO ATSINANANA :: Vehivavy no voalaza fa nampirisika ny famonoana ireo pôlisy telo lahy

Miara-manao famo­torana an’ireo olona miisa iraika amby roapolo voasambotra, izay voarohirohy tamin’ny famonoana ireo pôlisy telo, tany Fenoarivo Atsinanana, tamin’ny 24 oktobra lasa teo, ny zandary sy pôlisy misahana ny heloka bevava any Toamasina. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Pôlisim-pirenena dia “vehi­vavy no niaingan’ny fampirisihana ny hamonoana ireo pôlisy”. Isan’ireo voasambotra ihany koa ny filohan’ny fokon­tany Ambodihazina, toerana nitrangan’ity famo­noana mpitandro filaminana ity. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hatolotra ny Fitsarana, anio, any Toamasina ireo olona voarohirohy rehetra ireo. Vita ny famotorana ka notazonina eo anivon’ny Sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimaria any an-toerana izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Pôlisim-pirenena. Vono olona, fikomiana ary halatra no vesatra hiam­pangana ireo olona miisa iraika amby roapolo ireo. Ny roa ambin’ny folo tamin’izy ireo dia voasambotra tany Ambodihazina ary ny sivy kosa dia tany Fenoarivo Atsinanana. “Araka ny fanambaràna nataon’ireo olona ireo tao anatin’ny fanadihadiana sy ny voafaritra fa fiaiken-keloka nataon’ny sasany tamin’izy ireo dia mbola tsy maintsy hitohy ny famotorana ity raharaha ity. Hahakasika olona hafa ihany koa izany”, hoy hatrany ny avy amin’ny Pôlisim-pirenena. L’article FITSARAM-BAHOAKA TANY FENOARIVO ATSINANANA :: Vehivavy no voalaza fa nampirisika ny famonoana ireo pôlisy telo lahy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Lecofruit: orinasa mpanondrana legioma any ivelany

Maherin’ny 15.000 ny tantsaha miara-miasa amin’ny orinasa Lecofruit, sangany amin’ny fanondranana legioma any Eoropa ny orinasa Lecofruit. Nahita maso izany ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena Malpass.Anisan’ny notsidihan’ny filoha vaovao mitantana ny Banky Iraisam-pirenena, David Malpass, ny herinandro lasa teo, ny orinasa Lecofruit. Sampana orinasa ao anatin’ny vondrona Basan, ny Lecofruit, vondrona sangany eo amin’ny sehatry ny fanodinam-bokatra. Tsapany fa fanoitra iray mampandroso an’i Madagasikara ny fihariana mahakasika mivantana ny vahoaka, indrindra ny fambolena.Sangany sady voalohany amin’ny famokarana sy fanondranana legioma manta sy atao anaty ambifotsy any amin’ny vondrona eoropeanina (UE) ny orinasa Lecofruit, miara-miasa mivantana amin’ny tantsaha maherin’ny 15.000.Manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsahaManohana azy ireo amin’ny fomba fambolena manaraka ny fenitra sy ny teknika, ny zezika sy ny masomboly, ny fikojakojana sy ny pitsompitsony rehetra. Vidiany manontolo amin’ny mpamboly ny vokatra, izay mifanaraka amin’ny bokin’andraikitra. Manampy sy manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany fiaraha-miasa izany, indrindra mandritra ny fotoan’ny maitsoahitra. Manodidina ny 20 miliara Ar ny fampiasam-bolan’ny Lecofruit amin’ny lafiny fampandrosoana ny fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.Manampy izany, mitondra avo ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny vita malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity orinasa ity. Ao anatin’izany ny fanajana sy ny fametrahana ny lalam -pihariana, miainga any amin’ny famokarana, ny fanangonam-bokatra, ny fanodinana ary ny fanondranana any Eoropa. Tsara ho fantatra, fa avy amin’ny Lecofruit, ny antsasaky ny vokatra “haricot vert” eo amin’ny tsenan’ny UE.Njaka AndriantefiarinesyL’article Lecofruit: orinasa mpanondrana legioma any ivelany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara

Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa  mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy  Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao
19/09/2020

Miisa 46 ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, omaly. Avy eto Analamanga ny 34 amin’izany raha enina ny any Diana. Telo kosa ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Bongolava sy any Atsimo Andrefana ary ny any Boeny. Iray kosa ny lavo ary avy any Diana izy io. Tafakatra 217 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity. Miisa 30 ireo marary anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 40 ireo sitrana. Tafakatra 14 587 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo marary mitondra ny tsimokaretina miisa 15 971. Miisa 1 165 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R.L’article Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa
21/09/2020

Nivoitra taorian’ny fifampiresahana nisy teo amin’ny Club Omnisport Tanambao Morafeno (COSTM) sy ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST), natao ny alakamisy lasa teo, fa hiaraka hiasa ny roa tonta. Nikaon-doha ny filohan’ny klioba COSTM, Rafanomezana Lalo sy ny filohan’ny EST, i Vital Serge, samy nahatsapa fa ilaina ny fiaraha-miasa. Maro ny azo hifanampiana, raha ny fanazavana, isan’izany ny famatsiana ara-pitaovana ny COSTM omen’ny EST sy fahavononan’ity farany hanampy ny hoenti-manana ny klioba amin’ny fiatrehana fifaninanana nasionaly. Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny EST, voalohany ny hijerena izay fomba hahafahana manambatra ny klioba, faharoa, ny hanitarana ny klioba EST hivelatra amin’ny taranja hafa. Tsiahivina, efa nanomboka ny taona 1983 no niforona ny COSTM, izay misy taranja baolina kitra, ady totohondry, Handball, atletisma ary ny taona 2016 ny nanomboka nisy ny taranja Judo. Nohamafisin’ny roa tonta fa ho maro ny tetikasa hiaraha-manao, mikasa ny hanangana Dojo iraisana izy ireo, amin’ny taona 2021. Mi.Raz  L’article COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana
19/09/2020

Mitohy ny fandaminana sy ny fanatsarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny Tanànan’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny tsena etsy Behoririka sy i Soarano. “… Mbola nisy ihany ireo mpivarotra ninia nivarotra teo amin’io toerana io. Teo koa ireo mpanararaotra nitarika korontana. Tsy maintsy niroso tamin’ny fandaminana ary nandray andraikitra manoloana izany ny avy eto anivon’ny kaominina”, hoy ny “chef de corps police municipal”, ny kaomisera Ostrom Whens, omaly. Nanteriny fa efa nisy ny toerana nofefen’ny CUA manoloana ny vavaha­din’i “Pochard”.Efa misy toerana ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna Efa voadio tanteraka izany ary efa tsy nisy intsony ny mpivarotra afaka nivarotra tao anatin’ny faritra voafefy. “Hisy ny fotodrafitrasa kasain’ny kaominina hapetraka eo. Tsy nisy ny olana fa nanaiky ny fandaminana avokoa ireo mpivarotra. Efa manana toerana hametrahana ireo mpivarotra, manana taratasy ara-dalàna sy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpivarotra, ny kaominina ary efa eo am-pandaminana ny momba izany ankehitriny”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa anisan’ny paikady ampiasain’ny CUA ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny vahoaka mba hiara-hientana amin’ny fanajana ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH).Samy tompon’andraikitra Tsy ny tsena ihany anefa no nasiana izany fandaminana, fanadiovana sy fanatsarana, izany, araka ny nambarany. “Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo sehatra rehetra, mety hanohintohina ny filaminana sy ny fitonian’ny vahoaka. Voakasik’izany koa ireo mpitantana ny tanàna, ireo tompon’andraikitra samihafa, toy mpampihatra lalàna ka hisy ny fampiofanana manokana ho azy ireo”, hoy izy. Nanentana ny rehetra ny tenany mba samy ho tony sy hanaraka ny toromarika apetraky ny mpitantana. “Tanàna iombonana Antananarivo ka sa­my tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany”, hoy ny kaomisera Ostrom Whens.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona :: Manomboka mifantina an’ireo kandidany ny IRD
17/09/2020

Manomboka ny fifandaminana amin’ny fiatrehana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020, ireo antoko manohana ny fitondrana. Raikitra ny fandraisana an’ireo kandidà maniry ny hisalotra ny loko volomboasary ao anatin’ny vovonana politika miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina (IRD) amin’io fifidianana io. « Miroso ny fifantenana an’ireo kandidà ireo », hoy Rasoamaromaka Hery , mpitarika ny vovonana IRD sady governoran’ny faritra Analamanga, tamin’ny antso an-tariby, omaly. Fepetra maromaro no hisivanana an’ireo kandidà loholona amin’ny anaran’ny lisitry ny IRD : mila olona mendrika sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina ary afaka hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny faritra mifanaraka amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Efa fantatry ny rehetra izao hoe mitsoka mankaiza ny rivotra politika eto amintsika. Ny fametrahana loholona tena hanao ny asany sy hanampy ny fitondrana amin’ny asa fampandrosoana tokony hatao no tanjona », araka ny fanazavan-dRasoamaromaka Hery. Ankoatra ny Tanora malaGasy Vonona dia isan’ny antoko lehibe ao anatin’ity vovonana ity ny Asa Vita no hifampitsarana (AVI), ny Malagasy Miara-Miainga (MMM), ny FAFI 5… L’article Fifidianana loholona :: Manomboka mifantina an’ireo kandidany ny IRD est apparu en premier sur AoRaha.

Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard
23/09/2020

« Nifanafatra foana, nifanome fotoana, indrindra tato ho ato, nifanao andraso andraso”… Iray amin’ireo tononkira nampalaza ny tarika Kafa tany ho any amin’ny taona 1983. Nindaosin’ny fahafatesana, ny 21 septambra teo, Randrianarisoa Richard, fantatra teo amin’ny tontolon’ny hira tamin’ny anarana hoe Kafa, fanafohezana ny “Kalo no fahafinaretana”. Raha ny heno, efa amam-bolana tsy salama i Richard Kafa. 61 taona izy izao nodimandry tany Analavory izao. Iray amin’ireo tarika nanana ny naha izy azy tany ho any amin’ny taona 1985 ry Kafa. Tononkira tsotra, gadona tsy niala lavitra ny funk ny nampitan’i Richard sy ireo namany ny hafatra tao anatin’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny “Tanisan’ny manina” (Isan’ny amontana, roa ny aviavy …).Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 9 ora maraina no hiala ao an-tranony ao Miadanarivo ny nofomangatsiakany, aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Handalo ao amin’ny PK 41 Mangatany Arivonimamo amin’ny 11 ora maraina ary hasitrika ao amin’ny fasan-drazany Ambohimandroso Arivonimamo avy eo.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, manomboka miverina amin’ny fanazarantena avokoa ny ekipa sy ny atleta manerana ny Nosy, isan’izany ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Ao anatin’izay indrindra, ho fampitomboana ny lenta sy hanomanana bebe kokoa ny ekipa amin’ny fifaninanana goavana hatrehina, mitady ankizy lava handrafitra ny ekipany ny filohan’ny GNVB, ny kolonely Rakotomalala Heriniaina. Somary lava ity fiatoana vokatry ny Coronavirus ity, raha ny nambarany, ka tena ilana ezaka goavana ny famerenana ny lentan’ny ekipa. Izany indrindra no tsy maintsy hirosoana amin’ny fitadiavana ankizy lava.Raha ny fanazavana hatrany, efa nanomboka niverina nikotrana, ny alatsinainy lasa teo, ny ekipan’ny volley ball ary mifantoka tanteraka amin’ny fanomanantena mafy. Nambaran’ity filohan’ny GNVB ity fa mila manao “revanche” mafy isika, taorian’ny faheresena azon’ny GNVB nanoloana an’ny Reonioney, nandritra ny “CCZone 7” farany teo iny. Fifaninanana notontosaina teto amintsika ny volana febroary lasa teo. Mba ho fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana fotsiny ihany ny nandraisan’ny La Réunion Ankara nandritra izany fa tsy ao anatin’ny faritra faha-7 izy. Izany hoe, ny GNVB ihany ny nahazo ny amboara, hisolo tena ny faritra faha-7, na laharana faharoa aza. Mi.RazL’article Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB a été récupéré chez Newsmada.

Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah”
22/09/2020

Karinah, mpanakanto andriambavilanitra nisafidy ny fivoizana ny « Afro beat ». Nomarihin’i Fidy de l’Anôsy, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny tranom-pamokarana « Fido prod », mandray an-tanana ny famolavolana an’i Karinah eo amin’ny lafiny mozika fa “mpanakanto manana ny hoaviny mamiratra i Karinah. Manaporofo izany ny fankafizan’ireo liankanto sahady ireo vazony. Ampahany amin’ireny ny « Engagé » sy ny « Tompony Zah ». Ity farany izay efa tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy, tsy eto Iarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra manerana ny Nosy”. Raha ny fanazavany hatrany, fa tombony ho an’i Karinah ny fahafahany milalao ny feo ambany sy manakatra ny avo. Tsy mionona hatreo amin’ny famolahana ny « Afro beat » fa miezaka mivelatra amina gadona hafa toy ny « slow », “reggae », « sega ». Tsy mitsaha-mikaroka amin’ny fampiarahana ny gadon-kira malagasy sy vahiny hanjary mozika vaovao ihany koa.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tao anatin’ny fihibohana no namokaran’ny « Fido prod » ireo vazon’i Karinah sy nanatontosana ary nanapariahana ireo rindran-tsariny. Nampanantena ny hanajary hira sahaza ny fetin’ny faran’ny taona i Karinah ho fanomezana fahafaham-po ireo mpiondana mozika mihetsika sy mafana. Tsy ho diso ihany koa anefa ireo mankafy ny mozika milamina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah” a été récupéré chez Newsmada.

Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19
21/09/2020

Misoko mangina ny isan’ireo maty na mihena aza ny tranga vaovao. Olona roa indray no nodimandry, ny asabotsy teo ka avy eto Analamanga sy Diana izy ireo. Niampy efatra ireo lavo, omaly alahady ka iray avy any Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.Roa kosa ireo namoy ny ainy any Alaotra Mangoro, tao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka ka vehivavy 60 taona sy lehilahy 78 taona izy ireo. Enina izany ireo matin’ny coronavirus tao anatin’ny roa andro. Tafakatra 223 ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika.Miisa 82 kosa ireo tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora ka ny asabotsy teo ny 49 amin’izany. Mitombo tahaka ny isan’ny maty koa ny isan’ireo mbola tsaboina sy arahi-maso. Niampy 13 izany, omaly alahady ka tafakatra 1 182 izany izao.Na izany aza, nihena 11 ireo anaty fahasarotana ka 26 ireo “forme grave”. Miisa 16 kosa ireo sitrana ka tafakatra14646 ireo efa nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana.Synèse R.L’article Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.