COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020

News - Santé - COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 16 Septembre 2020, 30 personnes sont rétablies du Covid-19 ces dernières 24h portant le nombre des guérisons à 14 482 jusqu’à ce jour. Par ailleurs, le Pr Vololontiana a également rapporté qu’au cours de ces 24 dernières heures, 68 nouvelles infections dûs au Covid-19 ont été également enregistrés. Ces nouveaux cas sont localisés dans la région Analamanga avec 26 cas, dans la région de Vakinankaratra avec 4 cas, dans la région d’Itasy avec 1 cas, dans la région Alaotra Mangoro avec 1 cas, dans la région de Vatovavy Fitovinany avec 13 cas, dans la région de Haute Matsiatra avec 1 cas, dans la région Atsimo Andrefana avec 3 cas, dans la région de Diana avec 15 cas et dans la région de Sava avec 4 cas. Ce 8 Septembre, Madagascar enregistre 1 nouveau décès et compte au total 215 décès depuis le début de l’épidémie. Sur 15 871 personnes contaminées, 1172 suivent encore des traitements dont 24 présentent des formes.

COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020

L’article COVID-19: Situation du 16 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah

Anisan’ireo, kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), i Mohamad Abdillah. Nanamafy izany, filatsahany izany izy. Nohamafisiny fa olona miaina isan’andro, amin’ny baolina kitra izy.Gazety Taratra (-) : Mety aminao ve any Toliara sy ny datin’ny 24 aogositra, hanaovana ny fifidianana?Mohamad Abdillah (*) : Mpilalao baolina aho, ka tsy mifidy kianja hilalaovana. Rehefa any Toliara, no heverin’ny mpitantana fa mahafeno ny fepetra dia vonona aho, hiatrika izany. Toy izany koa ny datin’ny fifidianana. Tsy fombako ny manohitra zavatra efa tapaka sy nekena. Manaja izany ny tenako ka hamonjy io toerana io.– : Inona no mampiavaka anao amin’ireo kandidà hafa?*-Misy zavatra telo heveriko fa mety hampiavaka ahy dia ny maha mpilalao baolina aloha, satria miaina izany isan’andro aho ary tsy mahazo aina raha tsy milalao baolina sy miresaka baolina ary manaraka vaovaon’ny baolina kitra maneran-tany. Fianakaviako faharoa ny baolina kitra. Eo koa ny fifandraisako amin’ireo ankolafin’olona maro samihafa. Amiko, ny baolina kitra dia tsy fanilikilihana fa fampiraisana ny rehetra. Farany, olona anisan’ireo, mitandrina ny lalàna sy manara-dalàna ary manaja ny soatoavina ny tenako.-Inona ny laharam-pahamehana ho anao ?*: Hanatanteraka ny fandaharanasa ao anatin’ny efa-taona gm quadrienal. Hanamboatra ny trano hiasan’ny federasiona fa tery loatra, ny amin’izao fotoana izao, izay hiarahana amin’ny Fifa. Toy izany koa ny an’ny ligy fa tsy hotadiavina eny an-tsena na any an-tranony ny filohany. Afaka manangana 7 na 8 ao anatin’ny taom-piasana iray, isika. Hampitomboina, ny kianja hilalaovana ary hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana, amin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa, mba hitovy ny lanjan’ny ekipa. Tsy atao mitanila ny fandaharam-potoana sy ny kianja hilalaovana, tsy hisian’ny isa midangana, 7 no ho 0. Omena fampirisihina ireo mpiantsehatra rehetra.-Ny fahitanao ireo filohana ligy manao fanambarana manohana kandidà? * : Zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra ireny, ka tsy hitako izay mahadiso azy ireo, saingy tsy tokony hanohintohina ny hafa. Na izany aza, tokony hojerena ihany, fa fifidianana miafina no atao, izany hoe mila hajaina ny tsiambaratelon’ny safidy, ka ny filazana ampahibemaso toa ireny, dia efa fantatra mialoha ny safidin’ny tsirairay, ka lasa voahosihosy ilay latsa-bato miafina.– Raha lany ianao, vonona ve hiara-kiasa amin’ireo mpifaninana. Raha tsy lany koa mbola ho ao anatin’ny baolina kitra hatrany ve? *: Mpilalao baolina ny tenako, noho izany, miomana amin’ny zava-drehetra. Mampiray ny baolina kitra fa tsy mampisaraka ary tsy vitan’ny olon-tokana. Raha lany aho, misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa. Raha sanatria tsy lany, vonona hifanampy amin’izay tonga eo, ary raha ilain’izy ireo ny fandaharanasako dia atolotro azy. Tsy mitady olona hampitombo ny fahantran’ny baolina kitra isika fa olona hanala azy ao anatin’izany. Nangonin’i TorcelinL’article Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taolagnaro: Frera roa matin’ny tazomoka

Mamely ny aretina tazo ary mamono ho an’ny faritra Anosy. Frera roa mpikarakara ny economat sy ny talen’ny sekoly katolika Sacré Coeur ao Taolagnaro no matin’ny aretina tazo, araka ny fanambaran’ny Evekan’ny diosezin’i Taolagnaro, Mgr Rakotozafy Vincent, omaly. Nanambara ho mavesabesatra izy roa ireo ary tsy tratra fa tsy nahatsiaro tena. Tsy ampy ireo fitaovana ny toeram-pitsaboana any an-toerana. Maro koa ny manao dokotera tena ka tsy manatona tobim-pahasalamana raha tsy efa mihombobe ny aretina. Nanao antso amin’ny fitondrana ny mpiandraikitra ny diosezy hijery akaiky ny fahasalamana. Manahirana ny  ady amin’ny valanaretina  Covid-19 fa mamono koa ny tazomoka any amin’ny faritra hafa.Efa nampandre ny tompon’andraikitra koa ny depiote ao Betroka sy ny any Amparafaravola fa mamely ny tazomoka any amin’izy ireo. Tsy ampy ny fanafody ho an’ny Betroka manokana, nidina tany amin’ny distrika nitondra fanafody kosa ny depiote avy any Amparafaravola.Vonjy A. L’article Taolagnaro: Frera roa matin’ny tazomoka a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry

Hita faty nihantona tao amin’ny trano iray, tetsy Ivandry, ny lehilahy karàna iray, tamin’ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy fantatra hatreto na namono tena na nisy namono izy. Rahalahin’i Moustapha, izay karohina noho ny raharaha fakàna an-keriny, ity namoy ny ainy. Mbola manjavozavo ny zava-nitranga, hatramin’ny omaly. « Efa naiditra am-ponja, teny Tsiafahy, niaraka tamin’ itsy rahalahiny itsy io Karàna hita faty io, nandritra ny Tetezamita farany, teto amin’ny firenena. Voarohirohy tamin’ny fanapoahana baomba teny amin’ny magazay lehibe iray tetsy Tsaralalàna izy roa lahy, tamin’izany fotoana izany », araka ny fanampim-baovao amin’ny mpitandro filaminana. Famotsiam-bola ? « Manomboka ny famotorana  momba an’io Karàna hita faty nihantona io izahay. Tsy vahiny aminay ny anarany satria voatonontonona matetika amin’ny fanaovana trafikana volamena izy sy ny rahalahiny (Naotin’ny fanoratana : Moustapha). Efa heno koa ny anaran’izy ireo tamin’ny raharaha famotsiam-bola mitentina telo hetsy dôlara isan’andro tao amina banky iray teny Antsahavola », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao teny amin’ny Zandarimaria no nahalalana fa isan’ireo karohin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava i Moustapha. « Voarohirohy amin’ny raharaha fakàna an-keriny karàna teto Madagasikara i Moustapha. Nisy nitifitra teny Analamahitsy izy, taona vitsy lasa izay, ka naratra mafy. Lasa nitsabo tena any La Réunion no nialany teto Madagasikara », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria. Ireo Polisy misahana ny heloka bevava (BC), izay manao ny famotorana momba an’izao tranga farany tetsy Ivandry izao, no miahiahy ny amin’ny mety ho fifandraisan’ny zava-nisy sy resaka valifaty. « Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho famonoantena. Ho hita eo ny marina, aorian’ny famotorana », hoy ny BC. L’article Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fampianarana ambony: hamaha ny olan’ny Seces Tana ny minisitra

Ny fotoana sisa. Nampanantena ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard, fa hifampresaka amin’ny Seces Antananarivo, manoloana ny olana sy ny fitakian’izy ireo. Tokony hotanterahina tsy ho ela izany, araka ny nambarany. Ankoatra izany, notsiahiviny fa tafiditra amin’ny veliranon’ny filoha Rajoelina ny fanabeazana ho an’ny rehetra sy ny fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana ambony. “Eo ny fametrahana onivesitre vaovao. Ny fanatsarana ny toeram- piasana, ny toeram-pikarohana, ny toeram-pampiarana ao anatin’ny vina koa. Hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa niatrika fihaonana indroa miantoana ny minisitra tamin’ity herinandro ity. Teo ny fihaonambe faha-56 ho an’ny Association for tropical biology and conservation (ATBC), tanterahina eny amin’ny CCI Ivato, hatramin’ny asabotsy izao. Lohahevitra:  “Ny biolojia tropikaly sy ny fandrosoana lovainjafy“.Fanomezan-danja ny fikarohanaAndrasana mandritra ity fihaonambe ahitana solontena avy amin’ny firenena maherin’ny 50 ity ny  vahaolana hanatsarana ny fandaharanasa momba ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ankoatra izany, nanatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena ataon’ireo oniversite 12 lehibe aty Afrika, natao tetsy Antaninarenina, koa ny minisitra. Nodinihina ny fampihenana ny tandindon-doza sy ny loza, ny fahafaha-miatrika sy manarin-tena samirery ary ny fandrosoana lovain-jafy. Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fanomezan-danja bebe kokoa ny fikarohana, antoky ny fandrosoana lovain’ny taranaka ny minisitra, araka ny nambarany.Synèse R.L’article Fampianarana ambony: hamaha ny olan’ny Seces Tana ny minisitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanoratra, mpihira: hamoaka ny “Rotsin-kalo I” i Thina

“Rotsin-kalo I”. Boky mirakitra ny asa soratr’i Thina Andriafaly izy io. Anaran’ny hetsika izay hotontosaina ny 28 jolay ho avy izao, etsy amin’ny espce Dera Tsiadana ihany koa. Hasehon’i Thina Andriafaly amin’izany ny maha mpanoratra azy, fa eo koa ny maha mpihira sy mpiantsa tononkalo azy. Mirakitra sanganasa navadika ho tononkira ihany koa mantsy ny “Rotsin-kalo I”, izay haseho voalohany amin’io fotoana io. “Efa an-taony maro no nanomanako ity boky ity. Efa ela toa izany koa ny niketrahana ireo hira hozaraina amin’io”, hoy ny nambaran’ity mpanoratra izay filoha lefitry ny Havatsa-Upem ity. Hisy mpanakanto mpitendry maromaro hanaraka azy mba hahafeno ny seho amin’io fotoana io. Raha tsiahiviny fohy, nanomboka nanoratra ny taona 1974 i Thina Andriafaly. Ny fandikana ny horonantsary tamin’ny fahitalavitra amin’ny teny malagasy, sy ny fanoratana poezia miady rima no nataony tamin’izany. Nanaraka avy eo ny tononkalo, ny tantara foronina, ny sombin-tantara, ny tononkira, sns. Niditra ho mpikambana tao amin’ny Omda, ny taona 1985, avy eo nanaraka ny Havatsa Upem, ny taona 1997 ary lasa mpikambana ny taona 2001. Nitana ny toeran’ny mpanolotsaina tao amin’ny fikambanana kosa izy, ny taona 2008, ary lasa fioha lefitra, ny taona 2014, hatramin’izao. Namoaka ny boky amboaran-tononkalo “Fitia voarafy I”, ny taona 2017 narahin’ny boky tantara foronina “Mpifamofo mandra-maty”. Zo ny Aina L’article Mpanoratra, mpihira: hamoaka ny “Rotsin-kalo I” i Thina a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Fiatrehana ny coronavirus: nifanosehana ny fizarana CVO teny Ivato

Tombony roa sosona be izao. Natolotra, omaly tao amin’ny kaominina Ivato ny arovava miisa 8035  avy amin’ny fanjakana. Teo koa ny fizarana ny tambavy CVO ho an’ny mponina eny an-toerana. Nitarika izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriantongarivo sy ny minisitra lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, i Angelo Zasy. Nahazo ny anjarany avokoa ireo fokontany miisa 13 eo anivon’ny kaominina ka roa avy isaky ny tokantrano. Nosokajina manokana ireo fianakaviana tena sahirana, tsy maintsy nizarana izany. Mila manao arovava avokoa ireo rehetra tsy  maintsy mivoaka ny trano. “Iharan’ny sazy ireo tsy manao izany manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao », hoy ny minisitra Lalatiana Andriantongarivo.Niditra tao an-tsena ny tomponandraikitraNiditra tao an-tsena nizara mivantana ny arovava izy ireo niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Ivato, i Penjy Randrianarisoa.  Samy nahazo ny anjarany ny rehetra.Nifanosehana sy nifanjevoana ny fakana ny CVO teny an-toerana. Nomen’ny tompon’andraikitra toromarika avokoa ny rehefa amin’ny fomba fampiasana izany na ny fisotroana ity fanefitra ity.Efa nitety ny kaominina 24 ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny ekipan’ny governemanta nizara ny arovava sy ny tambavy. Nahazo ny anjarany koa ny tao Talatamaty ary efa nisitraka izany ny tany Ambatolampy Tsimahafotsy…Tatiana AL’article Fiatrehana ny coronavirus: nifanosehana ny fizarana CVO teny Ivato a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ankadievo: lehilahy fito tratra nangalatra godorao sivy barika

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Alasora teny Ankadievo Alasora, ny 13 jona 2019 lasa teo, ireo lehilahy miisa fito voarohirohy ho nangalatra godorao. Fiaraha-miasa avy amin’ny fokonolona eny an-toerana sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria no nahafahana nisambotra ireto mpangalatra godorao ireto. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny alin’ny 13 jona 2019 manodidina ny tamin’ny 10 ora, nahazo antso avy amin’ny fokonolona ny polisy izay nilaza fa misy andian’olona mangalatra godorao eny amin’iny faritra Ankadievo iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina teny an-toerana avy harany. Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy ireo no hitan’ny polisy ka noraisim-potsiny taorian’ny fifanenjehana. Tratra tany amin’izy ireo ny godorao miisa sivy barika. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa efa mpamerin-keloka ny iray amin’ireto mpangalatra ireto. Naverina amin’ny tompony ireo godorao ireo.Jean Claude  L’article Ankadievo: lehilahy fito tratra nangalatra godorao sivy barika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ilahimaharitra : mety hifindra ao amin’ny FC Metz

Araka ny vaovao heno eo anivon’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, amin’izao foto­ana izao, fantatra fa mety hifindra ao amin’ny ekipan’ny FC Metz, diviziona voalohany ao Frantsa, Ilahimaharitra Marco, amin’ny taom-pilalaovana ma­na­raka. Efa naharitra teo amin’ny tapa-bolana mantsy izao ny nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, saingy tsy mbola nisy ny hevitra tapaka. Ao anatin’ny fanamboarana ny ekipany ihany koa mantsy ankehitriny ny FC Metz ary mitady mpilalao hitana ny toeran’ny irakiraka mpiaro ny mpanazatra. Raha tsiahivina, mpilalao ao amin’ny Charleroi SC, di­vi­ziona voalohany any Bel­zika, i Marco, 25 taona amin’izao fotoana izao. Nahatratra 27 ny isan’ny lalao vitany, tamin’ity taom-pilalaovana 2020 ity, ka nahatafiditra baolina roa izy, tamin’izany. Voasafidy ho anisan’ireo mpilalao 11 mendrika indrindra, tamin’ny “Jupiter Pro League”, ny tovolahy, nandritra izany. Miandry izay mety ho fizotran’ny fifanarahana izany ny rehetra. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar Ilahima­haritra Marco. Anisan’ny nampisongadina azy ny nahafatesany ilay “coup franc”, nandritra ny fihaonana nikatrohan’ny Ba­rea de Madagascar tamin’i Bo­ron­di, teo amin’ny lalaom-bondrona, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), notanterahina tany Egypta.TompondakaL’article Ilahimaharitra : mety hifindra ao amin’ny FC Metz a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika”
26/09/2020

 Manoloana ny firoboroboan’ny sarimihetsika amin’izao vanimpotoana izao sy noho ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny OFM Madagascar izao dia nanokatra fiofanana manokana izy ireo ho an’ireo izay te ho matihanina amin’ny sehatry ny filalaovana sarimihetsika. Ankoatra ny fanamarihana io vanim-potoana io, mikendry ny hanondrotra hatrany ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy no anisan’ny antom-pisian’i OFM Madagascar raha ny fanazavan’ny tale jeneraliny.“Manomboka efa mivoatra tsikelikely manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy. Na izany aza,  ilaina ny fiofanana mba hanome aina sy hitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona ny zavatra atao. Efa mihatsara ny fitaovana, fa tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika fa mila fandrindrana tsara. Tanjona ny ho avo lenta ny vokatra malagasy, toa ireny sarimihetsika vahiny ireny mihitsy ary mba hankatoavin’ireo fahitalavitra vahiny ny vokatra Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny OFM Madagascar, Ramaherison Hery Dimbiniaina.Hamokatra sarimihetsikaAzo vinavinaina fa hisy ihany koa ny famokarana horonantsary lalaovin’ireo mpiofana ao amin’ny OFM Mada, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana rahateo ny “art dramatique” handiavana ny  “master class”, ny senaristika, ireo fihetsika maro isan-karazany, sns, Eo koa ny fahalalana momba ny teatra. Iarahana amin’ireo matihanina efa milalao sarimihetsika mihitsy ity fiofanana ity, izay hotontosaina eny amin’ny foiben-toeran’ny OFM Madagascar, etsy Tanjombato. Ho an’izay liana, azo atao ny manoratra mivantana ao aminy tambajotran-tserasera fesiboky “OFM Madagasikara”. Tahaka izany ihany koa ireo izay vonona hanatsara hatrany ny sarimihetsika malagasy ka manana sosokevitra sy te hiaraka hiasa.Marihina fa manome lanja ny kolontsaina ny ivontoerana, indrindra ny fampiofanana ireo mpanakanto amin’ny sehatra maro sy amin’ny fahaizana mitady lalam-barotra, ho tia karokaroka.NarilalaL’article Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika” a été récupéré chez Newsmada.

Infrastructures : Les chantiers de l’Émergence soutenus par FED
30/09/2020

Certains projets d’infrastructures de Madagascar bénéficient de cofinancements de l’Union Européenne avec d’autres partenaires européens. 8 projets d’infrastructures dans trois secteurs d’activité sont signés et en cours de mise en œuvre, dans le cadre de la coopération de Madagascar avec l’Union européenne. 204 millions du 11e FED, soit plus de 856 milliards Ariary, sont destinés au financement de ces projets.  La réalisation des projets d’infrastructures figure parmi les plus grands défis du Plan Emergence de Madagascar (PEM). Selon le BACE (Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure), c’est pour leur importance dans le processus de développement, que les infrastructures sont considérées comme l’un des secteurs de concentration du Programme Indicatif National (PIN), financé par 11e Fonds européen de développement (FED). En effet, le programme « Infrastructures en support au développement économique » a été initié et mis en œuvre à Madagascar, bénéficiant d’un financement de 204 millions d’euros du FED. « Ce programme a pour objectif de contribuer à l’amélioration de la mobilité des personnes et des biens par l’amélioration des connexions routières. Il vise également à améliorer l’accès à l’électricité et à l’eau potable. Trois secteurs sont donc concernés par ce programme, à savoir le secteur routier et le transport, le secteur de l’énergie, l’eau et assainissement », a expliqué Fanilo Herizo Andriamalala, qui est en charge de ce Programme au sein du BACE. En cours de mise en œuvre. Madagascar et l’Union européenne ont décidé de passer à la vitesse supérieure dans la mise en œuvre de ce Programme « Infrastructures ». Huit projets sont à ce jour signés et sont mis en œuvre. Le BACE a cité le projet d’Appui institutionnel aux infrastructures qui bénéficie d’un financement de 6 millions d’euros du FED et vise l’amélioration de la gestion de la durabilité des infrastructures de service ; le projet de modernisation de réseaux routiers (phase I) qui concerne la réhabilitation de la RN6 et la RN13, pour un financement de 115 millions d’euros du FED, 114,7 millions d’euros de la Banque européenne d’investissement (BEI), et 4,1 millions d’euros de l’Etat malagasy. L’objectif de ce projet est de contribuer à l’amélioration de la mobilité des personnes et des biens, par la réhabilitation de ces routes nationales. Le troisième projet est celui de la construction de la rocade Est et Nord-Est d’Antananarivo, pour un montant total de 62,9 millions d’euros, dont 4,9 millions d’euros du FED, 24 millions d’euros de l’Agence française de développement (AFD), 28 millions d’euros de la BEI, 6 millions d’euros de l’Etat malagasy. Ce projet vise à améliorer la mobilité des personnes et des biens à l’intérieur de la Capitale de la Grande Ile. Le quatrième est le Projet intégré d’assainissement de la ville d’Antananarivo (PIAA), financé à hauteur de 34,1 millions d’euros, dont 3 millions d’euros du FED, 25 millions d’euros de l’AFD et 6,1 millions d’euros de l’Etat malagasy. L’objectif pour celui-ci est d’améliorer les conditions de vie des habitants de l’agglomération d’Antananarivo. Le cinquième projet est le désenclavement et l’assainissement des quartiers prioritaires de l’agglomération d’Antananarivo (Lalankely III), financé à 26,3 millions d’euros, dont 3 millions d’euros du FED, 19 millions d’euros de l’AFD et 4,3 millions d’euros de l’Etat malagasy. Cette enveloppe vise à améliorer les conditions de vie dans les quartiers les plus défavorisés de la Capitale. Diversifiés. Le sixième projet concerne l’aménagement des corridors et de la facilitation du commerce, incluant la réhabilitation de la RNT 12 A et la RN9. Le financement de ce projet s’élève à 183,1 millions d’euros, dont 39,9 millions d’euros du FED, 137,5 millions d’euros de la Banque africaine de développement (BAD), et 5,6 millions d’euros de l’Etat malagasy. Ce projet vise l’amélioration de la connectivité de Madagascar avec les pays de la sous-région, en vue de l’accroissement des échanges commerciaux. Le septième projet est le Water II en appui à la Jirama. Celui-ci bénéficie d’un financement de 73,2 millions d’euros, dont 29,2 millions du FED, 35 millions d’euros de la BEI, 2,5 millions d’euros de l’ONG WSUP et 6,5 millions d’euros de l’État malagasy. Ce projet contribuera à l’amélioration de l’accès à l’eau potable à Madagascar. Enfin le huitième projet est celuui de la Ligne de crédit « Sunrise Madagascar » qui est financé à hauteur de 39,9 millions d’euros, dont 2,9 millions d’euros du FED, 25 millions d’euros de l’AFD, 2,5 millions d’euros des banques participantes au projet et 6 millions d’euros du porteur du projet. Celui-ci se fixe comme objectif la facilitation de la transition énergétique et la croissance économique du pays. Antsa R. L’article Infrastructures : Les chantiers de l’Émergence soutenus par FED est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Infrastructures : Les chantiers de l’Émergence soutenus par FED a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Voaroba ny vola, lasa hatramin’ny… Baiboly: mpanendaka iray maty voatifitry ny Sag tetsy 67 ha
28/09/2020

Maty voatifitry ny polisin’ny Sag ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanendahana vehivavy handeha hivavaka, omaly tamin’ny 4 ora maraina teny 67 ha Atsimo (Arret 30). Lasan’ireo jiolahy ny vola teny aminy. Eny, hatramin’ny…  Baiboly koa aza, voaroba. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, mpanendaka miisa telo niaraka tamin’ny sabatra lavalela no nanendaka lehilahy iray saika hanatitra olona eny 67 ha. Rehefa azon’ireo jiolahy ny vola sy ny entana teny aminy, nanendaka ity vehivavy handeha hivavaka ity indray ry zalahy. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tamin’izay indrindra anefa no nisy polisy nanao fanamiana sivily efa nihantsona teny amin’ny faritra 67 ha iny ka nanenjika azy ireo raha vantany vao nahita ilay sabatra sy ilay vehivavy voaendaka. Saika hanohitra ka nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany ireo olon-dratsy. Niaro tena ny polisy ka nitifitra ireo olon-dratsy. Vokany, voan’ny bala teo amin’ny takibany ny mpanendaka iray. Noho ny ratra mafy nahazo azy, tsy avotra intsony ny ain’ity jiolahy ity. Tafaporitsaka kosa ireo mpanendaka roa naman’ity jiolahy lavon’ny polisy ity.Jean ClaudeL’article Voaroba ny vola, lasa hatramin’ny… Baiboly: mpanendaka iray maty voatifitry ny Sag tetsy 67 ha a été récupéré chez Newsmada.

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona
28/09/2020

Anisan’ireo mpanakanto malagasy, manana ny maha izy azy, eo amin’ny tontolon’ny hosodoko, i Jean Andrianaivo Ravelona. Maro ny fampirantiana efa nandraisany anjara. Tsy vitsy ireo fankasitrahana efa natolotra azy. Mitohy hatrany izany…Ny talenta, tsy mba mihiboka! Nanomboka ny 19 septambra teo ilay fampirantiana ‘’Solitude Urbaine” hampisehoana ny sanganasan’ireo mpanakanto nandritry ny fihibohana. Hetsika karakarain’ny departemantan’ny kolontsaina eo anivon’ny Ville d’Asnières. 16 ny isan’ny mpandray anjara, mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Château d’Asnières, ka anisan’ny nasaina i Jean Andrianaivo Ravelona, teratany Malagasy, andrarezin’ny sary hosodoko tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ampitan-dranomasina. Ireto lohahevitra ireto no asehony ao anatin’ny sanganasany mandritra ity ranty “Solitude Urbaine” ity:  ”Fifehezana ny Corona”, ny “Fiverenana an-doharano”, ny “Lovakolo Anatirova”.Ny fahatsapana voaray teo am-panaovana ny sanganasa: “aretina tena mpandripaka ain’olona maro ity Covid-19 ity. Hanova fomba fanao, handrava ny soatoavina, hanimba zavatra maro” Manoloana izany, ny hafatra voary dia toy izao: azo fehezina izao Coronavirus izao. Amin’ny fomba maro ny ahitan’olombelona azy, isan’izany ny fiverenana amin’ny loharano”, hoy i Jean Andrianaivo Ravelona, raha namintina ny hevi-dehibe asehon’ny sanganasany voalohany.Ho an’ny tabilao faharoa indray, nambarany fa: “Madagasikara, tany masina, anisan’ny tranainy. Ahitana taratra izany ireo harena ambanin’ny tany, ny zavamaniry, ny zavamananaina, ny mponina ao aminy fahizany. Amin’ny alalan’ny vakoka no hitarafana izany harena sarobidy izany. Misy fahendrena lalina, misy fampianarana, fahalalana maro raiketin’ny vakoka. Ny vakoka no mitahiry ilay hasina hatrany am-piandohana. Ny vakoka, sekoly lehibe hiampitan’ny hafatry ny olobe, fahalalana, fahendrena, soatoavina. Mba haharaisana izany hafatra sarobidy izany, mila averina amin’ny toerany sy amin’ny maha izy azy ny vakoka. Averina amin’ny hasiny ny vakoka… Tsy fanitsaka an-tampon-doha ny vakoka. Ny fiverenana an-doharano, io ny vahaolana ho an’i Madagasikara. Fihainoana ny olobe mpikajy ny vakoka, ny fanatanterahana ny hafatra nipetraka amin’izy ireo… Tany manan-jina i Madagasikara ka tsy azo asian-dratsy na hitsahina hasina!”.Marihina fa tanàna manan-tantara i Asnière satria nivahiny sy nanao hosodoko tao ireo artista “impressionnistes” malaza fahiny, toa an-dry Van Gogh, i Pissaro, i Cezanne, sns. Maro ireo hosodoko nataon’izy ireo momba an’i Asnières sy ny manodidina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Fahadiovana sy filaminana eto Iarivo :: Hahazo fiofanana tsy ho ela ireo solontenam-pokontany
29/09/2020

Mitohy ny fampiofanana, izay mizara andiany roa ambin’ny folo, amin’ny fampahafantarana ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana na (CMH) eto Antananarivo renivohitra. Amin’ny tapaky ny volana oktobra kosa vao hiatrika an’io fampiofanana io ireo solontenam-bahoaka eny ifotony, izany hoe ireo solontena isam-pokontany arakaraka ny sokajiny avy. Tombanana ho vita, raha afaka roa volana, hatrany izao fanentanana izao mialoha ny hampiharana an’ireo fehezan-dalàna, araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Tsiahivina fa natomboka tamin’ireo solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly na  Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA sy solontenan’ny manamahefa isan-tsokajiny, tamin’ny herinandro lasa teo, ity fampiofanana ity. L’article Fahadiovana sy filaminana eto Iarivo :: Hahazo fiofanana tsy ho ela ireo solontenam-pokontany est apparu en premier sur AoRaha.

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”
24/09/2020

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19
28/09/2020

Tsy re tsaika. Niampy iray indray ireo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. Avy any Menabe izy io ary nodimandry ny asabotsy teo. Tafakatra 229 izany izao ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ny Coronavirus hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy andaniny, miisa 36 ireo tranga, afakomaly, raha 28 kosa izany ny alahady. Izany hoe, miisa 64 ireo nifindran’ny valanaretina tao anatin’ny roa andro. Ny roa amin’ireo, olona vao tonga avy atsy Nosy Maorisy. Efa nisy enina hafa, ny herinandro teo, avy any Eoropa nitondra koa ny tsimokaretina.Valo ireo avy any ivelany mitondra ny CoronavirusMiisa valo izany ireo avy any ivelany nifindran’ny Covid-19. Miisa 165 kosa ireo tranga vaovao teo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 25 septambra teo.Etsy andaniny, mbola mamahatra tanteraka any Diana ny Coronavirus. Miisa 24 ireo tranga vaovao ny asabotsy ary 15 kosa izany ny alahady.Niampy roa ireo anaty fahasarotana ka tafakatra 17 izany izao ireo « forme grave ». Tsy nisy koa ny sitrana, omaly, raha miisa 55 izany afakomaly. Tafakatra 14 992 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 285. Mbola miisa 1 132 ireo tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

EST-Vital Serge: “Miainga amin’ny fototra ny fampandrosoana ny fanatanjahantena”
29/09/2020

Naneho ny heviny mahakasika ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny filohan’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar” (EST), i Vital Serge. Miainga amin’ny fototra, hoy izy, ny fampandrosoana maharitra ho an’ny fanatanjahantena ary tokony hisy politika matipaika hahatanterahana izany.Gazety taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fanatanjahantena eto Madagasikara?Vital Serge (-): Amiko, somary mbola lavitra ezaka ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto amintsika satria amin’izao fotoana izao, tsy manana taninketsa isika, tsy manana mpilalao matihanina noho ny tsy fisian’ny sekoly ho an’ny fanatanjahantena. Mampalahelo ny mahita ireo mpila ravinahitra marobe mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy noho ny tsy fisian’ny mpilalao gasy avy eto an-toerana matihanina.*Inona ny olana amin’ny fitantanana ny fanatanjahantena?-Tsy misy ny “travail de fond” na ny fijerena ny fototra tena hampivoarana ilay fanatanjahantena. Marina fa ilaina ny fananganana kianja manara-penitra, saingy ny fototra no tena tokony himasoana aloha. Tsy fantatra ny tena filàn’ny mpilalao sy ireo atleta. Raha misy aza ny “travail de fond”, hatao amin’ny fihatsarambelatsihy sy entina hisehosehoana fotsiny. Izay ny tena olana amiko.*Inona ary ny politika hampivoarana ny fanatanjahantena?-Mila mifantoka bebe kokoa amin’ny fototra, ohatra, ny fananganana sekoly ho an’ny fanatanjahantena isaky ny taranja, isaky ny faritra, toy ny Espoirs sportifs. Raha hanangana fotodrafitrasa, tokony hasiana kelikely avokoa manerana ny Nosy. Tsy tokony horefesina amin’ny fananganana kianja manara-penitra ny fampivoarana ny fanatanjahantena.*Vonona ve ianao hiara-hiasa amin’ny mpitantana ny fanatanjahantena eto Madagasikara?-Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra aho. Efa nisy fotoana, nangataka tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena aho, hiara-hiasa an-tsitrapo tsy karamaina, tamin’ny taona 2018 ary mbola miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’izy ireo. Tsy fantatro raha mbola tsy tonga any amin’ny tomponandraikitra ny hafatro na niniana tsy nojerena fa mbola miandry aho, hatreto. Ilaiko ny hanomezan’izy ireo izay fankatoavana ny fiaraha-miasa aminy izay hahafahako mitondra ny hetahetako amin’ireo olona afaka hanampy ny fanatanjahantena malagasy. Raha mitovy ny tanjona amin’ny fampivoarana ny fanatanjahantena, vonona aho. Mi.RazL’article EST-Vital Serge: “Miainga amin’ny fototra ny fampandrosoana ny fanatanjahantena” a été récupéré chez Newsmada.