COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021

News - Santé - COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021

News - Santé - COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

⭕ Isan’ny nanaovana fitiliana: 587
⚠ Tranga vaovao: 16
9 Analamanga
1 Diana
3 Vakinankaratra
2 Atsimo andrefana
1 Melaky
✅ Sitrana: 62
⚠ Tranga misy fahasarotana: 115
✝ Namoy ny ainy: 05
4 Analamanga
1 Matsiatra ambony

COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021

L’article COVID-19: ANTONTAN’ISA NY 07 JONA 2021 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kick-boxing – ady fihantsiana: hahazo 1tapitrisa ar avokoa ireo tompondaka

Ilay ady fihantsiana, tanterahina any Fianarantsoa, amin’ny faran’ny volana marsa ny hetsika voalohany ho an’ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja haiady Kick-boxing. Nambaran’ny tale teknika nasionaly, i Anigael Gastros, ady 7 no hitranga amin’io ka hotolorana lelavola 1tapitrisa ar avokoa ireo mpandresy. Afaka 40 andro aorian’io kosa, eto Antananarivo no handray izany ady fihantsiana izany, tsy miova, hahazo tambin-kasasarana 1 tapitrisa ar hatrany ireo tompondaka. Nohamafisin’ny tale teknika, ireo ekipa nasionaly 6 nentina niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tamin’ny herintaona ireny no hitadiavana mpifanandrina aminy, hiampy mpikatroka sangany mahafeno ny fepetra. Tafiditra anatin’ny fanomanana sahady ireo solontenantsika, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, atao any Rosia, ny 4 hatramin’ny 15novambra izany. “Aorian’ireo ady fihantsiana ireo, samy hanatontosa ny fiadiana ny tompondakany avokoa ireo ligim-paritra, eo anelanelan’ny jona sy jolay, mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny septambra. Miankina amin’ny fivoriamben’ny federasiona, tanterahina ato ho ato kosa no hahafantarana izay ligim-paritra handray izany fifaninanam-pirenena izany”, hoy hatrany ingahy Tale teknika nasionaly. Mahakasika ity taranja ity hatrany, mety hisy fifaninanana iraisam-pirenena, hatao eto, saingy hiankina tanteraka amin’ny toe-draharaha ara-pahasalamana maneran-tany, indrindra ny eto Madagasikara. Ho lazaina amin’ny fotoana manaraka ihany, hoy i Anigael Gastros, ny mahakasika izay, raha toa ka milamina ny zava-drehetra. Manodidina ity taranja kick-boxing ity ihany, ny faran’ny herinandro teo no nanatanteraka ny fivoriambe fanao ara-potoana ny teo anivon’ny ligin’Analamanga. Tonga nanatrika izany ireo seksiôna efatra sy ireo fianakaviambe eo anivon’izany ligy izany, izay nahazo fankatoavana, hanohy hatrany ny fitantanana. Mi.RazL’article Kick-boxing – ady fihantsiana: hahazo 1tapitrisa ar avokoa ireo tompondaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy”

“Ny fifanatonana sy ny fahaiza-mandresy lahatra no hetsika lehibe hahazoantsika an’ireo Nosy malagasy ireo. Tsy ho azontsika ireo raha irotorotoantsika, fa tsy vonona amin’izany isika.” Io fanehon-kevitry ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble.Tokony ho olona mahay ny tantara sy mahay fifandraisana iraisam-pirenena no alefa miresaka amin’izany. Mibaiko sy mahita ny hanaovana ny fandresen-dahatra na fanerena ny amin’ny hahazoana an’ireo Nosy ireo.“Raha hilahatra isika : tsy homeny ireo, fa misy fifanatonana hatao amin’i Frantsa”, hoy izy. Efa nisy ny fehinkevitry ny ONU ny taona 1979, nefa tsy mihatra hatramin’izao.Raha azo ireo Nosy ireo, lasa any amin’ny faritanin’iza ary iza no hitantana azy? “Tsy vitantsika  koa izany. Mbola miroaroa saina isika. Inoana no mahamaika antsika ho any? Ny eto aza, tsy vitantsika ny mandrindra azy“, hoy ihany izy.R.Nd.L’article HCDDED: “Fifanatonana no hahazoana ireo Nosy malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa

Hitohy ny fijerena manokana ireo mponina tsy manan-kialofana ny matory eny an-dalambe, hoy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Andriantseheno Paul, omaly nandritra ny famindrana ny fitantanana teo aminy sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Efa misy ny tetikasa handraisana an-tanana azy ireo, araka ny paikadin’ny minisitera. Nizara sakafo mafana sy lamba firakotra amin’ireotoerana vitsivitsy nisy ireo tsy manan-kialofana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Ireo tunnel telo eto an-dRenivohitra : Ambanidia, Ambohidahy ary Behoririka no notolorana fanampiana. 250 ireo nomena sakafo mafana, 50 amin’ireo vehivavy mampinono sy mitondra vohoka ary nahazo botofotsy koa. Nanambara ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah fa tohin’ny fidinana efa natao tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo, no natao ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy misy tahirim-bola manokana hanaovana ny hetsika fa fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. Eo am-pamolavolana ny fananganana village communautaire ny fitondram-panjakana. Mamantatra ireo olona tokony hahazo trano amin’izany village communautaire izany ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Efa manana toerana any Ankarefo ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana izao. Amin’ity taona ity,  vinavina ny hanangana toerana hafa any Vinaninkarena, kaominina ambanivohitra Antsirabe. Asiana toeram-pambolena sy fiompiana hiveloman’ny mpifindra monina ny tanàna vaovao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra

“Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Niainga avy amin’io lohahevitra io ny fiaraha-nidinika nataon’ny tompon’andraikitra samihafa, avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny faran’ny herinandro lasa teo.Ambany dia ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika, manodidina ny 12 %, raha efa mahita 15 % ny firenena sasany aty Afrika, samy eo an-dalam-pandrosoana. « Tsara ho fantatra anefa fa misy olona 13 tapitrisa azo takina hetra eto Madagasikara. Ireo olona ireo anefa, miaina ao anatin’ny fahantrana. Afaka mandoa hetra izy ireo raha mihatsara ny fari-piainany », araka ny fanamarihana nataon’ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena iray CCOC (1), Radert Ony.Tsy hita taratra ny fandoavan-ketra raha avy amin’ny vola miditra na ny IR (Impôt sur le revenu). « Ambany indrindra ny IR avy amina orinasa na avy amin’ny isam-batan’olona », hoy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain. Tsy misy afa-tsy 1,61 % ny IR na 51,3 miliara ariary ny taona 2018, amin’ny hetra rehetra miditra, araka ny tarehimarika navoakan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny toekarena, Crem (2). Andraisan’ny fanjakana volabe indrindra hatramin’izao ny TVA, 39,14 %.Tsy mazava ny fampiasam-bolaTsy mazava ny fampiasam-bolam-panjakana ary tsy hita firy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny fahitan-dry zareo mpandaha-teny azy, 4,88 % avy amin’ny hetra ihany ny hoentina mampihena ny elanelana eo amin’ny lafiny sosialy; 12,20 % ny mba mandeha any amin’ny asa fampandrosoana, manamarina izany ny fiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany. Izay tsy fahitana ny fiantraikany izay no anisan’ny tsy mampazoto ny Malagasy mandoa hetra.Ezaka lehibe, noho izany, ny fanentanana ny olom-pirenena handoa hetra. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fa lavitra ezaka. « Mikendry hahatratra 15 % amin’ny taona 2023 ny fitondrana amin’izao fotoana izao fa mila mangarahara ny hahatongavana amin’izany », hoy ny tale jeneraly, i Germain.Somary natsahatra ny volana mey teo aloha ny fanaraha-maso momba ny hetra. Nilaza ny ao amin’ny foibe misahana izany fa manao fandaminana mialoha ny hanohizana azy, izay mbola tsy nambara. Jerena avokoa ny lafin-javatra rehetra. R.Mathieu CCOC (1) : Collectif des citoyens et organisations citoyennesCrem (2) : Cercle de réflexion des économistes de MadagascarL’article Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina

Tamin’ny feo tony sy milamina. “Nidina an-keriny ary nanorina trano tsy ara-dalàna etsy amin’ny tanim-panjakana etsy Alarobia Raholdina Naivo. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana  hanorina. Tsy misy koa ny fanamarinana ny maha azy ny tany ka tsy maintsy naka fepetra ao anatin’ny  fanarahana ny lalàna ny fanjakana”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny  Fanajariana ny tany, Raharison Liva, notronin’ireo tale jeneraly miisa valo eo anivon’ny ity minisitra ity, omaly tetsy Anosy. Nambaran’izy ireo fa efa  ampiantsoina sy nangatahina ny antontan-taratasy rehetra ity olon’ny IRD ity, saingy tsy nahita taratra ny maha azy ny tany  izany.  “Tsy maintsy nakatona sy nogiazana ny toerana… Tsy ananan-kavana ny raharaha  tahaka izao. Rehefa vandana dia kary… Azy manokana indray ny fanenjehana sy ny  fanaratsiana… Tompon’andraikitra amin’ny nambarany izy. Tsy manenjina azy amin’izany ny minisitera”, hoy ihany izy ireo.Kianjan’ny rugby eny Soavimasoandro Tsy vitan’izany fa mbola nofoanan’ny fanjakana koa ny fifampivarotana sy ny fahazoany “titre”,  miaraka amin’ny olona hafa maromaro, ny tany etsy amin’ny kianjan’ny rugby Soavimasoandro, mitondra ny anarana “Fanantenana Hanitriniala”.Fotoana koa io nanambaran’ireo tale jeneraly ireo ny momba ireo tanim-panjakana namidy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ka nanaovana antso avo ny amin’ny tokony hamerenana  izany. “Misy ireo mbola karohina sy tadiavina. Eo koa ireo efa namerina ny tany.  Anisan’izany ilay nahazo ny zaridainan’Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy. Efa niverina amin’ny minisitera ny tanin’ny EPP any Toliara sy ny velaran-tany 230 ha nampanofaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”, hoy ihany izy ireo.Randria   L’article Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro

Namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary, tany Andohamandry-Mangamila, any Anjozorobe, afak’omaly hariva, ny lehilahy iray voatondro ho mpampitondra faisana ny mponina tany Sadabe, Mangamila hatrany Anjozorobe. Malaza amin’ny fanafihana sy fandrobana amin’ny endriny maro izy. Angom-baovao momba ny fanomanana fanafihana iray tany Andohamandry no niaingan’ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ ny fisamborana an’ity lehilahy ity sy ny namany. Zandary dimy, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Sadabe, no nanatanteraka ny hetsika. Velona avy hatrany ny tifitra, vantany vao nahita an’iretsy mpitandro filaminana ireo andian-dehilahy, araka ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria any an-toerana. Tra-tehaka, taorian’izay, ny basy MAS 36 mbola feno bala, niaraka tamin’ny ny sakaosy iray feno ody gasy, kiririoka ary kara-panondro. Naterina any amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa ao Sadabe ny razana hozahan’ireo mpitsabo mialoha ny handevenana azy. Volazan’ireo mponina fa “sady manolana ankizy, mamono ary maka omby no tena nampalaza an’ity lehilahy lavon’ny balan’ny zandary ity”. L’article Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy

Nisokatra, ny faran’ny volana jolay lasa teo ary haharitra hatramin’ny 14 aogositra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo maniry hifaninana amin’ilay fifaninanana « Prix de bonnes pratiques en éducation physique de qualité (EPQ). Tetikasa, nomena ny anarana hoe « Fanoitra », karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tafiditra indrindra anatin’ny famolavolana ilay Vinan’asa Kazan an’ny Unesco. Araka ny loharanom-baovao, hisitraka famatsiam-bola 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpifaninana mendrika ary hahazo ny anarana ho mpandray anjara mendriky ny EPQ ho amin’ity taona 2019 ity.Mariiana fa hatao ny 16 sy 20 aogositra izao ny fisafidianana ny antontan-taratasin’ireo mpandray anjara ka hamoahana izay dimy mendrika indrindra. Ny 23 aogositra izao kosa ny hamoahana ireo anarana ireo amin’ny fomba ofisialy.Misy ny fepetra tsy maintsy arahina ao anatin’ity fifaninanana ity ary azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena www.mjs.gov.mg izany. Eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena na ny Complexe scolaire Ampefiloha, na eny amin’ny biraon’ny DRJS manerana ny Nosy, ny hahafahana manatitra ny antontan-taratasy hifaninana, afaka alefa amin’ny adiresy mailaka ihany koa anefa, araka ny fanazavana hatrany. Mi.RazL’article Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - News Mada

Fanahiana fanakorontanana : nosamborina ary naiditra eny Antanimora i Rolly Mercia

Voasambotra tao an-tranony eny Ambolokandrina, omaly maraina, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Rahajason Harry Laurent, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rolly Mercia. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora avy hatrany avy eo.Taorian’ny nanaovana fanadihadiana azy, te­ny anivon’ny kaomisaran’ny polisy etsy Tsara­lalana, mbola nosavain’ny mpitandro filaminana ihany koa ny tranony. Hatreto, tsy fantatra mazava ny anton’ny nisamborana io minisitry ny Serasera teo aloha io. Misy ny milaza fa voasaringotra tamin’ilay fitarihana fikomiana sy fanakanan-dalana teny Ambohipo, ny alatsinainy teo, izy. Nambaran’ny lo­haranom-baovao iray fa na­na­karama ireo mpitokona ta­min’ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar i Rolly Mercia. Mbo­la misy koa ny vola nampanantenainy an’ireo lehilahy voasambosatra tamin’izany mba hanaovana hetsika hafa izay saika eran’ny Cité ipetrahan’ny mpianatra eny Ambohipo, Ankatso 1 sy An­katso 2. « Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Tsiahivina fa nitaky ny famoahana an’i Berija ireo efa-dahy voasambotra, ny alatsinainy teo, nitondra sorabaventy sy sainam-pirenena teny Ambohipo. Mbola nandoro kodiarana koa ireo andian-jatovo ireo ka noravan’ny polisy tao anatin’ny minitra vitsy.Vanim-potoana manokana sy hamehana ara-pahasalamana Manoloana izany rehetra izany, mazava ny an’ny fanjakana. Ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena. Vanim-potoana ma­­nokana ary miatrika krizy ara-pahasalamana. Tokony hi­araha-miatrika izany satria ady iombonana. Tafiditra amin’ny fe­petra amin’izao hamehana izao ny famerana ny fahalalahana mba tsy hampidi-doza ny firenena. Tahaka izany koa ny fanakorontanana na famafazana lainga sy tsaho na lahateny, mety manohintohina ny fiainam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka. Voarara tsy azo atao koa ny famori­am-bahoaka na hetsika an-dalambe. Mety hiteraka ny fipoahana ara-tsosialy izany. Midika izany fa tsy maintsy noraisina avokoa ny fepetra rehetra tsy hahatongavan’ny firenena amin’izany.Henintsoa HaniL’article Fanahiana fanakorontanana : nosamborina ary naiditra eny Antanimora i Rolly Mercia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny Covid-19…: nanome toromarika ny BIS sy ny BMM4 ny MDN

Araka ny hevitra tapaka tamin’ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo, maromaro ireo toeram-pitsaboana vonjimaika hatsangana handraisana sy hikarakarana ireo mararin’ny Covid-19 mampiseho soritr’aretina. Manoloana izany, manome toromarika ireo miaramila ao amin’ny vondrona BMM (Bataillon multi-missions) sy ny BIS (Brigde d’intervention spéciale) ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard. Efa miasa ary azo antsoina amin’ny fotoana rehetra ny 914, araka ny nambaran’ny dokotera, ny Lt Kly Ravaoavy Hariniaina, avy ao amin’ny BIS. Ny BIS dia miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fisahanana ny marary. Tafiditra amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo ny fanaterana fanafody ho an’ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ka mihiboka sy manaraka fitsaboan-tena any an-trano. Nanomboka nizara ireo fanafody ireo manerana ny boriborintany efatra eo Antananarivo, araka izany, ny teo anivon’ny BMM4 sy ny BIS, omaly. Momba ny antso vonjy amin’ny 914 kosa, mamerina miantso sy manadihady ny marary ny avy ao amin’ny BIS handraisana ny fanapahan-kevitra. Nanamafy ny MDN fa ny fifanomezan-tanana sy ny fanarahana ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana ary ny fanajana ny fihetsika sakana no ahafahana misakana ny fiparitahan’ny valanaretina.Jean ClaudeL’article Ady amin’ny Covid-19…: nanome toromarika ny BIS sy ny BMM4 ny MDN a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Notsongaina

Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit :
14/06/2021

Les Îles Glorieuses qui se trouvent parmi les îles Éparses sont officiellement classées « Réserves naturelles françaises ». Le décret a été publié dans le journal officiel français du 10 juin dernier. Il s’agit de la 170e réserve française. La déclaration du président Emmanuel Macron sur la Grande Glorieuse le 23 octobre 2019  avait précédemment soulevé des vagues d’indignation, « Ici c’est la France, c’est notre fierté, notre richesse. » Le parti Otrikafo a réagi face à ces dispositions. Selon son Secrétaire Général Elia Rabevahiny, « les deux parties sont pourtant en pleine négociation ». Il s’étonne, par ailleurs, du silence observé par les tenants du pouvoir. Il estime ainsi qu’il faudrait procéder à une mobilisation nationale. Faut-il rappeler que ce parti n’a cessé de revendiquer la restitution des Îles Éparses à Madagascar.  Recueillis par Dominique R.   L’article Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit : est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit : a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE
17/06/2021

30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Harilalaina, omaly. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny herintaona. Nanomboka ny 26 mey ny fanaovana ny CEPE andrana ho an’ny Cisco ary fanadinana andrana faharoa ny notanterahina ny talata lasa teo miaraka amin’ny Zap enina. Latsaka ny vokatra ho an’ny andrana voalohany ary efa nanao fanarenana ny mpanabe. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny valin’ny andrana faharoa. Efa misy rahateo ny sampandraharaha misahana ny kalitaon’ny fampianarana manampy hanarina ny lesoka mialoha ny tena fanadinana ny 6 jolay. Efa miomana ny tomponandraikitra amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Hamafisina avokoa ny fepetra efa nampiharina tamin’ny CEPE 2020 hiarovana ny mpiadina manoloana ny valanaretina Covid-19.Vonjy A.        L’article Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE a été récupéré chez Newsmada.

ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy
20/06/2021

Manana ny mampiavaka azy ny POESAM 2020. Notanterahina  ny  18 jona 2021 teny Ankorondrano ny fizarana ny amboara sy ny loka ho an’ireo tetikasa malagasy mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy mendrika  indrindra  ka nandray anjara tamin’ny fifaninanana POESAM (Prix  Orange  de l’Entrepreneur Social  en Afrique et  Moyen-Orient ), taona 2020. Tetikasa 12 tamin’ireo 40 nandray anjara no voasafidy tamin’ity fifaninanana ity ho an’ny eto an-toerana. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny firenena afrikana ireo tetikasa malagasy telo voalohany.  Nandrombaka ny loka voalohany ny tetikasa Andao Share. Tetikasa mampifandray  ireo mpamatsy vola sy  ireo  fikambanana manana tetikasa ho fampiroboroboana ny vehivavy, ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara  izy ity. Ny tetikasa  Healthea, mifototra amin’ny fanomezana pasipaoro ara-pahasalamana  amin’ny alalan’ny fampiasana ny QR code apetaka amin’ny karatra na “bracelet”  sy  “plateforme en ligne”  no nahazo ny  loka faharoa. Natolotra ny tompon’ny  tetikasa Mapwess  ny loka fahatelo.”Plateforme en ligne” mampifandray ny mpianatra sy ireo oniversite any ivelany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovao izy ity.Ny fanamorana ny fisafidianana ny anjerimanontolo sy dingana arahina no tanjona eto. Anisany  nampiavaka ny  POESAM 2020 teto amintsika ny ny fanomezana loka ho an’ny tetikasa mifandraika amin’ny Covid-19. Ny tetikasa Rem’Aide, “application mobile” manampy ny marary amin’ny fitadiavana vaovao momba ny toe-pahasalamany sy  manampy ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fitantanana sy fandrindrana ny asany no nahazo izany loka izany. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny loka natokana ho an’ny sokajy vehivavy ka ny tetikasa Alt Soap no nahazo ny amboara.  Tetikasa miompana amin’ny famokarana savony  ary ho zaraina amin’ireo marefo, indrindra ireo fikambanam-behivavy  izy ity. Aorian’izao dia hahazo tohana hampiroboroboana ny tetikasany ireo nahazo loka ireo. Nanatevin-daharana amin’ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny Orange Madagasikara hanampy amin’ny fanosehana ireo tetikasa hiroborobo ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar).Marihina fa feno 10 taona no nikarakaran’ny Orange Madagascar ity fifaninanana manohana ireo  tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy ity. Ra-Nirina Cet article ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Bilan Covid-19 : 31 nouveaux cas et 3 décès le 17 juin
19/06/2021

La Covid-19 est toujours présente. C’est ce que font comprendre les statistiques publiées le 17 juin dernier, qui affichent trois nouvelles pertes humaines dans tout Madagascar. Des faits qui devraient être pris au sérieux et qui devraient rappeler l’importance du continuel respect des gestes barrières. Et ce, bien que les statistiques soient à la baisse et qu’il y ait eu une première phase de campagne de vaccination contre la maladie. Outre les pertes humaines, les statistiques du 17 juin dernier notent trente-et-une nouvelles contaminations à la maladie. Des nouveaux cas sont enregistrés dans la capitale malgache, si l’on se réfère toujours aux données officielles. Lesdits cas ont été enregistrés à Tanà Ville, Atsimondrano, Avaradrano et Ambohidratrimo. Recueillis par José Belalahy L’article Bilan Covid-19 : 31 nouveaux cas et 3 décès le 17 juin est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 : 31 nouveaux cas et 3 décès le 17 juin a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao
15/06/2021

Ny alahady 13 jona teo, olona roa no matin’ny covid-19 ka ny iray tany Matsiatra Ambony ary ny iray tany Atsimo Atsinanana. Olona vaovao 15 tamin’ireo 470 nanaovana fitiliana kosa no mbola nahitana ny tsimokaretina. Teto Analamanga avokoa ny 10 tamin’ireo ary tany Matsiatra Ambony ny telo, tany Ihorombe ny roa. Nisy olona 25 sitrana soa aman-tsara.Na izany aza, mbola 95 ireo olona marary mafy eny amin’ny hopitaly vokatr’ity valanaretina covid-19 ity. Maharitra ela ny fitsaboana ny sasany tamin’izy ireo noho ny aretina mitaiza azy, izay mampanano sarotra ny fitsaboana rahateo.Tsikaritra fa efa nidina ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina, ankeitriny. Na izany aza, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiarovan-tena rehetra, indrindra amin’izao fisokafan’ny sehatr’asa rehetra izao.Mila hajaina fatratra ny elanelana iray metatra sy ny fanasana tanana matetika amin’ny savony, indrindra ny fitondrana arovava orona, izay miantoka ny fisorohana ny aretina. Tsy hadino ny fanaovana vaksiny mba tsy hahatonga ny tranga fahasarotana raha sanatria marary.Tatiana AL’article Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana
15/06/2021

Tsy natao ambanin-javatra ny lafiny fampianarana sy fanabeazana ka notolorana dabilio 25, fanitso 25 avy ho an’ny sekoly ambaratonga voalohany ao Vohipeno Razanaka, Fanasana, Lohariandava, ary Andekaleka. Etsy an-kilany, saika nitondra fitarainana ireo ben’ny tanàna nolalovana rehetra noho ny tsy fisian’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram, efa ho telo taona. Nohamafisin’ ny depiote Brickaville, i Satra Augustin, fa saika manerana disitrika manontolo mihitsy no tsy nisy io fandraisana ho mpiasam-panjakana io. Ny raiamandreny anefa efa reraka sy mizaka vesatra amin’ny fanohanana ny mpampianatra Fram.Satria mirongatra ny karazan’ aretina azo avy amin’ny renirano, toy ny fivalanana sy hafa dia handefasana teknisianina hanao fanadihadiana momba ny fampidirana rano fisotro ho an’ ireo kominina sy fokontany mbola tsy misitraka izany. Notolorana arovava orona ireo ankizy hiatrika fanadinam-panjakana rehetra isaky ny kaominina nolalovana ary fitaovana fanasana tanana sy savony.  Ampiana fitaovana ireo toeram-pitsaboana hanomezana tombony ny reny hiteraka.  Nanatontosa : SajoL’article Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analamanga: hatramin’ny alakamisy ny fisokafan’ny toeram-panaovam-baksiny 
16/06/2021

Herinandro farany fanaovam-baksiny ity raha nisokatra ny 10 mey lasa teo izany teny amin’ny vaccindromome HJRA.Hatramin’ny 17 jona ho avy izao ny fisokafan’ireo toeram-panaovam-baksiny rehetra eto amin’ny faritra Analamanga manokana. Paikady roa ny hanatanterahana izany: fanaovana vaksiny mitety vohitra hita eny amin’ny distrika manodidina an’Antananarivo Renivohitra: Ankazobe, Anjozorobe, Andramasina, i Manjakandriana. Misy koa ny fiara tsy mataho-dalana mitety vohitra sady manentana ary manatanteraka ny fanaovam-baksiny ho an’izay vonona hisitraka izany. Mbola mitohy mandray olona koa ireo toerana raikitra fanaovam-baksiny manatona vahoaka eny amin’ny vaccinodrome université Ankatso, eny amin’ny Esplanade. Eny Vontovorona koa, ahitana toerana iray mandray, ny Sehatra maitso Analamahitsy… Ankoatra ny vaccinodrome voalohany napetraka teto Antananarivo, nitarina teny anivon’ny CSB2 ny fanavam-baksiny. Ny CSB2 Anosy Avaratra, Ambohimangakely, Ampahimanga, i Sabotsy Namehana, Ambohimalaza, Alasora hatrany Ampanotokana, Imerimandroso, Ampangabe. Manomboka misokatra amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ny alatsinainy hatramin’ny alahady ireo toerana ireo. Mitety fokontany ireo mpanentana mandresy lahatra ny mponina hanao vaksiny satria amin’ity herinandro ity ny fotoana farany ahafahana hanao izany ho an’ny fatra voalohany ho an’ny vaksiny Covishield avy amin’ny fandaharanasa Covax. Afaka roa na telo volana ny fanatanterahana ny fatra faharoa. 250 000 ny fatra tonga natokana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ary ny zokiolona 60 taona no ho miakatra. Rehefa tsapa fa tsy nazoto loatra nanao vaksiny ireo vondrona nofaritan’ny fanjakana mialoha, nantsoina indray ny olona feno taona manana kara-panondro vonona handray ny fatra voalohany. Ilay karazan’ny vaksiny azon’i Madagasikara no tsy namparisika ny ankamaroan’ny olona hanao azy.VonjyL’article Faritra Analamanga: hatramin’ny alakamisy ny fisokafan’ny toeram-panaovam-baksiny  a été récupéré chez Newsmada.

Fahaleovantena… fahalahelovan-tena     
16/06/2021

Hatramin’izao, maro ny mihevitra fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara. Saika miara-dalana amin’izany ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Mbola tsy mahafa-bela tanteraka ny fiankinan-doha sy ny fitavandrana amin’ny any ivelany isaka ny mihetsika saika amin’izay atao na kasaina? Saika ahitana endrika fiankinan-doha hatrany ny sehatry ny toekarena indrindra, na ny sosialy; eny, na ny politika aza, na nambara talohaloha tany aza fa ny fahaleovantena ara-politika no azo.Saika mbola ifampierana na angatahina tsodrano amin’ny any ivelany hatrany izay (h)atao? Eny, na ny politika aza. Raha tsy izany, tsy lasa lavitra na mikorontana amin’izay heverina sy kasaina. Mety mitondra amin’ny faharavam-pananana na ny famoizana aina aza… Efa nisy izany ny tantaram-pirenena. Ahina mbola hiverina? Tarazo ratsy. Izany ve, ohatra, ny mahatonga ny mpanao politika sasany be tati-bolana sy be konetaka amin’ny any ivelany? Na efa zary kolontsaina politika…Mbola fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena? Alahelo anaty ny amin’ny sarintsarim-pahaleovantena mamitaka. Tsy tompony mahazaka manana? Na amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe, na amin’ny toekarena… Samy mandini-tena ny tsirairay: inona ny marina? Any amin’ny faralalina… Saika fialokalofana sy anamarinan-tena mandrakariva ny hoe fitrosana sy ny fanampiana, ohatra. Tsia, tsy hoe tsy azo atao izany fa hatraiza ny hoe fahaleovantena amin’izay atao?Fotoana izao amin’ny hoe fiovana sy ny fanovana? Efa zava-dehibe, ohatra, ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nahomby ny fanampiana any ivelany nandritra ny 30 taona mahery tany atsimon’i Madagasikara, matoa mbola misy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Mandra-pahoviana? Fahasahiana lehibe ny samy Malagasy no mitady vahaolana, volan’ny fanjakana malagasy no enti-mihetsika… Ahoana koa ny amin’ny sehatra hafa amin’izay hay sy vitan’ny Malagasy?Mbola misy ny mijoro, ny hevitra, ny tetika… Mbamin’ny enti-manana sy azo atao na amin’ny akora, na fitaovana, na vola eto Madagasikara. Mba tsy fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena.Rafaly Nd.             L’article Fahaleovantena… fahalahelovan-tena      a été récupéré chez Newsmada.

Fiompiana: sakana ny tsy fandriampahalemana sy ny aretina
16/06/2021

Olana goavana tsy mampandroso ny fiompiana eto Madagasikara ny tsy fandriampahalemana, ny aretina mahazo ny biby fiompy, ny tsy fahampiam-bola sy ny tsy fahalalana ho fampitomboana sy ho fanatsarana ny karazana misy eto an-toerana.Voalaza fa miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fanjakana. Mihena ny tsy fandriampahalemana amin’ny toerana ambara. Ny tena marina, mihena na tsy misy intsony ny omby angalarin’ny dahalo any amin’ireny toerana ireny ka mivadika any amin’ny faritra hafa indray. Resaka fotsiny ny fampandrosoana raha tsy misy ny fandriampahalemana, indrindra ny any ambanivohitra.Tsara arovana ny fahasalaman’ny biby sy ny tontolo misy azy ho fiarovana ny mpanjifa. Mitaky fahadiovana sy sakafo tsara ireny biby ireny, ho fiarovana azy amin’ny karazana aretina, ohatra, ny « épizooties ». Tsy tambo isaina ny fatiantoka eo amin’ny toekarena mifandraika amin’izay aretina mahazo ny biby izay. Mbola tsy takatry ny mpiompy maro ny fandaniana ho an’ny fahasalaman’ny biby.Fomban-drazanaEfa tsy afa-misaraka amin’ny fomban-drazana hatramin’izay ny fiompiana omby. Sakana iray tsy mampandroso ny fiompiana izay fanarahana fomban-drazana izay ka na fianakaviana tsy manana afa-tsy omby roa na telo, tsy maintsy vonoina ny iray amin’ireo rehefa misy fahoriana. Mpikaroka maromaro, Malagasy na vahiny, nanoratra fa ny fiompiana omby eto Madagasikara, tsy atao mihitsy hampandroso ny toekarena fa fanarahana fomban-drazana fotsiny. Mbola misy hatramin’izao ny hoe tsy mahazo vady ny lehilahy raha tsy mangalatra omby.Tsy mora ny mampifandray ny indostria momba ny fiompiana amina fomba amam-panao malagasy, izay mila politika mazava mandresy lahatra ny fiarahamonina isam-paritra, sy isam-poko. Misy faritra ahitana mpiompy kisoa sy akoho amin’ny endrika goavana, saingy mbola vitsy. Sahirana koa izy ireny satria lafo ny fampihodinana azy nefa sarotra ny hahazoana famatsiam-bola sy hahitana fanohanana ara-teknika.  R.MathieuL’article Fiompiana: sakana ny tsy fandriampahalemana sy ny aretina a été récupéré chez Newsmada.

Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana
18/06/2021

Ces responsables ont rassuré la population que la pénurie d’eau n’est pas à craindre pour la période d’étiage. Depuis quelques années, la Capitale et les communes périphériques subissent les conséquences de l’assèchement des rivières d’Ikopa et de Sisaony. Nous ne sommes pas encore en période d’étiage mais le niveau de ces rivières est pourtant au plus bas. Durant une rencontre avec la presse à Ambohijatovo, le directeur général du ministère de l’Eau, de l’hygiène et de l’assainissement (MEAH),Thierry Ratovoniaina, a tenu à rassurer que la situation est beaucoup moins critique par rapport à l’année dernière. « Des efforts sont déjà menés depuis l’année dernière pour l’identification des zones les plus critiques. Outre la construction des forages, il y avait également la mise en place de dix stations conteneurisées d’une capacité de 10m3 par heure chacune pour un renforcement additionnel de 2400m3 par jour », a-t-il rassuré. Selon toujours ce responsable, ces réalisations répondent aux besoins de la population et la situation de nombreuses zones qui ont été placées en alerte rouge l’année dernière a connu une nette amélioration. Par ailleurs, l’assèchement des rivières est loin d’être le fruit d’un hasard. La dégradation de l’environnement ainsi que le changement climatique y sont pour quelque chose. Dans ses perspectives, l’Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement (ANDEA) prévoit ainsi de mettre en place des projets pérennes pour l’approvisionnement en eau potable pour la population. «Dans un premier temps, nous allons tout d’abord mettre en place un système de suivi en ressource en eau pour l’identification des failles mais également pour nous aider dans les prises de décisions. En parallèle, une enquête sera menée avec la Banque mondiale concernant les réservoirs d’eau. Des efforts seront également mobilisés pour la mise en place du système de stockage d’eau dans tout Madagascar pour qu’aucune localité ne soit oubliée» selon le directeur général de l’ANDEA, Antsatiana Ravaloera. Narindra Rakotobe L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydrologie : La pénurie d’eau n’est pas à craindre pour Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Adduction en eau potable : 1,8 millions nouveaux bénéficiaires depuis 2020
17/06/2021

Voahary Rakotovelomanantsoa est une femme de terrain qui multiplie les descentes pour la supervision des travaux réalisés. Le ministère de l’Eau, de l’Hygiène et de l’Assainissement mise actuellement sur l’accélération de l’accès de la population à l’eau potable. Depuis l’année dernière, les bénéficiaires se chiffrent à 1.276.627 personnes  Augmenter le nombre de personnes ayant accès à l’eau potable. C’est l’objectif fixé par le ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène (MEAH) pour que la majorité de la population puisse en bénéficier d’ici 2023. Dans le rapport de réalisation annuel (janvier 2020-mai 2021) présenté récemment à l’Assemblée Nationale en visioconférence, la ministre Voahary Rakotovelomanantsoa a fait savoir que 1 837 627 habitants sont les nouveaux bénéficiaires en eau potable depuis 2020, dont 1.276.627 à travers les différents travaux, et 561.000 à travers la distribution d’eau par camions citernes. Dans sa vision, le MEAH compte bien fournir l’accès à l’eau potable à un prix socialement acceptable pour 60% de la population, d’ici 2023, si ce taux est actuellement de 43%. D’après toujours la ministre, la mise en œuvre de nouveaux moyens de production a permis d’accélérer l’accès de la population à l’eau potable à travers tout le pays, et d’en maîtriser les prix. Des actions sont également mises en œuvre pour mieux gérer les bassins versants et développer une gestion intégrée des ressources en eau. Un processus est en cours afin d’élaborer des schémas directeurs d’aménagement et de gestion intégrée des ressources en eau au niveau des six principaux bassins versants du pays. Par ailleurs, plusieurs projets ont déjà été menés en matière d’adduction en eau potable dans plusieurs localités du pays, y compris les zones enclavées. Dans son rapport, la ministre Voahary Rakotovelomanantsoa a fait savoir que des systèmes d’alimentation en eau potable de 45 chefs-lieux de districts ont été améliorés, si d’autres ont été construits. Pour Antananarivo, il y avait la réalisation du projet Jirama Water III, la construction d’une station de traitement de 40 000m3 par jour à Mandroseza, ou encore la mise en place de 10 stations conteneurisées d’une capacité de 10m3 par heure chacune. 46 forages sont en cours de réalisation, en amont d’unités de traitement, équipées de réservoirs, et s’intégrant aux réseaux de distribution pour la Capitale et les communes périphériques. Le Sud du pays n’est pas en reste, et elle n’a donc pas oublié de présenter aux parlementaires les sept grands projets qui vont être mis en œuvre dans les régions Anosy et Androy. Narindra Rakotobe L’article Adduction en eau potable : 1,8 millions nouveaux bénéficiaires depuis 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Adduction en eau potable : 1,8 millions nouveaux bénéficiaires depuis 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka
14/06/2021

Ho an’ny sehatry ny fahasalamana, nivoitra tao anatin’ny akon’ny fikaonan-doha ifotony tany Taolagnaro ho fanatanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Androy sy Anosy fa hanangana CSB 21 sy hopitaly manara-penitra roa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voaresaka koa ny centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale (CRNM) ao Amboasary hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo voatily any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hisy mpitsabo sy mpikarakara tsy tapaka ny toeram-pandraisana amin’ny fotoana rehetra. Ankoatra izay, momba ny fandrindram-piterahana maimaim-poana, nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa voapetrapetraka avokoa ireo paikady hoentin’ny minisitera hampihenana ny taham-pahaterahana any amin’ny faritra Atsimo, izay anisan’ny ambony indrindra eto Madagasikara.Hisy fampahafantarana sy fanentanana miainga avy eny ifotony mikasika ny fandrindram-piterahana ary hohamafisina ny fanentanana amin’ny haino aman-jery.Hotohizana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo minisitera hafa amin’ny fampiharana ireo paikady ireo.Vonjy A.L’article Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka a été récupéré chez Newsmada.