Covid-19 : 3 décès, 395 nouveaux cas et 498 guérisons

News - Covid-19 : 3 décès, 395 nouveaux cas et 498 guérisons
Trois nouveaux décès survenus à Analamanga, dont 1 à l’hôpital Anosiavaratra et 2 à l’hôpital Joseph Raseta Befelatanana (HJRB) ont été rapportés, hier, portant à 65 le nombre de décès dû au coronavirus à Madagascar depuis le début de l’épidémie au mois de mars 2020. Les malades continuent également d’augmenter en nombre. Hier encore, 395 nouveaux cas ont été enregistrés parmi lesquels 351 ont été identifiés à l’issue de 805 tests PCR réalisés par trois laboratoires (211 tests à l’IPM ; 98 au CICM et 496 au LA2M) et 44 cas identifiés à l’issue de 144 tests geneXpert réalisés dans cinq localités, à savoir la région Atsinanana (20 tests geneXpert) ; HJRB (16) ; la région Analanjirofo (7) ; le CHU Mitsinjo Betanimena Toliara (85) et à Fianarantsoa (16).
Antananarivo, principal foyer actuel de l’épidémie, abrite toujours le plus grand nombre des nouveaux cas d’hier. En effet, 356 sur 395 sont localisés à Analamanga ; 5 à Arivonimamo ; 1 dans le Boeny ; 6 à Fianarantsoa ; 1 à Lalangina ; 23 à Toliara ; 1 à Toamasina ; 1 à Vavatenina et 1 à localisation inconnue.
Les formes graves sont actuellement au nombre de 79. Ces patients sont actuellement pris en charge dans divers hôpitaux : HJRB (41) ; CHU Anosiala (4) ; Andohatapenaka (4 ) ; hôpital militaire (8) ; Fenoarivo (2) ; HJRA (15) ; Antsirabe (1) ; Alaotra Mangoro (1) ; Toliara (2) ; Bongolava (1).
498 guérisons ont été, par ailleurs, rapportées, dont 427 à domicile, portant à 4 286 le nombre de guérisons à ce jour. Le cumul des cas confirmés est de 7 548 dont 3 197 encore en cours de traitement actuellement. Le total des tests PCR réalisés est de 33 943 au 20 juillet 2020.
Hanitra R.
L’article Covid-19 : 3 décès, 395 nouveaux cas et 498 guérisons est apparu en premier sur Midi Madagasikara.
L’article Covid-19 : 3 décès, 395 nouveaux cas et 498 guérisons a été récupéré chez Midi Madagasikara.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe
Mitohy ny fanadiovana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Fantatra fa natsahatra tamin’ny asany, ny alarobia 31 jolay lasa teo, amin’ny talen’ny fifandraisana azy, Rabe Nathalie. Tsy fantatra ny antony, nanalana azy. Raha tsiahivina, izy no vehivavy voalohany, nitazona izany andraikitra izany. Ny volana marsa 2018 izy, no voatendry tamin’io asa io, taorian’ny fivoriambe mahakasika ny baolina kitra vehivavy aty Afrika, natao tany Marrakech, Maraoka. Izy no nandimby an’ilay Kamerone, Junior Binyam. Hisolo an-dRabe Nathalie, indray ilay Ivoarianina, Ouattara Hégaud. “Andro farany. Faly fa nahavita ny asa ary vehivavy voalohany niandraikitra izany asa izany. Ho ela velona ny baolina kitra afrikanina ary ho ela velona i Afrika”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany. TompondakaL’article Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fifidianana ben’ny Tanàna: mila manana fonenana amin’ny kaominina ny kandidà
Fifidianana kaominaly izao no omanina sy atrehina. Hafa amin’ity, raha ny fepetra takin’ny Ceni: mila manana fonenana amin’ny kaominina hirotsahany ny kandidà. “Ny mampiavaka ity fifidianana ben’ny Tanàna ity amin’ny rehetra kosa, ireto fepetra ireto: manana fonenana ao amin’ny kaominina hirotsahany, na farafaharatsiny manana tombontsoa manokana amin’ny firotsahany amin’izany kaominina izany.” Io ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Hatao amin’ny 28 oktobra izany, araka ny volavolana tetiandro naroson’ny Ceni.Raha tsy manana fonenana amin’ny kaominina hirotsahany ny kandidà, manao taratasy fanambarana tsy misy fitaka an-tsoratra milaza fa manana tombontsoa manokana izy amin’izany. Hazavainy ao amin’izany ny tombontsoa manokana hirotsahany hofidina ao anatin’ny kaominina iriny hametrahana ny firotsahan-kofidina.Ankoatra ireo, fepetra takina amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, ny fahafenoana 21 taona farafahakeliny, ary ny fanarahana ireo fepetra mahazatra: tsy mbola nisazy, mahavita ny adidy amin’ny fandoavan-ketra sy haba, misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana iray.Andrasana ny fihaikana mpifidy“Amin’izao fotoana izao, manomana ny fanendrena sy fampiofanana ireo ho mpikambana eo anivon’ny sampana fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina eny anivon’ny distrika tsirairay avy ny Ceni”, hoy izy.Hanainga ho any amin’ny faritra 22 manerana an’i Madagasikara ny ekipa 22 miaraka amin’ny teknisianina, amin’ny herinandro ambony. Hanofana ireo mpikambana eny anivon’ny Ovec izay handray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina any amin’ny distrika tsirairay avy izy ireo.Efa eo an-tanan’ny governemanta ny volavolana tetiandrom-pifidianana, ary andrasana ny fanamafisan’ny filankevitry ny governemanta izany amin’ny famoahana didim-panjakana mihaika ny mpifidy.R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna: mila manana fonenana amin’ny kaominina ny kandidà a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fanamafisana fomba fiasa
Efa eo am-pikenonkenonana sahady ny fomba hiatrehana ny fanaraha-maso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny lefitry ny ben’ny tanàna ny Kmf/Cnoe na mbola tsy fantatra aza ny daty hanatanterahana azy. Mampirisika ny (Ceni) amin’ny fanatsarana ny fomba fiasany ihany koa ny Kmf/Cnoe mba hialana amin’ireo olana rehetra momba ny lisi-pifidianana sy ny lesoka. L’article Fanamafisana fomba fiasa est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Hafatry ny papa Fransoa, herintaona lasa: “Tsy misy olona na iray aza azo ailika na mandeha irery…”
Herintaona katroka tahaka izao, ny 6 hatramin’ny 10 septambra ny nitsidihan’ny papa Fransoa teto amintsika. Naharitra efatra andro izany ka anisan’ny nisongadina ny hafatra nataony amin’ny mpitondra sy ireo tompon’andrikitra eto amin’ny firenena.“Manainga anareo aho mba hihevitra ny làlan-kizorana ahitana fa tsy misy olona na iray aza azo ailika, na mandeha irery, na very. Aoka mba tsy hisy olona na iray aza voailika ary tokony ho ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra izany”, hoy izy. Notsiahiviny tamin’izany ny iray amin’ireo soatoavin’ny kolotsaina malagasy : ny “Fihavanana”. Mampahatsiaro ny toe-tsain’ny fifampizarana, ny fifanampiana ary ny firaisankina. Tsy azo hamaivanina koa ny manome lanja amin’ilay “fanahy maha Malagasy”, manome anareo ny hery mba hiaro ny aina.Nanteriny koa fa fitaovana enti-manandratra ny maha olom-pirenena sy ireo vina momba ny olombelona ny politika. “Miteraka fanamby maharitra ho an’ireo nomena iraka izany mba hanompo sy hiaro ireo mpiray tanindrazana aminy, indrindra ireo tena marefo ka hanamora ny hisian’ny fepetra ho amin’ny fivoarana mendrika sy marina, manosika ireo mpisehatra ao amin’ny fiarahamonim-pirenena handray andraikitra”, hoy ihany ny papa Fransoa. Notsindriny ny voalazan’i papa Paoly fahenina fa tsy azo boriboriana fotsiny amin’ny fomba tsotra amin’ny fitombon’ny harin-karena ny fivoaran’ny firenena iray. Fa raha tiana ny hisian’ny fivoarana marina, tsy maintsy ho feno izy, izany hoe mampivoatra ny olon-drehetra ary ny olona manontolo, araka nambaran’ny papa Fransoa hatrany.Ady amin’ny kolikoly sy fitadiavana tombontsoaNampahery ny mpitondra ny tenany hiady hanohitra ireo endriky ny areti-maharitry ny kolikoly sy ny fitadiavana tombontsoa, mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy…Momba ny tontolo iainana, nambarany tsy hitady ny fomba hiarovana ireo harena voajanahary fotsiny fa hitady vahaolana feno manome lanja ireo lamina voajanahary amin’izy samy izy sy miaraka amin’ny lamina sosialy. « Tsy misy krizy roa misaraka izany ka ny iray momba ny tontolo iainana ary ny iray ara-tsosialy, fa iray ihany satria mifamahofaho sady krizy sosialy no krizin’ny tontolo iainana », hoy ihany izy. Zava-dehibe ny mamorona asa sy fihariana ahazoam-bola, manaja ny tontolo iainana sy manampy hiala amin’ny fahantrana. Tsy hisy ny fijery ekolôjika marina na asa mivaingana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy hitsiny sosialy, manome ny zo amin’ny fampiasana iombonana ny haren’ny tany, araka ny nambarany hatrany.Fihainoana ny fiarahamonim-pirenenaManoloana ireo rehetra ireo, nambaran’ny papa Fransoa fa tsy maintsy mihaino sy maneho fanajana ny fiarahamonim-pirenena eo an- toerana isika. « Raha manohana ireo fandraisany andraikitra sy ireo asany isika, ho heno bebe kokoa ny feon’ireo tsy manam- peo, tahaka izany koa ireo endrika maro samihafa ahitana firindrana, eny fa na mifanohitra aza , eo anivon’ny ankohonam-pirenena, mikatsaka ny fiombonana », hoy ny ampahany amin’ny hafatry ny papa Fransoa.Synèse R.L’article Hafatry ny papa Fransoa, herintaona lasa: “Tsy misy olona na iray aza azo ailika na mandeha irery…” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”
“Famerenana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay ihany ny antoka ahafahantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana ”, hoy ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (Acmil), omaly nandritra ny lanonana famoahana ny “Fandresena 2019”. Naneho ny fahavononany ny filoha hanampy hahamendrika hatrany ny Akademia miaramila satria hisahana andraikitra ambony ireo manamboninahitra mivoaka ao. Naneho fankasitrahana manokana ny filoha Rajoelina kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fampitaovana ary efa hita fa mihena ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra sasany. Afaka miatrika ny fivelomany ny mponina.Marihina fa nivoaka tamin’izany ny andiany mivantana faha-40 nitondra ny anaran’ny “Général de brigade Andranaivo Raymond”, ahitana manamboninahitra miisa 55 ka vehivavy ny enina amin’izy ireo nandritra ny “Fandresena 2019”. Notsofin-drano ara-miaramila ireo andiany mivantana faha-42 sy ny famindrana sabatra tamin’ny andiany faha-41. Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 “Andraina”. Ankoatra izany, notokanana ny efitrano filanonana “Farimbona” sy ny “sale d’honneur” ary ny trano famakiam-bokin’ny Acmil.J.C L’article Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fitantanana eny ifotony: misedra olana ny kaominina Ambilobe
Tratry ny antsojay ? Iharan’ny sakantsakana ataon’ny tompon’andraikitra sasany ny fitantanana ny kaominina an-dRenivohitra Ambilobe any Diana. Tsy afaka manangona hetra tokony hampihodinana ny fitantanana ny mpitantana. Voasakana tsy mahazo maka ny “ticket” eny an-tsena sy ny tobim-piantsonana. Ireo rehetra tokony hampidi-bola ho an’ny kaominina izao tratry ny fahirano ataon’ny eo anivon’ny “Trésor” any an-toerana izao, araka ny loharanom-baovao. Ahina ho tonga hatrany amin’ny fanodinkodinam-bola sy tsikombakomba eo amin’ny samy fianakaviana akaiky olom-boafidy ny raharaha. Zary lasa sorona ny fitantanana ny kaominina Ambilobe.Manoloana ireo, tsy afaka miasa ankalalahana ny ben’ny Tanàna. Sakana amin’izany koa ireo mpanolotsaina sasany eo anivon’ny kaominina na tokony hankato ireo ezaka ho amin’ny fampandrosoana aza. Lasa mitarika olona hilahatra indray izy ireo. Tsy hita ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana amin’ireo korontana lava ao an-toerana.Araka izany, manaitra ny tompon’andraikitra ny mpitantana ao an-toerana mba hijery sy hanara-maso akaiky izao tranga izao.Synèse R. L’article Fitantanana eny ifotony: misedra olana ny kaominina Ambilobe a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
“Ny hafatry ny hira”: hanotrona an’i Dama an-tsehatra i Ony
“Ho hadinonao daholo ireo sorisory, ho hadinonao daholo ireo tebiteby… Efa elabe koa isika tsy nihaona ka tongava…”. Fampanantenana nataon’i Dama, efa miparitaka any anaty tambajotran-tserasera, rehetra any io. Mahakasika indrindra ilay fampisehoana “Ny hafatry ny hira”, hotontosainy ny zoma 11 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Taorian’ny fiatoana maharitra tokoa, izao indray vao ho tazana amin’ny sehatra lehibe ity andry sy vy nahitana ny tarika Mahaleo ity. Hanotrona sy hifampizara ny sehatra aminy mandritra izany i Ony, mpihira ao amin’ny tarika Zandry Gasy. Efa mpankafy tsy miafina ny tarika Mahaleo hatramin’izay izy, ary anisan’ireo mpanakanto manam-bintana mbola mifampizara sehatra amin’ireo mpikambana hatrany. Hisy mpanakanto hafa ihany koa hifanotrona amin’i Dama mandritra ny seho. Raha ny fantatra, manodidina ireo sanganasan’i Dama sy ny an-dRaoul no hozarain’izy ireo amin’io fotoana io. Mazava loatra fa saika efa hain’ny mpankafy rehetra izany, ankoatra ireo izay tsy dia faheno firy an-tsehatra.Zo ny AinaL’article “Ny hafatry ny hira”: hanotrona an’i Dama an-tsehatra i Ony a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fisokafan’ny fiangonana :: Hivory hanapa-kevitra ny Katôlika
Efa mihamiverina amin’ny laoniny ny andavanandrompiainan’ny mponina eto Analamanga. Raha efa nanokatra ny varavarany ny ankamaroan’ireo fiangonan-dehibe sy ireo fiangonana zandriny, dia miandry fanapahan-kevitra ofisialy avy amin’ny mpitantana Eglizy Katôlika Romana (Ekar) kosa ireo mpino katôlika. Anio no fantatra fa hisian’ny fivoriana handinihan’ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Ekar eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo momba an’io fiverenan’ny fisokafan’ny fiangonana io. Miandry fanapahan-kevitra. Io hatrany no valin-teny azo tamin’ireo tompon’andraikitra sasany, omaly. « Tsy mbola misy ny vaovao ofisialy amin’ny fanokafana ny fiangonana fa ilay taratasy farany avy amin’ny Arseveka, Razanakolona Odon Marie hatrany no mihatra. Milaza ny hamendraka ranom-panafody mamono tsimok’aretina amin’ireo fiangonana rahateo ny kaominina », hoy fotsiny ny Monsenera Rabenatoandro Ludovic , Vikera jeneralin’ny fiangonana katôlika. Loharanom-baovao iray hafa no nanamarina ny fisian’ny fiantsoana an’ireo pretra sy eveka voakasiky ny fandraisana fanapahan-kevitra eny Andohalo, anio, ka hahafantarana na hiverina hisokatra ihany ireo fiangonana katôlika na tsia. L’article Fisokafan’ny fiangonana :: Hivory hanapa-kevitra ny Katôlika est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
“Smooth night” faha-10: hamerenana an’i Lionel Ritchie
Malalanirainy, Jacquis Randri ary Fabre Rakotozafy. Izy telo mianadahy ireo indray no nosafidin’ny mpikarakara hamelona ny “Smooth night”, izay hiditra amin’ny andiany faha-10 amin’ity. Hotontosaina etsy amin’ny Kudeta Carlton Anosy ity fampiarahana talenta ity, ny alin’ny alakamisy 25 jolay izao. Ho an’ireo nanaraka ny andiam-pampisehoana “Smooth night”, natao hameloman’ireo mpanakanto malagasy ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika maneran-tany izany. Nosafidina manokana ny sanganasan’i Lionel Ritchie amin’ity manaraka ity. Notsongaina manokana ireo be mpankafy, sy ny mety amin’ireo mpanakanto ihany koa. Tsy olana amin’ny feo sy ny fironan’i Jacquis Randri eo amin’ny mozika ny hanaovany Lionel Ritchie. Manana ilay feo miavaka ary efa nasongadiny tamina fifaninanan-kira ihany koa i Malalanirainy. Mety vaovao be kosa i Fabre Rakotozafy, saingy mpanakanto tanora manan-talenta, ary fotoana iray hanehoany izany io fiarahana io. Hanaraka azy telo mianadahy ireto ireo mpitendry tanora efa anisan’ireo kalaza amin’izao fotoana izao, toa an-dry Josia (ampanga maroanaka), Hents (gitara beso) ary Njaka (vata maroafitsoka). Zo ny Aina L’article “Smooth night” faha-10: hamerenana an’i Lionel Ritchie a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena”
“Fitiavan-tanindrazana mameno ny fisainana, ka ny tenin-drazana no asandratra sy iainana”. Lohahevitra nofidiana sy voizina mandritra ny fanamarihana ny iray volana anandratana ny Teny malagasy, mandritra ity volana jona ity io. Ho tohin’ny fanamarihana, sy ho fankalazana ihany koa ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hisy ny hetsika maromaro izay nomanin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, amin’ny alalan’ny foibem-pitantanana misahana ny maha izy ara-kolontsaina. “Ranty Fahaleovantena” ny hetsika voalohany, izay hotontosaina ny zoma 21 jona hatramin’ny talata 25 jona izao, etsy amin’ny tokotanin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo. Fampirantiana marolafy, manodidina izay fitiavan-tanindrazana izay, ary hanasongadinana sy hanomezan-danja ny kolontsaina malagasy amin’ny endrika samihafa io. Hotontosaina ny zoma 21 jona ihany koa ny “Antsa Fahaleovantena”, eo Analakely ihany. Hanomezana sehatra ny hira ba gasy sy ny asa soratra izany. Mpanakanto maromaro no hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana io, izay sady Fetin’ny Mozika ihany koa. Volana jona, volan’ny ankizy ihany koa. Hisy ny “Banja Kilonga”, izay hatao ao amin’ny Efitrano Gisèle Rabesahala, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny asabotsy 22 jona. Fitantarana angano no tena hibahana amin’io, amin’ny maha endri-panabeazana efa nataon’ny taloha ary mbola tohizana ankehitriny azy. Hisy koa ny fifaninanana tsikonina hiara-dalana amin’izay. Ho famaranana ireo andiana hetsika, nanomana fifaninanana antsoina hoe “Fantaro”, izay ho an’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera ny mpikarakara. Hotontosaina ny zoma 28 jona io, ka hiompana amin’ny fifehezana ny Teny malagasy eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Zo ny AinaL’article Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena” a été récupéré chez Newsmada.