« Coup de poing »: tratra ireo roa lahy nilaza fa mpimasy

News - « Coup de poing »: tratra ireo roa lahy nilaza fa mpimasy

News - « Coup de poing »: tratra ireo roa lahy nilaza fa mpimasy

Nandritra ny hetsika “Opération
coup de poing” nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD
Tsiroanomandidy no nahatrarana lehilahy roa nilaza fa mpimasy. Ny
alahady teo, tratran’ny polisy teo amin’ny “barrage de sécurité” ao
Ambohitsoa, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy, ry zalahy
ireto. Nosakanan’ireo polisy nanao sakana izy roa lahy ireto satria
nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nandritra ny fisavan’ny polisy,
basy vita gasy iray sy odigasy marobe ny tratra tany amin’izy roa
lahy. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa hoe
mpimasy sy mpamboly ny asan’izy roa lahy. Mbola mitohy ny
famotorana mahakasika ilay basy sy ny saika hampiasana ireto
fitaovam-piadiana ireto. Na eo aza izany, manao ezaka ihany koa ny
polisy amin’ny fanaraha-maso ny fepetra rehetra ara-pahasalamana
momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 any
amin’iny faritra iny. Raha ny antontanisa nampitain’ny polisin’ny
CSPD Tsiroanomandidy, miisa 96 ireo nandalo fisavana ka ny telo
amin’ireo, nanaovana fanadihadiana manokana. Miisa valo ireo fiara
kely nosavaina raha miisa 19 kosa ireo kamiaobe. Taksiborosy miisa
22 sy moto miisa 13 nandalo fisavana (roa amin’ireo ny tsy nanao
arolaha ka voasazy avy hatrany). Teo ihany koa ireo olona tsy
nandalo fisavana kara-panondro miisa 79 raha mpitondra posiposy
miisa 10 nomena fampitandremana.

J.C

 

Article tiré de Newsmada

L’article « Coup de poing »: tratra ireo roa lahy nilaza fa mpimasy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Mondial 2022 : maraina hatramin’ ny hariva ny oran’ireo lalao sasany

Araka izay efa nampahafantarina teto, ny 21 novambra ka hatramin’ny 18 de­sambra, ny taona 2022 no ha­natontosana ny fiadiana ny amboara eran-tany “Mon­dial”, taranja baolina kitra. Ndeha kosa ho fantarina ireo ora hizoran’ny lalao isanisany. Hampiantrano ny andiany faha-22, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina kitra i Quatar, amin’ny taona 2022. Fihaonana hatao ny 21 novambra ka hatramin’ny 18 desambra. Hiady izay ho lohany amin’izany ireo firenena miisa 32 tafakatra tamin’ny fifanintsanana isaky ny kaontinanta. Miisa 64 ireo fihaonana tanterahina amin’izany. Raha ny fandaharam-potoana, ny 21 no­vambra ka hatramin’ny 2 de­sambra ny lalaom-bondrona ka hisy efatra ny ora hanaovana izany, ny amin’ny 11 ora an­toandro, ny amin’ny 2 ora folakandro, ny amin’ny 5 ora hariva ary amin’ny 8 ora alina. Mari­hina fa mitovy ny ora eto Mada­ga­sikara sy ny any Quatar. Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 desambra kosa ny dingana ampahavalon-dalana ho an’ireo ekipa 16 tafita.Noho ny hafanana midanika any QatarMiato kely ny fihaonana, ny 7 sy ny 8 desambra, ho an’ireo firenena valo tafakatra amin’ny ampahefa-dalana. Ny 9 desambra, ny fanombohan’ny lalao roa ka amin’ny 4 ora hariva ny fi­haonana voalohany raha amin’ny 6 ora kosa ny faharoa. Hitohy ny 10 desambra izany, tsy miova ny ora hanaovana ireo lalao roa sisa. Miala sasatra indray ireo ekipa efatra nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny ma­nasa-dalana, ny 11 sy ny 12 desambra. Ny 13 desambra ny ankatoky ny famaranana voalohany ary ny 14 desambra ny lalao faharoa. Samy hotontosaina amin’ny 8 ora alina avokoa ireo fihaonana roa ireo. Hatao ny 18 desambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny famaranana ho an’ny “Mondial 2022”. Tsia­hi­vina fa tsy azo tanterahina ny volana jona sy jolay, toy ny mahazatra ny fihaonana tamin’ity noho ny hafanana midanika misy any an-toerana, amin’io vanim-potoana io.TompondakaL’article Kitra – Mondial 2022 : maraina hatramin’ ny hariva ny oran’ireo lalao sasany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa amin’ny Onudi: apetraka eny amin’ny CSB ny fandoroana fako

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Onudi amin’ny fifehezana ny fako eny amin’ny tobim-pahasalamana. Hapetraka eny amin’ny CSB sy ny hopitaly ny fitaovana manaraka ny teknolojia moderina ahafahana mandoro ireo karazana fako sy ny fitaovana avy nampiasaina eny amin’ireny toerana ireny.Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpanadio eny amin’ny tobim-pahasalamana amin’ny fampiasana izany fitaovana izany mba ho tena mahomby.Tanjona ny tsy hiparitahan’ny fako mety hitera-doza ho an’ny manodidina. Nitombo ny fako teny amin’ireny hopitaly sy ny CSB ireny nandritra ny fotoana nampirongatra ny valanaretina Covid-19.Mila misolo matetika ny aron’akanjon’ny mpitsabo sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ary betsaka ihany koa ny fitaovana niasa noho ny fahamaroan’ny marary. Mila fehezina ireny fako ireny mba tsy ho loza mitatao ho an’ny hafa.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa amin’ny Onudi: apetraka eny amin’ny CSB ny fandoroana fako a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Mpandeha bisikiketa iray maty tsy tra-drano teny By-Pass, omaly hariva. Voafaokan’ny fiara 4×4 iray izy ka nianjera niaraka tamin’ny akoho marobe nentiny. Hatreto, tsy fantatra na namonjy ilay niharam-boina ilay fiara nandona na tsia. Nanaovana antso avo kosa ilay lehilahy namoy ny ainy. Misy ireo milaza fa fiara « plaque rouge » ny nandona ilay mpitondra bisikileta.Tra-tehaky ny polisy ao Toamasina ny lehilahy iray malaza amin’ny halatra moto ao an-toerana. Voasambotra tao an-tranony ao Ankirihiry izy ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Nambaran’ny polisy ao Toamasina fa malaza ratsy koa amin’ny famakiana fiara koa ralehilahy. Loharanom-baovao marim-pototra ny nanoro azy ny mpitandro filaminana. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Tsy mbola hita i Moussa hatramin’izao. Tovolahy voapanga ho namono nahafaty an’i Adrianna, zazavavikely vao 9 taona tao Mahajanga, volana vitsy lasa izay. Efa nisy ny fikarohana azy io tany Marovoay, toerana misy ny fianakaviany, saingy tsy nahitam-bokatra izany hatramin’izao. Ankehitriny, mitohy any avaratry ny Nosy ny fitadiavana an’i Moussa ka miapaka hatrany Nosy Be sy Diana izany, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Tsy mahazo mivoaka ny faritan’i Mahajanga kosa ny vadin’i Moussa, taorian’ny fanadihadiana azy.Tsy mbola nivoaka ny fonjan’i Toliara ilay teratany soisy tratra nanao firaisana ara-nofo tamina tovovavikely 14 taona. Niakatra fampanoavana ny herinandro teo ny raharaha ary voatazona vonjimaika ao am-ponja ny tenany. Tsihivina fa tratran’ny polisy ambodiomby teo am-panaovana firaisana ara-nofo tamina ankizivavy tao anaty trano fivahinianana ralehilahy. Mbola maro koa anefa ireo ankizivavy niandry azy tamin’izany. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka amin’ireo orinasa vonona ny hampandroso ny tontolon’ny zavakanto. Iray amin’izany ny niforonan’ny hetsika City Art.Vita omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny La City, etsy Ivandry, sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka, mikasika ny nanokanan’ity toeram-pivarotana lehibe ity faritra iray ho an’ny zavakanto sy ny hitantanan’ny minisitera izany. City Art ny anaran’ity toeram-pampirantiana sy fanaovana fampisehoana ity.Araka ny fifanarahan’ny roa tonta, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mandrindra ny fampiasana ny toerana sy manoka-baravarana ireo mpanakanto liana, te haneho ny talentany ao. Tontosaina isam-bolana ny hetsika ka maharitra tapa-bolana ny fampirantiana iray.Nisantatra ny City Art, nanomboka omaly, àry ireo mpanakanto miisa 30 ao amin’ny Tanàna art gallery. Mpanao hosodoko sy mpikolo ny kanto araka endrika amam-bika izy ireo, izay samy manana sanganasa roa avy aranty eny an-toerana. Hita ho samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy ny mpanakanto tsirairay.Nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo, fa manohana hatrany ireo hetsika manandratra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ny departemanta tantaniny ary miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny La City. Izay indrindra no nahatonga izao fiaraha-miasa izao, izay irariana fa haharitra.Maimaimpoana ny fitsidihana ny City Art, toerana ifamezivezen’ny olona maro ka hahatonga ny talentan’ireo mpanakanto hiantefa avy hatrany amin’ny isam-batan’olona. Tsy hifarana raha tsy ny 27 aogositra ny andiany voalohany amin’ny fampirantiana, eny an-toerana.Landy R.  L’article City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9

Tropy 14 no hifampitana. Toerana 8 kosa no hotetezin’ny “Hiragasy makotrokotroka” amin’ity. Hakotrokotroka noho ny andiany teo aloha, raha ny fiaraha-misalahy amin’ny fanomanana no tarafina…Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny “Hiragasy makotrokotroka”. Fifaninanana adin-kiragasy, hifanandrinan’ireo tropy kalaza eto Iarivo izy ity, izay fanao isaky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra, fandalovan’ny mpizahatany ihany koa. Hotontosaina ny 4 aogositra hatramin’ny 6 oktobra izao ny “Hira gasy makotrokotroka”, raha ny fandaharam-potoana. Raha toa ka tamina toerana iray hatrany ireo andiany teo aloha, hitety tanàna sy vohitra kosa izany amin’ity andiany fahasivy ity. “Ho fanomezan-kasina ny kolontsaina eto Analamanga, ho fanomezan-danja ihany koa ireo vakoka sy toerana manan-tantara no antony hanaovana azy mitety vohitra”, hoy  ny fanazavana nomen-dRakotondrabe Niry, tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto (Ofnac), nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Hatao, ny alahady 4 aogositra tolakandro izao ny adin-kira gasy voalohany, eny amin’ny Rovan’Antananarivo. “Efa tamin’ny andro faha mpanjaka no nisy hira gasy farany teny amin’ny Rova, ka nosafidiana manokana ny toerana amin’ity”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Ofnac. Hitohy amin’ireo vohitra sy tanàna toa anAmbatomanga, Sambaina, Talata Volonondry, Fidasiana Ambohimanga, Anosy, Ambohijatovo ary eo antokotanin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izany. “Tsy avela ho fandalovan’ny mpizahatany fotsiny eto Antananarivo, fa mba hisarihana azy ireo hijanona hamantatra ny kolontsaina sy ireo vakoka ary toerana azo tsidihina ihany koa ny hetsika. Anisan’ny tanjona napetraka tany am-boalohany izay, miara-dalana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany eto Antananarivo. “Nandritra izay andiany valo izay, niezaka izahay ny hampiakatra avo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny, sy ny hira gasy manokana. Sambany amin’ity no nanohana sy niditra an-tsehatra anatin’ny fanatontosana mihitsy ny minisitera mpiahy, ka mahavelombolo ny mpisehatra rehetra izany”, hoy kosa ny nambaran’ny filohan’ny Haigasy, Randrianarivelo Faly. Zo ny AinaL’article “Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Razafimahefa – Fitaovan’ny CCO: « Tsy nisy volam-panjakana nivoaka fa fanomezan’ny Pnud… »

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe niainga tany amin’ny tambajotra sosialy ny filohan’ny CCO sady minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo. « Fanomezana avy amin’ny Pnud ireo fitaovana ireo. Tsy nandray vola ny CCO ary tsy nisy volam-panjakana nivoaka », hoy izy tetsy Tsimbazaza, omaly. Mazava izany ny valin-kafatra manoloana ireo tsaho samihafa momba azy. Nohitsiny fa tafiditry ny resaka politika ny raharaha ary tsy vao voalohany izany, manoloana ity antontan-taratasy nivoaka tamin’ny « facebook » ity. « Tena fanapotehana ankitsirano sy fanenjahana ahy manokana izao… Tsy misy resaka tolo-bidy na tsenambaro-panjakana izany », hoy ihany izy. Nanteriny fa voahaja avokoa ireo dingana samihafa sy ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanomezana avy amin’ny mpiara-miombona antoka tahaka izao. Namaly izany mason-tsivana sy fepetra izany ny orinasa, iasan’ny vadiny, tahaka ny mpiasa tsotra rehetra ihany. « Ho hita eo ny ho tohiny… Ny fampandrosoana ny firenena izao no zava-dehibe atrehina », hoy ihany izy.Synèse R.  L’article Minisitra Razafimahefa – Fitaovan’ny CCO: « Tsy nisy volam-panjakana nivoaka fa fanomezan’ny Pnud… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby.  Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.Fahatongavan’ny filoha Rajoelina Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny  Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy  izany  ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto.  Miezaka  manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro,  i  Seychelles ary i Mayotte.Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy Marihina fa  nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny. Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Fanavaozana mpitantana :: Hosoloina ny talen’ ny Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy
17/09/2020

Hanavao ny mpitantana ny ivon-toeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy (ISSM) ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy serasera. Namoaka antso fahalinana tao anaty tambajotran- tserasera sosialy “Facebook” izy ireo, omaly. Misokatra ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka, indrindra ireo andriambavilanitra, ny toerana. Horaisina hatramin’ny 30 septambra ny antontan-taratasy fisoratana anarana hita na io andraikitra io. Efa am-bolana maro no nanendrena ny tale misahana ny ivon-toerana saingy tsy nisy fampitam- baovao momba ny asa nosahanin’izy ireo. Nambaran’ny tale jeneralin’ ny kolontsaina fa “nametrapialana noho ny antony ara-pianakaviana ity tompon’andraikitra ity”. “Natao ilay antso mba hahafahana manolo ny toerana banga sy mandroso eo amin’ny asa marobe, izay tsy maintsy sahanina ho fampiroboroboana ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy”, hoy izy. Hisahana an’ireo mpikirakira sarimihetsika malagasy iray manontolo eto Madagasikara mifanaraka amin’ireo lalàna amin’ny vokatra manerana izao tontolo izao io sampana io. L’article Fanavaozana mpitantana :: Hosoloina ny talen’ ny Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy est apparu en premier sur AoRaha.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Sombintsombim-baovao
18/09/2020

 Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana. Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Fanjavonana fiara
17/09/2020

Niveri-maina ireo Polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana tonga hanao fizahana ny fiara iray tra-doza teny Ambohimiandra, afak’omaly alina. Voalaza fa naratra mafy tamin’io loza io ny mpamily, rehefa nidona tamin’ny andrin-jiro ny fiara. Vakim-pitaratra anefa sisa no hitan’ireo polisy teny an-toerana, minitra vitsy taorian’ny loza. L’article Fanjavonana fiara est apparu en premier sur AoRaha.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, manomboka miverina amin’ny fanazarantena avokoa ny ekipa sy ny atleta manerana ny Nosy, isan’izany ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Ao anatin’izay indrindra, ho fampitomboana ny lenta sy hanomanana bebe kokoa ny ekipa amin’ny fifaninanana goavana hatrehina, mitady ankizy lava handrafitra ny ekipany ny filohan’ny GNVB, ny kolonely Rakotomalala Heriniaina. Somary lava ity fiatoana vokatry ny Coronavirus ity, raha ny nambarany, ka tena ilana ezaka goavana ny famerenana ny lentan’ny ekipa. Izany indrindra no tsy maintsy hirosoana amin’ny fitadiavana ankizy lava.Raha ny fanazavana hatrany, efa nanomboka niverina nikotrana, ny alatsinainy lasa teo, ny ekipan’ny volley ball ary mifantoka tanteraka amin’ny fanomanantena mafy. Nambaran’ity filohan’ny GNVB ity fa mila manao “revanche” mafy isika, taorian’ny faheresena azon’ny GNVB nanoloana an’ny Reonioney, nandritra ny “CCZone 7” farany teo iny. Fifaninanana notontosaina teto amintsika ny volana febroary lasa teo. Mba ho fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana fotsiny ihany ny nandraisan’ny La Réunion Ankara nandritra izany fa tsy ao anatin’ny faritra faha-7 izy. Izany hoe, ny GNVB ihany ny nahazo ny amboara, hisolo tena ny faritra faha-7, na laharana faharoa aza. Mi.RazL’article Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB a été récupéré chez Newsmada.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Indray mijery
18/09/2020

Ho fisorohana ny fanapoizinana sakafo, mpitantana toeram-pisakafoana na gargaoty 336 ny nahazo fanentanana avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny fahadiovan’ny sakafo) sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity herinandro ity tetsy amin’ny tranom-pokonolona Isotry. Tanjona iraisana ny hanolorana hatrany sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. Eo koa ny fisorohana ny fanapoizinana sakafo eny amin’ireny toeram-pisakafoana anisan’ny manavanana ny vahoaka ireny.Betsaka ny olona mivarotra ny entana ao an-trano azo avadika ho vola haingana manoloana ny fahasahiranana hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Ireo tokantrano sahanin’ny olon-tokana indrindra vehivavy irery no tena tojo olana amin’izao fotoana izao. Sasa lamba, asa an-trano, ny asa antselika ahazoana vola tsy mahavita ny filana fototra no raisina isan’andro arakaraka ny asa. Mirongatra rahateo ny ala-boty eny anivon’ny fokontany ka raha vao tsy malina, lasa ny lamba miahy eto an-tokotany sy ny entana ao an-dakozia.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.