Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro

News - Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro

News - Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro

Voailika. Tsy anisan’ireo kandidà
ho filoham-pirenena any Cote d’Ivoire ny filoha teo aloha, Laurent
Gbagbo  sy ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, i
Guillaume Soro. Navoakan’ny Filankevitry ny lalàmpanorenana, omaly,
ny lisitr’ireo kandidà. Nankatoavina ny antontan-taratasin’ireo
kandidà efatra amin’ireo 44 nikasa ny hofidina. Anisan’ireo nekena
ny filatsahan’ny filoha am-perinasa, i Alassane Ouattara, ny filoha
teo aloha, i Henri Konan Bédié. Manampy ireo ny Praiminisitra teo
aloha, i Pascal Affi N’Guessan ary ny depiote iray.

Nitondra valin-kafatra ireo mpomba
an’i Gbagbo ka nilaza fa tahotry ny filoha am-perinasa ny
anton’izao fanilihana ny kandidàn’izy ireo izao.

Tsipahin’ireo mpiandany amin’i Soro
koa fa efa mihantona sy tsy manan-kery ny fanenjehana ara-pitsarana
ny olona tohanan’izy ireo. “Tompon’andraikitra manoloana ny
tantara ianareo ao amin’ny Filankevitry ny lalàmpanorenana ary tsy
ho afa-bela amin’ny ho firehetan’ny afo…”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Cote d’Ivoire: voailika i Gbagbo sy Soro a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny talata 2 jolay 2019 ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka. Fantatra fa nahazo ny maro an’isa ny avy amin’ny vondrona antoko IRD (Isika rehetra miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina. 84 ny isan’izy ireo. Manaraka azy ireo ny tsy miankina, nahazo toerana 46 ary 16 kosa ny an’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara).  Samy nahazo toerana iray avy kosa ny antoko RPSD Vaovao, ny Matita, ny MDM, ny MTS ary ny GJMP.  Nambaran’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean Eric fa ankoatra ny andraikitra ho sahan’izy ireo toy ny famolavolana, fandinihana ary fandaniana ny lalàna dia manana adidy mavesatra ireo solombavambahoaka lany hamerina ny hasin’ny Antenimierampirenena, hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka. Nohamafisin’ny solombavambahoaka  voafidy tao ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny izany tenin’ny filohan’ny HCC izany. “Mavesatra ny adidy miandry anay. Ao anatin’izany ny famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena.  Betsaka ireo tolon-dalàna ho aroso ary efa miandry izany ny vahoakan’Ambohidratrimo”, hoy ity solombavambahoaka avy amin’ny vondrona IRD ity. Ny tantara no hamaritra na hitondra fanovàna tokoa ireto olomboafidy ireto na hamerina ny nataon’ny teo aloha. Rehefa tsy eo amin’ilay toerana  dia mahasahy miteny ny mety sy ny tsy mety  fa rehefa tonga eo dia mamerina ireo fomba sy fihetsika nokianina fatratra. Lynda A.   Cet article SOLOMBAVAMBAHOAKA VAOVAO: Hahita ny halalin’ny rano est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja

 Voasambotra, afakomaly, rehefa nifanenjehan’ny polisy, teny Andravoahangy ireto roalahy, voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Vao tapa-bolana anefa izay no nivoahan’izy ireo ny fonja.Nahasambotra ireto jiolahy ireto ny polisy nanao fanamiana sivily miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro nampian’ny andrimasom-pokonolona eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, afakomaly tolakandro. Ny iray, tratra teo am-panendahana vehivavy iray niantsena teny Andravoahangy kanefa voatazon’ilay vehivavy ny tanan’ity jiolahy sady afaka niantso vonjy ihany izy. Nahifik’ilay jiolahy ny tanan’ilay vehivavy ka tafaporitsaka izy, saingy efa nisy vaomiera’ny fandriampahalemana sy polisy nanao fanamiana sivily teny an-tsenan’Andravoahangy tamin’io fotoana io ka raikitra ny fifanenjehana tao anaty tsena. Tsy lasa lavitra anefa, tratra ity jiolahy raindahiny ity. Ny jiolahy faharoa kosa, tratra teo amin’ny lakandrano Andravoahangy rehefa avy nanendaka telefaonina finday. Fiaraha-miasa amin’ireo mpiambina ny tsena ihany koa ny nahafahan’ny polisy nisambotra ity jiolahy ity. Malaza ratsy amin’ny halatra telefaonina ity jiolahy ity ary efa ikoizana amin’izany. Nilaza ry zalahy fa vao nivoaka ny fonja tapa-bolana (tamin’ity volana jolay ity) kanefa izao nanohy ny asa ratsiny izao sahady.Tratra koa ny jiolahy mpangalatra kodiarana…Saron’ny polisy teny ambony tetezan’i Behoririka, afakomaly, koa ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra kodiarana fiara. Ireo polisy nanao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatsikaritra lehilahy iray nanao fihetsika hafahafa. Vantany vao nahatazana ny polisy anefa izy, nitsoaka avy hatrany ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra izy fa tratran’ny polisy. Nahitana “clé” famohana kodiarana fiara tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy tamin’ny famotoran’ny polisy fa mangalatra ny kodiaran’ireo fiara mipetrapetraka eny amin’ny manodidina an’Antaninandro sy i Behoririka iny.Jean ClaudeL’article Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fantina sy fintina

Adidy mavesatra no sahanin’ny  solombavambahoaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny vahoaka tao  Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, nahavoafidy azy ho depiote, ny faran’ny herinandro teo. Eo ny fanaraha-mason’ny Antenimierampirenena ny asan’ny governementa, ny fandaniana lalàna, ny fijerena ny tombontsoam-bahoaka… Tsy maintsy miverina eo amin’ny vahoaka izy, maneho fankasitrahana azy. Izay ny tamberin’andraikitra.“Tsy hirotsaka ho ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriantongarivo, tao anatin’ny hetsika ”Tagnamaro”, teny Soanierana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy misy ambadika politika hoe akaiky ny fifidianana ny hetsika ”Tagnamaro” fa tena fanampiana tanteraka ny mponina hamalianay antson’izy ireo. Adidin’ny fitondram-panjakana ny mihaino ny fitarainan’ny vahoaka. Mbola tohizana amin’ny fotoana manaraka ny hetsika.  L’article Fantina sy fintina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz

Taona maromaro tsy hita teny an-tsehatra teto Madagasikara. Ho setrin’izay, ao anatin’ny iray volana, ho tazana tsy tapaka amin’izay ny tarika Kazar sy ny tarika Märtz. Ho afaka hianoka misimisy kokoa ny mozika rock sy ny metaly indray ny rehetra…Noho ny antony maro samihafa, tsy tazana niaka-tsehatra firy teto Madagasikara loatra ny tarika Kazar. Fantatra, omaly tetsy amin’ny Carlton, fa ho avy i Milon, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’izany tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny rock sy ny metaly izany. Hanatanteraka hetsika nampitondraina ny lohateny « Metalygasy » izy ireo (tarika Kazar) sy ny tarika Märtz, raha ny fampahafantarana nataon-dRajaofetra Andrianaina Sandy avy ao amin’ny Sandix, trano mpamokatra mikarakara ity hetsika ity.Ny 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana miaraka amin’ny Kazar sy ny tarika Märtz. Ny 23 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny ADMC-Craam, oniversiten’Antananarivo, fihaonana sy velakevitra nampitondraina ny lohahevitra “Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara”. Nanasana ireo manana traikefa amin’izany toa an’i Dina Randrianoelison (Team Distortion), i Eric Rasoamiaramanana (Libertalia Music), i Mahalia (Loharano), i Abasse Djiva (tarika Apost), i Elia Ravelomanantsoa (minisitra teo aloha ny Kolontsaina), sns. Hialohavan’ny fandefasana horonantsary « Kazar : Malagasy Rock legende », novokarin’i Tsilavina Ralaindimby, ity velakevitra ity. Ny 24 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, « Milon Kazar en cabaret acoustic and electric ». Fotoana hitendren’i Milon ny karazan-gadona sy ny hira tahaka ny metaly, ny latino, ny hira malagasy, sns. Faranana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo ny « Metalygasy », ny 30 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, amin’ny alalan’ilay seho hiarahana amin’ny tarika Kazar.Raha tsiahivina, 33 taona lasa ny efa niforona ny tarika Kazar raha ny taona 1989 kosa ny nijoroan’ny Märtz.HaRy Razafindrakoto L’article Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

Fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Vola mitentina 300 tapitrisa Ariary sy fanomezana isan-karazany toy ny fanafody, “gel désinfectant”, ronono mandrimamy sy ny maro hafa  no voaangon’ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar) tamin’ireo orinasa maro teto Madagasikara sy ireo orinasa mpikambana ao aminy. Miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana OIT  (Organisation International du Travail) sy ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) amin’ny fitantanana io kitapo iombonana io sy ireo fanomezana ireo ny GEM. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2020 dia nandray an-tanana ny fisafidianana ireo mpisitraka ny tosika fameno sy ny fizarana izany ny PAM. Noho ny traikefa hananany dia manampy ny GEM izy amin’ny fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. “Fandaharan’asan’ny sehatra tsy miankina izy ity. Niantso ny OIT sy ny PAM ry zareo mba hanampy amin’ny fitantanana ireo fanomezana amin’ny fomba mahomby indrindra. Ny vola rehetra voaangona dia mirotsaka ao amin’ny kaonty eny amin’ny banky. Hametraka rafitra izahay mba hisitraka izany amin’ny fomba mahomby ireo mpahazo tombontsoa”, hoy ny tomponandraikitry ny PAM eto Madagasikara, Moumini OUEDRAOGO.  “Noho ny krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranana naterak’izany dia ho tsinjaraina amin’ireo  mpiasa marefo  sy ny fianakaviany ireto fanomezana ireto”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry.  Mpiasa 2000 no hisitraka ny “vatsy firaisankinan’ny oriansa” ka samy hahazo iray hetsy Ariary avy izy ireo. Miampy tolotra ara-tsakafo kosa izany ho an’ireo tena marefo. Ireo kely karama, ny faharetan’ny fampiatoana ara-teknika, ny fotoana naha-voaroaka, ny maha-mpiasa vehivavy, ny fahasembanana sy ny fianakaviana maro an-trano no mason-tsivana  nifantenana ireo mpahazo tombontsoa tamin’ity andiany voalohany ity. Nirina R. Cet article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - Ao Raha

MPANAKANTO VAO MISANDRATRA :: Hampiakatra ny lentan’ny kolontsaina any Atsimo i Lauréat

Tsy voatery atao asa fitadiavana ny mozika. Fitaovana iray ahafahana mampandroso sy hanampiana ny toerana nihaviana. Izay no tanjon’i Mahatovo Soavatse Victoire Lauréat mpanakanto vao misandratra avy any Ambovombe Androy iny. Araka ny fanazavany dia roa ny tanjony amin’ny fihirana. Ny voalohany dia ny haneho amin’ny rehetra ny kolon-tsaina avy any Atsimo ary ny faharoa kosa dia hitondra ny anjara biriky izay vitany ho fampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy, indrindra fa ny tanàna nahalehibe azy. Manoloana izany indrindra dia misokatra amin’ny rehetra ny tenany indrindra fa ny mpanakanto avy any Atsimo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana izany. Fantatra fa mbola vao sivy taona monja izy dia efa niditra ho mpikambana tao anatina antoko mpihira saingy tamin’ny taon-dasa teo kosa vao sahy niditra teo amin’ny sehatry ny matihanina. Mozika trôpikaly no ataon’i Lauréat ka asehony amin’ny karazana gadona maro samihafa izany. Anisan’ny mampiavaka kely an’i Lauréat amin’ny mpanakanto hafa manao mozika mafana eto amintsika ny fampiasany fitenim-paritra maro ao anaty mozikany. Miisa folo ny hiran’ity andriambavilanitra ity efa azo lazaina fa nivoaka amin’izao. Mbola tsy dia fanta-daza eto an-drenivohitra loatra i Lauréat, ka noho izany indrindra dia manomana fampisehoana eto Antananarivo miaraka amin’ny mpankanto sy rindran-tsary vaovao no fandaharam-potoana akaiky amin’izao. Mampanantena izy fa tsy handiso fanantenana ireo mpitia mozika mafana avy eto Iarivo L’article MPANAKANTO VAO MISANDRATRA :: Hampiakatra ny lentan’ny kolontsaina any Atsimo i Lauréat est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Nidina ifotony ny minisitra A. Hajo: mandroso ny fanamboaran-dalana Marovoay-Amboasary sy i Manaingazipo
28/09/2020

Mandeha avokoa. Nidina ifotony nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fotodrafitrasa amin’ny làlam-pirenena RN44 sy ny RN3A ny ministry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Efa nanomboka avokoa sy mandroso ireo asa fanamboarana ny ampahan-dàlana Marovoay – Amboasary sy ny fotodrafitrasa eo amin’ny renirano Lohafasika (Kafe) sy ny eo Manaingazipo. « Tsy maintsy atao ny fanaraha-maso ara-potoana hijerena ny fanarahana ny fenitra », hoy ny minisitra.Nojerena koa ny hametrahana ny orinasa faharoa hanao ny ampahan-dàlana miala eo Amboasary mipaka hatrany Vohidiala sy ny ny fomba ahafahana manamboatra ny tohin’ny lalana miala eo Vohidiala hatreo Ambatondrazaka.Fanamboarana ireo simban’ny rivodoza sy ny andro ratsyEtsy andaniny, betsaka ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza sy ny andro ratsy tamin’ny taona 2019 teo ka mila fanarenana. Anisan’ny nojerena tamin’izao fitsidihina izao ny fomba hanamboarana azy ireny sy ireo fotodrafitrasa hafa tokony hampiana mba tsy hisy fahatapahana intsony ny RN44.Tahaka ny efa fanaony, nanentana ny rehetra ny minisitra hiaro ny tontolo iainana hitandroana ny fotodrafitrasa iombonana. « Misy fiantraikany lehibe amin’ny fari-piainana amin’ny ankapobeny koa ny fahasimban’ny làlana », hoy ihany izy.Synèse R. L’article Nidina ifotony ny minisitra A. Hajo: mandroso ny fanamboaran-dalana Marovoay-Amboasary sy i Manaingazipo a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray
28/09/2020

Mihamivoatra hatrany ilay raharaha momba ny fahafatesan’i Danil Radjan. Herinandro izay ny nanaovan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Nahitam-bokany izany satria nosamborin’ny polisin’ny BC ny lehiben’ny orinasa misahana ny fiambenana sivily iray miaraka amin’ny mpiambina telo lahy ao amin’ity orinasa ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava. Maro ny olona efa nohenoin’ny polisy momba ity raharaha vonoan’olona ity. Niainga avy amin’ny fitsirihana ny telefaonina nampiasain’ilay niharam-boina sy ny “camera de surveillance” no niaingan’ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra. Nambaran’ny polisy fa nisy amin’ireo nalaina am-bavany ny efa niaiky fa isan’ny tompon’antoka amin’ity vonoan’olona ity. Araka ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa teratany vahiny tompona orinasa fiambenana sivily iray no isan’ireo nohainoana. Nisy amin’ireo mpiambina koa voaantso nanaovana famotorana. Tsiahivina fa hita faty tao ambany rihana fiantsonan’ny fiara ao amin’ny tranombarotra La City Ivandry, nifatotra tanana, i Danil Radjan. Feno ratra ny vatany ary nahitana mangana teo amin’ny tendany.J.CL’article Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina
26/09/2020

« Ndao homena lanja ny fikarohana manatsara ny fahasalamana ho an’ny rehetra », ny lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina andiany faha-12, omaly. Nandray anjara mavesatra tamin’ny fizarana fanafody sy kojakojam-pitsaboana ho an’ny mararin’ny Coronavirus teny anivon’ny hopitaly ny farmasianina, nandritra ny ady amin’ny tsimokaretina. Nanapa-kevitra ny hampidina ny vidin’ny fanafody fototra ampiasaina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina izy ireo ho fitsinjovana ny marary, araka ny fampitam-baovaon’ny holafitra sy ny sendikà ary ny fikambanan’ny farmasianina niaraka. Telo ny farmasianina lavo tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus. Niasa mafy andro sy alina ny farmasianina sy ny mpiasa mapihodina ny farmasia namatsy ny marary amin’ny kazaram-panafody ilainy. Saika ahitana filaharana lavareny manoloana ny farmasia teto an-dRenivohitra, indrindra raha vao niatomboka ny valanaretina. Nitantana ny fanafody sy ny kojakoja teny anivon’ny CCO ihany koa izy ireo.357 ny farmasianina ary 265 ny toeram-pivarotana fanafody manerana ny Nosy raha 29 ny ivontoerana mpamongady sy mpanamboatra fanafody. 25 ny farmasianina mpiasam-panjakana ary 40 ny farmasianina mpamongady fanafody.Manana holafitra miahy ny asan’ny farmasianina izy ireo, izay mandrindra ny raharaha momba izany. Misy koa ny fikambanana manofana aorian’ny fianarana sy manampy amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana rehetra ao anatiny.Vonjy  L’article Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea
28/09/2020

Manana olana ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao, satria tsy afaka ny hanatrika ny fampivondronana sy ny lalao firahalahiana, hatao any Luxembourg, i Abel Anicet, kapitenin’ny ekipa.Araka ny fampahafantarana hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Tratry ny faharovitana ny hoza-peny, nandritra ny fanazarantena niarahany tamin’ny Ludogoretz, ekipa misy azy, ny zoma lasa teo. Vokatr’izay, tsy afaka miakatra kianja mandritra ny telo herinandro i Abel Anicet.Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy izany satria tsy ho anisan’ireo mpilalao hanatrika ny fiofanana sy ny fampivondronana ataon’ny Barea de Madagascar, any Luxembourg, izany izy. Mbola ao anatin’ny fialan-tsasatra ary manaraka fitsaboana tanteraka i Abel Anicet, amin’izao fotoana izao.Raha ny fanambaran’ny mpitsabo azy, any ho any amin’ny faha-19 oktobra i Abel Anicet vao afaka hiverina hiakatra kianja. Mialoha izany anefa, tsy maintsy mbola hamerina tsikelikely ny tanjany amin’ny fanazarantena mitokana, atrehin’ny mpanazatra, izy. Tsy ao anatin’ireo hiatrika ny lalao firahalahiana hifanandrinana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1-n’i Luxembourg, hatao ny 11 oktobra ho avy izao, ihany koa ny kapitenin’ny Barea de Madagascar.Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar io lalao io, amin’ny fiatrehana ny lalao roa mandroso sy miverina hidonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2022”.Lalao mandroso hatao any Abidjan ny 9 novambra ary any Toamasina, ny 17 novambra 2020. Ny Ivoarianina izay manoman-tena fatratra ihany koa ity fihaonana ity ka raha ny fantatra,  hifanandrina amin’i Belzika, any Bruxelles, izy ireo ny 8 oktobra ary hifandona amin’i Japon ao amin’ny kianja Utrecht, Pays-Bas, ny 13 oktobra, mialoha ny handraisany an’ny Barea de Madagascar. TompondakaL’article Kitra: maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

  Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy
26/09/2020

 Amin’ny ankapobeny, saika ireo vahiny no nanoratra sy nahasoratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny zava-nitranga teto fahiny. Tsy misy hamaivanina ireny, satria, mila manana fototra mazava ny firenena sy ny mponina ao aminy. Amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao anefa, mitobaka etsy sy eroa ireny asa soratra ireny. Ny fitaovana ahafahana manapariaka izany rahateo efa maro, anisany ny facebook izay. Ho an’ny mpikaroka, “be loatra ny mampiahiahy amin’ireny voalaza ao anatin’ny facebook ireny, raha ny momba ny tantara nisy teto Madagasikara”. Tsy eo amin’ny tantaram-pirenena ihany fa tafiditra ao anatin’io na ny lafiny kolontsaina, ny toekarena, sns, raha ny fanazavan’ireto mpikaroka ireto.Na izany aza, anisan’ny mampanan-karena ny voka-pikarohana ny hamaroany. Maro ny azo sintonina sy halalinina. Ho an’ny avara-pianarana izay fa ho an’ny olona tsotra mamaky ny avoaka any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny, inona no mety ho vokany? “Tsy ho afaka ny hanakana ny fisiana sy ny fampiasana azy ireny isika fa ny azo atao, tezaina amin’ny fomba fampiasana ireny tenolojia ireny ny Malagasy. Atoro ny tsirairay ny hahafahany manovo soa avy amin’ireny”, hoy ny mpahay momba ny fiarahamonina. Iza anefa no ampianatra sy hampita izay fahalalana izay?HaRy RazafindrakotoL’article   Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany
29/09/2020

Samy manana ny lamina noraisiny ny EPP manoloana ny toromariky ny minisitera amin’ny tsy fandoavana intsony ny latsakemboky ny ray man-dreny.Araka ny fehinkevitra tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 16 septambra lasa teo, tsy mandoa saram-pisoratana anarana sy latsakemboky ny Fram ny ray aman-dreny ho fitsinjovana ny tokantrano sahirana taorian’ny fihibohana. Manoloana izany, samy manana ny heviny ny talen-tsekoly EPP eto an-dRenivohitra. Nanambara ny talen’ny EPP Antanandrano, Cisco Avaradrano, fa misy ny naoty manokana niainga avy any amin’ny minisitera nalefa teny amin’ny Dren sy ny Cisco ary nipaka eny amin’ny EPP isanisany nanazava fa ny saran’ny fisoratana anarana no tsy efain’ny ray aman-dreny fa manana ny fandaminana anatiny ireo EPP mbola manarama mpampianatra Fram nefa tsy misitraka karama avy amin’ny fanjakana. Tsy afa-manoatra ny talen-tsekoly satria mbola dimy ny mpampianatra Fram miampy mpiandry tanàna iray omena karama isam-bolana. Manefa 20 000 Ar, noho izany, ny ray aman-dreny rehetra ary fomba fanao isan-taona izany. Monina ao anatin’ny fokontany ihany koa ireo mpampianatra Fram ireo ka tsy malaina mandoa ny latsakemboka ny ray aman-dreny. Raha misy ny tohana manokana avy any amin’ny fanjakana momba ny karama ho an’ireo mpampianatra Fram ireo, alefa amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny vola efa naloa. Mikarakara ny fandefasana ny refin-tongotry ny mpianatra momba ny kiraro sy ny aron’akanjo ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Hahazo fitaovana mialoha ny fidirana ny mpianatra avy any amin’ny fanjakana.Nalefa any amin’ny fitondrana ny filanaHo an’ny EPP any Behenjy kosa, tsy naka vola tamin’ny ray aman-dreny izy ireo fa nanaraka ny toromarika. “Nalefa eny anivon’ny tomponandraikitra ny fampianarana ny filana rehetra ka miandry izay valiny izahay”, hoy ny talen-tsekoly. Ho an’ny EPP Analakely, miandry ny vokatry ny fivoriana miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny izy ireo hijerena ny vahaolana satria misy mpampianatra Fram dimy mbola homena karama koa fa tsy mahazo any amin’ny fanjakana.Vonjy A.                 L’article Tsy fandoavana latsakemboky ny Fram: samy manana ny lamina ny EPP isanisany a été récupéré chez Newsmada.

Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta”
23/09/2020

I Nagamy Jean Fabrice, dimy taona niseharana eo amin’ny tontolon’ny fakana sary na saripika. Vokatry ny fitiavana sy lovan-talenta ny nahatonga ny tovolahy nisehatra amin’izany satria mpaka sary ihany koa ny rainy. Teo ihany koa ny fifampikasohana tamina namana mpiara-nianatra teny Ankatso, manana traikefa amin’ny fakana sary, ka nampiroborobo ny talentany sy nahatongavany amin’izao dingana vitany izao.« Nanomboka teo aho dia lasa nanao fikarohana maro mahakasika ny sary sy ny momba ireo mpaka sary efa lasa lavitra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Tsapako fa maro ireo Malagasy manan-talenta ary tena tsy nampoiziko hahavita zavatra tena avo lenta sy kanto eo amin’ny tontolon’ny saripika”, hoy i Nagamy.Nohamafisiny fa, “… nanomboka teo ihany koa, tapa-kevitra fa hanangom-bola hividianana fitaovana. Nipoitra sy nitsidika ary nisokatra tsikelikely ny lalana sy ny hirika maromaro teo amin’ny sehatra ivelarana. Nazoto nizara ny zava-bita tamina tambajotran-tsosialy. Nihamaro ihany ireo matihanina nanorotoro sy nanitsy ahy rehefa misy zavatra tsy nety”. Tsy nandalo fianarana manokana ny tenany fa nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny « internet » ary mazoto maka sary hatrany, manao fampiharana matetika. « Rehefa tsy ao anatinao ny fitiavana, tsy voatery amina sehatra fakana sary ihany fa na inona na inona sehatra, tsy ho lasa lavitra mihitsy ianao. Miantomboka amin’ny fitiavana sy ny finiavana aloha izay vao mamboly talenta », hoy hatrany i Nagamy J. Fabrice. Mba handeha lavitra sy hitety izao tontolo izao, hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara amin’ny alan’ny saripika ny tanjony. Ankoatra io, maniry ny hanangana sekoly fianarana manokana momba ny saripika, indray andro any!Narilala L’article Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta” a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre le Covid-19 : Le Premier ministre pour le renforcement de la coopération sanitaire internationale
29/09/2020

Le Premier ministre s’est exprimé sur le domaine de la santé portant notamment sur le Covid-19. Le développement économique et le progrès social restent l’une des priorités de notre pays. Madagascar s’est exprimé lors de la célébration du 75e Assemblée Générale des Nations-Unies, par le biais du Premier ministre Ntsay Christian, et ce, au nom du Président de la République et du peuple Malagasy et en son nom personnel. Le Premier ministre s’est exprimé sur la gravité de l’expansion planétaire de la pandémie du COVID-19 et des impacts incommensurables sur l’humanité entière engendrant entre autres, “près de 1 million de décès dans le monde, dont 216 dans mon pays, je voudrais exprimer ici à cette tribune le message de solidarité, de compassion et d’encouragement à toutes les nations et à tous les peuples du monde”. Mobilisation. Lors de son intervention, le Premier ministre a déclaré que «  Madagascar a affronté la pandémie avec tous ses moyens ainsi que ses capacités de sensibilisation et de mobilisation afin de protéger au mieux sa population et de renforcer la résilience nationale face au choc du COVID-19. Citons entre autres, la commande de plus de 5 millions de masques auprès des entreprises franches et des petites entreprises privées, le lancement d’un grand projet d’investissements publics pour les infrastructures, l’appui à la recherche et à l’innovation pour la fabrication du Covid-Organics ou CVO comme remède traditionnel amélioré pour lutter efficacement contre le Covid-19 ». Pratiques innovantes. Et de continuer « En effet, Madagascar s’est distingué avec le CVO, fruit d’importants travaux de recherche effectués par l’lnstitut Malagasy de Recherche Appliquée (IMRA), vu le statut reconnu de Madagascar comme sanctuaire de la biodiversité mondiale avec une pharmacopée traditionnelle très variée et riche. Madagascar considère qu’il est urgent de combler rapidement le retard que le monde a accumulé dans les réflexions et actions communes et synergiques face aux impacts du COVID-19. Dans cette perspective, il est devenu impératif de concevoir et promouvoir un nouveau concept avec de nouveaux instruments de réponse innovants favorisant les initiatives globales, régionales et locales dans la production des intrants médicaux, notamment des médicaments et des vaccins . Renforcer la coopération internationale dans le domaine de la santé pour favoriser les avantages comparatifs de chaque pays dans la multiplication des modèles adaptés au niveau de la technologie et de l’innovation atteint par les pays et pour promouvoir un accès universel aux pratiques innovantes et aux données scientifiques; et mettre en place des mécanismes de financement des systèmes de santé. Prospérité partagée. “Vu le défi mondial sur le plan sanitaire insufflé par le COVID-19, ces propositions ne pourraient se réaliser que grâce à une coopération sans précédent entre les nations, le monde de la recherche scientifique et médicale, le secteur de l’industrie pharmaceutique et les partenaires multilatéraux. La question du développement économique et du progrès social reste l’une des priorités de notre pays, car seule une prospérité partagée peut engendrer un effet vertueux en faveur du bien-être social de nos populations et garantir un meilleur avenir pour nos enfants ”. Il estime, en outre qu’aujourd’hui, la communauté internationale est à nos côtés en tant que partenaire de nos multiples actions pour relever ces défis importants de développement auxquels Madagascar fait face. “Je saisis cette opportunité pour remercier nos partenaires pour leur engagement total pour Madagascar et son peuple. A la lumière de nos défis communs, Madagascar appelle aujourd’hui à une nouvelle initiative universelle multilatérale, à travers l’adoption d’un « Agenda global post-COVID » placé sous la bannière des Nations Unies. Cette initiative, pouvant être limitée dans le temps, serait destinée à mieux diversifier et coordonner tous nos engagements multilatéraux et nos actions contre les risques socio-économiques importants que pose la crise sanitaire actuelle, en particulier sur les économies les plus vulnérables ”. Recueillis par Dominique R. L’article Lutte contre le Covid-19 : Le Premier ministre pour le renforcement de la coopération sanitaire internationale est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre le Covid-19 : Le Premier ministre pour le renforcement de la coopération sanitaire internationale a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta
23/09/2020

Tsy very maina ny fihibohana ho an’ny tarika Gasta, ahitana an’i Jimmy, i Tantely, i David ary i Haja. Tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana no niketrehan’izy ireo ny vazo vaovao toy ny «Ialako nenina», ny «Tsofy rano», ny “Vavaka ho anao”. Raha tsiahivina, 20 taona ny efa nivoizan’ny Gasta ny gadona rap. Ampahany amin’ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro ary nahafantarana ny tarika ny « Sipa avy aiza? » sy ny « Fo tetaka ».Nomarihan’i Jimmy fa omena vahana ny fanaingoana ny sanganasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara sy ny fampiarahana izany amin’ny mpikosoka kapila DJ. 20 taona aty aoriana, tsikaritra ho tafapetraka ilay fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Gasta rehefa milalao mozika. “Nitombo an-dalana toy izany ihany koa ny fahamatorana”, hoy hatrany i Jimmy.Am-periny amin’ny famoahana ny rindrantsarin’ilay sanganasa « Ialako nenina » ry Gasta. Mampanantena seho tokana sy hiavaka ihany koa ry zalahy zanak’i Talatamaty ireto amin’ny lanonana famaranana ny taona 2020. Havondrona ao anatin’io seho io avokoa ny traikefa azo tao anatin’izay fotoana naharitraritra izay.“Mbola vonona hatrany hanjohy ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika Gasta ary nampanantena hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ao anatin’ny tontolon’ny rap”, hoy ny mpikambana rehetra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta a été récupéré chez Newsmada.