Cntemad: mangaraharaha ny fanadinana

News - Cntemad: mangaraharaha ny fanadinana

News - Cntemad: mangaraharaha ny fanadinana

« Ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka ny  fanatanterahana ny  fanadinana ary efa nisy ny fepetra noraisina amin’ny alalan’ireo dingana  samihafa hatao », hoy ny tompon’andraikitra, omaly tetsy amin’ny lycée Ampefiloha sy ny JJ  Rabearivelo. Hitohy anio  hatramin’ny  rahampitso izany fanadinana izany raha efa nanomboka ny 19 jona teo ary tanterahina amin’ny foibem-panadinana  miisa 46. Arahin’ny fitombokase avy amin’ny  tompon’andraikitra manokana ny taratasim-panadinana atao anaty  valopy. Misy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa sy ny mpitandro filaminana amin’izany.

Anisan’ny mandray izany fiatrehana fanadinana eo anivon’ny Cntemad izany ireo foibe miisa fito eto an-dRenivohitra : lycéeAndohalo, Faravohitra sy ny lycée Faravohitra Annexe.  Ny lycée Ampefiloha- J.J Rabearivelo ary ny CEG Antanimbarinandriana sy ny EPP Analakely. Maherin’ny 16 000 ireo mpiadina ka 11.402 ho an’ny fari-padidiana Antananarivo.

Synèse R.  

 

Article tiré de Newsmada

L’article Cntemad: mangaraharaha ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 20/06/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Intrants de santé et fonds “Fanome” : Des détournements mis à nu

Le Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao multiplie les descentes auprès des formations sanitaires publiques. Les contraceptifs sont gratuits dans les formations sanitaires publiques, pourtant ils sont vendus à 4.000 ariary au CSB II Tsararivotra Ambatofotsy. Le ministre de la Santé publique a effectué une  descente sur place pour mettre en garde les responsables concernés. Le ministère de la Santé publique a reçu des doléances par rapport aux détournements de médicaments dans les formations sanitaires. Ceci concerne particulièrement les contraceptifs. Le ministre de la Santé, le Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao, a ainsi effectué une descente inopinée depuis la centrale d’achats Salama à Anosiala, en passant par la PhaGDis Itaosy jusqu’au CSB II Tsararivotra Ambatofotsy . « Pour ce dernier, les contraceptifs se procurent à 4.000 ariary alors qu’ils sont à titre gratuits », déplore-t-il. Durant cette descente, il n’a ainsi pas manqué de s’entretenir avec les responsables de ce CSB II, et de les rappeler à l’ordre. Il a aussi indiqué dans la foulée qu’aucune tolérance ne serait accordée aux responsables impliqués dans le détournement des médicaments octroyés par l’État dans les établissements publics de santé. Le ministre a également fait le même constat au PhaGDis Itaosy, où il a dévoilé le détournement de fonds dédiés à l’achat des médicaments par le biais du « fanome ». Une enquête préliminaire a été ouverte pour démasquer les responsables de ces actes frauduleux, a-t-on appris. Gratuit. Les consultations auprès des CSB II sont totalement gratuites. Dans le cadre du renforcement du système de santé à Madagascar, des médicaments sont aussi distribués gratuitement pour le traitement de quelques maladies, comme c’est le cas pour la tuberculose ou encore le VIH. Les femmes enceintes reçoivent aussi des médicaments préventifs du paludisme, et compte tenu du contete sanitaire actuel, les soins médicamenteux de la Covid-19 sont également gratuits. Outre les médicaments et les subventions dédiés à l’achat des médicaments, le ministre a aussi profité de cette descente pour faire un rappel à l’ordre quant à l’utilisation des « motos » distribuées aux formations sanitaires publiques. Il a fait savoir que ces véhicules à deux roues sont parfois utilisés comme « taxi-moto », ce qui est tout à fait inadmissible. Tout comme les véhicules de l’État, ces motos devraient porter des plaques rouges bien qu’elles soient faciles à identifier avec leurs couleurs blanches, toutes de marque « Honda », selon toujours le Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao. Narindra Rakotobe L’article Intrants de santé et fonds “Fanome” : Des détournements mis à nu est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Intrants de santé et fonds “Fanome” : Des détournements mis à nu a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Ambositra : Vol de moto dans l’enceinte du commissariat

Une histoire invraisemblable s’était produite tôt ce mardi 3 août dans l’enceinte même du commissariat de police vers 3h30. Insolite. Un individu a pénétré dans la cour du commissariat pour voler une moto parmi les nombreuses motos garées devant l’établissement, sans crainte aucune. Quant au policier de permanence, l’agent a pris le temps d’observer les actes et gestes de l’intrus. Le voleur a choisi une moto et s’est dirigé vers la sortie vers le grand portail. Le brigand a alors été pris en flagrant délit. On ignore les raisons de ce comportement étrange et de cette histoire invraisemblable voire insolite commise dans un commissariat qui plus est, classé zone rouge. Une affaire de grosse cylindrée. AnastaseL’article Ambositra : Vol de moto dans l’enceinte du commissariat a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Niatrika lalao fitsapana, nikatrohana tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ny alahady lasa teo, ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”. Tamin’izany no nanoloran’ny ligin’i Tsiroanomandidy lelavola 300 000 Ar ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, hanampiana azy ireo hiatrehana ity fifaninanana ity.Raha hiverenana kosa ny lalaon’ny roa tonta, resin’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i Bongolava.Mila fanamboarana ny famonoam-baolina ho an’ny Barea, izay mbola lesoka ho an’ireo lohalaharana. Ankoatra izay, tokony hamafisina ihany koa ny fiarovantena, izay somary goragora. Tsiahivina fa hiatrika an’i Mozambika ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana ho an’ity “Chan 2020” ity. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cua- Fandraofana ny fako : nanolotra fitaovana ny Jica

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanalana ny fako eto Antananarivo Renivohitra. Tontosa, ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny lanonana fandraisana ofisialy ireo fitaovana avy amin’ny Agence japonaise de coopération internationale na ny Jica. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, notronin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana sy ny tale jeneralin’ny Samva. Fitaovana hanatsarana sy hanamorana ny fandraofana fako ireo, sy ho fitsinjovana ihany koa ny fahasalaman’ny mponina sy ho fiarovana ireo mpiasan’ny Samva. Nahitana kodiarana ho an’ireo fiara lehibe 10 an’ny Samva, fitaovana fikarakarana ireo fiara, fitaovana enti-midio, bakan-jaoridira ary fitaovana fiarovana ho an’ny mpiasa RF2.Ny zoma teo ihany, tontosa tao Analakely ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana vola eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fonds de développement local na ny FDL. Vola mitentina 10 miliara Ariary, ho fampiroboroboana ny fampandrosoana ifotony, hanatanterahana ireo tetikasa ho tombontsoan’ny besinimaro izany. Anisan’ireny ny fanamboarana sy ny fananganana tsena vaovao, ny fananganana toeram-piantsonana, toeram-pialamboly ao Ambohijatovo ary toeram-pidiovana manerana ireo boriborintany enina.Zo ny AinaL’article Cua- Fandraofana ny fako : nanolotra fitaovana ny Jica a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faty roa no niampatrampatra…: Nitifi-tena ilay zandary rehefa avy nitifitra ny vadiny vao tera-bao

Nentin’ny fanenenana lalina ! Maty nitifi-tena ity zandary iray, rehefa avy nitifitra ka nahafaty ny vadiny izay vao tera-bao. Nandriaka ny rà. Faty roa be izao no niampatrampatra, tao amin’ ny tokatrano iray, any Isandra, Fianarantsoa. Zandary iray galona kilasy faharoa no nitifitra namono nahafaty ny vady an­defimandriny tamin’ny basy Kalachnikov tao Fanjakana distrikan’Isandra, afakomaly hariva. Vao tera-bao anefa ity vadiny ity. Nihosin-dra teo am-pandriana ilay renim-pianakaviana. Maty nihosin-dra teo amin’ny tany kosa ilay zandary rehefa namono tena taorian’ny tifitra nataony am-badiny. Naratra nipitihan’ny bala teo amin’ny sandriny havia kosa ny zanak’izy mivady vavikely vao 6 taona monja. Raha ny tatitra voaray teo anivon’ny zandarimaria any an-toerana, miasa ao amin’ny borigadin’i Fanjakana, distrikan’Isandra, faritra Matsi­atra Ambony ity zandary nahavanon-doza ity. Voalazan’ny lehibeny fa isan’ireo zandary voatondro hanatanteraka fisafoana amin’ny alina ho fitandroana ny fandriampahalemana any an-toerana izy tamin’io fotoana io. Nolazain’ireo na­many fa lasa nody vetivety tany an-trano izy izay ao anatin’ny tobin’ny zandary ihany. Poa-basy anefa no henon’ireo namany niandry azy. Lasa nijery ny zava-nisy tao an-tranony ireo namany ka olona efa mihosin-dra mitsirara no hitan’izy ireo. Fantatra nandritra ny fanadi­hadiana fa hiakatra « conseil d’enquête » ity zandary nahavanon-doza ity ny 24 desambra 2020 izao noho ny fandikan-dalàna nataony. Mety hahavoaraka azy tsy ho ao anatin’ny fianakaviamben’ny zandarimaria intsony izany ka antony mety ho nahatonga azy nahavita izao fihetsika mamoafady izao. Ahina ho misy olana koa eo amin’izy mivady.J.CL’article Faty roa no niampatrampatra…: Nitifi-tena ilay zandary rehefa avy nitifitra ny vadiny vao tera-bao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sehatra bagasy: hanazava ny feo faharoa i Lidy

Ankoatra ny maha mpitsabo azy, mpihira anisan’ny tsy zovina amin’ny mpitia zavakanto, indrindra fa ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly, i Lidy ao amin’ny tarika R’Imbosa. Hizara izay traikefa matanjaka ananany izy, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny IKM Antsahavola. Amin’ny ankapobeny, hizara telo ny fandaharam-potoana amin’io. Ny tantarany sy ny fivoaran’ny feo faharoa bagasy. Ny fomba fihira feo faharoa manaraka ny ngadona sy kolontsaina malagasy. Ny tombontsoan’ny fisian’ny hira marobe an-kapila voaangona sy ny fahafantarana ireo andrarezin’ny feo faharoa, tao anatiny sy ivelan’ny teatra malagasy.Raha ny fikarohana nataon’ity andrarezin’ny feo faharoa ity, roa ny anjara toerana lehibe tazonin’ny feo faharoa. Izy no manaraka ny feo voalohany amin’ny filantoan’ny hira. Manaingo ny hira ihany koa ny feo faharoa na ny « feon’ny fihetseham-po ». Anjara fahatelo raisiny ny hamoahan’ny mpihira ny angolan-kira izay miseho amin’ny endrika maromaro tsy voatery ho voasoratra anaty solfa.HaRy Razafindrakoto L’article Sehatra bagasy: hanazava ny feo faharoa i Lidy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antanandrano: manana 6 ha ny Sinoa iray mpandraharaha

Any amin’ny fitsarana ny raharaha mikasika ilay tany eny Antanandrano Avaradrano, ankehitriny. Mifanolana aminy ireo mitonona ho mpandova sy ny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra iray. Tonga hatreny amin’ny Antenimierampirenena ny raharaha, nahatonga ny raharaha teo amin’ny solombavambohaka iray sy ny minisitra iray ihany koa. Mitranga etsy sy eroa koa ny fanehoan-kevitra samihafa. Araka ny loharanom-baovao azo, misy Sinoa mpandraharaha efa manana velaran-tany 6 ha amin’ilay 30 ha, mikasa ny haka ilay velaran-tany manontolo ary heverina fa mety ho manohana ireo vondron’olona mitaky ny tany ihany koa.Tsiahivina fa nampahatsiahy ny minisitry ny Fitsarana ny tokony hamelana malalaka ny mpitsara hanao ny asany ankalalahana fa tsy tokony hisy ny fitsabahana na tsindry mivantana na ankolaka, araka ilay noteneniny hoe “intervention”.RandriaL’article Antanandrano: manana 6 ha ny Sinoa iray mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambohimangakely: sesilany ny asa soa ataon’ny malala-tanana

Maromaro ireo mpanao asa soa eny amin’ny kaominin Ambohimangakely. Anisan’ny nisongadina amin’izany ny nataon’ireo malala-tanana toa an-dRadafindranaro Andriamanga Thierry. Mponina eny Ambohimangakely rahateo ny tenany ary mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka.Mitsinbina ny zaza sy ny ankizy ary ny vehivavy sahirana sy ny tanora ity malala-tanana ity. Isan-kerinandro ny fizarany Koba aina ho an’ireo zaza sy ny ankizy eny Ambohimahitsy. Manao hetsika famorana faobe ireo zazalahikely ihany koa izy. Ankoatra izany ny fiahiana ny tanora ka hikarakrany fifaninanana lalao baolina kitra eo anivon’ny kaominina Ambohimangakely sy hanolorany omby mifahy ho an’izay ekipa mandresy.Nampanantena i Thierry fa hizara kit scolaire ho an’ny mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE ho avy izao. Handoko ny EPP Ambohimangakely ihany koa izy ho tonga vaovao indray.Tanjony ny hampivoatra sy ny hampandroso ny tanàna ka hanentanany ny rehetra ho sahy handray anjara amin’izay eo am-pelatanana amin’izany fampandrosoana izany.Marihina fa mpandraharaha matihanina amin’ny sehatra maromaro ny tenany. Anisan’izany ny fitantanana sy ny varotra iraisam-pirenena, ny asa taotrano. Mpikambana mpanorina ny fikambanana « Lehilahy misionera katolika » sy ny « Justice et paix » ao amin’ny fiangonana katolika St Martin Tsarahasina Ambohimangakely ihany koa izy.Tatiana AL’article Ambohimangakely: sesilany ny asa soa ataon’ny malala-tanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny kolikoly: naka hevitra momba ny lalàna mifehy ny Pac ireo loholona

Tokony ho nanomboka omaly ny fakan-kevitry ny eo anivon’ny Antenimierandoholona momba ny fanovana ny lalàna mifehy ny Pac. Niainga avy amin’ny tolo-dalàna natolotry ny depiote Idealson izany.Efa lany teny Tsimbazaza izy io ary izao niverenana hodinihin’ny etsy Anosikely izao indray. Anisan’ny hakan’ireo loholona hevitra amin’izany ireo rafitra miady amin’ny kolikoly : Bianco, Samifin, CSI. Eo koa ny fiarahamonim-pirenena sy ny sendikàn’ny mpitsara ary ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy teknika (PTF).Efa niteraka adihevitra nanomboka tamin’ny taona lasa io tolo-dalàna io. Nanaiky ny tokony hanitsiana izany ny teo anivon’ny Antenimierandoholona teo aloha.Nambaran’ny eo anivon’ny Pac, amin’ny alalan’ny mpandrindra, Ratiaraisoa Harimahefa, ny volana desambra 2020 fa  ilaina ny fanatsarana lalàna iadiana amin’ny kolikoly. “Vonona hitondra ny anjara biriky izahay. Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena izany, saingy ilaina kosa ny tokony handinihana tsara ireo fanovana”, hoy izy.Tanjona ny hirosoana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly ka tokony hifanaraka amin’izany ireo fanovana amin’ireo fanitsiana atao amin’ity lalàna ity, araka ny nambarany.Niray feo sy nanao angaredonaTsiahivina fa nanao angaredona manohana ny Pac koa ny fiaraha-monim-pirenena ary mitsipaka ny hampihenana ny fahaleovantenany. “Tsy vitan’ny nahena ny fotoam-piasan’ny Pac fa eo koa ny fanovana nentin’ny depiote nanesorana ny heloka tokony hotsarainay nefa manana endrika toekarena sy vola”, hoy ihany ny etsy 67 ha. Heloka manodidina ny 20 no nesorina tsy hotsarain’izy ireo intsony ka tsy hita ny maha fitsarana miady amin’ny kolikoly ny Pac. Fampihenana ny fahaleovantenan’ny Pac ny fampihenana ny fotoam-piasany ho telo taona raha efa-taona izany. Mazava ny azy ireo, ny tsy handeferana ny kolikoly. Andrasana ny ho fihetsik’ireo loholona manoloana izany rehetra izany.Synèse R.L’article Ady amin’ny kolikoly: naka hevitra momba ny lalàna mifehy ny Pac ireo loholona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany

Tsy  nanova ekipa firy ny filoha  Rajoelina  sy ny  Praiminisitra Ntsay Christian. Iray  ihany  ny minisitra vaovao, notendrena amin’ny  alalan’i Blache Nirina Richard. Hisahana ny fampianarana ambony  sy ny fikarohana  momba ny siansa ary ny fanavaozana ny tenany. Nisolo ny toeran’i  Rejo-Fienena Felicité tamin’ny fitantanana  io minisitera io. Tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy sa mety misy antony manokana ny nanesorana azy ?Anisan’ny nahafantarana ity minisitra vaovao ity ny nitantanany ny fikarakarana ny  fihaonambem-pirenena, ny taona 2009. Natao hivoahana amin’ny krizy  teto amin’ny firenena  izany.Volahaingo Marie Therèse sy Naharimamy IrmahNaverina amin’ny toerany kosa  ireo minisitra mirahavavy teo aloha,  voafidy ho  depiote ary  efa nivory teny amin’ny  lapan’i Tsimbazaza. Anisan’izany i Volahaingo Marie Thèrese minisitry ny Fanabeazam-pirenena  sy ny fampianarana teknika sy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary  ny vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah. Miakatra avy  hatrany ny lisitra manaraka azy ireo avy any Bealanana sy Toamasina  I,  nahavoafidy azy  ireo. Ankoatra ireo, mbola voatana amin’ny toerany avokoa ireo mpikamban’ny governemanta notendrena, ny  volana janoary teo. “Napetraka niaraka  amin’ireo minisitra isan-tokony ny drafitra tsy maintsy narahin’izy  ireo ao anatin’n y herintaona mba hampifanaraka ny veliranon’ny filoha sy ny IEM  ary ny politika ankapoben’ny  fitondrana… Napetraka  ny fanamby sy ny tanjona mifandraika amin’izany niaraka amin’ireo minisitra.  Vita ny enim-bolana.  Mbola  hisy enim-bolana faharoa hijerena ny  fahavitan’izy ireo  ny andraikitra na tsia, araka ny efa nifanarahana”, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana  ny Repoblika, Andriamaholy Dina, namaky ny didim-panjakana teny Ambohitsorohitra,  omaly.Very anjavony ny anarana depiote natolotra… Midika io fa tsy mbola tafiditra  tamin’izao governemanta  izao ireo anarana fito hafa natolotry ny depioten’ny IRD raha nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay  Christian teny Mahazoarivo izy ireo, afakomaly.  Tahaka izany koa  ny antsoantson’ireo avy any amin’ny  faritra, toy ny any Antsiranana  sy ny fikambanan’ny Zanaka Androy, nitaky ny tokony hametrahana  olona avy any amin’izy ireo izao governemanta izao.Synèse R.  L’article Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Notsongaina

Haintrano goavana tao Farafangana: mahatratra 3000mahery ireo tra-boina
11/10/2021

Trano manodidina ny 880 isa no kilan’ny afo ary mahatratra 3700 isa ireo tra-boina taorian’ny fahamaizana goavambe tao amin’ny fokontany Mahafasa-Farafangana, ny alin’ny zoma teo tokony ho tamin’ny 09ora sy sasany. Very tao anatin’ny ora vitsy ireo fananana nihariana tao anatin’ny taona maro. Raim-pianakaviana iray, 58 taona ihany koa no maty vokatry ny loza, rehefa niverina tao an-tranony, naka ny boaty fitoeram-bolamenan’ny vadiny tamin’io fotoana io. Namela mananon-tena sy kamboty efatra ny lehilahy. Raha ny fanadihadiana, niainga tamina trano tsy lavitra ireo mpanao “huile de palme” ny loza ka niitatra vetivety tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina. Naharitra adiny 5 ny famonoana ny afo nifarimbonan’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona ary levona tanteraka izany tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany maraina, ny asabotsy. Taorin’ny tranga, tonga teny nijery ireo tsy manan-kialofana ny solontenam-panjakana nitondra izay voarambin’ny tanana. Ireo tra-boina kosa tsy nety niala teo an-toerana. L’article Haintrano goavana tao Farafangana: mahatratra 3000mahery ireo tra-boina a été récupéré chez Newsmada.

Conseil Supérieur de la Magistrature : Raoul Arizaka Rabekoto devant le Conseil de Discipline
16/10/2021

: L’ancien DG de la CNAPS ne comparaîtra sans doute pas en personne devant le CODIS Moins de trois semaines après sa condamnation par contumace par le Pôle Anti-Corruption (PAC), l’ancien Directeur général de la CNAPS qui se trouve depuis février 2020 à l’étranger, encourt également une sanction disciplinaire au niveau du CSM. 10 ans de travaux forcés. C’est la peine principale prononcée à l’encontre de Raoul Arizaka Rabekoto qui fait aussi l’objet d’une interdiction d’exercer toute fonction publique durant 10 ans. Force est de se poser des questions sur l’effectivité de cette peine complémentaire puisque sa durée correspond à la période de détention de l’ancien DG de la CNaPS. Le Conseil Supérieur de la Magistrature (CSM) a visiblement tiré les conséquences de cette condamnation et/ou de l’absence prolongée de l’intéressé qui aurait dû réintégrer son poste de magistrat financier auprès la Cour des …Comptes depuis l’abrogation de sa nomination à la CNaPS. CODIS. Garant de la bonne application du Code de déontologie des magistrats, le CSM siégeant en tant que Conseil de Discipline (CODIS) exerce le pouvoir disciplinaire à l’égard de tous les magistrats. De source informée, le ministre de la Justice, Herilaza Imbiki vient de saisir le CSM sur le cas de Raoul Arizaka Rabekoto. Le président du CSM et non moins président de la République ou son vice-président et ministre de la Justice désigne un rapporteur parmi les membres du CSM d’un grade au moins égal à celui du magistrat poursuivi. Il le charge, s’il y a lieu, de procéder à une enquête. Dans le cas d’espèce, le rapporteur doit être un magistrat de premier grade comme le concerné. Empêchement. Raoul Arizaka Rabekoto a droit à la communication de son dossier, de toutes les pièces de l’enquête et du rapport établi par le rapporteur. Son Conseil a droit à la communication des mêmes documents. L’ancien DG de la CNaPS doit recevoir ces documents 15 jours avant sa comparution devant le CODIS. Il peut se faire assister par un ou plusieurs avocats inscrits au Barreau ou par l’un de ses pairs et/ou par un des membres de son syndicat. En cas de maladie ou d’empêchement reconnus justifiés, il peut se faire représenter par l’un de ses pairs ou par un avocat inscrit au Barreau ou par un des membres de son syndicat. Cas de force majeure. Au jour fixé par la convocation et après lecture du rapport, il sera invité à fournir ses explications et moyens de défense sur les faits qui lui sont reprochés. Il sera tenu de comparaître en personne. Ce qui est peu probable pour l’ex-président de la FMF sauf si le mandat d’arrêt international venait à être exécuté. Hors le cas de force majeure, si le magistrat convoqué régulièrement ne comparaît pas, le CSM peut néanmoins statuer sur le cas de Raoul Arizaka Rabekoto qui risque d’être radié définitivement du corps de la magistrature pour abandon de poste et/ou suite à sa condamnation pénale assortie d’une interdiction d’exercer toute fonction publique pendant 10 ans. D’ici là, ce magistrat de premier grade aura dépassé l’âge de la retraite. R.OL’article Conseil Supérieur de la Magistrature : Raoul Arizaka Rabekoto devant le Conseil de Discipline a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Banky iraisam-pirenena sy FMI: fanarenana ny toekarena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana
11/10/2021

Hatao ny 11 hatramin’ny 17 oktobra 2021 ho avy izao ny fivoriambe isan-taona fanaon’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Isan’ny hodinihina ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid, ny fiovan’ny toetr’andro ary ny varotra iraisam-pirenena.Hisy tomponandraikitra ambony avy any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana maromaro, hanatrika ity fihaonan’ny roa tonta ity, hiaraka handinika ny fanamby efa tanterahina sy ny mbola ho avy.Anisan’ny lohahevitra hodinihina, rahampitso 11 oktobra, ny fepetra horaisina hisian’ny fitomboana ara-toekarena tena mipaka any amin’ny rehetra, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Ho an’ny talata 12 oktobra, hokarohina ny vahaolana hanamafisana ny fahasalamana ka hanafainganana ny fitsinjarana ny vaksiny miady amin’ny Covid. Hanazava ny asan’ny Banky iraisam-pirenena ny filohany, i David R. Malpass, ny 13 oktobra, handrindrana ny fanarenana ny toekarena afaka miatrika ny Covid.Atrehina ny fiovan’ny toetr’androHo dinihina ny 14 oktobra ny asa tokony hataon’ny firenena tsirairay sy ny orinasa manoloana ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro. Hokarohina ny asa ho vahaolana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, ahitam-bokatra maneran-tany. Ho an’ny 15 oktobra, hojerena ny lanjan’ny varotra iraisam-pirenena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana, hijerena ny fomba hanamorana ny fifanakalozana sy hampihenana ny masonkarena.Mivory indroa isan-taona ny BM sy ny FMI, ka hatao isaky ny volana avrily ny antsoina hoe fivoriana lohataona ary izao atao isaky ny oktobra izao ny fivoriambe isan-taona. Misahana ny fampandrosoana mivantana ny lafiny toekarena sy sosialy ny BM ary miompana amin’ny fanampiana ara-bola ny fanjakana isaky ny firenena ny FMI.Njaka AndriantefiarinesyL’article Banky iraisam-pirenena sy FMI: fanarenana ny toekarena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina
12/10/2021

Hanohana an’i Madagasikara ny fikambanana iraisam-pirenena Fonds Bezos, hametrahana fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Voakasik’izany ny hiarovana ala honko mirefy 87.000 ha any amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara sy hanarenana ny ala honko mirefy 7.500 ha hatramin’ny taona 2025. Hotohanana ny tontolo mananaina sy ny mponina eny ifotony ho afaka miatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Menabe, Melaky ary Diana.Nilaza ny tale jeneralin’ny fikambanana WWF iraisam-pirenena, i Marco Lambertini, fa karohina ny famatsiam-bola sahaza, izay tombanana hatrany amin’ny 700 miliara dolara isan-taona. Araka ny fanadihadiana nataon’ny ivontoerana Institut Paulson, manodidina ny 722 hatramin’ny 967 miliara dolara isan-taona ny tetibola ilaina ato anatin’ny 10 taona ho avy. Ilaina ny famatsiam-bola ho an’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hanohanana ny sehatra samihafa hita fa manimba ny tontolo iainana, toy ny fambolena, ny jono, ny fotodrafitrasa, sns.Ho an’ny tale jeneralin’ny WWF Madagasikara, Rtoa Rastifandrihamanana Nanie, mila miray hina amin’ny firenen-drehetra i Madagasikara, hiatrehana ny krizy ara-tontolo iainana sy ny toetr’andro.Njaka A.L’article Fonds Bezos: ala honko 94.500 ha harovana sy harenina a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina tany Matsiatra Ambony: “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana…” 
11/10/2021

Nitohy tany Matsiatra Ambony indray ny dian’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy teo. Mazava ny nambarany. “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana”, hoy izy. Nizara “certificat” ho an’ireo vahoaka nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ireo “Asa Avotra” ( vola atakalo asa) ny tenany tamin’izany. Mifantoka amin’ny fanatanterahana ireo asa madinika eo anivon’ny tanànan’i Fianarantsoa, nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid-19. Anisan’izany ny fanamboarana lalan-kely, “pave”, tohatoha-bato, fanadiovana zaridaina…“Tsy maintsy mifanampy sy mifampitsinjo isika amin’ny asa fampandrosoana”, hoy ny filoha. Nitokana ny EPP manara-penitra ao Mahamanina  avy eo ny filoha.Hosazina ireo mihoa-pefyNitohy tamin’ny fitokanana ny fonja vaovao manara-penitra ao Volamena Ambalakely ny rehetra taorian’izany. Hahazaka voafonja miisa 1800 ity fotodrafitrasa ity.“Tokony ho hita taratra amin’ny asa ny fitondran-tena mendrika sy fanajana ny zo. Tsy azo ekena ary hosazina ireo mandika fitsipi-pifehezana. Tsy tanjona ny famenoana fonja fa tokony hisy fiarovana ny madinika sy fitsinjovana ireo voafonja. Ilaina ny fanenana ny isan’ny voafonja », hoy ny filoha. Nanteriny fa toerana fanarenana ny fonja ary mila manaja zon’olombelona ny mpiandry fonja. Nanolotra fiara hitondrana ireo voafonja ny filoha tamin’izany.Ilaina ny fikirizana sy fifehezan-tenaNotokanana koa ny toby miaramila « Détachement spécial de sécurité » ao amin’ny kaominina Ambalakindresy, Ambohimahasoa. Anisan’ny  faritra mena ny any an-toerana. Nambaran’ny filoha fa tsy misy fampandrosoana  eto amin’ny firenena raha tsy tafapetraka ny fandriam-pahalemana ary milamina ny vahoaka. « Mametraka ny fandriampahalemana manakaiky vahoaka isika. Aleo isika mametraka zavatra maharitra. Hanamarika ny tantara ity fotodrafitrasa ity » hoy ihany izy. Nampanantena ny filoha fa hovitaina ny kianja manara-penitra ary hamboarina, tsy ho ela ny lalam-pirenena RN25.Nitokana ny kianja manara-penitra ao Ambalavao ny filoha avy eo. Notsindriny fa ilaina ny fanorenana fotodrafitrasa tahaka izao. « Raha misy olona roa mihazakazaka. Mitranga lela ny iray raha vao mahavita iray kilometatra monja. Isika anefa mbola mahavita manao 20 km. Ny fikatsahana ny tsara kokoa. Toe-tsaina ilaina hoentina mampandroso ny firenena izany. Isika tanora  ka mahavita azy “, hoy izy.Synèse R.  L’article Filoha Rajoelina tany Matsiatra Ambony: “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana…”  a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina
11/10/2021

Tsy ho ela intsony. Nifamory tao Andramasina, ny herinandro teo, ireo lohandohany sy mpitarika eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ity distrika ity. Nivoitra tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny hiatrehana ny fikaonandoham-paritry ny antoko, Analamanga, ho tanterahina ato ho ato. “Miainga amin’ny fanapahan’ny avy ety ifotony sy ny hetaheta na ny heviny ny fehinkevitra hivoaka amin’izany fikaonandoha-paritra izany. Tsy misy ny baiko midina…”, hoy ny avy amin’ny birao nasionaly, Ratavilahy Andry. Narindra sy nalamina tamin’izany ireo mpandray anjara ho solontenan’ny MMM distrika Andramasina. Manana olom-boafidy miisa 22 amin’ireo kaominina miisa 10 ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo ity any an-toerana. Hofaritana amin’ny fihaonana manaraka ny hanampy azy ireo, hitondra ny hevitry ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-paritra.Synèse R. L’article Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina a été récupéré chez Newsmada.

  Filalaovana tantara amin’ny Radio: notolorana mari-boninahitra i Zoly
11/10/2021

 Tontosa ny asabotsy teo ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Officier de l’ordre national » (à titre posthume) an’i Julienne Lala Razoveloarinoro na i Zoly, kintan’ny filalaovana tantara amin’ny Radio. Nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny iraky ny filoham-pirenena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo.Tsiahivina fa nandray anjara tamin’ny fandaharana hafa toy ny « Sangisangy zary tenany », ny « Tononkalo sy Hira » ary ny dokam-barotra i Zoly.NarilalaL’article   Filalaovana tantara amin’ny Radio: notolorana mari-boninahitra i Zoly a été récupéré chez Newsmada.

Natation : Holy Antsa et Jonathan signent deux nouveaux records nationaux
14/10/2021

A défaut de médailles, les deux nageurs représentants de la Grande île aux Championnats d’Afrique à Accra, Ghana ont pulvérisé deux nouveaux records nationaux. Jonathan Raharvel du COSFA a effacé l’ancien record du 50m brasse de 29’’84 en 29’’63. Il a terminé 4e de sa série et s’est qualifié pour la finale où il a fini 8e avec 30’’32. Holy Antsa Rabejaona a signé un nouveau record de Madagascar du 50m papillon, mais en raison du problème de chrono, les temps ne sont pas encore connus. La pensionnaire du centre international de Kazan a disputé la finale. Ces deux nageurs étaient déjà auteurs d’autres records de Madagascar sur le bassin de 25m cette année et au 50m papillon pour Holy Antsa à Kazan, et au 50m et 100m brasse pour Jonathan à Mahajanga. T.HL’article Natation : Holy Antsa et Jonathan signent deux nouveaux records nationaux a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Musique tropicale : Eusébia et Jaojoby en duo
12/10/2021

Jaojoby, le roi du salegy entouré des siens. Dix ans maintenant que l’antre du roi du salegy a ouvert ses portes pour la première fois. Pour célébrer en grande pompe l’anniversaire du Jao’s Pub, Eusébia et Jaojoby, les maîtres des lieux, fêteront l’événement le 29 octobre prochain. Ce sera donc du salegy à profusion entre les « Alima », « Tsy hirenireny », « Tany tsaratsara » sans oublier les chansons de la jeune femme comme « Namako », ou « Mamy fitiavana ». Un moment de communion entre père et fille, mais surtout un moment mémorable avec le large public, tant les habitués des lieux que les mélomanes. Si chez les Jaojoby, la musique se joue en famille, le roi du salegy et les siens ont toujours voulu apporter leur pierre à l’édifice dans la promotion de l’art et de la culture. De là, Jao’s Pub est vite devenu une plateforme pour les noctambules. Et depuis, les artistes de tous horizons défilent, autant les grosses pointures que les étoiles montantes. Du côté d’Ambohipo, le dernier week-end du mois d’octobre se terminera sur un ton de salegy. Zo Toniaina  L’article Musique tropicale : Eusébia et Jaojoby en duo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme  
13/10/2021

Les Malgaches vivent cette période de l’après Covid sans vraiment manifester l’envie de réclamer une amélioration de leur situation. Ils subissent les événements avec  résignation. Ils affrontent les difficultés de la vie quotidienne en attendant de voir le résultat des actions du pouvoir. Ce dernier a essayé de peser sur les leviers de l’économie pour ramener le coût de la vie à un niveau raisonnable, mais on attend de voir le résultat des annonces qui ont été faites. Dans le contexte actuel, on ne peut que rester dans l’expectative. La communication gouvernementale occupe tous les créneaux de l’information. Les déplacements du chef de l’État sont l’occasion de conforter l’action qu’il mène pour le développement du pays. Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme   Les Malgaches n’ont plus le goût de la contestation. Il est loin le temps où ils étaient prêts à descendre dans la rue pour montrer leur mécontentement. Ils ont été laminés par la crise et ils sont plutôt attentifs à l’évolution d’une situation sur laquelle ils n’ont aucune prise. Ils regardent ce que fait l’État pour tenter d’améliorer leurs conditions d’existence. C’est le coût de la vie qui est au centre de leur préoccupation. L’annonce de l’arrivée de cargaisons de riz et plus tard de PPN pour stabiliser les prix est accueillie sans enthousiasme. Tout le monde attend de voir les effets de ces importations sur le marché pour se réjouir. Mais les citoyens restent plutôt sceptiques sur leurs effets à long terme car il s’agit d’actions conjoncturelles. Ils attendent des mesures de soutien plus concrètes des secteurs productifs pour relancer l’agriculture et l’industrie malgaches. Les difficultés actuelles n’ont pas diminué la capacité d’analyse des Malgaches, mais ils acceptent  ce que l’État fait aujourd’hui pour amoindrir les effets de la crise. Il est peut être malvenu dans les circonstances actuelles de faire des reproches. Les interpellations viendront plus tard. Actuellement, les Malgaches font le dos rond et préfèrent vivre leur vie de la manière la plus calme possible. Patrice RABEL’article Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC
12/10/2021

Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy mahatonga ny tsy  fandriampahalemana ao Toamasina, ankehitriny. Ny fahatsapana izany indrindra no anton’ny fivoriana lehibe niantsoan’ny prefet-n’i Toamasina, izay sady lehiben’ny OMC ny lehiben’ny mpitandro filaminana (miaramila, zandary, polisy), ny lehiben’ny boriborintany, ny sefom-pokontany sy ny lefiny miisa 138, ary ny fikambanana mampiasa ireo fitaovam-pitaterana (bajaj, posy bisikileta), ny zoma teo, tetsy amin’ny lapan’ny prefektiora, Mangarano. Momba ireto fitaovam-pitaterana (ny bajaj na posy bisikileta) ao Toamasina ireto, voalaza fa toa ampiasain’ny mpanao ratsy hitaterana entana halatra azo avy amin’ny fandrobana sy vaky trano, fandrobana tranombarotra. Miray tsikombakomba amin’ny jiolahy àry ve izany izy ireo ? Asa, fa ny zava-misy, efa maromaro tamin’izy ireo ihany no voasambotry ny mpitandro filaminana.Mpianatra telo lahy tratra nitsindrona héroine…Ankoatra izay, niara-niaiky ny rehetra fa noho ny fihanaky rongony sy ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne, cocaïne, scquinque…), izay efa manomboka be mpampiasa amin’izao fotoana izao no antony iray lehibe mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Hatramin’ny tanora sy ny mpianatra any amin’ny Lycée sy ny oniversite aza, ankehitriny dia tafaroboka tanteraka amin’izany. Anisan’izany izao ny fahatrarana mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy telolahy, nitsindrona héroïne ary hiakatra fitsarana amin’ny herinandro io. Izao fihanaky ny fidorohana zava-mahadomelina izao no niarahan’ny rehetra niaiky fa mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana (vonoan’olona, fandrobana, halatra sy vaky trano…) ao Toamasina. Hisy, araka izany, ny fiaraha-mientan’ny hery rehetra, ny mpitandro filaminana mivondrona ao anivon’ny OMC, tarihin’ny prefet, an-daniny, ary ireo tomponandraikitra ifotony, ny avy ao amin’ny boriborintany, ny fokontany… an-kilany.SajoL’article Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC a été récupéré chez Newsmada.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.