CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato

News - CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato
Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity.
Lynda A.
Cet article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato est apparu en premier sur déliremadagascar.
L’article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato a été récupéré chez Délire Madagascar.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Kitra: afaka ny sazin’ny kianjaben’i Mahamasina
Afa-tsento sy tebiteby amin’izay ny mpitia baolina kitra malagasy fa nohafahan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), ny sazy nahazo ny kianjaben’i Mahamasina, rehefa tsy navela handray lalao iraisam-pirenena, nandritra ny telo volana.Araka ny fanambaran-dRtoa, Atallah Béatrice, filohan’ny «comité de normalisation», misahana ny baolina kitra malagasy, efa afaka ny sazy nihatra tamin’ny kianjaben’i Mahamasina. Raha tsiahivina, nosazin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), tsy mahazo hanaovana lalao iraisam-pirenena, ho an’ny ekipam-pirenena, tao anatin’ny telo volana, ny kianjaben’i Mahamasina. Izany sazy izany dia nanomboka ny 27 septambra 2018. Antony, ny fisian’ny mpijery baolina namoy ny ainy, nandritra ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Liona Teranga avy any Sénegal, ny alahady 9 septambra 2018. Nisy mantsy ny tsy fanarahan-dalàna teo amin’ny fampidirana ireo mpijery baolina ka niteraka fifanosehana, niafara tamin’ny fahafatesana olona sy nisian’ny ireo naratra marobe.Nomarihin’ny filohan’ny «comité de normalisation», efa nisy manampahaizana avy amin’ny Fifa, nijery sy nanao fanadihadiana, ny kianjaben’i Mahamasina, ny voalohandohan’ity taona 2019 ity. Tamin’izany, no nanamarihan’izy ireo fa mila fanamboarana ny vavahady fampidirana sy fivoahan’ny olona. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fanatsarana ny «gradin» ao amin’io kianjaben’i Mahamasina, io.Nohamafisin’ireo iraky ny federasiona iraisam-pirenena ireo koa, araka ny tatitra fa mila andraisana fepetra, ny fiarovana ny mpijery noho ny fisian’ireo mpivarotra be loatra manodidina ny Mahamasina, izay tsy mifanaraka amin’ny fepetra iraisam-pirenena, ho an’ny kianja filalaovam-baolina.Voalaza fa tsy nitsipaka izany tolo-kevitry ny federasiona iraisam-pirenena izany, ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina fa ankoatra ny tsy fahazoan’ny Barea de Madagascar, nilalao teo Mahamasina, mbola nandoa onitra 10.000 dôlara ihany koa ny mpitantana ny federasiona malagasy, tamin’izany fotoana izany. Tompondaka L’article Kitra: afaka ny sazin’ny kianjaben’i Mahamasina a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina ny Leader Fanilo sy ben’ny Tanàna 1000
Manao tohivakana. Nisesy ny fanambarana fanohanana ny kandidà Rajoelina amin’izao hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Anisan’izany ny eo anivon’ny Leader Fanilo sy ireo ben’ny Tanàna. Nanapa-kevitra ny birao nasionalin’ny Leader Fanilo, nivory ny asabotsy teo fa hanohana ny kandidà Rajoelina. “Entanina ny mpikambana manerana ny Nosy hanao ny ezaka rehetra hampandaniana ny kandidà laharana faha-13”, hoy izy ireo. Nentanin’izy ireo koa ny mpikambana hametraka fitokisana amin’ny kandidà Rajoelina. Nialohavan’ny dinika sy famakafakana ny raharaham-pirenena izany. Teo koa ny nihainoana ny vinan’ny kandidà roa hiatrika ny fihodinana faharoa. Nohamafisin’ity antoko naorin-dRazafimahaleo Herizo ity fa mametraka ho ambony ny fampandrosoana mitsinjo vahoaka eny ifotony ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo. Ben’ny Tanàna anarivony… Mifototra amin’ny firaisankinam-pirenena, ady amin’ny fahantrana, tsy fandriampahalemana, fitsinjaram-pahefana tena izy, fanjakana tsara tantana , ady amin’ny kolikoly. Fanaovana ho lohalaharana ny tanora sy ny vehivavy. Etsy andaniny, nanao fanambarana koa ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna miara-dia amin-dRajoelina (Fibemiar) avy amin’ny faritra 22, tetsy Andavamamba, omaly. Nambaran’izy ireo tamin’ny izany fa resy lahatra amin’ny vinan’ny kandidà laharana faha-13 izy 585 mianadahy mianaka nisolo tena ireo ben’ny Tanàna anarivony, manohana ny mpanorina ny IEM. “Maty paika ny azy ny vina ary mamaly ny filan’ny vahoaka, eo amin’ny fandriampahalemana, ny sosialim-bahoaka…. Tsy hivadika ary manatanteraka ny ambarany”, hoy izy ireo. Randria L’article Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina ny Leader Fanilo sy ben’ny Tanàna 1000 a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana
Nanokanana andro, omaly, ny politika momba ny hetra niantsoana sehatra sy sokajin’olona maro. Tsy adidin’ny fanjakana irery ny raharahan-ketra, araka ny fanamarihana nataon’ny sampandraharahan’ny hetra.Mbola ambany ny tahan’ny fidiran-ketra eto amintsika, 12 % monja, ka ny hampitomboana izany. Niantsoana ireo sokajin’olona samihafa avy amina sehatra maro, nitondra ny heviny. Lohahevitra nosoritana : “Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Andrasana avy amin’io fihaonana io ny hitsanganan’ny tambajotra iray ahitana ny avy amin’ny minisitera isanisany, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka any amin’ny oniversite. Havondrona ny hevitr’ireo rehetra ireo hamaritana izay tokony hampitomboana ny fidiran-ketra. Kendrena ny ho 15 % amin’ny 2023.Iray nitondra ny heviny, ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Miara-miasa hatrany ny ladoany sy ny foiben-ketra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Tolo-kevitra iray naroson’ny ladoany ny fiarovana ny orinasa eto an-toerana, ka faritana ireo akora na entana tsy asiana fanamaivanan-ketra. Anatin’izay fiarovana ny orinasa izay ny fampidinana ny haba amin’ireo akora na fitaovana fampiasan’izy ireo. Fomba ampirisihina azy ireo izany hanondrana entana any ivelany, mampiditra vola vahiny. Tokony hatevenina koa ny haba alaina amin’ireo akora fototra fanondrana any ivelany, toy ny kraomita, fasimainty, volamena sy vatosoa, sns…Nanamafy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, fa mbola ezaka goavana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. “Hatramin’izao, TVA, haban-tseranana, solika, ireo no mampiditra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa mila fanantenana lavitrezaka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay avy amin’ny vola miditra aminy”, hoy ny tale jeneraly. Nampahafantarina ihany koa ny fahamaroan’ny asa fihariana ivelan’ny ara-dalàna, mahatratra 40 %, tsy mandoa hetra, araka ny tatitra nataon’ny FMI. R.MathieuL’article Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
“Mibanjina” – Randrianasolo H. Patrick Thierry: “ Mila kolontsaina te hivoatra ny isam-batan’olona ”
Ny fananana kolontsaina mibanjina ny ho avy no mahatafita, indrindra ny fiezahana amina tanjona iray. “Rehefa ny tsirairay no manana fahafahana dia hirindra ny fiainana eto amintsika”, hoy Randrianasolo H. Patrick Thierry, ao amin’ny Mibanjina.Tsy ny manam-pahaizana ihany no afaka manana fiainana mirindra, fa ny kolontsaina te hivoatra ananan’ny isam-batan’olona no mahavanona, raha ny fanazavan’i Randrianasolo H. Patrick Thierry . Ny ONG “Mibanjina” misehatra amin’ny fampiofanana arakasa fampiharana ho an’ny mpamboly, mpiompy ary mpanao asa tanana sns… Miady amin’ny fahantrana sy ny tsy fananana asa eto Madagasikara ihany koa.Manana teny filamatra: “Izay mahay mibanjina tsy maintsy mandresy” ny Mibanjina. “Anisan’ ny zava-bita nahafaly ny nahatafitana olona tsy manana diplaoma maro. Nahavita trano sy nahavoavidy tany ry zareo. Tsy mifidy olona mahay na tsy mahay ny fampiofanana fa fampiharana avy hatrany. Rehefa manana saina sy hery ahafahana mamita ny asa ao anatin’ny fahamarinana”, hoy Randrianasolo H. P.Thierry, 16 taona nisiana amin’izao ny ivontoerana niainga tao Fianarantsoa, Maevatanana ary eto Antananarivo.Mivelatra ny « Mibanjina »Efa manomboka ny fampiofanana amin’ny fitrandrahana volamena amin’ny fomba matihanina, izay efa fanaon-dry zareo. Tsy ilaina mari-pahaizana fa afaka manao izay mazotoa, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra. “Mametraka ny tetikasa mba hitondra fahefa-mividy ho an’ny mpiray tanindrazana mba hitarika any amin’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra izahay. Miankina amin’ny tranga misy ny fiaraha-miasa na tsia amin’ny vahiny. Raha mazava fa mitondra soa ho an’ny Malagasy maro tokoa ilay fiaraha-miasa, tsy misy maharatsy izany fa raha mifanohitra amin’izany, heveriko fa tsy tokony hatao. Ilay fomba fiasa “samy mahazo ara-drariny ny anjarany” na ny “gagnant gagnant” no mibaiko ny fanapahan-kevitray rehetra”, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Manana ivontoerana etsy Ambohipo ny Mibanjina ary manana pejy “facebook” Mibanjina, izay misokatra ho an’ny rehetra.NarilalaL’article “Mibanjina” – Randrianasolo H. Patrick Thierry: “ Mila kolontsaina te hivoatra ny isam-batan’olona ” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Sehatr’asa: tsy ahitana mpiasa vehivavy ny fitaterana
Sehatra iray goavana iankinan’ny toekarena ny fitaterana an-tanety. Manamarina izany ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina ataon’ireo taxi-be izay efa mahatratra 3500 mahery. Fa sehatr’asa iray miavaka amin’ny rehetra koa.Ireo taxi-be ireo no miantoka betsaka ny fitaterana mpiasa, mpivarotra, mpiasa tena, mpianatra, sns. Singa iray mampihodina ny toekarena mandritra ny taona. Io ihany koa no miasa ora maro indrindra, mialoha ny amin’ny 8 ora maraina, miasa aorian’ny 6 ora hariva. Taxi-be ihany ny tena mpanjifa solika gazoala be indrindra, porofon’izany nihena betsaka ny fanjifana tany amin’ireo toby mpivarotra solika nandritra ny fihibohana tsy nahazoan’ireo taxi-be ireo niasa.Fa ny tena mampiavaka ny taxi-be sy ny fitaterana hafa (zotra nasionaly, zotra rezionaly, fitaterana entana, fitaterana solika), dia zara raha ahitana, mba tsy hilazana hoe tsy ahitana mihitsy, mpiasa vehivavy eo amin’ny mpitatitra sy ny mpanampy. Mibahan-toerana amin’izany asa izany ny lehilahy hatramin’ny taona maro. Sarotra ho an’ny vehivavy ny asa fitaterana, raha ny fanazavan’ny teknisianina iray ao amin’ny ATT (Agence de transport terrestre).Mbola tsy ahitana vehivavy na mpamily any amin’ny toeram-piasana isan-karazany. Hatrany am-boalohany, tsy mahasarika vehivavy ny asa fitaterana. “Indrindra tsy atao ho an’ny vehivavy amin’izao fotoana mampihemotra ny toekarena izao ny fitaterana”, hoy ity teknisianina ao amin’ny ATT.Mihemotra ny toekarena, mihemotra ny fitateranaMihemotra ny toekarena, mihemotra ny fitaterana : fiara ela niasana tsy mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Tsy tokony hisy intsony ny mpanampy mandray vola. Ohatra, tokony karatra mamoha ny varavarana hidiran’ny mpandeha … Mihemotra ny fitaterana, hita amin’ny fari-pahaizan’ireo mpamily, indrindra ny mpanampy azy. Sokajin’asa atao anjorony mihitsy ny fitaterana, vitsy ireo misoratra any amin’ny CNaPS. Mihemotra ny fitaterana, satria mila herintsandry, tsy natao ho an’ny vehivavy. R.MathieuL’article Sehatr’asa: tsy ahitana mpiasa vehivavy ny fitaterana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Taolagnaro: sarona ireo jiolahy niaraka amin’ny odigasy
Noraisim-potsiny ! Tratran’ny polisy avy ao amin’ny Sut Taolagnaro, omaly, ny jiolahy miisa efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Isaka Ivondro, kaominina ambanivohitr’i Taolagnaro, ny alatsinainy 11 janoary lasa teo. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny raim-pianakaviana iray niharana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro, ny alarobia 13 janoary 2021 teo. Araka ny nambarany, nitondra basy ireo jiolahy mpanafika ary naka ny fananany rehetra tao an-trano. Lasa nandositra ireo jiolahy taorian’ity fanafihana ity. manoloana izany, nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka nahitam-bokany izany, omaly maraina, tamin’ny 8 ora. Jiolahy miisa efatra no indray saron’ny polisy. Tamin’ny fisavana ny trano nitoeran’izy efa-dahy ireo dia basy vita gasy miisa efatra, odigasy sy mohara no tratra tao an-tranon’izy ireo. mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity fanafihana ity.J.CL’article Taolagnaro: sarona ireo jiolahy niaraka amin’ny odigasy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Andranonahoatra – Itaosy: nirefotra ny poa-basy, jiolahy iray voatifitry ny polisy
Voatifitry ny polisy teny Andranonahoatra, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina, ny jiolahy iray tratra teo am-pisokirana toeram-pivarotana lehibe iray. Araka ny fanazavan’ny polisy, jiolahy roa no nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana tamin’io fotoana io. Tratra teo am-pisokirana ilay toeram-pivarotana iray eny an-toerana izy roa lahy. Nahita ny fihetsik’izy roa lahy ireo polisy nanao fisafoana ka nanatona avy hatrany, saingy namaly ny iray. Nitsoaka kosa ilay jiolahy iray na efa nanao fampitandremana aza ireo polisy nanao fisafoana. Vokany, azo sambo-belona ny jiolahy iray ary mbola nanohy ny fitsoahana kosa ilay namany. Voatery nitifitra ny polisy ka voa teo amin’ny tongony ilay jiolahy. Nentina namonjy hopitaly ity jiolahy voatifitra ity, saingy maty noho ny fahaverezan-dra be loatra. Nahatrarana fitaovana maromaro famakiana trano, toy ny baraminina, ny fahalahidy maroanaka, ny “pince” tany amin’ilay jiolahy azo sambo-belona. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy.J.C L’article Andranonahoatra – Itaosy: nirefotra ny poa-basy, jiolahy iray voatifitry ny polisy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy
Nisokatra, ny faran’ny volana jolay lasa teo ary haharitra hatramin’ny 14 aogositra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo maniry hifaninana amin’ilay fifaninanana « Prix de bonnes pratiques en éducation physique de qualité (EPQ). Tetikasa, nomena ny anarana hoe « Fanoitra », karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tafiditra indrindra anatin’ny famolavolana ilay Vinan’asa Kazan an’ny Unesco. Araka ny loharanom-baovao, hisitraka famatsiam-bola 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpifaninana mendrika ary hahazo ny anarana ho mpandray anjara mendriky ny EPQ ho amin’ity taona 2019 ity.Mariiana fa hatao ny 16 sy 20 aogositra izao ny fisafidianana ny antontan-taratasin’ireo mpandray anjara ka hamoahana izay dimy mendrika indrindra. Ny 23 aogositra izao kosa ny hamoahana ireo anarana ireo amin’ny fomba ofisialy.Misy ny fepetra tsy maintsy arahina ao anatin’ity fifaninanana ity ary azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena www.mjs.gov.mg izany. Eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena na ny Complexe scolaire Ampefiloha, na eny amin’ny biraon’ny DRJS manerana ny Nosy, ny hahafahana manatitra ny antontan-taratasy hifaninana, afaka alefa amin’ny adiresy mailaka ihany koa anefa, araka ny fanazavana hatrany. Mi.RazL’article Tetikasa Kazan – EPQ: hahazo 5 hatramin’ny 25 tapitrisa ariary ireo mpandresy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra
Poa-basy, grenady lakrimozena nitora-jofo, doro kodiarana, tora-bato… Izany ny santionan’ireo zava-nitranga tao Toamasina, ny alin’ny zoma teo noho ilay raharaha fahitan’ny tovovavy iray taova sy karandohan’olona tao amin’ny tokantrano iray. Nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireto andian’olona marobe ireto. Tsy nanaiky anefa ny mpitandro filaminana…Nirefodrefotra nandritra ny alina manontolo, ny zoma hifoha asabotsy teo, ny basy sy ny grenady lakrimozena nataon’ny mpitandro filaminana handravana sy hanapariahana ireo andian’olona marobe nirohotra nandoro trano sy hanao fitsaram-bahoaka tao amina tokantranona fianakaviana iray eo amin’ny “4 chemins” Morarano Toamasina. Niezaka nanohitra ireo andian’olona naneho ny hatezerana tamin’ny fielezan’ny vaovao momba ity halatra taova ity ny mpitandro filaminana. Nandrehitra kodiarana teo amin’ny arabe sady nitora-bato ny fiaran’ireo mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, vaky ny fitaratry ny fiaran’ny polisy. Naratra voatora-bato ihany koa ny polisy. Olona roa avy amin’ireo mpanao fikehetsiketsehana voasambotra hanaovana fanadihadiana momba ity tora-bato sy fandrehetana kodiarana. Mbola nahitana fokonolona mitangorongorona teny an-toerana , omaly mikasa ny hiditra an-keriny ao amin’ilay tranovato misy peta-drindrina mitady mpiasa efa ho ampolon-taona maro.Mpiasa iray nahita karandohan’olona…Toy izao ny raharaha raha hiverenena. Misy soratra amin’ilay peta-drindrina amin’ilay tranovato efa hatramin’ny taona 1991 milaza fa mitady mpiasa. Fianakaviana efa manana ny lazany hatramin’izay izy ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny zoma tolakandro teo, nisy tovovavy nitady asa tao amin’ity trano ity ary noraisina hiasa. Ny zoma io ihany, tonga tany amin’ny zandary ilay tovovavy sady efa sempotsempotra nitantara ny hitany tao amin’ilay trano. “Mpiasa vao hiditra hiasa ao amin’ny fianakavian’i T. M. aho ka nahita karandohan’olona sy taolana ary taova samihafa raha iny hiditra tao amin’ny efitrano fandroana iny. Nitsoaka nanao ny fomba rehetra nahafahako nivoaka tao aho raha nahita izany. Izao tonga aty aminareo izao”, hoy ilay tovovavy, araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao Toamasina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notarihin’ny Prefet, Benandrasana Cyril sy ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, Rajaonah Thierry. Nangataka fahazoan-dalàna hanao fisavana trano teo anivon’ny fampanoavana ny zandary raha vao naharay izany fiampangana izany ary niroso haingana nanao ny fisavana ilay trano voalaza. Nambaran’ireo mpitandro filaminana nanao ny fisavana anefa fa tsy nahita na inona na inona ry zareo nandritra ny fisavana natao ka anisan’ny antony nanazavan’ny prefet sy ny tonia ny mpampanoa lalàna ny tokony hampitony ny rehetra. Tsy nanaiky izany anefa ireo andian’olona raha tsy misy solontenam-pokonolona navela miditra manao fisavana ao amin’ilay trano, araka ny fanazavana voaray hatrany.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mampivoatra ny any ambanivohitra ny WeLight
Miezaka mampivoatra ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra ny orinasa WeLight Madagascar, araka ny tontolo manodidina mampiavaka an’ilay tanàna. Jerena avokoa, ohatra, ao amin’ny tanàna iray ny isan’ny mponina, ny tsy fahazoan’izy ireo herinaratra, sy ny tetibola ankapobeny isam-pianakaviana.Atao maharitra ny fotodrafitrasa apetraka, indrindra any amin’ireo kaominina ambanivohitra lavitra sady ratsy lalana. Miainga avy amin’izany ny famolavolan’ny WeLight ny vidin’ny angovo, araka izay zakan’ny isam-pianakaviana, ka aloa mialoha ny vidin’ny herinaratra amin’ny alalan’ny « compteur prépayés ». Maherin’ny tokontrano 600 sy asa fihariana maro, toy ny asa tanana, fanodinam-bokatra avy amin’ny fambolena no mahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao. Manohana sehatra maro ny WeLight, ankoatra ny fihariana, eo indrindra koa ny fanampiana ny fampianarana, ny fitsaboana. Ireo mpiara-miombon’antokaPatmad : Fikambanana najoro araka ny lalàna malagasy, manana toeram-piasana Tsiky eto an-dRenivohitra sy fanahazana voankazo any Ampefy. Manolotra vahaolana ho fanavaozana nanomboka ny 2004, ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana any ambanivohitra . Ireo mpiasa ao amin‘ny Tsiky, ohatra, nomena fiofanana sy nampian’ny manam-pahaizana Suisse avy ao amin’ny CEAS, momba ny fanamboarana milina manodina herinaratra avy amin’ny rano. I Dama ao amin’ny tarika Mahaleo no mitarika azy.CEAS : ONG Suisse miasa eto Madagasikara nanomboka ny taona 1982. Manampy betsaka amin’ny fanodinam-bokatra avy amin’ny fambolena sy ny famokarana herinaratra azo havaozina izy izao.Aider : Fikambanan’ny injeniera miasa ho amin’ny fitrandrahana angovo azo havaozina avy amin’ny rano, nanomboka ny taona 2004. Anaran’ny foibe famokarana : AndriamamovokaToerana : Fialofa, Sarobaratra – Miarinarivo Itasy,22 km avy eo AnalavoryIsan’ny mponina : 2797 , tokantrano 642Herin’ny angovo : 2 x 50 KW (100 KW)Azon’ny tokantrano alaina : 12 V, 220 V, 400 VL’article Mampivoatra ny any ambanivohitra ny WeLight a été récupéré chez Newsmada.