Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry

News - Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry

News - Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry

Natao tany Vatomandry, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ho an’ny fiahiana sosialy tany amin’ny distrika Vatomandry. Niandraikitra azy ny sampandraharaha fahasalamana sy sosialy (Sass) ao amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), notarihin’ny mpandrindra ny asa, Rakotomalala Yvan, nilazany fa zava-dehibe ny fananana fiahiana sosialy. Nohatevenina ny efa fantatry ny rehetra, toy ny fisotroan-dronono, ny dingana arahina rehefa hanao fangatahana, ny fanampiana samihafa omen’ny Cnaps ny fianakaviana sy ny mpiasa raha sendra tra-doza am-perinasa, sns. Nohazavaina koa ny atao hoe Fahasalamana sy fiarovana amin’ny asa (SST).

Niisa 43 ny mpiofana, nahitana mpampiasa sy mpiasa, avy amin’ny sehatra samihafa, nandritra ny telo andro. Nanokatra ny fotoana ny lefitry ny lehiben’ny distrika Vatomandry, Ramanampamonjy Fanomezantsoa, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra samihafa. Nomena mari-pankasitrahana izy 43 mianadahy taorian’ny fiofanana.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry a été récupéré chez Newsmada.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Barea de Madagascar: tsy avelan’ny Fosa Jr mandeha i Baggio

Araka ny filazana hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, nivoaka omaly talata, fantatra fa tsy navelan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Fosa Jr, hanao «visa», hamonjy ny fampivondronana ireo mpilalaon’ny Barea, any Paris, i Baggio. Voalazan’ny fampitam-baovao fa anton’izany, ny fisian’ireo ambin-dalao hatrehin’ny Fosa Jr, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sy ny amboaran’i Madagasikara, samy mbola hatrehin’ny ekipan’i Boeny avokoa, indrindra fa ny famaranana ny «Telma coupe», ny alahady 2 jona, ho avy izao.Tsiahivina fa tokony hanainga, amin’ity herinandro ity, i Baggio sy i Leda satria hanomboka ny 31 mey ho avy izao, any Paris, izany fampivondronanana eo anivon’ny Barea de Madagascar izany. Raha ny fandaharam-potoana, hisy lalao fihantsiana hikatrohan’ny Barea amin’i Luxembourg, ny alahady 2 jona ho avy izao.Ankoatra izay, anisan’ireo mpanohana ny Barea koa ny banky BNI Madagascar, mandritra ity taona 2019 ity. Hisy lalao ho an’ireo mpitsidika ny “Foire internationale de Madagascar”, hatao eny Tanjombato manomboka ny alakamisy ho avy izao, eo amin’ny “stand” BNI Madagascar. TompondakaL’article Barea de Madagascar: tsy avelan’ny Fosa Jr mandeha i Baggio a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Base Toliara: hanomboka amin’ny 2021 ny fitrandrahana fasimainty

Manaraka ny bokin’andraikiny ny orinasa mitrandraka fasimainty Base Toliara. Nambaran’ny tale jeneraliny, Ramahefarivo Jean Bruno, fa misy ny fandaharam-potoana nalahatra hanatanterahana ny drafitrasa. Hanomboka amin’ny taona 2020 ny fananganana ny fotodrafitrasa ilaina, toy ny ozinina sy ny tranon’ny mpiasa, ny lalana, ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranan-tsambo, sns, vitaina mandritra ny roa taona. Aorian’izay, hanomboka amin’ny faran’ny taona 2021 ny asa fitrandrahana fasimainty, haondrana any ivelany.Mialoha ireo, maromaro ny asa fanomanana hatao amin’ity taona 2019 ity. Anisan’izany ny fanadihadiana ny asa hatao, ny firesahana tsy tapaka amin’ny mponina any ifotony. Eo koa ny fikarakarana ny fifanarahana amin’ny antso tolobidy ho an’ny tolotr’asa samihafa, toy ny fanamboaran-dalana, ny fanorenan-trano, ny fotodrafitrasa samihafa, ny famatsiana sakafo, ny fikojakojana, sns.Tsy hitanay ny tsy ifanarahanaMikasika ny fanehoan-kevitra samihafa tato ho ato, mikasika ity tetikasan’ny Base Toliara ity, nilaza ny tale jeneraly fa tsy hitan’izy ireo ny tokony hisian’ny tsy fifanarahana eo aminy sy ny fanjakana. Manana ny taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna ny Base Toliara ary ao anatin’izany ny dingana fitrandrahana. Amin’izy ireo, tsy nisy ny filazan’ny fanjakana, nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitera tany Toliara, fa hajanona ny tetikasa. Hojeren’ity orinasa ity kosa anefa ny fanampiny amin’ny lafiny sosialy. Nomarihiny fa tsy andraikitry ny orinasa tsy miankina ny misahana ny lafiny fampandrosoana ankapobeny na antsipiriany amin’ny fampandrosoana, saingy manana anjara kosa izy ireo amin’ny fanampiana sy fanohanana ny fiharian’ny mponina eny ifotony sy ny sosialy. Anisan’izany ny hananganana hopitaly any amin’ny kaominina Ankilimanilike, satria lavitra, 52 km miala an’i Toliara.Hanomboka amin’ny volana jona koa ny famindrana ireo razana, ka hafindra any akaikin’ny tanànan’ny mponina, ary arahina daholo ny fomban-drazana rehetra.Tsy mikitika ny alan’i MikeaMikasika ny resabe amin’ny alan’i Mikea, notsorin’ny DG, Ramahefarivo Jean Bruno, fa tsy manana fahazoan-dalana hitrandraka any amin’ity ala arovana ity ny Base Toliara. Tsy mikitika azy izahay, tsy manana taratasy amin’izany, sady vakoka iraisam-pirenena ny alan’i Mikea.Manana drafitrasa matipaiky ity orinasa ity hamerenana amin’ny laoniny ny toerana hitrandrahany fasimainty. Misy ny fambolen-kazo ary ho tsara kokoa noho ny hita amin’izao fotoana aza, satria mirongatra ny fanimbana ala sy ny fanaovana saribao any an-toerana, ankehitriny.Njaka Andriantefiarinesy Tombanana 806.000 t isan-taona ny fasimainty hotrandrahin’ny Base Toliara, 54.000 t ny zircon ary 8.000 t ny rutile. Ampiasaina amin’ny zavatra maro ireo akora ireo, toy ny alliage en titane, ny amin’ny fanamboarana loko, plastika, taratasy, fanafody na kojakoja amin’ny vatana, sns.Maharitra 33 taona ny fitrandrahana ary manodidina ny 560 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola.L’article Base Toliara: hanomboka amin’ny 2021 ny fitrandrahana fasimainty a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ADIHEVITRA ARA-TOEKARENA: Fanantenana ho an’ny orinasa malagasy

 Mahatsapa ireo orinasa any amin’ny faritra fa  lasa ankilabao sy voahilikilika. Tsikaritra ihany koa fa  toa tsy misy vokany akory ny fifanankalozan-kevitra niarahan’ny  sehatra miankina sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.  Izany indrindra no hikarakaran’ny Vondrona Eraopenina dinika an-databatra boribory momba ny toekarena eto Madagasikara isaky ny herinandron’ny Eraopa. Fanao isan-taona izy ity ho fanatsarana hatrany ny sehatry fandraharahana  sy ny fifaninanana ara-barotra ary ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena Malagasy sy ny Vondrona Eraopeanina. Notanterahina ny 6 mey 2019, teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany faha-dimy amin’ny adihevitra ara-toekarena Madagasikara-Vondrona Eraopenina. Tomponandraiki-panjakana, tompona orinasa, mpiara-miombona antoka ara-bola  sy ara-teknika an-jatony no nandray anjara tamin’ny adihevitra. Nanohana  ny adivehitra hatramin’izay ny tetikasa PROCOM, vatsian’ny vondrona eraopeanina. Lohahevitra noresahana tamin’ity taona ity ny “fanantenana vaovao ho an’ny orinasa malagasy”. Nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeanina, Di Girolamo Giovani  fa fotoana hihainoana ny hetahetan’ireo sehatra tsy miankina, hanamorana ny fifanankalozan-kevitra  eo aminy sy ny tomponandraiki-panjakana ity hetsika ity. Fotoana hampahafantarin’ny fitondram-panjakana ny politikan’ny governemanta momba ny toe-karena sy ny ara-barotra ary hanavaozana izany ihany koa ny adihevitra. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny indostria, varotra sy ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa fa noresahana nandritra ny adi-hevitra ny fomba tsara indrindra ahafahana  manampy ireo orinasa any amin’ny faritra ho fampandrosoana handraisan’ny rehetra anjara eto Madagasikara. Nodinihina ihany koa ny fomba hanatsarana ny fifaneraseran’ny sehatra miankina sy tsy miankina. Nanamafy ny ambasaodaorin’ny Vondrona Eraopeanina fa ho havadika ho asa ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika an-databatra boribory. Ao anatin’ny fanatanterahana ny vina ho Madagasikara misandratra avokoa izany rehetra. Nirina R. Cet article ADIHEVITRA ARA-TOEKARENA: Fanantenana ho an’ny orinasa malagasy est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Faribolana Sandratra: hitondra ny “Poezia Mozikaly” ny Raingy

Mitohy hatrany ny ezaky ny Faribolana Sandratra amin’ny fanomezan-kasina sy lanja ny tontolon’ny asa soratra, indrindra fa ny tononkalo. Iray amin’ireny ny “Raingy” hanolotra  ny “Poezia Mozikaly”.“Poezia Mozikaly”, io ny anarana nampitondraina ny « Raingy »  andiany fahatelo. Antsa voarindra ho tsangantononkalo ampiarahina amin’ny hira voalamina fa tsy toy ny mahazatra hatramin’izay.  Hotanterahina ny 22 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora hariva, etsy amin’ny CGM Analakely. Hetsika fanao isaky ny roa taona iarahana amin’ireo tovolahy poeta enina mirahalahy, ahitana an-dry Mina Ilarion, Mero Kosiky, Andriniela, Zazangaly, Eluart Andriatovonirina ary i Lefitra Aloky ny Ara,  avy ao amin’ny Faribolana Sandratra.Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taon’ity fikambanana ity sy ny fankalazana ny Iray volan’ny Teny malagasy.Ny Raingy, karazana fitaovana fampiasan’ny mpianala mba hanome afo. Hakasokasoka amin’ilay hazo lafika ny tsato-kazo. Asiana ravin-javatra na fako eo ampototr’ilay hazo, ka rehefa mahamay ireo hazo mifampikasoka, manome afo. « Tahaka izany no foto-pisainana nentinay hanatsarana ny tontolon’ny literatiora », hoy ny fanazavan’i Mina Ilarion.Miavaka ny fampisehoana amin’ity indray mitoraka ity, noho ireo boky telo indray mivoaka  (ny andiany voalohany sy ny faharoa, indrindra ity andiany farany ity). Tsy misy vidim-pidirana fa maimaimpoana ny seho.NarilalaL’article Faribolana Sandratra: hitondra ny “Poezia Mozikaly” ny Raingy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo

Dahalo valo mianadahy indray voasambotry ny zandary avy ao ami’ny poste avancé (PA) Analavory distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia 17 jolay 2019 lasa teo ka vehivavy (mpitahiry  ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo dahalo, miaraka amin’ny odigasy) ny iray amin’izy ireo.Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy any an-toerana, fokontany roa (Kianjasoa sy Ankaranana) ao amin’ny kaominina Analavory no lasibatr’ireto dahalo miisa valo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 30. Tsiahivina fa ny 8 jolay 2019 lasa teo, nahazo antso ny zandary miasa ao amin’ny Poste avancé Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Kianjasoa, kaominina Analavory ka omby miisa 10 no lasan’ireo malaso. Namonjy teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny kizo fiafenany ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. nitsoaka ireo malaso, navelany teo ny omby miisa enina fa ny efatra kosa efa novonoin’izy ireo. Ny 10 jolay lasa teo indray, naharay antso indray ny zandary fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ankaranana Ambodimanga, misy dahalo manafika io tanàna. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 20. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Natao ny sakana teo amin’ny kizo izay holalovan’izy ireo ary nampandrenesina koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambalanirana.Olona telo nidoboka am-ponja noho ny FIB hosoka…Rehefa nahatazana ny zandary sy ny fokonolona teo amin’ny kizo niafenany ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana. vokany, tsy nahatohitra ny zandary ireo malaso ka navelan’izy ireo ny omby miisa 20 ary dahalo iray tratra niaraka tamin’ny basim-borona calibre 12 vita gasy.Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary tamin’ity dahalo ity no nahafahana nisambotra ireo namany fito ka vehivavy ny iray izay nambaran’ny zandary fa mitahiry ny fitaovam-piadiana sy mpitazona odigasy. Nohamafisin’ny zandary fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Nahitana basim-borona roa hafa kao niaraka tamin’ny bala miisa enina, lefona, odigasy maromaro tao anaty kizo, ankoatra ireo niambozonan’ireo malaso. Mandritra ny hetsika ataon’ny zandary any an-toerana momba ny fijerena ny taratasin’omby (FIB) eny an-tsenan’omby ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, notarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Itasy, ny Kly Ralaikoa Armandin dia maro ireo taratasin’omby (FIB) hosoka ary olona telo no efa naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Manentana hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.Jean ClaudeL’article Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III”

Niova tampoka! Tsy hisy indray ny “Tsenabe Tangorona III”, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, tokony hotanterahina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, any Ambatondrazaka. Araka ny loharanom-baovao, nahatonga izany ny fotoana tsy ampy fa akaiky loatra ka tsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’ny lalàna, nomena ny olona na ny orinasa, hiantoka ny fanatanterahana ity hetsika toekarena ity.Manampy izany, araka ny fiteny aty Alaotra, azo adika amin’ilay hoe “efa may ny mololo”, izany hoe, lany vola ny mpamboly amin’io fotoana nokasaina hanatanterahana ny “Tangorona III” io, sady efa fotoam-panadinana rahateo manomboka ny aorian’io 31 jolay io. Tsy afaka mamoaka tetibola rahateo ihany koa ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro satria mbola vonjimaika.RarivoL’article Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs

Nakotroka ary tena tamin’ny fomba manetriketrika ny nandraisan’ny vahoaka alzerianina ny ekipan’ny Fennecs, taorian’ny nahazoan’izy ireo ny amboara amin’ny maha tompondakan’i Afrika azy, ny «Can 2019 », rehefa nandresy an’i Sénégal.Toy ny nandraisan’ny vahoaka malagasy ny Barean’i Madagasikara, ny asabotsy 13 jolay lasa teo, ny nitsenan’ny vahoaka alzerianina ireo mpilalaon’ny Fennecs, ny asabotsy 20 jolay. Vahoaka antapitrisany, niteraka fitohanana goavambe, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreny amin’ny toerana efa voaomana nandraisana azy ireo. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary dihy ny nanehoan’ny Alzerianina ny hafaliany, tamin’ny nahazoan’ny Fennecs fanindroany ny amboara.Raha tsiahivina, resin’ny Fennecs-n’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Cairo Stadium, ny zoma lasa teo. Baolina tokana, tafiditr’i Baghdad Bounedjah, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny fihaonana.Tsy mbola afa-bela indray izany tamin’ity ry Mané izay efa lavon’ny Fennecs, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ihany koa, nandritra ny lalaom-bondrona, tamin’ity “Can 2019” ity. Tsy mbola tao amin-dry zareo Senegaley mihitsy ny vintana satria indroa tonga teo amin’ny famaranana ny Lionan’i Teranga, saingy indroa resy.Ankoatra izay, ilay Nizerianina, i Odion Ighalo, no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra. Nahatafiditra baolina dimy izy, nandritra iny “Can 2019” iny. Teo amin’ny laharana faharoa ilay Senegaley, i Sadio Mané, sy ilay Alzerianina, i Riyad Mahrez, ary ilay Kongoley, Bakambu, samy nahafaty baolina telo avy. Ho an’ny Barean’i Madagasika indray, i Carolus no nahafaty baolina be indrindra, miisa roa. Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Vangaindrano : Taolam-paty 2 gony, sarona

Zazalahy kely iray nilalao tsy lavitra alan’akondro no nahita ireto taolam-paty roa gony, afak’omaly, tao Agnalamba Distrikan’i Vangaindrano. Araka ny tati-baovao voaray, dia nametrahan’ny/ireo mpangalatra taolam-paty teo ambonin’ireo gony. Nihevitra ilay zaza, fa akondro ny ao anaty gony, ka rehefa nosavainy dia taolam-paty taolan-dava marobe no tao. Nampandre haingana ny olona teo an-tanàna sady nitantara ny zavatra hitany izy. Taorian’izay no niantso ny mpitandro filaminana ny Sefo Fokontany. Eric ManitrisaL’article Vangaindrano : Taolam-paty 2 gony, sarona a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ambolena katsaka, lojo, voanjo, mangahazo,…, amin’ny alina

Niray feo ny tompon’andraikitra samihafa any an-toerana, fa “doran’ireto olona ireto ny ala na ny baiboho, ary andatsahana katsaka, na ambolena mangahazo, na voanjo, na lojo avy eo. Matetika amin’ny alina no hanaovan’izy ireo izany.Manana Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) ny kaominina Andranofasika. Nilaza ny tompon’andraikitra iray ao, Moravelo André, fa « tsy manana taratasin-tany ara-dalàna ny 60%-n’ny tany any an-toerana. Ny 20% ihany no manana titra na kadasitra ary karan-tany ny 20% ». Tsy mahagaga raha mirongatra ny fampiasana ny tanim-panjakana sy ny faritra arovana satria mihamaro ny mpanajary.Manararaotra ny mpandraharahaNilaza Namindrantsoa, fa misy mpandraharaha manangona ny vokatr’izy ireo eo amoron’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4). Misy amin’izy ireo avy any Antananarivo, manangona ny katsaka, ary avy any Mahajanga ny mpanangona lojo, mangahazo, voanjo, sns. Nambaran’ny ben’ny Tanàna Marosakoa, Gilbert, fa “misy amin’ireo mpandraharaha mahavita manome vola 2 tapitrisa ariary aloa mialoha ho entina miasa. Eo koa ny mpanangona saribao, mamatsy azy ireo mialoha ny gony, ka izy ireo ihany no mametra ny vidiny andraisany ny vokatra avy eo. Misy koa tompon’andraikitra ambony, toy ny mpitsara, manamboninahitra ambony, sns, manana velaran-tany midadasika, indrindra amin’ny toerana baiboho, manodidina ny alan’Ankarafantsika. Nambaran’ny talen’ny parka, Jaotera, fa “manararaotra ny fahantrana sy ny faharefon’ireo olona ireo, ny sokajin’olona samihafa, toy ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola. Soso-kevitro, ny handraisan’anjara ireo sehatra sy rafitra samihafa hiarahana mamantatra ny olana ary miara-mijery ny vahaolana. Voakasik’izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Atitany, ny Fanjariana ny tany, ny Filaminam-bahoaka, ny Mponina, ny Tontolo iainana sy ny ala, sns … raha tsy izany, ahina ho ringana tanteraka ny ala an’ Ankarafantsika ato anatin’ny dimy taona”. Tarehimarika vitsivitsy:Distrika roa, Ambatoboeny sy Marovoay, no mamaritra ny valan-javaboaharin’Ankaranfantsika, ahitana kaominina miisa 13. Mirefy 93.635 ha, ary arahin’ny Komity ifotony ao amin’ny parka (CLP) ny 75.100 ha.Ny taona 2017, nahatratra 67 ha ny velaran’ala potika; 2.476 ny isan’ny foto-kazo notapahana tsy ara-dalàna; miisa 218 ny goni-tsaribao tsy ara-dalàna tratra,…Mitentina 95 tapitrisa Ar ny vola nampidirin’ny parka ny taona 2017; 92 tapitrisa Ar ny 2018 ary 124 tapitrisa Ar amin’izao jona 2019 izao.Anisan’ny zva-bitan’ny Parka ny fampidirana rano fisotro madio ho an’ny mponina, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny nofon-tany tamin’ny alalan’ny fambolena volotsangana, sns.Nanatontosa: Njaka AndriantefiarinesyL’article Ambolena katsaka, lojo, voanjo, mangahazo,…, amin’ny alina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hiara-dia amin’ny « N°13 » ny miramila misotro ronono

Hampandany ny kandidà Rajoelina ny fikambanan’ireo miaramila sy zandary misotro ronono (AAM). « Isaorana ireo miaramila sy zandary ato amin’ny fikambanantsika nanatanteraka ny adidy napetraka tamin’izy ireo, ary ny fitokisana nasehonareo eo amin’ny fanohanana ny kandidà Rajoelina ; ka nahatafiditra azy eo amin’ny laharana voalohany » hoy ny filohany, Randrianasimanana Jean Solo, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly. Notsiahiviny fa efa nifanome tanana ho amin’ny fampandaniana ny kandidà laharana faha-13 izy ireo ary mbola naneho ny fahavononany indray amin’ny fihodinana faharoa. Nanterin’ny AAM fa anisan’ny naharesy lahatra azy ireo ny vina IEM. « Fandaharanasa hany tokana afaka hamoaka antsika sy ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao. Koa mbola manentana sy manamafy ny amin’ny fanohanana ny kandidà Rajoelina hatrany ny AAM mba hanatanterahana ny vina ho fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy ihany ny filohan’ny AAM.Randria L’article Hiara-dia amin’ny « N°13 » ny miramila misotro ronono a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

Asa soratra :: Hivoaka ny “Tsoakahitra”, bokin’i Fanja Razah

Sombin-tantara nandrombaka ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana “Loka Nirhy Lanto, Rindrambolana sy koloteny 2016” ny boky “Tsoakahitra” nosoratan’i Fanja Razah izay havoakany. Mahatratra fito amby enim-polo ny pejy ao anatiny. Miisa enina ny sombin-tantara mandrafitra azy, ahitana ny “Diarin’i Vero”, “Lampivato nanasan-dandy”, “Ivohitsoa”, “Sodifafana”, “Vintana inona” ary ny “Ambohijanaka”. Nalisoa Ravalitera, mpanoratra, mpikabary, mampianatra mpikaroka ary mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy kosa no nanao ny teny fanolorana. Miresaka lohahevitra samihafa ny boky Ny “Diarin’i Vero”, ohatra, dia mitantara fianakaviana iray miaina anatina filaminana sy firindrana eo amin’ny lafiny maro. Tao ambadik’izay rindra sy lamina izay anefa, nisoko miadana ny fanararaotana mamoafady nataon’ny raim-pianakaviana ka nitera-doza teo amin’ilay tokantrano. Ny “Vintana inona” indray dia maneho zazavavy niaina tany ambanivolo, saingy voatery nakarina an-drenivohitra rehefa niara-maty vokatry ny fitsaram-bahoaka ireo ray aman-dreniny satria voasoketan’ny mpiara-monina ho mpanao ambalavelona. Nandritra ny fotoana fohy niainan’io zazavavy io tao an-drenivohitra no saika nihatra taminy avokoa na ny fanolanana na ny fanosehana hivaro-tena. Noho ny fitahian’ Andriamanitra anefa dia avotra hatrany izy. Tonga relijiozy izy rehefa lehibe. L’article Asa soratra :: Hivoaka ny “Tsoakahitra”, bokin’i Fanja Razah est apparu en premier sur AoRaha.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.Landy R.  L’article Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy a été récupéré chez Newsmada.

Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy

Efa anaty fiomanana sy fandaminana tanteraka. Ho avy afaka iray volana mahery eto amintsika ny papa François. Anisan’ny andrasana amin’izany koa ireo vahiny sy mpino kristianina avy any amin’ny faritra. Efa mametrapetraka ny handraisana azy ireo ny mpikarakara.« Horaisin’ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranoana ireo vahiny avy any amin’ny diosezy miisa 21 amin’ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenantoandro Ludovic, omaly. Nanteriny fa efa misy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny pretra miahy ireny paroasy handray vahiny ireny sy ny diosezy. Nofidina manokana kosa ireo fiangonana 21 ireo mba ho akaiky kokoa ny eny Adrohibe Soamandrakizay, hanaovana  ny sorona masina ny alahdy 8 septambra izao.  “Marobe ny vahiny ho avy ka azo ampiasaina amin’izany avokoa ny “sale d’ouevre” sy ny sekoly na trano malalaka hafa. Nentanina koa ireo tokantrano eny anivon’ny paroasy ireo hilaza ny fahafahany mandray vahiny telo na efatra, ohatra, arakaraka ny fandaminana”, hoy ihany izy.Ny mpitandro filaminana avy any VatikanaTsiahivina fa anisan’ny mandray vahiny ny Ekar Mahamasina, ny Ekar Soanierana, ny Ekar Ivato, ny Ekar Manjakaray, ny Ekar Antanimena, ny Ekar 67 ha, ny Ekar Tsaramasay…Ankoatra izany, efa miroso ny asa fanajariana ny eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay Androhibe amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika sy ny fitondram-panjakana ary ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa maromaro koa ireo iraka manokana avy any Vatikana nifandimby nitsidika teto amintsika nijery ny fandaminana rehetra amin’izany handraisana ny papa François izany. Teo koa ny mpitandro filaminana manokana avy any amin’ny fiketrahana masina, nametrapetraka ny lamina rehetra ho fiahiana izany filaminana izany.Hira amin’ny lamesa hotarihin’ny papa FrançoisManampy izany, efa hiainga tsy ho ela ny eo anivon’ny ekipan’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny fampianarana ny hira rehetra, amin’ny sorona masina hotarihin’ny ray masina. Misy hira amin’ny teny vahiny, toy ny latinina sy ny frantsay hatao amin’izany.Midika ireo fa efa am-periny tanteraka ny eo anivon’ny fiangonana amin’izany handraisana  ny papa François izany.Synèse R.     L’article Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy a été récupéré chez Newsmada.

« JIOI » – Volley ball: hiatrika lalao firahalahiana voalohany ny ekipa malagasy

 Mitohy tsy ankiato ny fanomanantena ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley ball, hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”, hatao any Maorisy. Hiatrika ny lalao firahalahiana voalohany izy ireo, ny asabotsy ho avy izao, ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hotontosaina, manomboka amin’ny 3 ora hariva, izany ho an’ny ekipam-pirenena vehivavy raha amin’ny 5 ora hariva kosa ho an’ny lehilahy. Ho hentitra amin’ny fanamafisana ny teknika eny ambony kianja ny mpanazatra sy ny manampahaizana vahiny. Miara-miisalahy amin’ny fanomanana, i Jean Michel Rocher.Eo am-piandrasana izany, toy izao ny fandaharan-dalao amin’ny asabotsy izao : amin’ny 3ora – 5 ora hariva : ekipam-pirenena vehivavy VS Reste du monde; amin’ny 5 ora – 7 ora hariva : ekipam-pirenena lehilahy VS Reste du monde.Mi.RazL’article « JIOI » – Volley ball: hiatrika lalao firahalahiana voalohany ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Fiarovana zavaboahary: vitsy ny vehivavy malagasy mandalina taranja siantifika

Ilaina  ny mianatra sy mandalina taranja siantifika, indrindra fa eto Madagasikara, manana zavaboahary isan-karazany sy iatrehana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Manazava ny fikambanana “Ikala Stem”.Mbola vitsy ny vehivavy, ny 30 % monja, mandalina taranja siantifika (Stem)*, na hita ho efa misondrotra aza izany eto Madagasikara. Izay no nampisy ny fikambanana Ikala Stem tamin’ny taona 2016, hanome vahana sy handrisika ny vehivavy malagasy, indrindra ny tovovavy, hirona any amin’ny siansa, teknolojia sy matematika.Nanomboka ny taona 2017, manao atrikasa io fikambanana io nomena ny anarana « Ikala Stem Annual Workshop” (IAW) ifantohana amin’ireo taranja voalaza ireo. Natao izany handresn-dahatra ny tovovavy manomboka any amin’ny ambaratonga faharoa. Notohanan’ny fikambanana Lemur Love any Etazonia ny “IAW 2019”, natao ny volana jona lasa teo. Lohahevitra tamin’izany ny “Handraisana an-tanana ny hoavy”, ao anatin’ny fiarovana ny zavaboahary, niainga avy amin’ny fanadihadiana natao momba ny gidro, ny fampandrosoana maharitra ary ny fandraharahana.Nandritra izany atrikasa izany ny nizaran’ireo solontena avy amin’ny fikambanana samy hafa (Conservation International, Asity Madagascar, minisiteran’ny Tontolo iainana, NextA, WWF …) ny lalana sy ny traikefa nodiavin’izy ireo, nanazavana ny mampiavaka ny asan’izy ireo. «Fantatra maneran-tany i Madagasikara noho ny fananany ireo zavaboahary mampiavaka azy, koa tolotrasa iray lehibe ny fiarovana azy ireo. Koa fotoana izao hampirisihana ny tovovavy hankafy ny taranja siantifika. Tombontsoan’ny fikambanana manampy sy manoro lalana azy ireo amin’ny safidiny sy amin’ny asany”, hoy ny sekreteran’ny Ikala Stem, ny Dr Andriantsaralaza Seheno.Nanohana ny fikambanana tamin’io atrikasa io ny WWF, resy lahatra amin’ny fahamaroan’ny olona tokony handalina ny siansa manoloana izao filàna fiarovana ny zavaboahary sy ny fiovan’ny toetr’andro izao. R.Mathieu Loharanom-baovao : WWFStem* : Sciences, technologies, ingénierie et mathématiquesL’article Fiarovana zavaboahary: vitsy ny vehivavy malagasy mandalina taranja siantifika a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy ambony latabatra: nandrombaka medaly 2 ny Malagasy

Taranja anisan’ny nampamiratra ny solontena Malagasy, miatrika ny lalaon’ny nosy aty Maorisy, ny taranja tenisy ambony latabatra. Medaly volafotsy iray sy alimo iray hatreto no norombahan’ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona lahy sy vavy. Niditra an-tsehatra ny alakamisy 20 jolay lasa teo ireo atleta Malagasy, teo amin’ny sokajy isam-bondrona, tao amin’ny toeram-piofanana nasionaly ny tenisy ambony latabatra, tao Beau Bassin Maorisy. Ny ekipan’ny Maldives no nifanandrina voalohany tamin’ny ekipa lehilahy Malagasy, izay nolavointsika tamin’ny isa 3 noho 0. Mbola namiratra ihany koa ireto mpiangaly ny tenisy ambony latabatra Malagasy, lehilahy, nanoloana an-dry zareo Maorisiana, mpampiantrano, ny alahady teo.Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, niady ny laharana fahatelo nanoloana ny Renioney ihany koa, omaly, ny mpilalao Malagasy, sokajy vehivavy. Tamin’izany no nandavoantsika ireto mpilalaon’ny La Réunion ireto, tamin’ny isa 3 noho 2. Mi.RazL’article Tenisy ambony latabatra: nandrombaka medaly 2 ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Halatra sakafo :: Nisy nanodina ny vary mora telo taonina

Tra-tehaky ny Zandarimaria tany Beloha-Androy, tao amin’ny tranon’ny lehilahy iray, ny vary mora enimpolo gony, tamin’ny sabotsy lasa teo. Tompon’andraikitra mitantana ny vary mora ihany io lehilahy io, araka ny loharanom- baovao. Avy nalaina an-tsokosoko tao amin’ny trano fitobian’ireo vary mora ny entana tamin’ny alin’ny zoma 21 jona, araka ny fitantaran’ireo akaiky ny mpanao famotorana. “Nahazo loharanom-baovao izahay ny amin’ny fisian’ny vary mora mivoaka an-tsokosoko tao amin’ny fitobiany. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’ny lehilahy iray, isan’ireo mpiandraikitra ny fivarotana ireo vary mora, dia hita tao ireo vary tamin’ny gony. Nosamborina io lehilahy io ary mbola atao famotorana hatramin’izao”, hoy ny zandary any an-toe­rana. L’article Halatra sakafo :: Nisy nanodina ny vary mora telo taonina est apparu en premier sur AoRaha.

Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka

Nanamboatra lalankely eny amin’ny fokontany Andohatapenaka I, ny zoma teo, ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I sy ny avy eo anivon’ny departemanta misahana ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mirefy 120 m ny namboarina tamin’izany ary haharitra herinandro ny asa. Ho afa-pahasahiranan ireo mponina maro mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra ireo mpantsaka rano. Mikisilasila sy mamotaka izany làlana izany na amin’ny maintany aza. Tafiditra hatrany anaty fandaharansan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina eny ifotony izao. Hitohy amin’ny fokontany hafa miisa 44 izany.Synèse R.  L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.