Cnaps – DGI: hampitoviana ny tarehimarika

News - Cnaps – DGI: hampitoviana ny tarehimarika

News - Cnaps – DGI: hampitoviana ny tarehimarika

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana
eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) sy
ny Fitantanana foibe ny hetra (DGI). Mikasika ny fametrahana
vovonana fifanakalozana antontam-baovao, amin’ny alalan’ny
internety, antsoina hoe « e-salariés », ny fiaraha-miasa,
hanatsarana ny fanangonana ny hetra sy ny tontolon’ny fiahiana
sosialy eto Madagasikara.

Vinavinaina ho azo ampiasaina ity
fomba fiasa vaovao ity manomboka amin’ny taona 2021. Mialoha izany,
efa mampitovy fomba fiasa ny roa tonta amin’ny fanambarana tokana
ny hetra sy ny fandoavana ny latsakemboka mikasika ny fanampiana
sosialy ao amin’ny Cnaps.

Ho 15% amin’ny
2023

Amin’ny alalan’ny internety avokoa
ny hanaovana ny fanambarana ny hetra sy ny fandoavana azy. Manamora
ny dingana fikarakarana ny antontan-taratasy samihafa ity fomba
fiasa vaovao ity. Hihatsara ny fampidiran-ketra ka tanjona ny
hanatrarana ho 15% ny tahany amin’ny taona 2023, raha latsaky ny
12% ny salanisa amin’izao fotoana izao, ny eto amintsika, anisan’ny
ambany indrindra aty Afrika. Nidina ho 8,9% mihitsy izany tamin’ity
taona 2020 ity, vokatry ny krizy nateraky ny Covid-19, satria tsy
afaka nandoa hetra ny ankamaroan’ny orinasa tsy miankina.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Cnaps – DGI: hampitoviana ny tarehimarika a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono

Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), amin’ny alalan’ny foibe mpanadihady sy mpanoro lalana (CEO) sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi) . Votoatiny ny hiantohan’ny Afafi ny fitsaboana ho an’ny olona misotro ronono sy ny mpandray vidin-takaitra, nefa sahirana sy marefo. Arotsaka any amin’ny Afafi ny latsakemboka 3.500 Ar, ka aloan’ny mpiasa ny 1.000 Ar isam-bolana, ary aloan’ny CNaPS ny 2.500 Ar isam-bolana. Isaky ny enim-bolana no handoavan’ny CNaPS azy any amin’ny Afafi. Miisa 1.000 isan-taona ny fianakaviana kendrena hahazo tombontsoa.Nambaran’ny tale jeneraly vonjimaika, Rtoa Tsaboto Joslina. Fa mahazo tombontsoa amin’ity fanohanan’ny Afafi ity ireo mpiasa tany amin’ny tsy miankina na mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD), nahaloa latsakemboka hatramin’izay.Njaka A.L’article Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Boeny: jerena miaraka amin’ny Alemaina ny fampandrosoana

Ao anatin’ny famolavolana ny Fandaharanasa fampandrosoana ny faritra iarahana amin’ny Alemaina (Page / GIZ)* izao ny any Boeny. Natomboka tany amin’ny distrikan’i Soalala sy Mitsinjo izany, nanomboka ny volana novambra lasa teo, niaraha-nizaha ny tokony hisian’ny fampandrosoana any am-potony. Nantsoina niady hevitra tamin’izany ireo zokiolona ao an-tanàna, ny fikambanana, ny mpandraharaha sy ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa. Nohavaozina tamin’io fiaraha-midinika io ny sary fanajariana ny tany any amin’ireo distrika ireo ; manaraka izany ny famaritana ny laharam-pahamehana izay tokony hatao ; miainga avy amin’izay ny fampiasam-bola, araka ny zava-misy any amin’ireo tanàna ireo. « Tsy maintsy miainga avy amin’ny mponina eny an-toerana raha tiana tokoa ny hisian’ny fampandrosoana. Noho izany, anjaranareo ny maneho izay tena iainanareo, ary andraikitr’ireo tekninisianina ny manoro anareo amin’izay fanapahan-kevitra arahina », hoy ny talen’ny kabinetra faritra Boeny, i Hemedy. Fahavoazana lehibe mahazo ireo distrika roa ireo ny faharatsian-dalana, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa, miampy ny tsy fandriampahalemana. Manomboka miantraika any an-toerana izao ny fiovan’ny toetr’andro, araka ny voalazan’ireo mpandray anjara tamin’ny fivoriana. Vahaolana naroso ny famaritana ny toerana volena ahitra ho an’ny sakafom-biby ; tolo-kevitra iray hafa, ny fanokanana faritra fanamainana ahitra na fanamboarana efitra mangatsiaka fitahirizam-bokatra. Fanirian’ny mponina ny tena fanatanterahana ny vahaolana fa tsy hijanona an-tsoratra na kabary fotsiny ny Fandaharanasa fampandrosoana ny faritra. Betsaka ihany tokoa, nandritra ny fitondrana nifandimby sy taona maro, izay atrikasa natao nandraisana lohahevitra samihafa ho an’ny fampandrosoana izay, saingy misongadina ihany ny fahantrana. Any Ambato Boeny ny distrika manaraka hanangonana ny hevitry ny mponina.   R.Mathieu  L’article Faritra Boeny: jerena miaraka amin’ny Alemaina ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao an-tanànan’i Besakoa, fokontany Analasoa, kaominin’i Tasaraitso, distrikan’i Betroka (atsinanana kely miala ny tampon—tanànan’i Betroka), ny alakamisy lasa teo. Efa tsara omana mialoha anefa ireo fokonolona taorian’ny fandrahonana misesy nataon’ireo dahalo tonga nanafika tao an-toerana. Tonga tokoa ireo andian-dahalo, kanjo tratran’ny tifitra tampoka nataon’ny tompon’omby ny dahalo iray namoha ny valan’omby ka maty tsy tra-drano. Dahalo iray hafa koa voatifitra ary niantsoantso hoe “maty aho Neny” sady lasa nandositra niaraka tamin’ireo namany efa-dahy afa-nitsoaka, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Nanamafy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tombony manokana ho an’ireo mponina ao Betroka, indrindra ny any ambanivohitra ny fampianarana azy ireo momba ny fiarovantenam-pokonolona izay nampianarin’ireo zandary tarihin’ny Chef d’escadron, Rafanomezana Roby ka izao afaka niaro tena sy niaro ny fananany izao. Nilaza rahateo koa ireo fokonolona ao Besakoa fa tsy hihemotra ary tsy hilefitra fa hiezaka hanambatra ny hery ho fanoherana ny fanafihan-dahalo izay nampitondra faisana azy ireo an-taona maro ka izao nahafahan’izy ireo nahatosika ireo malaso izao.Jean ClaudeL’article Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Madagasikara – Sina: mpianatra malagasy 40 nahazo vatsim-pianarana

Hiparitaka amin’ny oniversite 29 any Sina ireo mpianatra 40 vao nahazo vatsim-pinarana. Hianatra momba ny fitantanana, fitsaboana, fandikana teny, fitantanam-bola… izy ireo amin’izany.40 ireo mpianatra malagasy nahazo vatsim-pianarana hianatra any Sina. Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny masoivohon’i Sina etsy Nanisana, izany. Natolotra tamin’izany koa ny tapakila fiaramanidin’ireo mpianatra ireo.13 amin’ireo, avy amin’ny governemanta sinoa; ny fito kosa, vokatry ny fiaraha-miasa Afrika-Sina. Mpianatra hanohy ny doctorat sy ny master amin’ny karazana lalam-piofanana maro samihafa ny nahazo ireo vatsim-pianarana ireo.Hatramin’ny taona 1972, efa nahatratra 700 ireo tanora malagasy nandranto fianarana tany Sina. Firenena mahasarika tanora i Sina noho izy mandroso sy miroborobo, indrindra amin’ny sehatry ny teknolojia sy ny toekarena.Manamafy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’i Sina izao fandraisana mpianatra hianatra any izao. Manankarena kolontsaina ihany koa ny Sinoa ka fotoana hananararaotan’ireo mpianatra mahafantatra ny kolontsaina vahiny ny fandehanany mianatra any.Nanamafy ny minisitry ny Fampianarana ambony fa tokony hiverina eto an-tanindrazana ireo mpianatra rehefa vita ny fianarany hampandroso ny firenena.Marihina fa anjaran’ny Conabex ny mijery ny antontan-taratasy aterin’ireo tanora manao fangatahana vatsim-pianarana. Atolony ny vaomiera iarahan’ny minisitera maromaro izany hodinihina. Ny ao amin’ny masoivoho sinoa kosa no manao ny sivana farany.Misy ny fepetra takina ary voalohany amin’izany ny tokony hifehezana ny teny anglisy. Eo koa ny fananana diplaoma master ary tokony hifandanja ny isan’ny lahy sy ny vavy…Tatiana AL’article Madagasikara – Sina: mpianatra malagasy 40 nahazo vatsim-pianarana a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Kick boxing – «Mada 2018»: vonona Analamanga

Efa ao anatin’ny fanomanana farany hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, sokajy “senior”, ny atleta avy amin’ny ligin’Analamanga. Raha tsiahivina, hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ity fifaninanam-pirenena ity, ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra ho avy izao. Nambaran-dRatolojanahary Jean Aimé, tale teknika rezionaly (DTR), fa efa telo na efatra herinandro teo izao ny mpikatroka Analamanga 25 mianadahy no efa niaraka nanoman-tena.Vonona amin’ny vatana sy ny saina izy ireo handrombaka medaly volamena araka izay ho tratra. Tsiahivina fa miisa 11 ireo ligim-paritra handray anjara amin’izany: Analamanga, i Boeny, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Ihorombe, i Matsiatra Ambony, i Melaky, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, i Vatovavy Fitovinany, i Vakinankaratra. Ankoatra ny K1 sy “low kick”, hiady izay ho tompondakany koa ny “pancrace” amin’io fotoana io. Nisaotra ny federasiona Rakotomino Harifetra, filohan’ny ligin’Analamanga, ny amin’ny nanomezana azy ireo fitokisana hampiantrano ity fifaninanam-pirenena ity.Ankoatra izay, nambaran’i Anigael Gastros, tale teknika nasionaly, fa maro ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry an’i Madagasikara, ho an’ny taona 2019. Anisan’izany ny  » Irish Open International », hatao any Dublin, Irland, ny 1 – 3 marsa sy ny « Best fighter », hotanterahina any Rimini, Italia, ny 14 – 16 jona, ary ny « World Championships », any Bosnie Herzegovine, ny 19 – 27 oktobra 2019. TorcelinL’article Kick boxing – «Mada 2018»: vonona Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy

Tsara fanombohana ny Malagasy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina aty Maorisy. Medaly miisa 17 indray norombahintsika, ny andro voalohany.Medaly volamena miisa sivy sy volafotsy valo ny efa eo am-pelatanan’ireo mpibata fonjamby malagasy, hatreto, raha ny voka-dalao ho an’ny Malagasy. Araka ny efa nampoizina sy nandrasan’ny maro, Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 45 kilao, ny nandrombaka voalohany, ny volamena telo, izay nahavita ny “arraché”(65 kilao) sy “epaulée jété” (85 kilao) ary ny “total olympique” (150 kilao). Taorian’izay, nandravarava ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nahazoan’Andriatsitohaina Eric, latsaky ny 56 kg, ny medaly volamena miisa telo, ity farany izay nahavita nibata 151 kilao teo amin’ny “arraché”. Nisoritra teny amin’ny tavan’i Eric ny hafaliana nandritra ny fizarana medaly, sady nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, omaly, ihany koa izy. Ramiaramanana Ricardo kosa ny namarana ny fisalorana ny medaly volamena telo, omaly.Ankoatra izay, medaly volafotsy valo ny norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Isany nahazo izany i Sabrina, sokajy latsaky ny 49 kilao, nifanintsana tamin’ilay kalaza mifaninana ho an’ny Nosy Maorisy, teratany malagasy, nisalotra ny medaly volamena, teo amin’io sokajy io.Ny taranja fibatana fonjamby, araka izany, no nahazo ny medaly betsaka indrindra, hatreto, ho an’ny Malagasy ary nisantatra ny fisalorana ny medaly volamena ho an’i Madagasikara koa ity taranja ity.Mbola maromaro ny fifaninanana hatrehin’ny Malagasy, ary antenaina fa mbola hahazoantsika medaly betsaka ihany koa. Hitohy ho amin’ny anio sy rahampitso ny fifaninanana eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, amin’ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina eto Maorisy ity. Mi.RazL’article “JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rap gasy – Underground: ” Clan” tsy mbola rava ny Bemaso”, hoy Raf devilla

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fikoloana sy fitezana maha olona ny mozika rap. Ao ireo efa nisehatra ela tamin’izany ka vonona ny hanohy hatrany. Anisan’ireny i Raf devilla.Raf devilla, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina hip hop, na Rap gasy, indrindra eo amin’ny sehatry ny ambany gorodona ” underground”. Ny vatana mihiboka fa ny fanahy mivezivezy, miroso hatrany ny dia… Eo am-piketrehana ny vokatra vaovao iarahana amin’ny vondrona Bemaso na BMS, izay “clan” misy azy ihany, i Raf devilla, ankehitriny.” Mirona mankany amin’ny tsy izy ny Rap gasy, amin’ny ankapobeny, noho izy maka lafika loatra amin’ny vita vahiny. Tsy mipetraka intsony ny kanto ao anatiny, hany ka voafitaka ny mpankafy… Ilay ” fanahy maha Rap gasy” miainga amin’ny tontolo iseharana sy iainana, takona amin’ny bemiray iniana atambatra fahatany amin’ny any ivelany” hoy Raf devilla. Araka ny nambarany hatrany, ” maika ny hisehoseho loatra ny mpiangaly HH ankehitriny… Hany ka zavatra tsy masaka tsara no aroso ho an’ny mpankafy… Na maika ny hahazo vola ihany koa “Tsiahivina fa anisan’ny “clan” na vondrona azo lazaina ho efa ela nijoroana teo amin’ny tontolon’ny Rap gasy ny Bemaso na BMS ary tsy lany mpandimby mandrakandroany. Manana ny fotokevitra hijoroana fa tsy mitsingilahila: ny fanosehana sy famolavolana ireo solofo dimbin’ny ala hahavitabe sy mihoatra ireo zoky ao aminy. Anisan’izany ry Masaky na MSK , Ra-Sôlô ary Raf devilla.Namoaka ny rakikira voalohany “RD13”, ity farany, ny taona 2013. Sanganasa mirakitra tolona eo amin’ny fiarahamonina. Misongadina amin’izany fanavakavahana amin’ny endriny rehetra sy ny “tolona tsy miova”… Mbola azon’ireo mpankafy HH jifaina any amin’i Raf Devilla izany, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Mametraka ny mozika ho zava-masina tsy azo zimbazimbaina, hatrany koa ny teny fanevan’ny vondrona BMS na Bemaso.NarilalaL’article Rap gasy – Underground: ” Clan” tsy mbola rava ny Bemaso”, hoy Raf devilla a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta

Toerana manan-tantara hafa indray ny tsidi-bohitra karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana), ny sabotsy 18 mey ho avy izao. Andiany voalohany, manomboka eny Ambohitrimanjaka ary hiakatra ny tendrombohitr’i Ambonivohitra. Toerana kanto sy mahasondriana, ahitana ny tontolo manodidina toy ny lemak’i Betsimitatatra. Mampiavaka ny eny Ambohitrimanjaka koa ny fambolena anana sy voankazo ataon’ny tantsaha. Anisan’izany ny voasary, ny mandarina, ny anana sy legioma samihafa.Andiany faharoa, ny fitetezana ny tampon-tendrombohitra Ivatobe, mihazo an’Antsahandinta. Mirefy 42 km ny dia hatao amin’izany, ao anatin’ny fe-potoana adiny valo sy sasany. Mila olona salama tsara mahatanty dia an-tongotra ity ampahany faharoa ity, ary tokony hanana fitaovana sy kojakoja mifanandrify amin’izany toy ny rano fisotro, ny satroka iarovana amin’ny masoandro, ny kiraro fentina dia an-tongotra, sns.Tsiahivina fa andiany fahatelo ity karakarain’ny Ortana ity, ahalalana bebe kokoa ny toerana sy tanàna manana ny tantarany eto Analamanga, sady tsara tsidihina amin’ny lafiny fizahantany.Njaka A.L’article Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotoarijaona Mamy: « Havadika tanjaka ireo mpiavy »

2% isan-taona ny fihenan’ny ala ao anatin’ny ala noho ny fitrandrahana tsy ampiheverana ataon’ny olona miditra an-tsokosoko. Ny ala anefa no mitondra ny rano hiveloman’ny mponina ka mila arovana. Mitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Madagascar National Parks (MNP), mpisolo toerana, dokotera Rakotoarijaona Mamy.*Taratra : Tsy azo roahina hiala ny faritry ny atiala ve ireo olona mpiavy manimba sy mitrandraka ? -Rakotoarijaona M. : Midadasika be ny atialan’Ankarafantsika ka sarotra ny fanaraha-maso,  afaka mivezivezy malalaka koa ny olona hitady fivelomana mety aminy. Betsaka ireo olona avy amin’ny faritra hafa tonga mamboly satria lonaka ny tany ao anatin’ny atiala sy ny manodidina. Zavatra tokony hoeritreretina ny hamadihana ireo mpiavy marobe ho tanjaka hampandrosoana ny faritra ka hojerena ny toerana azo anatanterahana izany tsy ao anaty ala arovana. Tsy miaro fotsiny ny valanjavaboary ny asan’ny MNP fa mamaly ny filan’ny mponina amin’ny andavanandro toy ny angovo, sakafo…Anisan’izany ny fanomezana tany 18 ha hambolen’ny mponina hazo Acacia sy bambou manodidina ny valanjavaboary. Tokantrano sivy no manatanteraka izany ao Andranofasika ka manana 2 ha avy isanisany.*Nisy vokany ve ny fiaraha-miasa niaraka amin’ny mpitandro filaminana taorian’ny antso nataon’ny MNP ?                       -Efa nihena ny tsindry mahazo ny valanjavaboary, nidina ny isan’ny teboka afo hita fa nitombo kosa ny fanapahana hazo sy ny famandrihana biby. Tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, 167 ny isan’ny famonoana biby tao anatin’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny MNP. 122 ha ny velarana simba, 1 566 ny hazo lehibe voakapa. Azo avy amin’ny fampiasana ny logiciel Smart izay ampiasain’ny mpiasa manao fanaraha-maso any anaty ala ireo antontanisa ireo. Ankoatra ny fanampian’ny mpitandro filaminana, manana fitaovana famonoana afo isan-kazarany koa ny MNP isaky ny valanjavaboary. Tsara ho fantatra-43 ny valanjavaboary tantanin’ny Madagascar National Parks manerana ny Nosy. 2 600 000 ha ny velarany ka ny 1 500 000 ha amin’ireo, rakotra ala avokoa. 1 187 ny isan’ny mpiasa manara-maso ny atiala rehetra.-Mizara roa ny valanjavaboary : « zone tampon » manodidina ahazoana manalefaka ny tsindry ary ny faritra ivon’ny valanjavaboary tena arovana tanteraka. Misy kazarana biby sy zavamaniry tena arovana manokana ahafahana mampiroborobo ny zahavoary ao anatin’ny sokajy faharoa. Mahatratra 226 ny kazaran-javatra arovana ka tafiditra ao ny sifaka sy ny farihy fito. Vonjy Andrianjaka    L’article Rakotoarijaona Mamy: « Havadika tanjaka ireo mpiavy » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Tena mbola mila mitandrina amin’izao …    
17/09/2020

         Efa vita ve ny ady amin’ny  fihanaky ny valanaretina covid-19 amin’izao? Maro ny manao antsirambina fa tsy miambina intsony amin’ny fanohizana ny fanajana manontolo sy amin’ny antsipiriany ireo fepetra ara-pahasalamana amin’izany. Misy, ohatra, ny tsy manao arotava eny an-tsena, an-dalambe… efa tsy misy izay fanajana ny elanelana iray metatra rahateo hatramin’izay. Hanao ahoana?Mbola ahina ny mety hiverenan’ny valanaretina amin’ny tampody fohy tsy ampoizina, sanatria. Tsy lavina, tsy mitsaha-mihena, ohatra, ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina coronavirus. Miara-dalana amin’izany, mitombo hatrany koa ny isan’ny marary sitrana tsy mamindra intsony. Toy izany koa ny isan’ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Mahomby ny ady?Na izany aza, saika mbola misy ihany ny lavo. Ady aman’aina tsy vita ho azy amin’izao izay. Efa toy ny hoe resy tosika iny ny fahavalo iombonana… tsy hita maso, matoa manao antsirambina sy tsy miambina ny sasany? Mbola eny ho eny ihany ny tsimokaretina, matoa misy hatrany ny tranga vaovao amin’ny fitondrana azy. Eny, na hoe mihavitsy hatrany aza izany: tsy foana na resy tanteraka.Mila mailo sy malina hatrany ny rehetra? Na iza na iza, na aiza na aiza… Tsy mahagaga raha miverina mihenjana sy hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana indray ny mpitandro filaminana amin’izao. Mitohy ny ady. Na any amin’ireo firenen-dehibe aza, misy tratran’izay mitranga mihemotra amin’ny fihibohana izay, fa mivoaka miditra tsinona ny aretina.Na ahoana na ahoana aloha, mila tohizina ny ady; eny, mety ho zary fomba fiaina aza, angamba, raha mbola tsy resy tosika tanteraka io aretin-dratsy io. Toy ny fiatrehana sy fiaraha-miaina amin’ny karazana areti-mifindra hafa manana ny fotoany. Nefa valanaretina vaovao be ihany ny covid-19. Mila havaozina isan’andro ny fiatrehana azy sy ny ady aminy? Izay no itandremana hatrany aloha…Rafaly Nd.L’article Tena mbola mila mitandrina amin’izao …     a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana
19/09/2020

Mitohy ny fandaminana sy ny fanatsarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny Tanànan’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny tsena etsy Behoririka sy i Soarano. “… Mbola nisy ihany ireo mpivarotra ninia nivarotra teo amin’io toerana io. Teo koa ireo mpanararaotra nitarika korontana. Tsy maintsy niroso tamin’ny fandaminana ary nandray andraikitra manoloana izany ny avy eto anivon’ny kaominina”, hoy ny “chef de corps police municipal”, ny kaomisera Ostrom Whens, omaly. Nanteriny fa efa nisy ny toerana nofefen’ny CUA manoloana ny vavaha­din’i “Pochard”.Efa misy toerana ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna Efa voadio tanteraka izany ary efa tsy nisy intsony ny mpivarotra afaka nivarotra tao anatin’ny faritra voafefy. “Hisy ny fotodrafitrasa kasain’ny kaominina hapetraka eo. Tsy nisy ny olana fa nanaiky ny fandaminana avokoa ireo mpivarotra. Efa manana toerana hametrahana ireo mpivarotra, manana taratasy ara-dalàna sy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpivarotra, ny kaominina ary efa eo am-pandaminana ny momba izany ankehitriny”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa anisan’ny paikady ampiasain’ny CUA ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny vahoaka mba hiara-hientana amin’ny fanajana ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH).Samy tompon’andraikitra Tsy ny tsena ihany anefa no nasiana izany fandaminana, fanadiovana sy fanatsarana, izany, araka ny nambarany. “Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo sehatra rehetra, mety hanohintohina ny filaminana sy ny fitonian’ny vahoaka. Voakasik’izany koa ireo mpitantana ny tanàna, ireo tompon’andraikitra samihafa, toy mpampihatra lalàna ka hisy ny fampiofanana manokana ho azy ireo”, hoy izy. Nanentana ny rehetra ny tenany mba samy ho tony sy hanaraka ny toromarika apetraky ny mpitantana. “Tanàna iombonana Antananarivo ka sa­my tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany”, hoy ny kaomisera Ostrom Whens.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana a été récupéré chez Newsmada.

Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle
19/09/2020

Nidina tany Ambositra ni­tondra fanampiana ho an’ireo olona marefo any an-toerana. Nitsidika ny foibe fampiroboroboana ny sehatra sosialy sy toekarena CPSE ny mi­nisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Michelle Bavy Angelica, tamin’ity herinandro ity. Nanolotra fitaovana toy ny milina fanjairana sy akora hoentina miasa ho an’ireo manana fahasembanana, ny zaza kamboty ary nizara mari-pahaizana ho an’ireo nahavita fiofanana tao amin’izany toerana izany ny tenany. Nitsidika ny Centre Tsa­rahonenana misahana ireo mikorontan-tsaina sahanin’ny mompera Max ihany koa izy. Mahatratra 17 ny olona tsy misy miahy noraisiny an-tanana tao hatramin’izay nijoroan’ny centre. Nanolotra fanampiana ihany koa izy ary nampanantena fa hanolotra jiro azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro ho fanalana ny fahasahiranan’ireo beazina ao. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba mpanao asa tanana ao amin’ny Centre Tsaraho­nenana ihany koa ra­matoa minisitra ary nanome toky fa hampita amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny hijerena ity ivontoerana ma­melon-tena sy hita fa manao ezaka lehibe ity. Ankoatra ireo, nisy ny fitsidihana ny Centre de kinetherapie Mitasoa. Ivontoerana hitsaboana ireo olona sembana. Efa nahatratra 600 no efa tonga nitsabo tena tao.Tatiana AL’article Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle a été récupéré chez Newsmada.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika
24/09/2020

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena
19/09/2020

Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikamba­nan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rako­ton­drahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volo­be ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Fiarovana ny fiarahamonina :: Nanatitra adala enina teny Anjanamasina ny CUA
17/09/2020

Nahatratra enina ireo adala mirenireny sy ireo mahery setra naterin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) teny amin’ny hopitaly fitsaboana ireo marary saina eny Anjanamasina, tamin’ity taona ity. Ny antso avy amin’ny olona no ahafahan’izy ireo mahita ireny olona ireny. Ao ireo manimba fananan’ olona, toy ny fiara, mamono tampoka eny an-dalana ary toy ny hita farany teo nianika “pylône”-an’ ny Jirama. Efatra amby telopolo amin’ izao fotoana izao ireo olona marary saina tsaboina eny an-toerana. “Roa isam-bolana no antso azonay avy amin’ny olona. Miaramiasa amin’ny hopitalin’Anjanamasina syny polisy ary ny manam-pahefana izahay maka ireny marary saina eny an-dalana ireny. Aterina eny Anjanamasina izy avy eo miaraka amin’ny fitaovana izay mety ilainy, toy ny lovia, sotro, bodofotsy. Miantoka ny fitazonana azy sy ny fitsaboana kosa ny eny amin’ity toeram-pitsaboana ity”, hoy Raharinandrasana Hajatiana, tale misahana ny raharaha ara-tsosialy ao amin’ny CUA. Fahalafosan’ny fitsaboana Fantatra fa lafo be ny fitsaboana satria manodidina ny 200 000 ariary hatramin’ny 300 000 ariary isam-bolana izany. Misy sitrana raha vita tsara ny fitsaboana. Roa volana hatramin’ny folo taona vao mety sitrana ny marary saina iray, arakaraka ny aretina mahazo azy. Nilaza kosa ny Dokotera Ratsifandrihamanana Lanto, talen’ ny hopitaly fitsaboana marary saina eny Anjanamasina, fa mitsabo ireo olona manana aretintsaina tonga eny an-toerana izy ireo. “Tsy maintsy fantarina ny fianakaviany, mandritra izany. Izany no asan’ny sampan-draharaha misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny CUA sy ny hopitaly. Ny havany no tompon’andraikitra voalohany amin’ny marary”, hoy izy. Raisin’izy ireo avokoa rehefa manana aretin-tsaina manerana an’i Madagasikara. L’article Fiarovana ny fiarahamonina :: Nanatitra adala enina teny Anjanamasina ny CUA est apparu en premier sur AoRaha.

Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao
17/09/2020

Niakatra tampoka indray. Miisa 68 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana miisa 453. Avy eto Analamanga ny 26 amin’izany raha avy any Vatovavy Fitovinany ny 13 ary 15 avy any Diana. Efatra avy ny any Vakinankaratra sy Sava raha telo ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ny any Itasy sy Alaotra Mangoro ary any Matsiatra Ambony.Niampy iray indray ny lavo ary avy eto Analamanga. Tafakatra 215 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Misoko mangina hatrany, iray isan’andro ireo nodimandry izany.Etsy an-daniny, nihena dimy ireo marary anaty fahasarotana ka 25 izany izao ireo “forme grave”. Na izany aza, miisa 30 ireo sitrana ka avy any Sava ny 10 amin’izany. Tafakatra14 482 ny isan’ny marary sitrana tamin’ireo 15 871 mitondra ny covid-19. Miisa 1 172 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R. L’article Iray lavon’ny covid-19 68 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.