“clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana 

News - “clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana 

News - “clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana 

Teknisianina miisa dimy avy amin’ny
Federasiona malagasy ny handisport no niatrika fiofanana ho
mpitsara ho an’ny basikety ambony seza “fauteuil” na ny “clinique
Wheelchair”, andiany voalohany, ny faran’ny volana aogositra teo.
Efa hoavy kosa ny andiany faharoa amin’ity fiofanana ity, hiarahana
amin’ny federasiona malagasy ny basikety. Raha ny fanazavana, tsy
mbola fantatra mazava ny daty, raha ny angom-baovao voaray farany
dia tokony ho amin’ity volana septambra ity ny hanaovana izany.

Eo amin’ity taranja ity hatrany,
nambaran’ny Tale teknika nasionaly fa mbola hisy ny fivoriana
hataon’ny mpikambana anivon’ny Federasiona malagasy ny handisport,
hanapahana izay fomba hamerenana amin’ny laoniny ny
fampandehanan-draharaha sy ny fanenjehana ny fandaharan’asa tokony
ho natao kanefa tsy tanteraka noho ny tsimokaretina Coronavirus.
Hisy ny tatitra hatao, aorian’io fivoriana io, raha ny fanazavana
hatrany ary ezahina ny tsy maintsy hisian’ny hetsika mialoha ny
hanakatonana ny taom-pilalaovana 2020.

 

Mi.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article “clinique wheelchair”: Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana

Notolorana fiara 4×4 – V8 miisa 20 ny sampandraharaha misahana ny antontanisa (Instat), omaly teny Anosy, hoentina hanatanterahana ny asa, hizahana akaiky ny tahan’ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny Statcap* izany, mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 tapitrisa dolara (90 miliara ariary eo ho eo) hatramin’ny 31 marsa 2022.HHHHhHerintaona ny hanaovana ny fanangonana antontanisa manerana ny Nosy, hanomboka amin’ny septambra 2019 hatramin’ny desambra 2020. Jerena avokoa ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny trano fonenana, ny fitaterana, ny asa atao, ny fandaniana, sns. Hanaovana fanadihadiana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano; faritana ny endriky ny fahantrana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny toekarena sy ny sosialy, mba ho mazava amin’ny mpitondra. Midika izany fa mila fandinihana mialoha ny fanapahan-kevitra rehetra.Avy amin’io Statcap io ny tokony hahitana antontanisa tsara rafitra sy hanatsarana ihany koa ny fampahafantarana azy, hanitsiana ny tsy mety teo aloha. Atomboka amin’ny fanangonana tarehimarika, ny fanadihadiana sy ny fanaparihana ny tsara ho fantatra momba ny mponina, ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny mponina; ny vidim-piainana, sns… Heverina hatao isaky ny roa na telo taona izany ; ny vita farany izao, tamin’ny taona 2012, nahitana tahan’ny fahantrana 71,5 %, tarehimarika ampiasana hatramin’izao, nefa tokony ho efa havaozina. R.MathieuL’article Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany

Vavany avy hatrany! Tsy nifampitsitsy fa samy nanao izay ho afany ny tarika Ramadison Anosimanjaka sy ny tarika Ratovoson Ampahimanga, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika « Hiragasy makotrokotroka » eny amin’ny Rovan’Antananarivo. Na teo amin’ny fomba fiseho na tany amin’ny fomba fanehoana ny hafatra ampitaina, samy tsapa ho niezaka mafy nisarika ny mason’ny mpijery sy ny mpitsara ny tarika tsirairay.Raha ny fandaharam-potoana manaraka, any Alarobian’i Manjakandriana indray no hanohizana ny « Hiragasy makotrokotroka », ny 11 aogositra izao. Hitohy any Sambaina izany, ny 18 aogositra. Eny Talata Volonondry ny 25 aogositra. Hiazo ny Fidasiana Rovan’Ambohimanga kosa ny 1 septambra.Marihina fa ny 6 oktobra izao, eo amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny famaranana sady hanolorana ny amboara ho an’izay mendrika izany.HaRy RazafindrakotoL’article Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo

Namoy ny ainy, omaly rehefa avy nialana nenina tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi), ny zandary prinsipaly kilasy ambony (GPHC) Solohery Narivelo, kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (CB) ao Befandriana Avaratra…Natao daholo ny ezaka rehetra nanavotana ity zandary ity tamin’ny fitsaboana azy noho ny ratra nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra, ny alin’ny 29 jolay lasa teo kanefa tsy avotra intsony ny ainy. Tsiahivina fa nodimandry ny 1 aogositra ilay ben’ny Tanànan’i Belalona Befandriana Avaratra izay voatifitra niaraka taminy tamin’io asan-jiolahy io. Ny talata tolakandro teo no nigadona ao Befandriana Avaratra ny fatin’ny ben’ny Tanàna izay voatifitra niaraka tamin’ny CB-n’ny zandary. Ny alatsinainy 29 jolay alina no nitrangan’ny fanafihana teratany sinoa mpandraharaha ka tamin’izany no nahavoatifitra ilay ben’ny Tanàna tompon-trano nofain’ireto teratany sinoa ireto. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola mitentina 60 tapitrisa Ar. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny borigady ka nidina haingana teny an-toerana. Ny CB-n’ny zandary no nitarika izany, niafara tamin’ny tifitra nahazo azy. Jiolahy iray lavo nandritra ny fanafihana raha efa nisy iray kosa tratra niaraka tamin’ireo ambim-bola anjarany. Nanamafy ny zandary fa mitohy ny fikarohana ny naman’ilay jiolahy tompon’antoka tamin’izao nahafaty ny CB sy ny ben’ny Tanàna izao.Jean ClaudeL’article Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - Santé - News Mada

Tsimbazaza : 25 ireo mpiasa sy depiote tratran’ny covid-19

Miisa 25 ireo solombavambahoaka sy mpiasan’ny Antenimieram-pirenena nifindran’ny covid-19. Miisa 11 amin’ireo ny depiote, ara­ka ny nambaran’ny filoham-pirenena ny alahady teo ary mpiasa kosa ny ambiny amin’izany. Nialohavan’ny fitiliana natao tamin’ireo mpiasa rehetra 400 teny amin’ny CCI Ivato izany, nialoha ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana farany teo. Efa nisy koa anefa ny namoy ny ainy ka anisan’izany ny depioten’i Mo­rom­be, Rakotomalala Lu­cien. Teo koa ny sitrana, anisan’izany ny depioten’i Vohi­peno, i Tsabotokay Honoré. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Raza­na­ma­hasoa Christine, ny hampihenana faran’ny azo atao ny isan’ny mpiasa mifamezivezy eny an-toerana amin’ny fanatanterahana asa. Amin’ izay farafahakeliny sisa ny asa atao. Atao koa ny fanondrahana ranom-panafody ny eny an-toerana, ary efa misy mpitsabo mandray an-tanana ny marary. Miaraka amin’ny fitaovana izay andrasana amin’ny fitondram-panjakana izy ireo amin’izany.R. Nd.L’article Tsimbazaza : 25 ireo mpiasa sy depiote tratran’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Diplomatie : Le russe Stanislav Akhmedov fait ses adieux à Rivo Rakotovao

L’ambassadeur russe Stanislav Anvarovich Akhmedov quittera le pays après avoir passé sept ans à la tête de l’ambassade russe. Il a ainsi commencé les visites de courtoisie auprès des autorités du pays avant de quitter définitivement Madagascar. Hier, il a rendu visite au président du Sénat, Rivo Rakotovao, pour faire ses adieux. Les deux parties ont échangé sur les fructueuses relations entre les deux pays, surtout dans le cadre de la lutte contre la propagation du Coronavirus au pays. Pendant le régime Hery Rajaonarimampianina, où la famille politique de l’actuel président du Sénat a été encore majoritaire au pouvoir, la présence russe au pays s’est développée significativement, dans le domaine militaire et économique. Des opérateurs russes ont investi dans l’exploitation du gisement de chrome en partenariat avec la société d’Etat Kraoma. Dans le domaine militaire, la formation de cadres ainsi que la dotation en matériels de l’armée malgache ont fait partie des axes de la coopération conclue entre les deux pays. Rija R. L’article Diplomatie : Le russe Stanislav Akhmedov fait ses adieux à Rivo Rakotovao est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Diplomatie : Le russe Stanislav Akhmedov fait ses adieux à Rivo Rakotovao a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty

Nanomboka ny 14 aogositra teo ny fanaovana lavanty ny entana tsy navoakan’ny tompony ao amin’ny fadin-tseranan’i Toamasina. Entana lany fetr’andro ao amin’ny toeram-pitahirizana ao amin’ny orinasa MICTSL sy ny SMMC. Anisan’izany ny lafarinina, ao anaty kaontenera miisa 24. Manamarika ny tompon’andraikitry ny fadin-tseranana Toamasina fa tsy miaraka amin’ireo entana, natao lavanty, ny 14 aogositra ireo, ny lafarinina fa amin’ny 27 aogositra ho avy izao. Amin’ny volana desambra vao tena lany fe-potoana azo ohanina ireo lafarinina ireo, saingy na izany aza, tsy azo hohanin’ny olombelona intsony fa havadika ho sakafom-biby. Fantatra koa fa tsy natao ho an’ny besinimaro ny lavantin’ireo fa natokana ho an’ny orinasa na mpandraharaha manokana misehatra amin’ny famokarana sakafom-biby.Ankoatra ny taratasy mikasika ny hetra, mila maka fahazoan-dalana manokana any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny mpandraharaha na orinasa hanodina azy, ho arofanina tsy hiparitahan’ny lafarinina eny amin’ny tsena.Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fisorohana ny fisandohana sy ny fisolokiana: hisy « autocollant » manokana ny fiaran’ny mpanao gazety

Fanamorana ny asa nefa koa fahamailoana. Vita sonia, omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, ny fifanarahana eo amin’ny tompon-kevitra, ny Holafitry ny mpanao gazety,  faritanin’Antananarivo,  sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Nivoitra tamin’izany fifanarahana izany ny hametrahana marika manokana iraisana ho an’ny fiaran’ny mpanao gazety “autocollant”. Natao izany ahafahana manamora ny asan’ny mpitandro filaminana sy ny fanaraha-maso ataon’izy ireo, indrindra amin’ny alina. Fa eo koa ny hisorohana ny mety ho fisolokiana na fisandohana samihafa eo amin’ny asan’ny mpanao gazety. Ho mora kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta ao anatin’izany rehetra izany.Na eo aza anefa izany, natao ho andrana sy ho filamatra ihany ny fametahana izany ho an’ny mpanao gazety eto Antananarivo. Hoezahina haparitaka manerana ny Nosy kosa izany raha  hita ny fahombiazany. Fanombohana ihany izao natao izao.Synèse R.     L’article Fisorohana ny fisandohana sy ny fisolokiana: hisy « autocollant » manokana ny fiaran’ny mpanao gazety a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fandaharanasa “Fihariana”: hahazoana famatsiam-bola 1 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar

Fandaharanasa “Fihariana” : famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana hanohanana ny tanora. Nitondra izany fandaharanasa izany ny filoha Rajaoelina, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Carlton, ho fantatry ny tanora rehetra te hiditra amin’ny fandraharahana. Hahazoana famatsiam-bola 1 tapitrisa ariary hatramin’ny 200 tapitrisa ariary izy io, miankina amin’ny tetikasa aroso hita fa matotra. Ho an’ny 18 hatramin’ny 58 taona manerana ny Nosy, namolavola hevitra momba ny fihariana afaka mametraka izany any amin‘ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria misy azy avy.Inona avy ireo singa hamaritana ny tetikasa ?200 miliara ariary ny vola atokana ho amin’izany “Fihariana” izany avy amin’ny Sonapar (Société nationale de participations), ny fanjakana ny tompon’antoka, ary ny banky BNI sy ny BOA no mpampindrana amina zanabola ambany (?). Karazana tetikasa rehetra : fambolena sy fiompiana, indostria, famokarana herinaratra, sns… afaka mindrana amin’ity “Fihariana” ity. Mivoaka ao anatin’ny 15 andro ny vola, raha hita azo antoka ny tetikasa. Inona avy ireo singa hamaritana ny tetikasa ary iza no mijery azy, ireo banky ireo sa ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ?Vahaolana iray hanampian’ny fanjakana ny tanora tonga eo amin’ny sehatry ny asa, mahatratra efatra hetsy hatramin’ny dimy hetsy isan-taona, ny “Fihariana”. Olana ho azy ireo anefa ny tsy fananana asa ka zary vesatra ho an’ny firenena sy miteraka olana isan-karazany any amin’ny fiarahamonina.Mampanahy ny “Kiantranoantrano”  Mba hananan’ny tanora toe-tsaina hamorona asa ho fampandrosoana ny “Fihariana” fa tsy miandry asa. Tafiditra ao anatin’ny politika ankapobeny ny fitondram-panjakana rahateo izany. Koa nampirisika ny tanora ny filoha Rajoelina, hamorona ny tetikasany, hiaro ny zava-bitany, sy ny fanavaozana hoentin’izy ireo. Ny tena mampanahy amin’ny tolotra toy izao ny “Kiantranoantrano”, ka izay tiana homena ihany no mahazo. Iza no afaka manome toky ny tsy hisian’izay endrika kolikoly izay ? R.MathieuL’article Fandaharanasa “Fihariana”: hahazoana famatsiam-bola 1 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo

Mpaka saripika iray amin’ireo manana traikefa matanjaka. Sehatra maro no efa nahitana azy sy ny sanganasany. Ankehitriny, nahatafita dingana iray lehibe i Rijasolo…Tsy ny eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany no ahitana ny famirapiratan’ny tanora malagasy. Tsikaritra koa izany eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Taona vitsy lasa izay, olana goavana nosedrain’ny mpanao hosodoko, mpanakanto araka endrika amam-bika ary ireo milomano ao amin’ny tontolon’ny sary isan-karazany, ny tsy fisian’ny toeram-pampirantiana.Amin’izao fotoana izao, misy amin’izy ireo ny miezaka fa tsy miandry fotsiny ny vahaolana entin’ny fanjakana ka manangana toeram-pampirantiana na « galerie » azy manokana. Anisan’ireny i Rijasolo, iray amin’ireo fanta-daza sy manana ny maha izy azy amin’ny fakana sary kanto sy matihanina. Araka ny fantatra, misokatra ho an’ny rehetra ny toeram-pampirantiany eny Faravohitra eny. Toerana tony sy milamindamina, ahafahana mankafy ireo sanganasany sy mitafa amin’ny aingam-panahiny.Afaka roa volana eo ho eo, izany hoe, amin’ny volana septambra, hihazo an’i Frantsa i Rijasolo, hanatanteraka fivahiniana arahim-pamokarana na « résidence de création », any amin’ny Cité internationale des arts. Raha tsiahivina, ity no anisan’ny loka goavana azo tamin’ny fifaninanana « Loka Paritana » andiany fahatelo.Haharitra telo volana ny diany ka, aorian’izay, haranty any an-toerana ny zava-bitany. Tsy ho diso anjara amin’izany ny eto an-tanindrazana, toy ny nataon’ireo mpandresy tamin’ny andiany roa voalohany tamin’ity fifaninanana ity.Landy R.L’article Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao…
17/09/2020

 Mitohy hatrany fanandratana ny hasin’ny kolontsaina malagasy tanterahin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny alahady 20 septambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara) no hiditra amin’ny andiany faharoa ny lohahevitra “ Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana sy ny tandindona fonosiny”. Anisan’ny hampiavaka ity Takalo dinika amorom-patana ity, ny handraisan’ireo faritany Fimpima ivelan’Antananarivo anjara. Hanan-karena ny dinika satria samy manana ny mampiavaka azy izy ireo raha eo amin’ny fomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana. Hisoron’afo amin’izany i Romule Thomas, mpikajy ny fomban-drazana faritany Fimpima Antsiranana, i Totoroy François, talen’ny serasera sampana Fimpima Mbarakaly faritany Toamasina, i Vincent Merland, mpandalina ny fomban-drazana faritany Fimpima Toliara ary Rtoa Rakotondriaka Avotra, filohan-tsampana Fimpima Soavinandriana faritany Antananarivo.Ankoatra ny tambajotran-tserasera “Zoom” sy “facebook”, hampiasaina ihany koa ny “You Tube” amin’ny fanatanterahina ny Takalo dinika amorom-patana. Na izany aza, mila misoratra anarana mialoha ireo izay handray anjara mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny takalo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao… a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar
18/09/2020

Namoaka ny filaharan’ireo ekipam-pirenena mandrafitra azy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), omaly alakamisy 17 septambra. Very toerana iray ny Barea de Madagascar, tamin’izany. Raha teo amin’ny laharana faha-91, roa volana lasa izay, lasa faha-92 ankehitriny. Manana isa 1 267 ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izany. Na eo aza ity fihemorana kely ity, mbola tafiditra ao anatin’ny “Top 100” hatrany ny Barea de Madagascar. Tsy nihetsika kosa fa mbola mijanona eo amin’ny laharana faha-21 hatrany kosa ny Malagasy eo amin’ny filaharan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Marihina fa mbola mitarika eto Afrika ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tafiditra “Top 20 mondial”, arahin’i Tonizia ary fahatelo ry zareo Nizerianina. Faha-11 kosa ny Etalons’n’i Borkina Faso, hifandona amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny lalao firahalahiana hatao any Lisbonne, Portugal. Faha-12 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpifanandrina mivantana amin’i Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2021”.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny voalohany eran-tany, manana isa 1 773. Faharoa ny Frantsay, nahazo isa 1 744 ary fahatelo i Brezila, manana isa 1 712. Fahefatra ny Anglisy arahin’i Portugal. Any amin’ny faha-14 ry zareo Alemà sy ny Mannschaft. Mbola i Saint Marin hatrany no mitana ny laharana farany.Marihina fa ny tsy fisian’ny lalao vokatry ny Covid-19 no tsy nampisy fiovana firy ny filaharana, tamin’ity. Tompondaka L’article Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC
23/09/2020

Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io. Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao. Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany. Valy bontana « Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo. Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity. L’article Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC est apparu en premier sur AoRaha.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

Fanavaozana mpitantana :: Hosoloina ny talen’ ny Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy
17/09/2020

Hanavao ny mpitantana ny ivon-toeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy (ISSM) ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy serasera. Namoaka antso fahalinana tao anaty tambajotran- tserasera sosialy “Facebook” izy ireo, omaly. Misokatra ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka, indrindra ireo andriambavilanitra, ny toerana. Horaisina hatramin’ny 30 septambra ny antontan-taratasy fisoratana anarana hita na io andraikitra io. Efa am-bolana maro no nanendrena ny tale misahana ny ivon-toerana saingy tsy nisy fampitam- baovao momba ny asa nosahanin’izy ireo. Nambaran’ny tale jeneralin’ ny kolontsaina fa “nametrapialana noho ny antony ara-pianakaviana ity tompon’andraikitra ity”. “Natao ilay antso mba hahafahana manolo ny toerana banga sy mandroso eo amin’ny asa marobe, izay tsy maintsy sahanina ho fampiroboroboana ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy”, hoy izy. Hisahana an’ireo mpikirakira sarimihetsika malagasy iray manontolo eto Madagasikara mifanaraka amin’ireo lalàna amin’ny vokatra manerana izao tontolo izao io sampana io. L’article Fanavaozana mpitantana :: Hosoloina ny talen’ ny Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy est apparu en premier sur AoRaha.

Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah
24/09/2020

Mitohy anio ny fifaninanana, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy, ho an’Andrianjafitrimo Tessah. Hiditra eo amin’ny fihodinana faharoa izy ka hidona amin’ily teratany sinoa, i Xinyu Wang, amin’izany. Ambony ny filaharan’ity mpifanandrina aminy ity satria faha-145 maneran-tany. Vao 18 taona monja ity Sinoa ity ary indroa nandray anjara tamin’ny “Crand chelem” dia ny “Australian open”, ny taona 2018, sy ny “Wimbledon”, ny taona 2019. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany avokoa izy tamin’izany, ary sambany tamin’ity vao tafita amin’ny fihodinana faharoa.Ho mafimafy, araka izany, ny miandry an’i Tessah satria mpilalao efa manana traikefa ny hikatroka aminy. Heverina kosa fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny farany ny tovovavy amin’izany. Tsiahivina fa ilay Espaniola, i Nuria Parrizas Dias, no resin’i Tessah teo amin’ny fihodinana voalohany raha nahalavo ilay Amerikanina, i Robin Anderson, kosa ny an’i Xinyu Wang.Ankoatra izay, nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny dian’i Irina Ramialison. Niondrika teo anatrehan’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4; 6/4), izy. Hikatroka amin’ilay Japonezy, i Yuki Naito, izay nandresy ilay Frantsay, i Amandine Hesse, i Sharma, eo amin’ny dingana manaraka. Tsiahivina fa fifanintsanana hidirana ao anaty tabilao lehibe izy ity, izay hifarana rahampitso zoma. Ny alatsinainy 28 septambra kosa vao tena hanomboka ny lalao. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: hidona amin’ilay Sinoa, i Wang, i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono
24/09/2020

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.

Mila miova ny tena hisian’ny fiovana
19/09/2020

Hifarana ny fahamehana ara-pahasalamana, afa-tsy amin’ny faritra vitsivitsy sisa hoe foiben’ny valanaretina Covid-19? Arahaba soa, arahaba tsara. Sarotra sy mafy izay enim-bolana izay. Ankoatra ireo namoy ny ainy, nisy ny nafoy noho ny fihanaky ny valanaretina: ny asa aman-draharaha, ohatra, ny trano fonenana tsy voaloa ny hofany, ny fananana namidy noho ny tsy fisiana… Ahoana no hiarenana? Samy miatrika ny adiny ny tsirairay, ankoatra ny fahazoana karazana fanampiana mbola ady hafa ho an’izay manantena izany fa tsy misitraka inona. Ny miharihary sy tsy azo lavina amin’izao, mihamiverina avokoa ny gaboraraka etsy sy eroa. Samy maika amin’ny fitadiavana ka be ny tsy mahatsiaro tena amin’izay ataony? Ny mety sy ny tsy mety, ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny manimba… Toy inona ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifamoivoiza­na, ny fivarotana amoron-dalàna, ny fanajana ny fahadiovana amin’ny fananana iombonana… ? Saika mandeha ho azy raha vao tsy misy fanaraha-maso, fampitandremana, fanitsiana, fanasaziana. Izany, ohatra, ny fanokon-kanina eny amoron’ arabe, ny fanariana fako sy ranondolana amin’iza­ny… Misy aza izay manao izany no voretra, misaritaka, maimbo. Ahoana no hiarenana sy handrosoana amin’izany? Tsy vita ny mandamina sy manadio, na ny tena aza. Tsy mety handeha ho azy na ho kolontsaina ny fanajana lalàna? Mbola tahotra fanasaziana ny antony fa tsy izay mahasoa sy mampandroso. Eny, na izay hoe filaminana sy fahadiovana ihany aza. Hahagaga ve raha miverina avokoa izao fahalotoana sy fisaritahana izao taorian’ny fihibohana… tsy nitondra inona? Hiandry fanovana inona na fiovana iza vao hiova ny tena amin’izay mahazatra efa hita izao fa tsy tsara, tsy mahasoa, tsy mampandroso… ? Soa ihany, tsy ny rehetra. “Atombohy amin’ny fiovana eo aminao izay tianao hiova amin’ny manodidina anao”, hoy ny filoha indianina izay, i Gandhi. Fandinihan-tena izao fialana amin’ny fihibohana izao: resy ny aretina? Fa tsy afaka ny fahazaran-dratsy teo aloha. Hatao ahoana?Rafaly Nd.L’article Mila miova ny tena hisian’ny fiovana a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana
17/09/2020

Tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina fa mihagoragora ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy ny tahotra ny aretina intsony no anaovan’ny olona arotava fa tahotra ny mpitandro filaminana.Eny an-dalambe, efa misy mahasahy tsy manao arotava intsony. Vao mivadika any anelakela-trano dia efa esorina ny takom-bava. Tsy misy manao fiarovana izany amin’ireo toerana tsy fandehanan’ny mpitandro filaminana.Tsy voahaja intsony koa ny elanelana na amin’ny fisisihana taxi-be, amin’ny hariva, na eny an-tsena na eny an-dalana. Miverina amin’ny teo aloha ny fiainan’ny mponina etoAntananarivo ary vitsy ireo tena manaja ny fepetra ara-pahasalamana.Ho an’ireo taxi-be, tsy misy mampiasa « gel désinfectant » hozaraina amin’ny mpandeha intsony. Tsy ampiasaina, araka ny tokony ho izy, ny arotava ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy. « Mafana ny andro ka mahatsiaro ho voahelingelina izahay », hoy izy ireo. Ny mpandeha taxi-be betsaka ireo manala arotava rehefa tafapetraka mahazo toerana ao anaty fiara ary tsy misy mifampiteny.Any an-tsekoly, ho an’ireo efa niditra nianatra kosa, misy ireo manaja tsara ny fepetra fiarovana amin’ny fakana sy fanaterana mpianatra. Toraka izany ny biraom-panjakana sy ny orinasa izay mbola sarotiny amin’ny fanasana tanana mialoha ny hidirana ao an-toerana sy fanaovana arovava. Eo koa ny fiangonana izay fatra-panaja ny fepetra rehetra mba hahalavorary ny fahasalaman’ny kristianina.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra
21/09/2020

Hanatanterahana ny tetikasan’ny governemanta malagasy, Asa Avotra Mirindra ny any amin’ny distrikan’i Manandriana. Hisy, araka izany, ny fanamboarana lakandrano mirefy 1.800m hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly amina hektara maro iveloman’ny tantsaha any an-toerana . Mahatratra 6.000 ireo fianakaviana hisitraka ity tetikasa Asa Avotra Mirindra ity, izay avy ao amin’ny kaominina 10 ao amin’ny distrikan’i Manandriana avokoa. Haharitra 2 taona ny tetikasa hipaka eny ifotony.Vatsin’ny banky iraisam-pirenena ara-bola ny tetikasa ary iandraiketan’ny FID ny fanatanterahana sy ny fandrindrana ary ny fisitrahan’ny mponina izany.Nanara-maso ny fanombohana izany asa izany ny minisitry ny Mponina, i Michelle Bavy Angelica.Nitokana ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany koa ny tenany. Tamin’izany no nilazana ny hanaovana fanisana ireo fikambanana rehetra manerana ny fokontany sy ny kaomnina ambanivohitra rehetra ao anatin’izany distrika izany.Tatiana AL’article Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra a été récupéré chez Newsmada.

Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo
22/09/2020

Niditra an-keriny avy ao an-damosin’ny trano fivarotana lehibe indrindra ao Ambatosoratra ireo jiolahy. Nikiakiaka ny ankizivavikely iray, zanak’ilay mpivarotra, satria nalain’ireto olon-dratsy ho takalonaina fa tsy nanaiky nanoro ny misy ny vola ity tompon-trano. Nivoaka ny manodidina hamonjy… Tifitra basy no nahazo ilay raim-pianakaviana nivoaka voalohany ka maty! Daroka vatan-kazo no nanjo ny hafa, ny alin’ny alarobia 15 septambra no niseho izay.Endrika faharoa indray no niseho andro vitsivitsy talohan’io. Avy nangalatra omby tao Mangalaza, atsinanan’Ambatondrazaka ireo dahalo ka nandroaka ireo hazany nianandrefana tany Ambohidehilahy no sady nandroba fivarotana. Fotoana tsy ela manodidina izay, halatra omby sy fandrobana trano fivarotana koa no nahazo an’Antanambehivavy, Antanimena.Endrika fahatelo mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny tato ho ato, ny nitranga tao Ambohidava, tanàna lalovan’ny RN.44, 30km avaratr’io renivohitry ny distrika io. Misy nanamarika koa fa ny dahalo indray izao no mitsoka kiririoka ho filazana fa tonga handroba ry zareo….Fametrahana zandary, ampy isa honina sy ho vonona lalandava no soso-kevitra aroson’Antanimena satria lalan’ny mpitondry omby halatra iny toerana fizaran-tanin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka iny. Amin’ny ankapobeny, mila mikaroka fomba vaovao ny isan-tanàna, hiarovany ny ainy sy ny fananany, andro aman’alina mihitsy.RarivoL’article Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.