CEPE andiany fahatelo: 129 649 ny mpiadina any Toliara sy any Toamasina

News - CEPE andiany fahatelo: 129 649 ny mpiadina any Toliara sy any Toamasina

News - CEPE andiany fahatelo: 129 649 ny mpiadina any Toliara sy any Toamasina

129 649 ny isan’ny mpiadina
amin’ny CEPE andiany fahatelo andraisan’ny mpiandina avy ao amin’ny
faritany Toliara sy i Toamasina anjara anio tontolo andro. 544 ny
foibem-panadinana handray azy ireo, ahitana efitrano 4 339. “Vonona
ny toeram-pandraisana, nandrarahana fanafody mamono tsimok’aretina
nefa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mpiadina”, hoy ny
tomponandraikitra.

Ho an’ny any Mahajanga I,
nahatratra 71,89% ny taham-pahafahana CEPE ary napetraka amin’ny
petadrindrina, omaly, ny lisitr’ireo afaka.

Momba ny fanomanana ny BEPC eto
amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra kosa, nivory, omaly, ireo
mpiandraikitra ny foibem-panadinana 31 hanomana ny lamina rehetra
ho an’ny 21 septambra ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao. Misy
mpiadina tavela any amin’ny faritra nefa miandry ny toromarika avy
any amin’ny minisitera ireo mpiandraikitra momba izay. Ny lalana
rahateo, efa misokatra ankoatra ny any Diana sy any Sava. Hapetraka
eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina rehefa
nivoaka avy eny amin’ny Cnapmad ary tsy azo alaina raha tsy ny
andron’ny fanadinana.

Vonjy         

Article tiré de Newsmada

L’article CEPE andiany fahatelo: 129 649 ny mpiadina any Toliara sy any Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Namaly  ny hetahetan’ny maro ny filoha Rajoelina: hisy fiaramanidina ho  any Ejypta andoavana 2. 200  000 Ar

  Nanapa-kevitra ny filoha Rajoelina, omaly alina, manoloana ny fangatahan’ny Malagasy, hisy fiaramanidina manokana hitondra  ireo mpijery baolina hanohana ny Barea amin’ny lalao hatrehiny, ny alahady  izao any  Ejypta. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaompania Air Madagascar sy ny fanjakana  izany mba hijeren’ny ankamaroan’ny Malagasy ny dingan’ny  ampahavalon-dalana hatrehin’ny  Barea. Manodidina ny 2 200 000 Ar ny vola aloan’ireo handeha ka efa tafiditra ao anatin’izany ny tapakilan’ny fiaramanidina, ny sakafo sy ny fitaterana mihazo ny  any amin’ny kianjan’i Alexandrie. Efa misokatra manomboka anio, ny famandrihan-toerana sy ny fisoratana anarana eny amin’ny biraon’ny Air Madagascar rehetra. Hanamora ny fikarakarana ny « Visa » sy ny taratasy rehetra ilaina kosa ny fanjakana.Synèse R.  L’article Namaly  ny hetahetan’ny maro ny filoha Rajoelina: hisy fiaramanidina ho  any Ejypta andoavana 2. 200  000 Ar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy”

“Tsotra ny zava-dehibe ao anatin’izy io: tsy maintsy mahay mifampihaino isika samy Malagasy. Be dia be ny vondrona politika na antoko politika no miteny fa misy zavatra tokony hohatsaraina amin’ny fikarakarana ny fifidianana.”Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ao anatin’izay fikarakarana fifidianana izay ny lisitry ny mpifidy. Tsy maintsy mijery sy mandanjalanja ny amin’izany ny fitondram-panjakana.Tsy tokony hohadinoina fa tapitra alohan’ny faran’ny taona ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna eto amintsika. Efa voalazan’ny filohan’ny Repoblika fa eo am-pandinihana izany ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra“Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana”, hoy izy momba ny handinihan’ny parlemanta ny lalàna momba izay. Noho izany, ireo solombavambahoaka ihany no mitondra izay. Ireo solombavambahoaka no mahita ny fanovana tian-dry zareo hatao amin’ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana. Efa nanome ny heviny momba azy ny governemanta, ny 7 aogositra lasa teo.Rariny sy hitsiny ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny tokony hanaovana antsipiriany ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny fanoloran’ny praiminisitra izany, araka ny nambarany. Mba hahazoan’ireo solombavambahoaka manara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) izany.Efa niomana ho amin’izany ny governemanta, ka tsy misy olana ny momba an’izay. Izay no andrasan’ny rehetra. Na izany aza: “Tsy maintsy mitandrina kely ihany isika, sao lasa 5 na 6 ora ny hamelabelarana izany ka manahirana”, hoy izy.R.Nd.L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sandratra: hanolotra an’« Ikala Anona »

Antsam-paribolana iray hiantefa tanteraka any amin’ny vehivavy ny « Ikala Anona ». Fiakarana an-tsehatra ifarimbonan’i Liantsoa, i Tahirintsoa, i Nofy, i Avelo-Nidor, i Riambetso, i Ranöe, i Mero Kosiky, i Zazangaly, i Narilala, i Zo-Maminirina, i Vatoary, i Hery Mandaniaina, i Anjara Tsy Ahy, i Mampandry Ny Aina Manitra, i Riambola Mitia, i Toly, i Bade, i Rima, ny asabotsy 25 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy Analakely.« Fanomezan-kasina ny vehivavy izy io, indrindra fa amin’izao fanamarihana ny « Fetin’ny Reny » izao », hoy i Zo-Maminirina, iray amin’ireo hiantsa tononkalo amin’io andro io.  Nambarany tamin’izany fa anaram-behivavy avokoa ny ho voatonona ao anatin’« Ikala Anona ». « Na io sipan-dRakoto, na io vadin-dRabe, na io anabavin’i Naivo, sns, ho lohatenin’ny tononkalo avokoa ny anaran’ireo », hoy hatrany izy.Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa lehilahy avokoa ny hiantsa amin’io fotoana io!HaRy Razafindrakoto L’article Sandratra: hanolotra an’« Ikala Anona » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambasadaoron’i Pakistan, i Syed Rizwan: « Efa azo antoka ny fitoniana politika eto… »

  Nandray ambasadaoro vaovao miisa telo be izao ny filoha Rajoelina, omaly teny Iavoloha. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fahavononan’izy ireo hanohana sy ny hiara-kiasa amin’ny  fitondrana, ho fanatanterahana ny IEM.Anisan’izany ny ambasadaoron’i Pakistan, ny Dr Syed Rizwan Ahmed, liana amin’ny fandraharahana eo amin’ny orisana afakaba. “Efa azo antoka ny fitoniana politika ka azo atao ny mampiasa vola eto… Efa nisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha pakistaney, saingy tsy niroborobo firy izany”, hoy izy raha noraisin’ny filoha. Nambarany fa hisy ny fanofanana isan-taona ho an’ireo diplaomaty ary hojerena koa ny fanampiana fitaovana sy ny fizarana traikefa amin’ny lafiny fiarovana sy ny miaramila.Notsiahivin’ny ambasadaoro frantsay, i Christophe Bouchard, kosa fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa niainga tamin’ny fihaonana teo amin’ny filoha roa tonta: i  Macron sy Rajoelina. “Hirosoana ny dinika momba ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”ary efa nanangana ny komity hanafainganana izany ny eto Madagasikara na tsy mbola voafritra aza ny daty ho amin’ny fivoriana”, hoy izy. Ankoatra izany, nambarany fa hiompana amin’ny sehatra fampandrosoana ny vahoaka, manomboka izao, ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa, ankoatra ny fizahantany, ny famokarana herinaratra, ny fambolem-bary ary ny fotodrafitrasa, iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE).Famoronana asa sy ny sehatra tsy miankina Ankoatra izany, nanterin’ny ambasadaoron’i Alemaina, i Michael Derus, ny fanoloran-tanan’ny fireneny ny fifidianana natao teto amintsika. Eo koa ny hanohanany ny tetikasa ho an’ny herinaratra ary koa ny famoronana asa sy ny fiarovana ny tontolo iainana. “Ao anatin’izany koa ny fanohananay ny IEM, ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny  fanomezan-danja ny sehatra tsy miankina”, hoy izy.Synèse R.  L’article Ambasadaoron’i Pakistan, i Syed Rizwan: « Efa azo antoka ny fitoniana politika eto… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hampihaonin’ny CFM  Rajoelina sy Ravalomanana  

« Isaorana ireo kandidà sy ny mpomba azy avy nitandro toy ny anakandriamaso ny fitoniana. Efa ao anatin’ny fanatonana ireo kandidà izahay izao. Mangataka fihaonana aminy, hifampiresahana hisian’ny fitoniana. Ezahinay mba hifampiresaka izy ireo. » hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, teny Ambohidahy, afakomaly. Didy no navoakan’ny HCC tamin’ny voka-pifidianana ofisialy. Ny dikan’izany, miara-manaiky an’iny isika raha tany tan-dalàna. Na izany na tsy izany, araka ny voalazan’ny HCC: maro ireo tsy fahatomombanana tamin’ny fanomanana iny fifidianana iny. Koa tsy azo odian-tsy hita izay ho an’ny rafi-panjakana, ny Ceni, manomana ny fifidianana: hisintona lesona tamin’iny fihodinana voalohany iny. Mba hanarenana ny tsy mety izany: ny amin’ireo kara-pifidianana tsy mbola voazara, ohatra. Azo sorohina tanteraka ny izany. Tsy azo kitihina kosa ny lisi-pifidianana na misy aza ny fanavaozana isan-taona, manomboka ny 1 desambra izao ka hatramin’ny 15 mey 2019. R. Nd. L’article Hampihaonin’ny CFM  Rajoelina sy Ravalomanana   a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Triatra

Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro

Mbola mirongatra ny aretina eto an-drenivohitra. Tsy mitsaha- mitombo ireo voany sy ireo namoy ny ainy. Ny zoma lasa teo, zaza iray no voamarina araka ny tatitry ny kaomini Antananarivo Renivohitra fa namoy ny ainy, vokatry ny aretina kitrotro teny amin’ny fokontany Ambohimiadana Atsimo, ao anatin’ny boriborintany faha-6. Araka ny voalazan’ireo mponina teny amin’ny manodidina iny ihany dia efa ho roa amin’io ny zazakely maty voan’ny aretina kitrotro teny amin’iny toerana iny, nandritra ny herinandro izay. Manoloana io tranga io, tsy nitazam-potsiny ny kaomina fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny tamin’ny fandefasana ny ekipa avy tao amin’ny amin’ny BMH (Bureau municipal d’Hygiène), nandraraka ranom-panafody, teny amin’ny toerana manodidina ny trano fonenan’ny niharam-boina. Ny tanjona dia mba hamonoana ireo bibikely sy ny otrik’aretina mety hiparitaka manodidina ny trano, sy hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe. Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa etsy ankilan’izay, hanantanteraka fanadiovana faobe manoloana ny firongatry ny valanaretina, na ny pesta izany, na ny kitrotro. Tsara ho fantatry ny tsirairay fa vokatry ny loto ny mampirongatra ny aretina, ka antony handraisana izay fanapahan-kevitra izay ho fanentanana ny olona hadio. “Matetika vokatry ny loto ny aretina. Rehefa mirongatra nefa ny aretina dia ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany no sahirana sy omena tsiny matetika. Noho izay, nandray andraikitra tandrify azy mba hiadiana amin’ny loto izahay amin’io andron’ny fanadiovana io. Ny ivelany sy anatiny toeram-piasana sy ny toeram-pitsaboana no diovina amin’io, izay manomboka eo amin’ny CSB1 hatreny amin’ny hopitaly lehibe manerana ny Nosy. Aseho amin’ny hetsika io fa tsy voatery mitsabo ihany no ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamana fa miezaka koa izy miaro ny aretina ankoatran’ ny vakisiny”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Dr Rakotoarivony Manitra. Tsy hijanona eo anefa fa hatao isaka ny faran’ny volana ny hetsika fanadiovana, ary hanentanana ireo fikambanana tsy miankina, ny mponina, ny minisitera isan-tsokajiny. Marihina fa efa misy faritra efa manao an’io foana toa ny any Menabe ary tsy vitan’ny hopitaly sy ny toeram-piasana ihany no diovina fa hatreny amin’ny manodidina. Laurena Nany L’article Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro est apparu en premier sur .L’article Boriborintany faha-6 : Zaza roa matin’ny kitrotro a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking”

Nifanentana, avy eo, nifamotoana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking” lehibe, mifanila amin’ny tsena, ny mpivarotra sasany etsy Anosibe, omaly maraina. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny fananganana tsena vaovao ao anatin’ny faritry ny “parking”.Raha tsiahivina, tsy vao izao ity resaka ity fa efa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Efa nisy ny naneho hevitra tamin’ireo mpivarotra, raha mbola tsy nanomboka ny asa tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha, satria nolazaina fa mamafy lainga izy ireo fa tsy hisy izany fanamboarana tsena izany eo amin’ny “parking”. Raha ny voalazan’i Marcelin, anisan’ireo mpivarotra mandà ity tetikasa ity, nampidirina am-ponja mihitsy ireo olona naneho hevitra ireo.“Amin’izao fotoana izao kosa, tsy misy azo afenina intsony ary voaporofo fa tsy nandainga ireo olona ireo… Izao iaraha-mahita izao ny fanamboarana tsena vaovao ato anaty “parking”, hoy izy. Tsy eken’ny mpivarotra ity tetikasa ity, satria tena ilain’ny tsena ny toeram-piantsonana ary io efa misy io aza, tsy mbola ampy. Voaporofo izany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, rehefa misy ny miditra sy ny mivoaka ny “parking”, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany.Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tombontsoa manokana ho an’ny mpanam-bola ity tsena vaovao ity fa tsy ho an’ny mpivarotra amoron-dalana velively, satria antapitrisa maro ny vidin’ny iray amin’ireo tsena vaovao. Ireo mpivarotra “madinika”, tsy mbola manan-toerana, no tokony hijerena vahaolana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Raha tena ho an’ny mpivarotra amoron-dalana tokoa ny tsena, tokony hisy fifanarahana mazava momba izany”, hoy hatrany ireo mpivarotra.Nilaza ireto farany fa efa nitady ny fomba rehetra ahafahana mihaona sy mifampidinika amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy tontosa mihitsy izany. Ankehitriny, misy ny fanangonan-tsonia, halefa any amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hiangavian’izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity.Landy R. L’article Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe

   Notanterahina tao Andamboly any amin’ ny Distrika Tsihombe, tamin’ity herinandro ity ny lanonana fanolorana ny milina mpamokatra herinaratra lehibe. Manana tanjaka 165 kw sy 265 kw miaraka amin’ ireo jiro sy kojakoja maro ireto fitaovana ireto. Nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ramarolahy Christian, nisolo tena ny filohan’ ny Repoblika. Anisan’ny nanotrona izany koa ny governoran’ ny faritra Androy.Niavaka kosa anefa ny lahatenin’ny depiote Masy Goulamaly fa tsy mba nahenoana na niresaka momba ireo fitaovana vao azo ireo. Efa saika tsy tonga izy raha nandrasana nandritra ny ora maromaro ary efa tsy anisan’ ireo nandray fitenenana.  Nandray ny anjara fitenenany taorian’izany ny governor, saingy efa lasa nandeha ity solombavambahoaka ity.Synèse R.L’article Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ceni  : « Amin’ny 10 janoary ny voka-pifidianana ofisialin’ny HCC »

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra izao… Hanao ahoana ny fifidianana? Amin’ny 10 janoary ny voka-pifidianana ofisialin’ny HCC, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny  Ceni.   « Maniry ny Ceni mba hatao fanomezana ho an’ny vahoaka malagasy amin’ny faran’ny taona ny voka-pifidianana vonjimaika feno amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. » Io ny nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, afakomaly, momba ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika feno amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa. Manahirana ny hamory olona amin’ny 1 janoary 2019. Koa mieritreritra ny Ceni fa havoaka ny 31 desambra izay voka-pifidianana izay. Mety ho alohan’ny 31 desambra aza izany, raha mizotra araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. Izay no irina. Ny 19 desambra ny fihodinana faharoa. Manana dimy andro ny eny anivon’ny sampana mpanisa vato (SRMV) eny anivon’ny distrika, fa hatramin’ny 24 desambra ny fe-potoana farany tsy maintsy hahatongavan’ny antontan-taratasy mirakitra ny voka-pifidianana avy any amin’ny birao fandatsaham-bato eny amin’ny SRMV. Tsy maintsy aterin’ny SRMV eny anivon’ny distrika mankeny amin’ny Ceni foibe, Antananarivo, ireo voka-pifidianana ireo ny 25 desambra. Malalaka ny famindram-pahefana « Manana fito andro manomboka amin’io 25 desambra io ny Ceni foibe hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika feno », hoy izy. Raha kajiana izay, ny 1 janoary 2019 no fe-potoana farany hamoahan’ny Ceni izay voka-pifidianana vonjimaika feno izay. Sivy andro aoriana izay kosa no tokony hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy. Farafahelany ny 10 janoary 2019 izany, na aoriana kelin’izay raha tsy isaina ny andro tsy fiasana toy tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana ofisialy, fihodinana voalohany. Misy tsara ny fotoana, hatramin’ny 25 janoary, hanomanana ny famindram-pahefana eo amin’ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina, amin’ny filohan’ny Repoblika vaovao voafidy. Malalaka tsara izay ary voahaja ny voalazan’ny lalàmpanorenana amin’izany. R.Nd.  L’article Ceni  : « Amin’ny 10 janoary ny voka-pifidianana ofisialin’ny HCC » a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ambohipo : Jiolahy tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity mpamaky trano no nisy nahatsikaritra, teny amin’iny faritra Ambohipo iny. Nenjehana avy hatrany ary tsy ela akory dia voasambotra ilay olon-dratsy. Raikitra ny daroka sy ny vono. Ny sabotsy lasa teo nitrangan’ity trangana fitsaram-bahoaka ity teny an-toerana. Raha mbola teo am-pisokirana trano mantsy izy no hitan’ny fokonolona. Niantso vonjy rahateo ny tompon’ny trano ary vetivety dia niely ny vaovao. Nitangorona ny olona ary nifanome tanana tamin’ny fisamborana ity olon-dratsy ity teny amin’iny faritra iny. Tetsy an-danin’izay dia nisy tamin’ireo mponina no niantso avy hatrany ny pôlisy. Nony nigadona teny an-toerana moa ireto farany dia efa voasambotry ny fokonolona ity mpamaky trano, izay tsy afa-niala teo ambany hatezereran’ireto farany. Raha nisy kely foana dia efa ny ainy no nanefa tamin’izany. Soa ihany araka izany fa tonga ara-potoana ireto mpitandro filaminana ireto. Nitondra azy niala teo. Rehefa avy notsaboina sy natao famotorana moa ny lehilahy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ary nampidirina am-pona vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. m.L  L’article Ambohipo : Jiolahy tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be
23/09/2020

L’article Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa
26/09/2020

Notanterahina omaly teny amin’ny fitandremana toby Fanantenana FLM 67 ha ny fanamasinana ny fitsofandranon’ny fanambadian’Andriandrantoson Riamaholy Haridina, mpanao gazety mikirakira ny vaovao ara-toekarena ao amin’ny gazety “Les Nouvelles” sy Rakotondraibe Hanitiriniaina Henintsoa, mpanao gazety mikirakira ny trangam-piarahamonina gazety Taratra, ao anatin’ny vondrona Ultima Media. Ny Pastora Rasolonjanahary Hobinirina Riri Harivelo sy Randrianarison Henri René ary Rakotondramanitra Mino Harivola no nifarimbona tamin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy roa kely ireto. Nosafidin’izy ireo manokana ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 8 : 7a “Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ary ny renirano tsy mahapaoka azy”. Taorian’ny fanamafisana ny fanambadian’izy ireo dia niara-nikorana tamin’ny fianakaviana sy ireo namana aman-tsakaiza teny amin’ny Espace Sahamadio Ilafy izy roa kely. Mirary tokantrano sambatra ho an’i Haridina sy i Henintsoa, harahin-jazalahy sy zazavavy ny fianakaviamben’ny vondrona Ultima Media.Ny fanoratanaL’article Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa a été récupéré chez Newsmada.

Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC
23/09/2020

Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io. Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao. Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany. Valy bontana « Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo. Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity. L’article Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC est apparu en premier sur AoRaha.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina
26/09/2020

« Ndao homena lanja ny fikarohana manatsara ny fahasalamana ho an’ny rehetra », ny lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina andiany faha-12, omaly. Nandray anjara mavesatra tamin’ny fizarana fanafody sy kojakojam-pitsaboana ho an’ny mararin’ny Coronavirus teny anivon’ny hopitaly ny farmasianina, nandritra ny ady amin’ny tsimokaretina. Nanapa-kevitra ny hampidina ny vidin’ny fanafody fototra ampiasaina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina izy ireo ho fitsinjovana ny marary, araka ny fampitam-baovaon’ny holafitra sy ny sendikà ary ny fikambanan’ny farmasianina niaraka. Telo ny farmasianina lavo tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus. Niasa mafy andro sy alina ny farmasianina sy ny mpiasa mapihodina ny farmasia namatsy ny marary amin’ny kazaram-panafody ilainy. Saika ahitana filaharana lavareny manoloana ny farmasia teto an-dRenivohitra, indrindra raha vao niatomboka ny valanaretina. Nitantana ny fanafody sy ny kojakoja teny anivon’ny CCO ihany koa izy ireo.357 ny farmasianina ary 265 ny toeram-pivarotana fanafody manerana ny Nosy raha 29 ny ivontoerana mpamongady sy mpanamboatra fanafody. 25 ny farmasianina mpiasam-panjakana ary 40 ny farmasianina mpamongady fanafody.Manana holafitra miahy ny asan’ny farmasianina izy ireo, izay mandrindra ny raharaha momba izany. Misy koa ny fikambanana manofana aorian’ny fianarana sy manampy amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana rehetra ao anatiny.Vonjy  L’article Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina a été récupéré chez Newsmada.

Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano
25/09/2020

Natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay tovolahy rendrika tsy hita tao amin’ny village touristique, afakomaly. Nisy, araka izany, ny joro ho fanajana ny fomban-tany nataon’ny fianakaviana ka taorian’izay dia nivoaka ny razana, araka ny fanazavan’ireo olona akaiky azy. Voalaza fa nilomano teo amin’ny ranomasina izy ka tsy hita popoka nony avy eo. Taorian’ny fanajana ny fombafomba rehetra, araka izany, vao natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay niharam-boina. Anisan’ireo faritra mahasarika mpizahatany ny ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ary toerana ifamotoanan’ireo mpizahatany ny eo amin’ny village touristique, saingy mila fitandremana anefa ny filomanosana eo amin’ny ranomasina.J.CL’article Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano a été récupéré chez Newsmada.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.