Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana”

News - Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana”
“Tafiditra ao anatin’ny
torolalana fanovan-drafitra avy amin’ny minisiteran’ny
Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ny Tafika ny fisian’ny
ivontoeram-piofanana an-dranomasina izay fomba iray ahafahana
manatsara ny fahaiza-manao sy traikefa ananan’ny tantsambo
miaramila hahatonga azy ireo ho matihanina tanteraka”, hoy ny
lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de
vaisseau, ny GA Jacquy Honoré, nandritra ny fankalazana ny
andron’ny mpitantan-draharaha arovan’ny masindahy Martin, ny
fitantanan-draharaha eo anivon’ny Tafika malagasy, ny zoma teo tao
Mahajanga. Nohamafisin’ity manamboninahitra ity fa fotoana izao
hanamafisana ny fampiofanana vita eto an-toerana tsy hiankinana
amin’ireo sekoly avy ivelany tahaka ny teo aloha. Efa misy 11 ireo
tantsambo miaramila manaraka ny fiofanana ao ahazoana
mari-pahaizana BAT Machine “Brevet d’aptitude technique” ary
hisantarana amin’ny fomba ofisialy ity ivontoeram-piofanana ity
ireo tovolahy voaantso hanohy asa miaramila ao amin’ny Tafika
an-dranomasina miisa 200, ny faran’ny volana ho avy izao. Ankoatra
ny Semipi, nahazo ny anjara fanomezana ho azy ny
ivontoeram-piofanan’ny Tafika an-dranomasina ka ny lehiben’ny
“direction central du commissariat des armées”, ny amiraly Assany
Bemarivo Jeannot, ny nanolotra izany amin’ny tompon’andraikitry ny
ivontoerana, ny lieutenant de vaisseau, i Anahy Zafinirandra Edson
Claudino.
Jean Claude
L’article Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana” a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana
Mbola eo ihany ny valanaretina covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza, tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra, efa voafandrika mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra, nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.Ny 22 oktobra io rafitry ny minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19. Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa ny aty Ambatondrazaka.RarivoL’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Valanaretina sy fiarenana :: Manamafy ny tsirim-panantenana amin’ny faran’ny volana ny Filoha
Kihon-dalana amin’ny ady atrehin’i Madagaikara amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 sy ny ho avy fohy ezaky ny fanarenana aratoekarena ny telo herinandro manaraka amin’ity volana aogositra ity. Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Fianarantsoa, omaly, fa andrasana hatramin’ny faran’ny volana izao ny fidinan’ny tarehimarika momba an’ireo olona vaovao voan’ny Covid-19 eto amintsika. « Aorian’izany no hiompanantsika amin’ny lafiny toekarena », hoy izy. Toy ny efa manome ny ho votoatin’ny ny fanapahan-kevitra horaisin’ ny fanjakana manaraka, izany tenin’ny Filoha izany. Manafatrafatra fatratra amin’ny rehetra mba hiaro tena sy hitandrina mafy ho fifehezana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 foana anefa izy ary indrindra ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny alalan’ny tambavy Covid-Organics na CVO. « Zava-dehibe ny fisotroana ny tambavy CVO hisorohana ny mety ho fitomboan’ireo tranga misy fahasarotana amin’ireo marary mety hitondra ny tsimok’aretina. Tsy maintsy miahy anareo izahay ary porofon’izany izao fitondrana fanampiana hiatrehana ny krizy ara-pahasalamana izao », hoy ihany izy. Tonga nijery ifotony ny fizaràna ny vatsy tsinjo, andiany faharoa, tany Fianarantsoa sy Toliary ny Filoha mivady, omaly, hatramin’ny hariva. Nitondra fa nampiana hoan’ireo toeram-pitsaboana fototra faharoa (CSB II) tany an-toerana ihany koa izy ireo, toy ny milina manampy ny taovam-pisefoana miisa folo sy fanafody fitsaboana ny valanaretina Covid-19 ho an’ny CSB II ao Androva, Ankifafa, Manaotsara ary Mahazengy. Fanohanan’ny Filoha Noentanina manokana ireo vahoaka miahiahy amin’ny toe-pahasalamany mba hanatona avy hatrany ny toerampitsaboana, mba hahafahana mitsabo haingana ny aretina. Omaly hariva ihany ny Filoham-pirenena mivady no nihazo an’i Toliara ka nizara fanampiana avy hatrany tao amin’ny kianja Don Bosco sy ny kianja Tsimenatse ary tao amin’ny tanànan’ireo mpanjono vezo, tao Ankilibe. Nizara takamoa maimaimpoana ho an’ireo tokantrano sahirana miisa eninjato ny fikambanana Fitia, tarihin-dRajoelina Mialy, tamin’ity fotoana ity. L’article Valanaretina sy fiarenana :: Manamafy ny tsirim-panantenana amin’ny faran’ny volana ny Filoha est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”
Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R. L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra afrikanina: hitsara ny «Can 2019» i Lionel
Manana mpitsara iray i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, hotanterahina any Egypta, manomboka ny 21 jona ho avy izao. Andranantenaina Lionel no hany voatendrin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) hiatrika izany fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra aty Afrika izany.Tsy mpitsara afovoany anefa izy fa mpitsara mpanampy, mandritra ity “Can 2019” ity. Nahagaga ny rehetra ihany koa anefa ny tsy nahatafiditra an’i Andofetra, tamin’ity. Araka ny vaovao voaray, toa voasazy ny tovolahy nefa tsy afaka nanamarina izany ny tale teknika nasionaly.Mahatratra 56 ireo mpitsara voatendry hitsara ity “Can 2019” ity ka 27 ny mpitsara afovoany ary 29 kosa ny an-jorony. Anisan’ireo firenena manana mpitsara betsaka indrindra ry zareo Magrebianina, toa an’i Egypta sy i Maraoka ary i Tonizia. Tompondaka L’article Kitra afrikanina: hitsara ny «Can 2019» i Lionel a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Coupure d’eau Ras-le-bol des Tananariviens
Les coupures intempestives d’eau dans la Capitale continuent de se faire de plus belle. D’un quartier à l’autre, les tons montent et l’impatience commence à gagner les habitants de la Ville des mille. Les récentes manifestations des habitants du quartier d’Ankatso constituent l’une des manifestations de ce ras-le-bol galopant. Pour marquer leur mécontentement, les habitants du quartier en question ont, en effet, investi la chaussée en y alignant leurs «bidons jaunes» mais également en y mettant le feu. Il en a été de même pour les habitants du quartier d’Antsahameva Est, Andraisoro. Le quartier en question aurait souffert d’une coupure d’eau depuis quelques mois déjà. Une perturbation de l’approvisionnement en eau causée par la panne du robinet public. Des manifestations publiques ont également été organisées afin d’interpeller les responsables sur la nécessité de mettre en œuvre des solutions pérennes et répondant aux besoins réels de la population. Cette dernière a d’ailleurs fait savoir que d’autres manifestations seraient prévues en cas de non résolution des problématiques d’approvisionnement en eau. Si les habitants de ces deux quartiers ont manifesté leur mécontentement, ceux des autres quartiers seraient du genre silencieux et loin d’être résignés. Recueillis par José Belalahy L’article Coupure d’eau Ras-le-bol des Tananariviens est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coupure d’eau Ras-le-bol des Tananariviens a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - Ao Raha
Valimbabena :: Hanatanteraka tetikasa etsy Ambodivonkely i Dax sy Rado
Mpanao fanatanjahan – tena roa lahy reharehan’ny fokontany Ambodivonkely, etsy amin’ny Boriborintany faha-VI eto an-drenivohitra Andriamirado Arohasina na i Dax, izay isan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipam – pirenena na ny Barea, sy Andriamirado Heriniaina Patrick, izay nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Azia, teo amin’ny taranja Tae-kwondo. Noraisin’ireo mponina sy oloben’ny fokon- tany, tetsy Ambodivonkely, izy roalahy omaly, ka nampahafantaran’izy ireo ny fanatanterahany tetikasa ho an’ity tanàna niaingan’izy ireo ity mba ho valim-babena tamin’ny fahombiazany. “Hijery ny taninketsa aho. Vonona aho ny hitarika klioba vaovao hosokafana eto amin’ny fokontany”, araka ny voalazan’i Rado. “Hanao izay vitako ho an’ireo tanora eto aho. Tetikasako manokana ny hanokatra sekolin’ny baolina kitra eto mba hisy ho mpandimby ahy ho reharehan’ny fokontany hatrany sy ho fanampiana ireo tanora”, hoy indray i Dax. Hiverina any amin’ny kliobany, ny Kaizer Chiefs (Afrika Atsimo), anio Andriamirado Arohasina na i Dax. Nafana ny fihaonan’ izy roa lahy ireo tamin’ny solontenan’ny fokontany Ambodivonkely teny amin’ny Iarivo Hotel, omaly. Sendra R. L’article Valimbabena :: Hanatanteraka tetikasa etsy Ambodivonkely i Dax sy Rado est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Vahoaka… mahalala misy
Fiteny ilazana ny ankizy rehefa ao anaty fahasahiranana ny hoe tsy mahalala tsy misy. Tsy misy azo atao tokoa, rehefa tsy misy inona eo an-tanana. Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza. Amin’ny Malagasy, heverina ho raiamandreny mandrakariva ny mpitondra. Eny, na misy mihevitra sy milaza aza fa ny vahoaka no tokony ho raiamandrenin’ny mpitondra: nifidy sy nametraka azy eo amin’ny toerany; ny mpitondra, mila mtsinjo sy mamaly babena ny raiamandreny. Mbola azo iadian-kevitra?Raha zanaka àry ny vahoaka, lazaina ho hendry rehefa tsy mikorontana na manakorontana: tsy mahalala tsy misy rehefa fahasahiranana? Na tsy afa-manoatra amin’izay ataon’ny mpitondra… Amin’izao fialana miandalana amin’ny fihibohana noho ny fahamehana ara-pahasalamana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 izao: mbola ady fiady ny voka-dratsy sy ny takaitra navelany, indrindra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro na izay hohanina isan’andro ihany aza. Ady fiady…Tsy hoe tsy mahalala tsy misy ny vahoaka fa mahalala misy, araka izay nampanantenaina azy. Mby ao an-tsaina ny fizarana karazana fanampiana. Mandeha araka ny tokony ho izy? Tsy misy diso anjara, mitovy avokoa… Tsy misy tsy sahirana amin’izao? Izay ny mampitroatra ny fitarainana momba ny fizarana fanampiana, mbola mampikorontana ny sasany. Miara-dalana amin’izany ny fitakiana lavareny ataon’ny isan-tsehatra toy ny ny firaisamonina sivily sy ny mpanao politika, ohatra, ny hoe fangaraharana.Mahalala misy ny rehetra, tsy tokony ho tompon-trano mihono, sanatria. Tsy hahahenika ny rehetra ny fanampiana, tsy hahafa-po rahoviana, tsy haharitra. Mba hahalala tsy misy rehefa tonga amin’ny fetra? Ny tsy fisian’ny fangaraharana sy ny fifampitokisana no mora mampandaitra ny tsaho, ny famendrofendroana… tsy kely lalana. Mila mahalala ny tena zava-misy ny vahoaka, mahalala fa misy ny azo atao amin’izao… Sao izay natao hampitony sy handamina indray no mbola mampikorontana?Rafaly Nd. L’article Vahoaka… mahalala misy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa
Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC
Ao anatin’ny fanomanana, ny fiatrehana ny lalao savaranonando, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao, ny Fosa Jr Boeny. Efa any Mahajanga, izy ireo, manao ny fanazarantena.Araka ny fantatra, ny asabotsy 10 aogositra ho avy izao, no hanatanterahana ny lalao mandroso, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Fihaonana, hatao ao amin’ny kianja Rabemananjara Boeny. Efa any an-toerana, ny Fosa Jr, taorian’ny fiatrehany lalao tsapa, tamin’ny Cnaps Sport, ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa namonjy ity ekipan’i Boeny ity ihany koa ireo mpilalaony, nandrafitra ny Barea de Madagascar, niatrika ny fifanintsanana “Chan”, tany Mozambika.Vonona tanteraka, ny Fosa Jr hidona amin’ny Pamplemousse SC. Mifantoka amin’ny famonoam-baolina tanteraka ny fanazarantenan’ny Fosa Jr, amin’izao efatra andro mialoha ny lalao izao. Anisan’ny mpilalao nantsoin’ny tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny Fosa Jr, i Elio, lohalaharan’ny Zanakala FC Matsiatra Ambony. Hamafisina, araka izany, ny fanafihana, eo anivon’ny Fosa Jr.Tsy ataon’izy ireo ambanin-javatra ihany koa ny fiarovantena na milalao eto an-taniny aza, ny Fosa Jr. Tanjona, ny tsy hamonoan’ny Pamplemousse, baolina ary ezahiny ny ahazo baolina 2 no ho 0.Raha tsy misy ny fiovana, rahampitso alakamisy no ho tonga eto Madagasikara ny ekipan’ny Pamplemousse. Hijanona iray andro eto Antananarivo ary ny zoma vao hamonjy an’i Mahajanga. Araka ny tsiliantsofina, milalao ao amin’ity ekipan’i Maorisy ity, i Brunly, mpilalaon’ny USJF Ravinala, fahizay. Ankoatra azy, misy Afrikanina ihany koa mandrafitra ny Pamplemousses.Mila mandingana ity lalao savaranonando ity, ny Fosa Jr, amin’izay afaka miatrika ny “tour de cadrage” ka afaka mifaninana aty amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, raha sanatria ka resy eo amin’ny lalao ampaha-32n-dalana. TompondakaL’article Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Ceni : Rajoelina 39% – Ravalomanana 34%: ho tompon’ny teny farany ny eo anivon’ny HCC
Hitodika eny Ambohidahy, manomboka izao, ny mason’ny mpanara-baovao taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, ny asabotsy teo. Handidy sy hanapaka farany izany ny eo anivon’ny HCC. Tsy nisy fiovana firy intsony ny voka-pifidianana farany vonjimaika. Nahazo salanisa 39, 19% ny kandidà Rajoelina raha 35, 29% kosa ny kandidà Ravalomanana. Maherin’ny 8% kosa ny an’ny kandidà Rajaonarimampianina. Niakatra hatrany amin’ny telo hetsy mahery kosa ny vato maty sy ny tsy manan-kery. Izany hoe 7% mahery. 54% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Hiatrika ny fihodinana faharoa Rajoelina sy Ravalomanana Hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izany ny kandidà Rajoelina sy Ravalomanana raha miainga amin’io voka-pifidianana vonjimaika io. Na izany aza, nahitana tsy fahatomombanana ny birao fandatsaham-bato sasany. Teo ny tsy fisian’ny PV sy ny taratasin-datsa-bato avy any amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) sasany. Fahataran’ny voka-pifidianana na koa fahadisoana amin’ny kajin’ny isam-bato. Niseho izany tany Betioky Atsimo, Morafenobe, Beloha Androy, Maroantsetra ary teto an-drenivohitra. Manafoana ampahany na manontolo ny voka-pifidianana ny HCC Mazava ny nambaran’ny eny Alarobia. “ Tsy afaka manitsy na manova ny voka-pifidianana izahay fa manao tatitra an-tsoratra (PV) ny fahadisoana. Tsy nandray baiko na tsindry avy amin’iza izahay fa voka-pifidianana mahaleo tena io… Noraisina ny fanakianana ho fanatsarana ny fifidianana”, hoy ny lahatenin’ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery teo am-panombohana ny fitaterana izany voka-pifidianana izany. Etsy andaniny, manana 10 andro ny eo anivon’ny HCC hamadibadihana sy hitsarana ny voka-pifidianana ary koa handinihany ny fitoriana na fitarainana. Mazava ny fahefana omen’ny lalàna ny eny Ambohidahy fa afaka manafoana ampahany na manontolo ny voka-pifidianana amin’ny BV sasany izy ireo na manitsy izany. Fanintsanana na fanilihana kandidà Eo koa ny famaliana ny fitoriana mitaky ny fanintsanana na fanilihana kandidà niatrika ny fifidianana. Mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy eo ny eny Ambohidahy, aorian’io 10 andro io.Izany hoe tokony ho 29 novambra izao izany. Araka ireo rehetra ireo, any amin’ny HCC izany ny baolina, manomboka izao. Vita ny adidin’ny Ceni tamin’ny fikarakarana sy fikirakirana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Miandry ny fihodinana faharoa indray izy ireo. Synèse R.