BNI Madagascar : afaka manokatra petra-bola amina tambajotra

News - BNI Madagascar : afaka manokatra petra-bola amina tambajotra

News - BNI Madagascar : afaka manokatra petra-bola amina tambajotra

Tolotra vaovao ao amin’
ny BNI Madagascar ny afahana manokatra petra-bola amina tambajotra
(internet), na aiza na aiza. Ao amin’ny «alefa.bni.mg» ny ahazoana
manao izany, izay misokatra ho an’ny rehetra, misy faritra ho an’ny
mpanjifa, ny mombamomba ny mpanjifa angatahin’ny BNI, ary
fankatoavana ny fifanarahana ka ny code no solon’ny sonian’ny
mpanokatra petra-bola. Atao izao tolotra izao hampitombo sy
hahamora indrindra ny fikirakiram-bola. Ohatra, fifanakalozana
BNI-MVola, fandrotsaham-bola.
Mandritra ny enim-bolana amin’izao fanombohana izao, maimaim-poana
ny Pack digital, ny fikambanan’ny tolotra rehetra : petra-bola,
karatra Visa internationale Harmonia, BNI-Net sy fiantohana
Mia­rina. Afaka ny enim-bolana vao misy sarany. Mifanaraka amin’ny
tontolon’ny fiaraha-monina ankehitriny izao fom­ba vaovao
fanokafana petra-bola izao. Mamaly ny tina­din’ny tsena: tsy
mandany fotoana mifanaraka amin’ny fepetra amin’ny ady atao
amin’ny Covid-19, tsy fankanesana amin’ny toerana me­ty maro
olona.
Notsiahivin’ny BNI koa ireo tontolo eto Madagasikara momba ny
fampiasana internet (Mivoatra haingana aty Afrika i Madagasikara,
Ta­ratra 15 okt 2020, p.10). 3,84 tapitrisa ankehitriny na 14 % ny
olona mifandray amin’ny internet, 54 % amin’ny finday afahana
manokatra ny petra-bola. Azo antoka ny lafiny fiarovana avy amin’ny
traikefan’ity banky ity. Olona iray no nijoro vavolombelona
nanokatra ny petra-bolany amin’izany tambajotra izany, iray hafa
nampiseho ny fomba fanokafana izany. Mampiaina ao anatin’ny
fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana eto ny BNI Madagascar.

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article BNI Madagascar : afaka manokatra petra-bola amina tambajotra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna

Miroso amin’ny fanalavam-potoana ny fanjakana. Tokony hifarana ny volana septambra izao ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Tsy azo ihodivirana anefa ny hanalavana ny hitantanan’izy ireo ny eny anivon’ny kaominina.   “Hanahirana ny hanendry delegasiona manokana (PDS) amin’ny kaominina miisa 1 695 ka hohalavaina ny fe-potoam-piasan’izy ireo na tokony ho efa tapitra aza” hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy mbola niroso amin’ny fankatoavana ny tolokevitry ny eo anivon’ny Ceni ny fitondram-panjakana ny hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny 28 oktobra ho avy izao.Fanavaozana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana “Hotanterahina amin’ny fotoana manaraka, amin’ny mahamety azy, izany”, hoy ihany ny eo anivon’ity minisitera misahana ny fitsinjaram-pahefana ity.Na izany aza, tombanana fa anisan’ny mety ho nampihemorana ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny resaka lisi-pifidianana, nahabe resaka taorian’ireo fifidianana intelo natao. Maromaro ireo antoko sy fikambanana ary koa fiarahamonim-pirenena nitaky ny hanavaozana na koa hanitsiana mihitsy ny lisi-pifidianana. “Hatao mialoha ny fifidianana ny fijerena izany ary mbola hiroso amin’ny karazana fikaonandoha aza ny rehetra”, hoy ihany ny minisitera.Kandidà ben’ny Tanàna lasa mpanolotsainaAnkoatra izany, voalaza fa mbola harindra sy hosokajina arakaraka ny isan’ny mponina ny sata sy ny lalàna hifehy ny fitantanana ireo kaominina manerana ny Nosy. Tokony hifanaraka, ohatra, ny isan’ny mponina sy ny filan’ny kaominina ahafahana mampandroso ny tanàna, miainga avy eny ifotony. Mbola olana koa ary tokony hijerena ny momba ny kandidà ben’ny Tanàna tsy lany nefa lasa mpanolotsaina avy eo. Zary lasa sakana ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ho an’ny faritra sasany izany noho ny hevitra tsy mitovy…Aorian’ny volana mey 2020 ny fifidianana ben’ny Tanàna Araka izany, tombanana fa mety ho aorian’ny fanavaozana na ny fanitsiana ny lisi-pifidianana ny 15 mey amin’ny taona 2020 ny tetiandro vaovao ho amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Tsiahivina fa tsy mankasitraka izao fanemorana ny fifidianana izao ny ankamaroan’ireo fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Safidy sy ny KMF/Cnoe… Ho azy ireo, efa tsy fanarahan-dalàna izany…Synèse R. L’article Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra

Nanao fanambarana, tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny tompon’andrikitra eo anivon’ny FC Zanakala Matsiatra Ambony, fa nampindramina hanatevina ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny fotsiny, mandritra ny fiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Elio fa tsy nifindra tanteraka any amin’ity ekipa tompondakan’i Boeny, ity.Nomarihin’ny filazana fa efa nisy ny fifampiresahana, teo amin’ny tompon’andrikitra roa tonta, mikasika io fandehanan’i Elio, any amin’ny Fosa Jr, io. Araka izany, hiverina any amin’ny FC Zanakala, ekipa nisy azy fahiny, i Elio raha vao tapitra ny fifaninanana Afrikanina, ataon’ny Fosa Jr Boeny.Marihina fa anisan’ireo mpilalao najoron’ny mpanazatra, niatrika ny Pamplemousse, ny asabotsy lasa teo, tany Mahajanga, i Elio. Tsiahivina fa efa nanatevina ny Barea de Madagascar, nandray anjara tamin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2020”, farany teo ihany koa i Elio. Traikefa ho an’ity lohalaharana manana ny ho aviny ity, izany rehetra izany. Tompondaka L’article FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” 

“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: nanao pao-droa ny Fosa Jr Boeny

Tapitra tanteraka ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja baolina kitra. Nanao pao-droa ny Fosa Jr Boeny. Nofaohin’ny avokoa mantsy ny amboara sy ny tompondakan’i Madagasikara. Niavaka ny zava-bitan’ity ekipan’i Boeny, ity.Taorian’ny nandrombahan’ny Fosa Jr  Boeny ny amboaran’i Madagasikara, herinandro lasa, mbola nobatainy ihany koa ny tompondakan’i Madagasikara. Nanao pao-droa izany ny Fosa Jr Boeny, tamin’ity taom-pilalaovana ity. Omaly, nandritra ny andro fahafito farany, teo amin’ny fifanintsanana, niadiana ny ho tompondakam-pirenena, resin’ny Fosa Jr Boeny, tamin’ny isa tery, 2 no ho 1 ny AS Adema Analamanga.Lalao notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Niady ny fihaonana, ary nifamaliana ny fanafihana teo amin’ny roa tonta. Nahatafiditra ny baolina voalohany, ny Adema, tamin’ny alalan’i Eric, teo amin’ny minitra faha-12.Niezaka nanao fanafihana kosa ny Fosa Jr Boeny, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nataon-dry Lekadoda sy ry Besna. Nanasahala ny isa i Sambatra, teo amin’ny minitra faha-58. Mbola nampitombo ny isa ny Fosa Jr, teo amin’ny minitra faha-78, taorian’ny alalan’ny valimm-panafihana, nentin’i  Santatra, nanolotra izany, ho an’i Jean-Yves, izay namono ny baolina mora foana. Nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 1 ny Fosa Jr Boeny.Minitra faha-85, nilalao 10 ny Adema, taorian’ny karatra mena azon’i Onja. Voafingana tao anaty faritra tsy azo ivalozana izy, saingy nolazain’ny mpitsara fa “simulation”, ka nahazoany, karatra mavo. Tsy nanaiky izany ny tovolahy, ka nanao valin-teny mahery tamin’ny mpitsara. Avy hatrany dia nivadika ho karatra mena izany. Niteraka savoritaka kely teo amin’ny mpanohana ny Adema, izany. Ny CNaPS Sport, izay resin’ny Fosa Jr teo amin’ny fiadiana ny amboara izany, no hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Tompondaka L’article Kitra: nanao pao-droa ny Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao an-tanànan’i Besakoa, fokontany Analasoa, kaominin’i Tasaraitso, distrikan’i Betroka (atsinanana kely miala ny tampon—tanànan’i Betroka), ny alakamisy lasa teo. Efa tsara omana mialoha anefa ireo fokonolona taorian’ny fandrahonana misesy nataon’ireo dahalo tonga nanafika tao an-toerana. Tonga tokoa ireo andian-dahalo, kanjo tratran’ny tifitra tampoka nataon’ny tompon’omby ny dahalo iray namoha ny valan’omby ka maty tsy tra-drano. Dahalo iray hafa koa voatifitra ary niantsoantso hoe “maty aho Neny” sady lasa nandositra niaraka tamin’ireo namany efa-dahy afa-nitsoaka, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Nanamafy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tombony manokana ho an’ireo mponina ao Betroka, indrindra ny any ambanivohitra ny fampianarana azy ireo momba ny fiarovantenam-pokonolona izay nampianarin’ireo zandary tarihin’ny Chef d’escadron, Rafanomezana Roby ka izao afaka niaro tena sy niaro ny fananany izao. Nilaza rahateo koa ireo fokonolona ao Besakoa fa tsy hihemotra ary tsy hilefitra fa hiezaka hanambatra ny hery ho fanoherana ny fanafihan-dahalo izay nampitondra faisana azy ireo an-taona maro ka izao nahafahan’izy ireo nahatosika ireo malaso izao.Jean ClaudeL’article Besakoa: dahalo iray maty voatifitra teo am-pamohana valan’omby a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandaniana volavolan-dalàna :: Rava maina ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimiera

Nandà ny fandinihana sy ny firosoana tamin’ny fankatoavana ny didy hitsivolana laharana faha-001/2020 ireo mpikambana valo tamin’ireo efatra ambin’ny folo ao amin’ny Vaomiera iraisana sy ifampisasahan’ny Antenimiera roa tonta na CMP, teny Anosikely, omaly. Nirava maina ny fivoriana tsy arapotoana nampiantsoin’ny governemanta an’ireo antenimiera roa tonta rehefa tsy nisy ny hevitra tapaka. Didy hitsivolana mirakitra ny fanovàna ny andininy sasany amin’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ary ny fampandehanan-draharaha sy ny fampihenana ny isan’ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona io no raisin’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fotoana tsy nisian’ny antenimiera io. Nilaza ny loholona Rakotovazaha Olivier, izay nitarika ny fivorian’ny CMP, taorian’ny fivorian’izy ireo tao amin’ny lapan’Anosikely, omaly hariva fa « niala an-daharana nivoaka ny trano fivoriana ireo solombavambahoaka enina mialoha ny nanapahan’ireo mpikambana tafajanona an’iry fehinkevitra iry ». « Tsy afaka manapaka momba an’io volavolan-dalàna io izahay ato amin’ny CPM satria tsy afaka manolotra rijan-teny amin’ny maha fankatoavan-dalàna na « ratification » no hanaovana azy, araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana. Ny dikan’ny « ratification » dia tsy azo asiampanitsiana. Isan’ny olana amin’izy ity ny nanakambanana ho volavolan-dalàna tokana an’ireo lalàna fehizoro roa sy lalàna tsotra iray. Tsy mila CMP ny lalàna fehizoro fa ny lalàna tsotra no mila CMP. Noho izany, dia haverina any amin’ny governemanta ny raharaha », hoy hatrany Rakotovazaha Olivier. L’article Fandaniana volavolan-dalàna :: Rava maina ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimiera est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra

“Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Niainga avy amin’io lohahevitra io ny fiaraha-nidinika nataon’ny tompon’andraikitra samihafa, avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny faran’ny herinandro lasa teo.Ambany dia ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika, manodidina ny 12 %, raha efa mahita 15 % ny firenena sasany aty Afrika, samy eo an-dalam-pandrosoana. « Tsara ho fantatra anefa fa misy olona 13 tapitrisa azo takina hetra eto Madagasikara. Ireo olona ireo anefa, miaina ao anatin’ny fahantrana. Afaka mandoa hetra izy ireo raha mihatsara ny fari-piainany », araka ny fanamarihana nataon’ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena iray CCOC (1), Radert Ony.Tsy hita taratra ny fandoavan-ketra raha avy amin’ny vola miditra na ny IR (Impôt sur le revenu). « Ambany indrindra ny IR avy amina orinasa na avy amin’ny isam-batan’olona », hoy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain. Tsy misy afa-tsy 1,61 % ny IR na 51,3 miliara ariary ny taona 2018, amin’ny hetra rehetra miditra, araka ny tarehimarika navoakan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny toekarena, Crem (2). Andraisan’ny fanjakana volabe indrindra hatramin’izao ny TVA, 39,14 %.Tsy mazava ny fampiasam-bolaTsy mazava ny fampiasam-bolam-panjakana ary tsy hita firy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny fahitan-dry zareo mpandaha-teny azy, 4,88 % avy amin’ny hetra ihany ny hoentina mampihena ny elanelana eo amin’ny lafiny sosialy; 12,20 % ny mba mandeha any amin’ny asa fampandrosoana, manamarina izany ny fiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany. Izay tsy fahitana ny fiantraikany izay no anisan’ny tsy mampazoto ny Malagasy mandoa hetra.Ezaka lehibe, noho izany, ny fanentanana ny olom-pirenena handoa hetra. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fa lavitra ezaka. « Mikendry hahatratra 15 % amin’ny taona 2023 ny fitondrana amin’izao fotoana izao fa mila mangarahara ny hahatongavana amin’izany », hoy ny tale jeneraly, i Germain.Somary natsahatra ny volana mey teo aloha ny fanaraha-maso momba ny hetra. Nilaza ny ao amin’ny foibe misahana izany fa manao fandaminana mialoha ny hanohizana azy, izay mbola tsy nambara. Jerena avokoa ny lafin-javatra rehetra. R.Mathieu CCOC (1) : Collectif des citoyens et organisations citoyennesCrem (2) : Cercle de réflexion des économistes de MadagascarL’article Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy

Sehatrasa tena vitsy mpila ny fanjairana akanjon-dehilahy. Tanàn-dehibe Ambatondrazaka, nefa sarotra ny mahita olona manjaitra pataloha. Any amin’ny 12 km, vohitra tsy ao anatin’ny kaominina renivohitra akory vao mahita lehilahy manaiky manao izany asa izany !  “Ny fitobahan’ny lamba tonta na friperies no mahatonga izao”, hoy ny mpanajary akanjo efa nampiasaina ( retaillage). Mora lavitra no ho ny mividy ravin-damba sy manarama mpanjaitra tokoa ny vidin’ny  akanjo tonta. Ary feno misavovona, ity karazam-pitafiana tokoa ny efitrano fiasan’ity rangahy mpanao retaillage. Fa velon-taraina koa ireo mivarotra akanjo vaovao “zaitra an-tsena”. Manahirana ny tantsaha tambanivohitra   izany hiakanjo fitafiana efa nipetaka tamina hoditr’olona hafa izany. Ka dia izy ireny no tena mpanjifa mavitrika ny “zaitra an-tsena”. Saingy ankehitriny…efa mirona any amin’ny fripy koa izy ireny : maro isafidianana  sy be haingony ireo avy any Sina ka mahasarika.Vokany : saika tsy misy mihodina intsony ireo orinasa mpanenona lamba, namelona tokantrano maro.. Ireo foibe manofana ho mpanjaitra koa moa,  toa ny akanjom-behivavy  fentina mianjaika ny betsaka .Fanamby lehiben’ny mpitondra, hisian’ny fandrosoana, ny famoronana asa. Angamba rehefa  mihatsara ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hiverina  hividy ravin-damba sy hampanjaitra indray izy… Dia ho afaka hitrena, toy ny Barea,  indray ny  Sotema, ny Cotona… RarivoL’article Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely
28/10/2020

 Hitondra ny « Hivetso Hafaliana», ny asabotsy 31 okobtra ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany antoandro eny amin’ny toeram-pialamboly The Little Corner Ambatomirahavavy i Farakely. Ho an’ireo efa mpankafy ny talentany, io no azo lazaina fa fihaonan’ny tia sy manina ka iaraha-mikalo amin’i Farakely ireo vazo efa tsy afaka am-bavan’ny maro toy ny «Tsy foiko ianao» « Ny akaikinao», « Samy tiako ianareo», « Voady», «Rotsirotsy», sy ny maro hafa.« Hizara fitiavana sy hafaliana amin’ny alalan’ny hira milantolanto ho an’ny olon-drehetra taorian’iny fihibohana iny no antony nahatonga ny safidy  haka an’i Farakely hanafana ny fety », hoy ny mpikarakara. Hampiala voly ny rehetra sy ampahafantatra ny fisian’ny toerana no tena tanjona. Raha ny fanazavana voaray, maro ny mpanakanto efa nampiseho ny talentany tao taorian’ny nisokafany tamin’ny fomba ôfisialy. Ankoatra ny seho iarahana amin’i Farakely, karazan-dalao fialamboly maro no efa nomanin’ny mpikarakara ka samy hahazo ny anjarany ny tsirairay. Ho faranana amin’ny fiaraha-mikorana iarahana amin’ny mpikosoka kapila ny fotoana.NarilalaL’article The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely a été récupéré chez Newsmada.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana: roa volana aty aoriana, mbola misy gadra 16 miriaria
30/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria ao Etroketroky, ny alarobia teo, i Zemela na i Iaban’i Zamisy, isan’ireo gadra tafatsoaka sy karohina fatratra. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao, avy amin’olona tsara sitrapo ny nahafantarana ny toerana niereny sy nahafahana nisambotra an-dralehilahy. Taorian’ny fahavakisan’ny fonja, misy ny mari-pankasitrahana mitentina 2 tapitrisa Ar isaky ny gadra atolotry ny mpitandro filaminana sy ny minitseran’ny Fitsarana ho an’ireo manome vaovao mahakasika ireo gadra tafatsoaka.Tsiahivina fa 88 isa ireo gadra nitsoaka ny fonja ny 23 aogositra lasa teo. 48 ireo voasambotra ary 24 ireo lavo nandritra ny fitsoahana. Taorian’izay, gadra 17 mbola niriaria teny rehetra eny. Ankehitriny kosa, 16 ireo mbola atao hazalambo.Henintsoa HaniL’article Fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana: roa volana aty aoriana, mbola misy gadra 16 miriaria a été récupéré chez Newsmada.

Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra
28/10/2020

 Tora-bato avy any an-danitra ny firaraky ny havandra teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tolakandro. Narahin’orana nikija izany avy eo niaraka tamin’ny kotro-baratra sy tselatra namaky lanitra. Niraradraraka ny havandra naharitra 10 minitra teo teto an-dRenivohitra ary nitoraka hatrany atsimon’Antananarivo hatrany Bongatsara sy Ambatofotsy iny. Nanimba ny fambolena izany ary mampitomany ny tantsaha mihitsy. Orana maivamaiva kosa no nandrafitra ny toetr’andro ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo iny, omaly. Nialohavana rifotra nifofo anefa izany ka nampitora-jofo ny vovoka sy nandrava ireo tafo sy takela-by teny amoron-dalana.Naharitra hatramin’ny alina ny oram-baratra ary nahafaly ny tantsaha tamin’iny faritra andrefan’Iarivo iny ny firaraky ny orana nanondraka indray ny voly. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpamboly voninkazo izay tena miandry fatratra ihany koa ny filatsaky ny orana hampahazo aina azy ireny.Tatiana AL’article Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka
27/10/2020

Tsy hiverina hivory ireo loholona… Antony naroson’izy ireo ny tsy fisian’ny tetibola hampiakarana ireo loholona eto an-dRenivohitra. Tapaka mantsy ny bolongam-bola hatokana ho fampandehanan-draharaha ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Ny antony manaraka, izay iaraha-mahalala na tsy ambara mivantana aza, ny fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fifidianana loholona ho avy. Hitarika mankany amin’ny fialan’ireo loholona am-perinasa mantsy izany, mazava loatra. Amin’ny maha loholona azy ireo, olon-dehibe manam-pahendrena sady manam-pahaizana avokoa izy ireo. Heverina fa tsy izy ireo no tokony hanaotao foana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Toa tsy izany anefa ny andraisan’ny mpanara-baovao ny zava-misy. Toa mahatsapa ny rehetra fa manao takalonaina ny vahoaka ireo loholona. Anisan’ny lahadiniky ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fotoana izao mantsy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Raha tsy lany izany, tsy misy asa afaka mandeha eo. Ny loholona, efa fantapantatra ihany ny hataony. Fa mandiso fanantenana ny maro koa ny fahenoana ny fitakiana nataon’ireo solombavambahoaka. Ny mahakasika azy ireo aloha no tena nojereny voalohany! Ny fiara tsy mataho-dalana isaky ny solombavambahoaka sy ny fisotroan-dronono ho azy ireo no nahamaika azy. Tsy hoe tsy ilaina akory, saingy mba azo nafenimpenina tany amin’ny faramparany izany fitkakiana izany. Dia raha tsy hivaly ve ny fitakiana, mety hiray loha amin’ireo loholona koa ny solombavambahoaka? Fantatr’izy ireo tsara fa takin’ny lalàna ny fivezivezen’ny volavolan-dalàna eo amin’ireo Antenimera roa tonta. Izany hoe, eo am-pelatanan’izy ireo ny tohin’ny tantara. Tsy miandrandra zavatra maro, afa-tsy ny hanaovan’ireo parlemantera ny asany araka ny hitsiny ny vahoaka. Mba tsy ho nenina ho azy ireo ny safidiny. Mba tsy hahatsiaro ho takalonaina hatrany isaky ny misy kajikajy politika miainga ao…Randria.L’article Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa
27/10/2020

Nodisoin’ny fiombonamben’ny Eglizy Katôlika Romana eto Madagasikara ny fampielezam-baovao manambara ny « faneken’ny Papa François ny mariazy arapanjakana eo amin’ireo olona mitovy fananahana». Nampahafantarin’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao anatin’ny fanambarana novakiany, omaly, fa « niharan’ny famitahana avo lenta ny Papa François (…) satria tsy mbola nanao fanehoan-kevitra vaovao momba ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny Papa Ray Masina ». Horonantsary ir ay nataon’ilay mpanao gazety rosiana, Evgeny Afineevsky, izay naseho tany Roma, tamin’ny 21 oktobra 2020, nampitondrainy ny lohateny « Franchesco » no fototra niteraka ny resabe tamin’ireo haino aman-jery sy tranonkalam-pifandraisana, ka nilaza ny faneken’ny Papa François ny fanambadiana sivily eo amin’ireo mitovy fananahana. « Tsy marina velively izany. Navadik’ilay mpanao gazety araka izay nitiavany azy ny fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fanambadian’ireo olona mitovy fananahana », hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Tafatafa nataona mpanao gazety meksikana, Valentina Alazraki, teny ambony fiaramanidina tamin’ny fiteny Espanôla, 18 volana lasa izay, no notapatapahina sy nalain’io mpanao gazety rosiana io ka nampidirina tao anatin’ny horonantsary fanadihadiana nataony. Iraika amby roapolo segaondra monja ny faharetan’ny resaky ny Papa François tao anatin’ilay fanadihadiana. Antso fitoniana « Notapatapahina ary natambatra mba hoentina hanaporofoana ny faneken’ny Papa ny fanambadiana sivily eo amin’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy samy vavy, avy eo. Niniana nodisoina mihitsy ny dikan-teny nanazavana an’io fanehoan-kevitr’io », araka ny fanampim-panazavan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré. « Aoka isika ho tony sy tsy ho tafintohina satria tsy misy velively ny fanekena ny fanambadiana sivily eo amin’ ireo olona mitovy fananahana. Hamafiso hatrany ny finoantsika », hoy ny toromariky ny Kardinaly, omaly. Nampahafantariny ny fisian’ny fanazavana amin’ny antsipiriany amin’ny fomba ofisialy mikasika ny fanambadiana, tsy ho ela, izay hataon’ny fiombonamben’ireo Eveka katôlika eto amintsika. L’article Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa est apparu en premier sur AoRaha.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra
26/10/2020

Nahatratra 740 isa ireo traboina vokatry ny haintrano goavana tetsy Manarintsoa Atsinanana, ny asabotsy atoandro teo. Hatreto, olona miisa roa ihany koa naratra vokatr’izany, raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Mponina. Voalaza fa fianakaviana 145 ireo may trano. Ao anatin’izany ireo hazo marobe hotohoton’ny afo sy ireo trano biriky may ihany koa. Taorian’ny loza, tonga nijery ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny minisitera sy ny BNGRC. Niaraka aminy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Croix Rouge, ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka. Tao anatin’izany ny lamba firakotra, ny fanampin-tsakafo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tamina trano hazo iray teny an-toerana ny afo ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina anefa ny fahamaizana vokatry ny fitsoky ny rivotra. « Nandritra io fahamaizana io, nahatratra 65 ireo trano hazo may, nisy koa ireo trano biriky simba vokatr’izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Fantatra fa manodidina ny dimy eo ireo trano biriky may raha roa kosa ny simba tanteraka.Sarotra ny famonoana ny afoNanano sarotra ny famonoana ny afo. « Mifanakaiky avokoa ireo trano, eo koa ny fahateren’ny lalana sy ny fahalaviran’ny “bouche d’incendie” », hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nambarany fa naharitra ora roa ny famehezana ny afo, levona tanteraka kosa izany tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva.« Efa niredareda be ny afo ary natao faran’izay haingana ny famoahana ny entana rehetra tao an-trano. Maro amin’ireo entanay ny simba, nisy ny natsipy teny am-baravarakely. Misy koa ireo natsipy tao amin’ny lakandranon’Andriantany », hoy ny fanazavan’i Jaona, isan’ireo traboina. Nambarany fa sarotra koa ny fidirana tamin’ireo trano may ka kilan’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entany. « Ny akanjo ety an-koditro sisa hany ananako », hoy hatrany ny fitarainan’ilay raim-pianakaviana.Niara-niisalahy ny mponina eny an-toerana namono ny afo, nisy ireo nitatitra ny ranon’Andriantany ho famonoana izany. Ireo mpamonjy voina kosa, niezaka namono ny lelafo sy nifehy izany. Henintsoa HaniL’article Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy
31/10/2020

Tafatsangana ny biraon’ny ligin’Analamanga, taranja karate, ka omaly ny nihaona voalohany teny amin’ny Railovy Analakely. Raha ny fantatra, miisa fito ny mandrafitra ity birao ity, ahitana ny filohan’ny ligy, ny filoha lefitra, ny sekretera jeneraly, ny tale teknika, ny mpitambola sy ny tomponandraikitry ny serasera ary ireo mpanolotsaina miisa roa. Amin’ny maha fihaonana voalohany io fotoana omaly io, fifankafahantarana eo amin’ny samy mpikambana ny nanombohana izany. Taorian’izay, niroso amin’ny dinika ho fametrahana ireo fepetra hanatsarana ny fitsipika anatiny mifehy ny ligy sy ny fifampitondrana amin’ny seksiona, eo ambany fifehezany.Tapaka nandritra ny fivoriana natao fa tsy hisy ny fifaninanana amin’ity taona ity fa avy hatrany dia hanomana ny taom-pikatrohana 2021 ny ligy. Mbola hisy ny fihaonana tsy ho ela hanohizana ny dinika, raha ny fanazavana.Mi.RazL’article Karate-Analamanga: nihaona voalohany, omaly, ny biraon’ny ligy a été récupéré chez Newsmada.