Belo Tsiribihina : Mpanangom-bokatra maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

News - Belo Tsiribihina : Mpanangom-bokatra maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

News - Belo Tsiribihina : Mpanangom-bokatra maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

Nitrangana vono olona niseho tamin’ny fomba feno habibiana indray tany amin’ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, Faritra Menabe, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any, ka mpanangom-bokatra iray antsoina hoe : Jama no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo tao Beraketa. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana, avy tany Tsimafana hihazo ny toeram-ponenany ao Belo ity raim-pianakaviana mpanangom-bokatra ity no nisy nitifitra teny an-dalana, ka niditra teo amin’ny ila tratrany ankavian’ny ny bala, ary naraina ny andro vao hita ny razana izay nitsirara tamin’ny tany nihoson-drà.

Nahoda

Belo Tsiribihina : Mpanangom-bokatra maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

L’article Belo Tsiribihina : Mpanangom-bokatra maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 11/09/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fitantanana: mitaky ny mangarahara ireo mpiasan’ny Adema

Nilaza hametraka ny mangarahara ny mpitantana vaovao eo anivon’ny Adema. Tsy araka izany anefa ny miseho enim-bolana aty aoriana, araka ny nambaran’ireo mpiasa ka mitaky ny hijeren’ny minisitera ny olana. Eo ny nanendreny tale maromaro tao anatin’izany. Nisy ny fombafomba fotsiny satria akaiky ny tale jeneraly vaovao ny delege teo aloha ary naira-niasa tamin’ny fanilihana ny tale jeneraly teo aloha. Ao koa ireo manao asa roa tsotra izao, araka ny nambaran’ireo mpiasa hatrany. Misy ireo namoronana asa vaovao mihitsy. “Nofoanana ny fandoavana ny ora fiasana mihoatra ny fotoana ho an’ny mpiasa madinika maromaro. Toa fanaovana tsinontsinona ny mpiasa izany”, hoy izy ireo. Manampy izany ny fitarainan’ireo mpiasa fa ananan’ny orinasa vola hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ariary ny mpitantana. “Tokony ho naveriny tsy mihoatra ny herintaona “avance sur salaire” izany. Tsy mbola tafaveriny daholo anefa raha efa tany amin’ny 2017 tany ho any no nitranga. Mametraka fanamby mangarahara anefa ny tenany”, hoy izy ireo.Synèse R. L’article Fitantanana: mitaky ny mangarahara ireo mpiasan’ny Adema a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fantatra loatra: misy sokajy teatra ny Faribolana Sandratra

Mitohy hatrany ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny Faribolana Sandratra. Hatreto anefa, ny tononkalo sy ny fiantsana izany ihany no tena fantatry ny olona. « Manana sokajy hafa ihany koa izahay », hoy ny mpikambana iray…Mitohy hatrany ny hetsika tontosain’ny Faribolana Sandratra. Tato ho ato, tsy nijanona tamin’ny tontolon’ny soratra intsony izany fa nivelatra tamina teatra ihany koa. « Hatramin’izay, ny tononkalo hatrany no nahalalan’ny olona ny Sandratra. Mbola vitsy ny mahafantatra fa misy sokajy mozika sy kabary ary teatra ao », hoy i Zo-Maminirina, mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Nomarihiny hatrany fa na mikatona azy ny trano nilalaovana teatra nahazatra hatramin’izay, tsy mifidy toerana ny sokajy teatra ao amin’ny Faribolana Sandratra fa afaka milalao eo amin’izay sehatra omena azy, toy ny sekoly sy ny tranompokonolona. Efa tany amin’ny taona 1989 no efa nilalaovan’ny Faribolana Sandratra ny tantara « Mangahazo mamy » nosoratan’i Louis Vahandanitra. Taona 1998 ny « Andraso eo Paoly » diapenin’i Lydiary, taona 2006 ny « Ny variraiventy farany » nosoratan’i E.D Andriamalala, sns.Amin’ity volana ity, ny asabotsy 27 jolay izao no hitondran’i Ny Iraka Rambolamanana sy i Nary Mamitiana ny antsa tononkalo « Rezatra » etsy amin’ny CGM Analakely.HaRy Razafindrakoto L’article Tsy fantatra loatra: misy sokajy teatra ny Faribolana Sandratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana” 

“Tsy mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny hoe: raha tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, iza no tokony hisolo azy ireo? Manohy ny asany ve izy ireo sa tsia?”Izay no fanontaniana naroson’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, manoloana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha omena alalana hanohy ny asany izy ireo, azo atao ny mampiditra izany ao anatin’ny lalàna. Hasiana fanovana izany ny lalàna amin’izao fotoana izao. Afa-manohy ny asany izy ireo amin’izany.Na ny mitranga matetika betsaka mpiresaka koa ny hoe: hasiana delegasiona manokana. Nefa tsy voalazan’ny lalàna ny fametrahana izany amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, araka ny fanazavany. Ny fahadisoana ataon’izy ireo no ahazoana mametraka delegasiona manokana, fa tsy ny fahataperana fe-potoam-piasana.Tsy hisy fepetra ankapobeny “Vokatr’izany rehetra izany, tsy maintsy hisy fepetra ankapobeny horaisin’ny fanjakana mahefa momba izany”, hoy izy. Fanohizana asa sa fanovana ho delegasiona manokana sa misy hevitra hafa no hatao amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ?Ny azo antoka, tsy maintsy fepetra ankapobeny iraisana hampiharina amin’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara no horaisin’ny fitondram-panjakana. Na mety hitranga koa ny hoe: hafa ny fepetra raisina amin’ny kaominina sasany, ohatra; fepetra manokana amin’ny sokajina kaominina hafa. Misy sokajy efatra ny kaominina manerana an’i Madagasikara.Tsy fantantra ny hitranga noho izany fahabangan’ny lalàna izany. Andrasana izany havoakan’ny governemanta sy ny fanapahan-kevitry ny fanjakana na ny Antenimierampirenena.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC

Ao anatin’ny fanomanana, ny fiatrehana ny lalao savaranonando, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao, ny Fosa Jr Boeny. Efa any Mahajanga, izy ireo, manao ny fanazarantena.Araka ny fantatra, ny asabotsy 10 aogositra ho avy izao, no hanatanterahana ny lalao mandroso, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Fihaonana, hatao ao amin’ny kianja Rabemananjara Boeny. Efa any an-toerana, ny Fosa Jr, taorian’ny fiatrehany lalao tsapa, tamin’ny Cnaps Sport, ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa namonjy ity ekipan’i Boeny ity ihany koa ireo mpilalaony, nandrafitra ny Barea de Madagascar, niatrika ny fifanintsanana “Chan”, tany Mozambika.Vonona tanteraka, ny Fosa Jr hidona amin’ny Pamplemousse SC. Mifantoka amin’ny famonoam-baolina tanteraka ny fanazarantenan’ny Fosa Jr, amin’izao efatra andro mialoha ny lalao izao. Anisan’ny mpilalao nantsoin’ny tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny Fosa Jr, i Elio, lohalaharan’ny Zanakala FC Matsiatra Ambony. Hamafisina, araka izany, ny fanafihana, eo anivon’ny Fosa Jr.Tsy ataon’izy ireo ambanin-javatra ihany koa ny fiarovantena na milalao eto an-taniny aza, ny Fosa Jr. Tanjona, ny tsy hamonoan’ny Pamplemousse, baolina ary ezahiny ny ahazo baolina 2 no ho 0.Raha tsy misy ny fiovana, rahampitso alakamisy no ho tonga eto Madagasikara ny ekipan’ny Pamplemousse. Hijanona iray andro eto Antananarivo ary ny zoma vao hamonjy an’i Mahajanga. Araka ny tsiliantsofina, milalao ao amin’ity ekipan’i Maorisy ity, i Brunly, mpilalaon’ny USJF Ravinala, fahizay. Ankoatra azy, misy Afrikanina ihany koa mandrafitra ny Pamplemousses.Mila mandingana ity lalao savaranonando ity, ny Fosa Jr, amin’izay afaka miatrika ny “tour de cadrage” ka afaka mifaninana aty amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, raha sanatria ka resy eo amin’ny lalao ampaha-32n-dalana. TompondakaL’article Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea

Tsy raikitra ! Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa ny ekipan’ny Swift Hesperange ao Luxembourg no hanaovan’ny Barea, lalao firahalahiana. Tafiditra amin’ny fiomanana hihaonana amin’i Côte d’Ivoire.Nofoanana ny lalao saika nikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, any Maraoka. Fanomanana ny fifanintsanana amin’ny Can 2022, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Noho ny mbola fisian’ny valanaretina “covid 19” ny anton’izany. Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, niditra mivantana nandritra ny tafa nifanaovan’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny le Centenli Antanimena, omaly.«Ilaina ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra, saingy tsy te  hidi-kizo amin’ny fisian’ny «covid 19», izy ireo. Araka izany, ny vaha olana tsara indrindra hitako dia ny manoman-tena eto Frantsa na ny manodidina. Efa nanolo-kevitra aho ka ny fihaonana amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange Luxembourg no hitako fa mety. Tsy te haka loza aho, hitondra ireo mpilalao any amin’ny firenena faritra mena amin’ny «covid 19» satria henjana ny lalao mandroso sy miverina, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Tsy mahamenatra amiko ny mikatroka amin’ny ekipa D1 ao Luxembourg», hoy izy.Azo atao raha mihena ny tahan’ny aretinaNomarihin’i Nicolas Dupuis fa azo atao ny lalao amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, raha mihena ny tahan’ny “covid 19” any Maraoka aorian’ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange. Ankoatra izay, nambarany fa sady fiofanana no lalao fitsapana ireo mpilalao vaovao vao nantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar ity atao any Luxembourg, ity.Nilaza Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa ao amin’ny FMF fa maneho fiarahana amin’i Nicolas Dupuis, ny komity mpitantana, amin’ity lalao hatao any Luxembourg ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, izany.Ankoatra izay, nasiany resaka ny fanalana an-dRazafinirina Sylvain, “intendant” n’ny Barea de Madagascar, izay nolazainy fa mampalahelo ary tsy rariny satria olona nahavita be ary niasa mafy ho an’ny Barea io olona io ka tsy ekeny ny fanesorana azy tsy ho ao anatin’ny Barea intsony. Miantso ireo olona fito ao amin’ny federasiona, manohana sy manampy azy ny tenany hamerina an’i Sylvain eo amin’ny toerany. TompondakaL’article Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina

Miezaka hitazona ny fisondrotry ny toekarena ho 5,2 % amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Maro ny tetikasa nofaritana hahatongavana amin’izany miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Sehatra anatin’ny laharam-pahamehana, ohatra,  ny angovo, fotodrafitrasa, fizahantany. Tratra aoriana loatra ny eto Madagasikara amin’ireo rehetra ireo ka ilàna fanarenana haingana, araka ny politika momba ny fampandrosoana.Mialoha izany, mila marin-toerana ny vola ariary, miainga avy amin’ny fanohanan’ny FMI amin’ny alalan’ny Fec (Facilité élargie de crédit). Tsy maintsy tandrovana koa anefa ny fiakaran’ny vidim-piainana, tombanana 7,6 % amin’ity  taona ity, nefa miankina amin’ny vidin-tsolika sy ny vary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Mbola miankina betsaka amin’ny fanjakana tan-dalàna ny tsy hisian’ny krizy sosialy sy toekarena. Koa vonona ny UE hanampy an’i Madagasikara hisian’izay fanarahan-dalàna izay, fitsarana azo antoka afaka miady amin’ny kolikoly amin’ny endriny samihafa, sy ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Matoa karazana fepetra takin’ny mpamatsy vola izany, tokony ho fantatry ny mpitondra ny adidiny. Mety ho tapaka ny famatsiam-bola raha tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana momba izany.Mitaky fahaiza-mitantanaZava-dehibe naroso koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Nifaneken’ny roa tonta, ny marimarina kokoa takin’ny UE ny hitandrovana ny ala sy ireo hazo sarobidy, ary ny harena ambany ranomasina. Misy ny fepetra vaovao momba ny jono an-dranomasina hanatanterahana ny toekarena manga. Nasian-teny ihany koa ny fanamboarana ny lalana RN6, mankany Antsiranana ; RN13, Ihosy-Taolagnaro. 236 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny UE ho an’ireo tetikasa roa lehibe ireo. Mitaky fahaiza-mitantana daholo izany, aty amin’ny Malagasy izany ny baolina ! R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fanenjehana fandikan-dalana :: Hihamafy ny fisavana an’ireo fiara mitondra laharana vahiny

Hanao hetsika manokana ho fitsirihana sy fisavana an’ireny fiara mitondra laharana vahiny ireny, manomboka amin’ny 21 septambra ho avy izao, ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), miaraka amin’ny mpitandro filaminana. Ho fanamafisana ny fanenjehana amin’ny fandikan-dalàna momba ny fampiasana laharana tsy ara-dalàna no anton’izany hetsika izany. « Tsikaritra ny fahamaroan’ny fiara mitondra ny laharana vahiny na avy any ivelany, izay mety ho noho ny tsy fahatomombanana arataratasy na ny tsy fananana taratasy mihitsy sady fialana amin’ny fitsirihana ny fiara. Miseho amin’ny endrika maro samihafa anefa ny fandikandalàna momba ny fampiasana laharana tsy ara-dalàna », hoy ny kolonely Rasambomanana Yvon Patrik, talen’ny hetsika an-dalambe ao amin’ny DGSR. Efa nisy ny hetsika natao teto an-drenivohitra sy ny manodidina, tao anatin’ny herinandro, ka nahitana fiara 27 mitondra laharana vahiny tsy ara-dalàna. « Omena roa herinandro hahafahana mikarakara ny taratasy eny amin’ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia ireo manana laharana fiara tsy ara-dalàna. Fisintonana ny taratasin’ny fiara na fampidirana vala famonjana no fepetra raisina ho an’ireo tsy manara-dalàna », hoy kosa ny kapiteny Razandrinirinjoky Jonah Honoré, lehiben’ny sampana misahana ny fitsirihana ny hetsika an-dalambe ao amin’ny DGSR ihany. L’article Fanenjehana fandikan-dalana :: Hihamafy ny fisavana an’ireo fiara mitondra laharana vahiny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Rugby – Lalao fanomanan-ena: nifanandrina ny Mang’Art sy ny FTM Manjakaray

Eo am-piandrasana ny fanombohan’ny fifaninanana federaly ny “Top 20”, taranja rugby, niatrika lalao firahalahiana sady nitsapana ireo mpilalao ao aminy avy, ny FTM (Dakar) sy ny Mang’Art, samy avy amin’ny fileovana Manjakaray. Fihaonana notanterahina, tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, omaly alarobia 19 mey. Tsy ny vokatra loatra no zava-dehibe teo amin’ireo mpanazatra fa ny fijerena ny fahaiza-miaraka ho an’ireo mpilalao vaovao nantsoina, hanatevina ny andaniny sy ny ankilany.Ankoatra izay, notarafina tamin’ilay lalao tsapa ihany koa ny fampiharan’ny mpilalao ny taktika nomena an-dry zalahy, nandritra ny fanazarantena. Na izany aza, hita ny mbola maha zoky sy ny traikefa nananan’ny FTM Manjakaray, notarihin-dry Mika sy ry Lahatra. Marihina fa anisan’ireo mpilalao vaovao, ho an’ny Dakar, i Julio sy i Hery ary i Matfield, avy amin’ny Cnaps Sport.Hita ho manana ny fahaiza-manao ireo mpilalaon’ny Mang’Art, saingy tsy ampy fihaonana. Tsiahivina fa mbola nitarika ity ekipan’i Mang’Art ity i Tor. Antso ataon’ireo mpitantana eo anivon’ireto fileovana roa tonta ireto ny tokony hanombohan’ny fifaninanana satria sady lany vola amin’ny fanomanana izy ireo no vizana amin’ny kotrana fotsiny ireo mpilalao. Azo tanterahina, tsy misy mpijery toy ny “Orange pro league” amin’ny baolina kitra, ny fifaninanana, raha toa ka mangataka alalàna amin’ny fanjakana ny Malagasy rugby, araka ny fnambaran’izy ireo. Torcelin L’article Rugby – Lalao fanomanan-ena: nifanandrina ny Mang’Art sy ny FTM Manjakaray a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiatrehana ny Covid-19: narindra ny fandraisana ireo marary

Samy manana ny andraikiny ireo ivontoerana napetraka ho fandraisana an-tanana ny mararin’ny covid-19. Mbola am-perinasa avokoa ireo toerana rehetra napetraka miara-miasa amin’ny tobim-pahasalamana misokatra andro aman’alina, araka ny tatitra nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Ho an’ireo olona marary tsotra tsy misy fahasarotana, azo tsaboina eny amin’ny CSBII ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Eo koa ny CMC-19 Andohatapenaka izay mandray azy ireny. An­koatra izany, ireo marary mitsabo tena any an-trano, saingy arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany. Afaka mandray an-tanana vonjy maika ireo olona efa sempotra ihany koa ny eny amin’ny CMC-19 Andohata­penaka, saingy alefa any amin’ny CTC-19 na eny amin’ny hopitaly izy ireny rehefa vita ny vonjy aina voalohany. Ho an’ireo marary ma­nom­­boka sempotra kosa dia miditra avy hatrany amin’ireo CTC eny amin’ny CCO Ivato na eny amin’ny LTP Alarobia na eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireny. Ankoatra ireo, mandray ihany koa ny CHRD Anosia­va­ratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely, CHRD Bongatsara, CHRD Andrama­sina ary ny CHRD Mahitsy. Raha toa ka efa tonga amin’ny fahasarotana kosa ny tran­gan’aretina ka efa tena sempotra be ilay marary dia ampidirina sy tsaboina haingana eny amin’ny hopitaly le­hibe eny amin’ny CHU Ano­siala, CHUJRA Ampefi­loha, CHUJRB Befelatanana, CHU Ando­hatapenaka, CHU Fe­noarivo ary ny HOMI Soa­vi­nandriana. Mankeny amin’ny CHU GOB Befelatanana kosa ny reny bevohoka misy soritr’aretina mampiahiahy. Ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona dia eny amin’ny CHUMEA Ambohimiandra no mikarakara azy raha misy soritr’areina covid-19. Afaka manatona ny CMC-19 Andohatapenaka sy ny CHUJRB Befelatanana ary ny CHUJRA Ampefiloha kosa ireo misy soritr’aretina ka hanao fitiliana PCR. Marihina fa tsy mamoaka valim-pitiliana ny CMC-19 Andohatapenaka fa toerana hangalana singa entina hotiliana fotsiny ihany ka tsy tokony hiandrandra voka-pitiliana eny mihitsy ireo izay nankeny natao fitiliana. Ho an’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aorian’ny fitiliana dia mahazo soratra maro sosona miampy toromarika avy amin’ny “plateforme”. Tsy misy intsony ny famoahana “attestation” mikasika ny vo­katry ny fitiliana PCR fa ma­hasolo izany ny soratra maro sosona alefan’ny “plateforme”. Natao izany mba hialana amin’ny filaharana sy ny fivezivezena izay mety hanaparitaka ny aretina indray.Tatiana AL’article Fiatrehana ny Covid-19: narindra ny fandraisana ireo marary a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Notsongaina

Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala
12/10/2021

Nihaino ireo ben’ny Tanàna miisa 16, nisolo tena ny fikambanan’izy ireo avy amin’ny distrikan’Ambositra, Fandriana, Manandriana ary Ambatofinandrahana, ny herinandro teo, ny minisitra mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Raharinirina Vahiniala.Voaresaka ireo tetikasa nampanantenaina nefa tsy mbola natomboka. Ny olan’ny tsy fandriampahalemana, ny lalana, ny tsy fisian’ny rano madio, ny sekoly mbola tsy ampy fitaovana na koa ny halaviran’ny toeram-pitsaboana. Nampitain’izy ireo tamin’ny minisitra koa ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny momba ny faritra arovana ao Itremo…Fandrafetana tetikasaHetahetan’ireo olom-boafidy ny hanofanana azy ireo momba fitantanam-bola, ny fandrafetana tetikasa miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka (PTF), ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro…Niraisan’ny rehetra fa hotohizana ny dinika iarahana amin’ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra. Hatsangana amin’ny fomba ofisialy koa ny fikambanan’izy ireo ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Nahatsapa ny roa tonta fa mila mihazakazaka ny tomponandraikitra rehetra tsy ankanavaka, na olomboafidy na olomboatendry eo amin’ny faritra. “Hanatrarana ny fahatarana, ary mba ho isan’ireo faritra maodely amin’ny fanatanterahana ireo velirano sy fametrahana ireo fotodrafitrasa mitondra fanovana ny faritra Amoron’i Mania”, hoy izy ireo.Synèse R.L’article Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala a été récupéré chez Newsmada.

 35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy
12/10/2021

Heni-boninahitra ny fankalazana ny faha35 taona ho an’ny tarika Kiaka… niara-nifety tamin’ny mpankafy mozika metaly tetsy Antsahamanitra, afakomaly tolakandro izy ireo. Novazoina tao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika. Nampitora-jofo ny mpiondana metaly, ohatra, ilay hira “Revy” nataon’ny tarika Kiaka, ary nanehoan’izy ireo ny maha izy azy, na tamin’ny fomba fihira izany, na ny fomba fitendrena zavamaneno.  Nanotrona azy ireo amin’izany i Niry avy ao amin’ny tarika Iraimbilanja, i Abasse avy ao amin’ny tarika Apost, i Jacquot amin’ny tarika Green. Nikarakara ity hetsika ity ny Gasy Fest. Ny taona 1986 ny niforonan’ny tarika Kiaka. Ny kiaka dia avy amin’ny hoe hiaka hoenti-mampita hafatra, raha ny nambaran’izy ireo. Tafita tokoa ny hafatra matoa mbola am-bavan’ny olona ireo tononkira maro isan-karazany, toy ny “Ilay mahantra” sns…NarilalaL’article  35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy a été récupéré chez Newsmada.

«Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray
11/10/2021

Ahina hafampana ? Hiakatra fampanoavana etsy Anosy, anio, raha tsy misy ny fiovana ny Pr Rakototiana Auberlin sy ny tale lefitra teknika eo anivon’ny HJRA, ny Dr Jean Marie. Navoakan’ny polisy etsy amin’ny  « Surveillance du territoire” izy ireo, ny asabotsy hariva teo, rehefa notanana sy nohadihadina nandritra ny 48 ora, nanomboka ny zoma 8 oktobra teo. Ahina ho niray tsikombakomba tamin’ny fampandosirana ilay gadra narary notsaboina i Maminirina Eddy na i “Eddy Bois de rose” ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny HJRA ireto, ny herinandro teo ka nampanantsoin’ny polisy.Mbola anatin’ny fahasemporanaEtsy an-daniny, mbola tanana eny Anosy eo anivon’ny polisy i “Eddy Bois de rose” na ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka aza, noho ny fahasemporana.  Mbola tazonin’ny mpitandro filaminana koa ireo mpiandry fonja, niambina ity gadra ity teo anivon’ny HJRA.Tsiahivina fa nilaza ny hanamafy ny fitokonana ary tsy handray afa-tsy ireo marary mafy sy ahina ireo mpitsabo rehetra eo anivon’ny hopitaly. Tsy ny HJRA ihany fa ny hopitaly manerana ny Nosy, araka ny nambaran’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Mety hanao rodobe eny amin’ny fitsarana izy ireo, amin’ity anio ity, hanaraka akaiky ny fivoaran’izao raharaha izao.Synèse R.L’article «Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana
11/10/2021

Tsy voatifitry ny mpitandro filaminana, na matin’ny fitsaram-bahoaka, fa noho ny fianjerany, ka notantazan’ny vohon’angady no nahafaty ity lehilahy iray, nikasa hangalatra tao an-tranon’olona, tao Analakininina Toamasina, ny zoma teo ity. Fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izy io.60 taona izy izao namoy ny ainy izao Lehilahy nalaza teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena (basikety, hand ball, kitra…) tao Toamasina, tany amin’ny taona 80 tany ho any i R. Alain, saingy… lasa jiolahy. Ny marainan’ny zoma teo, hitan’ny rangahy iraytompon-trano nitsirara teo antokonam-baravavarana, tao Analakininina,  ny vata-mangatsikany raha iny izy niverina saika haka ireo mofo hamidiny. Niantso sefo fokontany avy hatrany io raim-pianakaviana, nampandrenesina ny tranga ihany koa ny polisy sy ny BMH.“Tsy nisy nidaroka na niniana novonoina ity raim-pianakaviana ity fa nianjera ka notsenain’ny vohon’angady sy vato mitohana ny varavarana”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao any an-toerana. Nambarany fa mety mahafantatra tsara ny fandaharam-potoan’ny tompon-trano io lehilahy mpangalatra io ka nihevitra ny hangalatra ao an-tokatranony, kanjo izao no niafarany. Matetika sarona amina halatra sy vaky trano ao Toamasina ity mpanao fanatanjahan-tena kalaza ity. Hatramin’ny fianakaviany aza efa nitaraina taminy noho io asa ratsy ataony io hatreny Analankinina sy hopitaly be. Sajo sy Henintsoa HaniL’article Mpanao fanatanjahantena nalaza: lehilahy iray maty nianjera teo am-pangalarana a été récupéré chez Newsmada.

Langue d’enseignement : Les écoles privées contre l’adoption du malagasy pour le 1er sous-cycle
12/10/2021

Les écoles catholiques sont réticentes face à la mise en œuvre de la réforme du programme scolaire. Le débat sur la langue d’enseignement, qui est l’un des points fondamentaux du plan sectoriel de l’éducation, rebondit. Les écoles privées sont réticentes face à l’utilisation du malagasy comme langue d’apprentissage durant les trois premières années du premier sous-cycle. Un pas en avant, deux pas en arrière ! C’est ce que la plateforme de la direction nationale de l’enseignement privé déplore dans l’utilisation de la langue maternelle pour les trois premières années d’enseignement, inscrite dans le Plan sectoriel de l’éducation (PSE). Pour le Directeur national des écoles catholiques (DINEC), le Père Jules Ranaivoson, l’élaboration de la politique linguistique devrait être priorisée avant l’élaboration du programme d’étude. « Nous suggérons que le bilinguisme soit maintenu depuis le préscolaire jusqu’à l’enseignement supérieur. Tout simplement parce que nous utilisons encore la langue française dans l’Administration », a-t-il indiqué. Le directeur national des Institutions laïques pour l’éducation (Aile) Celin Rakotomalala, quant à lui, redoute le retour de la malgachisation. « L’adoption de la langue maternelle comme langue d’enseignement durant la Première République a été un fiasco. Certains parents ont choisi de scolariser leurs progénitures dans les écoles d’expression française pour qu’ils puissent maîtriser cette langue dès leur plus jeune âge », a-t-il indiqué. Réforme. A partir de ce jour se tient le conseil national de l’éducation catholique qui prendra fin vendredi. La restitution de ce conseil national sera, par contre, annoncée officiellement samedi prochain lors de la cérémonie de la rentrée solennelle des écoles catholiques. Une attention particulière sera portée sur les points qui doivent encore être débattus dans le PSE. D’après toujours le Père Jules Ranaivoson, les concepteurs du programme scolaire ainsi que toutes les parties prenantes doivent se réunir autour d’une table ronde pour évaluer ensemble sa faisabilité autrement dit, s’il répond aux besoins actuels. L’éducation fondamentale de neuf ans, les nouvelles séries au baccalauréat ainsi que la langue d’enseignement font partie des sujets auxquels les écoles privées souhaiteraient avoir des éclaircissements de la part des trois ministères en charge de l’éducation. Narindra Rakotobe  L’article Langue d’enseignement : Les écoles privées contre l’adoption du malagasy pour le 1er sous-cycle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa
11/10/2021

Nidina ifotony tany Ambositra ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, sady mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ny 9 otkobra teo. Nihaona taminy ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Nojerena ny fomba ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, mba hipaka any amin’ny kaominina ambanivohitra. Fantatra fa maro ny fotodrafitrasa natsangan’ny fanjakana any amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe, koa nojerena ny fomba hisitrahan’ny any ambanivohitra.Nodinihina manokana ny lafiny tontolo iainana, indrindra mikasika ny doro tanety, izay mbola mirongatra manerana ny faritra Amoron’i Mania. Mizaka ny voka-dratsiny, ankehitriny ity faritra ity, satria tsy maharaka intsony ny famatsian-drano, ka voatery manafatra rano any amin’ny faritra hafa. Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo ben’ny Tanàna, hanentana ny mponina hiaro ny tontolo iainana.Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana OMC koa Rtoa minisitra, niresahana izay resaka doro tanety izay sy ny tsy fandriampahalemana. Nampanantena ny minisitra Raharinirina Baomiavotse, fa hampita any amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta voakasika ny iraka nataony tany an-toerana.Njaka A.L’article Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa a été récupéré chez Newsmada.

JIRAMA : Le DG limogé
14/10/2021

Il a été également décidé, lors du Conseil des ministres d’hier, la nomination du nouveau Directeur général par intérim de la JIRAMA, en la personne de Radanielina Rivo. Il remplace ainsi Vonjy Andriamanga qui vient d’être limogé de son poste de DG. Ce dernier a été nommé à ce poste le 18 décembre dernier. Recueillis par Dominique R.L’article JIRAMA : Le DG limogé a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana
12/10/2021

Mandeha tsikelikely ny fampandrosoana ao amin’ny faritra Atsinanana. Manomboka ny fandoavan’ny karama tsy voaloa ao amin’ny kaominina Toamasina I. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa Padeve. Mandeha ny fanamboaran-dalana, harenina ny fizahantany, sns. Fanadihadiana.Nanjaka ny gaboraraka teo aloha, nivangongo ny trosa, tara ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, manodidina ny 500 ny mpiasa matoatoa tsy miasa nefa mandray karama. Maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, misy mivarotra ny tany sy ny tranon’ny kaominina.Manomboka miharin-doha tny kaominina amin’izao fotoana izao, taorian’ny herintaona sy tapany, nitantanan’ny ben’ny Tanàna, Rakotonirina Nantenaina. Arahi-maso ny mpiasa rehetra, ankehitriny. Notsipihiny fa misy koa ny mpiasan’ny seranan-tsambo mandray volan’ny kaominina, ka ilaina ny fanadiovana, satria tsy azo ekena izany. Efa vita 85% ny lalana simba, foana ny fako nivangongo.Padeve IINifarana ny volana septambra teo ny andiany voalohany amin’ny fandaharanasa tohana sy fampandrosoana ny tanàn-dehibe mifandanja (Padeve). Nifantoka tamin’ny fanofanana ny mpiasa sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny kaominina Toamasina I ity fandaharanasa ity. Nofaranana tamin’ny fanolorana fitaovana samihafa izany, toy ny ordinatera, GPS, “disque dure externe”, “imprimante” (A3, matricielle), sns. Hampiasaina amin’ny fandrafetana ny Drafi-panajariana ny tanàna (Pudi) sy ny faritra isarahan’ny kaominina an-tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra ireo fitaovana ireo. Tsiahivina fa voakasiky ny Padeve I ny renivohi-paritany enina miampy an’Antsirabe I, vatsin’ny Fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica), sy ny an’ny Frantsay AFD ara-bola, nanomboka ny taona 2017. Tafiditra ao anatiny ny tetikasa hametrahana ny drafi-panajariana ny lalana ara-toekarena Antananarivo-Toamasina-Madagasikara (Tatom). Isan’izany ilay arabe migodana Antananarivo –Toamasina.Ho an’ny kaominina Toamasina I, eo am-pikarakarana ny karatra biometrika ho an’ny mpiasa tsirairay, mba hisorohana sy hanafoanana ny mpiasa matoatoa, tombanana hatrany amin’ny 500.Hiarina ny fizahantanyMitsinjo sahady ny fiatrehana ny fisokafan’ny fizahantany indray koa ny tomponandraikitry ny faritra Atsinanana. Ny hita aloha, efa tonga tsikelikely any Foulpointe ny mpizahatany eto an-toerana, Malagasy sy vahiny, nanomboka ny fialan-tsasatra lehibe teo. Nilaza ny governoran’ Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa efa azo ampiasaina ary vita ao anatin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny lalana 13 km, mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) mankany Manambato, toerana tena manan-danja amin’ny fizahantany. Tanteraka izany satria efa ampiasaina ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy any amin’ny filoha Rajoelina.Hanarenana izay lafiny fizahantanyizay ihany, natao ny 24 hatramin’ny 26 septambra teo, ny Tsenabe Fagnako, hisarihana ny mpizahatany anatiny rahateo. Nanome toky ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joël, fa hanohana ireo mpikarakara hetsika toy izao, ny minisitera.Manampy ireo, mitohy ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa, toy ny arabe Boulevard Ratsimilaho, simban’ny rivodoza Honorinina, ny taona 1986. Eo koa ny fiarovana ny sisin-dranomasina. Efa hiditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa Miami, fanajariana ny amoron-dranomasina sy ny manodidina. Anjatony kilometatra ny famakian-dalana ao anatin’ny faritra Atsinanana, tanterahin’ny faritra Atsinanana.Lahatsoratra sy sary: Sajo L’article Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà”
11/10/2021

Hentitra ary nahitsy. “Fantatray ny asanay sy andraikitray ka tsy hataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika na ny mpanohitra ho fitaovana politika”, hoy ny filoha vaovao eo anivon’ny Firaisakinan’ny sendikà (SSM), Andrianavalona Herizo Ramanambola, ny zoma teo, tetsy Anosy. Nanteriny fa ambara ho mpanao politika rehefa mitaky ny zo ka manao hetsika ny sendikà. “Lazaina fa manohana fanjakana indray anefa rehefa mangina… Natao hampivoatra ny fari-piainan’ny mpiasa sy hiaro azy ireo miaraka amin’ny tombontsoany ny sendikà”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hiezaka ny hametraka amin’ny toerany ny sendikà matanjaka sy ho lovainjafy.Tsiahivina fa hitantana ny SSM mandritra ny efa-taona ny tenany. Mpitarika mafana fo ny sendikan’ny fadin-tseranana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, nialoha izao nifidianan’ireo sendikà miisa 54 azy izao.Synèse R.L’article Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà” a été récupéré chez Newsmada.

“Raharaha Eddy bois de rose – Pr Auberlin (HJRA)”: nitohy mandrak’alina ny fakana am-bavany tetsy amin’ny fampanoavana
12/10/2021

  Nitohy hatry ny omaly alina (ora farany nanoratana) ny fanadihadian’ny teo anivon’ny fampanoavana ny Pr Auberlin Rakototiana sy Dr Jean Marie, directeur adjoint technique, izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny fampandosirana an’i Eddy Maminirina, fantatra amin’ny anarana hoe « Eddy bois de rose ». Raha ny fampitam-baovao farany voaray teny anivon’ny fitsarana, nanomboka omaly maraina ny fakana am-bavany teo anivon’ny fampanoavana ary nitohy hatry ny alina izany. Tsy mbola fantatra, araka izany, ny valin’ny fanolorana ireo voarohirohy teo anivon’ny fampanoavana. Isan’ireo niakatra teny anivon’ny fampanoavana i Eddy, taorian’ny fitanana azy tao amin’ny polisy Anosy. Voalaza moa fa hoe  “fampandosirana an’i Eddy Maminirina no antony nisamborana ity profesora ity sy ilay dokotera namany” . Naka rivotra teo amin’ny parking anatin’ny faritry ny hopitaly no nahitana ka niampangana azy ho nikasa handositra. Notanana nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy kosa ireo mpiandry fonja niandry azy. Tsiahivina fa nisy ny fitokonana nataon’ireo mpitsabo taorian’ny fisamborana ireto dokotera ireto ka nanaovan’ireo mpanao fihetsiketsehana antso fa tsy asan’ny mpitsabo ny miambina gadra. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja (DGAP), Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary fa tsy nitsoaka ny hopitaly CHUJRA, araka ny tsaho miparitaka i Maminirina Jean Eddy, manoloana ny vaovao miely eny anivon’ny tambajotran-tserasera.J.CL’article “Raharaha Eddy bois de rose – Pr Auberlin (HJRA)”: nitohy mandrak’alina ny fakana am-bavany tetsy amin’ny fampanoavana a été récupéré chez Newsmada.

Tratra ny tompon’ilay sambo…: olona 46 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte
12/10/2021

Tra-tehaky ny zandarimaria, ny herinandro teo, ireo olona miisa 44, saingy handeha an-tsokosoko any Mayotte.Voasambotra tao amin’ny kaominina Bemanevika andrefana ireo olona ireo raha efa tany anaty sambokely teny an-dranomasina ny sasany tamin’ireo mpandeha. Miisa 44 ireo mpifindra monina an-tsokosoko raha mpanamory ny sambo sy mpikarakara ny fifindra-monina kosa ny roa hafa. Nisy ankizy vao 12 taona tamin’ireo mpandeha ary zaza mbola minono ny roa tamin’izany, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Ankoatra izay, nisy ny vola mitentina 13 tapitrisa Ar sarona, nandritra ny fisamborana nataon’ny zandarimaria. “Io vola io izay saika hanaovana tsolotra ny zandary andravana ny raharaha”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Voasambotra avy hatrany ireo mpanao ratsy ary nogiazana ihany koa ny vola saika hampiasainy.  Hita tamin’ilay botry nitondra olona ireo olona ireo ny “moteurs” miisa telo sy lasantsy 1080 litatra.Tsiahivina fa tsy vao izao no nahatrarana tranga toy izao fa efa nisy ireo voasambotra tamin’izany. Henintsoa HaniL’article Tratra ny tompon’ilay sambo…: olona 46 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte a été récupéré chez Newsmada.

ILS ONT DIT
11/10/2021

Eric Rabesandratana, coach « Je suis très content du jeu produit, de la mentalité affichée par l’équipe, ça c’est très important. C’est le point sur lequel on a beaucoup parlé. On a essayé de mettre ça en place. Je sais qu’il n’y a pas de hasard dans le football. Quand on travaille, on ne peut pas être récompensé tout de suite. Aujourd’hui on est récompensé et le peuple malgache est récompensé  aussi. Les jeunes joueurs apprennent vite. On a savouré sincèrement de ce résultat car il y avait un tout petit peu une série vraiment négative depuis 2019 que les Barea n’ont gagné aucun match. Aujourd’hui, on a arrêté ça et on repartira à nouveau avec un état d’esprit qui a changé. Si on affiche cet état d’esprit, cette envie et ce jeu, j’espère qu’on sera récompensé souvent. On a été fragile de temps en temps sur certaines phases défensives. Je pense que c’est un petit peu la peur (…) on n’a pas eu le temps de les travailler. Fabien Boyer est arrivé hier. Effectivement il n’a pas travaillé avec l’équipe. Il connaît les joueurs, il a fait de grandes performances défensives(…)tout le monde a fait un travail défensif incroyable. Il reste six points à prendre, on va essayer de les prendre, après on verra. Cela dépend aussi des autres résultats. Il y a encore une possibilité de faire quelque chose. On a la tête sur les épaules. On va avoir  le même état d’esprit et la même envie de gagner ». Ibrahim Amada « Nous avons toujours donné un maximum d’efforts même si on n’avait pas de résultats. Nous l’avions promis au président de la république et au ministre de la jeunesse et des sports. Aujourd’hui, tous les efforts sont récompensés. Nous réitérons notre engagement que nous chercherons toujours des victoires sur les prochains matchs. Cette victoire, ce n’est que le début. D’autant plus que les autres joueurs commencent à s’y intégrer. Nous aurons une belle équipe nationale dans les années à venir ». Njiva, le buteur « Le vœux de chacun s’est réalisé. Nous essayons toujours de donner la meilleure satisfaction au peuple et de protéger l’honneur du pays. Merci aux spectateurs qui ont été derrière nous et qui nous ont soutenus  jusqu’au bout ». Manjato Razafy  L’article ILS ONT DIT a été récupéré chez Midi Madagasikara.