Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona

News - Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona

News - Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona

Niakatra fampanoavana, omaly, ilay
mpamily sy ny tompona kamiao nivadika, ny talata alina teo
manodidina ny tamin’ny 11 ora alina. Vokany, nampidirina am-ponja
vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Morondava ny mpamily. Afaka
tamin’izany kosa ny tompon’ny fiara. Fantatra tamin’ny
fanadihadiana fa kamiao mpitatitr’entana ilay kamiao avy ao
Tsimafana nihazo an’i Belo Tsiribihina. Nony dify ny sakana sy ny
fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tsy lavitra teo, nampiditra
olona manodidina ny 20 isa ny mpamily teo amin’ny fokontany
Lambokely. Tapaka hisatra anefa ny fiara teo amin’ny kaominina
Bero­boka ka nivadika. Vokany, olona roa indray namoy ny ainy, ny
mpanampy ny mpamily sy ny rangahy lehibe iray manodidina ny 50
taona. Maty voatsindrin’ireo entana ilay mpanampy ny mpamily raha
maty noho ny dona mafy nahazo azy kosa ilay mpandeha. Olona dimy
hafa kosa naratra nandritra ny loza ary efa tsy ahina ny ainy,
ankehitriny. Nambaran’ny zandary fa ratsy ny lalana mampifandray
an’ireo toerana ireo, antony nahatonga ihany koa ny loza.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Belo Tsiribihina : kamiao nivadika namono olona a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva

Nilatsaka ny didy. Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina Raveloson Ludovic, araka ny didim-pitsarana, nivoaka, omaly tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany, Morondava. Anisan’ny nanamelohana azy higadra herintaona an-tranomaizina ny vono sy fandratrana nataony tamin’ny vehivavy iray. Higadrany roa taona an-tranomaizina, sazy hafa, kosa ny fibodoana sy ny fanjakazakana tokana tamin’ny sehatry ny fandraharahana. Samy sazy mihatra avokoa ireo didim-pitsarana ireo.Na izany aza, mbola misy vesatra maromaro koa iampangana ity depiote teo aloha, tany Mahabo, ity. Anisan’izany ny fiahiahiana azy ho namono olona…Tsiahivina fa tra-tehaky ny zandary teo Analakely, ny 16 septambra teo, Raveloson Ludovic. Nokarohina nandritra ny fito volana taorian’ny fivoahany ny fonja tany Toliara ny tenany.Synèse R. L’article Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy”

“Tsotra ny zava-dehibe ao anatin’izy io: tsy maintsy mahay mifampihaino isika samy Malagasy. Be dia be ny vondrona politika na antoko politika no miteny fa misy zavatra tokony hohatsaraina amin’ny fikarakarana ny fifidianana.”Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ao anatin’izay fikarakarana fifidianana izay ny lisitry ny mpifidy. Tsy maintsy mijery sy mandanjalanja ny amin’izany ny fitondram-panjakana.Tsy tokony hohadinoina fa tapitra alohan’ny faran’ny taona ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna eto amintsika. Efa voalazan’ny filohan’ny Repoblika fa eo am-pandinihana izany ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra“Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana”, hoy izy momba ny handinihan’ny parlemanta ny lalàna momba izay. Noho izany, ireo solombavambahoaka ihany no mitondra izay. Ireo solombavambahoaka no mahita ny fanovana tian-dry zareo hatao amin’ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana. Efa nanome ny heviny momba azy ny governemanta, ny 7 aogositra lasa teo.Rariny sy hitsiny ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny tokony hanaovana antsipiriany ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny fanoloran’ny praiminisitra izany, araka ny nambarany. Mba hahazoan’ireo solombavambahoaka manara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) izany.Efa niomana ho amin’izany ny governemanta, ka tsy misy olana ny momba an’izay. Izay no andrasan’ny rehetra. Na izany aza: “Tsy maintsy mitandrina kely ihany isika, sao lasa 5 na 6 ora ny hamelabelarana izany ka manahirana”, hoy izy.R.Nd.L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Fampitaovana ny Mpiasan’ny Fahasalamana

« Masque chirurgical 3 plis » 75.000 isa, « Gel hydroalcoolique 500 ml » 30.000 isa, Thermomètre frontal infrarouge » 200 isa, « Combinaison jetable blanche » 2.800 isa no natolotry ny « ONG Direct Aid » avy any koweït, ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka androany 07 Aogositra 2020 teny amin’ny CCI Ivato. Nisolotena ny Fitondram-panjakana Malagasy nandray izao fampitaovana izao, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpandrindra ny CCO Ivato. Nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety no nitondran’ Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka ny fisaorana ny « ONG Direct Aid » ary nanantitrantitra mafy izy fa ho ampiasaina araka ny tokony ho izy ireto fitaovana ireto. Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article Covid-19: Fampitaovana ny Mpiasan’ny Fahasalamana a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Faritra 20 amin’ny 22 izao ny tratran’ny Covid-19: nisy efatra indray ny maty, 262 ireo tranga vaovao

Efatra ireo matin’ny Covid-19, tao anatin’ny iray andro. Efa mahenika ny faritra 20 ny valanaretina amin’izao fotoana izao ary tsy vitan’izany fa miisa 51 ireo ahina mafy koa ny toe-pahasalamany, ankoatra ireo tranga vaovao 262.Sambany tafakatra efatra ny matin’ny Corona­virus tao anatin’ny 24 ora, eto amintsika. «Avy any Ambanja ny iray ary avy eto Analamanga ny telo amin’izy ireo», hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololon­tiana Hanta, omaly. Tafakatra 43 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity. Mbola mampanahy koa aza anefa fa miisa 51 ireo marary mafy «forme grave» ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, toy ny etsy Be­felatanana sy ny eny Ano­siala ary ny etsy Andohata­penaka sy ny eny Fenoarivo. Miisa 10 koa ireo marary mafy any Antsirabe raha roa ny any Toliara ary iray ny any Boeny.Mbola foiben’ny valanaretina hatrany Analamanga Etsy andaniny, mbola lohalaharana amin’ny hamaroan’ireo nifindran’ny valanaretina eto Analamanga. Miisa 205 izany amin’ireo tranga vaovao 262. Manaraka azy eo ny any Mahajanga. Miisa 15 ireo tratran’ny Co­ronavirus raha 13 avy kosa ny any Toliara sy ny any Ano­sy. Dimy ny any Fia­narantsoa raha efatra ny any Vakinankaratra. Samy roa avy kosa ny any Atsinanana sy ny any Betsiboka. Iray ny tsy voafaritra ny toerana misy azy.Faritra 20 efa misy Coronavirus «Mbola voalohany sy ma­ro anisa ny eto Analamanga amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Misy faritra vaovao koa ahitana izany amin’izao fotoana izao. Ohatra ny any Maevatanàna, faritra Betsi­boka. Na izany aza, tokony hitandrina ny rehetra na aiza na aiza ahafahana misakana ny Coronavirus », hoy ihany ny eo anivon’ny CCO. Hany faritra roa amin’ireo faritra 22 tsy ahitana ny valanaretina sisa ny any Melaky sy ny any Androy. Izany hoe, 20 izany izao ireo faritra efa misy olona tratran’ny Covid-19.Synèse R.L’article Faritra 20 amin’ny 22 izao ny tratran’ny Covid-19: nisy efatra indray ny maty, 262 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahasalamana: nisaotra ny mpitsabo Ra-Joce, mpandrindra ny Cosfa

Narary ary niditra hopitaly tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana, avy eo, nifindra teny amin’ny HJRA Ampefiloha, vokatry ny “hemoragie digestive active de quantité” Ralambo Jocelyn (Ra-Joce), mpandrindra ankapoben’ny klioba Cosfa, taranja baolina kitra, ny talata 18 aogositra lasa teo. Noho ny fitahian’Andriamanitra, sitrana soa aman-tsara izy ary efa nivoaka ny hopitaly ka ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ankehitriny.Tsy naharitra fa nizara ny hafaliam-pony izy noho ny ezaka sy ny fikarakarana nataon’ireo mpitsabo amin’ireo toeram-pitsaboana roa ireo nandritra ny fotoana nitsaboana azy. “Tsy voatery ny ratsy hatrany no avoaka an-gazety fa ny tsara ihany koa”, hoy izy. Anisan’izany ireo asa am-pitiavana nataon’ireo mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy teo anivon’ny HJRA Ampefiloha. “Nanomboka tao amin’ny Urgence, nikarakarana ahy sy ny namelomana ny tenako tao amin’ny “réanimation choquée”, tena nanao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy tamin’ny asa nataony. Na teo amin’ny fomba fiteny amin’ny marary na tamin’ny fikarakarana, tena nahafa-po ary nanafaingana ny fitsaboana”, hoy hatrany i Jocelyn. Toraka izany koa ny tao amin’ny Chirurgie viscérale «A». “Am-pahazotoana ny niatrehan’ireo mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy miasa an-tsitrapo ny fitsaboana atao na andro na alina. Manana ny maha izy azy ny dokotera malagasy ka tokony hatokisantsika”, hoy hatrany Ra-Joce.Hafatra nataony ny tokony hisakafoan’ny rehetra amin’ny fotoana ara-dalàna fa tsy miovaova fa izay no tena nahavoa azy. TorcelinL’article Tsy fahasalamana: nisaotra ny mpitsabo Ra-Joce, mpandrindra ny Cosfa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dr L Subramaniam sy i Kavita K: « Maniry ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy izahay »

Lohahevitra maromaro ny nezahin’ny Dr L Subramaniam sy i Kavita Krishnamurti, samy mpitendry zavamaneno avy any Inde, nifanakalozana tao anatin’ny facebook-n’ny masoivoho indianina. Tao ny niresaka momba ny zava-miseho sy ny mitranga maneran-tany, tahaka ny Covid-19 sy ny fiantraikany amin’ny mpanakanto sy ny zavakanto ataon-dry zareo. Fa nisy koa ny fotoana nanasongadinan’ireto mpanakanto ireto ny fanirian-dry zareo hiara-kiasa amina mpanakanto malagasy. Nasongadin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fifandraisana sy ny fifaneraserana maneran-tany. Manamora izany sady mahatafita hafatra haingana ny zavakanto, raha ny fanazavan’ireto mpanakanto indianina ireto.Nomarihin-dry zareo hatrany fa lanja sy hery ny maha zava-dehibe ny mozika manoloana ny tranga misy eo amin’ny fiarahamonina. Iray amin’izany ny nampiasana ny mozika nenti-nanamafy ny herin-tsain’ny tsirairay hahafahana miatrika ny valanaretina Covid-19. Fantatra fa ny Dr Subramaniam no nanorina ny Subramaniam Academy of Performing Art (Sapa), mikendry ny hampiaina ny ankizy mahatratra 30 000 miaraka amin’ny mozika, any Inde. Fantatra fa ny ambasadaoron’ny firenena indianina no nikarakara ity fifanakalozan-kevitra nampitain-davitra ity.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Dr L Subramaniam sy i Kavita K: « Maniry ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy izahay » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona

Tratran’ny vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fanendahana pasitera tao Mahavatse Toliara, ny asabotsy lasa teo. Voalazan’ny polisy fa tao an-tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Dame de Pique ao Mahavatse no nahatrarana ireto jiolahy ireto, nomarihin’ny polisy fa isaky ny mahavita ny asa ratsiny ry zalahy ireto no miafina ao amin’io lehilahy io. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy hatrany, jiolahy nokarohina nandritra ny folo taona ireto jiolahy ireto ary maro ny raharaha mahavoasaringotra azy ireo, toy ny vonoan’olona sy ny halatra isan-karazany. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fakana taratasim-bolan’ny beantitra tao Toliara ry zalahy ireto. Efa nifanehatra tamin’ny polisy inefatra izy ireo, saingy tafaporitsaka hatrany. Isan’ny nampikolay ny ao an-tanànan’i Toliara ireto jiolahy ireto ka vola iray hetsy Ar sy firavaka ary entana sarobidy ny lasan-dry zalahy tao amin’ilay pasitera nandritra ny fanafihana. Voalaza fa jiolahy avy aty an-dRenivohitra sy Toliara avokoa ry zalahy ireto sady efa manana trano any Toliara. Nahitana basy mahery vaika koa tany amin’ireo jiolahy ireto.CMS sy J.CL’article Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46
26/10/2020

Miankina amin’i Ahmad sy ny fahavononany sisa ny rehetra na mbola tapa-kevitra ny hirotsaka hofidina ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) indray ny tenany na tsia. Fantatra mantsy fa filohana federasiona miisa 46 amin’ireo 54 mpikambana no efa nilaza fa hanohana azy indray amin’ity ary miantso ny filatsahany ho amin’izany toerana izany.Efa nosoniavin’ireo mpitantana avy amin’ny faritra enina aty Afrika ny taratasy fanohanana an’i Ahmad io. Marihina fa hatreto, tsy mbola nilaza na ho kandidà ny tenany na tsia. Izy rahateo, nanambara fa mbola haka hevitra amin’ireo fianakaviamben’ny baolina kitra afrikanina aloha.Tsiahivina fa hifarana amin’ny 12 novambra ho avy izao ny fe-potoana farany fahazoana mametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Hatreto, tsy mbola misy kandidà, na iray aza, nanao fanambarana ofisialy, ny amin’ny maha mpifaninana azy.Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Rabat, Maraoka, ny 12 marsa 2021, ity fifidianana ho filohan’ny Caf ity. TompondakaL’article Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46 a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo
27/10/2020

   Mitohy hatrany ny ezaka ho fanomezan-danja ny soratra. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Havàtsa-Upem. Misy ny hetsika tanterahin’izy ireo mandritra ity herinandro ity…« Efa tany amin’ny volana aogositra ny nieritreretana hanatanterahana ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem »… Ankehitriny, tanteraka ny fanamby na mbola eo aza ny fahasahiranana nateraky ny Covid-19 », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Nanteriny fa mavitrika ny mpikambana sady mikendry hatrany ny hanao zavatra tsara ka tsy nataon’izy ireo ho sakana ny fotoana lava tsy nanaovana hetsika.Nomarihiny koa fa « velona ho velona ny haisoratra malagasy ». Tazana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely izany, mandritra ity herinandro hanatanterahana ny « Herinandron’ny poety 2020 » ity. Fampirantiana asa soratr’ireo mpanoratra teo aloha sy ny ankehitriny. Misy amin’izy ireny ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Fihaonana amin’ireo mpanoratra. Antsan-tononkalo sy varo-boky, sns.Fantatra fa maro ireo mpampianatra mikasa hitondra ny mpianany eny an-toerana. « Tsara raha tonga izy ireny satria hanampy azy ireo ny zavatra ho hita ety. Na izany aza, mila hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 », hoy hatrany ny filohan’ny Havàtsa-Upem. Ny asabotsy 31 oktobra vao hifarana ny « Herinandron’ny poeta 2020 » ka ny alarobia tolakandro no hanatanterahana ny « Alarobia miverina » hiantsana tononkalo.HaRy RazafindrakotoL’article Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo a été récupéré chez Newsmada.

Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir
28/10/2020

Vers la titularisation de Mathyas Randriamamy dans les Barea. La dernière nouvelle recrue des Barea, Mathyas Randriamamy jouera en Ligue des champions aux côtés de Neymar et Mbappé ce soir pour le compte de la deuxième journée de la Ligue des champions. Le PSG affrontera Istanbul Basaksehir. Incroyable mais vrai. Ça ne s’arrête plus pour l’international malgache, Mathyas Randriamamy. Il a fait l’objet d’un appel de Thomas Tuchel pour renforcer le Paris Saint-Germain ce soir, dans le cadre de la deuxième journée de la Ligue des champions. En effet, l’équipe fera un déplacement sur la pelouse d’Istanbul pour affronter le Basaksehir. En une semaine, le jeune homme de 17 ans n’a pas cessé de gravir les échelons dans le club de la capitale. Le fait qu’il soit intégré dans les Barea lui trace un chemin vers la cour des grands. A titre de rappel, il a donné un avant-goût ce samedi, lors de la première journée de la Ligue 1 où il est resté remplaçant et n’a fait que de l’échauffement d’avant match sur le terrain. Cette fois-ci, il est le troisième gardien emmené en cas de blessure de Keylor Navas ou Sergio Rico. On l’a aperçu s’entraîner avec ces deux gardiens du PSG en début de semaine. Une aubaine pour les inconditionnels du foot malgache, puisque après Abel Anicet, un autre malgache jouera en C1. Cela sera aussi une opportunité pour lui afin que Nicolas Dupuis puisse penser à sa titularisation pour la double confrontation contre les Ivoiriens, prévue dans trois semaines. Pour en revenir à la rencontre de ce soir, la liste des convoqués ne réserve pas de surprises pour le PSG, avec les superstars Kylian Mbappé et Neymar accompagnés en attaque par Pablo Sarabia, Moïse Kean et Angel Di Maria. Idrissa Gueye et Thilo Kehrer, de retour après sa blessure, sont aussi dans le groupe. « Par contre, Julian Draxler, sorti blessé samedi contre Dijon, ne reprendra l’entraînement qu’après la trêve internationale, soit au plus tôt en mi-novembre. Marco Verratti, Leandro Paredes et Mauro Icardi sont toujours blessés. L’Italien a repris la course lundi et son retour à l’entraînement collectif est programmé la semaine prochaine. Icardi reprendra l’entraînement cette semaine, Paredes en fin de semaine », a annoncé le club. Manjato Razafy L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Foot-PSG : Mathyas Randriamamy en Ligue des champions ce soir a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao
28/10/2020

Mamolaka sy mandemy ny mpifanandrina ? Niova indray ny daty hanatanterahana ny lalao mandroso eo amin’ny Barea sy ny Elefanta, araka ny tetiandro naroson’ny Federasiona Ivorianina (Fif).Nahemotra ho ny asabotsy 14 novambra indray izany raha tokony ho ny 12 novambra izao, araka ny voalaza teo aloha. Na izany aza, tsy miova ny kianja fa ao Abidjan, eo amin’ny Stade Alassane Ouattara, vao nohavaozina sy nohatsaraina. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny daty ho an’ny lalao miverina hotanterahina eto amintsika na ho telo andro aorian’io, araka ny efa voafaritra ihany, izany hoe ny talata 17 novambra. Mbola andrasana rahateo ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny amin’ny fahafahan’ny Ivoarianina miditra eto na tsia, manoloana ny mbola tsy fisokafan’ny sisin-tanintsika.Mpitsara TonizianinaEtsy an-daniny,  navoakan’ny eo anivon’ny Caf  fa ilay Tonizianina, Haytem Guirat no hitsara ny fihaonan’ny Barea sy ny Elefanta Ivoarianina, amin’ny lalao mandroso amin’izao fifanintsanana hiakarana amin’ny “Can 2022” izao.  Tsy vahiny amin’ny ekipam-pirenena malagasy ity mpitsara ity. Efa nitantana ny fihaonana teo amin’ny Barea sy i Burundi tamin’ny Can 2019 tany Ejypta i Guirat  ka nandresentsika ny mpifanandrina tamin’ny isa 1 noho 0. Baolina tokana nampidirin’i Marco Ilaimaharitra io nitondrana ny fandresana io.Mafampana ny toe-draharaha politikaAnkoatra izany, nanome toky ny Fif fa hilamina ny lalaon’ny roa tonta na eo aza ny krizy politika any an-toerana amin’izao fotoana izao. Hotanterahina ny 31 oktobra izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany any an-toerana. Mafampana ny toe-draharaha satria tsipahin’ny mpanohitra ivoarianina ny mbola nilatsahan’ny filoha am-perinasa, Ouattara, hitantana fanintelony indray an’i Cote d Ivoire rehefa nanova ny lalàmpanorenana afahany mirotsaka ny tenany ny taona 2016. Mety hanova ny fihaonana raha mikorontana ny any an-toerana.Synèse R.L’article Kitra – Fihaonana mandroso amin’ny Barea: nahemotry ny Ivoarianina amin’ny 14 novambra ny lalao a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany
27/10/2020

 Afaka hitarika ny Barea Rakapy. Niakatra kianja, ny faran’ny herinandro teo, i Abel Anicet, milalao ao amin’ny Ludogorets, any Bolgaria.Nibata avy hatrany fandresena ny ekipany tamin’izany rehefa nanamontsana ny ekipan’ny Montana, tamin’ny isa 3 no ho 1. Anisan’ny nisongadina teny ambony kianja ity mpilalaon’ny Barea ity ary tolotra tsara fipetraka avy aminy ny nampidiran’ny ekipany ny baolina iray. Efa tokony ho nahatafiditra baolina maromaro koa ny lehilahy tamin’izao lalao izao.Tsy niatrika ireo lalao fanomanantenaTsy azo ihodivirana izany fa anisan’ireo mpilalao hiatrika ny fihaonana amin’ny Elefanta Ivorianina, ny volana novambra izao, Rakapy. Tsy anisan’ireo niatrika ny lalao fanomanantena indroa miantoana, natao tany Luxembourg sy tany Maraoka, nifandonana tamin’i Borkina Faso, i Abel Anicet noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny feny havia, tamin’ny lalao nataony tany Bolgaria. Tsy maintsy notsaboina nandritra ny telo herinandro ny tovolahy vao afaka niatrika fanazarantena. Sitrana soa aman-tsara ary izao ka niakatra kianja izao hiatrika ny fifanintsanan’ny “Can 2022”, hifandonana amin’ny Elefanta Ivorianina.Synèse R. L’article Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny aretina lefakozatra: hitady vola 50 tapitrisa dolara isan-taona ny Rotary 
26/10/2020

Raha nahatratra 350 000 isan-taona ny trangana lefakozatra tamin’ny firenena 125 ny taona 1988, ampolony sisa voatily amin’izao fotoana izao vokatry ny ezaka fanaovam-baksiny faobe tokony hotohizana.Ho fanohizana ny ezaka efa vita ka nahazoan’i Madagasikara ny fanamarinana fa afaka amin’ny aretina lefakozatra izy, ny taona 2018, tsy maintsy hatao hatrany ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’io aretina io ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny herintaona. Mitaky volabe ny fanatanterahana izany ka nanambara ny fikambanana Rotary fa hamory vola 50 tapitrisa dolara isan-taona hamongorana ny aretina lefakozatra. Ny fondation Bill sy Melinda Gates kosa, hampitombo avo telo heny ny tohana ka hahazoana famatsiana hatramin’ny 150 tapitrisa dolara. Nanomboka ny taona 1985 ny hetsika nataon’ny fikambanana Rotary maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra. “Tranga ampolony sisa miseho amin’izao fotoana izao vokatry ny asa vita izay hotohizana hanafoanana tanteraka ity aretina ity”, hoy ny governoran’ny district 9 220 ny Rotary international, Randriamifidy Emmanuel. Hatreto, nanokana vola mitentina 2,1 miliara dolara nampiasaina iadiana amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary. Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ity aretina ity, niantso ny malala-tanana, ny orinasa, ny fikambanana hanao tolo-tanana ahafahana manao vaksiny ankizy maro ny fikambanana, teny amin’ny Parvis Analakely ny faran’ny herinandro teo. Tsy teto Antananarivo ihany fa nisy koa ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra tany amin’ny faritra niarahana amin’ny fikambanana Rotary any an-toerana.Entanina koa ny renim-pianakaviana sy ny mpikarakara zaza hitondra ny zanany hatao vaksiny satria nihena ny isan’izy ireny nandritra ny ny fihibohana noho ny tahotra ny valanaretina Coronavuris. Nitohy hatrany anefa ny fandraisana teny amin’ny CSB rehetra fa napetraka fotsiny ny fepetra ara-pahasalamana. Misy koa ny famerenana ny vaksiny ho an’ireo tsy nahavita izany mandritra ity volana oktobra ity.Vonjy A.L’article Ady amin’ny aretina lefakozatra: hitady vola 50 tapitrisa dolara isan-taona ny Rotary  a été récupéré chez Newsmada.

Interview : Kakajoh chante la réalité du « kere »
28/10/2020

Chanteur hyper adulé à Toliara, Kakajoh tentera d’ouvrir les yeux des Malgaches avec ses nouveaux titres. Demi–dieu à Toliara, Kakajoh, né dans le quartier de Tsenenge est un artiste dont la musique sonne dans tous les lieux populaires de la ville. Suite au décès de son grand-père, dans la commune de Gogogogo à Ejeda, suivi de celui de sa grand-mère, il a eu le déclic de la musique. En 2011, repéré par un élu à Ejeda, il a créé une chanson pour la propagande de celui–ci. Après, il a commencé à créer ses propres titres, dont « Tsikitoleka amaray », une chanson d’amour voulant dire jouer jusqu’au petit matin. Kakajoh est propulsé dans les hit-parades. Il prépare de nouveaux titres actuellement, dont « Kere marandrano », un petit revirement.   Midi-Madagascaikara : Vous sortez un peu des sentiers battus avec vos nouvelles chansons, par exemple « Kere marandrano », où vous alertez sur la situation dans le sud. Pouvez-vous nous expliquer ce petit revirement ?    Kakajoh : D’Ampanihy à Ambovombe, il y a le « kere ». Là-bas, on l’appelle « Arikatoke ». Alors, les gens d’un même village quittent celui-ci pour un autre. Durant le déplacement, il y a des morts en chemin. Alors, on ne cherche pas à les enterrer quelque part, sur leurs terres, mais en pleine nature. Chacun y met une pierre et des repères pour indiquer qu’il y a une sépulture ; ensuite, on continue la route. Avant d’arriver sur les terres où il y a de la nourriture, il y a plus d’une centaine de personnes qui y ont déjà perdu la vie. J’ai vu cela de mes propres yeux, et cela m’a inspiré pour créer cette chanson. Même le chef du « fokotany » quitte le hameau. Il n’y a plus personne dans le village. Mais ils reviennent quand la pluie arrive, pour planter. Mais en période de « kere », il faut se forcer de partir, c’est insoutenable. Pourtant, en chemin, on peut perdre la vie avec le manque d’eau et de nourriture. C’est l’histoire de ma chanson, « Kere marandrano », la famine qui prévaut jusqu’à maintenant. Midi-Madagasikara : Et comment réagissent les responsables face à cette situation ? Kakajoh : En période de propagande, oui, les responsables visitent nos régions. Là bas, les gens sont très concernés par les élections à cause de la famine, alors ils élisent ceux ou celles qui savent parler. Mais quand le moment est venu de récolter les fruits de leurs votes, rien. Après, quand une autre personne se présente, sachant parler, alors les gens l’élisent. Midi-Madagasikara : Avec vos chansons qui alertent l’opinion, est-ce que ce n’est pas un peu risqué de s’aventurer sur cette démarche ? Kakajoh : (Rires) Vous savez, des gens y sont en train de mourir. Alors, il est difficile de ne pas écouter leurs plaintes. Ces plaintes ne seront jamais entendues, ce qui ne veut pas dire qu’ils (les responsables) ne veulent pas y prêter attention, ils ont tout de même plusieurs et d’autres responsabilités. Alors, c’est difficile que les plaintes au sujet du « kere » soient entendues. A travers la musique, la majorité, tout comme ceux qui ont l’esprit éclairé, pourra connaître la situation. Je ne suis pas là pour pointer du doigt l’Etat, sachant que cela fait combien de temps qu’il y a eu des présidents à Madagascar mais la famine a été toujours là. Midi-Madagasikara : Un drame est en train de s’y dérouler donc ? Kakajoh : Les gens, là-bas, meurent des terres de leurs ancêtres. Parce que la terre y est fertile, rien à espérer sauf les cactus. Même s’ils plantent du manioc, la production sera insignifiante, parce que la pluie ne tombe qu’une fois par an. Alors, comment voulez vous planter avec un seul jour de pluie ? Les gens de là-bas veulent vraiment s’en sortir, ils peuvent aller à Betroka où il y a des terres fertiles. Difficile, avec les « malaso ». Alors, ils meurent des terres de leurs ancêtres. A cause de ce « kere » persistant, alors, qu’est-ce qu’il y a à faire ? Créer des choses pérennes, des soutiens alimentaires. Voilà ce que les responsables doivent faire, au lieu de penser à me contrecarrer si je raconte ces choses dans mes chansons. Plusieurs personnes sont déjà décédées là-bas à cause du fléau. Actuellement, le kilo du manioc se vend à mille cinq cent ariary. Du manioc, les gens là bas en plantent, mais ce n’est pas suffisant pour se nourrir. Et en plus, il n’y a pas de pluie. Midi-Madagasikara : D’où la nécessité de changer un peu de discours…  Kakajoh : En tant qu’artiste, vous devez regarder la réalité. Regarder ce que vivent vos contemporains. Il faut aussi passer un message qui apporte du bien, quitte à parler de la vie dans son côté obscur. Les « Ambiance ! Ambiance ! », cela n’est pas trop approprié. A minuit, l’ambiance se termine toujours.  Mais si vous parlez de la vie, la vie ne se terminera jamais. Il faut faire des efforts pour parler des choses difficiles quand vous voyez un enfant de douze ans frappé par la famine et tomber sans pouvoir se lever. Mon statut a fait que j’ai chanté pour des futurs élus, mais des gens disent des mensonges à mon sujet, selon lesquels j’ai gagné ceci, j’ai gagné cela. Mais il y a eu des moments où je devais mettre ma main à la poche pour réaliser des chansons de propagande. Le fait est que quand ils sont élus, je suis jeté aux oubliettes. Recueillis par Maminirina Rado L’article Interview : Kakajoh chante la réalité du « kere » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Interview : Kakajoh chante la réalité du « kere » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture »
26/10/2020

Nahazo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo tanora mpikambana ao amin’ny Centre des jeunes – Les Heritiers du Sud Ambovombe hanatsarana ny seha-pihariana ataon’izay ireo. Miasa manodina ny raketa mena, ny baobab sy ny kily ho « confiture » izy ireo. Manamboatra savony koa sady mandrary ho fampiroboroboana ny fizakantenan’ny tanora any amin’iny faritra iny. Tsy ampy fitaovana iasana izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Manam-piniavana hivoatra sy hivelatra bebe kokoa anefa ireto tanora ireto ka antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora tosika azy ireo. Mamaly tanteraka ny fandaharanasa “Pole-emploi jeune », mamolavola ireo taninketsan’ny tanora mpandraharaha rahateo izany.Tanora miisa 370 efa vononaTsiahivina fa nanolotra tetikasa ny ivontoerana mpanabe tanora “Fille de la charité” miompana amin’ny fanodinana vokatra taretra, tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra Tinoka Roberto tany Tsihombe farany teo. Mety amin’ny toe-tany ao Androy ny vokatra taretra ary maro ny asa tanana azo avy amin’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny programanasa “Pole-emploi jeune” izany. Hanome tosika ireo tanora miisa 370, efa vonona ny hamboly taretra amin’ny velaran-tany 35 ha ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny “Unité de transformation” hanodinana izany vokatra taretra izany.Synèse R.L’article Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture » a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.