Basikety-Afrobasket: hatao “huis clos” ny fifanintsanana any Kigali

News - Basikety-Afrobasket: hatao “huis clos” ny fifanintsanana any Kigali

News - Basikety-Afrobasket: hatao “huis clos” ny fifanintsanana any Kigali

Araka ny efa fantatra, hotontosaina
ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao any Kigali Rwanda ny
fifanintsanana eo amin’ny lalao Afrobasket 2021. Tapaka fa hatao
“huis clos” ity fifaninanana ity, noho ny mbola fihanaky ny
tsimokaretina Coronavirus any an-toerana. Tsy hisy, araka izany, ny
mpijery fa ny mpilalao sy ny mpitsara, miaraka amin’ireo “Staff”
isan-karazany, isaky ny ekipa ihany ny mahazo miditra ao amin’ny
kianja. Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety,
Ramaroson Jean Michel, fa voarakitra anatin’ny taratasy nalefan’ny
FIBA mihitsy izany.

Mahakasika ity lalao ity hatrany,
raha ny tokony ho izy, ny 20 novambra no hanainga ny delegasiona
malagasy, hoy ny filohan’ny FMBB, saingy hiankina betsaka amin’ny
fisokafan’ny sidina eto amintsika izany. Aorian’io, ny fifaninanana
Bal “Basket AfroLeague” no hatao any Rwanda, ka ny 5 hatramin’ny 15
desambra no hizorany. Ny GNBC moa no solontenantsika amin’izany,
araka ny efa notaterina teto, ny NBA avokoa no miantoka ny rehetra,
mbola mandray tambin-kasasarana, toy ireny mpilalao matihanina any
ivelany koa ny mpilalao.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Basikety-Afrobasket: hatao “huis clos” ny fifanintsanana any Kigali a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Triatra

Fanenjehana dahalo tany Ihosy : Zandary iray maty voatifitra, iray naratra

Nafana ny fifandonana. Zandary efadahy nifampitifitra tamin’ny dahalo am-polony tany amin’ny tananan’Antsijorano fokontany Bemelo kaomina Ambanivohitra Satrokala distrikan’Ihosy, ny alin’ny sabotsy 27 novambra hifoha alahady lasa teo. Maty voatifitry ny dahalo tamin’izany ny zandary iray kilasy ambony ao amin’ny borigady Mahasoa, iray hafa kosa naratra mafy noho ny fahavoazany ary nentina namonjy toeram-pitsaboina haingana. Izany no vokatry ny fifandonanan’ny dahalo sy ny zandary miasa ao amin’ny borigady nanao ny asa fitsidiham-paritra tany an-toerana. Araka ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny sampana serasera ny zandarmariam-pirenena dia fanarahan-dia omby no nahatonga izao voina nihatra tamin’ny zandary amperin’asa miisa roa ireto. Dahalo am-polony nirongo basy sy zava-maranitra no nandroba ka nangalatra omby manodidina ny 40 teo amin’io Tanana voatondro io. Nahary fampandrenesana momba izany indrindra ireo zandary avy amin’ity borigady ity, ka tonga mivantana nanao ny fikarohana avy hatrany. Ireo fokonolona tao an-tanana kosa izay efa nialoha lalana nanao ny fanarahan-dia. Nandositra namonjy niankandrefana ireo olon-dratsy ireo, rah any fitantaran’ireo nanatri-maso, rehefa nahazo ny azany, saingy niezaka nanaraka hatrany ireo fokonolona sy ny zandary. Tamin’io alin’io fanafihana io moa dia tafajanona tany anaty ala ireto dahalo, nisy ny sasany tamin’ireo kosa no nandroaka ny omby ihany. Rehefa nahatsikaritra fa nanara-dia azy ireo ny fokonolona tany an-toerana dia nanomboka nitifitra variraraka ireo dahalo. Voatery namaly tifitra noho izany ireto zandary niaro ireo mpiara-dia aminy, ka tratran’ny vela-pandrika. Vao nitodika kely izy nijery ny zava-misy ary dia niharan’ny tifitra variraraka ity farany, ka lavo avy hatrany, ny zandary iray kosa naratra mafy. Nanohy ny lalana niaraka tamin’ireo omby halatra ireto dahalo rehefa nahita ireto farany fa niharam-boina, raha toa ka ny omby 20 isa tamin’izany tafaverina noho ny fifanjevana. Na dia teo aza izany tsy nijanona fa mbola raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo zandary sisa sy ireo dahalo. Taorian’izay vao afaka niantso namana izy ireo rehefa tsy sahy nanantona azy ireo intsony ireo jiolahy ka tonga ireo zandary maromaro. Natao ny fizahana sy fikarohana ireo jiolahy, saingy tsy tratra intsony. Valérie R. L’article Fanenjehana dahalo tany Ihosy : Zandary iray maty voatifitra, iray naratra est apparu en premier sur .L’article Fanenjehana dahalo tany Ihosy : Zandary iray maty voatifitra, iray naratra a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Tena mbola mila mitandrina amin’izao …    

         Efa vita ve ny ady amin’ny  fihanaky ny valanaretina covid-19 amin’izao? Maro ny manao antsirambina fa tsy miambina intsony amin’ny fanohizana ny fanajana manontolo sy amin’ny antsipiriany ireo fepetra ara-pahasalamana amin’izany. Misy, ohatra, ny tsy manao arotava eny an-tsena, an-dalambe… efa tsy misy izay fanajana ny elanelana iray metatra rahateo hatramin’izay. Hanao ahoana?Mbola ahina ny mety hiverenan’ny valanaretina amin’ny tampody fohy tsy ampoizina, sanatria. Tsy lavina, tsy mitsaha-mihena, ohatra, ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina coronavirus. Miara-dalana amin’izany, mitombo hatrany koa ny isan’ny marary sitrana tsy mamindra intsony. Toy izany koa ny isan’ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Mahomby ny ady?Na izany aza, saika mbola misy ihany ny lavo. Ady aman’aina tsy vita ho azy amin’izao izay. Efa toy ny hoe resy tosika iny ny fahavalo iombonana… tsy hita maso, matoa manao antsirambina sy tsy miambina ny sasany? Mbola eny ho eny ihany ny tsimokaretina, matoa misy hatrany ny tranga vaovao amin’ny fitondrana azy. Eny, na hoe mihavitsy hatrany aza izany: tsy foana na resy tanteraka.Mila mailo sy malina hatrany ny rehetra? Na iza na iza, na aiza na aiza… Tsy mahagaga raha miverina mihenjana sy hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana indray ny mpitandro filaminana amin’izao. Mitohy ny ady. Na any amin’ireo firenen-dehibe aza, misy tratran’izay mitranga mihemotra amin’ny fihibohana izay, fa mivoaka miditra tsinona ny aretina.Na ahoana na ahoana aloha, mila tohizina ny ady; eny, mety ho zary fomba fiaina aza, angamba, raha mbola tsy resy tosika tanteraka io aretin-dratsy io. Toy ny fiatrehana sy fiaraha-miaina amin’ny karazana areti-mifindra hafa manana ny fotoany. Nefa valanaretina vaovao be ihany ny covid-19. Mila havaozina isan’andro ny fiatrehana azy sy ny ady aminy? Izay no itandremana hatrany aloha…Rafaly Nd.L’article Tena mbola mila mitandrina amin’izao …     a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hatramin’ny nisian’ny Covid-19: miisa 19 875 ireo olona voasazy raha 2 197 naiditra violon

Namoaka tatitra ny teo anivon’ny polisim-pirenena momba ny asa vitan’izy ireo manoloana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus nanomboka ny volana marsa ka hatramin’izao. Miisa 19 875 ireo olona voasazy raha 2 197 kosa ireo naiditra violon noho ny tsy fanaharan-dalàna…Nambaran’ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena fa hatramin’ny nahatongavan’ny valanaretina coronavirus teto amintsika nanomboka ny volana marsa teo ka hatramin’izao ireto tatitra ireto. Nisy ny fisorohana ho an’ny faritanin’Antananarivo (Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava) ka nisy ny fizarana arotava miisa 108 748 nataon’ny polisy, olona miisa 19 601 kosa no nanao fanentanana amin’ny tokony hiarovan’izy ireo tena amin’ny fihanaky ny valanaretina. Nohamafisin’ny polisy fa misy ihany ireo tsy manaraka ny toromarika rehetra napetraka ka tsy maintsy nampiharan-dalàna. Miisa 19 875 ireo olona voasazy nanao asa iombonana ho tombontsoan’ny besinimaro raha 2 197 kosa ireo naiditra violon. Teo ihany koa ny tatitra momba ny asa vitan’ny polisim-pirenena tao anatin’izay fiatrehana ny fiparitahan’ny valanaretina izay ihany nanomboka ny 9 aogositra 2020 ka hatramin’ny 21 aogositra 2020 teo niaraka tamin’ireo kaomisaria foibe eto amin’ny faritan’Antananarivo, Vakinankaratra sy Itasy ary Bongolava ireo.Marobe ireo moto nandalo fisavana…Ho an’ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, nisy ireo olon-tsotra voasava nandritra ny “couvre feu” ka miisa 441 izy ireo raha 131 ireo voasambotra, miisa 287 ireo nosavaina kara-panondro, 150 ireo nanao fanadihadiana manokana.Fiarakely miisa 672 no nandalo fisavaka ka 85 naiditra ambalampamonjana « fourrière », fiara 56 voatery nosintonina ny taratasiny noho ny tsy fahatomombanana hita. Teo koa ireo fiara tsy nanaiky nijanona fa nandositra ka miisa 10 izy ireo. Fiara lehibe miisa 696 voasava ka 29 amin’ireo naiditra “fourrière”. Moto miisa 679 no voasavan’ny polisy ka 51 amin’ireo tsy tomombana ny taratasy raha 10 ireo nitsoaka tsy nanaiky nosavaina.Jean ClaudeL’article Hatramin’ny nisian’ny Covid-19: miisa 19 875 ireo olona voasazy raha 2 197 naiditra violon a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Minisiteran’ny Fanatanjahantena: nampanao «audit» sy «inspection»

Nambaran-dRalaivao Lovatiako, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, fa mba hisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny vola eo anivon’ny minisitera, indrindra ireo tsinjaraina amin’ireo federasiona isanisany, nisy ny fanaovan’ny fitondrana fizahana ifotony «inspection generale», teo anivon’ny minisitera. Noho ny fitakian’ny « inspection génerale de l’état », nitady ny fanatsarana ny fitantanana izany fitsinjaram-bola izany ny minisitera ho an’ny taona 2019. «Miantso ireo tomponandraikitra misahana ny fanaraha-maso eto amin’ny firenena, hanao «audit» sy «inspection» ny fitantanam-bola eo anivon’ny minisitera, izahay hisian’ny mangarahara tanteraka amin’ny fitsinjarana ireo vola ho an’ireo federasiona. Ilaina ihany koa ny hanaovana izany ho an’ireo federasiona misitraka izany vola izany satria volam-panjakana ny resaka», hoy hatrany Ralaivao Lovatiako. Tsiahivina fa niaiky ity tomponandraikitra ity fa nisy ny lesoka teo amin’ny tsy fahaiza-mitantana eo amin’izy ireo.     TompondakaL’article Minisiteran’ny Fanatanjahantena: nampanao «audit» sy «inspection» a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ORANGE: Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny mpiara-belona

Zava-dehibe ho an’ny orinasa ny fampiharana ny RSE na « Responsabilité sociale des entreprises ». Fomba iray hanehoana fa tsy mijanona amin’ny fampiroboroboana ny orinasa fotsiny ihany ny RSE. Izany indrindra no namoronana ny  salon de la Responsabilité sociale des entreprises et des initiatives pour le Développement Durable (RSE-IDD) ho fandresena lahatra ny orinasa eto Madagasikara mba Fandresena lahatra ireo orinasa handray anjara amin’ny fanampiana ny maha olona sy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nanomboka omaly 3 jolay ary hifarana androany 4 jolay 2019 eny amin’ny « The Station » Soarano, Café de La Gare teo aloha ny Salon RSE-IDD, andiany fahaefatra. Mpanohana ity hetsika ity ny orinasam-pifandraisan-davitra, Orange Madagasikara.  Lohalaharana amin’ny orinasa ny fandraisana andraikitra amin’ny lafiny ara-tsosialy mba ho fanantanterahana ny politikan’ny fampandrosoana maharitra. Mampahafantatra ny fandaharan’asany amin’ny lafiny sosialy  eny amin’ny salon ny Orange ka anisan’izany ny fampivoarana ny fanabeazana nomerika amin’ny alalan’ny Orange School, ny fanajana ny  maha olona eny amin’ny tontolon’ny asa, ny fanampiana ny tanora mpandraharaha ary ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Nirina R. Cet article ORANGE: Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny mpiara-belona est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Mahery vaika ny valanaretina: niverina nihiboka noho ny Covid-19 ny any Frantsa

  Tratry ny tampody fohy. Tsy azo ialana noho ny fahamaroan’ireo tranga vaovao sy ny fiakaran’ny isan’ireo lavon’ny covid-19 ny fanapahan-kevitry ny mpitondra any Frantsa. Tsy maintsy niverina nihiboka indray ny any an-toerana, manomboka anio, araka ny fanambaran’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, afakomaly alina. “Anisan’ny fomba iray hiadiana sy hisakanana ny fihanaky ny valanaretina izany”, hoy izy.Na izany aza anefa, mbola manohy ny fianarana any an-tsekoly ireo mpianatra. Azo atao koa ny mamangy ireo toerana na foibe itaizana ireo zokiolona. Nilatsaka koa ny didy fa voarara tanteraka ny fivorivoriana ankalamanjana sy ny ivelan’ny fianakaviana.Hihiboka iray volana izany ny any FrantsaTsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana “attestation” amin’ny fivoahana na ny fivezivezena ivelan’ny trano fonenana ireo mponina. Mikatona ho an’ny firenena hafa, ankoatra ny ao Eoropa, ny any Frantsa. Ampahany amin’ireo fepetra samihafa noraisin’ny fitondrana frantsay izany, manoloana izao fiverenan’ny Covid-19 any an-toerana izao. Tsy mbola tafiditra ao anatin’izany fepetra izany kosa anefa ireo departemanta ivelan’i Frantsa.Tsiahivina fa hifarana ny 1 desambra, izany hoe haharitra iray volana, izao fihibohana any Frantsa izao.Tsy faly amin’i Frantsa ireo silamoEtsy andaniny, tsy faly amin’i Frantsa ireo firenena silamo noho ny ambaran’izy ireo fa fanimbazimbana ny finoan’izy ireo amin’ny alalan’ny nanaovana sariitatra ny mpaminany Mahomet. Resaka hafa koa izany, ankoatra ny covid-19…Synèse R.L’article Mahery vaika ny valanaretina: niverina nihiboka noho ny Covid-19 ny any Frantsa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mba hitondra fivoarana!

Saika ahitana fanamboaran-dalana avokoa amin’izao fotoana izao, manerana an’Antananarivo, fanamboarana hisorohana zavatra maro, toy ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny lozam-pifamoivoizana isan-karazany. Manana tanjona ny hampivoatra sy hampandroso ny fitondrana matoa manao izany ezaka izany, antenaina fa tena ho fivoarana marina tokoa fa tsy vao mainka hampitombo ny olana andavanandron’ny Malagasy. Fiainana isan’andro ary efa tsy mahataitra ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-dRenivohitra, indrindra ao anatin’izao fotoan’ny fanamboaran-dalana etsy sy eroa izao, fanamboarana hamahana io olana lavareny iainana io.Etsy ankilany, mitombo isan’andro ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny faharatsian’ny lalana sy ny fisetrasetran’ireo mpitondra moto. Hisorohana izany rehetra izany io fanamboaran-dalana io. Tokony hisy, araka izany, ny fahaizana milefitra ho an’ny mpampiasa ireny lalana hahitana fanamboarana ireny satria hitondra fivoarana ny anton’izany fa tsy inona tsy akory!Tranga iray hita amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ihany koa amin’izao ny mahakasika ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Mifampiankina betsaka amin’io fanamboaran-dalana io ihany koa izany satria toa vao mainka mampitombo ilay fitohanan’ny fiara. Efa notaterina teto, miverina mahazo laka indray ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Tsy ilay asa akory sanatria no ratsy fa ny fidiran’izy ireny amin’ny ora voaràra no nahatonga resabe, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny arabe eto an-dRenivohitra, izay saika mimenomenona amin’ny afitsony. Efa nisy anefa ny lalàna napetraka izay tsy voahaja hatrany. Hita ary tsapa hatrany fa mandalo fotsiny ihany ny fametrahana lalàna eto amintsika, ary saika hita taratra amin’ny sehatra rehetra mihitsy izany tsy fanarahan-dalàna izany. Matoa anefa apetraka ny lalàna, mba hitondra fampivoarana sy tsy hahatonga ny gaboraraka ka samy hanao izay saim-pantany ny rehetra. Mila manova toe-tsaina raha te hivoatra ary tokony hotohanan’ny vahoaka ny ezaky ny fitondrana hita fa hitondra fivoarana! Mi.RazL’article Mba hitondra fivoarana! a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - Santé - News Mada

Tsimbazaza : 25 ireo mpiasa sy depiote tratran’ny covid-19

Miisa 25 ireo solombavambahoaka sy mpiasan’ny Antenimieram-pirenena nifindran’ny covid-19. Miisa 11 amin’ireo ny depiote, ara­ka ny nambaran’ny filoham-pirenena ny alahady teo ary mpiasa kosa ny ambiny amin’izany. Nialohavan’ny fitiliana natao tamin’ireo mpiasa rehetra 400 teny amin’ny CCI Ivato izany, nialoha ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana farany teo. Efa nisy koa anefa ny namoy ny ainy ka anisan’izany ny depioten’i Mo­rom­be, Rakotomalala Lu­cien. Teo koa ny sitrana, anisan’izany ny depioten’i Vohi­peno, i Tsabotokay Honoré. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Raza­na­ma­hasoa Christine, ny hampihenana faran’ny azo atao ny isan’ny mpiasa mifamezivezy eny an-toerana amin’ny fanatanterahana asa. Amin’ izay farafahakeliny sisa ny asa atao. Atao koa ny fanondrahana ranom-panafody ny eny an-toerana, ary efa misy mpitsabo mandray an-tanana ny marary. Miaraka amin’ny fitaovana izay andrasana amin’ny fitondram-panjakana izy ireo amin’izany.R. Nd.L’article Tsimbazaza : 25 ireo mpiasa sy depiote tratran’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antenimierampirenena: nilaza hijoro ho arofanina ireo depiote Repoblikanina

Tafatsangana  eny amin’ny Antenimierampirenena eny  Tsimbazaza,  omaly  ny Vondrona parlemantera Repoblikanina (GPR).  “Ho hery afovoany ka ho arofanina izahay.  Tsy  ho mpanohitra befahatany  nefa koa tsy ho mpanohana sy mpila ranondranony. Hametraka  ny demokrasia ety amin’ny Antenimiera”, hoy ny filohany, ny depiote  voafidy avy any Ihosy, Rakotomamonjy Nepatraiky, omaly teny Tsimbazaza. Ahitana solombavambahoaka miisa 21 avy amin’ny tsy miankina na ny mahaleo tena ny GPR ary mbola miantso sy manentana ireo  namany hanampy azy ireo amin’izany.Nangataka seza  eny anivon’ny vaomiera Hifanatona amin’ny depiote avy amin’ny maro anisa IRD koa  izy ireo amin’ny tokony  hanomezana  seza azy ireo amin’ny fitarihana eny anivon’ireo vaomiera miisa 32 eny amin’ny Antenimierampirenena.Ankoatra izany, anisan’ireo mba nanolo-kevitra sy  nanampy ny  depiote avy amin’ny vovonona IRD koa amin’ny fanolorana ny anarana ho praiminisitra hotendren’ny praiminisitra izy ireo.Tsiahivina  anisan’ny niteraka resabe sy adihevitra  teto amin’ny firenena ny momba ireo mitonona  ho tsy miankina sy mahaleo tena voafidy ho solombavambahoaka ireo.Synèse  R.   L’article Antenimierampirenena: nilaza hijoro ho arofanina ireo depiote Repoblikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra
29/10/2020

 Mitohy ny asa fanadiovana eny anivon’ny fokontany, tanterahin’ny CUA ho fitsinjovana ny mponina sy ny tanàna, mialoha ny fahavaratra. Notanterahina tamin’ny alalan’ny asa tana-maro (Himo)  miaraka amin’ny RF2 ny dingana voalohany, natao amin’ny fokontany  IIIG Hangar sy ny eny Amboditsiry ary Manarintsoa Isotry. Nodiovina tamin’izany ny lakan-drano sy ny tatatra ary ireo faritra feno loto. Hifarana ny 31 oktobra izao izany raha nanomboka ny 21 oktobra teo. Hitohy amin’ny  fokontany hafa,  Andranomanalina Centre, Anatihazo Isotry, Anjezika II, AntetezanafovoanyII  ary 67 ha Avaratra Atsinanana ny hetsika.Tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA “Projet Intégré d’Assainissement d’Antananarivo “ sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny “Positive Planète” izao tetikasa izao.Etsy an-daniny, nanomboka omaly koa ny fampiofanana ireo RF2 momba ny teknika amin’ny fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mikasika ny fikolompahasalamana (CMH). Notanterahina tetsy amin’ny BMH Isotry izany ka miisa 61 ny fitambaran’ireo fokontany  anaovan’ny “Positive Planète” ny tetikasa fanadiovana.Synèse R.L’article Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra
26/10/2020

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

“Maso Miafina clan”: mikononkonona hira vaovao
31/10/2020

 « Maso Miafina clan”, vondrona mivoy ny gadona rap gasy, niforona ny taona 2016 tany ho any. Misy valo mirahalahy ny mpikambana ao anatiny. Ahitana an-dry Môzara, i Mental, i Goostmeh, i Tsihoarana, i Jackass (Kiaky), i Soa Rabe, i Tyjah Natoraly ary i Rihlain. Efa maro ny hira nanamarika azy ireo. Efa namoaka rindrantsary sy rakikira isan-karazany, azon’ny rehetra arahina ao amin’ny pejy “facebook” “Maso Miafina Ofisialy” izany. Ankoatra izay, eo am-piketrehana hira vaovao ry zalahy ireto ary hivoaka tsy ho ela izany, raha ny filazan’izy ireo.Maro ny sehatra efa nahitana ny “Maso Miafina”, anisan’ny nandraisany anjara, ohatra, ny “Rap Gasy Unity” andiany voalohany. Ny akaiky indrindra amin’ity taona ity, ilay hetsika “Rap ho an’ny taniko”, andraisanay anjara, anio 31oktobra ao amin’ny CLT Tsiadana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-15 taon’ny Animalk. Manana eritreritra ny handeha lavitra eo amin’ny tontolon’ny mozika izy ireo ary misokatra ho an’ny rehetra te hiara-kiasa aminy.Narilala L’article “Maso Miafina clan”: mikononkonona hira vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy
24/10/2020

Handeha lavidavitra kokoa amin’ny handrakofana ala ity Nosy ity. Notokanana, ny 20 oktobra teo, ny tanin-jana-kazo Mitsinjo ny ho avy ao Sahavon­dronina, kaominina Androy, distrikan’i Lalangina. Nitokana izany tany an-toerana ny Fita­lea­vam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) Matsiatra Ambony, Rabotovao Mamisoa. Mitan­tana ny tanin-jana-kazo kosa ny fikambanam-behivavy ao an-toerana, miara-miasa amin’ny MNP Ranomafana. Efa notsidihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Vahiniala, vao tsy ela izay, izany toerana izany. Ahitana karazany ireo zana-kazo miisa 12 500 ary tanjon’izy ireo ny hamokatra hatrany amin’ny 150 000 isa. “Miezaka mamokatra “pots biodégradables” , izany hoe, vita amin’ny herana, koa ry zareo ialana amin’ny fampiasana ny “pots plastiques”, hoy ny eo anivon’ny DREDD. Nivoitra tamin ny kabary nifandimbiasana ny olana sy ny fifanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fampaha­tsiahivana ny fampiharana ny lalàna velona.Synèse R.L’article Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy a été récupéré chez Newsmada.

Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
28/10/2020

  Iray amin’ireo Tahiry lehibe mampiasa vola aty Afrika ny DPI (DevelopmentPartners International), mitantana ny ADPIII (AfricanDevelopmentPartners III). Miara-miombon’antoka amin’izany ADPIII izany izao ny vondrona Axian eto Madagasikara.Indostria 23 amina firenena 29 aty Afrika no misy fandraisana anjaran’ny DPI. Miainga avy amin’izany ny traikefany sy amina fampiasam-bola ahitana fahombiazana. Maherin’ny 1,6 miliara dolara ny tantanana amin’izany amina indostria maro, afaka mahita tombony haingana. Manaraka ny tsara vitan’ny teo aloha ny ADPIII misy ny Axian, mifantoka amin’ireo orinasa tsy miankina mandroso amin’ny fitantanana.Ny fiaraha-miasa amin’ny Axian,  manambara ny finiavana fanatanterahana ny fanovana ny toekarena aty Afrika. Manoro fomba sy lalan-tokana aty amin’ny kaontinanta ny DPI. Fampiasam-bola iombonana manome lanja ny fiarahana amin’izay hatao rehetra, amina sehatra maro. Fiaraha-miombon’antoka, hahitana fiaraha-mitantana ny tahiry iombonana, hahafahana manavao sy mitaky fampivondronana fahaizana.Ny vola miasa aty Afrika avy amin’ny ADP III, tonga any amin’ny Axian hahazoana manao tetikasa amina sehatra sy toerana maro aty Afrika. Sady mpitantana tahirim-barotra ny DPI, no tompon’andraikitra amina fampiasam-bola araka ny namaritan’ny Firenena mikambana azy. Tanjona ny fampandrosoana maharitra, misy akony ara-toekarena amin’izay mpampiasa vola.150 taona eto MadagasikaraNy vondrona Axian, mpikambana ao amin’ny UN Global Compact ( Firenena mikambana), miasa mampifandray ny sehatra maro. “Ny renivola avy aty aminay, fomba iray entina mitrandraka ny sasany amin’ireo sehatra ireo. Mihevitra izahay fa ny fahombiazana sy maharitra hita amin’ny orinasa iray, tsy afa-misaraka amin’ny maha tompon’antoka azy amin’ny fitantanana”, hoy i Hassane Muhieddine, ao amin’ny Axian.Manaporofo izany, 150 taona eto Madagasikara izao ny vondrona Axian, hita amina sehatra dimy : fanaovan-trano, fifandraisan-davitra, raharaha ara-bola, angovo, sy fanavaozana. 5000 ny mpiara-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena.R.MathieuL’article Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
29/10/2020

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP3 Antanimasanja Mahajanga ny lehilahy iray 30 taona monina ao Tsararano Ambony, ny alatsinainy teo. Voarohirohy ho nanao fisandohana sy fanalam-baraka ny mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asany tamin’io fotoana io no antony nisamborana azy tao Manjarisoa. Mitohy ny fanadihadiana azy.Noraisim-potsiny teny Ampefiloha i Zily, jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana eny amin’iny faritra iny. Ny polisy avy ao amin’ny PPA1 Ampefiloha no nahasambotra azy, ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’i Zily. Jiolahy efa mpamerin-keloka i Zily.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte»
31/10/2020

 Na ho raikitra na tsy ho raikitra ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2022”, efa manomana ny ho fandraisana io lalao io ny “comité mixte”, tarihin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS). Fantatra àry fa nidina tany Toamasina izy ireo, omaly zoma, ka nihaona amin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana: ny lehiben’ny faritra sy ny “prefet” ary ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Tamin’io ny nampahafantaran’ny filoha lefitra voalohany ny federasiona, Andrianony Victorien, amin’ny fomba ofisialy, ny fampiantranoan’ny faritra Atsinanana io lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire io. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy, ny talata 17 novambra ho avy izao. Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ihany koa no nandrafetana ireo kaomisiona isan-karazany, hisahana ny fikarakarana samihafa hahazoana manatanteraka ny lalao.Tsiahivina fa nangataka fanemorana ny fihaonana ny FMF sy i Nicolas Dupuis, ary eo am-piandrasana ny valin’izany izy ireo ankehitriny.Tompondaka L’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte» a été récupéré chez Newsmada.

Fakafaka: taitaitra satria very fototra?
27/10/2020

 Na diso na marina ny fanambaran’ny Papa Fransoa. Na niteny na tsy niteny an’iny izy. Na nankatoa na tsy nankatoa ny fanambadian’ny mitovy fananahana izy. Inona ny tokony hampitsangam-bolo ny Malagasy amin’izany? Sanatria, tsy fanamaivanana ny tranga tahaka ireny akory fa matoa misy ny taitra, gaga, tezitra, mivarahontsana, malahelo, ketraka, mitebiteby, sns, olona tsy manana fototra ijoroana izy izay. Raha tena iainan’ny Malagasy ny kolontsainy, tsy misy tokony hahina sy hatahorana ny fielezan’iny vaovao iny. Tsy kolontsaina malagasy mihitsy ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Iny safotofotom-baovao iny no nanaporofo indray fa tsy miaina amin’ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony ny Malagasy sasany. Na, tsy mahafantatra akory ny momba azy ka sahiran-tsaina avy hatrany raha vao lalovana lamokam-baovao.Kolontsaina malagasy anisan’ny faratampony ny fanajana ny lalana voajanahary. Raha miaina izany hatramin’izay ka hatramin’izao ny Malagasy, tsy misy tokony hatahorana. Saingy, tsy izay ny zava-misy! Efa tazana etsy sy eroa ireo ampahana Malagasy very fototra sy atsingevan’ny « fandrosoana ». Eo koa ny Malagasy endrika ivelany fa poakaty. Na, feno ihany fa hipoky ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny hafa. Fanambadian’ny mitovy fananahana, tsy tokony ho tafiditra eto raha nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy! Misy adidy tsy efa ao. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny ray aman-dreny. Tsy notaizanareo amin’ny kolontsaina malagasy ve ny taranakareo no sahy manao tsinontsinona an-Janahary sy ny lamina napetrany?… Na izany na tsy izany, misy manozongozona mafy ny kolontsaina malagasy. Tsy vao izao io fa efa ela. Iray amin’ireny ny fampifangaroana ny finoana (araka ny nitondran’ny vahiny azy) sy ny fahalalana (niainan’ny Malagasy)… Sa ve manam-pahalalana lavitra no ho i Zanahary ny sasany ka sahy manao tsinontsinona ny lamina napetrany? Raha izay indray, azy ny azy fa tsy an’ny Malagasy rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: taitaitra satria very fototra? a été récupéré chez Newsmada.