Baolina kitra – Fanazarantena :: Hiverina an-kianja ny klioban’ny Fosa Juniors

News - Baolina kitra – Fanazarantena :: Hiverina an-kianja ny klioban’ny Fosa Juniors

News - Baolina kitra – Fanazarantena :: Hiverina an-kianja ny klioban’ny Fosa Juniors

Hiverina hiakatra kianja indray ireo mpilalaon’ny klioba Fosa Juniors, taorian’ny nanambaran’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fahafahan’ireo atleta manao fanazarantena, tamin’ny alahady alina lasa teo. Hanomboka amin’ny faran’ity volana ity ny fampivondronana voalohana an’ireo mpilalaon’ny Fosa Juniors rehetra, taorian’izay dimy volana nitsaharana noho ny hamehana ara-pahasalamana izay.

« Tsy mora ny fiverenana an-kianja. Mila mametraka fepetra matotra satria hihaona indray ireo mpilalao. Hisy, ohatra, ny fitiliana hatao amin’izy ireo, mialoha ny fanazarantena. Hojerena ireo fomba fisorohana hafa araka ny takian’ireo rafitra iraisampirenena (Fifa sy CAF) », hoy Rasoanaivo Titi, mpanolotsaina teknika ao amin’ny Fosa Juniors.

Tsiahivina fa mitazona ny anaram-boninahitra amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara farany azy ny Fosa Juniors, rehefa nijanona teo amin’ny andro faha-15 ny taom-pilalaovana ho an’ny fifaninanam-pirenena « Orange Pro-League », raha tsy misy fiovana. Ity klioba avy any Mahajanga ity no tokony hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fifaninanan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ny taompilalaovana 2021.

L’article Baolina kitra – Fanazarantena :: Hiverina an-kianja ny klioban’ny Fosa Juniors est apparu en premier sur AoRaha.

Baolina kitra – Fanazarantena :: Hiverina an-kianja ny klioban’ny Fosa Juniors

Nivoaka tamin'ny : 12/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa

Anisan’ny fifidianana arahin’ny rehetra maso, tsy ny eto Madagasikara ihany fa na hatrany ivelany, ny an’ny baolina kitra (FMF). Andrasan’ny besinimaro ny ho isan’ny kandidà tena voatazona hiatrika izany.Ho fantatra, rahampitso alakamisy 1 aogositra, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hamoaka sy hampahafantatra izany ny “Comité de normalisation”. Raha tsiahivina, dimy mirahalahy mianaka ireo kandidà nahafeno ny fepetra: Andriamiasasoa Doda, Rasoamaromaka Hery, Rabekoto Raoul Romain, Rakotomamonjy Neypatraiky ary i Mohamad Abdillah.Araka ny tsilin-tsofina anefa, mety hisy kandidà roa hosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Noho ny resaka politika ny iray, voalaza fa tsy azo afangaro amin’ny fitantanana ny baolina kitra ary ady heloka tsotra ny an’ny iray.Etsy ankilany, heno ihany koa fa toa nisy kandidà niala an-daharana fa tsy vonona tamin’ny ora farany. Ny fanambarana ataon’ny “Comité de normalisation” no hanamarina izany rehetra izany fa hatreto aloha, ho mpifaninana izy dimy ireo.Raha tsiahivina, hotanterahina any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Hiara-dalana amin’izany koa ny an’ireo ho komity mpitantana.Aorian’ny famoahan’ny “Comité de normalisation” ny kandidà ofisialy, hotontosaina ny zoma 2 aogositra ny antsapaka, amin’ny filaharana ao amin’ny biletà tokana sy ny ho fandraisam-pitenenana, ao amin’ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, hanehoan’izy ireo ny fandaharanasany.Tsiahivina fa manan-jo feno handatsa-bato, amin’io fifidianana, hatao any Toliara, io, ireo filohan’ny ligim-paritra 22, manerana ny Nosy. TompondakaL’article Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Herisetra :: Tovolahy, 19 taona, noterena nisotro asidra

Tsy maintsy notsaboina tany amin’ny hopitaly ny tovolahy iray, 19 taona, noho ny ratra nahazo azy, tany Mangarivotra Atsimo Toamasina, tamin’ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa may ny vavany rehefa noterena nisotro asidra. Lehilahy iray no voatondro ho nanao ny herisetra. Milaza ny hametraka fitarainana eny amin’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ilay tovolahy. Andrasana ny fahatongavan’ ny fitoriana amin’io raharaha io, hoy ny polisy, hirosoana amin’ ny fanadihadiana sy ny fisam­borana an’izay voarohirohy. «Voairaka hividy zavatra ilay tovolahy, tamin’io hariva io, no nosamborin’ny lehilahy iray ary nambarany fa mpangalatra. Nentiny tao an-trano ilay tovolahy. Noterena nisotro asidra izy, saingy tsy nahatelina izany. May ny vavany. Vory maro teo ny fokonolona. Nentina tany amin’ny hopitaly haingana itsy tovolahy. Avotra ny ainy », araka ny fitantaran’ny olona any an-toerana. Voalaza fa efa nisy loni­lony sy disadisa teo amin’ity tovolahy ity sy io lehilahy voatondro ho nampitelina asidra azy io. L’article Herisetra :: Tovolahy, 19 taona, noterena nisotro asidra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Tovolahy mpanendaka

Voasambotra teny amin’ny tsenan’Andravoahangy, ny zoma lasa teo, ny tovolahy roa, 19 taona sy 20 taona. Tratra nanendaka vehivavy iray izy roa lahy ireo. Mpiambina teo amin’ny manodidina no nahasambotra sy nanolotra azy ireo tamin’ny polisy nanao fisafoana tsy lavitra teo. L’article Tovolahy mpanendaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Vono olona :: Vehivavy iray ahiana nanapitra ny ain’ny namany

Voarohirohy tamin’ ny raharaha vono olona ny vehivavy iray, sivy amby roapolo taona, voasambotry ny polisy tany Tsarahasina Port-Bergé, tamin’ ny alahady lasa teo. Vehivavy namany ihany iry nindaosin’ ny fahafatesana vokatry ny herisetra nihatra taminy. Voa- tazona am-ponja vonjimaika ity ramatoa ahiana ho namono olona ity, eo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana. Hita faty tamin’ny kianja fanaovana fanatanjahantena tao amin’ny lisea teknika Port- Bergé , tamin’ny alatsinain’ ny Pantekoty lasa teo, ny vehivavy iray. Tsikaritra avy hatrany fa nisy namono io vehivavy io tamin’ny fahitana ratra teo amin’ny lohany sy ny tarehiny. Voafatotra tao an-damosiny ny tanany roa. Nanomboka teo ny fanadihadiana rehetra, izay niainga tamin’ny famantarana ny mombamomba an’ilay namoy ny ainy. Mpampiantrano Voalaza fa mpanangom-bokatra ny vehivavy iray avy any Ambanja, izay nikasa hividy vary tao Port-Bergé. Nitondra volabe manodidina ny folo tapitrisa ariary izy tamin’ izany. «Vehivavy tompon-tanana sady miara-miasa ara- barotra aminy no nampi- antrano azy, nanomboka ny sabotsy nahatongavany tao Port- Bergé hatramin’ny alatsinainy nahitana ny razana. Nandeha niafina tany ambanivohitra ilay nampiantrano ka tany no nisamborana azy. Mbola tavela tao an-tranony ny entan’ ilay vehivavy maty», araka ny fitantaran’ny polisy nanao ny fanadihadiana. Ny resaka vono olona no nitondrana ny famotorana an’ity vehivavy voasambotra ity. Fantatra, nandritra izany, anefa fa efa nahazo vola 55 600 000 ariary noho ny fisolokiana ihany koa izy, araka ny nambaran’ny mpanao famotorana hatrany. L’article Vono olona :: Vehivavy iray ahiana nanapitra ny ain’ny namany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Atletan’ny JIOI nahazo medaly: horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha

Araka ny loharanom-baovao, horaisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina eny amin’ny lapan’Iavoloha, ny alatsinainy ho avy izao, ireo atleta avy niatrika ny lalaon’ny Nosy natao tany Maorisy. Mandritra izany no hanolorana ny mari-pankasitrahana sy ny valin-kasasarana ho an’ireo nitondra medaly niverina teto an-tanindrazana. Samy hafa avokoa ny tambiny omena azy ireo, ho an’ny nisalotra medaly volamena, volafotsy ary ny alimo. Tsiahivina, niisa 49 ny medaly volamena azon’ny Malagasy nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo, 47 ny volafotsy ary 30 ny alimo, izany hoe medaly 126 izany no nentin’ireo atleta nody. Mendrika fankasitrahana izany, araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra, ny talata lasa teo, nandritra ny fihaonany tamin’ny federasiona rehetra nandray anjara, teny amin’ny lapan’ny fantanhajantena Mahamasina.Lalao AfrikanaHifantoka amin’ny lalao afrikana hotanterahina any Maraoka indray izao ny sain’ireo atleta malagasy, fifaninana goavana hanomboka ny faha-19 jolay izao. Taranja 11 no handraisan’ny Malagasy anjara amin’izany, ny atletisma, ny fibatana fonjamby, ny basikety, ny escrime, ny Tolona, ny Judo, ny ady totohondry, ny tekwondo, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy ary ny karate. Hanomboka tsy ho ela ny fampivondronana hanomanana ity lalao afrikana ity. Mi.RazL’article Atletan’ny JIOI nahazo medaly: horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena »

Nitohy tany Brieville any Tsaratanana, Andilamena, Mahatsinjo sy Mangabe ao Maevatanàna ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Mazava ny lahateniny momba ny hanarenana ny toekarena. “Amin’ny alalan’ny harentsika no hahafahana manavotra ny firenena. Manankarena isika ary mampidi-bola be nefa mahantra ny vahoaka eto Brieville. Ny ampahany betsaka amin’ny hetra azo amin’ny  kraomita entina hanasoavana ny vahoaka eto. Tokony handroso ny tanàna misy ny harena ankibon’ny tany sy ny fitrandrahana”, hoy izy. Toy ny nambarany tany amin’ny faritra hafa rehefa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny tenany,  nampanantena ny kandidà laharana faha-13 fa hamboarina hatao manara-penitra ny kianja. Hapetraka ny vondron-tafika manokana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Homena fitaovana toy ny fiara 4×4 sy helikoptera miisa 10 ny mpitandro filaminana. Hasian “puce” ny omby. Hahazo hopitaly manara-penitra ny any an-toerana. Hampidirina amin’ireo tanàna tsy mbola misy izany ny rano madio fisotro.Fanamboaran-dalana sy tany hovolen’ny tantsaha…  Eo koa ny fanorenana orinasa hamokatra ireo “panneau solaire” hampihenana ny vidin’ny jiro. Momba ny fanamboaran-dalana, handefa fitaovana “bulls sy ny” tracks” ny tenany. . . Hampitomboina ny tany volena ary hozaraina amin’ny tantsaha ny tany. Eo koa ny famokarana zezika, amin’ny vidiny mora. Hatao manara-penitra avokoa ny EPP sy ny CEG ary ny lycées rehetra.  Notolorana fitaovana koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny hamaha ny olan’ny mpiasa ny tenany. Hapetraka ny toeram-pitrandrahana vato hanaovana “pave” ny lalana sady hiteraka asa koa izany. Hahazo vary amin’ny vidiny mora, manomboka amin’ny herinandro ireo faritra notsidihiny. “Ho tanterahiko avokoa ny nolazaiko. Velirano no ataoko fa ho avy aho ary tonga hanavotra an’i Madagasikara… Matokia ahy fa hanavotra anareo aho ” hoy ihany izy.Ankoatra izany, nohitsiny fa tsy tokony hiala ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy vita ny fanisam-bato.Randria  L’article Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sekoly katolika: misokatra ny fisoratana anarana

Manomboka amin’ity herinandro ity ny fandraisana ny fisoratana anarana amin’ny sekoly katolika ho an’ny taom-pianarana vaovao 2020-2021. « Tsy nisondrotra ny saran’ny fisoratana sy ny saram-pianarana ho fitsinjovana ny ray aman-dreny », hoy ny mpitantana ny sekoly sasany. Manodidina ny 60 000 Ar ka hatramin’ny 80 000 Ar ny saram-pisoratana anarana sy ny adidy maro miaraka aminy aloa isan-taona. 27 000 Ar – 30 000 Ar kosa ny saram-pianarana isam-bolana. Na mbola manomana ny fanadinana BEPC sy bakalorea aza ny kilasy 3ème sy ny famaranana, tsy maintsy efa heverina sahady ny firosoana amin’ny taom-pianarana vaovao , hoy ny mpandrindra ny fampianarana katolika eto Madagasikara. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana kosa, miandry ny valim-panadinana hivoaka vao mandray fanapahan-kevitra amin’ny fisoratana anarana vaovao.Ho an’ny kilasy intermédiaire, ho an’ireo niakatra amin’ny kilasy ambony, mamita ny fandaharam-pianarana tsy vita nandritra ny taom-pianarana 2019-2020 ny mpampianatra isan-taranja mandritra ny iray na roa volana eo ho eo, araka ny fanazavana azo. Tsy miova fa ny kahie nampiasaina tamin’ny taon-dasa no entina satria mitohy ny lesona sy ny fampiharana.Vonjy A.           L’article Sekoly katolika: misokatra ny fisoratana anarana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antafia-Maevatanana: natsahatra ny fitrandrahana volamena

Nidina tany amin’ny fokontany Antafia, any Maevatanana ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Hita tamin’izany ny mbola fanohizana fitrandrahana volamena ao anatin’ny faritry ny orinasa Kraoma ataon’ny Sinoa, ka nanapa-kevitra ny minisitera nampitsahatra izany fitrandrahana izany. Nogiazana ny fitaovana nampiasaina tamin’izany. Nanazava ny minisitra , Ravokatra Fidiniavo fa efa tapitra tamin’ny novambra 2018 ny fe-potoana fifanarahana teo amin’ny orinasa Kraomita Malagasy sy ireo Sinoa mpitrandraka volamena ireo, nefa mbola notohizana ihany. Nampiasa akora simika izy ireo, toy ny mercure lasa mandoto rano, manimba ny tontolo iainana, ka miteraka fiantraikany ratsy ao amin’ny fahasalaman’ny mponina manodidina.Betsaka ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’iny faritra iny, mampifandray an’Alaotra sy Betsiboka, indrindra momba ny fitrandrahana volamena. Olon-tsotra mandeha irery, mifanaraka amin’ny mpanangom-bokatra mandeha irery ihany koa. Samy tsy misy tambiny izany ho an’ny kaominina sy ny fanjakana foibe. Ankoatra izay, olana lehibe ny fidiran’ny hafa mitrandraka ao amin’ny faritry ny orinasa Kraomita Malagasy, izay orinasam-panjakana.  Betsaka ny tatitra tsy tonga momba izany any amin’ny Anor (Agence nationale de l’or) ka zary fatiantoka goavana ho an’ny fanjakana. R.MathieuL’article Antafia-Maevatanana: natsahatra ny fitrandrahana volamena a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville
24/09/2020

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020
25/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.D’après le bilan quotidien sur la situation de pandémie de Covid-19 à Madagascar rapporté ce vendredi 25 septembre, 30 personnes ont été diagnostiquées positives au coronavirus sur les 277 échantillons analysés. Ainsi, la Grande Île compte 16221 cas de contaminations depuis le mois de mars. La répartition de ces nouveaux cas se présente comme suit: 10 cas à Analamanga, 7 cas à Alaotra Mangoro, 4 cas à Matsiatra Ambony, 7 cas à Diana, 1 cas à Atsimo Andrefana et 1 cas à Menabe. Actuellement, 14867 d’entre eux sont déjà guéris, ce qui porte à 1124 le nombre des patients encore en traitement. Toutefois, ce qui est rassurant est qu’il ne reste plus que 11 formes graves sur ces cas actifs. Par ailleurs, 34 guérisons ont été annoncées et un nouveau victime. Désormais, le pays compte 228 décès liés au coronavirus. L’article COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika
26/09/2020

Tsy mitovy ny nandalo sekoly fianarana mozika sy ny manao mozika fotsiny… Noporofoin’ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny CNEMD izany, nandritra ny lanonana roa sosona, omaly.CNEM, Ivontoeram-pirenena mampianatra mozika taloha, izay niampy ny dihy ka lasa CNEMD, ankehitriny. Mahalala azy avokoa ireo liana tamin’ny fianarana mozika rehetra. Saika nandalo nandranto fianarana tao ihany koa ireo andrarezina amin’ny mozika… Saingy nampalahelo fa simba tsikelikely ilay tranon’ny CNEMD ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ka tsy nampiasaina intsony, ny taona 2019. « Raha nandray ny fitantanana ny minisitera aho, ny taona 2019, naniry ny hitsidika ny ato amin’ny CNEMD. Nambara tamiko tamin’izany anefa fa tsy azo idirana intsony ity trano fianarana mozika manana ny lazany ity, noho ny fahasimbany. Tsy nisy nanamboatra nandritra ny taona maro kanefa dia toeram-piasana sy fandraisana olona izy ity. Nanapa-kevitra avy hatrany ny minisitera hiroso amin’ny asa fanarenana, noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ity toeram-pianarana zavakanto ity. Vita izao ny asa ary tsy ny trano ihany no nasiam-panavaozana fa ny fomba fampitana fahalalana ato ihany koa ho mendrika izany hoe CNEMD izany”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Notokanana omaly, araka izany, ny trano nasiam-panamboaran’ny CNEMD. Niara-dalana tamin’izany ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpampianatra sady mpikaroka miisa 13. “Mpampianatra manan-talenta avokoa izy ireo, izay mbola naniry ny hanatevina fahalalana. Nahavita soa aman-tsara ny fiofanana izy ireo ka mendrika ny homena ny mari-pahaizana ambony mifanaraka amin’ny lentany”, hoy kosa ny nambaran-dRazafindrazaka Holy, talen’ny CNEMD. Misongadina ry Zazakanto Nanapa-kevitra ny minisitera sy ireo teknisianina amin’ny sehatry ny mozika, hitondra fanazaovana amin’ny fampianarana mba hifanaraka amin’ny maha izy azy antsika sy ny iainan’ny Malagasy. Anisan’ireo mpianatra, tamin’iny taom-pianarana iny, noraisin’ny CNEMD sy nisitraka izany fanavaozana izany ry zalahy Zazakanto. Vao volana vitsy monja, kanefa efa nahafolaka zavamaneno sahady izy ireo, hany ka tafatsangana ireo mpanotrona rehetra taorian’ny seho fohy nataon’ireto manan-talenta ireto. Nisy 103 ireo mpianatra nandritra iny taom-pianarana iny ka ny 69 tamin’ireo no afaka tamin’ny fanadinana. Tsy tena sakana loatra tamin’ny fampianarana ny fihibohana, satria ampy ihany ny fotoana namitana ny fandaharam-pianarana, raha ny fanazavana. Fantatra fa hatao tanjona manaraka ny fanokafana ireo rantsan’ny CNEMD any amin’ny faritra. Eo koa ny fampiarahana ny asa, izay iandraiketan’ity ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy ity, amin’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, izay ho vita ny volana janoary 2021.Zo ny Aina L’article Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona”
21/09/2020

“Tokony hojerena ny And. 81 sy ny manaraka izany ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona. Feno ny fepetra takin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara marihina koa fa nahavita fifidianana ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona sy tapany. Teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolatsain’ny Tanàna, natambatra.Iaraha-mahita koa fa tratran’ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny fihanaky Covid-19 isika, nanomboka ny ny volana marsa ka hatramin’izao. Tsy misy azo natao.Tapitra fe-potoam-piasana ny loholonaNa tiana na tsia, tsy maintsy tapitra amin’ny voalohandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tsy azo ihodivirana izany ka irosoana ny fifidianana. Misy koa ny andininy mamaritra ao amin’ny lalàmpanorenana fa hatreo amin’ny 30 novambra no farany azo anaovana fifidianana fa miditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Nefa raha antony tsy azo anoarana, azo atao ihany ny manatanteraka fifidianana.Tamin’ny taona 2015, toy izao ihany ny fifidianana loholona: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna no nifidy, na mbola tsy feno aza ny rafitra voalazan’ny lalàmpanorenana. Mandroso tsikelikely ny fametrahana izany rafitra izany…Mamaritra ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izany. Na araka ny And. 81 sy ny manaraka azy ao amin’ny lalàmpanorenana, na ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny Antenimierandoholona. Eo koa ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna rehetra mifandraika amin’izany ary ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy, araka ny fanazavany.R.Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona” a été récupéré chez Newsmada.

Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola
26/09/2020

Sarona tamin’ny fotoana tsy nampoizina ! Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy migadra ao anatin’ny fonjaben’i Tsiafahy akory ilay mpandraharaha, Rajaonah Mbola sy ny teratany maorisianina roa hafa fa nomena vahana manokana. Noraisina avy hatrany ny fepetra momba izany.Efitrano manokana arifomba tanteraka. Fantatra fa nisy ny fisafoana tampoka nataon’ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja teny Tsiafahy, ny 20 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Sarona tamin’izany fa tsy ao anatin’ny fonja itazonana azy vonjimaika Rajaonah Mbola sy ireo teratany maorisianina roa. Nafindra sy mipetraka soa aman-tsara any amin’ny “batiment administrative”, biraon’ny sefo iray lehiben’ny mpiandry fonja ilay mpandraharaha. Ahitana fitaovana samihafa, toy ny fahitalavitra “écran plat”, ordinatera, vata fampangatsiahana kely, fatana mandeha amin’ny “gaz” miaraka amin’ny kojakojan-dakozia ilay efitra. Tahaka izany koa ireo teratany maorisianina roalahy, nahazo efitrano mitokana, ahitana fitaovana samihafa, mitovy amin’ireo. Natory soaman-tsara avokoa izy ireo, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao tamin’io fisafoana tampoka natao io.Resaka toe-pahasalamanaNilaza ny tompon’andraikitra voalohan’ny fonjan’i Tsiafahy, rehefa nanontaniana fa anton’izao namindrana toerana azy ireo amin’ny trano arifomba ivelan’ny fonja ny resaka toe-pahasalaman’izy telo lahy ireo.Manoloana izany, nafindra avy hatrany, naverina ao anatin’ny  fonjaben’i Tsiafahy toa ireo voafonja rehetra izy ireo. Nohamarinin’ny tompon’andraikitra koa fa tsy mitombina ny filazana fa hoe tsy salama izy ireo. Nomena fampitandremana hentitra ny tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao koa ny lehiben’ny fonja fa handraisana fepetra avy hatrany ny momba azy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Voalaza rahateo fa mety hanohintohina ny filaminana eny Tsiafahy sy ny filaminam-panjakana izany.Tokony hitohy sy hiitatra amin’ny fonja hafaTsiahivina fa voatana am-ponja vonjimaika (MD) avokoa ary samy tsy mbola voatsara izy telo lahy ireo. Nanomboka ny 22 janoary 2020 ny nitanana an-dRajaonah Mbola raha samy tamin’ny 12 jona 2018 kosa ireo teratany vahiny roa hafa.Araka izany, tokony harahi-maso sy hanaovana fisafoana tampoka tahaka izao avokoa ireo fonja rehetra. Ahina hiteraka kolikoly sy firaisan-tendro ny tranga tahaka izao ka ilaina ny fanohizana ny hetsika tahaka izao.RandriaL’article Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola a été récupéré chez Newsmada.

Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19
26/09/2020

Tsy re tsaika, efa hananika ny 230. Namono olona iray indray ny valanaretina coronavirus, omaly. Avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony izy io ary notsaboina tao amin’ny CHU Andrainjato. Tafakatra 228 izany izao ireo lavon’ny covid-19 hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy an-daniny, midina hatrany ny isan’ireo tranga vaovao. Miisa 30 ireo nifindran’ny valanaretina ka avy eto Analamanga ny 10 amin’izany. Fito avy ny any Alaotra Mangoro sy Diana. Efatra ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Atsimo Andrefana sy ny avy any Menabe.Nihena tahaka izany koa ireo anaty fahasarotana. Miisa 11 ireo “forme grave” izao raha 15 izany teo aloha. Miisa 34 ireo sitrana ka tafakatra 14 867 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 221. Nidina ho 1 124 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim
25/09/2020

Handeha ila ny fifidianana ? « Tsy handray anjara izahay. Tsy ara-dalàna ny firosoana amin’io fifidianana io. Aleo hitsara ny vahoaka na ara-dalàna na tsia izany fifidianana izany. Tena amboletra ny hanaovana izany », hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. Namory sy nanome toromarika ireo olom-boafidy ahitana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, ny depiote, ny loholona tetsy Bel Air ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa miara-dalana amin’ny vondron’ny parlemantera sy ny mpanohira, nifamory teny Andrainarivo izy ireo. « Voafehy ary tsy hiatrika na handray anjara amin’izany fifidianana izany ireo olom-boafidinay ireo », hoy ihany izy.Momba ny fanakatonana ny AAA kosa, nambarany fa tsy tompon’andraikitra amin’io orinasa io ny tenany. « Mazava ny voalazan’ny sori-dalana raha momba ny hetran’ny Tiko fa anjaran’ny fanjakana ny manonitra ireo orinasa niharam-boina tamin’ny krizy teto amin’ny firenena », hoy ihany izy.Tsiahivina fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo antoko politika ivelan’ny fitondrana sy ireo parlemantera, ao anatin’ilay antsoina hoe “Groupe Panorama” ny avy amin’ny Tim. Mitovy ny tadin-dokanga ny amin’ny tsy fanekena ny hirosoana amin’ny fifidianana loholona.Synèse R.L’article Fiaraha-mientan’ny mpanohitra: hidongy tsy handray anjara amin’ny fifidianana  ny Tim a été récupéré chez Newsmada.

Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona
22/09/2020

Trano miisa 15 no indray kila hotohoton’ny afo, omaly tamin’ny 10 ora maraina tao Mangarano Toamasina, mifanila amin’ny tobin-tsolika iray. Taim-bankona niainga avy ao amin’ny toeram-piompiana akoho matavy no nitarika ny firehetana…Loza iray, loza roa…! Saika izany hatrany no hita tato ho ato izay, na lozam-pifamoivoizana io na haintrano goavana. Raha ity zava-nitranga tao Toamasina, omaly ity, niainga avy tamina afona taim-bankona ao amin’ny trano fiompiana akoho matavy no pitik’afo nampijoalajoala ny afo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpamponjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Desiré. Nisoko mangina tao anaty taimbankona ny afo ka nahazo ny fitaovana tao an-trano ka nampiitatra ny afo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria nalaky ny fiitaran’ny afo. Saika zava-doza ny fisian’ny tobin-tsolika iray teo akaikin’ireto trano nirehitra ireto. Samy nanao izay ho afany ny teo amin’ny manodidina nifanome tanana tamin’ny mpamonjy voina mba tsy hiitaran’ny afo. Voafehy ihany anefa ny izany ka tsy tonga tany amin’ny faritra misy ny tobin-tsolika. Ankoatra, ny fanafihan-jiolahy mitam-pidiana mahery vaika, isan’ny mampalaza ny faritra Atsinanana ny fisian’ny haintrano matetika any an-toerana. Ho an’i Toamasina manokana, tato anatin’ny volana septambra ity, indroa nisehoana haintrano goavana tany an-toerana. Miisa 18 tafo ireo trano nirehitra tao anatin’izay 21 andro izay, nahitana traboina miisa 123 raha antapitrisany maro kosa ny entana lasa lavenona.Sajo sy J.CL’article Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika
25/09/2020

Ao anatin’ny velirano napetraky ny filoha Rajoelina ny fampandrosoana ny seha-piharian’ny mpandraharaha ka mañana andraikitra amin’izany ny fandaharanasa Fihariana. Natao sonia ny 23 septambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny fandaharanasa Fihariana sy ny vondron’ny orinasa mamokatra biolojika Symabio. Mifantoka amin’ny fambolena sy fanodinana vokatra biolojika ny Symabio.Nilaza ny sekretera mpanatanteraka (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valerie, fa tanjona ny hampiroboroboana ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra fambolena biolojika eto Madagasikara. Tohanana ara-bola sy ara-teknika ny tantsaha malagasy miara-miasa amin’ny Symabio. Omena fiofanana koa izy ireo amin’ny lafiny fitantanana, ny fampifandraisana amin’ireo samy nahazo tohana, sy mitovy lalam-pihariana.Manodidina ny 200.000 ny tantsaha hisitraka ny tohana avy amin’ny Fihariana. Misandrahaka amin’ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny ilomenaka, ny jono (makamba, drakaka,…), sns.Misehatra amin’ny fambolena ny 48,29% ny antontan-taratasy voarain’ny Fihariana, tamin’ny taona 2019. Azo antoka fa hanafaingana ny fampandrosoana isam-paritra ity fiaraha-miasa ity. Hampiroborobo sy hanitatra ny seha-pihariana, ny fanodinam-bokatra, ny indostria, ny famoronana asa manerana ny Nosy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika a été récupéré chez Newsmada.