Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana

News - Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana

News - Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana

Niroso tamin’ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana bakalôrea ny mpitsara, nanomboka omaly tolakandro. Tamin’ ny alakamisy lasa teo no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny raha mbola mitohy kosa ny adina ho an’ireo mpianatra miatrika ny sokajy teknika. Tombanana hivoaka, amin’ny tapaky ny volana novambra any ho any, ny voka-panadinana.

“Efa manomboka ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana ho an’ny bakalôrea ankapobeny. Ho vita amin’ ny herinandron’ny 2 novambra ho avy izao ny fitsarana rehetra. Any amin’ny herinandron’ny 16 novambra any kosa no hivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fanadinana.

Tsy mbola manana ambara mikasika ny naotin’ireo mpiadina kosa ireo mpitsara noho izy ireo vao manomboka ny fitsarana.

Nizotra am-pilaminana kosa, tamin’ny ankapobeny, ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, omaly. Hifantoka amin’ireo taranja natokana ho azy ireo ny mpiadina, amin’ity herinandro ity. Nanao fidinana ifotony teny amin’ny lisea teknika Ampasampito sy teny Mahamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice, omaly. Mafy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fanadinana manerana ny Nosy. Omaly ihany dia efa nosantarina ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina.

L’article Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana est apparu en premier sur AoRaha.

Bakalorea :: Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana

Nivoaka tamin'ny : 27/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka

Haipaika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fiofanana RE-ORG (Réorganisation des réserves au sein des musées). Efa betsaka ireo mozea tamin’ny firenena maro  no efa nampiasa azy ity ho fandaminana ireo vakoka sy ny fomba fitehirizana azy. Mpitahiry vakoka 26 avy amin’ny mozea 12, mpikambana ao amin’ny ICOM (Comité National Malgache pour le Conseil International des Musées) no hahazo fiofanana momba ny RE-ORG. Mpampiofana matihanina avy amin’ny ICCROM (Centre International d’Etudes pour la Conservation et la Restauration des biens culturels), manana traikefa momba an’i Madagasikara, Gaël de Guichen sy Baba Keita ary mpampiofana Malagasy  miisa dimy avy amin’ny ICOM Madagasikara no hampiofana azy ireo ny 11 ka hatramin’ny 21 jona 2019, eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ity fampiofanana ity ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny  biraom-paritry ny UNESCO Afrika Atsinanana, ny ICOM  sary ny ICCROM.  Tohiny ny tetikasa novatsian’ny fanjakana japoney tamin’ny 2015 ho fanarenana ireo vakoka sisa tsy may tao amin’ny Rova Antananarivo, nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ity fampiofanana ity araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana momba ny mozea sady filohan’ny ICOM Madagasikara, Rasoarifetra Bako.  Ho fanatsarana ny fomba fitehirizana sy ny fanomezan-danja ireo vakoka tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana nafindra tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra,  fanamafisana ny fampiasana antontan-kevitra mirakitra ny vakoka,  fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpitahiry vakoka sy fandaminana ny mozea no tanjon’ny fiofanana.  Manana vakoka 1400 ny Lapan’Andafiavaratra ka ny 20 % amin’ireo dia vakoka voavotra tamin’ny fahamaizan’ny Rovan’Antananarivo, ny taona 1995. Vinavinaina hisokatra ho an’ny daholobe ny mozea ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny  volana novambra 2019, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Razafiarison Francis. Lynda A.           Cet article MOZEA: Hampiofanina momba ny RE-ORG ireo mpitahiry vakoka est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Voina teny Nanisana :: Mpandrafitra iray maty nihotsahan’ny tany

Nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fihotsahan’ny tany tampoka, teny Nanisana ny lehilahy iray, omaly hariva tokony tamin’ny 3 ora. Isan’ireo mpandrafitra manangana sisina rindrin-tany amin’ny vato io tra-doza tampoka io. Naharitra minitra maro ny famonjena sy ny fanalana ireo tany nanindry azy nataon’ny mpamonjy voina vao hita ny razana. “Teo am-panalana ireo tany sasany amin’ny rindrin-tany iray vao harenina io lehilahy io sy ny namany vitsivitsy no nianjera tampoka ilay rindrin-tany. Tototra tao ambany ny iray tamin’ireo mpandrafitra. Niezaka ireo namany nanala ireo tany saingy tsy afa-nanoatra noho ny habetsahany”, hoy ny fanazavan’ireo olona monina tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza. Tsy nanampo ny zava- nitranga ireo mpiasa teo. “Tampoka ny zava-nisy. Manangana tsikelikely ny rindrim-bato izahay. Ny sasany taminay nanala ireo tany, izay tokony mbola hoesorina sy manampy tany izay tokony harenina. Tsy noheverina ho nihotsaka anefa ny rindrin-tany”, hoy ny sasany tamin’ireo mpiasa. L’article Voina teny Nanisana :: Mpandrafitra iray maty nihotsahan’ny tany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany

“Héroïnes » manodidina ny 40 kilao teo no tratran’ny ladoany ( Service de la surveillance et de la lutte contre la contrebande, Brigade des stups) tany Toamasina, omaly. Niara-niasa ny CSI (Comité pour la sauvegarde de l’intégrité), le CRFIM (Centre régional de fusion d’informations maritimes) nampian’ny FIP sy ny zandary no nahasarona ity tambazotra ity.Efa tao anaty fiara 4×4 iray saika hiala tany Toamasina no tratra ireo zava-mahadomelina ireo. Tao anaty valizy nafenina anaty lamba. Rehefa nosavaina ilay fiara ka tratran’ny manampahefana tamin’izany. Olona maromaro no voasambotra ary mandeha ny famotorana.Tranga mahazo vahana eto amintsika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Matetika any Maorisy no misy olona tratra avy aty amintsika. Fantatra fa firenena andalovan’ny “Héroine” eto amintsika, ary mandeha any amin’ny firenena hafa avy eo. Efa maro ihany koa anefa ny manjifa azy ity eto amintsika, ary miparitaka eto an-dRenivohitra izany.Yves S. L’article Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitsinjovana ara-pahasalamana :: Mpiasan’ny fahasalamana eninjato mahery hahetsika amin’ny fahatongavan’ny Papa

Samy handray ny tandrify azy ny sehatra rehetra amin’ny fahatongavan’ny Papa Fransoa eto Madagasikara, manomboka amin’ny 6 septambra ho avy izao. Isan’izany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay hanetsika mpiasan’ny fahasalamana dimampolo sy eninjato, mandritra ilay andro lehibe hisian’ny lamesa hiarahana amin’ity lehiben’ny fiangonana katolika maneran-tany ity, eny Soamandrakizay. « Fitsinjovana ara-pahasalamana no hatao mandritra io fotoana io. Raha sanatria misy ny marary tampoka dia raisina eo no ho eo, tahaka izany koa ohatra, ny olona torana na tratran’ny hanoanana tampoka. Hoentina eny amin’ny hopitaly kosa raha mila fitsaboana hafa tsy vita eny an-toerana. Efa miomana ihany izahay amin’ny fametrahana toeram-pitsaboana handraisana ireo iharam-boina, raha sanatria misy zavatra mitranga. Afaka handray tra-boina marobe io toerana io », hoy ny profesora Rakotoarison Nicole, mpandrindra ny fisorohana ara-pahasalamana. Fantatra fa hisokatra daholo ny tobim-pitsaboana amin’ny faritra rehetra mandritra an’io fotoana hivanianan’ny Papa Fransoa eto amintsika io. « Mandray andraikitra avokoa ny minisitera isan-tsokajiny. Ho an’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ohatra, dia handraraka ranom-panafody amin’ireo fiara rehetra miditra eto Antananarivo ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina pesta izy ireo. Hisy foana koa ny fanaraha-maso eny amin’ny seranam-piaramanidina », araka ny fanampim-panazavany. Tanjona ny tsy hisian’ny aina hafoy sy ny voina amin’io fotoana lehibe io, ka tokony hanaraka lamina efa napetraka ny tsirairay. L’article Fitsinjovana ara-pahasalamana :: Mpiasan’ny fahasalamana eninjato mahery hahetsika amin’ny fahatongavan’ny Papa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fenoarivobe : Tsy mbola hita ireo razana efatra

Hatramin’ny omaly, dia tsy mbola ireo razana efatra izay tototry ny tany tao Fenoarivobe. Izy ireo raha tsiahivina fohy, dia mpitrandraka volamena ary nihotsahan’ny tany. Folo no indray maty tamin’ny alahady. Ny enina no efa hita rehefa nandeha ny fikarohana. Sarotra ny fanohizana ny fitadiavana ary efa manomboka afa-nenina ny olona. Raha ny re avy any an-toerana dia mety hatsahatra amin’izay ny fitadiavana fa hasiana tsangambato kosa mba ho fanomezam-boninahitra ireo maty sy ho fahatsiarovana azy eo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza koa. Tsy misy fenitra ary tsy misy fanaraha-maso tanteraka ny fitrandrahana eto amintsika. Matetika no miseho ny loza satria lasa lalina loatra ireo olona izay noho ny fitadiavana dia lasa tsy mieritreritra intsony izay mety ho loza hitranga. Tsy ny volamena ihany fa ireo mpitrandraka vatosoa koa dia efa betsaka no maty. D.R  L’article Fenoarivobe : Tsy mbola hita ireo razana efatra a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Loza tetsy Tsaralalàna

Samy nahitana fahasimbana ny fiara roa nijanona nanolo­ana ny tobin-tsolika iray tetsy Tsaralalàna, omaly, rehefa nifandona. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny olona naratra, araka ny fitantaran’ny olona teny an-toerana. L’article Loza tetsy Tsaralalàna est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Musique : « Fanantenana », “l’OVNI” du rap malgache

Les groupes de rap comme Da Hopp ont insufflé une dynamique jamais retrouvée du rap malgache. En 2003, sortait « Fanantenana ». L’unique album, jusqu’à maintenant, de Da Hopp, considéré comme les pionniers du genre à Madagascar. Produit culturellement important, puisqu’il cumulait le long cheminement du rap national existant depuis la fin des années ’80 dans les grandes villes du pays. Il fallait une musique aux jeunes, des sonorités nouvelles, des messages qui leur représentaient, des tendances à affirmer… 2003 a été une année d’espoir politique, à peine sortie d’une crise majeure. Le titre de l’opus tombait à point nommé, « Fanantenana » se traduit ainsi par « espoir ». Le hip hop malgache, grâce à ce disque, se positionnait alors en voiture ouvreuse. Profitant alors d’une dynamique nouvelle. La reprise économique du pays a été fulgurante après des ponts dynamités, des barrages économiques, des affrontements armés… Le contexte voulait que « Fanantenana » ait réussi à se tailler une place dans le monde « adulte » de la musique. L’album a décrispé la société tananarivienne sur ce genre venu des « States ». Plutôt caricatural au début, porté par des groupes comme Benny B, Vanilla Ice… d’un côté. Et Public Enemy, d’un autre. Un genre afro–américain, des descendants d’esclaves, rapidement légué au rang de passe–temps de jeunesse par la pensée dominante tananarivienne. Il y a encore quelques années, des rappeurs célèbres se plaignaient de recevoir des cachets dérisoires. En partageant pourtant la scène avec des vedettes de la variété, touchant deux fois plus. Si aux Etats–Unis, le jazz, est considéré comme la première musique ayant revendiqué la liberté des noirs  et la jouissance des mêmes droits que les blancs. Un genre également affilié aux voyous et aux mafieux. Le rap, son cousin, était la nouvelle voix des revendications d’une communauté « afro–descendant » classée de sous–hommes. Dès lors, « Fanantenana » avait ce poids historique à revisiter à la sauce malgache dans les veines. Des titres/hymnes comme « Kay le an’ah », « Oz’iz Mama »… L’album collait à la vision de la vie et aux galères de sa génération. Da Hopp parlait pour sa communauté, celle de la génération active et montante qui voulait démontrer sa part de sagesse et responsabilité. Une voix qui savait se faire entendre musicalement, sur des instrumentaux tirés du terroir du sud malgache. Le disque avait une identité propre à elle. Une véritable prouesse, que le métal ou le reggae malgache ont mis des années à mériter. A côté de Da Hopp, se trouvaient des pointures comme Shao Boana, Takodah sy Ngah Be… Une promotion du rap jamais inégalée depuis tout ce temps. Ces « gars » diffusaient du rap conscient et contestataire. Shao Boana, par exemple, revendiquait son africanité en utilisant les termes comme « Makoa ». Une révolution. Takodah sy Ngah Be ont été à la limite de l’outrage envers la pensée dominante. Des écorchés vifs. Ces gens faisaient du rap pour les Malgaches, combattaient avec des rimes le système. Loin de la dynamique actuelle avec un pays presque aussi pauvre que le Soudan. Malgré les inégalités sociales flagrantes. Les violences économiques ou plutôt de la torture économique. Maminirina Rado L’article Musique : « Fanantenana », “l’OVNI” du rap malgache est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : « Fanantenana », “l’OVNI” du rap malgache a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur
25/11/2020

Le président de la Commission de mise en accusation devant la HCJ, Tsabotokay Honoré. Un renvoi sine die. Prévue se dérouler hier, la présentation du rapport d’activités des membres de la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice (HCJ) à l’Assemblée nationale n’a finalement pas eu lieu. Les députés ont décidé un report de dernière minute. En effet, le président de ladite Commission, le député de Vohipeno Tsabotokay Honoré, a annoncé l’ajournement du programme, environ 15 minutes seulement après le début de la séance plénière. Pour justifier ce deuxième report, car il convient de noter qu’un premier ajournement a déjà eu lieu la semaine dernière, Tsabotokay Honoré a annoncé que la Commission n’a pas encore terminé complètement l’étude des dossiers reçus à Tsimbazaza concernant quatre anciens ministres. « Il vaut mieux libérer un coupable plutôt que de condamner un innocent », a-t-il soutenu. A entendre ses explications, les conditions ne sont pas encore réunies pour que les députés prennent une décision concernant la mise en accusation de ces anciens hauts responsables, devant la Haute Cour de Justice. Selon ses dires, aucun des ministres concernés par ces premiers dossiers ne s’est présenté à Tsimbazaza pour plaider leur cause pendant les travaux en commission. Il s’agit de l’ex-ministre de la Population Onitiana Realy, l’ancien ministre de l’Aménagement du territoire du temps de la Transition Reboza Julien et l’ancien ministre de l’Environnement sous le régime Hery Vaovao hoan’i Madagasikara, Anthelme Ramparany. Certains d’entre eux auraient en revanche été représentés par leur avocat. Quant à lui, l’ex-ministre de la Santé, le Professeur Mamy Lalatiana Andriamanarivo aurait envoyé un certificat médical attestant qu’il aurait été testé positif au coronavirus. A noter qu’Onitiana Realy et Anthelme Ramparany se trouvent à l’extérieur malgré l’existence d’une Interdiction de Sortie du Territoire (IST) prise à leur encontre par les autorités compétentes. Investigations. En tout cas, la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice entend encore approfondir ses investigations. Par ailleurs, des témoins doivent encore être entendus pour éviter que les dossiers soient bâclés. Le président de la Commission de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice a toutefois laissé entendre hier que la présentation du rapport d’activités de la commission en séance plénière, et la prise de décision des députés auront lieu avant la fin de la session ordinaire actuellement en cours. En marge de cette séance plénière à l’Assemblée nationale, le député Tsabotokay Honoré a aussi annoncé que 8 autres anciens ministres sont aussi dans le collimateur de la Justice actuellement. Ils seraient, eux aussi, soupçonnés d’être impliqués dans des affaires de détournement et de malversations. Pour l’heure, aucune information sur l’identité de ces anciens hauts responsables n’a été divulguée. L’on sait toutefois que le président de la Commission de mise en accusation à la Chambre basse n’aurait pas évoqué cette information si le Bureau Indépendant Anti-Corruption (Bianco) et/ou du Pôle Anti-Corruption (PAC) n’a pas encore finalisé les investigations y afférentes. Davis R L’article Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Commission de mise en accusation devant la HCJ : 8 autres anciens ministres dans le collimateur a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule
25/11/2020

Un pickpocket a été pris en flagrant délit, avant-hier, durant son acte. Cet homme venait de prendre en force le sac d’un passant. La victime a pu alerter les badauds en criant. Une course poursuite a été lancée par des personnes qui n’ont pas hésité à prêter main forte. Après quelques minutes de course poursuite, ils ont fini par appréhender le malfrat. La foule a rendu justice elle-même en tabassant le voleur. Même à l’arrivée des forces de l’ordre, la foule a continué de réclamer la vindicte populaire. Il a fallu une intervention manu-militari pour évacuer le malfrat des lieux sinon il aurait certainement laissé la vie. Les gens furieux ont estimé que la meilleure correction n’est autre que la justice populaire. « Nous en avons assez des pickpockets qui font la loi dans ce quartier et sèment la terreur auprès des habitants », a-t-on entendu sur place. Malgré les mesures de prévention prises par les riverains, les victimes de cette pratique malsaine sont encore nombreuses, car les malfrats y sont présents quotidiennement. Les femmes sont leurs cibles préférées. Ces derniers temps, la situation s’empire puisque les malfrats ne se contentent plus du vol à la tire mais vont jusqu’à violer les victimes et même jusqu’à les tuer avec des armes tranchantes. Ce dynamisme de vindicte populaire fait suite à ces actes barbares de la part des criminels. Certaines personnes trouvent que la pratique de la vindicte populaire est une manière pour elles de participer à la lutte contre le banditisme. La pratique, pourtant condamnée par la loi en vigueur, tend à devenir une habitude car les civils sont frustrés par leur quotidien miné par le barbarisme. Yv Sam L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Toamasina: maro ny tetikasa tohanan’i Japon
19/11/2020

Nitsidika ny governoran’ny faritra Atsinanana ny masoivoho japoneny, i Higuchi Yoshihiro. Nampahafantariny tamin’izany fa maro ireo tetikasa tohanan’ny firenena japoney ao an-toerana. Anisan’izany ny tetikasa Ambatovy, mampiasa teratany malagasy maro ka ny orinasa japoney Shutimoto ny mitazona ny ampaham-bola betsaka amin’izany orinasa izany.Eo koa ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa goavana indrindra vatsin’ny fanjakana japoney aty Afrika izany. Iandraiketan’ny orinasa japoney Penta ny fanatanterahana izany seran-tsambo itarina izany.Ankoatra ireo ny tetikasa Tatom, fanatanterahana ny drafi-panajariana ho an’i Toamasina sy Antananarivo. Eo koa ny vinam-panitarana ny lalam-pirenena faharoa.Eo amin’ny sehatra sosialy, nanao tantsoroka goavana amin’ny fanorenana sekoly anjatony eto Madagasikara ny Japoney. Anisan’ny nisitraka izany ny faritra Atsinanana. Manana ny fenitra miaro amin’ny rivodoza sy ny tafiotra ny sekoly ary mafy amin’ny fisedrana ny fihetsehan’ny tany ihany koa.Teo koa ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Maro ny tantsoroka nataon’ny firenena japoney nahafahana niady amin’ny fiparitahan’ny aretina sy ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa mafy tokoa nandritra ireny fotoana nampirongatra ny aretina ireny.Tatiana AL’article Toamasina: maro ny tetikasa tohanan’i Japon a été récupéré chez Newsmada.

Hahena ny fampiasana saribao: hampidinina ny vidin’ny entona fandrehitra
18/11/2020

Anisan’ny vahaolana hampihenana ny fandripahana ala ny fampiasana entona fandrehitra. Vidiny takatry ny rehetra ny tanjona, sady mila aparitaka manerana ny Nosy.Manana fanamby goavana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (MEDD). Nisy ny fihaonana nataony niaraka amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, nosoloin’ny fitantanana foibe ny hetra, sy ny Komity malagasy misahana ny entona butane (CMB), ny alatsinainy teo. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, fa mila manana fahasahiana isika, hikaroka ny marimaritra iraisana, mba ho afaka hasolo ny saribao sy ny kitay ny entona fandrehitra (butane), amin’ny vidiny zakan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano malagasy ary haparitaka ho an’ny rehetra.Tsiahivina fa mandany saribao 450 000 taonina isan-taona i Madagasikara raha 15 000 taonina ny entona fandrehitra. Lehibe izany elanelana izany ka tanjona ny hanovan’ny isan-tokantrano tsikelikely ny fomba fanaony, hampiasa ny entona fandrehitra. Fototry ny fanapotehana ny ala sady miteraka aretina maro anefa ny fampiasana saribao sy kitay.Ahena ny TVAVahaolana sy soso-kevitra niraisan’ny telo tonta, hanatanterahana izany, ny hampihenana ny tahan’ny haba TVA. Aorian’izany, hiaraka hojeren’izy ireo ny fomba hampidinana ny vidin’ny entona fandrehitra ho an’ny mpanjifa. Ao anatin’izany koa ny hanapariahana ny fatana gazy miaraka amin’ny tavoahangy ho an’ny daholobe. Nomarihin’ny minisitra Raharinirina Baomiavotse fa efa nisy tokoa ny tetikasa manokana saingy, tsy niady ho an’ny fahavononana hiaro ny tontolo iainana ny orinasa tsy miankina amin’ity sehatra ity. Tsy niparitaka manerana ny faritra sy i Madagasikara koa ny fanapariahana ny fatana.Njaka AndriantefiarinesyL’article Hahena ny fampiasana saribao: hampidinina ny vidin’ny entona fandrehitra a été récupéré chez Newsmada.

Izay tsy mandroso, mihemotra… 
24/11/2020

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.Rafaly Nd.L’article Izay tsy mandroso, mihemotra…  a été récupéré chez Newsmada.

Fanahiana valanaretina ao Toamasina: ivoarianina iray mitondra Covid-19
19/11/2020

Saika nisahotaka ihany ny fifandresen-dahatra tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, ny talata alina teo. Efa nivonona handray fiaramanidina hihazo an’Ivato ny ekipam-pirenena ivoarianina. Tsy nanaiky ny hitondra azy ireo ny fiaramanidina, raha vao nahare fa misy mpikambana iray anivon’ny federasionina amin’ireto Elefanta ireto mitondra tsimokaretina Covid-19. Nifamahofaho ny resaka tao Ambalamanasy tamin’io fotoana io. Tonga hatrany amin’ny fifampiresahana teo amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, mbola tany an-toerana, vao nahazo alalana nandeha sy niainga  ny fiaramanidina. Niravona ihany izany, tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any. Nambaran’ny talem-paritra Atsinanana misahana ny fahasalamam-bahoaka, Razafiarisoa Vavy Célestine, fa nahihina tokoa ilay Ivoarianina iray. « Andrasana hatramin’ny androany hariva (omaly) ny valin’ny fitiliana na tena voa izy na ho mipetraka ho ahiahy fotsiny ihany izany », hoy izy, raha nantsoina an-telefaonina.SajoL’article Fanahiana valanaretina ao Toamasina: ivoarianina iray mitondra Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Governoran’ny faritra Ihorombe: laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana
23/11/2020

Voatendry ny governoran’ny faritra Ihorombe rehefa niandry nandritra ny volana maro ny mponina ao an-toerana. Nametraka vina hampandroso haingana ny faritra ny mpitantana vaovao.   Noraisin’ny vahoakan’Ihorombe, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny governoran’ny faritra izay andriambavilanitra, i Nomenjanahary André Tafita Sareine. Nomen-danja ny fanajana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny fandraisana vahiny toy izao. Nanambara ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny faritra ity tomponandraikitra voatendry ity. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana fandriampahalemana sy fitantanana ireo harena maro ananan’ny faritra ka anisany ireo harena ankibon’ny tany. Voalazany nandrita ny tafa tamin’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny Fahaleovantena fa hohatsaraina amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fampitaovana ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ary hampitomboana ireo fotodrafitrasa ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Hojereny manokana koa ny fanamboaran-dalana amin’ireo kaominina isaky ny distrika Ivohibe, Iakora ary Ihosy. Tafiditra amin’ny vina koa ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka toy ny toeram-pianarana sy ny hopitaly. Nohamafisiny fa homen-danja manokana ny vehivavy amin’ny drafitrasam-pampandrosoana rehetra.Nanotrona ny fandraisana azy tany an-toerana ny delegasiona avy amin’ny Firaisankinan’ny terak’Ibara (Fitiba) niaraka amin’ny filoham-boninahitra, Andrianirina Pierrot. Taorian’ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra Ihorombe mpisolo toerana sy ny governora vaovao, nisy ny tsipirano nitsofan-drano ny mpitantana vaovao nataon’ireo lonaky tao amin’ny trano fonenan’ny governora.Vonjy A.L’article Governoran’ny faritra Ihorombe: laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana a été récupéré chez Newsmada.

“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito
23/11/2020

Hanamarika ny faran’ity herinandro ity ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”. “Zava-baovao eo amin’ny taranja mekanika izy ity”, hoy ny fanazavana nentin-dRandriamorasata Ditratiana, mpikarakara. Gazety Taratra (*): Inona ilay hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0”?Randriamorasata Ditratiana (-): Hetsika karakarain’ny X’Inov créateur d’impact sy ny BMC ary ny MCM sy ny Trace izy ity ary hazakazaka adim-pamantaranandro natokana ho an’ny moto manana motera lehibe sy matanjaka (grosses cylindrées), tanterahina amin’ny lala-miakatra mampitohy an’Ambohimalaza sy Imerinkasinina, mirefy 4,03 km.(*): Maninona no “grosses cylindrées” fa tsy ny moto rehetra?(- ): Tsotra ny antony, efa manana ny hetsika sy ny fifaninanana ho azy ny moto kely toy ny “scooter” sy ny hafa ka amin’ity, omena sehatra manokana ny moto lehibe, sady hamerenana indray ny fitiavan’ny olona izany fanatanjahantena mekanika izany, taorian’ny fihiboana naharitra fito volana.(*): Antony nizarana azy ireo ho ao anaty sokajy fito?(-): Na samy moto lehibe aza ireo, tsy mitovy avokoa ny tanjany ary samy manana ny endriny avy ny tsirairay. Noho izany, tsy maintsy sarahina ka ampiarahina izay mitovy hery, hampifandanja tsara ny hazakazaka. Raha tsiahivina, ny Chopper, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny Sportive ary ny Custom Vintage ireo sokajy hifaninanana.(*): Inona ny mason-tsivana ho fandraisana anjara?(-): Anisan’ny takinay amin’ny mpifaninana rehetra ny fitondrana ny aroloha, ny arotratra ny arovatana sy ny baoty ary ny arolohalika. Eo koa ny fizahana teknika ny moto ary ny fizaham-pahasalamana ho an’ny mpifaninana tsirairay. Raha misy tsy feno ireo, tsy azo atao ny mandray anjara. Ankoatra izay, ferana ho 50 ihany ny isan’ny mpandray anjara.(*): Misy fetra ve ny taon’ny mpifaninana?(-): Misokatra ho an’ny rehetra ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”, saingy kosa mila taratasy fanekena avy amin’ny ray aman-dreny ho an’ireo mpifaninana tsy ampy taona. Hisy “licence journalière” omen’ny federasiona ho an’ireo tsy ao anaty klioba.(*): Nisy ilay lozam-pifamoivoizana, nitranga herinandro lasa. Inona no fepetra raisin’ny mpikarakara.(-): Tanjonay ny mitandro ny ain’ny mpifaninana rehetra. Mba hisorohana ny loza, tsy maintsy hidina ny lalana rehetra ka tsy misy fiara na moto mahazo mandeha mandritra ny fifaninanana. Fefena ny toerana misy ny mpijery sy ny mpifaninana, amin’io.(*): Hisy mpifaninana avy any ivelany ve amin’ity?(-): Efa nisy niantso anay ireo mpifaninana avy atsy La Réunion sy avy any Frantsa fa miandry ny fisoratana anaran’izy ireo izahay izao. Anisan’ny tadiaviny mantsy ny zava-baovao tsy mbola nisy teto Madagasikara toy ity “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity.(*): Ankoatra azy ireo, mety hahitana mpifaninana vehivavy ve?(-): I Karen, vehivavy malagasy mpitondra moto lehibe. Efa nanambara ny fahavononany amin’ny fandraisana anjara izy ary inoanay fa ho anisan’ireo hifaninana ny tenany. Ankoatra azy, andrasan’ny rehetra koa ny fifanandrinana eo amin’ireo zandrikely kalaza toa an’i Harena sy i Anjo.(*): Ahoana ny fankasitrahana ho an’ny mpandresy sy ny hafatry ny mpikarakara?(-): Hahazo amboara avokoa ireo telo voalohany isaky ny sokajy mifaninana. Hisy koa fisarihana hahazoana loka hafa, ho azy ireo, avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miasa izay efa isaorana eto sahady. Tsy ho diso anjara amin’izany koa ny mpijery. Tongava maro fa zava-baovao be ity “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity. Hahafinaritra ny lalao ary tsy ho diso fanantenana ny mpankafy sy ny mpanatrika. Dinika nangonin’i TorcelinL’article “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito a été récupéré chez Newsmada.

Fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony: miaro zaza 823 000 isan-taona amin’ny fahafatesana
19/11/2020

51% ny tahan’ny fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny fahenim-bolana eto amintsika, araka ny valin’ny fanadihadiana MICS 2018. « Mazoto mampinono ny zanany ny vehivavy malagasy fa tsy tomombana ny fanaovana izany ka tsy mahomby ny vokatra », hoy ny teknisianina. Fomba iray hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka izay mbola mahatratra 41,6% izany ary paikady voafaritra ao anatin’ny Drafitrasam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo III (PNAN III) hifarana amin’ny taona ho avy. Vaksiny voalohany ary miaro ny zaza vao teraka amin’ny aretina maro ny fampinonoana avy hatrany azy raha vao teraka. Zaza iray amin’ny roa ihany anefa no minono avy hatrany amin’ny reniny raha vao teraka. Mampihena 9% (zaza 823 000 isan-taona) ny taham-pahafatesan’ny zaza latsaky ny 6 taona anefa ny fampinonoana azy avy hatrany, indrindra raha mahatratra 90% ny tahan’ny fampinonoan’ny reny.Entanina ny renim-pianakaviana hampinono tsy misy fangarony ny zanany mandritra ny enim-bolana voalohany. Napetraka ny herinandron’ny fampinonoana, nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana ny alahady ho avy izao manerana ny faritra 22. “Fampinonoan’ny reny, sakafo lavorary, hery fiarovana voajanahary” ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity. Nisy hetsika manokana teny anivon’ny CSB II rehetra nampirisihana ny vehivavy hazoto hampinono sy nampianarana azy ireo ny fomba fampinonoana mahomby. “Anisan’ny nandray anjara ny CSB II Ampasanimalo izay nizara fampianarana sy famerenana ny fepetra ara-pahasalamana hiarovana amin’ny valanaretina Coronavirus”, hoy ny lehiben’ny mpitsabo ao aminy, ny dokotera Ramahefasoa Voahangy.Tsy farofy i SarobidyEnim-bolana i Sarobidy ary milanja 10,5 kg amin’izao fotoana izao. “Tsy mba farofy mihitsy izy tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay satria nonon-dreny tsy misy fangarony hatrany ny sakafony”, hoy i Aina reniny. Izao izy vao hikarakarana sakafo satria hiditra amin’ny fahafito volany. Nizara ny tombontsoa azo tamin’ny fampinonoana tamin’ny renim-pianakaviana tonga tao amin’ny CSB II Ampasanimalo izy.Vonjy A.L’article Fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony: miaro zaza 823 000 isan-taona amin’ny fahafatesana a été récupéré chez Newsmada.

Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana
18/11/2020

Nizaha ny fanajariana ny lakandrano mirefy 9 km any amin’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny harena lovain-jafy, i Baomihavotse Vahinala. Lakandrano manondraka tanimbary 187 ha, diovina sy miantoka ihany koa ny fiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena.Nozahana ny fanatanterahan’ireo mpiara-miombona antoka bokin’andraikitra amin’ny fiahiana sosialy sy ny fiarovana ny mponina sy ny manodidina. Anisan’ny fiahiana azy ireo  ny fanadiovana lakandrano,ka fianakaviana manodidina ny 1 000 ny hahita tombontsoa, noho ny tanimbary voatondraka. Etsy andaniny, mampiroborobo sy misarika mpizahatany ny fanajana bokin’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra hisian’ny fitoviam-pijery tsy hampisy olana eo amin’ny samy mpiara-monina.Mantanteraka ny asa amin’izao fotoana izao ny tetikasa Fanamby sy ireo teknisianina ao aminy. Olona maherin’ny 20 miasa isan’andro ny manadio lakandrano; mitady fanampiana amin’ny faritra hahazoana fitaovam-baventy (engin) koa ny ekipan’ny Fanamby. R.Mathieu  L’article Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana a été récupéré chez Newsmada.

CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato
19/11/2020

Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny  trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh  fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity. Lynda A. Cet article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato a été récupéré chez Délire Madagascar.