BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina

News - BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina

News - BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina

Vita ny fanomanana ny fanatontosana ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinana bakalorea izay hanomboka ny 19 oktobra 2020 ho avy izao. « Efa tonga any amin’ny foibem-panadinana manerana ny Nosy izany. Voahaja ny fepetra rehetra hanatanterahana izany. Nampitomboana avo roa heny ny zandary niambina ny toeram-pihibohana nanaovana ny laza adina”, hoy Tale jeneralin’ny fampianarana ambony, Rajaonarison François, ny 16 oktobra 2020 teny amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Nambarany ihany koa fa ao anatin’ny fanondrahana ranom-panafody eny amin’ireo foibem-panadinana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ankoatra izany, “miantso ny mpianatra mba hifantoka amin’ny fanadinana fa tsy ho voarebirebin’ny fanakorontanana” ny tenany.

Enjehin’ny lalàna                     

Ho fisorohana ny fiparitahan’ny laza adina dia nandray ny anjara tandrifiny ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. “ Teo ny fiarovana ny toerana nanaovana ny laza adina sy ireo olona nanao izany”, hoy i Kolonely Ravoavy, Directeur de la sécurité  et des renseignements (DSR) ny zandarimariam-pirenena. Nohamafisiny fa enjehin’ny lalàna ny endrika fanakorontanana toy ny fanelezana vaovao tsy mari-pototra, ohatra ny filazana ny fisian’ny fiparitahan’ny laza adina. “Manentana ny tsirairay mba tsy hanaparitaka vaovao tsy marina fa indrindra manohitohina ny filaminam-bahoaka”.

Lynda A.

Cet article BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina est apparu en premier sur déliremadagascar.

BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina

L’article BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola

Nomarihina ny herinandro teo tetsy 67 ha ny  faha-10  taon’ny Samifin. Niady amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny fampihorohoroana ity rafitra iray  ity  tao anatin’izany fotoana  izany.  Fantatra fa tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana, tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.Na izany  aza anefa, mbola maro ireo olana sedrain’ny Samifin.  Anisan’izany ny tsy fahampian’ny mpiasa. Misy ihany koa ireo rafitra tokony hovana hahafahana manatsara ity sampandraharaha ity. Voafetra hatrany ny asa aman’andraikiny amin’ny fotoana sasany. “Tsy afaka mivelatra ny asanay satria rehefa voamariny hoe misy famotsiam-bola ny raharaha iray, ampiakarina any amin’ny fitsarana (chaine penale) fotsiny izany. Mijanona hatreo izany kanefa mety hiainga amin’izany ny kolikoly avo lenta  ary matetika mivadika ho raharaha very anjavony  ireny matetika”, hoy ny tale jeneralin’ny Samifin, Lamina Boto Tsaradia. Ankoatra  izany, efa mba nisy ihany ny ezaka natao satria nitombo isa ny fanamelohana ireo tratra nanao heloka,  araka ny nambarany ihany.Synèse R. L’article Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article Décision N°3633/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 15 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Haute Matsiatra dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Minisitra Lalatiana Andriatongarivo : « Tsy tokony hisy fiangarana amin’ny sosialim-bahoaka »

Raikitra avy hatrany fa tsy an-kiandriandry ny fidinana ifotony ataon’ny eo anivon’ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny faritra ary ny kaominina, omaly. Anisan’ny nosahanin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny eny amin’ny kaominina Tan­jom­bato sy Ankaraobato. « Natao handrindrana ny fomba fiasa vaovao amin’ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ireo tena sahirana izao. Havaozi­na ny lisitra hisorohana ny fitangoronana ary tsy tokony hisy ny fiangarana sy fitani­lana amin’izany fizarana izany », hoy izy. Nitafa mi­vantana sy nitondra fanazavana mom­ba izany ny tenany ary nanambara fa maro ireo tsy nisitraka izany satria tsy tafapetraka ny mason-tsivana ho an’ireo to­kony hahazo. « Henon’ny fanjakana ny fitarainanareo ka antony nametrahana izao fom­ba fiasa izao », hoy ihany izy. Nanteri­ny fa tokony ho voajery avokoa ary miainga amin’izany ny lisitra ka tokony ho hita ao ireo mpanao asa an-tselika, ny mpivarotra amoron-dalana, ny mpanofa trano tapaka asa, ireo very asa… Tokan­trano hatramin’ny 24.400 no vinavinaina ho vitaina mandritra ny fakana ny anaran’ny loham-pianakaviana, mialohan’ny hamoahana ny lisitra ofisialy. Fokon­tany miisa dimy, va­kim-paritra 26, ahitana tokantrano 15.000 no hatao ao amin’ny kaominina Tanjom­bato. Fokontany miisa fito, vakim-paritra 17, ahitana to­kantrano 9.400 kosa ny eny Ankarao­bato.Synèse R.L’article Minisitra Lalatiana Andriatongarivo : « Tsy tokony hisy fiangarana amin’ny sosialim-bahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg

   Noforonin-dRakotonirina Reg ny  tarika Rheg, izay somary nisy hitovizana  satria mifangaro amin’ny anarany rahateo. Mifantoka amin ny gadona Heavy métal ny tarika. Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa…Feno 20 taona akehitriny ny tarika Rheg … Tany amin’ny taona 2000 no nitsanganany ary tsy nijanona mihitsy nivoy ny gadona “Heavy metal” hatry ny anio. “Gadona mitaky tanjaka sy fahaiza-manao satria mivatravatra sy mahery setra, saingy, ny lafiny kanto ao aminy kosa mitaky lantom-peo sy fandrindrana tsara ny vazo”, hoy i Reg…  Na eo aza anefa izay gadona fototra izay, misokatra amin’ny lafiny hafa, “rock métal” ny tarika ka mivoy ny “blues”, ny “Rock&Roll” ary ny “slow rock” ihany koa.Fantatra fa fanafohizana ny “Rock Heavy Gasy” ny hoe Rheg. Handray anjara amin’ny “Saturday Rock” eny amin’ny Résidence Soalandy Alasora, ny asabotsy 31 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo. Miisa 5 lahy ny mandrafitra ny tarika amin’ny ankapobeny. Ahitana an’i Jaykee (première solo), Titan (amponga maroanaka), Hubb (deuxiéme solo), Tsila (bassiste) ary i Rheg (hira). Misy mpikambana fanampiny manao hira manelanelana rehefa seho lehibe. I Vito sy i Lalah, seho acoustique ihany vao miakatra an-tsehatra.Maro ny bainga voavadika tao anatin’izay 20 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika izay. Rakikira efatra sy ny rakitsary maro dia maro, izay nositrahin’ny mpankafy. Anisan’ny hira nahafantarana ny tarika ny “Raozy” tamin’ny taona 2000. Maro ny “clip” efa mivoaka toy ny “ Emmorheg”, ny “coronavirus”… Ankoatra izay, nahavita nanangana rafitra manokana hikarakara azy ny tarika, ny Otoprod by Reg, izay tranom-pamokarana fampisehoana, izay tsy mikarakara afa-tsy ny tarika Rheg ihany …” Miaina sy malalaka tanteraka ny mozika malagasy ankehitriny koa aleo samy hanala ny fony sy hanao izay mba fantany fa mety. Tsy adala akory izy ireny . Tsara ho marihina kosa fa ilaina ny sivana manoloana izay mety ho fihoaram-pefy. Ohatra, ny teny maloto anaty hira na fihetsika mamoafady” , hoy i Reg.Narilala L’article Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

AKON’NY FAMPIELEZAN-KEVITRA :: Manao velirano i Andry Rajoelina fa ho kandidà hampiray ny Malagasy rehetra

« Izaho dia kandidà hampiray ny Malagasy rehetra ary tsy mba mpanavakavaka ». Io fehezanteny io no noha­mafisin’ny kandidà laharana faha-13 Andry Rajoelina, nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahiny tao Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Hiezaka ny hamerina ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra izay niniana nopote­hina tamin’ny resaka politika izy ary nanainga ny rehetra hiara-hisalahy eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Notsindrian’i Andry Rajoelina nandritra ny lahateny nataony nanoloana an’ireo mponin’i Toamasina tonga maro nanotrona ny fampie­lezan-kevitra tany an-toerana fa tsy mba isan’ireo kandidà manilikilika an’ireo sahirana izy . « Na ny lehibe, na ny tanora na ireo tsy an’asa na ireo sahirana dia tiako daholo. Ny hafa mantsy dia tsy misy afa-tsy ny orinasany ihany no fantany. Isika dia tsy mba tahaka izany fa hitsinjo ny vahoaka malagasy manontolo », hoy ny kandidà laharana 13. Velirano amin’ny vahoaka Namerimberina hatrany ny velirano tamin’ireo mponin’ i Toamasina izy ny amin’ny fananganana orinasa ao an-toerana. Toy izany ihany koa ny hananganana trano mora ho an’ireo vahoaka sahirana. Nohamafisin-dRajoelina nandritra ny fampielezan-keviny kosa ny fahavononany hanangana morontsiraka maoderina ao Toamasina. « Misy milaza hoe inona indray izany? Manome toky aho fa tsy maintsy hovitaintsika avokoa ireo fampanantenana ireo. Izany no antony hanaovako velirano aminareo », hoy izy. Vahoaka maro indray no nitsena azy hatreny amin’ny seranam-piaramanidina ary niara-dia taminy tao amin’ny toerana manoloana ny Lapan’ny tanàna, ka hatreny amin’ny arabe manamorona ny sisin- dranomasina ao Toamasina. Tao amin’ny kaominin’i Matanga, Vangaindrano sy tao Mananjary koa no nanohizan’ny kandida laharana faha-13 ny velirano mikasika ny fijerena mano­kana an’ireo tantsaha. Nampahafantatra sahady i Andry Rajoelina fa hanamboatra tetezana sy hanatsara an’ireo lalana simba any an-toerana. Etsy andaniny ny fanomezana angidim-by hampiasain’ireo mpitandro ny filaminana hiadiana amin’ny asan-dahalo. L’article AKON’NY FAMPIELEZAN-KEVITRA :: Manao velirano i Andry Rajoelina fa ho kandidà hampiray ny Malagasy rehetra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Krizin’ny Covid-19: tafakatra 200 000 Ar ny volamena 1g

Azo ampiasaina amin’ny fifanakalozana vola eo amin’ny tsenambola iraisam-pirenena ny volamena. Midangana ny vidiny sy ny sandany amin’izao fotoana isian’ny krizy momba ny vola ateraky ny Covid-19 izao. Voakasik’izany ny volamena eto an-toerana fa indrindra koa ny any ivelany sy ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Eto Madagasikara, manodidina ny 200 000 Ar ny vidin’ny volamena iray grama eo amin’ny tsena ofisialy avoakan’ireo matihanina iraisam-pirenena amin’ny tsenambolamena. Maherin’ny 240 000 Ar ny iray grama raha karazana 24 carats (tsara sy ambony kalitao), vidiana 182 000 Ar raha 18 carats, ary 81 000 Ar raha 8 carats. Manodidina ny 80 000 Ar hatramin’ny 120 000 Ar ny vidiny handraisan’ny mpanangona volamena any amin’ireo mpitrandraka any ambanivohitra rehetra any satria tsy mbola voafaritra ny kalitaony (carats) na ambony na ambany. Manodidina ny 160 000 Ar hatramin’ny 200 000 Ar kosa any amin’ireo mpanefy firavaka eto an-toerana.Mihen-danja ny dolaraEo amin’ny tsena iraisam-pirenena, vao mainka midangana ny vidin’ny volamena. Misanda 1 957 dolara ny vidin’ny volamena 1 once (1 once= 28,35 grama), vidiny ambony indrindra eo amin’ny tsenambolamena iraisam-pirenena, ary mety hihoatra ny 2 000 dolara any amin’ny tsena aziatika. Nahatonga izany ny krizy Covid-19 ka nidina ny sandan’ny vola dolara amerikanina, sady eo koa ny ady toekarena eo amin’i Etazonia sy i Sina, mikasika an’i Hong-Kong.Marihina fa efa manodidina ny 1.900 Ar koa ny sandan’ny iray dolara amin’izao fotoana izao. Njaka Andriantefiarinesy L’article Krizin’ny Covid-19: tafakatra 200 000 Ar ny volamena 1g a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lapan’Anosikely :: Anio vao handinika ny lalànan’ny fanoherana ireo loholona

Hazakazaka arahin-tosika. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ireo loholona anio. Taorian’ny nandanian’ny solombavambahoaka enina amby valopolo an’ilay tolo-dalàna mifehy ny mpanohitra sy ny fanoherana, afak’omaly, dia niroso tamin’ny fakan-kevitra tamin’ireo antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ry zareo senatera. Andrasana anio ny tsangan-tanana ho fandaniana na tsia an’izany tolo-dalàna izany, satria tsy vita omaly ny asam-baomiera tetsy amin’ny lapan’Anosikely. « Tsy tonga tety an-toerana ireo tompon-kevitra amin’ilay tolo-dalàna, ka tsy tanteraka ny asam-baomiera », hoy ny loharanom-baovao avy eny amin’ny Antenimierandoholona. Anio avokoa izany vao hiatrika ny asam-baomiera sy ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, ny etsy Anosy. Tapitra anio ireo roa ambin’ny folo andro noferan’ny Lalàm-panorenana hiatrehana ny fivoriana tsy ara-potoana. Raha misy fanovàna entin’ny Antenimierandoholona anefa amin’ilay tolo-dalàna efa lany teny Tsimbazaza, dia tsy maintsy miverina mivory indray ireo depiote mandinika ilay rijan-teny. Araka izany, niangavy an’ireo depiote ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine mba hiandry ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana tsy ara-potoana ity mandra-pahalany tanteraka an’io tolo-dalàna io. Mety hiasa alina, araka izany, ireo solombavambahoaka izay tompon’ny teny farany. Aorian’izay vao hofaranana tanteraka ny fotoam-pivoriana. L’article Lapan’Anosikely :: Anio vao handinika ny lalànan’ny fanoherana ireo loholona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina – Tanin’ny CUA: « Azo ravana ny fifanarahana tamin’ny MBS satria tsy voahaja… »

Valin-kafatra tamim-pitoniana sady tsotra ary mazava. « Azo atao ny mandrava ny fifanarahana satria tsy voahaja izany », hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe amin’ny hakan’ny CUA ny taniny eny Anosipatrana, iorenan’ny MBS, ny mpitantana ny Renivohitra. Mirefy 2 500 metatra toradroa izany ary ahitana ny « pylone » sy ny trano lehibe, ahitana birao maromaro.Tokony handoa hofany 40 tapitrisa ArNotsiahiviny fa natao ny fifanarahana fony ben’ny Tanàna Ravalomanana, niainga tamin’ny fifanarahan’ny mpanolontsaina tamin’izany.Nohavaozina indray izany ny taona 2016, fony ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao. « Tsy tafiditra tao anaty lahadinika fa natao any amin’ny samihafa izany ka tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitra », hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Tsy vitan’izany fa roa tapitrisa Ariary isan-taona ny hofany, saingy ampahany kely, valo tapitrisa Ariary, ihany no naloan’ny MBS ny volana novambra teo. « 20 taona anefa izay ka tokony handoa ny hofany 40 tapitrisa Ar. izy ireo », hoy ihany ny ben’ny Tanàna.Tsy misy resaka politika na fanenjehena MBSNanteriny fa tsy misy mihitsy idiran’ny resaka politika izany rehetra izany ary tonga ny fotoana hakan’ny CUA ny tany. « Fanatsarana ny asan’ny kaominina no ataonay izao. Hitsinjovana ny kitapom-bola ary sady ampiasain’ny mpiasan’ny CUA io toerana midadasika io. Tsy misy idiran’ny resaka haino aman-jery koa izany fa diso ny fanejehana. Manana enim-bolana izy ireo hamindrana ny MBS. Vonona ho amin’ny fifampiresahana amin’ny mpitantana amin’ny hifindrany ny CUA », hoy izy.Ankoatra izany, nambaran’ny ben’ny Tanàna koa fa misy fitrandrahana vato « kariera » eny Ambohimahitsy RN2 nampiasain’ny orinasan’ny filoha teo aloha, ny Alma. « Nifanarahana fa omena ny kaominina ny 5% amin’ny vato. Tsy nisy anefa izany na vato iray aza. Efa nijanona ny asa eny ka hohatsaraina ny toerana », hoy izy.Tsena lehibe mahazaka mpivarotra 1 000Momba ny etsy amin’ny Esplanade Analakely, miteraka resabe koa amin’izao fotoana izao, nambaran’ny ben’ny Tanàna fa hanorenana fivarotana mahazaka mpivarotra maherin’ny 1 000 eo an-toerana. « Ahitana tsena lehibe misy rihana roa izany. Hohatsaraina koa ny « pavillon » etsy Analakely ». Efa vita ny fanarenana ny Zaimaika », hoy izy.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina – Tanin’ny CUA: « Azo ravana ny fifanarahana tamin’ny MBS satria tsy voahaja… » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.

INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III
28/10/2020

Partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Axian group rejoint ce mardi 27 octobre 2020 le  fonds d’investissement African Development Partners III (ADP III) géré par Development Partners International (DPI). DPI a investi dans 23 entreprises de 29 pays africains, en s’appuyant sur son expertise et son réseau d’investissement qui ont permis de réaliser de solides performances. Avec plus de 1,6 milliards de dollars d’actifs sous gestion, DPI investit dans des entreprises qui sont en mesure de bénéficier de la croissance rapide de la classe moyenne émergente. ADP III suit donc les traces de ses prédécesseurs en se focalisant sur les entreprises leaders œuvrant avec les gestionnaires pour développer les bonnes pratiques environnementales, sociales et de gouvernance. Opportunités de diversification et d’expansion panafricaine Grâce à cette collaboration, Axian entend concrétiser son ambition d’être un partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Par l’intermédiaire des entreprises dans son portefeuille, DPI offre une perspective et un accès unique aux transactions réalisées sur le continent. « Cette plateforme d’investissement nous permettra de mettre en valeur nos relations afin de créer des opportunités de co-investissement stratégique ou d’acquisition à la sortie des fonds, là où des synergies avec nos activités principales sont disponibles. Nous saisirons en outre les possibilités de collaboration future avec les gestionnaires de fonds sur des transactions externes favorisant l’innovation et nécessitant un regroupement de compétences », déclare Hassane Muhieddine, CEO AXIAN Financial Services. Favorisant la création de valeur et le développement économique durable, le portefeuille d’investissement panafricain d’ADP III offre à Axian une voie naturelle vers une diversification indirecte de ses opérations stratégiques, tant sur le plan sectoriel que géographique en Afrique. Recueillis par Nirina R. Cet article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana
29/10/2020

   Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.    Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.Vonjy A.L’article Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana a été récupéré chez Newsmada.

Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy
30/10/2020

  Hisokatra any amin’ny kaominina Ikongo ny orinasa manodina toaka gasy, afaka volana vitsivitsy. Toaka gasy avadika ho éthanol azo arehitra, ampiasana amin’ny fatana, na andrehetana jiro. Fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany ny hanokafana ity orinasa ity ary hisitraka izany koa ny distrika hafa ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Manana akora fototra azo hamokarana angovo azo havaozina, toy ny fary, ny ao amin’ny distrika. Fary avadika ho toaka gasy, avy eo, ahodina ho angovo azo arehitra. Fananganana orinasa ho fanomezan-danja ny vita malagasy sy famoronana asa ny tanora.Toaka gasy sotroina ihany ny fantatry ny maro, hatramin’izay, fa misy koa toaka gasy azo avadika ho zavatra hafa, angovo azo trandrahina. Efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena rahateo ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy, koa ampirisihin’ny governoran’ny faritra, Razafitsotra Lucien, ny tantsaha hamboly fary sy hamokatra toaka gasy na firy na firy, tsy misy intsony manenjika azy ireo. Efa nisy mpandraharaha iray nampiseho ny fanodinana toaka gasy ho lasa éthanol. Ireo tantsaha ireo ihany no hivarotra ny vokatra amin’ilay orinasa mpanodina azy. Loharanom-bola iray goavana izany ny voly fary.Misy ihany koa izao ny sasany amin’ireo mpandraharaha ireo, miara-miombona antoka amin’ny mpamboly, mamatsy vola ho an’ny fambolena fary. Tafiditra anatin’izany ny fanitarana tany hiasana, ny fanofanana mpamboly, satria eo ihany koa ny voly hafa tsy azo avela, ohatra, ny kafe, izay tena nahafantarana ny faritra tany aloha, mila fanarenana ankehitriny. Mifandraika amin’izay fambolena izay ny fanamboaran-dalana, mampifandray ireo kaominina. Hatao rarivato avokoa izay tratra ary iangaviana ny ben’ny Tanàna rehetra hanolotra ny asa tokony hatao ny 2021 amin’ny governoran’ny faritra. Mety hampiova ny fandaharanasa ihany anefa izany noho ny fizarana roa eo amin’ny faritra: i Vatovavy sy i Fitovinany.R.MathieuL’article Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandriampahalemana: misesy ny vonoan’olona any Melaky
29/10/2020

   Nampiaka-peo, omaly, ny fikambanan’ny Terak’i Melaky (Fitem), tarihin’dRavalinandrasana Maurice fa mihoa-pampana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny faritra Melaky.Mila ho isan’andro ny fanafihana sy vonoan’olona any an-toerana. Ny 26 oktobra teo, izay nahafaty ny ben’ny Tanàna tao Marohazo. Efa hatramin’ny 27 septambra no nihorohoro ny mponina ao Melaky satria nisy ny famonoana ny mpiasan’ny tetikasa Sahan’Ala, anisan’ny mitondra fampandrosoana any. Ny 28 sy 29 septambra ihany koa dia nisy ny vonoan’olona mahatsiravina tamin’ny kaominina tao Melaky. Tamin’ny 8 oktobra teo, novonoin’ny olona koa ny mpiasan’ny tetikasa Framaprod. Ny volana jona, maty nisy nitifitra ny ben’ny Tanànan’Andreha.Saro-dalana sy lavitra andrianaSady saro-dalana no anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny faritra Melaky ka mahatsiaro ho tanàna lavitr’andriana tanteraka. Izany indrindra no hanairan’ny Fitem ny fanjakana foibe mba hidina ifotony hitondra vahaolana amin’ny fampandriana fahalemana any an-toerana.Nanamarika ny fikambanan’ny Ampelan’i Melaky, Rafiringa Aurelia fa ireo olona malaza toy ny ben’ny Tanàna sy mpiasa amin’ny tetikasa ireo misy mamono ireo fa toa matimaty foana ny hafa, izay tsy fantatra kanefa iharan’ny tsy rariny ihany koa any ambadika any ka hiantsoana mafy ny fanjakana mahefa.Efa nisy ny dinan’i Melaky teo aloha ka azo heverina ny mamerina izany raha mahomby rehefa voadinika mazava sy ankatoavin’ny fitsarana indray ny fampiharana azy, hoy hatrany ny Fitem.Efa maro ihany koa ny “operation” nataon’ny andiana mpitandro filaminana tany Melaky, saingy very anjavony izany fa miverina hatrany ny habibian’ny dahalo rehefa lasa ireo mpampandry tany.Tatiana AL’article Tsy fandriampahalemana: misesy ny vonoan’olona any Melaky a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED
27/10/2020

Nandroso vahaolana maromaro hoentina misoroka ny kolikoly eny anivon’ny Fitsarana ny Filankevitra ambony ho an’ny fanjakana tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana (HCDDED). Torohan’io filankevitra io mantsy « ny fahapotehan’ny Fitsarana noho ny kolikoly eto amintsika amin’izao fotoana izao ». Nandritra ny atrikasa notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny HCDDED, teny Ampefiloha, omaly, no nanaingany ny minisiteran’ ny Fitsarana mba hanaparitaka ny taratasy fanentanana amin’ny fanajàna ny etika ara-maoraly hialana amin’ny kolikoly eo anivon’ireo rafi-pitsarana eto amintsika. « Eo ihany koa ny fisakanana ny kiantranoantrano amin’ny fampidirana ny fianakaviana mpitsara ao anatina rafi-pitsarana iray. Zava-dehibe koa ny fanomezana vahana ny fanatanterahana ny Dina », hoy i Imbiky Anaclet, zokiolona ao amin’ny HCDDED, izay isan’ireo nitarika ny atrikasa nitondrana ny lohahevitra « Fanjakana tsara tantana ». Efa manomboka mijery vahaolana amin’io kolikoly manimba endrika ny fianakaviamben’ny Fitsarana io ny minisitera, amin’izao fotoana izao. Isan’izany, ohatra, ny fidirana an-tsehatry ny Filankevitra ambonin’ ny mpitsara tamin’ny famindrana ny raharahana andramena niampangana mpandraharaha iray. L’article Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED est apparu en premier sur AoRaha.

Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana
28/10/2020

 Am-perinasa tanteraka ilay vaomiera misahana ny fitsarana avo eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ny vaomiera, ny depiote Tsabotokay Honoré fa voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy hosoka, fanaovana hosoka ary koa kolikoly amin’ny tolobaro-panjakana ireo minisitra telo teo aloha ireo. Eo koa ny asa tsy vita nefa ny vola lany. « Ahitana minisitra tamin’ny fitondrana Tetezamita sy ny fitondrana teo aloha izy ireo. Hiakatra eo amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina, amin’ny 17 novambra ny momba azy ireo. Handatsa-bato ny amin’ny hampiakarana azy ireo na tsia eny amin’ny Fitsarana avo natao ho an’ny mpitondra ambony (HCJ) ny depiote amin’io fotoana io ary ho fantatry ny rehetra eo koa ireo minisitra ireo », hoy izy raha nantsoina an-telefaonina, omaly. Nanteriny fa miasa hatrany ny eo anivon’ny vaomiera mandra-pahatonga izany daty izany amin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fiantsoana ireo minisitra ireo. Na eto an-tanindrazana na any ivelany, araka ny nambarany.Tsy handray baiko avy amin’iza na avy amin’izaTsy vitan’izany fa tsy maintsy hovitain’ny vaomiera amin’izao fivoriana ara-potoana izao ireo minisitra miisa sivy teo aloha, ambiny anisan’ny ahina ho nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena koa.«Hitsara araka ny feon’ny fieritreretanay izahay ary tsy handray baiko na avy amin’iza na iza », hoy ihany ny filohan’ny  vaomiera, ny depiote  Tsabotokay Honoré.Araka izany, hitodika eny Tsimbazaza izany izao ny mason’ny mpanara-bavaovao ato ho ato, manolona ny fanenjehana ireo mpitantana teo aloha, ahina ho nanodinkodim-bolam-panjakana.Synèse R.L’article Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana
26/10/2020

Fototra iray lehibe iankinan’ny toekarena ny fitaterana, misy karazany maro: fitaterana an-tanety, an-dranomasina, ana habakabaka, an-dalamby. Ny fitaterana no hitsarana ny fandrosoan’ny toekarena ao amin’ny tany iray.Eto Madagasikara, mihemotra avokoa ny karazana fitaterana ary foana tanteraka ny sasany toy ny fiarandalamby, ny sambo mpitatitra olona sy entana. Ny fitaterana anefa, manamora ny fivezivezen’ny olona, ny fifanakalozana varotra, ny raharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny fanjakana. Ny fitaterana an-tanety sisa miantoka hatramin’ny 90 % ny toekarena, hita amin’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.Mitombo hatrany ny filàna amin’izay sehatra izay nefa sakana lehibe ny faharatsian-dalana. Maro ny faritra tsy misy lalana mampifandray ireo kaominina ao aminy. Olana iray lehibe hafa ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo. Manasongadina ireo, ohatra, ny faritra Melaky. Lafo ny fitaterana, sakana amin’ny fampandrosoana noho izany rehetra izany. Ny sarany izay no anisan’ny mandrafitra ny fihariana.Raha mora ny fitaterana, mora ny fivezivezen’ny olona, manamora ny fifandraisana eo amin’ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra. Miainga avy amin’izany ny famatsiam-bokatra ho an’ny tanàn-dehibe, raha vokatry ny fambolena; hafa ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro any ambanivohitra, tsy maintsy mbola miankina amin’ny fitaterana. Miankina amin’ny toetry ny lalana ny famaritana ny ampahany be indrindra momba ny vidin’ireo entana ireo. Tsy mampandeha ny fitaterana     Voafaritry ny lalàna maro ny fitaterana, saingy noho ny fihemorana eo amin’ny fihariana, hita mipaka any amin’ity sehatra ity ny tsy fanarahan-dalàna. Vao tamin’ny herinandro lasa, ohatra, betsaka ireo fiara mpitatittra mandeha tsy ara-dalàna tojo ireo mpanara-maso amin’ny lalam-pirenena RN6 mankany Antsiranana. Fiara tsy vita fisafoana ara-teknika, tsy misy fiantohana. Betsaka ireo fepetra efa noraisin, nefa vao mainka misongadina ny fahavoazana tsy mampandeha ny fitaterana: ratsy ny lalana, potika ny lalamby, rava ny seranam-piaramanidina, simba ny seranan-tsambo. Ny fihemoran’ireo seha-pitaterana rehetra ireo, mampiseho fihemoran’ny toekarena. R.MathieuL’article Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny Covid-19: mitaky hatrany ny tambin-karamany ireo “paramédicaux”
30/10/2020

   Tsy nisy mpiasan’ny fahasalamana nisitraka « indeminté de réquisition » hatramin’izao. Didin’ny lalàna manan-kery ny fanjakana izay niantso ny mpiasan’ny fahasalamana hiady amin’ny Coronavirus hanefa izany.  Mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny antso manokana nataon’ny fitondrana hiasa hiady amin’ny valanaretina Coronavirus ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana rehetra ahitana ny mpitsabo sy ny « paramédicaux » ary ny mpandraharaha samihafa noho ny hamehana ara-pahasalamana. Nanomboka ny 22 marsa lasa teo izany « réquisition » izany ary mihatra hatramin’izao. Voafaritry ny lalàna manan-kery fa misy karama ho an’ny olona voaantso manokana mandritra ny fe-potoana hiasany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikàn’ny paramédicaux, Ralibera Jerisoa, omaly teny amin’ny HJRA. Hatramin’izao, tsy nisy mpiasa iray nisitraka izany « indemnité de réquisition » izany fa « prime » ny nozaraina, tsy ho an’ny mpiasa rehetra koa fa ampahany ihany. Mampahatsiahy ny fanjakana ny adidy tsy vitany ny mpiasan’ny fahasalamana ary nampahafantatra ny mpikambana ao amin’ny sendika SISFM fa manana zo hahazo io karazana « indemnité » io izay rehetra niasa. Manodidina ny 30 000 Ar ka hatramin’ny 36 000 Ar isan’andro eo ho eo ny sora-bola rehefa manatanteraka asa manokana ny mpiasa iray ka tokony ho ny vaomiera manokana napetraka no manapaka farany.« Efa nisy ny dingana niresahana momba ny « indemnité de requisition » tamin’ireo mpitantana ny minisitera fa tsy nisy valiny azo tsapain-tanana », hoy ny mpitarika ny sendikà. Mamerina ny fitakiana izy ireo, omaly. Tsy mametraka fe-potoana hanefan’ny fitondrana ny « indeminté » ny mpiasan’ny fahasalamana. Hisy ny filankevitra nasionaly amin’ny fiandohan’ny volana desambra ka eo no hanapahana hevitra momba ny tohin’ny fitakiana raha tsy misy valiny. Lalana hizoran’ny fitakiana ny fahatongavana amin’ny fitokonana sy ny fampitsaharana ny asa rehefa tsy mahazo fahafaham-po ny mpangataka.Zava-dehibe ny fampahafantarana izay zo izay ho an’ny mpikambana rehetra taorian’ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana.Vonjy A.L’article Fiatrehana ny Covid-19: mitaky hatrany ny tambin-karamany ireo “paramédicaux” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Can 2022”: mety hatao any Ghana ny lalao miverina: Barea sy Elefanta  
26/10/2020

Mbola tena ao anaty baraingo tanteraka. Tsy mbola fantatra na afaka mandray ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2022”, ny eto Madagasikara.Mety ho any amin’ny firenen-kafa tampoka raha tsy voavaha ny olana. Tsy afaka misioka aloha, hatreto, ny Malagasy satria tsy mbola tafavoaka ny ala amin’ny fandraisana ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, andro fahefatra hifanintsanana ny “Can 2022”. Fihaonana tokony hotanterahina any amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra ho avy izao, izany.Anton’izany ny mbola fikatonan’ny sisin-tany malagasy. Hiankina amin’ny filoham-pirenena tanteraka izany ny hahazoan’i Madagasikara mandray na tsia io lalao io. Hangataka fahazoan-dalana manokana, homena ny delegasiona ivoarianina, mantsy ny FMF, hahafahan’izy ireo miditra eto hanatontosana ny fihaonana eo amin’ny roa tonta.Marihina fa nandefa taratasy any amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) ny federasiona ivoarianina (FIF), noho io tsy fisokafan’ny sidina mihazo an’i Madagasikara io.Kianja tsy an’ny atsy na aroaNangatahin’izy ireo ny hanaovana ny lalao miverina amin’ny firenena hafa. Nanolo-kevitra ny hanaovana mihitsy izany any Ghana izy ireo. Tsy mbola namaly io fangatahan’ny Ivoarianina io anefa aloha, hatreto, ny Caf. Nampahatsiahy fotsiny ity rafitra misahana ny baolina kitra afrikanina ity fa raha misy ny olana amin’ny fanatontosana ny lalao, tsy maintsy tanterahina any amin’ny iray amin’ireo firenena mifaninana ny lalao mandroso sy miverina, na hatao amin’ny kianja tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa.Anaty krizy politika ny any Côte d’IvoireTsiahivina fa ny 12 novambra ho avy izao ny lalao voalohany, tanterahina any Abidjan. Raha ny vaovao heno, tsy milamina ihany koa anefa ny any Côte d’Ivoire amin’izao fotoana izao, noho ny fifidianana filoham-pirenena any an-toerana sy ny krizy politika.Tsy mbola naneho hevitra momba io tsy fandriampahalemana any an-toerana io aloha, hatreto, na ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) na ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis. Tompondaka sy Synèse R.L’article Kitra – “Can 2022”: mety hatao any Ghana ny lalao miverina: Barea sy Elefanta   a été récupéré chez Newsmada.

MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika
28/10/2020

  Nanao sonia fiaraha-miasa ny Millenium Challenge Corporation (MCC) sy Africa50, mikendry ny fampiasam-bola hisy fiantraikany malaky aty Afrika (Millenium impact for infrastructure accelerator na MIIA), azo refesina eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Ny fampiasam-bola avy amin’ny alalan’ny MIIA, mikasika indrindra ny tetikasa momba ny rano, ny fidiovana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fitaterana, ny herinaratra, ny fifandraisan-davitra. « Ny MCC sy ny Africa 50, miaraka manaporofo mandray andraikitra manentana amin’ny fampiasam-bola ho an’ny tetikasa misy akony lehibe aty Afrika », hoy ny tale jeneralin’ny MCC,  i Sean Cairncross. « Fiaraha-miasa hahafahana mampahazo vahana ny toekarena aty Afrika ».« Faly kosa izahay miara-miasa amin’ny MCC, mamolavola sy mampihatra ny MIIA. Manamora ny asanay izany amin’izay tetikasa rehetra mila vola aty Afrika, hisy fiantraikany eo amin’ny fampandrosoana. Hatao hanampy amin’ny fotodrafitrasa, iray lehibe amin’ny asanay », hoy kosa ny tale jeneralin’ny Africa50, Alain Ebobisse. Misy amina miliara dolara maro hatramin’ny 2035, ny tinady eran-tany amin’ny fotodrafitrasa (3,7 billions de dollars). Ny 2/3 amin’izany tokony ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) manombana 130 hatramin’ny 170 miliara dolara isan-taona aty Afrika.Avy amin’ny fananan’ny roa tonta traikefa ny hanaovana ny MIIA aty Afrika, mitarika ireo mpampiasa vola sy mampisy tetikasa . Mahafantatra tsara momba an’i Afrika ny Africa50, manamarina izao fiaraha-miombon’antoka izao, mitovy araka ny efa fampiharana ny MIIA  any Azia, Amerika Atsimo, Eoropa Atsinanana. Famatsiam-bola avy amin’ny MCC ho an’ny tetikasa maro iadiana amin’ny fahantrana. Sampana iray mahaleotena ao amin’ny governemanta miasa maneran-tany , indrindra amin’ny tany mahantra vatsina vola ho an’ny sehatry toekarena.R.MathieuL’article MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.