Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

News - Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

News - Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

Hatairana ny an’ireo mpandalo sy ny
mponina teny Anosizato, omaly maraina, manodidina ny tamin’ny 09
ora. Lehilahy tsy salama saina iray nihanika ny andrin-jiorn’ny
Jirama teny an-toerana. Araka ny fantatra, mitondra herinaratra
mahery vaika eny Anosizato io andrin-jiro io. Efa tonga teny
amin’ny faratampony ralehilahy ka niantsoana ny sampana mpamonjy
voina. « Vao naharay antso izahay dia nidina teny
an-toerana avy hatrany. Efa teny ihany koa ny teo anivon’ny
jirama », hoy ny fanazavan’ny lieutenant-colonel
Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy
Tsaralalana. Voatery notapahana, araka izany, ny herinaratra tamina
faritra maro mba hisorohana ny loza. Isan’izany ny teny
Ampitatafika, Itaosy, Ambohidrapeto sy ny manodidina.
Voakasik’izany koa ny teny amin’ny digue, Andranoro, Ambohibao sy
ny manodidina. Tapaka ihany koa ny herinaratra teny 67ha, Isotry,
Isoraka sy ny manodidina. « Nananosarotra ny fampidinana
ilay olona teny amin’ilay andrin-jiro », hoy ny
fanazavana voaray. Manampy trotraka izany koa ny aavon’ilay
andrin-jiro. « Antony mahasarobidy ny lanjan’ny fiofanana
ataon’ireo mpamonjy voina », hoy hatrany io
tompon’andraikitra io. Minitra vitsy taorian’izay, tafidina soa
aman-tsara ilay tsy salama saina ary nalefa teny amin’ny hopitaly
Befelatanana, sampana « neurologie ». Taorian’izay,
tonga namonjy azy teny koa ny fianakaviany. Efa niverina amin’ny
laoniny kosa ny famatsiana herinatra teo amin’ireo toerana
voatanisa.

Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy sy
naratra nandritra ny tranga.

 

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fasan’ny Karana: MD ilay mpamily kamiaobe nahafaty mpitarika sarety

Naiditra am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny mpamilin’ilay kamiaobe nahavanon-doza nifaoka sarety miisa enina teny Fasan’ny Karana, ny zoma lasa teo ka nahafaty tovolahy iray. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), ny alarobia lasa teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity teny Fasan’ny Karana. Kamiaobe iray avy any Vontovorona nentina mpamily haterina any amin’ny orinasa hiasany eny By-Pass no nifanena tampoka tamina fiara hafa. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily kamiao ka nifatratra tamina sarety miisa enina nipetraka teo amoron-dalana. Lasa nandositra ny mpamilin’ilay kamiao rehefa avy nandona ireo sarety. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao fizahana ny zava-misy. Maty voatsindry tao ambany kamiaobe ilay niharam-boina. Natory tao anatin’ilay sarety izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka maty tsy tra-drano. Nokarohina ilay mpamily nahavanon-doza ary nitolo-batana teny amin’ny BAC. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.J.CL’article Fasan’ny Karana: MD ilay mpamily kamiaobe nahafaty mpitarika sarety a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Ady amin’ny Covid-19 : miantso ny hery politika hiray hina ny evekan’i Morondava

Tsy afaka ny hangina. « Tsy azo atao ny manararaotra ny zava-misy. Fotoan-tsarotra izao iantsoana ny samihafa fiangonana, tahaka ny ataonay miaraka amin’ny FLM. Iantsoana ny firehana politika hiray hina. Tahaka izany koa ny foko samihafa mba hifanampy, hanohana ny mahantra », hoy ny evekan’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, omaly, tamin’ny haino aman-jery. Nentaniny ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana ary ny vahoaka, mitady ny filaminana. Notsiahiviny ny tokony hanarahan’ny rehetra ny fepetra sy ny toromarika omen’ny tompon’andraikitra.Sakafo sy fanafody ho an’ny mahantraEtsy andaniny, nankasitrahiny ny fanohanana sy ny fa­nampiana, indrindra ho an’ny any Menabe, ka nahazoana ny tohana ho an’ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny fiangonana katolika any an-toerana. « Ankaherezina ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana… Tokony hotohanana amin’ny sakafo sy ny fanafody ireo mahantra », hoy ihany izy. Tsiahivina fa mitentina 90 tapitrisa Ar ny vola voaangona any an-toerana ho amin’izany fanohanana sy fanampiana izany ka nanentanany hatrany ny rehetra ho amin’ny fifanampiana. « Afaka mifanampy na ny mpifanolo-bodorindrina aza. Ny kely an-tanana ho an’ny hafa. Izarao ny sasany fa mampitombo ny fifankatiavana sy ny fihavanana izany. Mba ho fiangonana kely eo anivon’ny tokontrano », hoy ny evekan’ny diosezin’i Morondava.Synèse R.L’article Ady amin’ny Covid-19 : miantso ny hery politika hiray hina ny evekan’i Morondava a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ADIHEVITRA ARA-TOEKARENA: Fanantenana ho an’ny orinasa malagasy

 Mahatsapa ireo orinasa any amin’ny faritra fa  lasa ankilabao sy voahilikilika. Tsikaritra ihany koa fa  toa tsy misy vokany akory ny fifanankalozan-kevitra niarahan’ny  sehatra miankina sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.  Izany indrindra no hikarakaran’ny Vondrona Eraopenina dinika an-databatra boribory momba ny toekarena eto Madagasikara isaky ny herinandron’ny Eraopa. Fanao isan-taona izy ity ho fanatsarana hatrany ny sehatry fandraharahana  sy ny fifaninanana ara-barotra ary ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena Malagasy sy ny Vondrona Eraopeanina. Notanterahina ny 6 mey 2019, teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany faha-dimy amin’ny adihevitra ara-toekarena Madagasikara-Vondrona Eraopenina. Tomponandraiki-panjakana, tompona orinasa, mpiara-miombona antoka ara-bola  sy ara-teknika an-jatony no nandray anjara tamin’ny adihevitra. Nanohana  ny adivehitra hatramin’izay ny tetikasa PROCOM, vatsian’ny vondrona eraopeanina. Lohahevitra noresahana tamin’ity taona ity ny “fanantenana vaovao ho an’ny orinasa malagasy”. Nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeanina, Di Girolamo Giovani  fa fotoana hihainoana ny hetahetan’ireo sehatra tsy miankina, hanamorana ny fifanankalozan-kevitra  eo aminy sy ny tomponandraiki-panjakana ity hetsika ity. Fotoana hampahafantarin’ny fitondram-panjakana ny politikan’ny governemanta momba ny toe-karena sy ny ara-barotra ary hanavaozana izany ihany koa ny adihevitra. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny indostria, varotra sy ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa fa noresahana nandritra ny adi-hevitra ny fomba tsara indrindra ahafahana  manampy ireo orinasa any amin’ny faritra ho fampandrosoana handraisan’ny rehetra anjara eto Madagasikara. Nodinihina ihany koa ny fomba hanatsarana ny fifaneraseran’ny sehatra miankina sy tsy miankina. Nanamafy ny ambasaodaorin’ny Vondrona Eraopeanina fa ho havadika ho asa ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika an-databatra boribory. Ao anatin’ny fanatanterahana ny vina ho Madagasikara misandratra avokoa izany rehetra. Nirina R. Cet article ADIHEVITRA ARA-TOEKARENA: Fanantenana ho an’ny orinasa malagasy est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Présidence de la BAD : Dr Akinwumi Adesina, seul candidat à l’élection du 27 août

Le président de la BAD, Dr Akinwumi Adesina, avec son fils adoptif malagasy Anthony Manampisoa et ses parents. La réélection du Dr Akinwumi Adesina doit se faire à l’unisson dans un esprit d’acclamation, selon le doyen du Corps diplomatique africain aux Etats-Unis, Serge Mombouli. La transformation de l’Afrique ! C’est le grand défi que la Banque Africaine de Développement (BAD) a décidé de relever, sous le mandat de son président actuel, Dr Akinwumi Adesina. En effet, de nombreuses réalisations sont enregistrées dans les 54 pays d’Afrique, dont Madagascar, qui bénéficient de l’appui de cette première institution financière du continent. On peut citer des projets dans le domaine des infrastructures, de l’agriculture, de l’énergie, etc. Malgré cette grande performance, le président du groupe de la BAD a fait l’objet de fausses accusations. « Aujourd’hui, Dr Akinwumi Adesina est complètement disculpé de tout acte répréhensible par un comité de haut niveau composé de personnalités éminentes dirigées par Mary Robinson, ancienne présidente de la République d’Irlande. Le panel a été créé pour examiner le rapport du Comité d’éthique, des Conseils d’Administration de la BAD, qui était auparavant parvenu à la même conclusion que le Dr Adesina ne s’était pas livré à des pratiques contraires à l’éthique ou à une faute », a souligné Serge Mombouli qui s’exprime au nom du Corps diplomatique africain. Soutiens. Le Dr Adesina est le seul candidat à l’élection du président de la BAD, prévu le 27 août prochain, et a déjà reçu le plein soutien de l’Union Africaine. Ce soutien s’élargit davantage, depuis l’annonce du verdict par le Comité d’éthique du Conseil d’Administration et du Bureau du Conseil des Gouverneurs de la BAD. « Au nom du Corps Diplomatique Africain, nous félicitons le Dr Akinwumi Adesina président de la BAD, pour son leadership visionnaire, ainsi que les résultats de développement exceptionnels atteints par cette prestigieuse institution sous son mandat », a affirmé le Corps Diplomatique Africain accrédité aux Etats-Unis. Celui-ci exhorte les États-Unis d’Amérique, le plus grand actionnaire non régional ainsi que tous les autres actionnaires concernés, à continuer de soutenir fermement le président de la Banque et le groupe de la BAD, en particulier en cette période de pandémie mondiale de Covid-19. Selon les ambassadeurs, il doit continuer à jouer un rôle crucial dans le but de conduire les économies africaines sur la trajectoire de la croissance économique et du développement durable.  Antsa R. L’article Présidence de la BAD : Dr Akinwumi Adesina, seul candidat à l’élection du 27 août est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Présidence de la BAD : Dr Akinwumi Adesina, seul candidat à l’élection du 27 août a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking”

Nifanentana, avy eo, nifamotoana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking” lehibe, mifanila amin’ny tsena, ny mpivarotra sasany etsy Anosibe, omaly maraina. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny fananganana tsena vaovao ao anatin’ny faritry ny “parking”.Raha tsiahivina, tsy vao izao ity resaka ity fa efa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Efa nisy ny naneho hevitra tamin’ireo mpivarotra, raha mbola tsy nanomboka ny asa tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha, satria nolazaina fa mamafy lainga izy ireo fa tsy hisy izany fanamboarana tsena izany eo amin’ny “parking”. Raha ny voalazan’i Marcelin, anisan’ireo mpivarotra mandà ity tetikasa ity, nampidirina am-ponja mihitsy ireo olona naneho hevitra ireo.“Amin’izao fotoana izao kosa, tsy misy azo afenina intsony ary voaporofo fa tsy nandainga ireo olona ireo… Izao iaraha-mahita izao ny fanamboarana tsena vaovao ato anaty “parking”, hoy izy. Tsy eken’ny mpivarotra ity tetikasa ity, satria tena ilain’ny tsena ny toeram-piantsonana ary io efa misy io aza, tsy mbola ampy. Voaporofo izany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, rehefa misy ny miditra sy ny mivoaka ny “parking”, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany.Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tombontsoa manokana ho an’ny mpanam-bola ity tsena vaovao ity fa tsy ho an’ny mpivarotra amoron-dalana velively, satria antapitrisa maro ny vidin’ny iray amin’ireo tsena vaovao. Ireo mpivarotra “madinika”, tsy mbola manan-toerana, no tokony hijerena vahaolana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Raha tena ho an’ny mpivarotra amoron-dalana tokoa ny tsena, tokony hisy fifanarahana mazava momba izany”, hoy hatrany ireo mpivarotra.Nilaza ireto farany fa efa nitady ny fomba rehetra ahafahana mihaona sy mifampidinika amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy tontosa mihitsy izany. Ankehitriny, misy ny fanangonan-tsonia, halefa any amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hiangavian’izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity.Landy R. L’article Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – « Terre en mêlées »: maherin’ny 40 mianadahy manaraka fiofanana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fiofanana karakarain’ny fikambanana « Terre en mêlées », eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mpiofana miisa 40 mahery, avy amin’ny sehatra samihafa no misitraka izany.Hampihena ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny rugby, io no tanjona amin’izao fiofanana izao, izay haharitra herinandro eny amin’ny ANS ( Académie Nationale des Sports) Ampefiloha. Mpiofana avy any faritra sy avy eto Antananarivo no misitraka ny fifampizarana atolotry ny manampahaizana frantsay miisa telo mirahalahy, miaraka amin’ny filoha mpanorina ny fikambanana “Terre en mêlées”. Marihina, voalohany ho an’i Madagasikara izao fampiofanana momba ny rugby “Terre en mêlées” (TEM), omena manampahaizana vahiny, izao. Fifankafantarana teo amin’ny samy mpiofana no nanombohana ny fiofanana, omaly maraina. Nitohy tamin’ny fifampizarana avy amin’ireo manampahaizana sy ny lalao samihafa izany ny hariva.Anisan’ny tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny fampiofanana teny Ampefiloha, ny avy eo anivon’ny MJS izay nahitana ny Sekretera Jeneraly, Ralaivao Lovatiako sy ny Tale Jeneraly ny Spaoro, Rakotozafy Rosa. Nanambara ireto solontenan’ny Minisitera ireto fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy ity tetikasan’ny fikambanana “Terre en mêlées” ity, izay nisaoran’Andriamatoa Lovatiako, ny avy eo anivon’ny Masoivoho frantsay, ny filoha mpanorina ny TEM, ny Talen’ny ANS ary ireo mpiofana voasafidy hiatrika ity fampiofanana ity.Marihina, hisy ny jery todika hatao aorian’ny fifampizarana mandritra ny 6 andro, mialohan’ny famaranana amin’ny fomba ofisialy. Mi.RazL’article Rugby – « Terre en mêlées »: maherin’ny 40 mianadahy manaraka fiofanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra

  Poa-basy, grenady lakrimozena nitora-jofo, doro kodiarana, tora-bato… Izany ny santionan’ireo zava-nitranga tao Toamasina, ny alin’ny zoma teo noho ilay raharaha fahitan’ny tovovavy iray taova sy karandohan’olona  tao amin’ny tokantrano iray. Nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireto andian’olona marobe ireto. Tsy nanaiky anefa ny mpitandro filaminana…Nirefodrefotra nandritra ny alina manontolo, ny zoma hifoha asabotsy teo, ny basy sy ny grenady lakrimozena nataon’ny mpitandro filaminana handravana sy hanapariahana ireo andian’olona marobe nirohotra nandoro trano sy hanao fitsaram-bahoaka tao amina tokantranona fianakaviana iray eo amin’ny “4 chemins” Morarano Toamasina. Niezaka nanohitra ireo andian’olona naneho ny hatezerana tamin’ny fielezan’ny vaovao momba ity halatra taova ity ny mpitandro filaminana. Nandrehitra kodiarana teo amin’ny arabe sady nitora-bato ny fiaran’ireo mpitandro filaminana izy ireo. Vokany, vaky ny fitaratry ny fiaran’ny polisy. Naratra voatora-bato ihany koa ny polisy. Olona roa avy amin’ireo mpanao fikehetsiketsehana voasambotra  hanaovana fanadihadiana  momba ity tora-bato sy fandrehetana kodiarana. Mbola nahitana fokonolona mitangorongorona teny an-toerana , omaly  mikasa ny hiditra an-keriny ao amin’ilay tranovato misy peta-drindrina mitady mpiasa efa ho ampolon-taona maro.Mpiasa iray nahita karandohan’olona…Toy izao ny raharaha raha hiverenena. Misy soratra amin’ilay peta-drindrina amin’ilay tranovato efa hatramin’ny taona 1991 milaza fa  mitady mpiasa. Fianakaviana efa manana ny lazany hatramin’izay izy ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny zoma tolakandro teo, nisy tovovavy nitady asa tao amin’ity trano ity ary noraisina hiasa. Ny zoma io ihany, tonga tany amin’ny zandary ilay tovovavy sady efa sempotsempotra nitantara ny hitany tao amin’ilay trano. “Mpiasa vao hiditra hiasa ao amin’ny fianakavian’i T. M. aho ka nahita karandohan’olona sy taolana ary taova samihafa raha iny hiditra tao amin’ny efitrano fandroana  iny. Nitsoaka nanao ny fomba rehetra nahafahako nivoaka tao aho raha nahita izany. Izao tonga aty aminareo izao”, hoy ilay tovovavy, araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao Toamasina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notarihin’ny Prefet, Benandrasana Cyril sy ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, Rajaonah Thierry. Nangataka fahazoan-dalàna hanao fisavana trano teo anivon’ny fampanoavana ny zandary raha vao naharay izany fiampangana izany ary niroso haingana nanao ny fisavana ilay trano voalaza. Nambaran’ireo mpitandro filaminana nanao ny fisavana anefa fa tsy nahita na inona na inona ry zareo nandritra ny fisavana natao ka anisan’ny antony nanazavan’ny prefet sy ny tonia ny mpampanoa lalàna ny tokony hampitony ny rehetra. Tsy nanaiky izany anefa ireo andian’olona raha tsy misy solontenam-pokonolona navela miditra manao fisavana ao amin’ilay trano, araka ny fanazavana voaray hatrany.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanahiana halatra taova: nirefodrefotra ny basy olona roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampianarana ambony: hamaha ny olan’ny Seces Tana ny minisitra

Ny fotoana sisa. Nampanantena ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard, fa hifampresaka amin’ny Seces Antananarivo, manoloana ny olana sy ny fitakian’izy ireo. Tokony hotanterahina tsy ho ela izany, araka ny nambarany. Ankoatra izany, notsiahiviny fa tafiditra amin’ny veliranon’ny filoha Rajoelina ny fanabeazana ho an’ny rehetra sy ny fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana ambony. “Eo ny fametrahana onivesitre vaovao. Ny fanatsarana ny toeram- piasana, ny toeram-pikarohana, ny toeram-pampiarana ao anatin’ny vina koa. Hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa niatrika fihaonana indroa miantoana ny minisitra tamin’ity herinandro ity. Teo ny fihaonambe faha-56 ho an’ny Association for tropical biology and conservation (ATBC), tanterahina eny amin’ny CCI Ivato, hatramin’ny asabotsy izao. Lohahevitra:  “Ny biolojia tropikaly sy ny fandrosoana lovainjafy“.Fanomezan-danja ny fikarohanaAndrasana mandritra ity fihaonambe ahitana solontena avy amin’ny firenena maherin’ny 50 ity ny  vahaolana hanatsarana ny fandaharanasa momba ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ankoatra izany, nanatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena ataon’ireo oniversite 12 lehibe aty Afrika, natao tetsy Antaninarenina, koa ny minisitra. Nodinihina ny fampihenana ny tandindon-doza sy ny loza, ny fahafaha-miatrika sy manarin-tena samirery ary ny fandrosoana lovain-jafy. Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fanomezan-danja bebe kokoa ny fikarohana, antoky ny fandrosoana lovain’ny taranaka ny minisitra, araka ny nambarany.Synèse R.L’article Fampianarana ambony: hamaha ny olan’ny Seces Tana ny minisitra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika
25/09/2020

Ao anatin’ny velirano napetraky ny filoha Rajoelina ny fampandrosoana ny seha-piharian’ny mpandraharaha ka mañana andraikitra amin’izany ny fandaharanasa Fihariana. Natao sonia ny 23 septambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny fandaharanasa Fihariana sy ny vondron’ny orinasa mamokatra biolojika Symabio. Mifantoka amin’ny fambolena sy fanodinana vokatra biolojika ny Symabio.Nilaza ny sekretera mpanatanteraka (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valerie, fa tanjona ny hampiroboroboana ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra fambolena biolojika eto Madagasikara. Tohanana ara-bola sy ara-teknika ny tantsaha malagasy miara-miasa amin’ny Symabio. Omena fiofanana koa izy ireo amin’ny lafiny fitantanana, ny fampifandraisana amin’ireo samy nahazo tohana, sy mitovy lalam-pihariana.Manodidina ny 200.000 ny tantsaha hisitraka ny tohana avy amin’ny Fihariana. Misandrahaka amin’ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny ilomenaka, ny jono (makamba, drakaka,…), sns.Misehatra amin’ny fambolena ny 48,29% ny antontan-taratasy voarain’ny Fihariana, tamin’ny taona 2019. Azo antoka fa hanafaingana ny fampandrosoana isam-paritra ity fiaraha-miasa ity. Hampiroborobo sy hanitatra ny seha-pihariana, ny fanodinam-bokatra, ny indostria, ny famoronana asa manerana ny Nosy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika a été récupéré chez Newsmada.

Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn
21/09/2020

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ». Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. L’article Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn est apparu en premier sur AoRaha.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV
21/09/2020

Kandidà amin’ny fifidianana loholona avy amin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV), naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nofantenana tetsy amin’ny Arena Ivandry, efa ho andro vitsivitsy izao. Fantatra fa izy ireo no handrafitra ny lisitra hisalotra ny loko volomboasary amin’io latsa-bato hatao, amin’ny 11 desambra 2020 io, araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny depiote Rakotomanga Lanto, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, omaly. Voalaza fa ny Filoham-pirenena kosa no hanome fankatoavana farany momba an’izany lisitra izany. « Izay no tapaka sy nifanarahan’ireo mpikambana ao anatin’ny Vovonana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina (MAPAR), hoy izy, ary efa vita tanteraka ny lisitr’ireo kandidà roa ambin’ny folo amin’ireo faritany enina manerana an’i Madagasikara, miampy kandidà loholona mpanampy telo isaky ny faritany ». Namaly ny mason-tsivana notakian’ny antoko ireo kandidà ireo, araka ny fanampim-panazavana. L’article Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV est apparu en premier sur AoRaha.

Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces
22/09/2020

Naneho hevitra eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny tamin’ny loza nitranga tao Ankatso II, oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny Seces sampana Antananarivo. Manantena izy ireo fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly intsony ny loza toy ireny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amin’ny trano fonenana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka.May ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatraNohamafisin’ny birao fa vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana no ilaina momba ny tranon’ny mpianatra. Zava-misy mahamenatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. Mankahery ireo mpianatra niharam-boina ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mora ny mamoy ny trano fonenana sy ireo entana ary fitaovana entina manatanteraka ny fianarana.Vao tsy ela akory no may ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatra miisa 62 any Maninday.VonjyL’article Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Filoha lefitry ny Ceni, i Benaivo Andrianaly Narcisse: “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona…”
22/09/2020

Matoky tena tanteraka noho ny traikefa ? Notanterahina, omaly, ny fianianan’ny filoha lefitry ny Ceni vaovao, i Benaivo Andrianaly Narcisse, tetsy amin’ny fitsarana an-tampony Anosy. “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona na tsy ampy sy tsy feno aza ireo mpifidy vaventy”, hoy izy. Nidera tena rahateo ity filoha lefitry ny Ceni ity fa efa nisahana andraikitra maro momba ny fikarakarana sy fanomanana fifidianana, hatramin’ny lisi-pifidianana koa aza. Anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, tamin’ny fotoan’androny. “Mora kokoa ny mikarakara fifidianana loholona satria mpifidy vaventy izy ireo raha mitaha amin’ny fifidianana depiote”, hoy ihany izy. Nivoitra tamin’ny fianianana nataony ny hanatanterahany ny andraikitra hosahaniny eo anivon’ny Ceni… “Ao anaty fahaleovantena tanteraka sy fanajana ny lalàna ary ny lalàmpanorenana… Mianiana koa fa tsy hamboraka ny tsiambaratelo…”, hoy izy nanoloana ireo mpitsara.Tsiahivina fa nisolo ny toeran-dRakotonarivo Thierry eo anivon’ny Ceni, nametra-pialana noho ny resaka “doublons” tamin’ny lisi-pifidianana, ny volana marsa teo ny tenany.Synèse R.L’article Filoha lefitry ny Ceni, i Benaivo Andrianaly Narcisse: “Tsy misy ny sakana amin’ny fifidianana loholona…” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray
26/09/2020

“Asa tsy maintsy tanterahina ny fanampiana ny olona mifandray amin’ny mpiasam-panjakana. Raha mandeha tsara ny asam-panjakana, tsy misy ny fitarainana. Mampalahelo fa mitohy ihany ny fitarainana noho ny tsy fetezana amin’izany, indrindra tamin’ny taona 2019: nitombo ny fitarainana”, hoy ny mediatioran’ny Repoblika, i Andréas Monique Esoavelomandroso, tamin’ny fanaovana tatitra ny asan’ny andrimpanjakana tarihiny, taona 2019-2020, teny Isoraka, omaly. Tafakatra 300 ny fitarainana voaray, taona 2019-2020, raha latsaky ny 200 izany teo aloha.Tena andraikitry ny mediatioran’ny Repoblika ny fanampiana ireo olona manao fitarainana aminy. Ny momba ny ady tany no tena misy, indrindra ny amin’ny fisotroan-dronono tsy mety milamina tsara. Mila fanamboarana ny lalàna avoakan’ny minisiteran’ny Tetibola sy ny fitantanam-bola, izay tokony ho fantatry ny olona mialoha. Eo ihany koa ny amin’ny ady tany, ny ady lova…Ny fandehanana any amin’ny faritra no tokony hataon’ny mediatioran’ny Repoblika amin’izao: fampahafantarana ny olona izay tokony ho fantany. Eo ihany koa ny fahampahalalana lalàna, izay mbola mila fanamboarana.R.Nd.L’article Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray a été récupéré chez Newsmada.

Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19
21/09/2020

Misoko mangina ny isan’ireo maty na mihena aza ny tranga vaovao. Olona roa indray no nodimandry, ny asabotsy teo ka avy eto Analamanga sy Diana izy ireo. Niampy efatra ireo lavo, omaly alahady ka iray avy any Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.Roa kosa ireo namoy ny ainy any Alaotra Mangoro, tao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka ka vehivavy 60 taona sy lehilahy 78 taona izy ireo. Enina izany ireo matin’ny coronavirus tao anatin’ny roa andro. Tafakatra 223 ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika.Miisa 82 kosa ireo tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora ka ny asabotsy teo ny 49 amin’izany. Mitombo tahaka ny isan’ny maty koa ny isan’ireo mbola tsaboina sy arahi-maso. Niampy 13 izany, omaly alahady ka tafakatra 1 182 izany izao.Na izany aza, nihena 11 ireo anaty fahasarotana ka 26 ireo “forme grave”. Miisa 16 kosa ireo sitrana ka tafakatra14646 ireo efa nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana.Synèse R.L’article Nandavo olona enina tao anatin’ny 48 ora ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.