Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka

News - Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka

News - Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka

Atao ny 9 hatramin’ny 11 jona, eto
Madagasikara ny fivoariambe iraisam- pirenena Aviadev Africa 2021,
karakarain’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny
seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be. Sambany nisian’izany
fivoriana izany teto amintsika, natao hampiroboroboana ny tolotra
sy ny zotram-piaramanidina aty Afrika. Hita ao ny mpisehatra
rehetra amin’ny fitaterana ana habakabaka, toy ny kaompania
mpitatitra, ny mpitantana seranam-piaramanidina, ny rafi-panjakana
voakasiky ny fizahantany, sns. Tanjona ny hampiroboroboana ny
hikarohana zotra vaovao sy toerana amin’ny lafiny fitaterana ana
habakabaka.

Amin’ny alalan’ny ampitain-davitra
no hanaovana ity fivoriana iraisam-pirenena ity, noho ny Covid-19.
Maherin’ny 1.000 ny mpandray anjara, ahitana firenena 76, kaompania
ana habakabaka iraisam-pirenena 40, toy ny Emirates, ny Qatar, ny
Lufthansa, ny Airlink, sns .

Miahy ity fivoriana ity ny
minisiteran’ny Fizahantany, ny fitaterana ary ny famantarana ny
toetr’andro. Mbola handray ny fivoriana Aviadev ihany koa i
Madagasikara, izay manatrika sy mihaona amin’ny mpivory, ny taona
2022.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra

Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano.  Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jery taratra… herinandro: mampitsanga-mitoetra…

Nilaza ny Ceni fa anarivony ireo fangatahana fitanana an-tsoratra (PV) voarainy fa ny 837 amin’ireo izay avy amin’ny distrika 23 no nekena hanaovana fampitahana PV ary nanatontosana izany. Efatra tamin’izany ihany no nisy tsy fitovian’ny PV. 14 ny PV milaza ny fahitana fototra ny tsy fanjarian’ny fifidianana.Any amin’ny faran’ny volana septambra no tokony hanaovana ny fifidianana kaominaly, raha ny tolo-kevitry ny Ceni. Hifarana ny 22 septambra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha tsy izany, manendry PDS hitantana ny kaominina ny fanjakana, na manalava izay fe-potom-piasana izay.Nanatrika ny fankalazana ny faha-100 taon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) tany Genève ny delegasiona malagasy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny hanafoanana ao anatin’ny folo taona ny fanandevozana maoderina, ny asa an-terivozona, ny fanararaotana amin’ny asa..Nihaona manokana tamin’ny Chancelière alemà, i Angela Merkel, ny filoha Rajoelina tamin’izany. Anisan’ny voadiniky ny roa tonta ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny angovo, ny fanabeazana, ny tontolo iainana. Hisy ny delegasiona malagasy avy amin’ny minisitera amin’ireo sehatra ireo ho an’ny Alemaina amin’izany.Nahatratra 34 ny miaramila naiditra vonjimaika am-ponja, araka ny tatitry ny eo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafi-bahoaka. Anton’izany ny fanolanana, ny fanaovana  herisetra, ny tsy fanajana zon’olombelona… Zava-baovao? Vao tsy ela koa, zandary 36 naiditra am-ponja noho ny antony tsy mifankaiza amin’izay.Ankoatra ny fiandrasana ny voka-pifidianana mahabe fitarainana etsy sy eroa, eo ny hoe hala-jaza. 824 ny fahaverezan-jaza, ary 725 ny zaza hita, araka ny tatitry ny Polisim-pirenena. Samy mampitsanga-mitoetra izay, na eo amin’ny tontolo politika na ny fiainam-bahoaka ifotony. Mandra-pahoviana ary hanao ahoana?R.Nd.L’article Jery taratra… herinandro: mampitsanga-mitoetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Loza an-dranomamy

Rendrika tao amin’ny reniranon’i Manambaho ny lakana iray nisy zandary telo handeha hamita iraka tany Maintirano, tamin’ny alahady lasa teo. Lasan’ny rano tamin’izany ny basy iray an’ireo zandary niaraka tamin’ny tranom-bala roa feno bala dimampolo isa. Nieren-doza ny olona sy ireo mpitandro filaminana. Hita, ny ampitson’io ihany ireo fitaovam-piadiana rehefa nifampitadiavana tao anaty rano. L’article Loza an-dranomamy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Soavinandriana: lehilahy nahabevohoka an-janany

  Tsy olombelona intsony! Nitsabo tena tany Antsirabe ny reniny ary ilay tovovavy 16 taona sy ny rainy irery ny tao an-tranony any Ampatsaharana, kaominina Soavinandriana Itasy. Nandritra izany no nitsiry ny filan-dratsin’ilay rainy ka ity zanany vavy ity ny nanamparany ny filan-dratsiny tao an-trano. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nahatonga ireo vondrona miaro ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy nitondra ny raharaha teny amin’ny polisy hiarovana ilay niharam-boina. Nandray avy hatrany ny andraikiny ny polisy ka niroso tamin’ny fisamborana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza, afakomaly. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana azy, fa nisy tokoa ny firaisana ara-nofo nataon’ity rainy tamin-janany na niezaka nanafina izany aza ilay zanany noho ny tahotra ity rainy. Fantatra ihany koa fa nitondra vohoka ilay tovovavy noho ny fanolanana nataon-drainy ary efa nanala zaza mihitsy aza izy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana ny olona manao toetram-biby toy izao. Afaka miantso ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona amin’ny laharana 034 05 703 73 izay mahita tranga toy izao.Jean ClaudeL’article Soavinandriana: lehilahy nahabevohoka an-janany a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Mavesatra ny antontanisa tao anatin’ny 48 ora : miisa sivy ireo lavon’ny covid-19 ary 554 ireo tranga vaovao

Miisa sivy ireo lavon’ny covid-19 tao anatin’ny 48 ora. Ny roa tamin’izany, ny asabotsy teo. Omaly alahady kosa ny fito ambiny ka mitsinjara ho efatra avy eto Analamanga. Iray avy tany Mandritsara, Sofia sy Ambatondrazaka , Alaotra Mangoro ary Antsi­rabe, Vakinankaratra. Tafa­katra 85 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.429 ny tranga vaovao ka avy eto Analamanga ny 380Mitombo koa ny isan’ireo olona nifindran’ny valanaretina. Miisa 554 ny fitambarany tao anatin’ny 48 ora ka 125 izany ny asabotsy teo. Nia­katra be 429 kosa izany, raha ny tatitry ny CCO, omaly. Mbola foiben’ny valanaretina hatrany i Analamanga. Miisa 380 izany raha 33 kosa ny any Boeny. Miisa dimy ny any Sava, ao Andapa ny roa ary any Antalaha ny telo. Telo ireo nifindran’ny valanaretina any Diana, ao Ambanja ny iray ary any Antsiranana ny iray. Telo tahaka izany koa ny any Analanjirofo sy Atsimo An­drefana raha iray avy ny any Atsinanana sy Antsohihy, faritra Sofia.Miisa 75 ireo marary mafy eto AnalamangaTafakatra 89 kosa ireo marary mafy ka maro anisa amin’ireo ny eto Analamanga, ahitana 75. Etsy Befelatanana ny 45 raha eny amin’ny HJRA ny 16. Miisa 11 ireo marary mafy eny Anosiala ary telo eny Fenoarivo. Manampy ireo ny roa etsy Andohatapenaka sy ny iray eny amin’ny Homi, Soavinandriana. Any Antsirabe kosa ny dimy raha telo ny any An­drainjato Fianarantsoa. Miisa telo ny any Boeny ary iray kosa ny «frome grave» any Toliary. Na izany aza, maromaro koa ireo sitrana tao anatin’ny 48 ora. Miisa 495 izany, 257 ny asabotsy raha 238 ireo sitrana, tamin’ny tatitra omaly.Miisa 26 ireo lavon’ny coronavirus tao anatin’ny herinandroEtsy an-daniny, herinandro mavesatra ho an’ny firongatry ny valanaretina, iny nivalona iny. Miisa 26 ireo namoy ny ainy ka anisan’ny ambony indrindra ny omaly alahady. Miisa fito be izao ireo lavon’ny coronavirus raha enina kosa izany ny zoma. Efatra ny alarobia raha telo avy ireo maty ny alatsinainy sy ny talata. Roa ny asabotsy teo ary iray ny lavon’ny covid-19 ny alakamisy.Synèse R.Efa hananika ny iray alina, miisa 9295 ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty raha 3193 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny fahasalamany. Miisa 6017 ireo efa sitrana sy nahafeno ny fepetra amin’izany ka nalefa nody. Tafakatra 37 921 ireo fitiliana vita, hatramin’izao. L’article Mavesatra ny antontanisa tao anatin’ny 48 ora : miisa sivy ireo lavon’ny covid-19 ary 554 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Fiarovam-pirenena: “Maika ny filaminana maharitra” 

“Ho antsika Foloalindahy manokana, laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny filaminana maharitra. Koa alao hery ary aza mikely soroka hanompo ny vahoaka malagasy; hanompo ny Nosy malalantsika.” Io ny hafatry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean-Richard, afakomaly, ho an’ny Foloalindahy noho ny fetim-pirenena. Ahazoan’ireo mpiray tanindrazana miaina amim-pitoniana sy ho amin’ny asa fampandrosoana izay filaminana izay.59 taona izao ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, ary 59 taona koa ny Tafika malagasy. “Tsiahivintsika isan-taona izany”, hoy izy. Fa ity taona 2019 diavintsika ity kosa, tsiahivina amin’ny fomba miavaka ny datin’ny 26 jona. Satria tsioka vao no iainana ary ainga vao ihany koa no manosika sy mandrisika.Hita taratra ampahibemaso izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny fiverenan’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny laoniny. Satria efa mizotra mankany amin’ny filaminana sy ny fandriampahalemana tokoa ny fiainana andavanandro. Miantso ny rehetra hifandray tanana hatrany ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izy.Misy ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voasazy latsaky ny valo andro eo anivon’ny Foloalindahy. Foana ny sazy nanomboka ny 11 janoary hatramin’ny 26 jona, raha tao anatin’izay no nahazoana azy. Noho ny fahavitan’ny matso, mahazo fialan-tsasatra 24 ora ireo miaramila rehetra manerana an’i Madagasikara nandray anjara tamin’izany. R. Nd.L’article Minisitry ny Fiarovam-pirenena: “Maika ny filaminana maharitra”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.Landy R.  L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Krizy toekarena: mitaky ny hampidinana ny vidin-tsolika ny mpanjifa

Fototry ny fihodinan’ny fihariana rehetra ny fitaterana, miantehitra amin’ny solika. Efa iaraha-mahalala fa tafidina amin’ny vidiny tena tsy ampoizina, ambany indrindra, efa tarehimarika miiba, ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary latsaky ny 10 dolara ny salam-bidin’ny barila tamin’ity herinandro ity. Variana anefa ny mpanjifa eto Madagasikara fa tsy nihetsika ny vidin-tsolika, efa nanomboka ny jona 2019. Nitsotra i R J L, tompona fiara mpitatitra olona mankany amin’ny faritra, fa tena tsy zaka intsony ny fatiantoka nandritra izay iray volana mahery izay. Toraka izany koa i R Paul, tompona taxi-be, fa tsy ahazoana tombombarotra mihitsy ilay famerana ny isan’ny mpandeha nefa ferana hatramin’ny 3 ora tolakandro koa ny fe-potoana azo iasana. Vahaolana iraisan’izy roa ireo ny hampidinan’ny fanjakana ny vidin-tsolika.Miova isam-bolanaTsiahivina fa tokony hiova isam-bolana ny vidin-tsolika avoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny vokatra solika (OMH), koa ho hita eo ny amin’ny fiandohan’ny volana mey izao, amin’ny herinandro ambony io.Mihalalina ny krizy sosialy, indrindra ny toekarena eto amintsika, amin’izao fisian’ny tsimokaretina Coronavirus izao. Miantraika any amin’ny sehatra rehetra, saingy tsy maintsy atrehina ary miezaka manalefaka izany ny fanjakana, toy ireny fanampiana amin’ny alalan’ny Vatsy tsinjo ireny. Nampiharina nandritra ny iray volana ny fepetra tsy maintsy ijanonana ao na-trano, ny fihibohana, ary novahana tsikelikely, nanomboka ny alatsinainy 20 avrily teo. Izany hoe, miasa amin’ny farany kely ny biraom-panjakana sy ny orinasa tsy miankina.Njaka A.L’article Krizy toekarena: mitaky ny hampidinana ny vidin-tsolika ny mpanjifa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Governoran’Analamanga : “Tsy vahaolana ny mifandatsa-dra”

“Miezaka hatrany ny mpanao politika hanao izay ha­minganana ny fitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoe­lina. Izay no mahatonga ny hoe mampirisika amin’izay zavatra rehetra mety misy olana eto amin’ny firenena mba hikorontanana. Misy manana tombontsoa amin’izany. Tsy vahaolana eto amin’ny firenena ny mifandatsa-dra” hoy ny governo­ran’ny faritra Anala­manga, Rasoamaro­ma­ka Hery, teny Ambohidahy, omaly. Tsy tokony hisy intsony ny fampidirana ny mpianatra sy ny vahoaka amin’ny politika hidina an-dalambe… hanao fandrobana. “Samia mandray andraikitra”, hoy izy. Mipetraka amin’ny maha mpanohitra azy ny mpanohitra fa tsy hitondra sorona ho an’ny tolona hataony. Raisin’ny mpitondra ny tsikera ny tsy mety, ary efa manitsy ry zareo. Tsy ekena intsony ny fanaovana sorona ny zanaka malagasy.R. Nd.L’article Governoran’Analamanga : “Tsy vahaolana ny mifandatsa-dra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Notsongaina

Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail !
16/06/2021

Changement de décor pour le Rallye ASACM devenu de plus en plus relévé avec l’arrivée de puissantes voitures. Une authentique voiture de rallye en fait puisqu’il s’agit de la 206 WRC du regretté Le Roi Lion et confiée aux mains expertes de Faniry Rasoamaromaka qui fait logiquement partie des favoris voire le favori tout court tant le jeune maitrise de mieux en mieux le sujet. Le Rallye ASACM verra Les frères Rasoamaromakavo vont prendre le devant de la scène avec de belles voitures de course. Si Faniry sera au volant de la 206 WRC, Mika sera à bord de la 208. Et avec cette fougue héritée de leur père, les deux jumeaux sont bien capables de s’imposer dans ce rallye quelque peu raccourci car il va se jouer sur 187km en deux étapes et 9 épreuves spéciales. La bataille ou plutôt la guerre se tient à Ambohimiadana et ses environs et pour la plupart sur des pistes nouvellement traçées. Si le statut de favori de Faniry qui hérite également du navigateur de son père Hery Be en l’occurrence l’expérimenté Fafah, ne se discute pas, il n’aura pas pour autant la partie facile. Dans les 39 équipages qui prendront le départ, figurent en effet des champions en puissance tels Rivo et Ando sur leur Subaru. C’est à bord d’une autre Subaru Impreza que Tahina et Ranto vont tenter de brouiller les cartes. Mathieu Andrianjafy sera aussi à bord d’une Subaru dans le but de se rappeler à nos bons souvenirs et pour peu qu’il parvient à franchir la ligne. Parmi les voitures de la classe M12, on notera aussi la présence de la Mitsubishi Lancer Evo X d’Yves de TMF Rally. Un club qui n’entend pas céder pour marquer de ses empreintes cette reprise du rallye à Madagascar. Mais dans la liste des vainqueurs potentiels, on se gardera de sous-estimer Olivier sur une C2 de compétition. Parmi les surprises du chef, on citera la Land Rover Defender d’Anjabob chez les T2. Pour couronner le tout, il y aura deux Polaris RZR dans un lot assez composé mais marqué par la seule catégorie en R5 de Mika Rasoamaromaka. Clément RABARY L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso
14/06/2021

Mbola mitoetra ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ny 15 andro manaraka na efa nihena aza ny tranga covid-19. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, niainga avy any Taolagnaro, omaly fa ferana ho isaky ny renivohi-paritany enina ihany ny matso. Nambarany tamin’izany fa hankalazaina afaka 13 andro ny fetim-pirenena sy ny faha-61 taona niveran’ny Fahaleovantena. “Noho ny hamehana sy hifehezana ny fiparitahan’ny covid-19 anefa, eny anivon’ny renivohi-paritany enina ihany no hankalazana izany sy hanaovana ny matso”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hanangan-tsaina, hampisehoana ny hambom-pirenena.  “Hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Na izany aza, mbola baraingo na ho etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ihany ny hanaovana ny matso eto Antananarivo na tsia.  Efa nanambara ny mpanolontsain’ny filoha, Andriamanohisoa Gerard fa efa azo hanatanterahana hetsika ny kianja ny 26 jona izao. “Miankina amin’ny fanjakana anefa izany”, hoy izy.Niakatra ho 200 ireo afaka mivorivoryEtsy andaniny, nambaran’ny filoha fa  miverina amin’ny andavanandro ny fiainana  amin’ny ankapobeny. “Hampiakarina ho 200 ireo afaka mivorivory raha noferana ho 100 izany teo aloha. Miankina amin’ny toerana fandraisana koa anefa izany ahafahana manaraka sy manaja ny fepetra”, hoy ihany izy. Mbola tazonina hatrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 11 ora alina izany ka hatramin’ny 4 ora maraina.Ankoatra izany, azo atao ny fandevenana na miditra na mivoaka ny faritra rehetra raha tsy voan’ny covid-19 ilay maty. Nametrahana fepetra anefa izany amin’ny alalan’ny taratasy omen’ny BMH.Omena alalana manokana ireo mana-manjoHo an’ny matin’ny covid-19 kosa, voarara ny mitondra ny razana miditra na mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tsy miova koa ny fandevenana fa alevina ny androtr’iny ihany izany ary ferana ho 10 ireo mpandevina. “Mbola voarara ny mamindra razana na mamindra sy mamoaka izany any amin’ny faritra hafa raha efa nalevina”, hoy ihany ny filoha.Etsy andaniny, mbola mikatona ny sisin-tany. Na izany aza, nambaran’ny filoha fa omena alalana manokana ireo hanefa adidy farany amin’ireo mana-manjo, namoy ray aman-dreny, vady, zanaka, mpiray tampo. Misokatra ny “espace”, “cabaret”, mariazyEla ny ela…Misokatra ny toerana fanaovana lanonana rehetra, araka ny fanambarana nataon’ny filoha hatrany. “Afaka misokatra anaty fepetra, toy ny « cabaret », ny « espace », ny mariazy sy ny sisa… Ao anatin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ”, hoy izy.Tsiahivina fa maro ireo mpisehatra amin’ny fanafanana lanonana sy ny karazany no mikaikaika, nandritra ny fepetra ara-pahasalamana. Manomboka mivaha tsikelikely, araka izany, ny fiverenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nandritra izay iray volana mahery izay, maro ny mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny fanafanana lanonana no naneho ny fihetseham-pony noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus tsy hiparitaka. Maro ireo mpanakanto tra-pahasahiranana nandritra ny fotoana nanapahan’ny fanjakana hevitra ny amin’ny fanakatonana ny toerana fanaovana lanonana. Manomboka hiverina amin’ny lazoniny izany izao.  Maro rahateo ny fifanarahana amina hetsika nataona mpanakanto sy ny mpikarakara lanonana no rava noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana hisorohana ny fihanahan’ny covid-19. Nisy mihitsy aza, ireo mpanakanto lavon’ny coronavirus.Na izany aza anefa, nohamafisin’ny filoha fa mbola mitoetra ny fepetra rehetra manerana ny Nosy, efa nambara tany aloha. Anisan’izany ny tsy mbola fandehanan’ireo marefo miasa, ohatra…Mila mitandrina amin’izao ririnina izaoAnton’ireo fepetra rehetra ireo sy ny famahana tsikelikely ny ampahan’ny fanapahan-kevitra sasany tany aloha ny filazan’ny filoha fa efa an-dalan’ny fandresena ny valanaretina isika izao noho ny fihenan’ny tranga vaovao. Nisy ny ezaka natao niarovana ny vahoaka ary hotohizana izany rehetra izany. “Mila mitandrina anefa isika satria miditra amin’ny ririnina », hoy izy.Nifampidinika ny teo anivo’nyn andrimpanjakana telo tonta fa mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka.Na ao anatin’ny hamenana aza anefa araka ny nambarany hatrany, tsy maintsy mitohy ny fanarenana ny toekarena sy ny asa fampandrosoana voalazan’ny velirano. Miatrika ady hafa, toy ny kere, haintany, famoizana aina ny firenena ka anisan’ny velirano ny hanavotana azy ireo. « Azo atao ny manarina ny any  atsimon’ny Nosy », hoy izy.Synèse R.L’article Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika
14/06/2021

Toy ny fanaony isan-taona rehefa volana jona toa izao sy amin’ny maha volan’ny ankizy azy,  nanolotra akanjo mafana sy botofotsy ary sakafo ho an’ireo ankizy beaziny ao aminy ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Notanterahina ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Imamba, izany. Nisitraka izany ireo kilonga madinika miisa 305 mianadahy. Nambaran’Andrianasolo Avotra, filohan’ny fikambanana fa tsy ireo ankizy beazina eo amin’izy ireo ihany no nahazo izany fa teo koa ireo avy amin’ny fokontany hafa toa ny Tanjombato sy Behoririka, Sabotsy Namehana, Ivato, Ambohidratrimo. Notsiahiviny fa mitaiza sy mamolavola ankizy amin’ny taranja rugby ny RCTS, izay nijoro ny taona 1989. Miara-miasa amin’ireo mpanohana avy any ivelany ny RCTS ka anisan’izany ny RFF (Rugby French Flair), hivondronan’ireo mpilalao fahiny tao anatin’ny XV de France, izay manohana ara-bola sy ny Pachamama.Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fandaharanasan’ny RCTS dia ny hananganana tobim-pahasalamana izay tokony efa ho vita, saingy niato noho ny fisian’ilay valanaretina. Efa eo am-pamaranana ny fanamboarana ny taratasy hanoratana ny tany eo Imamba ho an’ny RCTS, ankehitriny ny mpitantana. Torcelin L’article Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika a été récupéré chez Newsmada.

Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés
14/06/2021

Les 230 entrepreneurs ayant effectué l’entretien des routes dans tout Madagascar, n’ont pas encore été payés alors que les travaux ont été réalisés, il y a plus de neuf mois. En réponse à leurs revendications demandant la régularisation de leurs factures s’élevant à plus de 33 milliards Ar, le Premier ministre Christian Ntsay a soulevé qu’un audit sera effectué, lors de sa rencontre par visioconférence avec les députés mardi dernier. En effet, « des marchés fictifs ont été identifiés. Et la réception des travaux faits a été entachée par la corruption », selon ses explications. Ces entrepreneurs impayés sont indignés. « Ne nous mettez pas tous dans le même sac. Nous demandons à l’Etat de dévoiler au grand public ces marchés fictifs et ceux qui sont derrière ceux-là ou ceux qui ont fait de la corruption. En revanche, nous réclamons à tout prix la régularisation des entrepreneurs qui ont bien respecté le contrat », a évoqué Andry Rakotomandimby, un des représentants de ces entrepreneurs victimes.  Raison d’être. Et lui de rajouter que le ministère en charge de l’Aménagement du Territoire et des Travaux Publics a déjà effectué un audit en octobre dernier. Tous les dossiers concernant les 230 entrepreneurs ont été ensuite transmis aux autorités supérieures mais leurs paiements restent en stand-by. « On nous a informé qu’une centaine sur les 300 dossiers traités, ont rencontré des problèmes. Ce ministère a déjà complété les manquements le 18 mai dernier. Mais en attendant, pourquoi ne pas payer les dossiers qui sont en règle ? », s’interroge-t-il. Par ailleurs, Jackson Beriar, un autre représentant des entrepreneurs impayés, tient à souligner que des ingénieurs, des inspecteurs et des agents de ce ministère de tutelle au niveau central et régional, sont les seuls habilités à réceptionner les travaux faits. « Le contrat stipule également que l’on peut réclamer le paiement de nos factures même si les travaux n’ont pas encore été réceptionnés. A notre avis, ce département ministériel n’a pas sa raison d’être si l’Etat émet des doutes quant à la fiabilité de ses contrôles et inspections sur les travaux d’entretien routier exécutés par le secteur privé », a-t-il enchaîné. Ces entrepreneurs demandent au président de la République de veiller sur leur cas. « Nous nous sentons trahis. Les banques et les fournisseurs nous poursuivent en justice. Il n’y a pas que la population dans le Sud qui subit le kere car nous, des PME malgaches, sommes également à l’agonie », selon leurs dires.  Navalona R. L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Entretien routier : Les marchés fictifs pointés du doigt par les entrepreneurs impayés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Antenimieram-pirenena: nampitomboana ny vola ho an’ny sosialim-bahoaka         
16/06/2021

“Miompana manokana amin’ny fisondrotana manokana be dia be hatramin’ny 60 miliara Ar ny natokana ho an’ny sosialy ao amin’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-bolam-panjakana” hoy ny kestoran’ny Antenimierampirenena, Rakotomanga Lanto, momba ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2021. Efa tonga eny Tsimbazaza izany izao. Anisan’izany ny hampitomboana ny volan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy: ny fanomezana Vatsy tsinjo noho ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19. Eo koa ny asa sosialy rehetra. Nampitomboana toy izany ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary indrindra ny ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Efa tafiditra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-bola, taona 2021, avokoa ny fanorenana fotodrafitrasa ao anatin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanatanterahana ny velirano. Mety misy miampy ny amin’izany tetibola izany, araka ny fanazavany. Maro ireo fitsidiham-paritra nataon’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-dia aminy. Misy ireo tomponandraikitra miaraka amin-dry zareo amin’izany fitsidiham-paritra izany toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanàna, governoran’ny faritra, mangataka fananganana fotodrafitrasa. Amin’izany no mety misy fanampiny amin’ny tetibolam-panjakana. Eo koa ny famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.R.Nd.  L’article Antenimieram-pirenena: nampitomboana ny vola ho an’ny sosialim-bahoaka          a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanampy amin’ny famahana olana amin’ny sehatry ny asa i Soisa
18/06/2021

  Nitsidika ny minisitry ny Asa, ny fampananasa ny asam-panajkana ary ny lalàna sosialy, Ranampy Gisèle ny ambasadaoron’i Soisa, i Chasper Sarott, omaly tetsy 67 ha.  Voaresaka ny hijerena manokana ny olana eo amin’ny sehatry ny asa, nateraky ny covid-19. Niaraha-nidinika koa ny fitohizan’ny fiara-miasa amin’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fampanananasa. Tanjona ny hirosoana amin’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanamafisana ny fiara-miasa mba hirosoana amin’ny tsaratsara kokoa amin’izany tontolon’ny asa izany.Hisy ny fampahafantara hataon’ny fianakaviam-ben’ny Firenenena mikambana sy ny masoivohon’i Soisa, rahampitso, etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Anisan’ny voakasik’izany fanambarana izany ny minisiteran’ny Asa.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanampy amin’ny famahana olana amin’ny sehatry ny asa i Soisa a été récupéré chez Newsmada.

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara
17/06/2021

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.Tsy misy mangaraharaTanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar. R.Mathieu CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégritéUNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruptionL’article Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany !
15/06/2021

Aleo tsy idirana ny lafin-javatra hafa fa andao ny kolontsaina no hatsinkafona. Satria io no anisan’ny singa fototra lehibe ahafahan’ny firenena iray mahafantatra marina ny momba azy, nataon’ny “matanjaka” izay hahapotika tanteraka azy. Hatramin’izao,  mbola manan-kery tanteraka ireo paikady napetrak’izy ireo any amin’ny firenena tondroiny ho “madinika”. Na tsy mandray anjara mivantana amin’izany aza ry zareo, manana olona mahatoky zanak’ilay toerana na faritra na firenena azony ampiasaina izy.Na ilavoamena sy loso aza ny fanampiana omen’ny “matanjaka” ny “madinika”, tehaka mirefodrefotra no andraisana izany. Na famotehana ankarihary ny soatoavin’ny firenena “madinika” izao aza no ataon’ireo “matanjaka” any aminy, miraradraraka ny “misaotra tompoko”! Tahaka izany hatrany hatrany… Ankavitsiana ihany ireo mahita sy mahatazana fa longoa mitoto bozaka sy fandrika tsy mamela mahazo ary vahoho mangeja ange ireny lela mamy sy fanampiana omen’ny “matanjaka” ireny.… Fa rehefa ambara fa “mahantra” ve ny firenena iray dia mahantra manaraka izany ihany koa ny toe-tsain’ny olona ao aminy ka tsy mahita ny tranga tahaka izany? Lasa mora ambakaina amin-java-tsy misy fotony. Misy aza moa fanampiana omen’ny “matanjaka” ho an’ny “madinika” mba hoentin’izy ireo hitodika sy hiverina any an-doharano hono. Izany ve dia mba mitombina? Raha ny firenena “madinika” ve no miverina amin’ny fahaizan’ny razany mitsabo amin’ny alalan’ny zavaboary, ataon’ny firenena matanjaka aiza ireto fanafody simika an-taoniny maro vokariny isan’andro?… Mila mifanaitra sy mifanentana ny tsirairay mba hanana saina mivelatra, maso mahita, sofina mandre, sns. Tsy iandrasana fanampian’ny vahiny ny fanaovana izany fa efa azo atomboka tsara mba tsy ho tratra aoriana.HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany ! a été récupéré chez Newsmada.

Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha
17/06/2021

Miova sata, miova andriana ary maneho ny fandalana ny mangarahara. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, amin’ny anton-dian’ny filoham-pirenena any ivelany.Nivoitra tamin’ny fanambarana ny filazana  fa nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny zanany vavitokana ny filoha Rajoelina Andry. “Zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra, fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra”, hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tamin’izany fa ray sy loham-pianakaviana koa ny filoham-pirenena ary manana andraikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny vady aman-janany, ankoatra ny maha filohan’ny Repoblika azy.Fomba fiasa vaovaoMidika izany fa nanova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao an-dapa. Maneho sy mampahafantatra ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, manoloana ny mpitondra azy. Efa fanao sy fahita any amin’ireo firenena sasany ny fomba fiasa tahaka izao amin’ny famoahana ny vaovao rehetra eo anivon’ny mpitantana ny firenena.Fitantanana mangaraharaTafiditra amin’ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantana izany sady ialana amin’ny honohono sy ny tsaho koa.Sambany indray tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany izao na fivahinianana tsy ofisialy aza izany. Tsy mba nisy nanao tahaka izao koa ireo mpitondra sy mpitantana nifandimby.Synèse R.   L’article Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

« Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole
16/06/2021

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny « Concert classique de midi » amin’ity indray mitoraka ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny seho hotontosaina ny talata 22 jona izao manomboka amin’ny 1ora tsy diso, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny tarika Tsimihole no hitondra ny talentany ho an’ny mpitia zavakanto amin’io fotoana io. Tarika mivoy ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Ahenoana ihany koa ny fihaonan’ny mozika malagasy sy ny mozika ankehitriny. Mamoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny any atsimo, kosa ny tononkira.Marihina fa faha-118 amin’ny seho « Concert classique de midi » ity karakarain’ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-10 taony ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole a été récupéré chez Newsmada.

OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant
14/06/2021

Les expériences, dans les activités pétrolières menées à Madagascar, confirment les fortes potentialités dont le pays dispose, en matière de ressources pétrolières et gazières. (Photo : OMNIS) Madagascar peut tirer sa croissance économique de ses ressources pétrolières et gazières, selon l’OMNIS. Des séances d’information et de concertation sur le sujet seront organisées par cet organisme, qui célèbre cette année son 45e anniversaire.   Un secteur très prometteur, qui exige une grande prudence. C’est ainsi que les économistes décrivent le secteur du pétrole amont, dans leurs interventions sur les voies pouvant conduire à l’essor économique de la Grande-île. Une optique partagée par l’OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques), dont l’une des missions principales est de mettre en œuvre la politique nationale en matière d’exploration et d’exploitation. En effet, dans l’industrie pétrolière, celui-ci est responsable de toutes les activités en amont, gestionnaire des ressources pétrolières, détenteur des données d’exploration et responsable de la promotion des activités « amont ». Selon les explications, les premières étapes des activités pétrolières concernent l’identification des blocs pétroliers, suivant les normes définies par l’ONU (Organisation des Nations Unies) et la Banque Mondiale. Pour Madagascar, les blocs pétroliers disponibles, en zone terrestre et en zone marine, se comptent déjà en plusieurs centaines. Affichant certaines potentialités, le lancement d’appel d’offres international, relatif à ces blocs est déjà très attendu par les compagnies et investisseurs étrangers. Phases obligatoires. Si le secteur pétrolier en amont attire tant l’attention des promoteurs de développement, c’est pour ses enjeux et ses impacts sur la croissance. En effet, ce secteur engendre des retombées économiques, dès la phase d’exploration. « Cette phase est prévue pour 8 ans, mais il arrive que les compagnies demandent un renouvellement, car les travaux peuvent être longs et concernent notamment la géologie de terrain et l’échantillonnage des roches, les levés gravimétriques et magnétiques, l’échantillonnage géochimique et les études sismiques 2D et 3D pour la détermination des structures pétrolières et enfin le forage d’exploration, pour vérifier l’existence du réservoir de pétrole liquide ou de gaz », nous a expliqué un technicien du secteur pétrole Amont. À noter qu’une phase de développement d’une durée de 3 à 5 ans suit la phase de développement dans le cadre de laquelle, les compagnies procèdent au forage de développement pour délimiter les réservoirs d’hydrocarbures, l’essai de production, l’étude d’ingénierie des réservoirs et des unités de production et le programme de production. Gains. C’est après ces deux étapes que la phase d’exploitation peut se faire, selon les explications des techniciens du secteur. S’étalant sur 25 ans pour le pétrole et 35 ans pour le gaz, l’exploitation concerne le forage de production, la complétion des puits de production, l’installation des infrastructures de surface et le transport par pipeline vers le terminal ou point de livraison. Contrairement au cas des mines, Madagascar bénéficie d’un partage de production, dans les activités de pétrole en amont. D’après les informations, les taux dans le contrat de partage sont fixés, en fonction de la capacité de production journalière. La part gouvernementale varie de 25 à 55% pour le pétrole liquide ; et de 25 à 36% pour le gaz naturel. « Outre ce partage de production, le pays bénéficie également de retombées économiques, notamment en termes de création d’emplois, de progrès technique, d’apprentissage et surtout de recettes fiscales. Pour le pétrole liquide, les redevances varient généralement de 8 à 20%, en fonction de la capacité de production en barils par jour. Pour le gaz, ce taux varie entre 5 à 10%, suivant toujours la capacité de production. En outre, une taxe sur le revenu fixée à 30% est prélevée », a indiqué notre source. À noter que les dirigeants doivent faire l’arbitrage entre les gains et l’attractivité du pays, afin de s’assurer que les investissements directs étrangers viennent. Selon l’OMNIS, ce questionnement sera abordé, durant les manifestations organisées dans le cadre de la célébration de ses 45 ans d’existence. Antsa R. L’article OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article OMNIS 45 ans : De fortes potentialités en pétrole et gaz, mises en avant a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahaleovantena… fahalahelovan-tena     
16/06/2021

Hatramin’izao, maro ny mihevitra fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara. Saika miara-dalana amin’izany ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Mbola tsy mahafa-bela tanteraka ny fiankinan-doha sy ny fitavandrana amin’ny any ivelany isaka ny mihetsika saika amin’izay atao na kasaina? Saika ahitana endrika fiankinan-doha hatrany ny sehatry ny toekarena indrindra, na ny sosialy; eny, na ny politika aza, na nambara talohaloha tany aza fa ny fahaleovantena ara-politika no azo.Saika mbola ifampierana na angatahina tsodrano amin’ny any ivelany hatrany izay (h)atao? Eny, na ny politika aza. Raha tsy izany, tsy lasa lavitra na mikorontana amin’izay heverina sy kasaina. Mety mitondra amin’ny faharavam-pananana na ny famoizana aina aza… Efa nisy izany ny tantaram-pirenena. Ahina mbola hiverina? Tarazo ratsy. Izany ve, ohatra, ny mahatonga ny mpanao politika sasany be tati-bolana sy be konetaka amin’ny any ivelany? Na efa zary kolontsaina politika…Mbola fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena? Alahelo anaty ny amin’ny sarintsarim-pahaleovantena mamitaka. Tsy tompony mahazaka manana? Na amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe, na amin’ny toekarena… Samy mandini-tena ny tsirairay: inona ny marina? Any amin’ny faralalina… Saika fialokalofana sy anamarinan-tena mandrakariva ny hoe fitrosana sy ny fanampiana, ohatra. Tsia, tsy hoe tsy azo atao izany fa hatraiza ny hoe fahaleovantena amin’izay atao?Fotoana izao amin’ny hoe fiovana sy ny fanovana? Efa zava-dehibe, ohatra, ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nahomby ny fanampiana any ivelany nandritra ny 30 taona mahery tany atsimon’i Madagasikara, matoa mbola misy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Mandra-pahoviana? Fahasahiana lehibe ny samy Malagasy no mitady vahaolana, volan’ny fanjakana malagasy no enti-mihetsika… Ahoana koa ny amin’ny sehatra hafa amin’izay hay sy vitan’ny Malagasy?Mbola misy ny mijoro, ny hevitra, ny tetika… Mbamin’ny enti-manana sy azo atao na amin’ny akora, na fitaovana, na vola eto Madagasikara. Mba tsy fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena.Rafaly Nd.             L’article Fahaleovantena… fahalahelovan-tena      a été récupéré chez Newsmada.