Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika

News - Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika

News - Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika

Namoaka tahirim-bola manokana ho
vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho
an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika
manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny
Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra
olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.

Amin’ny anaran’io tahirim-bola io
no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy
mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao
hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena.
Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa
Ar.

Nandray mivantana izany vola izany
ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny
Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana
fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy
ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no
laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.

Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia
anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny
fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao
anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa
hatramin’ny taona 2013.

Tanjona ny fanamafisana ny
fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika
ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.

Marihina fa firenena 15 no
namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny
fandaharanasany.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

MIANDRY VAHAOLANA :: Mitohy ny fitokonan’ireo mpiasan’ ny orinasa Kraoma

Tsy nisy vahaolana. Nambaran’ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny orinasa Kraomita Malagasy na Kraoma fa hanohy ny hetsika efa natombony izy ireo raha fitokonana fanairana no efa natao tao anatin’ny telo andro. Hisy ihany koa ny fivoriana hotanterahin’izy ireo mahakasika ny mety ho tohin’ny fitokonana anio, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ity orinasa ity . Voalaza mantsy fa efa nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity tamin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, omaly. « Tsy misy ny zavatra tapaka nandritra izany fihaonana izany satria nivaona ny fifanarahana.Tonga nanatrika izany mantsy ireo rosiana. Izahay nefa tsy afaka mivory raha misy azy ireo », hoy ity mpiasa iray eo anivon’ny orinasa Kraoma ity, omaly. Nanamafy ihany koa ity solontenan’ny mpiasa ity fa tsy mivadika amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny teo aloha ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa. Etsy an-danin’izany nanamafy ity farany fa hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa izy ireo hitadiavana izany vahaolana izany. “Tsy hiara-miasa amin’ireo Rosiana intsony izahay. Mamotika sy mambotry ny firenena izy ireo ary mamono ny mpiasa ihany koa”, hoy ihany ny fanazavana voaray omaly. Araka ny fantatra, mbola manohy ny fitokonana ihany koa ireo mpiasa rehetra any amin’ny faritra. L’article MIANDRY VAHAOLANA :: Mitohy ny fitokonan’ireo mpiasan’ ny orinasa Kraoma est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Filazana fahitana olona

Naterina teny amin’ny polisy teny Tsaralalàna ny vehivavy iray, 27 taona, nisy nahita teny Soavimasoandro, afak’omaly. Fantatra fa tsy dia salama saina izy, io ka nanaovana filazana fitadiavana ny fianakaviany. Nalain’ny havany teny amin’ny biraon’ny polisy io vehivavy io, ora vitsy taty aoriana.   L’article Filazana fahitana olona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida

Hanome tohana ara-kevitra manokana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana « Madagascar Save ». Amin’ny alalan’ny boky ahitana ny antontan-kevitra mikasika ny VIH/Sida no hanatanterahana izany. Fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity izany, araka ny fantatra. « Ny zava-misy ankehitriny dia mitaky fomba maty paika sy voadinika tsara hoenti-miatrika ireo fanamby amin’ny ratra, henatra, fandavana sy fanavakavahana ary asa ratsy mifandray amin’ny VIH /Sida », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana, omaly teny Antaninarenina. Ankoatra izany, manolotra boky ihany koa izy ireo mba hafafahan’ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity miaina am-pilaminana naa misy aza ireo tranga manavesatra azy ireo. « Tanjona ny hanome fahalalana bebe kokoa ho an’ireo mitondra ny tsimok’aretina tsirairay avy sy ny fikambanana misy azy mba hahafahany miatrika ireo tranga samihafa manodidina azy ireo sy hahafahany mitsinjo ny ho aviny », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa efa misy ny fanafody hitsaboana ny aretina Sida hahafahan’ireo marary miaina miaraka amin’ny tsimok’aretina ao anatiny . Manodidina ny arivo sy telo alina ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity raha ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2017. Mbola misy ihany koa nefa ireo tsy fantatra noho fivezivezen’ireo olona marary tsy mitsabo tena. Eo ihany koa ireo tsy sahy miatrika ny fananany an’ity aretina ity . L’article ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Cnaps: maro ny mpitatitra tsy manana fiahiana sosialy

 Natao tetsy amin’ny foiben’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) Ampefiloha, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny fiofanana mikasika ny fiahiana sosialy ho an’ny sendikàn’ny mpitatitra an-tanety sy ny mpitatitra an-dranomasina. Nambaran’ny Dr Ravaomalala Hantanirina H, avy ao amin’ny orinasa Sofitrans, fa “manan-jo ny mpiasa rehetra ka mila misitraka izany izy ireo”. Nanamarika Andriamisa Nicolas, avy ao amin’ny sendika Sekrima, fa “andrin’ny toekarena ny mpiasa amin’ny fitaterana, saingy tsy misy mijery, tsy misitraka ny fiahiana sosialy ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Manalavitra anay ny fanjakana satria misy mpitazana ihany ny kaoperativa sy ny orinasa hafa fa izahay kosa, alavirina”. Manentana ny mpampiasa amin’ny sehatry ny fitaterana ity sendikà ity hijery ny fiahiana sosialy sy ny lafiny fahasalaman’ny mpiasa.Ankoatra ny fampahafantarana ny lalàna, ny zon’ny mpiasa, ny fanampiana omen’ny Cnaps, nisy koa ny adihevitra. Nohamafisin’ny Cnaps fa ny fandoavana latsakemboka ihany no hany vahaolana satria mivadika fanampiana sy tombontsoa omena ny mpiasa sy ny vady aman-janany izany, miainga any am-bohoka hatrany amin’ny fisotroan-dronono. “Hiasa ny komity natsangana, manomboka izao, ary tsy azo ihodivirana ny hanomezana ny fiahaina sosialy ny mpiasa amin’ny fitaterana”, hoy Rakotondradano Hanitry ny Aina, mpandrindra tetikasa ao amin’ny Cnaps.Njaka A.L’article Cnaps: maro ny mpitatitra tsy manana fiahiana sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tolotra Miarina: miisa 280 ny orinasa nahazo findramam-bola

Ao anatin’ny tetikasa Fihariana ny tolotra Miarina, fampindramam-bola ny orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI), sahirana amin’izao krizy Covid-19 izao, taorian’ny fihaonan’ny filoha Rajoelina tamin’izy ireo.Nivoaka ny 25 aogositra teo ny antontanisa farany, mikasika ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI), nahazo ny findramam-bola Miarina. Miisa 280 ny orinasa efa nanao izany ka mitotaly 15, 1577 miliara Ar ny vola nidramina.Misehatra amin’ny varotra ny 33,57%-n’ireo nindram-bola amin’ny tolotra Miarina ireo, amin’ny asa vaventy ny 10%, amin’ny fizahantany ny 10,71%, fitaterana ny 10,36%. Misehatra amin’ny fitsaboana kosa ny 8,57%, amin’ny asa tanana ny 6,43%. Tsy mihoatra ny 1% kosa ny sehatry ny indostria, ny fambolena, ny fiomiana, ny fanodinan-tsakafo.Tsiahivina fa afaka mindram-bola amin’ny tolotra Miarina ny orinasa ara-dalàna, mampidi-bola latsaky ny 5 miliara Ar isan-taona, niorina telo taona farafahakeliny. Banky azo atonina ny BNI sy ny BOA. 8% ny tahan’ny zanabola ka aorian’ny enim-bolana nahazoana ny vola ny fotoana hanonerana mandritra ny roa taona (24 volana).Njaka A.L’article Tolotra Miarina: miisa 280 ny orinasa nahazo findramam-bola a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa

Fahoriana goavana no nanjo an’ity fianakaviana iray tany Ambatondrazaka, omaly. Tao anatin’ ny fotoana fohy no nifanesen’ny famoizana an’ireto efa-dahy, telo lahy mpiray tampo, sy ny lehilahy faninefany, izay havan’izy ireo ihany. Tao anatin’ny lavapiringan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy tany Ambohimiangaly-Ambatondrazaka no nisehoan’ny voina, ny maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Tamin’ny 12 ora vao tafakatra tao amin’ilay lavaka ny razana farany. Nambaran’ny loharanombaovao avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana, fa fahasemporana avy amin’ny entona misy poizina tao amin’ity lavapiringa avy namboarina no niteraka ny fahafatesan’izy efadahy. Fifamonjena namoa-doza Fantatra fa nokaramaina hanala an’ireo maloto tao anatin’ ny lavaka izy ireo. Vita soa amantsara ny asa, tokony ho tamin’ny 9 ora. Efa tafakatra taty ambony ry zareo vao nahatsiaro ny fanadinoana ny fitaovana nampiasaina tao ambany tao. Nisy fitaovana hadino anefa tao anatin’ilay lavaka rehefa tafakatra daholo izy efatra. “Voatery niverina nidina tao anaty lavaka ny iray tamin’izy efa-dahy. Tsy tafaverina intsony anefa io nirahina io ka nandeha nijery azy tao anaty lavaka ny rahalahiny. Mbola tsy nahenoam-baovao ihany koa itsy fahatelo itsy. Ilay lehilahy fahefatra, zanak’olona mpirahalahy amin’izy telo lahy, no nidina farany sady tavela efa samy tsy nisy aina tahaka an’iretsy telo voalohany”, araka ny fanazavana nampitain’ny loharanom-baovao avy tany Ambatondrazaka. Nidina tany amin’ny toerana nitrangan’ny loza mihitsy ireo manampahefana sivily sy miaramila ao Ambatondrazaka tamin’ny fitadiavana ny fomba nanavotana azy efa-dahy tao anaty lavaka. “Lalina dia lalina ilay lavaka ka nanahirana ny asa famonjena. Nanomboka tamin’ ny 11 ora teo ho eo vao tafavoaka ny voalohany. Ora iray taorian’ izay mahery kely vao azo ny vatana mangatsiakan’ny fahefatra”, hoy hatrany ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa tsy maintsy hanokatra fanadihadiana momba an’ity raharaha mampalahelo ity ny polisy any an-toerana. L’article Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena

“Azo atao tsara ny mamerina ireo avy any ambanivohitra mibosesika an-tanan-dehibe. Anisan’ny olana sy mahakivy azy ireo ny hakelin’ny vokatra miakatra. Nanao fikarohana sy vahaolana amin’izany izahay ka anisan’izany ny zezika”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zezika Malagasy (Zezima),  Ramangalahy Eric. Nanteriny fa mampitombo betsaka ny vokatra vokarina ny fampiasana izany ary efa maro ireo tantsaha resy lahatra ka mampiasa izany amin’izao fotoana izao. “Mamelona indray ny nofon-tany izy io ary miady amin’ny nofon-tany efa vizaky ny zezika simika. Tsy mifidy voly ary natoraly tanteraka”, hoy ihany izy. Efa nandalo fitiliana sy andrana samihafa ary efa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fambolena.Nampitombo ny vokatra miakatra… Tsy vitan’izany fa efa voatsirika ny akora nanamboarana azy, toy ny zezim-pahitra sy ny fako ary ireo singa mandrafitra izany. “Nahazoana tombony betsaka ny voka-bary sy ny legioma nampiasana azy io nefa kely fotsiny ny fatra ampiasana amin’izany. Mampitombo ny vokatra rahateo ny fampiasana azy ary afaka mifangaro amin’ny zezika hafa koa”, hoy ihany izy. Nanomboka ny taona 2006 ny nihodinan’ny orinasa.  Manome asa ho an’ny olona miisa 35 izy ireo  ary Malagasy avokoa. Mamokatra 25 t isan-kerinandro eo izy ireo ary efa misy ny vokatra raisin’ny minisiteran’ny Fambolena manokana. Natao anaty fonosana 25 kg izany mba ho mora ny mitondra azy ary mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpamboly sy ny tantsaha.Synèse R. L’article Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitombon’ny drakaka sy ny makamba

Misy velarana ala honko manodidina ny 236.400 ha eto Madagasikara ny taona 2018, anisan’ny midadasika indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Natao manerana ny morontsiraka andrefana rehetra sy niavaka ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ala honko ny 26 jolay teo.Ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana, toerana fitombon’ny drakaka sy ny makamba ny ala honko, iankinan’ny lalam-pihariana iray. Raha voakajy tsara izany, hahazoana drakaka hatramin’ny 2,5 t isaky ny 1km2. Ny velarana rehetra misy ny ala, hahazoana drakaka mitentina efatra tapitrisa dolara isan-taona, raha ny voalazan’ny WWF.Maro ny hetsika natao nialoha sy nandritra ny fotoam-pankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ala honko. Tany Toliara, 23 hatramin’ny 26 jolay, nanaovana atrikasa momba ny fitantanana sy fiarovana izany. Nampahafantatra ny fanadihadiana lalina nataony momba io karazan-kazo io ny WWF, teo anelanelan’ny taona 1995 sy 2018.Tany amin’ny morontsiraka andrefana : fambolena honko ny natao, ny 26 jolay, tany Betania, Morondava, Masoarivo, ary Maintirano ; fambolena, toy izany koa, ny 26 sy 27 jolay amina velarana 100 ha any Antsohibondrona sy Ambilobe ; ary 26 jolay, voany antapitrisany novolena any Boanamary, Mahajanga, fiaraha-miasan’ny faritra Boeny sy ny mpanohana. Ny zava-bita tamin’ireo fotoana ireo rehetra ireo, noho ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny minisiteran’ny Fambolena, tohanan’ny mpiara-miombon’antoka maro, anisan’izany ny WWF. L’article Fitombon’ny drakaka sy ny makamba a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25

Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny voka-pifidianana ôfisialin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, omaly. Tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa na « 2è Tour », hotanterahina ny 19 desambra izao kosa ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, sy ny kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina. Araka izany, nampiseho ny fahavononany hiatrika izany fihodinana faharoa izany ny kandidà laharana faha-25, tamin’ny alalan’ny solontenany, ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Nambaran’ity solontenan’i Marc Ravalomanana ity taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana fihodinana voalohany tetsy amin’ny HCC, fa vonona hiatrika izany izy ireo, ary ny vahoaka no tompon-tsafidy amin’izay hitantanana azy ireo sy ny firenena. Na izany aza, nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, fa hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana amin’ity “2è Tour” ity ny eo anivon’ny kandidà laharana faha-25. « Efa samy nahatsapa ny rehetra, eny, hatramin’ireo vahiny nanara-maso teto amintsika aza niaky, fa betsaka ny tsy fahatomombanana tamin’iny fifidianana Filoham-pirenena, fihodinana voalohany iny. Anisan’ireo nametraka fitoriana teo anivon’ny HCC ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Saingy, mba ho fitsinjovana sy fijery lavitra, nisintona ireo fitoriana sy fitarainana miisa 208 napetraka teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana izahay. Saingy kosa, hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana sy ny zotra fandatsaham-bato izahay eo anivon’ny kandidà laharana faha-25”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Ankoatra izay, notsindrian’ity solontenan’ny kandidà Marc Ravalomanana ity, fa raha toa ka mbola mahita tsy fahatomombanana mivaingana izy ireo amin’ity fihodinana faharoa ity dia tsy hanaiky, ary tsy hilefitra intsony fa hiroso amin’ny fitoriana. « Betsaka ny lesona azo notsoahina tamin’iny fihodinana voalohany iny, noho izany, mino izahay fa tsy ho toa izany ny amin’ity fihodinana faharoa atrehintsika ity », hoy hatrany izy. Etsy andaniny, tsy nohadinoin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny nanao antso avo amin’ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny tanindrazana, sy fanehoana ny safidy amin’ny alalan’ny latsa-bato. MN L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 est apparu en premier sur .L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 a été récupéré chez Triatra.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka
27/10/2020

Tsy hiverina hivory ireo loholona… Antony naroson’izy ireo ny tsy fisian’ny tetibola hampiakarana ireo loholona eto an-dRenivohitra. Tapaka mantsy ny bolongam-bola hatokana ho fampandehanan-draharaha ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Ny antony manaraka, izay iaraha-mahalala na tsy ambara mivantana aza, ny fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fifidianana loholona ho avy. Hitarika mankany amin’ny fialan’ireo loholona am-perinasa mantsy izany, mazava loatra. Amin’ny maha loholona azy ireo, olon-dehibe manam-pahendrena sady manam-pahaizana avokoa izy ireo. Heverina fa tsy izy ireo no tokony hanaotao foana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Toa tsy izany anefa ny andraisan’ny mpanara-baovao ny zava-misy. Toa mahatsapa ny rehetra fa manao takalonaina ny vahoaka ireo loholona. Anisan’ny lahadiniky ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fotoana izao mantsy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Raha tsy lany izany, tsy misy asa afaka mandeha eo. Ny loholona, efa fantapantatra ihany ny hataony. Fa mandiso fanantenana ny maro koa ny fahenoana ny fitakiana nataon’ireo solombavambahoaka. Ny mahakasika azy ireo aloha no tena nojereny voalohany! Ny fiara tsy mataho-dalana isaky ny solombavambahoaka sy ny fisotroan-dronono ho azy ireo no nahamaika azy. Tsy hoe tsy ilaina akory, saingy mba azo nafenimpenina tany amin’ny faramparany izany fitkakiana izany. Dia raha tsy hivaly ve ny fitakiana, mety hiray loha amin’ireo loholona koa ny solombavambahoaka? Fantatr’izy ireo tsara fa takin’ny lalàna ny fivezivezen’ny volavolan-dalàna eo amin’ireo Antenimera roa tonta. Izany hoe, eo am-pelatanan’izy ireo ny tohin’ny tantara. Tsy miandrandra zavatra maro, afa-tsy ny hanaovan’ireo parlemantera ny asany araka ny hitsiny ny vahoaka. Mba tsy ho nenina ho azy ireo ny safidiny. Mba tsy hahatsiaro ho takalonaina hatrany isaky ny misy kajikajy politika miainga ao…Randria.L’article Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10
24/10/2020

Rendrika, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 7 ora tao amin’ny vavaranon’i Ma­roa­ntsetra, ny sambokely iray. Nikasa ho any Navana, kaominina ambanivohitr’An­ja­ha­na, ilay sambo avy any Ma­ro­antsetra io kanjo tra-doza no­ho ny haratsian’ny toetr’andro ka rendrika. Niainga avy ha­trany ny zandariamaria ao amin’ny tobim-paritr’i Maro­an­tsetra raha vao nahare ny tranga. Nanao vonjiaina ireo traboina niaraka amin’ny sambo haingam-pandeha niaraka amin’ny polisim-pirenena. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo mpandeha miisa 10 sy ny mpanamory miisa roa. Misy ihany koa ireo entana ma­romaro an’ireo mpandeha mbola avotra.«Manentana ny zandariamaria fa raha vao maloka na be rivotra na manorambe ny andro, tokony haato aloha ny fivezivezena an-dranomasina hialàna amin’ny loza toy izao», hoy ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao.Henintsoa HaniL’article Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10 a été récupéré chez Newsmada.

Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka
27/10/2020

 Voasambotry ny polisy, ny asabotsy teo tetsy Avaradoha, ny lehilahy iray mpisoloky sy mpandray entana halatra. Misoloky olona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ihany koa ralehilahy. Milaza izy fa mivarotra findray ka roboka ny olona hividy izany. Rehefa tonga ny fotoana nifanaovana, milaza ilay mpanendaka fa iraka no mandeha mamonjy ilay mpividy. “Izy ihany anefa ilay voalaza ho iraka io fa tsy tiany ho fantratr’olona”, hoy ny fanazavan’ny Polisim-pirenena. Aorian’izay, entin’ilay mpanendaka io any amina toerana mangingina ilay olona mifanao fotoana aminy ka anaovany ny asa ratsiny. Vokany, lasa amin’izany ny vola sy ny finday. Rehefa izay, amidiny amin’ny namany eny Andravoahangy indray ny finday azony.Henintsoa HaniL’article Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina
28/10/2020

 Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina miantsehatra amin’ny rano atao etsy Ivandry. Haharitra telo andro ny fihaonana.Handinihana ny fomba hampidiram-bola amin’ny sehatry ny fitantanana ny rano eto Madagasikara ny atrikasa. Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina handray anjara amin’ny fitantanana madio sy mangarahara ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana ihany koa.Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Randriatsiferana Simon, fa mbola ambany ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Toy izany koa ny fisitrahan’ny Malagasy ny fahadiovana sy fidiovana, izay mifamatotra tanteraka amin’ny rano rahateo.Rehefa natao ny fandihadiana, tsy nahitam-bokany ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana notantanin’ny fikambanana tsotra na ny kaominina. Porofon’izany ny vola vidin-drano lanin’ny mpiandry paompy ary mikatona ilay fotodrafitrasa avy ka lasa fatiantoka ho an’ny mponina sy ny tanàna ary vesatra ho an’ny fanjakana ny trosa avelan’izany avy eo.Eo koa ny fotodrafitrasan’ny fahadiovana izay lasa mitsipozipozy sy maloto satria ratsy tantana no nanaovan’ireo fikambanana sy kaominina azy.Tao anatin’ny 15 taona taty aoriana kosa, tsikaritra fa mateza kokoa ny fotodrafitrasa tantanan’ny otrinasa tsy miankina. Hentitra kokoa ny fitantanana tsy hita ny goragora ary mampanaja ny fepetra sy ny fandoavam-bola vidin-drano amin’ny mponina ireo mpitantana ny fotodrafitrasa eny ifotony.Izany indrindra no anton’ity atrikasa ity ary mbola hampandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina hatrany hanao famatsiam-bola amin’ny tontolon’ny rano sy fidovana ary fahadiovana.Tatiana AL’article Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Maroantsetra: tratra ny lehilahy iray saika hivarotra basy any Ambilobe
28/10/2020

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSPD Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray nahatrarana basy vita gasy miisa dimy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy fa misy lehilahy iray monina ao amin’ny fokontany Ankiakabe, kaominina ambanivohitr’i Maroantsetra no milaza fa manana basy vita gasy maromaro ka mitady mpividy izany izy. Ny fanadihadian’ny polisy koa no nahafantarana fa noho ity lehilahy ity tsy nahita mpividy dia nanana eritreritra ny hitondra ireo basy ireo any Ambilobe izy ka ao indray no hivarotra izany. Manoloana izany indrindra, nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nanao ny famotorana momba izao raharaha fikasana hivarotra fitaovam-piadiana izao. Nahitam-bokany izany satria, ny alahady teo amin’ny 12 ora antoandro, tratra tao an-tranony ao Ankiakabe ity lehilahy ity. Nosavaina teo anatrehan’ny sefom-pokontany ao an-toerana ny trano fonenany ka basy vita gasy miisa dimy no tratra niaraka tamin’ny fitaovana fanapahana vy miisa roa. Nogiazan’ny polisy ireo fitaovana ireo ary nentina nanaovana famotorana kosa ity lehilahy ity.Jean ClaudeL’article Maroantsetra: tratra ny lehilahy iray saika hivarotra basy any Ambilobe a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney
23/10/2020

Nihaona tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis, teny Ambohidahy, ny masoivoho japoney, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Nisaotra manokana ity manamboninahitra ity ny masoivoho japoney noho ny fandraisana mahafatra-po natao azy. Voaresaka nandritra ny dinidinika ny hanatevenana ny fiaraha-miasa ara-tafika, indrindra ny mahakasika ny tafika ana habakabaka. Nambaran’ny masoivoho japoney fa samy Nosy i Madagasikara sy i Japon ary samy mitantana fari-dranomasina. Noho izany, niomana tamin’ny fahafahan’ny Tafika ana habakabaka mandray anjara feno amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana an-dranomasina ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nohamafisin’i Higuchi Yoshihiro koa fa nahafaly sy nahafa-po azy ny hetsika sy ny firotsahana an-tsehana mivantana nataon’ny tafika nandritra ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny tafika ana habakabaka ny firenena japoney a été récupéré chez Newsmada.

Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain
28/10/2020

Rémy Vita chez les pros du Bayern de Munich. La belle aventure se poursuit pour l’ancien de l’ESTAC, Remy Vita, que le Bayern vient de recruter. Une bonne affaire pour les Munichois, car ils n’ont pas eu à casser leur tirelire pour les services du jeune Malgache. On connaît maintenant la raison qui a poussé les Bavarois à recruter Remy Vita, car Flick n’avait pas hésité à faire appel à lui pour suppléer au prodige canadien, Davies, durant son absence. Il reste à espérer que cette titularisation finira par faire céder Nicolas Dupuis pour l’intégrer chez les Barea. Clément RABARY L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bayern de Munich : Remy Vita dans le grand bain a été récupéré chez Midi Madagasikara.