Asan-dahalo any Sofia: ahiana ny olobe ao ambadik’i Jerison

News - Asan-dahalo any Sofia: ahiana ny olobe ao ambadik’i Jerison

News - Asan-dahalo any Sofia: ahiana ny olobe ao ambadik’i Jerison

Velon-taraina ka tonga eto
an-dRenivohitra ny solontenan’ny mponina, manoloana ny asan-dahalo,
tarihin’i Jerison any Sofia. “ Miantso ny filoha Rajoelina, mba
jereo ny mahazo anay. Tena foto-pivelomanay ny omby nefa potika
izany noho ny asan-dahalo tarihin’i Jerison. Ahinay fa misy olobe,
mpitantana na olom-boafidy ao ambadik’izy ireo”, hoy ny
solontenan’ny mponina, ahitana an’i Falizara Stephanot,
Rabemananjara Elmi ary Limbirazana Luc, tetsy Antanimena, omaly.
Efa nisy ny ezaka sy ny dingana natao : vondron-tobin’ny zandary,
ny prefet, ny governora, ny depiote sy ny maro hafa. Mijanona ho
fampanantenana ihany izany. “Tsy nahitana vahaolana matotra.
Tsy mbola voasambotra i Jerison nefa efa an-taonany maro ny tsy
fandriampahalemana”, hoy izy ireo.

Mihorohoro tanteraka ny mponina,
manoloana izany. Mandeha avokoa ny ramatahora ataon’I Jerison sy
ireo namany. “Efa ahitana ny ekipany avokoa ny any Antsohihy,
Bealanana, Port Berger, Mampikony ary efa voafehiny tanteraka
izany. Nametra-pialana hatramin’ny sefo fokontany noho ny tahotra
valifaty”, hoy ihany izy ireo. Na izany aza, anisan’ny
vahaolana natsidik’izy ireo ny hidiran’ny andian-tafika mahery
vaika na hetsika manokana hatao any anaty ala any, hanenjehana ity
dahalo rain-dahiny ity.

Synèse R.

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Asan-dahalo any Sofia: ahiana ny olobe ao ambadik’i Jerison a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Fanararaotana fahasembanana :: Vehivavy marenina nitantara ny fanolanana nihatra taminy

Vehivavy iray, 59 taona, manana fahasembanana amin’ny fihainoana, no nisedra herisetra ara-pananahana nandritra ny taona maro. Niharan’ny fanolanana teo an’ elakelan-trano, teny Mandroseza, teo amin’ny faha25taonany, izy. Tratra ary efa nogadraina ireo lehilahy roa voarohirohy tamin’izany. Nirava avy tany amin’ny toeram-pisakafoana niasany i Soamandamina Baoly Angéline, ilay vehivavy marenina, no naolan’ny lehilahy roa, tsy lavitry ny tanàna onenany. “ Nanaitra ny mpiara-monina ny hiaka mafy sy ny antso vonjiko. Tonga teo ihany koa ny zokiko lahy. Tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Nandeha teny amin’ny mpitsabo sy ny polisy izahay. Fantatr’i zokinay ireo mpanolana ka nosamborina. Niaina tamin-tahotra aho, taorian’izay, ka tsy sahy nandeha irery intsony”, hoy ny fitantaran’ity vehivavy marenina tamin’ny alalan’ny mpandika teny. Manambady lehilahy manana olana arapihainoana tahaka azy izy, amin’izao fotoana izao ary manan-janaka roa. Nandritra ny fanamarihana ny andron’ny 8 marsa, natokana ho an’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy farany teo, tetsy Behoririka, no nijoroan’ity renim-pianakaviana ity vavolombelona momba ny herisetra nihatra taminy. Fotoana nanaporofoany fa afaka miarina ny vehivavy na dia eo aza ny hetraketraky ny fiaraha-monina sy ny faharefoan’ny paikady mbamin’ny asa natao hiarovana azy ireo, indrindra ireo manana fahasembanana L’article Fanararaotana fahasembanana :: Vehivavy marenina nitantara ny fanolanana nihatra taminy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Andohatapenaka: notorin’ny mpivaro-tena fa tsy nety nandoa vola ilay lehilahy

Ny asabotsy tamin’ny 10 ora maraina, nisy lehilahy iray nenjehina olona maromaro teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Raha nahita izany ny polisy, nandray andraikitra nisambotra ity lehilahy ity. Nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny CSP7 izy hanaovana fanadihadiana. Tamin’io maraina io ihany, tonga nametraka fitarainana mahakasika io lehilahy io ny vehivavy mpivaro-tena miisa efatra noho izy tsy mety mandoa vola sady mandrahona amin’ny antsy no mbola miverina any amin’ny tranon’ireo mpivaro-tena ary mamaky izany ka maka izay rehetra azony alaina ao. Fantatra ihany koa fa efa nifonja teny Tsiafahy ity lehilahy ity noho ny antony fitanana fitaovam-piadiana sy fikambanan-jiolahy. Niaiky ny fiampangana azy ity lehilahy ity.Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora koa ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’ny faritra 67 ha. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny alatsinainy alina teo, voasambotra teny 67 ha rehefa avy nanendaka vehivavy iray niandry fiara ity jiolahy ity. Mody mijoro teo akaikin’ity vehivavy ity ilay jiolahy ka rehefa hitany fa variana ilay vehivavy, nalainy ny telefaonina finday tao am-paosiny.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: notorin’ny mpivaro-tena fa tsy nety nandoa vola ilay lehilahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Ravalomanana Richard: “Zandary 120 mitondra tsimokaretina Covid-19”

Araka ny antontanisa nomen’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, miisa 120 ireo zandary mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Ankoatra ireo ny any amin’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra sy Moramanga.“Fanentanana ataoko ny hoe araho ny fepetra noraisina ary aza ny fahatahorana ny mpitandro filaminana no hanarahana ny fepetra fa ho anareo sy ny olona manodidina anao izany. Tsy misy miova ny fepetra fa rehefa miteny ny any amin’ny fanjakana foibe hoe tsy misy mahazo mivoaka ao amin’ny faritra iray, tsy misy mahazo mivoaka”, hoy ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zan­da­ri­mariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, mo­mba ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus. Noha­ma­fi­siny fa manatanteraka fotsiny ny zandarimariam-pirenena ary manentana ny olona tsirairay avy koa ity manamboninahitra ambony ity mba ho tonga saina amin’izay amin’izao fihanaky ny valanaretina izao. Azo resena tsara ny Coro­na­virus rehefa manaraka ny toromarika sy ny lamina napetraka ny vahoaka tsirairay avy, araka ny nambarany.Nifanome tanana ny fianakaviamben’ny zandarimaria… Nanome antontanisa ma­no­­kana ny Seg momba ireo zan­dary tratran’ny Covid-19. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana, miisa 120 amin’ny ankapobeny ireo tratran’ny Coronavirus. “Ho an’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra kosa, miisa 323 ireo mitondra ny tsimokaretina raha 144 no tratra ao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Mora­ma­n­ga. Efa an-dalam-pahasitranana avokoa ireo zandary ireo ary misaotra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fanampiana rehetra”, hoy izy. Nifanome tanana, ara­ka izany, ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny famonjena ireo tratran’ny Covid-19 ary tsy misy atahorana intsony ireo zandary voan’ity aretina ity. Nisy teo am-panatanterahana ny asany ny nahazoany ny aretina, nisy kosa nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona lasa teo. Misy ny tandrevaka kely satria nifandray tamin’ny fianakaviany ny sasany amin’izy ireo, raha ny filazany.J.CL’article Jly Ravalomanana Richard: “Zandary 120 mitondra tsimokaretina Covid-19” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo

Ny Voromaherin’i Nizeria no nahazo ny laharana fahatelo, ary nandrombaka ny medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Resin’i Nizeria, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, ny Tonizianina, ny alarobia lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Al-Salam Stadium Cairo.Baolina tokana, nampidirin’i Odion Ighalo, teo amin’ny minitra fahatelo monja, nanombohan’ny lalao. Niezaka nanindry sy nanao valim-panafihana avy eo ny Tonizianina, notarihin-dry Anice Badri, saingy tsy tafavoaka fa tsara fiarovan-tena ny Nizerianina. Somary henjankenjana ny fifandonana teny ambony kianja ka nisinisy ihany ny karatra mavo azon’ny ekipa roa tonta. Anisan’izany, ny azon’ilay Nizerianina, Wilfred Ndidi sy ny an’i Ghaylen Chaalei, ho an’i Tonizia. Saika mbola nahatafiditra baolina fanindroany indray ny Nizerianina, teo amin’ny minitra faha-81, saingy voatohan’i Chaouat, ny dakan’i Osimhen. Medaly alimo fanimbalony azon’i Nizeria, ity norombahiny teo amin’ny “Can” ity. Mitarika eo amin’ny famonoam-baolina, hatreto, i Odion Ighalo, izay nahatafiditra baolina 5.Mety mbola hosongonan’ilay senegaley, Mané sy ilay Alzerianina, Adam Ounas, anefa izany. Izy mirahalahy ireo izay hiatrika ny famaranana, rahampitso zoma. TompondakaL’article Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Telo volana voalohany 2020: nahatratra 40 000 t ny vary nohafarana

Efa miomana amin’ny fiatrehana ny maitsoahitra ny fanjakana, indrindra ny famatsiana vary. Mila atao betsaka ny tahiry, sady misy rahateo ny fanampiana ny fianakaviana sahirana, vokatry ny tranga Covid-19.Miisa 15 ny mpandraharaha tsy miankina eto amintsika manafatra ny entana sy ny sakafo ilaina andavanandro (PPN) any ivelany. Nitombo be izany nanomboka ny enim-bolana faharoa ny taona 2019, indrindra ny vary. Nahatratra 39 979 t ny vary nohafarana tato anatin’ny telo volana voalohany ny taona 2020. Etsy ankilany, miezaka mandrindra ny firindran’ny lalam-pihariana PPN ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny asa tanana (Mica). Tanjona ny hisorohana ny mpandraharaha tsy ara-dalàna, ny mpanelanelana, lasa mampiakatra ny masonkaren’ny entana, ka mitarika ny vidin’entana hidangana. Mivory isan-kerinandro ny minisitera sy ny mpandraharaha mpamongady sy ny mpaninjara, noho izany.Misondrotra ny vidin-javatraNilaza ny tale momba ny varotra an’ny orinasa SMMC any Toamasina, i Masindia Jean Noël, fa hentitra ny fepetra hatramin’ny nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, noho ny tranga tsimok’aretina Covid-19. Tsy maintsy atoka-monina mandritra ny 15 andro ny sambo rehetra miditra tonga ka nampisondrotra ny masonkarena amin’ny fijanonan’ny entana ato amin’ny seranan-tsambo. Manampy trotraka koa ny fisondrotry ny vidin-javatra eny an-tsena. Nahitana fisondrotana 5 000 Ar isaky ny gony milanja 50 kilao ny vidim-bary. Na izany aza, ampy tsara ny tahirim-bary, sady mihoatra lavitra no ho ny tamin’ny herintaona. Nahatratra 43 100 t ny tahiry ny febroary 2020 teo raha 32 700 t ny febroary 2019. Tsiahivina fa efa manafatra vary 16 000 t koa ny orinasam-panjakana vao natsangana, ny State Procurement of Madagascar (SPM). Eo rahateo ny fahasahiranan’ny Mala­gasy vokatry ny Covid-19 ka betsaka ny fanampiana sosialy omen’ny fanjakana maimaimpoana, indrindra ny vary.Njaka AndriantefiarinesyL’article Telo volana voalohany 2020: nahatratra 40 000 t ny vary nohafarana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tifitra tao an-damosina :: Kaporaly enjehin’ny Fitsarana noho ny famonoana olona

Nanokafan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana ny tranga fitifirana, izay nahafaty lehilahy ka mahavoatonona ny kaporaly iray tany Mahabo-Amboasary Atsimo, afak’omaly. Nanome toromarika amin’ny fanokafana famotorana ny Fitsarana any an-toerana na dia tsy nametraka fitoriana aza ny havan’ilay lehilahy maty satria nanao raharaham-pihavanana tamin’ny lehiben’itsy miaramila voarohirohy itsy ireo tompo-manjo. Fahitana balana basim-borona no niaingan’ny vono olona. “Lehilahy iray nahita balana basimborona teo akaikin’ny tranony, tany Mahabo, no nampiseho izany tamin’ny namany, afak’omaly maraina. Teo am-piresahana izy roa lahy no nandalo ny miaramila roa avy ao amin’ny Rezimanta voalohany ao amin’ny faritany miaramila fahadimy, any Toliara. Nanadihady momba an’io bala io ny iray tamin’ireo miaramila. Ny namany kosa nisambotra an’ ilay lehilahy faharoa sady nitarika azy hiaraka amin’izy ireo”, araka ny fampitam-baovao avy any Amboasary Atsimo. Taorian’izay no nitranga ny tsy nampoizina rehefa nilaza ny haka ny entany tao amin’ny trano iray tsy lavitra teo io lehilahy faharoa io. “Voatifitra avy aoriana izy. Loakan’ny bala ny lamosiny. Tsy avotra ny ainy na dia nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana fototra faharoa tao an-toerana aza”, hoy ny fanampim-panazavan’ny mpitandro filaminana mandray an-tanana an’ ity raharaha ity. Arahina ny tohin’ny famotorana an’izao raharaha izao, araka ny toromarika avy amin’ny Fitsarana, any Ambosary Atsimo. Araka ny efa nohamafisin’ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, lehiben’ny Etamazaoron’ ny tafika dia: “tsy maintsy misy famotorana ampanaoviny amin’ ireny tranga maha voatonontonona miaramila ireny”. L’article Tifitra tao an-damosina :: Kaporaly enjehin’ny Fitsarana noho ny famonoana olona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa, i Rejo Fienena Felicitée, omaly teny amin’ny birao fiasany eny Fiadanana, ny profesora Ravelonirina Hanitriniaina Sammy Grégoire, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Izy no Malagasy tompondaka eran-tany tamin’ny fifaninanana matematika “algèbre de Lie”, tamin’ity taona ity. Nahatratra 98 ireo firenena nandray anjara tamin’izany fa mendrika indrindra tamin’izy ireo ny tenany. Voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy iray manontolo izao fandreseny izao. “Voaporofony fa manam-pahaizana sy tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany isika Malagasy”, hoy ny minisitra. Nanolotra « ordinateur portable » ho azy ankoatra ny “certificat” sy medaly ary ireo loka hafa miandry azy ny minisitra.Vonjy L’article Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fisamborana :: Noraisim-potsiny tao an-tranony ireto voatondro fa jiolahy

Nataon’ny polisy sarika am-pandriana tao an-tranony tany Manongalaza Antsiranana ny lehilahy roa voatondro ho jiolahy, ny sabotsy lasa teo. Tsy afa-nihetsika izy ireo ka mora tamin’ny mpitandro ny filaminana ny nitondra azy roa lahy tany amin’ny biraon’ny kaomisaria. Efa voasambotra mialoha ny naman’izy ireo iray. Itsy farany no nanoro ny toerana misy azy roa lahy. «Voasaringotra amina raharaha halatr’omby izy telo lahy ireo. Niara-niasa akaiky taminay ny andrimasom-pokonolona. Voasambotra, tamin’ny alakamisy alina, ny voalohany. Roa andro taorian’izay dia efa tratra ny roa namany », hoy ny polisy any Antsiranana. Nahitana karazana antsibe maromaro sy tady famatoran’omby ary hena iray sobika lehibe tao an-tranon’ireto nosamborina farany. Naiditra am-ponja vonjimaika izy telo lahy, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny Fitsarana. L’article Fisamborana :: Noraisim-potsiny tao an-tranony ireto voatondro fa jiolahy est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Notsongaina

Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail !
16/06/2021

Changement de décor pour le Rallye ASACM devenu de plus en plus relévé avec l’arrivée de puissantes voitures. Une authentique voiture de rallye en fait puisqu’il s’agit de la 206 WRC du regretté Le Roi Lion et confiée aux mains expertes de Faniry Rasoamaromaka qui fait logiquement partie des favoris voire le favori tout court tant le jeune maitrise de mieux en mieux le sujet. Le Rallye ASACM verra Les frères Rasoamaromakavo vont prendre le devant de la scène avec de belles voitures de course. Si Faniry sera au volant de la 206 WRC, Mika sera à bord de la 208. Et avec cette fougue héritée de leur père, les deux jumeaux sont bien capables de s’imposer dans ce rallye quelque peu raccourci car il va se jouer sur 187km en deux étapes et 9 épreuves spéciales. La bataille ou plutôt la guerre se tient à Ambohimiadana et ses environs et pour la plupart sur des pistes nouvellement traçées. Si le statut de favori de Faniry qui hérite également du navigateur de son père Hery Be en l’occurrence l’expérimenté Fafah, ne se discute pas, il n’aura pas pour autant la partie facile. Dans les 39 équipages qui prendront le départ, figurent en effet des champions en puissance tels Rivo et Ando sur leur Subaru. C’est à bord d’une autre Subaru Impreza que Tahina et Ranto vont tenter de brouiller les cartes. Mathieu Andrianjafy sera aussi à bord d’une Subaru dans le but de se rappeler à nos bons souvenirs et pour peu qu’il parvient à franchir la ligne. Parmi les voitures de la classe M12, on notera aussi la présence de la Mitsubishi Lancer Evo X d’Yves de TMF Rally. Un club qui n’entend pas céder pour marquer de ses empreintes cette reprise du rallye à Madagascar. Mais dans la liste des vainqueurs potentiels, on se gardera de sous-estimer Olivier sur une C2 de compétition. Parmi les surprises du chef, on citera la Land Rover Defender d’Anjabob chez les T2. Pour couronner le tout, il y aura deux Polaris RZR dans un lot assez composé mais marqué par la seule catégorie en R5 de Mika Rasoamaromaka. Clément RABARY L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa
15/06/2021

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka faritra Sofia, ny faran’ny herinandro teo ny jiolahy roa malaza ratsy amina raharaha fisolokiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tonga nametraka fitoriana mahakasika fisolokiana vatosoa hosoka tao amin’ny kaomisarin’i Befandriana Avaratra. Nanao ny angom-baovao rehetra ny polisy ka fantatra tamin’izany ny mombamomba ireo olon-dratsy. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny polisy ka tratra ny alahady teo tao Befandriana Avaratra ireto roa lahy ireto. Nentina teny amin’ny CSP Befandriana Avaratra izy ireo nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isaky ny tsenan’omby isan-kerinandro izy ireo no manao ny asa ratsiny ary ireo olona tonga hividy omby no tena kendren’izy ireo amin’izany. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja avy hatrany.J.CL’article Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa a été récupéré chez Newsmada.

Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation
15/06/2021

Quinze nouveaux cas de Covid-19 le 13 juin 2021. Le nombre de nouvelles contaminations en 24 heures est descendu en dessous de la vingtaine dimanche dernier. Une confirmation de la courbe descendante qui se poursuit depuis plus d’un mois. Les 15 nouveaux cas de dimanche dernier ont été enregistrés parmi 470 tests, soit un taux de positivité de 3,19%. Ils sont localisés dans trois régions : Analamanga qui compte 10 cas, Haute Matsiatra en compte 3 et Ihorombe en compte 2. Pour Analamanga en particulier, les 10 cas ont été enregistrés dans trois districts : Tana Ville 7 ; Ambohidratrimo 2 et Andramasina 1. Quant aux cas graves, leur nombre semble être en stagnation depuis plusieurs jours, mais reste en dessous de la barre des 100. Au jour du 13 juin, il a été enregistré 95 patients présentant une forme grave de la maladie sur l’ensemble de l’île. Au niveau des décès, on notera qu’Analamanga n’en comptait aucun dimanche dernier. Les 2 décès enregistrés à cette date sont localisés dans deux régions, à savoir la Haute Matsiatra et l’Atsinanana, lesquelles comptent chacune un décès. Le décompte officiel indique actuellement 889 décès liés à la Covid-19 à Madagascar depuis le début de l’épidémie dans le pays en mars 2020. Au chapitre des guérisons, 25 patients ont été déclarés guéris le 13 juin. Et enfin les données récapitulatives, montrant à la date du 13 juin un cumul de 41 948 cas confirmés sur un total de 209 522 tests effectués depuis mars 2020. Le nombre total des guérisons est de 41 343. Hanitra R. L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahaleovantena… fahalahelovan-tena     
16/06/2021

Hatramin’izao, maro ny mihevitra fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara. Saika miara-dalana amin’izany ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Mbola tsy mahafa-bela tanteraka ny fiankinan-doha sy ny fitavandrana amin’ny any ivelany isaka ny mihetsika saika amin’izay atao na kasaina? Saika ahitana endrika fiankinan-doha hatrany ny sehatry ny toekarena indrindra, na ny sosialy; eny, na ny politika aza, na nambara talohaloha tany aza fa ny fahaleovantena ara-politika no azo.Saika mbola ifampierana na angatahina tsodrano amin’ny any ivelany hatrany izay (h)atao? Eny, na ny politika aza. Raha tsy izany, tsy lasa lavitra na mikorontana amin’izay heverina sy kasaina. Mety mitondra amin’ny faharavam-pananana na ny famoizana aina aza… Efa nisy izany ny tantaram-pirenena. Ahina mbola hiverina? Tarazo ratsy. Izany ve, ohatra, ny mahatonga ny mpanao politika sasany be tati-bolana sy be konetaka amin’ny any ivelany? Na efa zary kolontsaina politika…Mbola fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena? Alahelo anaty ny amin’ny sarintsarim-pahaleovantena mamitaka. Tsy tompony mahazaka manana? Na amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe, na amin’ny toekarena… Samy mandini-tena ny tsirairay: inona ny marina? Any amin’ny faralalina… Saika fialokalofana sy anamarinan-tena mandrakariva ny hoe fitrosana sy ny fanampiana, ohatra. Tsia, tsy hoe tsy azo atao izany fa hatraiza ny hoe fahaleovantena amin’izay atao?Fotoana izao amin’ny hoe fiovana sy ny fanovana? Efa zava-dehibe, ohatra, ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nahomby ny fanampiana any ivelany nandritra ny 30 taona mahery tany atsimon’i Madagasikara, matoa mbola misy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Mandra-pahoviana? Fahasahiana lehibe ny samy Malagasy no mitady vahaolana, volan’ny fanjakana malagasy no enti-mihetsika… Ahoana koa ny amin’ny sehatra hafa amin’izay hay sy vitan’ny Malagasy?Mbola misy ny mijoro, ny hevitra, ny tetika… Mbamin’ny enti-manana sy azo atao na amin’ny akora, na fitaovana, na vola eto Madagasikara. Mba tsy fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena.Rafaly Nd.             L’article Fahaleovantena… fahalahelovan-tena      a été récupéré chez Newsmada.

Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle
19/06/2021

Les vaccinés du Covishield attendent leurs secondes doses. Des dizaines de milliers de vaccins Covishield périmés devraient être détruits ou enfouis, si l’on se réfère aux explications du ministère de la Santé publique malgache. «Les statistiques relatives au nombre de personnes vaccinées ont connu une hausse considérable ces derniers jours. Je pense que l’on a pu administrer 200 000 doses de vaccins Covishield à la fin de la campagne». Propos d’un responsable auprès du ministère de la Santé publique joint au téléphone hier pour faire état de la situation de la campagne de vaccination menée à Madagascar. Selon le responsable, «les gens se sont rués vers les vaccinodromes une semaine avant la date butoir de la campagne». Une habitude typiquement malgache selon certains observateurs qui n’ont pas manqué de rappeler les différentes réactions et propos concernant le vaccin et ses éventuels effets secondaires. Les premières heures de la campagne de vaccination n’ont, en effet, pas été concluantes à Madagascar. Il aura fallu que le ministère de la Santé publique et ses partenaires accentuent les campagnes de sensibilisation pour avoir une certaine adhésion de la population, surtout celle de la capitale Antananarivo. Périmés. Une tendance qui a changé vers l’approche du deadline. Les dernières statistiques du 15 juin dernier témoignent d’ailleurs de cet engouement tardif de la population. Il y a eu, ce jour-là, 150 000 doses administrées dans tout le pays selon les chiffres officiels. Les deux derniers jours auraient donc enregistré environ 50 000 administration, si l’on se réfère à la projection du responsable auprès du ministère de la Santé publique. Interrogé sur le devenir des doses non administrées, le responsable du ministère de tutelle de faire savoir qu’il est encore «trop tôt pour savoir si l’on va les détruire ou les envoyer dans des sites d’enfouissement bétonnés comme celui d’Ambohidroa pour les condamner». Selon toujours les responsables, cette question sera «élucidée après le bilan officiel de la première phase de la campagne anti-covid». Ce qui devrait se faire ce jour d’après toujours les dires de notre source. Si la campagne a pris fin, l’on se pose déjà des questions sur sa deuxième phase. Notamment sur le nombre de vaccins à importer, les personnes cibles et les éventuels changements en matière de stratégie vaccinale. José Belalahy L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Vaksiny – Taitra koa ny KMF/Cnoe: “Takinay ny hiantsoan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny OMS”
19/06/2021

Taitra sy gaga koa ny fiarahamonim-pirenena. “Mian­tso ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny (MAE) izahay mba hampiantso ny solontena maharitry ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana mba hitondra fanazavana bebe kokoa momba ny antony tsy aneken’ny UE ity vaksiny “Covishield” ity », hoy ny fanambaran’ny KMF/Cnoe, omaly. Anton’izany ny fanambarana nataon’ny firenena frantsay sy ny eo anivon’ny UE fa tsy ekena ho vaksiny ahafahana mivezivezy malalaka any amin’izy ireo ny «Covishield». Notsiahivin’ny fanambarana anefa ary anisan’ny nahagaga ny maro fa io vaksiny io no tonga eto sy nampiasaina tamin’ny alalan’ny hetsika “Covax”. «Tafiditra ao anatin’ny mpanome sy mpanohana izany rafitra izany ireo eo anivon’ny UE, ny Anglisy sy ny Amerikanina. Eo koa ny Pnud, ny Unicef ary indrindra ny OMS», hoy ihany izy ireo. Manampy izany ny fahatongavan’izy ireo nitsena ilay vaksiny teny Ivato sy ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo nandritra izany. Nanamafy ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamana amin’ny fitakiana fanazavana amin’ny OMS koa izany izao ny KMF/Cnoe. Mampirisika ny MAE kosa anefa izy ireo hampiantso io rafitra iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana io.Synèse R.L’article Vaksiny – Taitra koa ny KMF/Cnoe: “Takinay ny hiantsoan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny OMS” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema
19/06/2021

Tsara fiditra ny AS Adema Analamanga, teo amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Izy irery mantsy ny hany ekipa nahazo fandresena.Ny AS Adema no hany ekipa tokana nahazo fandresena teo amin’ny andro voalohany amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Fihaonana notanterahina omaly teny amin’ny kianja Vontovorona. Lavon’ny Adema, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny Five FC. Baolina tafiditr’i Onja, teo amin’ny minitra faha-57 sy ny an’i Aina tany amin’ny minitra faha-77. Nandiso fanantenana ireo mpijery ny lalaon’ny roa tonta. Noheverina fa hanohitra ny ekipan’Ivato ry zareo avy ao amin’ny firaisana fahadimy, saingy mbola manana ny fahaiza-manao ireo mpilalaon’Ivato. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ihany ny hany mba nahatosika ny Five FC. Fizaram-potoana faharoa, nahay namezivezy baolina ry Eric sy i Fabien niaraka tamin’i Bamainty. Tetsy an-kilany, niezaka nandrindra ny fanafihany ihany ry Veve sy Racool ary i Bance, fa tsy tafavoaka. Teo amin’ny fihaonana faharoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Ajesaia. Efa nitarika tamin’ny isa ny Bebaoty, tamin’ny alalan’ny baolina tafiditr’i Baco, teo amin’ny minitra faha-21 no nosahalain’i Ando, tany amin’ny minitra faha-78. Mitarika vonjimaika aloha izany ny AS Adema, manana isa 9, arahin’ny Cosfa sy ny Ajesaia, samy nahazo isa 6 ary ny Five FC, isa 3. Hitohy ny alatsinainy 21 jona ny fihaonana ka hifanehatra ny Cosfa sy ny AS Adema ary ny Ajesaia sy ny Five FC.TompondakaL’article Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo
17/06/2021

Niompana amin’ny fandraisana an-tanan’ny fanjakana ny fanafarana entana ilaina ho amin’ny lafiny sosialy ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, omaly. Natao tamin’ny alalan’ny « visioncoference » izany.Nivoitra tamin’izany ny fankatoavana ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra momba ny fampidirana kaontenera misy famokarana sakafo. Nanambara ny eo anivon’ny Fondation Mérieux, ny 15 marsa teo, fa hanampy amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany.Ankizy maherin’ny 50 000 hisitraka fanampin-tsakafoHametraka ozinina famokarana fanampin-tsakafo ao Taolagnaro ho an’ny mpianatra any atsimon’ny Nosy izy ireo. « Vonona hanolotra maimaimpoana koa ny kaontenera fanampiny ahitana fitaovana famokarana izany ity Fondation lehibe ity », hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.Hisitraka ny vokatra avy amin’izany ozinina izany ny ankizy maherin’ny 50 000 any amin’ny faritra Anosy sy Androy ary hozaraina maimaimpoana eny anivon’ny « cantine scolaire » izany. Hahatratra 600 t isan-taona ny famokarana ataon’ity orinasa ity. Antony nanalefahana ny haba sy ny hetra izany, araka ny fangatahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Hahazo kamiao ny CUAEtsy andaniny, nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fanafaran’ny Unicef ireo fiara lehibe fakana fako « camion benne » miaraka amin’ny kojakoja samihafa ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). « Natao hanamafisana ny haitaon’ny sampana fandraofana ireo fako vaventy izany », hoy ihany ny tatitra.Ankoatra izany, nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manambara ny hampiasan’ny fanjakana ny tany ao amin’ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe, voafaritry ny reniranon’i Onibe sy ny kaominina Ampasimbe Onibe. Eo koa ny ao amin’ny kaominina Andondabe, ny reniranon’Ifontsy ary kaominina Antetezambaro miaraka amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao amin’ny drafi-pandrindrana ny tanàn-dehibe izany.Nankatoavina koa ny hampidirana maimaimpoana ireo fitaovana nohafarana omena ny ivontoerana fanofanana asa (CFP) ao Nosy Be. Tahaka izany koa ny nankatoavana ny fahazoan-dalana handray fitaovana : « appareils mammographies analogiques », miisa 10 sy ny « scanner 64 barettes, miisa dimy.Synèse R.  L’article Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire
14/06/2021

Les citoyens s’inquiètent de la sécurité en raison de la multiplication des vols qui, force est de constater, n’ont jamais été élucidés. La multiplication des vols ne cesse de prendre de l’ampleur dans les quartiers populaires. Ces dernières semaines, de nombreux vols à la tire ont été constatés. « Les malfaiteurs s’activent dans le périmètre urbain en utilisant la ruse et les subterfuges pour arriver à leurs desseins », selon un responsable de fokontany. Dernièrement, les internautes ont assisté à un spectacle inhabituel. Une femme en larmes, en public, à Anjanahary. Elle aurait été victime d’une arnaque et d’un vol, suivis d’une effraction, commis par deux individus (un homme et une femme)). Cette dernière aurait obligé la victime à lui donner son vêtement, « un blouson en cuir », supposant lui appartenir. Choquée, la fille ne comprenait pas ce qui se passait, vu qu’elle ne connaissait même pas ces personnes. Puis, l’homme a haussé la voix et a enlevé la veste en cuir de la victime par la force en prétextant que celle-ci appartenait à sa femme. La victime ne pouvait que pleurer. Le phénomène de vol a été signalé sur les réseaux sociaux. Cette histoire pourrait passer pour un simple fait divers, mais l’incident a provoqué une véritable psychose dans le quartier et au-delà. Les gens évitent actuellement d’avoir un quelconque contact avec des inconnus. Les actions menées par les forces de l’ordre n’arrivent malheureusement pas à endiguer ce phénomène qui ne cesse d’inquiéter la population. Rien n’est épargné par les malfrats qui agissent impunément, même en milieu de journée. Des femmes, des passants ont été les cibles des malfaiteurs, emportant argent, téléphones, bijoux, sacs et vêtements de marque. Un résidant à Anjanahary témoigne «  ce fléau n’est pas nouveau, mais c’est la première fois que j’entends une histoire de vol de « perfecto »…, on ne peut plus porter des habits à la mode et chers ? C’est malheureux... ». Cependant, les quartiers mobiles et les chefs de fokontany tentent toujours d’instaurer des dispositifs de lutte contre le phénomène. Yv Sam L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Anjanahary : Recrudescence des vols à la tire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

  Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika
18/06/2021

   Nihaona tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana ny olobe ary ny mpisehatra samihafa amin’ny omby ny tale jeneralin’ny Fiompiana, ny 14 jona teo tany Taolagnaro. Noresahina ny tetikasa vaovao hamantarana ny omby sy ny fiarovana azy.Fotoana nihainoana mivantana ny hetahetan’ny mpisehatra amin’ny omby izany, sady namantarana ny tena zava-misy eny ifotony. Nohazavain’ny tale jeneraly, Andriamahatola Lezoma Tsiry, ny lalàna mikasika ny omby sy ny biby miraok’ahitra. Teo koa ny fomba vaovao hamantarana ny biby tsirairay (Lits*), hapetraka any amin’ny faritra efatra (Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe). Anisan’ny tetikasa vaovao fisandratana (NPE) ao anatin’ny drafitra fisandratana ho an’ny tapany atsimon’i Madagasikara (PEM Sud) izany.Navoitran’ireo solontenan’ny mpiompy omby any amin’ny kaominina Ankaramena sy Manambaro, anisan’ny tsenan’omby lehibe any amin’ny faritra Anosy ny sakana samihafa any an-toerana. Toy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby, ny tsy fahampian’ny dokotera mpitsabo biby nahazo fankatoavana, ny tsy fisian’ny toerana manokana fanaovana vaksiny, sns. Anisan’ny vahaolana nomen’ny tale jeneraly ny Mpiompy manampy amin’ny asa veterinera (MMAV). Mikasika ny bokin’omby, nampahafantarina ny kavin’omby elektronika vaovao sy ny karatra kely (puces) tsy azo atao hosoka.Niaiky i Niha Gilbert, mpiompy omby any Ankaramena, fa « namantarana ny olanay ity fihaonana ity ary hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny omby ny vahaolana nomena».Noraisina ny soso-kevitra samihafaNatao andrana tany amin’ny kaominina Ankaramena ny fampiasana ny famantarana ny omby tsirairay, Lits. Soso-kevitra naroson’ny ben’ny Tanàna, Rtoa Attalah Arline, ny hampihenana ny habetsahan’ny fanafody sy ny lanja ary ny haben’ny kavina ho an’ny omby tanora. Nanampy izany ny DG Andriamahatola Lezoma Tsiry mikasika sakafom-biby sy ny fanatsarana ny karazan’omby.Dingana manaraka amin’ny tetikasa Lits, ny fampiofanana ny mpisehatra rehetra sy ny fanaraha-maso ny fifindran-toeran’ny omby. Voakasik’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny kaominina ary ny mpitandro filaminana. Hametraka ny kavin’omby elektronika ny veterinera raha vao tonga any an-toerana izany. Nilaza Rtoa Mounira Mayet, tale jeneralin’ny orinasa Bovima, fa “tsy manan-tsafidy isika, tsy maintsy fantarina ny mombamomba ny biby sy ny toerana niaviany tsirairay raha hivarotra sy hanondrana any ivelany. Fepetra takin’ny firenena hanondranana ny vokatra izany”.Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Ranarivelo Lucien, nandritra ny fikaonan- doha fisandratan’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ny 11 sy ny 12 jona, ny fanatsarana ny fiompiana omby. Ao anatin’izany ny toerana fanatavezana (Feedlot) any Anosy sy Androy, izay hiteraka asa 20.000.Njaka AndriantefiarinesyL’article   Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika a été récupéré chez Newsmada.

Handball -“Can 2021”: resy tamin’ny lalao dimy nataony ny Malagasy
17/06/2021

Nandritra ny fiadiana ho tompondakan’i Afrika taranja handball notanterahina tany Youndé, Kameronina, nanomboka ny 8 ka hatramin’ny 18 jona 2021,  faharesean avokoa ny azon’ny mpilalao malagasy nandritra ny lalao dimy notontosainy…Niondrika fanindiminy indray ny ekipan’ny Malagasy rehefa lavon’i Cap-Vert tamin’ny isa 30 no ho 16, omaly. Tao anatin’ny fiadiana ny laharana fahasivy sy fahafolo amin’ny fifaninanana, tsy nahita hirika nentina nadavoana ireo mpifanandrina taminy ireo ny ekipan-dry Aina sy ry Valérie. Firenena telo ny voasokajy hiady io laharana fahasivy sy fahafolo io ka nahitana an’i Kenya, i Cap-vert ary i Madagasikara. Nibaby faharesena hatrany anefa ny solontena malagasy tamin’ny fifandonana tamin’ireo ekipa roa ireo. Tsy nisy, noho izany, ny vokatra fa nitana ny laharana faha-11 sady farany nandritra ity “Can” ity izy ireo. Ankoatra io fahareseny tamin’ny andro farany io anatin’ny fifaninana io, efa resy intelo tao anatin’ny vondrona A nisy azy koa ny Malagasy.Voahosotra ho mpilalao mendrika i Valérie …Na teo aza ny faharesena nianjady amin’ny solontena malagasy, nisongadina hatrany ny fomba filalaon’izy ireo teny ambony kianja. Anisan’izany Ravololonirina Valérie, nandrombaka ny amboaran’ny mpilalao mendrika teo amin’ny fifandonana tamin’ny Kenyanina afakomaly. Niavaka tamin’ny fahaizany nandrindra hatrany ny lalao tao amin’ny toerana maha vodilaharana azy io mpilalao malagasy io. Marihina fa ity amboaran’ny mpilalao mendrika ity, noho izany, ny fahombiarana tokana azon’ny Malagasy nandritra ny fifaninanana.Tsiferana R.L’article Handball -“Can 2021”: resy tamin’ny lalao dimy nataony ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure
15/06/2021

Tout en luttant contre le Covid-19 depuis mars 2020, l’équipe du Gouverneur Tovondrainy Edally a poursuivi son plan pour le développement de la RAA. «RAA Zone blanche » certainement, si on se réfère aux résultats obtenus, car on ne peut travailler sous les feux des pillards. Un bilan, somme toute largement positif, égrené par le gouverneur de la Région Atsimo Andrefana devant plusieurs journalistes de radio, télévision et presse écrite de Tuléar le 10 Juin dernier. Tous les secteurs ont porté des changements, un véritable marathon de performance, en veillant particulièrement à l’économie rurale et à la pêche, tout en préservant l’environnement et protégeant la biodiversité, touchant les 9 districts de la Région. Construction ou réhabilitation de 30 km de canaux d’irrigation, dont 12 km à Bevava et le reste dans le district de Morombe. Des routes en pavé ou terrassement, un peu partout, à Ankazoabo ou Betioky et Tuléar, évidemment, sauf la rue qui mène vers le gouvernorat. La RN9 qui conduit vers le Nord de Tuléar est déjà goudronné jusqu’à Analamisampy (107km). Elle se poursuit vers Morondava, traversant le plus long pont de Madagascar, 900m, enjambant la rivière Bevoay, en passant par Manja. L’éclairage rural gagne du terrain et arrive à Beroroha, à la grande satisfaction des habitants. Un barrage à Ampanihy pour maîtriser l’eau et promouvoir la riziculture. Mais, c’est l’enseignement qui a engagé le plus d’investissement. « Ce qui est normal », dit un vieux professeur. « La province de Tuléar reste toujours la plus analphabète de toutes». 117 salles de classe dont 105 EPP, des Centres d’Enseignement Général, des Lycées et des Centres de Formations Professionnelles (2 680 bénéficiaires de formation en pâtisserie et pisciculture). La jeunesse et le sport n’ont pas été négligés, puisque la Cité du Soleil a bénéficié d’une piscine olympique, en cours. Le Stade de Me Kira entièrement rénové, tapissé de gazon artificiel, sans oublier un gymnase de 4 000 places. Tandis que Sakaraha et Ampanihy ont obtenu des gymnases de 1 000 places. La RAA abrite plusieurs zones enclavées. Des villages absolument inaccessibles, sans l’intervention des nouvelles techniques de communications (NTIC), dans les districts d’Ampanihy, Betioky, de Sakaraha et d’Ankazoabo, utilisation de l’internet et de téléphone travaillant avec un satellite (Vsat à Beroroha) ce qui permet d’appeler du secours en cas d’attaque de brigands de grand chemin. Mais qui dit NTIC, dit aussi panneaux solaires, surtout que la RAA ne manque pas de soleil. Grâce à la vulgarisation des Smartphones, certains maires de ces localités ont installé des HotSpots qui permettent aux jeunes de se connecter gratuitement et de se communiquer entre eux. L’Hôtel de Ville de Tuléar permet aussi de se connecter gratuitement à un service de wifi. Pour la première fois, les tuléarois ont vu s’ériger du sable, un grand Bazar à étage, avec deux bâtiments reliés par une passerelle. Une paix entraîne en une autre. Le vol de zébus a diminué fortement grâce au Dinabe (convention entre communautés de plusieurs localités). En effet, après plusieurs attaques aux textes du Dinabe original, l’équipe de Tovondrainy Edally a apporté une amélioration, en admettant « un conseil des sages », pour réfréner les zèles profiteurs, c’est ce qui manquait pour une meilleure harmonie et une paix sociale chez les éleveurs et possesseurs de milliers de bovidés. D’où la renommée de la RAA de « Zone blanche », que les autres Régions jalousent silencieusement. Charles RAZA L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure a été récupéré chez Midi Madagasikara.