Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

News - Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

News - Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.

Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.

Synèse  R. 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra »

Notontosaina, omaly ny famoahana ny andiany “Fenitra” tao amin’ny sekolin’ ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” (Eniap) any Antsirabe. Miisa 1098 ireto Polisy vaovao ireto ka 100 ny Inspecteurs de Police (miisa 08 ny vehivavy) raha 999 kosa ny “Agents de Police”(miisa 94 ny vehivavy). Nitondra hafatra ho an’ireto andiany “Fenitra” ireto ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nilaza fa : “Ny galona izay napetraka teny an-tsorokareo androany (omaly io), dia tadidio tsara fa laharamboninahitra sandain’andraikitra avy amin’ny firenena malagasy. Aza viraviraina toa voro-damba fa vidio haja, vidio voninahitra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny ary indrindra amin’ny fomba fiasa, ho reharehan’ny mpiray tanindrazana. Aza avela hiraviravy tanana eo anoloan’ny horohoro ny vahoaka .Aleo hafindra any amin’ny tontakely ny tahotra, efa ela niandrasana izany ny Malagasy”.Ankoatra ny famoahana ny andiany “Fenitra” dia nisy ihany koa ny fanatanterahana ny fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao. Jean ClaudeL’article Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra”

Rakotonarivo Jean Donné, mpihira fototra ao amin’ny tarika Don.FR sady tompon-kevitra amin’ny fananganana izany, ny taona 2017. Milaza ny heviny momba ny zavakanto sy ny mpanakanto ary ny akony.Tarika mampiray ny kanto malagasy manerana ny Nosy ny Don. FR… Mivoy ny karazan-kira mifangaro, izany hoe, manao ny gadona rehetra toy ny tsapiky, ny basesa, ny milamindamina sy ny maro hafa ny tarika. Noho ny fisian’ny mpikarakara, taty aoriana, nisy fiovana tanteraka ny tarika fa tsy toy ny nahitana sy nahalalana azy tany aloha. Na teo amin’ny lafiny hira izany na ny hevitry ny anaran’ny tarika. Talenta ny “Don” ary Fi­rai­sankina ranoray kosa ny “FR”. Ankoatra ny gadona voalaza ery aloha mantsy, mitambatra ho iray ao anatin’ny tarika ireo mpikambana 10 mianadahy avy amin’ny faritra. “Tsy laza ny tanjona ma­hamaika fa ny hampita hafatra ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora. Hijanona ha­trany amin’ny fanaovana mozika maneho fananarana sy fitaizana ho an’ny fiarahamonina ny tarika fa tsy hanao hira mety hanafintohana ny hafa”, hoy i Jean Donné. Maro ny sanganasa mihodina eny anivon’ny serasera toy ny «Allo Tiako», ny «Tsin­jaka», ny «Maloto lamba», ny «Tsy mahavita tena», ny «Modia», ny «Ombay mitady», sns. Vao tsy ela akory izay ny namoahan’izy ireo ny hira: «Neny» sy ny «Zana­kao». Manomana seho miavaka eto an-dRenivohitra ny tarika amin’izao ary hisy rakipeo kononkononin-dry zareo amin’izany. Tsy vitsy ny mpanakanto malaza efa nampiara-peo tamin’i Don.FR toa an’i Bolo Pix sy i If Clark. Ankoa­tra ny rindran-tsary, efa nisy ny seho nataon-dry Don.FR tany Antsirabe sy tany amin’ny faritra hafa. «Manantena fiaraha-miasa hatrany aminareo mpankafy izahay ka raha misy ny tsy mety, aza misalasala manome fanamarihana fa raisinay hakana lesona izany fa tsy hitezerana akory», hoy ny mpikarakara ny tarika. Marihina fa tovolahy mpikabary ihany koa i Jean Donné ary efa betsaka ny kabary am-panambadiana efa nataony. Araka izany, afaka mivady tsara aminy ny kabary sy ny mozika fa tsy mifanitsaka akory.NarilalaL’article Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sao mba…?

Ny mpitondra, mahay; ny vahoaka, miray saina! Io ny fototry ny fandrosoan’ireo firenen-dehibe, matanjaka toekarena ankehitriny. Samy manana ny paikadiny izy ireo. Tsy amin’ny kajikajy ambony latabatra ihany io fa, indrindra, amin’ny toe-tsaina naorim-paka tamin’ny vahoaka, tany am-piaingana, ka nahatraran’izy ireo ny tanjona.Eto amintsika, tsy ny manampahaizana no tsy misy. Ambaran’ireo vahiny aza fa tokony ho tombony lehibe ho antsika ny fananana harena voajanahary, azo trandrahina tsara ho tombontsoan’ny maro anisa. Mbola mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe: nahoana isika no toy izao foana? Sao mba io toe-tsaina io mihitsy no tokony hovàna?Ahariharin’ny kisarisary, any anaty tambajotran-tserasera any, ohatra, fa ny misintona ny “tafa” mba ho lava no haintsika fa tsy mba ny manosika azy ireny ho lasa lavitra kokoa. Eo koa ny hoe zatra manao tsindrio fa lavo isika na maniry ny hafa ho potraka hatrany, rehefa tafita amin’ny sehatra misy azy izy. Sao mba mitombina ihany ireo fijery ireo?Misy koa ny mahita hoe lany andro mimenomenona sy mitaraina lava ny Malagasy fa tsy mijery avy hatrany ny vahaolana tandrify ny tena, raha misy tsy fahatomombanan-javatra. “Aiza ny tompon’andraikitra?” Io, matetika, ny fanontaniana hapetraka. Sao mba hoe inona ny mety ho vitako?Tsy hay ny tsy hampahatsiahy indray ny fiombonam-pontsika nandritra ireny fiadiana ny amboaran’i Afrika tamin’ny taranja baolina kitra ireny. Samy nahatsapa ny Malagasy fa misy ny toa azy, miasa mafy ho voninahitra iombonana. Eny anivon’ny fiarahamonina, amin’ny fiainana andavanandro eny anefa, toa mbola mipetraka ihany ny fanaovana tsinontsinona ny hatsembohan’ny hafa.Tandra vadin-koditra amintsika ny hoe tombany tsy mba vidiny, hany ka na izay fantatra fa nisasarana sy nikelezan’ny hafa aina aza, tsy maintsy iadiam-barotra. Toa odian-tsy hita, ohatra, ny aina sy ny fotoana ary ny vola lany tamin’ny fambolena voatabia, anana, tongolo, sns. Ka rehefa mandalo tsenan’ny tantsaha, tsy misalasala akory isika miady varotra amin’ny antsasaky ny vidiny nolazainy. Sao mba mety ihany ny mifanome lanja noho ny herim-po tamin’ny asa vitan’ny hafa? Asa, saingy sao mitombina ihany izany fomba fijery izany…Landy R. L’article Sao mba…? a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

Maty ilay olona voan’ny aretina Ebola tany amin’ny tanàna lehibe iray Goma, any atsinanan’i Kongo, rehefa saika hafindra toerana tany Butembo, omaly, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny faritra Kivu Avaratra, i Carly Nzanz. Tanàna lehibe iray ifamezivezen’ny olona maro i Goma ary betsaka ireo mivoaka ho any amin’ny firenena hafa ivelan’i Kongo miainga avy ao. “Mampanahy ity tranga voalohany izay namoy ny ainy ity noho izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Crox Rouge any an-toerana, i Gwen Eamer, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny fahitalavitra France 24. Tanàna ahitana ireo toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny raharaham-barotra goavana rahateo ity nitrangan’ny aretina voalohany. Miantso ny vahoaka ao aminy ho tony ny fitondrana kongoley. 60 ireo olona nifampikasoka tamin’ilay pasitera narary voalohany ary efa vita vaksiny ny antsasa-manila amin’izy ireo, efa eo an-dalana hanaovana izany ny ambiny. Mbola miandry 21 andro ny tomponandraikitra hitiliana na namindra tamin’ny olon-kafa ilay olona maty tany Goma.Nanomboka ny volana aogositra 2018, fotoana nilazana ny valanaretina, efa 1 665 ireo maty noho ny Ebola any amin’ny Kivu Avaratra. Nampitsahatra ny asany any amin’io toerana io ny ekipan’ny Médecins sans frontières noho ny tsy fandriampahalemana.Nanomboka ny volana aogositra 2018, anarivony ny aina avotra vokatry ny fampiasana ilay vaksiny rVSV-ZEBOV miaro amin’ny aretina Ebola novokarin’ny laboratoara amerikanina Merck.Miasa 24 ora ny ekipa eny amin’ny seranana Eto Madagasikara, mandalo fitiliana avokoa ny mpandeha nidina avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany taorian’ny famenoana ny taratasy momba ny toeram-piaviany sy ny toe-pahasalamany. Ho an’ny polisy sy ny mpiasan’ny fahasalamana ireo taratasy ireo ahafahana mahafantatra ny toeram-piavian’ilay mpandeha sy ny adiresy misy azy rehefa tonga eto. Manana efitra fanokanana ny seranam-piaramanidina ho an’ireo olona ahina mandray zotra avy any ivelany rehetra, misy ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tsy tapaka manara-maso ny mpandeha rehetra. “Vonona koa ny ambulance manokana hitondrana ny marary ho any amin’ny tobim-pahasalamana raha ilaina”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra, omaly. Tafiditra amin’ny règlement sanitaire international (RSI) tokony hampiharin’ny firenena rehetra ireo, araka ny toromariky ny OMS iarovana ny fahasalaman’ny mponina. Hatreto aloha, tsy nahitana tranga nampiahiahy ny mpandeha avy any ivelany tonga teny amin’ny sambo na ny seranam-piaramanidina.Vonjy A.L’article Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fivadiham-pitokisana…: lasan’ilay mpanampy an-trano ny vola 20 tapitrisa Ar

Mpamadika sy mpanararao-paty. Tovolahy mpanampy an-trano nahavita nangalatra ny volan’ny mpampiasa azy mitentina 20 tapitrisa Ar.Fahasahiana tsotra izao! Nangalarin’ny tovolahy iray antsoina hoe Tafitaniaina Bruno, mpanampy sady irakiraka, ny volan’ny mpampiasa azy tao Ambatoroka. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fanadihadiana ity raharaha ity, ny 12 mey 2021, raha namonjy fandevenana ny mpampiasa azy, napetraka amin’i Bruno ny tanàna. Nohidin’ireo mpampiasa azy ny trano lehibe satria manana trano mitokana eo ivelany ity mpanampy ity, saingy nopitsohiny ny trano. Nalainy tao anaty « buffet » ny vola 20 tapitrisa Ar raha vantany vao tafasokatra ny trano. Mahatsikaiky amin’ity raharaha, hoy ny zandary, ny fahasahiany saika hanofa 60 000 Ar moto teo Fasan’ny Karana saika hanatitra azy Antsirabe fa tsy sahy izy. Tsy fantatra na lafo loatra ka nitady fomba hafa, mbola antsokosoko, niala teto an-dRenivohitra nihazo an’Antsirabe. Tonga tao Antsirabe tamin’io fotoana io ihany izy ka natory tao amin’ny raikeliny ao Vatofotsy. Ny ampitson’io, nividy bisikileta avolenta niaraka amin’ny entana maromaro ka nody nihazo any Sahanivotry, tanàna niaviany. Taorian’ny fitoriana napetrak’ilay mpampiasa, niroso amin’ny fikarohana avy hatrany ny zandary. Niainga avy amin’ny mpanera nampiditra azy niasa sy ny raikeliny ny fanadihadian’ny zandary. Vokany, noraisim-potsiny tao Masoandro Sahanivotry ity jiolahy ity, mbola tratra tany aminy ny vola sisa tavela 17 360 000 Ar sy ny bisikileta, ny « panneau solaire » sy ny bateria, ny « lecteur », ny « subwoofer » izay efa natolotra avokoa ny tompom-bola, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany. Taorian’ny famotoran’ny zandary, natolotra ny fampanoavana, ny 17 mey teo, ity jiolahy ity ka naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy.Jean ClaudeL’article Fivadiham-pitokisana…: lasan’ilay mpanampy an-trano ny vola 20 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Orange Pro league: resin’ny Five FC ny Elgeco Plus

Mandravarava hatreto ny ekipan’ny Five FC Analamanga, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja By Pass, resin-dry zalahy tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Elgeco Plus. Baolina tafiditr’i Veve, teo amin’ny minitra fahavalo. Niady ny fihaonana ary tena niendrika famaranana kely mihitsy. Samy nanao izay ho afany ny andaniny sy ny ankilany, saingy io baolina tokana io ihany ny hany tafiditra tamin’ity. Anisan’ny nanao fanafihana totoafo ho an’ny Elgeco Plus ry Bela sy i Bonara, saingy tsara fiarovana ry Ndrasana sy i Coco. Tetsy ankilany, tsy nionona tamin’io baolina matiny io ny Five FC fa niezaka nanafika hatrany ka nisy ny tokony ho tafiditr’i Feli, saingy nivoaka ny tsatoby ny dakany, minitra faha-68. Niezaka nitady hirika hanasahalana ny baolina hatramin’ny minitra farany ny Elgeco Plus, saingy tsy nety nahafaty mihitsy. Tompondaka  Kaonferansy atsimo Zanakala FC (2) – (1) FCA IlakakaCS-DSF (0) – (2) AS AdemaAjesaia (1) – (1) Uscafoot L’article Kitra – Orange Pro league: resin’ny Five FC ny Elgeco Plus a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarotra ny manarina sy manorina    

25 taona izay ny nahamay ny Rovan’Antananarivo. Lehibe indrindra amin’izany ny lapan’i Manjakamiadana. Tsy asian-teny eto izay antony nandoroan’ny tsy mataho-tody azy, na izay nanao izany. Vitavita sy tsy hitahita ho azy eny. Toy izay efa nitranga rehetra teto amin’ny firenena.Toa tsy mampiraika na, sanatria, efa mila hahazatra ny sasany aza, ny faharavana na fahasimban-javatra toy ireny; eny, na izay harem-pirenena toy ny tahirim-bakoka aza. Saika politika hatrany no hoe ao ambadiky ny raharaha? Dia vitavita sy tsy hitahita ho azy eny tokoa izay tena antony.Toa tsy ifanomezan-tsiny rehefa hoe misy ambadika politika? Mora mampionona ny maro, heverina ho lojikan-javatra, malaky hadino, odian-tsy hita na tsy tsaroana. Fandravana sy famotehana hatrany tsinona ny hoe politika? Mampisy hatrany ny tsimatimanota, ny lehibe tsy meloka na tsy mba diso.Ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena izao aza, potika na potehina noho ny politika? Vao mainka izay hoe… Aoka re e! Na ny fanarenana izay rava noho ny hoe politika izay aza, mbola hitan’ny sasany ifandroritana amin’ny politika. Tsy mahagaga raha ela hatrany ny famerenana izay rava.Na ny vola voangona ho amin’ny fanarenana ny rava aza, ohatra, tsy hita popoka. Politika? Tsy inona fa fitiavan-tena, famitaham-bahoaka, fanabotriana firenena… Tsy misy fiovana ny fiheverana ny hoe politika, ny fanaovana azy, ny vokany. Ny ratsy no be no ho ny tsara raha atao hoe misy aza?Matoa mihamahantra hatrany ny vahoaka, nampanjakaina loatra ny politika? Saika mibahan-toerana hatrany ny adilahy noho ny fifandroritana tombontsoa manokana. Hadino na tavela ho azy amin’izany ny soa iombonana, ny vahoaka, ny firenena… Nefa sarotra sy mafy ary ela ny manarina sy manorina.Amin’izao hoe famerenan-kasina ny vako-pirenena izao, tsy voalohany amin’izany ve ny hasin’ny vahoaka sy ny tanindrazana? Mba ho tena fitantanana sy fampandrosoana izany amin’izay ny hoe politika. Mba tena hisy ny fiovana sy fanovana. Efa lasa toy ny vakoka izao ny politika… famotehana?Rafaly Nd.L’article Sarotra ny manarina sy manorina     a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy

Tsara fanombohana ny Malagasy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina aty Maorisy. Medaly miisa 17 indray norombahintsika, ny andro voalohany.Medaly volamena miisa sivy sy volafotsy valo ny efa eo am-pelatanan’ireo mpibata fonjamby malagasy, hatreto, raha ny voka-dalao ho an’ny Malagasy. Araka ny efa nampoizina sy nandrasan’ny maro, Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 45 kilao, ny nandrombaka voalohany, ny volamena telo, izay nahavita ny “arraché”(65 kilao) sy “epaulée jété” (85 kilao) ary ny “total olympique” (150 kilao). Taorian’izay, nandravarava ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nahazoan’Andriatsitohaina Eric, latsaky ny 56 kg, ny medaly volamena miisa telo, ity farany izay nahavita nibata 151 kilao teo amin’ny “arraché”. Nisoritra teny amin’ny tavan’i Eric ny hafaliana nandritra ny fizarana medaly, sady nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, omaly, ihany koa izy. Ramiaramanana Ricardo kosa ny namarana ny fisalorana ny medaly volamena telo, omaly.Ankoatra izay, medaly volafotsy valo ny norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Isany nahazo izany i Sabrina, sokajy latsaky ny 49 kilao, nifanintsana tamin’ilay kalaza mifaninana ho an’ny Nosy Maorisy, teratany malagasy, nisalotra ny medaly volamena, teo amin’io sokajy io.Ny taranja fibatana fonjamby, araka izany, no nahazo ny medaly betsaka indrindra, hatreto, ho an’ny Malagasy ary nisantatra ny fisalorana ny medaly volamena ho an’i Madagasikara koa ity taranja ity.Mbola maromaro ny fifaninanana hatrehin’ny Malagasy, ary antenaina fa mbola hahazoantsika medaly betsaka ihany koa. Hitohy ho amin’ny anio sy rahampitso ny fifaninanana eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, amin’ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina eto Maorisy ity. Mi.RazL’article “JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila fanovana fomba fiaina sy fisaina

Amin’izao ady mafy amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao: tsy mitsahatra ny fanentanana ny amin’ny tsy tokony hivoahan’ny olona ny trano, raha tsy hoe antony tsy azo anoarana. Misy mihaino? Eny, na efa hita sy re izao aza fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina. Toy izany ny isan’ny marary ao anatin’ny fahasarotana, ny marary mamoy ny ainy…Amin’izany, misy ihany ny malain-kisahirana, tsy miraharaha… Ny fitenenana no tsy tafita sa ny olona no tsy laitra tenenina? Misy milaza fa tsy mbola fomba fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy izay fanajana lalàna, fitsipika… Vao mainka izay fitenenena tsotra? Tsy heverina ho inona. Saika mijanona amin’ny fahatahorana mpitandro filaminana ny fanajana lalàna, na fialana fitsarana, fandosirana fanasaziana…Tsy mety ho fahamboniana ny fanajana lalàna na misy fanaraha-maso sy fanasaziana na tsia? Vao mainka koa izay fihainoana ny fitenenena tsotra mahasoa ny tena… Tsy hafa amin’izany ity hoe aza mivoaka ny trano raha tsy tena misy anton-dia na atao any ivelan’ny tokantrano? Mahavalalanina, mahafanina… Tena manana anton-dia mazava na misy atao avokoa ve ireo olona eny an-tsena sy an-dalambe rehetra ireny?Efa entim-paharazana sy nentim-pahazarana ho azy amin’ny sasany ny mamboly resaka etsy sy eroa? Mifanohitra amin’izay heverina sy tetehina hoe mahasoa ny tena: ny tsy manan-katao aza no tena mitady lalana hivoahana ny trano. Mba mandehandeha, manala andro, mijerijery ny zava-misy… Lasa toeram-pitsangantsanganana ho azy ny tsena, ohatra, ny trano fivarotana midadasika, ny fitetezana rindrim-pitaratra…Izay no anisan’ny mahamafy sy mahasarotra ny tsy fivoahana ny trano amin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina izao, raha tsy manana anton-dia sy misy atao? Manginy fotsiny ny karazana fitangorongoronana etsy sy eroa: mijorojoro tsy mpiambina, mivorivory tsy misy antony… Hahagaga raha mirongatra be toy izao ny aretina? Mila fanovana fomba fiaina sy fisaina; eny, na izay atao amin’izany aza.Rafaly Nd.L’article Mila fanovana fomba fiaina sy fisaina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

A vendre Manamboatra botika en ligne na site ecommerce aminy sarany mora
21/06/2021

Salama daholo  ho anareo mazasin,grosiste,olotsotra na manana produit varotana en ligne ,izay dia afaka manamboatra site web ecommerce  hafahany client manao achat en ligne produit anareo aminy halalany internet  , izany dia aminy sarany mora dia mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Manamboatra botika en ligne na site ecommerce aminy sarany mora".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A vendre Promo Apple iPhone 12 Pro,iPhone 11 Pro Whatsapp( +13072969231 )
22/06/2021

WE OFFER DISCOUNT FOR BULK ORDERS...Get 30% discount if you buy 10 pcs and above. Price includes postage fees.Purchase Director : Miss Teresa RamsonWhatsapp Chat : : (+13072969231)Send Enquiry to - E-mail: Legitshowroom01@gmail.comCall or  WhatsApp :: (+13072969231)All prices are wholesale and includes Insurance, Tax and Postage Fees. We are offering free postageApple iPhone 12 Pro 512GB cost $1,300USD Apple iPhone 12 Pro 256GB cost $1,200USD Apple iPhone 12 Pro 64GB cost $1,100USD Apple iPhone 12 512GB cost $1,000USD Apple iPhone 12 256GB cost $800USD Apple iPhone 12 64GB cost $750USD Apple iPhone 11 Pro  64GB cost  $600USD Apple iPhone 11 Pro  256GB cost  $650USD Apple iPhone 11 Pro  512GB  cost   $700USD Apple iPhone 11 Pro Max  64GB cost  $650USD Apple iPhone 11 Pro Max  256GB cost  $700USD Apple iPhone 11 Pro Max  512GB cost  $750USD Apple iPhone 11  64GB  cost  $550 USD Apple iPhone 11 128GB  cost  $590 USD Apple iPhone 11  256GB  cost $640 USD  Apple iPhone XS  64GB  cost  $450 Apple iPhone XS  256GB cost $490 Apple iPhone XS  512GB  cost $540 Apple iPhone XS  Max 64GB cost $ 480 Apple iPhone XS  Max 256GB  cost $ 520 Apple iPhone XS  Max 512GB cost $ 570Apple iPhone X 64GB cost $ 350 Apple iPhone X 256GB  cost $ 390 Apple iPhone XR 64GB cost $ 390 Apple iPhone XR 128GB  cost $ 430 Apple iPhone XR 256GB cost $ 470 Colors black Sapphire, Gold Platinum, Silver Titan, White PearlShipping way: 2 to 3 days delivery via DHL, TNT, UPS, EMS, FedEx (delivery to any given addressworldwide) Drop shipping is available, we can drop ship individual orders directly to your clients.Purchase Director : Miss Teresa RamsonWhatsapp Chat : : (+13072969231)Send Enquiry to - E-mail: Legitshowroom01@gmail.comCall or  WhatsApp :: (+13072969231)Place Your Order Now. Thanks may Allah bless our customers.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Promo Apple iPhone 12 Pro,iPhone 11 Pro Whatsapp( +13072969231 )".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
21/06/2021

Études, Conceptions, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22 / 034 33 875 73WhatsApp : 034 33 875 73E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / rija.frank.bet@gmail.comFacebook : Rija FrankCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Zayroo Digital Consulting, votre partenaire offshore.
22/06/2021

Savez-vous que Madagascar est l'eldorado de l'externalisation ? Fort de + de 10 ans de bain dans le digital, web, webmarketing, sourcing... Nous souhaitons mettre à votre service nos expériences. Vous êtes une petite ou moyenne structure ? Souhaitez-vous réduire le turn-over et le coût des recrutement ? Déléguez-nous vos tâches à faibles valeurs ajoutées, chronophages et/ou répétitive. Nous sélectionnons et mettons en service pour vous les meilleurs profils en fonction de vos besoins : jeunes, polyvalents, réactifs et impliqués. Notre engagement : créer de la valeur pour tous ! Nos domaines de compétences : Développement web - Marketing Digital - Assistance virtuelle - Rédaction web - Référencement. Pour aller plus loin, contactez-nous !Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Zayroo Digital Consulting, votre partenaire offshore.".

Notsongaina

Fiarahamonim-pirenena: tokony hivoaka iray volana mialoha ny LFR
18/06/2021

Amin’ny 4 jolay 2021 ny fotoana hikatonan’ny fivorian’ny Antenimierampirenena, nefa mbola tsy mivoaka ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana (LFR) 2021. Nasian’ny fiarahamonim-pirenena (Msistatao, CCOC, CIvorary) fanamarihana izany, satria tratra aoriana foana ny fametrahana io LFR io ka tsy ahafahan’ny olom-pirenena mahafantatra sy mamakafaka izany.Ahoana moa ny hananana fotoana ampy hamakafakana izany LFR izany ho an’ny tombontsoam-bahoaka ? Raha ny marina, tokony ho iray volana mialoha ny hifaranan’ny fotoam-pivorian’ny Antenimiera ny hivoahany, raha tsy izany, tsy ampy ny fotoana ka izay sitrapon’ny fahefana mpanatanteraka ihany no misongadina ho lanian’ny depiote sy ny loholona maro anisa. Tiana ho hita tsara ny fampiasana ny vola, inona marina         ny laharam-pahamehana ? Tsy hoe fitiavana te hanakiana, hoy ny fiarahamonim-pirenena, fa hajao ny lalàna. Na ariary iray ampiasana aza, tokony hazava.Nomarihin’ny ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ihany fa amin’izao, misy depiote miteny hoe tonga eo am-pelatanany ny LFR, ny sasany kosa milaza mifanohitra amin’izay, hoe tsy mbola tonga any aminy. Raha mipetraka marina izay LFR izay maninona mbola tsy hita any amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola ? R.MathieuL’article Fiarahamonim-pirenena: tokony hivoaka iray volana mialoha ny LFR a été récupéré chez Newsmada.

Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra
17/06/2021

Nitohy, omaly, ary vao mainka nihanahery vaika ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday, Toliara. Vokatry ny fifanjevoana, mpanao fihetsiketsehana iray namoy ny ainy, hoe maty voatifitra. Enina naratra, anisan’izany ny zandary roalahy…17 kosa nosamborin’ny mpitandro filaminana…Nihorohoro tanteraka, omaly, ny mponina ao Toliara nandritra ny tohin’ny hetsika nataon’ireo mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Nitohy ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra ary nihanahery vaika izany raha mitaha amin’ny afakomaly. Nanomboka maraina no efa nanao sakana toy ny fanaon’izy ireo ireto mpianatra mpanao fihetsiketsehana ireto. Efa nihatrana maraina koa anefa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana hanakanana ny fanelingelenana ataon’izy ireo. Nosakanana tsy hahazo miditra ao an-drenivohitr’i Toliara ireo mpianatra. Teo koa ireo andiany hafa nanao sakana tamin’ny alalan’ny sakana sy ny doro kodiarana. Nisy ny fifandonana ary somary nahery vaika aza izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny solontenan’ireo mpianatra. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro (omaly io). Ny mpianatra mitoraka, ny mpitandro filaminana kosa, nanapoaka grenady lakrimozena sady nanao tifi-danitra.Niala ny trano fonenany ireo mpampianatra…Vokany, mpanao fihetsiketsehana iray fantatra fa namoy ny ainy, hoe maty voatifitra nandritra ny savorovoro izy io. Tsy voamarina kosa anefa na anisan’ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana izy io na olon-tsotra ihany, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny oniversiten’i Maninday. Efa nalefa ao amin’ny Hopitalibe Toliara ny razana, omaly maraina ihany. Ankilany, olona enina naratra mafy ka anisan’izany ny zandary roa lahy tratran’ny tora-bato. Niampy 17 hafa indray ireo mpianatra voasambotra ankoatra ireo 18 efa tazonina anaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mpianatra izany ka niitatra tonga teny amin’ny faritra misy ny tranona mpampianatra ao Ankilahila Maninday ny fihetsiketsehana. Kilan’ny afo ka potika tsy nisy noraisina intsony tamin’izany ny tranona mpampianatra iray. Vokatr’izany, niala avy hatrany teny amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ireo mpampianatry ny oniversite ny ankamaroan’ireo mpampianatra noho ny tahotra. Miato ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’i Maninday…Manoloana ity zava-misy niafara tamin’ny fahafatesan’olona ity, nanao fanambarana ny filohan’ny oniversiten’i Toliara taorian’ny dinika niarahana amin’ny “conseil scientifique” omaly ka nampiato ny fampianarana manomboka anio mandra-pilamin’ny toe-draharaha eny Maninday. Nanamafy ireo mpianatra fa mbola hitohy ny hetsika ary vao mainka aza ho mafy no ho izao na inona na inona fepetra horaisin’ny fanjakana eo satria efa leo tanteraka mihitsy. Nanidy toeram-pivarotana avokoa ireo tranombarotra ao Toliara, nandritra ny hetsika nataon’ny mpianatra. Andrasana indray ny tohin’ny hetsika anio. Olana saro-bahana tsy ahitam-bahaolana matetika ity olana eny anivon’ny oniverisite ity.CMS/Jean ClaudeL’article Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Karibotel Analakely: haneho ny talentany ry Davis
22/06/2021

Fetin’ny fahaleovantena, andron’ny harendrina… Miverina indray ny “After Work”. Hivimbina vazo mahafinaritra ho an’ny rehetra i Davis, ny zoma 25 jona izao manomboka amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny Karibotel Twenty Six Analakely. Anisan’ny hira ahafantarana an’i Davis ilay hira “Tsaiky joby”… Hiaraka hanafana izany ry Manitra eo amin’ny gitara, i Titan, hiangaly ny batterie, i Arnel, eo amin’ny Bass ary i Sonia, eo amin’ny “vocal”. Hafana tanteraka, araka izany, ny eny an-toerana satria sady asaramanitra rahateo ny andro sady faran’ny herinandro ihany koa. Hifanindran-dalana amin’izany ny tsakitsaky isan-karazany anisan’ny mampalaza ny ao an-toerana. Manome sehatra ny mpanakanto sy mampihaona azy amin’ny mpankafy ny ao amin’ny ivontoerana. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.Narilala L’article Karibotel Analakely: haneho ny talentany ry Davis a été récupéré chez Newsmada.

Sénat : Loi sur les PAC adoptée mais avec des amendements
23/06/2021

Comme nous l’avions annoncé dans notre précédente édition, le vote de la loi portant sur le PL 001-2020 modifiant et complétant la loi n°2016-021 du 22 août 2016 sur les Pôles Anti-Corruption (PAC) s’est tenu, hier, au Palais de verre à Anosikely. Une proposition de loi initiée par le député élu à Ampanihy-Ouest, Idealson. Le député a particulièrement défendu la confirmation de la suppression de la confiscation avant condamnation. Cet exposé a été suivi d’un débat de la part des sénateurs. Cette proposition de loi a été adoptée dans son ensemble, toutefois, ils ont apporté quelques amendements. Citons, entre autres, modifier le premier alinéa à l’article 18 (loi n°2016-021) de l’article 2 de la proposition de loi comme suit, « les PAC sont chargés de la poursuite, de l’instruction, et du jugement des infractions de corruption et assimilées ainsi que du blanchiment de capitaux et financement de terrorisme, telles que prévues par les instruments internationaux ratifiés par Madagascar et la loi n°2016-020 du 22/08/16 sur la lutte contre la corruption et la loi n°2018-043 du 13/02/19 sur la lutte contre le blanchiment de capitaux et le financement du terrorisme ainsi que les infractions économiques et financements qui leur sont connexes. » Notons que la séance plénière d’hier a été placée sous la houlette du président du Sénat, Herimanana Razafimahefa. Dominique R. L’article Sénat : Loi sur les PAC adoptée mais avec des amendements est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sénat : Loi sur les PAC adoptée mais avec des amendements a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo
17/06/2021

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.Sajo L’article Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana
17/06/2021

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana efatra ny efa tontosa tamin’izany ka ny roa, tao amin’ny sokajy A ary ny roa, ho an’ny vondrona B. Raha hiverenana ny voka-dalao ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Arzantina sy i Chili ho an’ny vondrona B. Nahatafiditra ny baolina ho an-dry zareo Arzantin i Lionel Messi.3 no ho 1 kosa ny niondrehan’i Bolivia teo anatrehan’i Paragoay. Nilalao 10 ny Bolivianina, teo anatrehan’i Paragoay, rehefa nahazo karatra mena i Jaume Cuéllar, teo amin’ny minitra faha-45 + 9 mn. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao ireo, mitarika i Brezila sy i Kolombia, ao amin’ny sokajy A, samy manana isa 3. I Paragoay kosa ny lohany ho an’ny vondrona B, nahazo isa 3, arahin’i Arzantina amin’ny isa 1.Hitohy rahampitso zoma ny fifanintsanana ka hifandona i Kolombia sy i Venezoela ary hifanehatra kosa i Brezila sy i Perou.Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana amin’ity “Copa America” ity. I Brezila, i Kolombia, i Pérou, i Ekoatera, i Venezoela ao amin’ny vondrona A. i Paragoay, i Arzantina, i Chili, i Orogoay, i Bolivia kosa ny an’ny sokajy B. TompondakaL’article Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra
18/06/2021

Raha efa nantenaina hilamindamina ny raharaha Oniversite Toliara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara amin’ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana mandra-pivaha ny olana, tsy izany anefa ny zava-nitranga tany an-toerana omaly.Mbola nitohy ny hetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ary vao mainka izany niitatra tamina fanimban-javatra. Tranona mpampianatra iray hafa indray no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo mpianatra no efa niantsoantso sy nifampitaona isam-baravarana. Nisy ny fitsofana kiririoka toy ny fanaon’izy ireo hatrany, narahina horakoraka. Vao naheno izany ny teo anivon’ny OMC dia nanatanteraka fivoriana haingana ka tapaka taorian’izay fa hisy ny fikarohana ireo mpianatra mpitarika ity fihetsiketsehana ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora, niditra tany amin’ny faritra misy ny trano fonenana ireo mpitandro filaminana nandondom-baravarana sady namoaka ireo mpianatra rehetra tany an-trano. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no nanohitra ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ka teo no nahavoatifitra ny iray amin’izy ireo. Vao mainka niteraka hatezerana ho an’ireo mpianatra ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ity. “Mampalahelo ihany ny mahita izao toe-javatra izao satria fitakiana tsotra no natao kanefa aina nafoy ka tsy hanaiky izao izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ireo mpampianatry ny Oniversite ka efa niala tamin’ny trano fonenany ao Maninday avokoa. Raharaha tsy ahitam-bahaolana efa hatry ny ela ity olan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ity. Karazana famonoana afo hatrany anefa no ataon’ny tompon’andraikitra fa tsy misy vahaolana matotra, toy ny hita atao amin’ireo mpampianatra aty amin’ny CEG, ny tambin-karama nitsara fanadinana BEPC tamin’ny taona 2019 hatramin’izao tsy mbola azo nefa ho avy indray ity ny fanadinana manaraka, hany ka lasa mifanilika andraikitra ny tompon’andraikitra isany. Izay voa aza tezitra!CMS/J.CL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra a été récupéré chez Newsmada.

Afterwork : Bakomanga investit le No comment bar
23/06/2021

Avec le groupe Bakomanga, la relève est assurée. En cette période de fête nationale, les festivités battent leur plein, alors rien de mieux que la musique du terroir pour passer un agréable moment. Demain, pour se mettre aux couleurs, place au “hira gasy” au No comment bar, à Isoraka. Un grand moment avec la troupe Bakomanga. La relève étant assurée, le groupe continue sur sa lancée pour promouvoir le “vakodrazana” en l’intégrant dans les endroits huppés où les noctambules se retrouvent pour boire un verre et faire la fête. Donnant ainsi une autre envergure aux soirées mondaines, le “vakodrazana” ou “hira gasy” est un spectacle populaire de Madagascar assimilable au théâtre populaire ou à l’opérette, composé de musique, de chants et de danses propres à la culture des peuples des hauts plateaux centraux de Madagascar. Les représentations se déroulent indifféremment, en plein air ou en salle. La mise en scène implique souvent le port de costumes très colorés. Avec le groupe Bakomanga aux commandes, c’est un spectacle à ne surtout pas rater ! Zo Toniaina L’article Afterwork : Bakomanga investit le No comment bar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Afterwork : Bakomanga investit le No comment bar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Masoivoho amerikanina: misy sekoly misoloky ho mpiara-miasa
23/06/2021

Misy sekoly mampianatra teny anglisy misoloky ho mpiara-miasa akaiky amin’ny masoivoho amerikanina. Mitsipaka marindrano izany ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy kaomôro.Hentitra ny masoivoho amerikanina nanao fanambarana, mampitandrina amin’ny endrika fisolokiana ataon’ireo sekoly na ivontoerana misoloky ho miara-miasa amin’ny masoivoho.  Fantatry ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy Kaomoro ny fisian’ny fikambanana mitonona ho miara-miasa akaiky amin’izy ireo amin’ny fampianarana teny anglisy eny rehetra eny.Mampanantena marim-pahaizana atolotry ny masoivoho amerikanina mihitsy ireny sekoly sasany ireny izay lavin’ny masoivoho marindrano fa fisandohana izany.Miasa amin’ny  sehatry ny fampiroboroboana ny teny anglisy sy manao ho laharam-pahamehana ny fampianarana teny anglisy ny masoivoho amerikanina, saingy tsy miasa amina ivontoerana sandaina vola velively raha ny fampitandremana hatrany.Mila mailo, araka izany, ireo mianatra amin’ireny karazan-tsekoly mampianatra teny anglisy ireny satria mety ho voasoloky. Entina hambaboana olona ny filazana fa miara-miasa amin’ny Amerikanina mivantana ny sekoly izay lainga sy fisolokiana tanteraka, araka ny filazana ofisialy avy amin’ny masoivoho amerikanina.Maimaim-poana ny fampianarana teny anglisy ataon’ny masoivoho amerikanina ao amin’ny rohy http://americanenglish.state.gov izay misy lesona sy fampianarana.Manoloana ny hamafin’ny fifaninanana eo amin’ny samy sekoly, tonga hatramin’ny fisolokiana mihitsy ny fisarihana mpianatra ka izao tratra izao.Saika isaky ny elakela-trano ny sekoly ary tena mahomby ny sasany, saingy manambaka ny bado kosa ny maro amin’ny fitakiana volabe kanefa tsy misy vokatra tsara akory.Marihina fa anisan’ny tenim-pirenena mahasarika ny tanora ankehitriny ny teny anglisy ka  antony maha be tsy handraofana ireo sekoly tsy tena marin-pototra akory izany. Mila manadihady tsara rehefa hiditra amin’ireny sekoly ireny mba tsy ho voafitaka.Tatiana AL’article Masoivoho amerikanina: misy sekoly misoloky ho mpiara-miasa a été récupéré chez Newsmada.

Tsy ilana kajikajy…: tokana ny ray eo amin’ny Malagasy
21/06/2021

Nitondra fiovana goavana be eto Madagasikara ny fidiran’ny vahiny sy ny fombany. Vao omaly no nanamarika ny « Fetin’ny ray » ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsikaritra tamin’izany fa mivily lalana ny fahalalan’ny sasany ny atao hoe « ray ». Tsy misy ary tsy hisy mihitsy izany ray hiteraka olona antapitrisa izany. Faharoa, tokana ihany ny ray fa tsy roa na telo na mihoatra… Teo amin’ny Malagasy, io (ray) no masoandro raha volana kosa ny reny. Voafaritra ao anatin’izay maha masoandro azy izay ny toetrany iray manontolo. Tsy ilana kajikajy etsy sy eroa ny fahafantarana izany fa lamina voajanahary. Ray manazava, mafana, mamiratra, tokana, mamelona, mitari-dalana… Ilay niteraka an’i Bozy no antsoina hoe rain’i Bozy. Tsy manana ray ankoatra io i Bozy. Izay ny antsoina hoe ray teo amin’ny Malagasy.Mety hanova na sanatria hanimba zavatra lehibe ny fandikana be fahatany ny fomba vahiny. Tranga tsongaina ihany io fa saika ahitana tahaka izany ny isan-tsehatra eto Madagasikara hany ka mihamanjavona tsikelikely ilay fototra ijoroan’ny fomba amam-panao malagasy. Be loatra ny kajikajy tafiditra na iniana ampidirina any anatin’ireny fomba amam-panao ireny. Voakorontana ny lamina voajanahary!HaRy RazafindrakotoL’article Tsy ilana kajikajy…: tokana ny ray eo amin’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Ilaina amin’ny “batterie” elektrika: mahatratra 17 000 dolara ny taonin’ny nikela
22/06/2021

Miroborobo ny famokarana fiara elektrika ankehitriny. Na eo aza ny Covid-19, mihatsara ny vidin’ny nikela, akora ilaina amin’ny fanamboarana “batterie” ho an’ny fiara elektrika.Eo anelanelan’ny 17 000 hatramin’ny 18 000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, London Metal Exchange (LME), amin’izao fiafaran’ny fahenim-bolana voalohany 2021 izao. Niakatra io vidiny io raha oharina ny tamin’ny taona 2020, teo anelanelan’ny 12 000-13 000 dolara/t, satria niadana tokoa ny toekarena maneran-tany vokatry ny valanaretina Covid-19.Efa tafakatra 19 689 dolara/t ny vidin’ny nikela ny 22 febroary 2021 teo, ary nidina nanodidina ny 16 000 dolara/t ny marsa. Nahatonga izany, niverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famokaran’ny indostria sinoa, firenena voalohany mpanjifa nikela. Naneho ny hampiakatra ny isan’ny fiarakodia elektrika vokariny koa ny orinasa iraisam-pirenena mpamokatra. Efa nanahy ny tsy fahampian’ny akora fototra, ny nikela, ilaina amin’ny fanamboarana ny « batterie » mety amin’ny fiara elektrika, ny mpampiasa vola.Nahina ny orinasa sinoa TsingshanNidina anefa ny vidiny taorian’ny vinavinan’ny orinasa vaventy sinoa, ny Tsingshan, hamokatra nikela tsara kalitao, ho an’ny « batterie », ny marsa 2021 teo. Avy amin’ny akoran-tany laterita sy nikela (nickel pig iron) natsonika ity akora ity, izay hamidin’izy ireo mora. Nijanona ny ahiahy ny mety ho tsy fahampian’ny akora fototra, araka izany.Ankoatra izany, hanome alalana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ankalamanjana, izany hoe, tsy mandavaka any ambanin’ny tany, ny governemanta filipianina. Tohin’ilay fanapahan-kevitry ny filoha filipiana, i Duterte, ny avrily 2021, nanafoana ny lalàna mandrara izany, ny taona 2012, izany ho an’ny tetikasa fitrandrahana harena ambanin’ny tany. Firenena roa voalohany mpanondrana nikela any ivelany i Filipina sy i Indonezia.Njaka AndriantefiarinesyL’article Ilaina amin’ny “batterie” elektrika: mahatratra 17 000 dolara ny taonin’ny nikela a été récupéré chez Newsmada.

Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime
16/06/2021

Me Willy Razafinjatovo a été critique envers le chef de l’Etat. Me Willy Razafinjatovo, alias Olala, a tenu une conférence de presse, hier, à son domicile à Ankadifotsy. Sa rencontre avec la presse était principalement axée sur les récentes déclarations du président de la République. Il estime en effet, que les déclarations de ce dernier ne reflètent pas la réalité. Olala a ainsi cité, entre autres, que la RN13 part de Taolagnaro à Ihosy mais non pas de Taolagnaro à Ambovombe comme l’avait dit le président. La RN10 n’a pas non plus manqué à ses critiques en soulignant que les affirmations du président ne correspondaient pas à la réalité. A propos du pipeline, Olala de citer que le projet remonte au mandat de Hery Rajaonarimampianina. Il pense ainsi qu’« on ne fait que répéter ce qu’ont fait les autres. Il ne faudrait pas faire les choses à moitié ». En un mot, Me Willy Razafinjatovo a particulièrement critiqué le régime, et le président de la République en particulier. Recueillis par Dominique R. L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime a été récupéré chez Midi Madagasikara.