Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

News - Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

News - Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 04/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM

Niompana tamin’ny fandokoana  ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny  fambolena voninkazo  eo amin’ny  CSB II Ampahimanga Ambohimanambola  ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM  ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo  anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro  lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny  VMMM. Ankoatra  izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko  Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa  tao amin’ity  CSB II eny an-toerana ity.Synèse R. L’article Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery

Ho an’ity herinandro (26 novambra hatramin’ny 2 desambra) ity, ho avy ny orana eto Antananarivo, manomboka rahampitso. Rivotra mafana ary tsy marin-toerana no mandrafitra ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity. Maina ny andro ny amin’ny ilany atsinanana ao anatin’ny roa na telo andro ho avy. Hanorana mety arahin-kotroka ny faritra sisa. Ho maina kosa ny faritra atsimo, ny faran’ny herinandro. Raha ny mari-pana indray, hisy fidinany ny maripana ambony amin’ny roa ampahatelon’ny avaratry ny nosy. Ny mari-pana ambany dia eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 26°C ary ny mari-pana ambony ao anatin’ny 27 ka hatramin’ny 37°C. Notanterahina ny talata teo, tao Ambositra, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa Fafy ho an’ny distrika. Nahatratra 124 ireo mpizaika ka nahitana ireo ben’ny Tanàna rehetra, ny lehiben’ny mpitsabo eny amin’ny CSB ary ireo fikambanana miantsehatra eny anivon’ny kaominina sy fokontany. Raha tsiahivina, mitana ny laharana fahaefatra maneran-tany amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka i Madagasikara (ENS OMD:47,3 %) ary misy fiantraikany mivantana amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, eny fa hatramin’ny fampandrosoana ny firenena izany. Anisan’ireo faritra misitraka izao tetikasa izao ny faritra Amoron’i Mania ka ny kaominina rehetra miisa 61 no hiasana mandritra ny dimy taona voalohany.   L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tapitra ny fotoana famindrampo ho an’ny mpitondra”

“Raha ny hita sy heno tato ho ato, ahatsapana fa manomboka amin’izay ireo fivoriana ara-politika etsy sy eroa, ny fanehoan-kevitra politika, ny tsikera mihitsy aza. Midika izany fa tapitra amin’izay ny fotoana famindrampo ho an’ny mpitondra.”Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana teny Tsimbazaza, omaly.Tsy misy tokony hahagaga izany fanehoan-kevitra politika izany fa fomba mahazatra eo amin’ny fanaovana politika.Manambara izany fa tokony hiasa mafy ny mpanatanteraka hanatontosa ny fandaharanasa fampandrosoana nampanantenaina ny vahoaka, araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika.Mba tsy ho taitaitra ny vahoakaTsy tokony ho mandrimandry manana aretina intsony koa ny maro anisa eny anivon’ny parlemanta amin’ny fanomezana soso-kevitra sy tohana mahomby ho an’ny mpanatanteraka fa izany ny fifandanjan-kery hateraky ny demokrasia, araka ny nambarany.Tsy maintsy hivadibadika eny hatrany ny hevitra tsy mitovy. Saingy, katsahina ny fitoniana, na ara-piarahamonina na ara-politika, ahazoan’ny olona sy ny tomponandraikitra miasa araka ny tokony ho izy.Mba tsy ho taitra ambony ihany na hiahiahy koa ny vahoaka hoe manomboka indray ny adilahy politika. Manao ny asany ny mpanao politika. Manana ny anjara tandrify azy amin’ny fanoherana ny mpanohitra ka mankamin’izany avokoa ny fanehoan-keviny. Ny mpitondra sy mpanohana azy, miezaka miaro ny asa atao sy mitady lalana hirosoana hatrany.Nambarany fa voadinika antsakany sy andavany ny tolo-dalàna momba ny satan’ny fanoherana sy ny satan’ny mpanohitra. Tsy nisy sakana ny depiote nitondra fanitsiana. Mitohy tsikelikely ny famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena amin’ny fanavaozana ny fitsipika anatiny.R.Nd.   L’article Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tapitra ny fotoana famindrampo ho an’ny mpitondra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana korontana sy fihoaram-pefy: hiatrana sy handray ny fepetra rehetra ny Emmo/Reg

Horaisina ny fepetra. Ho rakotra mpitandro filaminana manerana ny tanàna, anio, ary efa nanomboka, omaly izany. Anisan’ny hanaovana andrimaso manokana ny etsy Ambohidahy sy ny manodidina amin’izao hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana izao. Mazava ny fanambarana. “Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana, nanomboka androany (omaly), iray andro mialoha ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana. Nampiana ny isan’izy ireo”, hoy ny lehiben’ny Emmo/Reg, ny Kly Randrianarivelo Anicet, omaly. Anisan’ny antony nandraisana izany fepetra izany, ireny hetsika tato ho ato teny Ambohidahy sy ny nahamay fiara ireny  ary koa ny fanambarana samihafa, araka ny nambarany. “Tsy maintsy noraisina ny fepetra manokana ankoatra ny asa andavanandro. Tsy eny amin’ny HCC ihany fa manerana ny tanàna satria betsaka loatra ny tsaho miely sy ny fanentanana ataon’ny sasany. Tsy maintsy atao izany mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy… Aoka anefa ho tony isika eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ara-dalàna havoakan”’ny HCC ”, hoy ihany izy. Etsy andaniny, ho tapaka ny ampahan-dalana sasany eny Ambohidahy sy ny manodidina ho an’ny anio maraina tontolo. Synèse R. L’article Fanahiana korontana sy fihoaram-pefy: hiatrana sy handray ny fepetra rehetra ny Emmo/Reg a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Asan-jiolahy eny Ivandry :: Noravaravain’ny polisy ireo andian-jiolahy mpamaky trano

Minitra vitsy monja taorian’ny fanafihan-jiolahy ny tokantrano iray teny Ivandry, tamin’ny alin’ny alakamisy lasa teo, dia voasambotry ny polisy avy eny Analamahitsy ireo jiolahy. Hita tany amin’ireo telo lahy voasambotra voalohany ny vilany, ny menaka, sy solosaina fitondra mandeha avy nangalarin’izy ireo. Tafiditra tao anatin’ny fepetra nataon’ireo mpitandro filaminana hiantohana ny fandriampahalemana ao anatin’ny faritra fehezin’ireo polisy ireo jiolahy ka noraisim-potsiny. “Nisy fotoana somary niakatra ny vaky trano tao amin’ny faritra Soavimasoandro. Nandray fepetra izahay rehefa nahita izany. Rehefa tsy afa-nihetsika tany Soavimasoandro ireo jiolahy dia nisy tsaho niely indray tany Alarobia hoe ho avy any izy ireo. Napetraka ny paikady namehezana toerana maromaro fa tsy Alarobia irery. Kinanjo tany Ivandry ireo jiolahy no nanao ny nataony tamin’io alina io. Noraisim-potsiny ny telo tamin’izy ireo niaraka tamin’ireo entana halatra, minitra vitsy taorian’ny fanafihana. Nanoro ireo namany roa hafa efa niandry tany amin’ny Petite vitesse izy ireo rehefa voasambotra. Nalain’ny polisy tany ireo roa lahy hafa tamin’io alina io ihany”, hoy ny fanazavana avy amin’ny pôlisy eny Analamahitsy. Mbola misy naman’izy ireo karohina. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hatolotra ny Fitsarana, anio izy dimy lahy voasambotra ireto. L’article Asan-jiolahy eny Ivandry :: Noravaravain’ny polisy ireo andian-jiolahy mpamaky trano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Jly Ravalomanana Richard: nankahery ilay CB voatifitra tany Befandriana Avaratra

Tonga nitsidika sy nankahery ilay kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria (CB) Befandriana Avaratra, omaly teny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, notarihin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nandritra izany no nanolorana ity maherifon’ny zandarimaria ity ny taratasy fankasitrahana sy ny lelavola 2 tapitrisa Ar avy amin’ny Seg sy ny kaomandin’ny zandariam-pirenena (ComGN) ho mariky ny herim-po nananany. Marihina fa notolorana, toy izany, koa ilay zandary niaraka taminy na tsy naratra aza mba ho fampirisihana azy amin’ny ezaka nataony. Nanambara ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny zandarimaria ireto fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny olon’ny zandarimaria miady amin’ireo mpanao ratsy sy hiarovana ny vahoaka sy ny fananany manerana ny Nosy, koa rariny raha ankasitrahina izy ireo. Efa niatrika fandidiana ity zandary naratra ity vao vantany tonga teto Antananarivo ka avotra soa aman-tsara ny ainy ary iantohan’ny fanjakana avokoa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana azy. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana ny Seg tamin’ny fanavotana tamin’ny alalan’ny helikoptera nanavotana ireto maherifon’ny zandary ireto.Jean ClaudeL’article Jly Ravalomanana Richard: nankahery ilay CB voatifitra tany Befandriana Avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanoherana ny fitondrana: mbola hiofana ireo mpanao politika mpanohitra

Tsy mbola  mahafeno ny  fepetra. Nihaona teny  Anosy, ny faran’ny herinandro  teo ny  fivondronamben’ny mpanohitra. Sambany ny fiarahana tamin’ireo maniry ny hivondrona ho mpanohitra eto amintsika. Anisan’izany ny mpanorina ny antoko Tim.Anisan’ny nasongadin’ny filoha nasionalin’ny Tim,  Ravalomanana  tamin’ny  lahateniny  tamin’izany fa ilaina ny fanofanana ireo mpanao politika. “Tsy mety raha mpitarika antoko na mpanao politika nefa tsy mahalala akory ny fanoherana… Hanafatra manampahaizana hanofana isika… Inona  ny antom-pijoroan’ny mpanohitra ? Ny fotokevitra ijoroany  sy ny fiainana ny demokrasia… Tsy misy fitondrana na firenena  mandeha raha tsy misy  mpanohitra. Lasa manao danin’ny  kibony ny mpitondra ”, hoy izy. Niaiky ny  tenany fa misy ny fitiavan’ireo mpanao politika hitondra ny anjara biriky ho an’ity firenena ity. Ilaina ny mangarahara sy ny fihenoana ny feon’ny mpanohitra. Efa lany andro ny fanapenam-bava ny antoko mpanohitra ataon’ny mpitondra manoloana  ny teknolojia sy ny fandrosoana efa misy  izao,  araka ny nambarany. Novakiny koa ny famoahana haingana ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fanoherana. “Mbola tsy nampiharina io ka tsy misy antony tokony hanovana izany lalàna izany”,  hoy  izy.Tokony  ho mailo amin’ny manodidina azy ny filoha Nitodika amin’ny mpitondra ny tenany ka  nilaza fa tokony hojerena  ihany  koa  ny olona manodidina ny filoham-pirenena na  ireo tandapa. Eo koa ny nanolorany hevitra fa tokony hofehezin’ny filoha  ny vola vahiny  ary atao ny hisian’ny tahiry amin ‘izany.  Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny tany… “Anisan’ny maika  eto amin’ny firenena ny resaka sakafo… Tsy  tena mitombina amin’ny atao ny mpitondra fa taitra sy entanim-po fotsiny… Ilaina ny fanadihadiana lalina”, hoy izy.Tsiahivina fa marobe ireo mpanao  politika nanatrika ity fihaonana ity.  Na izany aza, tsy nandalo na nisedra ny safidim-bahoaka ary tsy manana depiote ny maro amin’izy ireo.Synèse R. L’article Fanoherana ny fitondrana: mbola hiofana ireo mpanao politika mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Izay iombonana sy mampiombona… 

19 ny mijanona amin’ny toerany, roa miverina, iray nosoloina… Tsy inona fa ny governemanta amin’izao fotoana izao, lazaina ihany hoe vaovao satria vao avy nametra-pialana. Mitoy ny asa fa tsy misy izay fiovana sy fanovana. Any amin’ny asa no ifampitsarana. Hanao ahoana?Tsaroana eto ny fangatahana na ny fitakiana nataon’ny avy amin’ny faritany iray, vao tsy ela akory izay. Mba tokony hisy avy any amin-dry zareo, hono, ny mpikamban’ny  governemanta. Ho raharaha be raha samy hanao izay avokoa ny faritany, ny faritra, ny distrika… ? Na hoe ady fiady aza…Nahoana tokoa moa? Satria mbola misy ny mahatsiaro na mitsara tena ho zanak’Ikalahafa? Na mihevitra fa natao na mety hampandroso manokana ny faritra niaviany avy ny tomponandraiki-panjakana ka mba mila izay avy amin’ny faritra niavian’ny tena ny tsirairay.  Azo iadian-kevitra koa izay?Tsy tena mbola mahafa-bela tanteraka tsinona ny hoe fifandanjana isam-paritra, na mety manome tombondahiny manokana ny faritra niaviany tokoa ny tomponandraiki-panjakana ambony? Na olom-boafidy io, na olom-boatendry. Rahoviana vao tena hiainana fa iray ny Malagasy sy i Madagasikara?Mbola eo hatrany ny tarazo ratsy navelan’ny mpanjanatany amin’ny hoe zarazarao hanjakana?Na iza na iza, na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana… tsy efa tokony hotsaroana amin’izay ve ny hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka rehetra ao aminy rehefa tomponandraika-panjakana?Mbola ny faritra niaviana no anisan’ny tsy mampiombona? Tsy lavina, misy tokoa ny hoe tratra aoriana amin’ny fandrosoan sy ny fampandrosoana. Toy izany koa ny tsy fitsinjarana mitovy na araka ny tokony ho izy ny harena, ny tsy fisitrahan’ny mponina ifotony ny harena avy amin’ny faritra niaviany…Inona ny vahaolana amin’izany amin’ny fampandrosoana isam-paritra? Fa tsy fahazoan-toerana isam-paritra hampisy hatrany elanelana amin’izay mahazo tombondahiny amin’izany.Mba vahaolana iombonana sy mampiombona amin’ny firenena iaraha-manana amin’izay no tadiavina sy atao amin’izao?Rafaly Nd.L’article Izay iombonana sy mampiombona…  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Me Razafinjatovo Willy: “Ilaina ny fahasahiana”

 “Apetratsika amin’io lalàna io ny hoe: tsy misy fanavakavahana fa vandana avokoa izay kary. Eo izany no mahatonga ny olona hieritreritra hoe: manana fahasahiana amin’ny fanatanterahana izany tokoa ve ny mpitsara sy ny tomponandraikitra mivantana amin’izao zavatra izao?”  hoy ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy, momba ny lalàna navoakan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny amin’ny fakana fananana sy fanagiazana tahirim-bola tsy ara-dalàna. Noho izany, mila olona manana fahasahiana sy fahitsiana.Raharaham-pirenena io ary samy Malagasy isika ka aoka ao anatin’ny fahamarinana no hanaovana azy. “Ny faniriako: mba azo hampiharina na amin’ny heloka vita tany aloha aza izao lalàna izao”, hoy izy. Toy ny hoe mihalangalana fotsiny ny mpanao ratsy teo aloha teo, na falifaly fa tsy mahakasika azy ireo izany. Mba hahazoana manenjika ireo rehetra nanao tsy rariny izany fa mora fantatra ireny olona ireny.Mba tsy ho tapatapaka amin’ny fivoriana ireo solombavambahoakaFaniriany ny tsy ho tapatapaka amin’ny fahatongavana manatanteraka ny asany ireo solombavambahoaka. Mandrebireby fotsiny raha tapatapaka amin’ny asany izy ireo, mandany volam-panjakana, mamitaka ny vahoaka nifidy azy.Ny tadiavin’ny olona: ho eo isan’andro ireo solombavambahoka rehefa misy lalàna avoaka, araka ny nambarany.R. Nd.L’article Me Razafinjatovo Willy: “Ilaina ny fahasahiana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

IFM: handray ny « Festival Nosy-Be symphonies »

Hoentina ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ny 31 aogositra izao, ny « Festival Nosy-Be symphonies », hetsika miompana tanteraka amin’ny mozika klasika. Iraisam-pirenena ity « festival » ity, hany ka maro ny mpanakanto vahiny ho tonga haneho ny talentany.Anisan’izany ry Elzbieta Dedek, mpitendry piano; i Karol Sosinski, mpitendry angorodao ary i Jakub Muszynski, mpitendry angorodao ihany koa. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny mpanakanto malagasy izay mihamaro hatrany ireo misongadina eo amin’ity sehatry ny mozika klasika ity.Raha tsiahivina, « festival » tokana fanao any Nosy-Be isan-taona ny « Nosy-Be symphonies ». Hetsika iray tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fizahantany aty amin’ireo Nosy amin’ny ranomasimbe Indianina izy ity. Araka izany, sehatra ihaonan’ireo mpanakanto manan-talenta sy ny mankafy mozika klasika ny « Festival Nosy-Be symphonies ».Nanomboka ny taona 2014 ny andiany voalohany. Izany hoe, andiany fahadimy ny notanterahina tamin’ny taon-dasa. Tsy vao izao fa efa tamin’ny taon-dasa no nentina eto an-dRenivohitra ity « festival » ity, nandritra io andiany fahadimy io. Efa tafiditra ho anisan’ireo hetsika voalohany sady goavana mahakasika ny mozika klasika, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izy.Landy R.   L’article IFM: handray ny « Festival Nosy-Be symphonies » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Midangana ny vidin-javatra: tafakatra 2 800 Ar ny kilaon’ny vary makalioka
24/11/2020

Manomboka miditra amin’ny maitsoahitra isika. Tsy misy intsony latsaky ny 2 000 Ar ny vidin’ny kilaon’ny vary eto amintsika.Nisondrotra ny vidim-bary nanomboka ny herinandro lasa teo. Raha ny eny amin’ny manodidina an’Itaosy, efa tafakatra 650 Ar hatramin’ny 800 Ar ny kapoakan’ny vary makalioka, izany hoe, tafakatra 2 300 Ar ny hatramin’ny 2 800 Ar ny iray kilao, raha 1 900 Ar hatramin’ny 2 100 Ar ny tany aloha. Eto an-dRenivohitra, manodidina 2 300 Ar hatramin’ny 2 400 Ar ny iray kilao amin’ny makalioka, raha 2 200 Ar hatramin’ny 2 400 Ar ny vary gasy mena raha 1 800 Ar hatramin’ny 2 000 Ar ny tany aloha.Mahatratra 2 100 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany (stock) raha 1 800 Ar tany aloha.Miditra amin’ny maitsoahitra isika izao, mihena ny famatsiana sakafo ary tsy maintsy hitohy hiakatra ny vidiny.Tsotra ny tenin’ny mpaninjara, nisondrotra ny vidiny hakan’izy ireo ny vary any amin’ny mpamongady. Vidiana 110 000 Ar ny iray gony 50 kilao (2 200 Ar/kg) amin’ny vary makalioka, ary 100 000 Ar hatramin’ny 110 000 Ar ny vary gasy. Manodidina ny 100 Ar isaky ny kilao ny tombombarotra alain’izy ireo.Ahina hiakatra koa ny sakafo ilaina andavanandro hafa, indrindra izay hafarana avy any ivelany ny ankamaroany, nefa tsy maintsy vidiana amin’ny vola vahiny. Nisanda 4 559 Ar ny 1 euro, omaly, ary efa tafakatra 4 661 Ar ny 27 oktobra 2020 teo. Vidiana 3 846 Ar kosa ny 1 dolara, omaly, raha efa 3 951 Ar ny 28 oktobra 2020 teo.Njaka A.L’article Midangana ny vidin-javatra: tafakatra 2 800 Ar ny kilaon’ny vary makalioka a été récupéré chez Newsmada.

RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel
25/11/2020

La 15è édition des RFC bat son plein Le festival de cinéma panafricain Rencontres du film court Madagascar est à son épicentre. Aujourd’hui, la séance au Cinépax Ambodivona est consacrée à la conservation du patrimoine audiovisuel.  Carte blanche donc  à « Home movies ». A l’affiche, Fonds Cigarini, Mozambico ou 10 jours avec les guerrières du Mozambique libre, 1972. Mais aussi la Sélection Panajotti, un film de voyage à Madagascar, 1981. Cette séance consiste à mettre un accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel. Durant la séance, document d’archives, reportages, documentaires et films de familles des années 70 et 80 plongeront le public dans le passé. Initiateur, l’association italienne Home movies a créé ses archives en 2002, dans le but de préserver un patrimoine audiovisuel généralement inaccessible, dispersé ou oublié. Cela comprend une large gamme de matériaux, basés sur des contextes non officiels tels que le cinéma amateur et les films à la maison. Au fil du temps, Home movies s’est étendue et a commencé à récupérer les archives audiovisuelles des institutions, des associations et des entreprises. Elle a maintenant collecté plus de 30 000 bobines, soigneusement stockées et restaurées par un laboratoire interne hautement qualifié si nécessaire. En 2011, ses actions ont conduit Home movies à être reconnue par le gouvernement italien comme une  archive d’importance historique particulière.   Recueillis par Zo Toniaina L’article RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana”
18/11/2020

“Tafiditra ao anatin’ny torolalana fanovan-drafitra avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoron’ny Tafika ny fisian’ny ivontoeram-piofanana an-dranomasina izay fomba iray ahafahana manatsara ny fahaiza-manao sy traikefa ananan’ny tantsambo miaramila hahatonga azy ireo ho matihanina tanteraka”, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau, ny GA Jacquy Honoré, nandritra ny fankalazana ny andron’ny mpitantan-draharaha arovan’ny masindahy Martin, ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Tafika malagasy, ny zoma teo tao Mahajanga. Nohamafisin’ity manamboninahitra ity fa fotoana izao hanamafisana ny fampiofanana vita eto an-toerana tsy hiankinana amin’ireo sekoly avy ivelany tahaka ny teo aloha. Efa misy 11 ireo tantsambo miaramila manaraka ny fiofanana ao ahazoana mari-pahaizana BAT Machine “Brevet d’aptitude technique” ary hisantarana amin’ny fomba ofisialy ity ivontoeram-piofanana ity ireo tovolahy voaantso hanohy asa miaramila ao amin’ny Tafika an-dranomasina miisa 200, ny faran’ny volana ho avy izao. Ankoatra ny Semipi, nahazo ny anjara fanomezana ho azy ny ivontoeram-piofanan’ny Tafika an-dranomasina ka ny lehiben’ny “direction central du commissariat des armées”, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, ny nanolotra izany amin’ny tompon’andraikitry ny ivontoerana, ny lieutenant de vaisseau, i Anahy Zafinirandra Edson Claudino.Jean ClaudeL’article Capitaine de Vaisseau, GA Jacquy Honoré: « Ilaina ny fanamafisana ny fampiofanana eto an-toerana” a été récupéré chez Newsmada.

Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana
18/11/2020

Nizaha ny fanajariana ny lakandrano mirefy 9 km any amin’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny harena lovain-jafy, i Baomihavotse Vahinala. Lakandrano manondraka tanimbary 187 ha, diovina sy miantoka ihany koa ny fiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena.Nozahana ny fanatanterahan’ireo mpiara-miombona antoka bokin’andraikitra amin’ny fiahiana sosialy sy ny fiarovana ny mponina sy ny manodidina. Anisan’ny fiahiana azy ireo  ny fanadiovana lakandrano,ka fianakaviana manodidina ny 1 000 ny hahita tombontsoa, noho ny tanimbary voatondraka. Etsy andaniny, mampiroborobo sy misarika mpizahatany ny fanajana bokin’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra hisian’ny fitoviam-pijery tsy hampisy olana eo amin’ny samy mpiara-monina.Mantanteraka ny asa amin’izao fotoana izao ny tetikasa Fanamby sy ireo teknisianina ao aminy. Olona maherin’ny 20 miasa isan’andro ny manadio lakandrano; mitady fanampiana amin’ny faritra hahazoana fitaovam-baventy (engin) koa ny ekipan’ny Fanamby. R.Mathieu  L’article Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana a été récupéré chez Newsmada.

Mihanaka ny zava-mahadomelina: Roa lahy mpanao trafikana héroïne nidoboka am-ponja
20/11/2020

Mahazo vahana tato ho ato ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Porofon’izany ny nahatraran’ny polisy, ireto roa lahy mpanao trafikana héroïne, teny amin’ny faritra 67 ha, afakomaly. Naiditra am-ponja avy hatrany, omaly izy ireo, taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny fampanoavana.Voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, afakomaly teny amin’ny faritra 67 ha tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro ireto voarohirohy ireto. Loharanom-baovao no nahafahan’ny polisy nanenjika ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto. Nohamafisin’ny polisy fa tafiditra hatrany amin’ny fanenjehana ataon’ny polisin’ny Stup amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay mitarika fitondran-tena tsy mendrika eny anivon’ny fiarahamonina ny fisamborana ireto roa lahy ireto. Nahazo angom-baovao ny polisy fa hoe mihaodihaody any 67ha izy roa lahy miaraka amin’ireto zava-mahadomelina ireto. Niroso tamin’ny fametrahana ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia ny polisy ka tratra tany amin’izy ireo ny héroine milanja 1,23grama. Araka ny fantatra nandritra ny famotorana azy ireo fa 50 000Ar ny vidin’ny iray grama ka tsinjarain’izy ireo ho fito izany, amidiny 5 000Ar ny iray. Niaiky ny heloka vitany izy ireo.Mirongatra ny zava-mahadomelina amin’izao…Saika isan’andro andrenesana mpivarotra rongony tratran’ny polisy sy ny zandary. Vao afakomaly teny Androndrakely akaikin’ny sekoly iray eny an-toerana roa lahy tratran’ny polisy noho ny fivarotana rongony sy toaka. Fantatra fa mivarotra rongony amin’ny mpianatra ry zalahy ireto. Nosamborin’ny polisy ireto jiolahy ireto ary mbola nahatrarana rongony sy toaka gasy dimy litatra tany amin’izy ireo. Efa nampidirana am-ponja ihany koa izy ireo rehefa avy natolotra ny fampanoavana.Vao haingana koa ny zandary no nandoro ireo rongony milanja efa ho roa taonina mahery tany amin’ny faritra Atsimo, ankoatra ireo efa nogotana teny an-tanimboly amina velaran-tany hekitara maro. Efa betsaka izay rongony tratra sy olona naiditra am-ponja izay fa toa miditra ny fonja izay tratra dia iny misy mipoitra indray. Ny fiparitahan’ireny zava-mahadomelina ireny anefa no isan’ny mampirongatra koa ny herisetra, eny tonga hatrany amin’ny fanolanana ankizy tsy ampy taona mihitsy aza izany. Sao tokony hanaovana hetsika manokana mihitsy ity ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ity?Jean ClaudeL’article Mihanaka ny zava-mahadomelina: Roa lahy mpanao trafikana héroïne nidoboka am-ponja a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny MATP sy ny CUA: miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ny eto Antananarivo
25/11/2020

Efa maka bahana sy miomana. Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely ho amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra na ny fiakaran’ny rano ireo tompon’andraikitra samihafa. Tanjon’izany, ny  “Tanàna madio lavitry ny aretina lavitry ny tondra-drano”. Laharam-pahamena ho an’ny fanjakana sy ny CUA ny famahana ny olan’ny fitantanana rano an-tanàn- dehibe, tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA. Misy ny famatsiam-bola avy amin’ny masoivoho frantsay sy ny Vondroana eoropeana (UE), atokana ho an’ny fanadiovana na PIAA. Eo koa ny fandaharanasa amin’ny lakan-drano amin’ny ranonorana, ny fanadiovana ny rano maloto sy ny fako. Nampahafantarina tamin’izany ny lafiny teknika “Schéma directeur d’assainissement” mamaritra ny fomba hitantanana ny fanadiovana amin’ny resaka orana sy ny rano maloto ka anisan’ny mpisehatra amin’izany ny BRL, nyArtelia, ny DGATE, ny Apipa, ny Samva, ny CUA, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany (MATP) sy ny minisiteran’ny Rano (MEAH). Fiaraha-mientanaNambaran’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina fa laharam-pahamehana ny fanadiovana, anisan’izany ny Himo hisorohana ny fiakaran’ny rano. Eo koa ny eny amin’ny tanàna ambony, matetika tsy voajery nefa manana olana lehibe eo amin’ny lakan-drano fivoahan’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany. “Mila miara-mientana isika  amin’ny fanadiovana mba hipaka eny ifotony ny ezaka atao. Zava-dehibe ny fandraisan’ny rehetra an-tanana ny fiarovana sy ny fanajana ny soa iombonana ka hitondra vokatsoa aingana ary azo tsapain-tanana izao asa izao”, hoy izy.  Efa tokony hotantanin’ny CUA koa ny Samva ary handray fepetra vonjimaika amin’ny fanampiana azy ireo ny kaominina.Efa mandeha ny asa fanadiovana, tafiditra ao anatin’ny PIAA. Anisan’izany ny etsy Besarety sy ny eny Mahavoky ary Andravoahangy.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny MATP sy ny CUA: miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ny eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

RFC : 250 films diffusés en huit jours
19/11/2020

Les trophées pour les compétitions officielles des Rencontres du Film Court ont été présentées lors de la conférence de presse hier (crédits photo : Tiaray) RFC en est à sa 15e édition cette année. Du 20 au 28 novembre, les cinéphiles se donnent rendez-vous dans la capitale malgache.  Un événement d’ampleur international  qui a pour ambition de faire venir des publics de toute génération, et de toute origine  culturelle autour d’une activité  riche, fédératrice et de qualité. Action culturelle qui unit le continent noir, la RFC  est une manifestation proposée dans une démarche d’instruction, faite de relations humaines avec une volonté de faire se rencontrer les artistes professionnels et les passionnés de cinéma. RFC donne  la possibilité aux artistes et aux cinéphiles  de se rencontrer, et  d’assister à des spectacles variés et de qualité. Selon les organisateurs, « une trentaine de faiseurs de  films d’ici  et d’Afrique sont en lice pour les zébus d’or. Près de 250 films seront  répartis en 65 séances dans divers endroits de la ville mais dont l’essentiel se déroulera à l’IFM  Analakely et au Cinépax Tana Water Front ».  Parce que la RFC  affiche sa volonté de promouvoir le mélange des genres artistiques, « les RFC  ont accueilli 276 candidatures venues de 31 pays d’Afrique  pour cette édition et en ont sélectionné une vingtaine ».  Réunies autour d’une même ouverture d’esprit, la programmation artistique et toutes les activités proposées sont imaginées dans le but de donner à chacun un moyen de s’épanouir et de s’exprimer. Maminirina Rado L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée
19/11/2020

Le projet PAPRiz (Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole et de Gestion de Bassins-versants et Périmètres Irrigués), dans sa phase II, touche actuellement à son terme. Il s’agit notamment d’un projet de coopération technique entre le gouvernement Malgache et le gouvernement du Japon par l’intermédiaire de la JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Six nouvelles régions sont bénéficiaires des interventions de ce projet dans cette phase II, en plus des cinq régions qui ont été ciblées depuis son démarrage en 2009. A l’issue de la 5e réunion du comité conjoint de coordination du projet PAPRiz II, qui s’est tenue hier à l’hôtel Colbert, il a été évoqué que l’objectif a été atteint. Une production additionnelle de l’ordre de 550 000 tonnes par rapport à la production de 2015, est ainsi attendue. Bénéfice net de 2,5 millions Ar/ha. Rappelons que ce projet a pour but d’améliorer la productivité rizicole des paysans dans ses onze régions d’intervention en développant des paquets techniques de la culture du riz irrigué. Cette technique leur permettra d’augmenter leur rendement de productivité à au moins 5 tonnes /ha tout en réalisant un bénéfice net moyen de 2,5 millions Ar/ha. En tout, plus de 57 000 paysans formateurs ont été formés. Et après vulgarisation de la technique, plus de 115 000 paysans ont été intéressés. Pour le cas de la région Boeny, qui fait partie des six nouvelles régions d’intervention du projet PAPRiz dans sa phase II, « nous avons pu former 77 paysans formateurs durant les deux dernières campagnes de production rizicole. Ce sont des paysans volontaires qui sont aptes à vulgariser à leurs pairs les techniques culturales qu’ils ont acquises dans le cadre de leur formation. Les récoltes, surtout pour cette campagne de grande saison, s’annoncent ainsi bonnes. En effet, ces 77 paysans formateurs ont atteint voire même dépassé le rendement de 5 tonnes/ha et plus de 2 000 paysans ont reçu leurs formations », a raconté Randriamanjato Tovo Niaina Faniry, Coordonnateur régional du projet PAPRiz II-Boeny. Amélioration du niveau de vie. Et parlant du cas de la région Itasy qui a bénéficié des interventions du projet depuis la phase I, « une nette amélioration du niveau de vie des paysans ciblés, a été observée. Environ 20 000 paysans opérant dans 67 plaines ont adopté les techniques de PAPRiz. Nous leur avons appris à bien gérer les recettes issues de leurs récoltes afin qu’ils puissent réinvestir dans la préparation de la prochaine campagne culturale. Si le paysan cultive du riz sur un hectare, son coût de revient s’élève à environ 300 000 Ar. Et après calcul du rendement, son bénéfice se chiffre à peu près à 2 millions Ar. Certains paysans bénéficiaires ont pu constituer une épargne auprès des institutions de micro-finance, tandis que d’autres ont pu créer d’autres activités génératrices de revenu, dont le commerce. Il y en a également ceux qui ont pu construire une maison, ou acheter des zébus ou des charrettes ou des matériels et équipements agricoles. L’acquisition d’un véhicule de transport de marchandises n’est pas en reste. En revanche, les impacts du changement climatique et l’insécurité constituent un problème récurrent entravant le développement rural », a exprimé Razaiarimanga M. Vololomboahangy, coordinatrice régionale du projet PAPRiz –Itasy. Navalona R. L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Projet PAPRiz II : Plus de 115 000 paysans intéressés par la technique vulgarisée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana   
24/11/2020

“Tsy azon’ny mpiasam-panjakana, sivily na miaramila, na ny mpiasan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, atao ny manao fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray, na hampiely sary famantarana na kabary amina fampielezan-kevitra.”Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana loholona izao, araka ny And. 57 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.Ao anatin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, tsy azo atao koa, ohatra, ny fitokanana ofisialy rehetra sy ny filazana goavana ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana mety hanome tombondahiny antoko politika na kandidà.Tsy azo atao koa ny mampiasa fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana ary ny fahefam-panjakana anaovana fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray.Manao fanaraha-maso ny Ceni“Rehefa misy ny fanairana aty amin’ny Ceni, mampamerina amin’ny laoniny izay heverina ho fihoaram-pefy ny ataon’ny Ceni voalohany indrindra”, hoy izy momba ny fanaraha-maso izay fanaovana fampielezan-kevitra izay.Ny amin’ny fametrahana ny peta-drindrina no hany fahefan’ny Ceni amin’izao. Raha amin’ny toerana tsy tokony hametahana azy izany, mampitandrina hampamerina amin’ny laoniny ny Ceni. Azony atao ny mampandoa vola ny kandidà mandika lalàna. Mba hahazoan’ny Ceni mampiasa izay vola izay amin’ny fanalana izay peta-drindrina izay.R.Nd.L’article Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana    a été récupéré chez Newsmada.

Après match : Des rues noires de monde  
18/11/2020

Il a fallu jouer des coudes pour sortir du stadium de Barikadimy après le match des Barea. Et le mot n’est pas trop fort pour qualifier cette marée humaine prendre d’assaut toutes les rues par où passent les Barea. Des héros que tout le monde voulait voir. Autant dire que les Tamataviens étaient fiers de ces Barea qui ont vraiment mouillé le maillot et tenu tête à des Ivoiriens théoriquement supérieurs. Mais la première haie d’honneur était pour le Président Andry Rajoelina grâce à qui la ville a pu se doter d’un stade aux normes internationales. C’était tellement bien fait au point de faire dire au capitaine ivoirien Serge Aurier que les conditions incluant également l’hôtel Le Calypso étaient réunies pour rendre leur séjour agréable. Clément RABARY L’article Après match : Des rues noires de monde   est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Après match : Des rues noires de monde   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nécrologie du 24 novembre 2020
24/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.