APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola

News - APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola

News - APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola

21 taona izao ny nisian’ny Apem Paiq (1), mpampindram-bola ho an’ny mpandraharaha madinika. Kendren’ny Apem manokana ny hanampy tosika ireo olona sahirana, hamolavola ny antom-pivelomany ka hifantoka amin’izany tanteraka. « Izay mahay miasa, tsy matahotra mindrana », hoy ny talen’ny Apem, Rasoanarivo Rihatiana. Tsy mitaky antoka momba ny fitaovana koa ny Apem fa fanomezan-toky iombonan’ny mpindrana amina olon-kafa.

Ampiana amin’izany ireo manana tetikasa madinika, hahazoana famatsiam-bola hatramin’ny 6 tapitrisa Ar. Miainga avy amin’izany ny ady amin’ny fahantrana. Na izany aza, vitsy ihany ny Malagasy tena mitodika any amin’ny fandraharahana. Koa teraka izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny Apem sy ny Miarakap (2), sampana iray mpamatsy vola ny orinasa madinika sy salantsalany sy ireo izay vao manomboka miasa amin’ny safidiny. Momba ny fambolena sy ny fiompiana, ohatra, miantso ireo fikambanana na ONG, toy ny GIZ, ny Prosperer, ny Miarakap ho afaka manampy ny lafiny teknika sy manome fiofanana momba izany ho an’ny mpindrana.

Hampindram-bola olona 15 000

Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao ny hampindram-bola olona 15 000 hatramin’ny taona 2023. Lalana iray hialana amin’ny tsy fanaran-dalàna koa izany (informel) sy famoronana asa. Efa zatra manome tolotra sahaza ho an’ireo izay tonga ao aminy ny Apem. Ankoatra ny vola indramina, eo koa ny fampiofanana amin’izay hatao. Resy lahatra ny Miarakap ka nametraka renivola miasa ao amin’ny Apem. Hatevenina, araka izany, ny famatsiam-bola hisarihana olona maro, indrindra ny tanora, na ireo efa manana ny ataony ka mila hatsaraina sy hampitomboana.

“Mahafaly anay ny manampy ny Apem mijoro ara-dalàna sy manana fanamby hampiakatra ny harinkarena”, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny Miarakap, Rtoa Alia Drouin. Tanteraka izao famatsiam-bola izao noho ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Miarakap sy ny Coopération de Monaco, namatsy vola ny fanampiana teknika talohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra amin’izao fiarahan’ny roa tonta izao. Tsiahivina fa atao hanohana ireo fianakaviana sahirana hampitombo ny vola miditra ny Apem. Vehivavy ny 70 % ny mindram-bola ao aminy.

 

R.Mathieu

 

Apem Paiq (1): Association pour la promotion de l’entreprise-Projet d’appui pour les initiatives des quartiers (Faritra Analamanga sy Itasy)

Miarakap* : Afaka mampindram-bola 100 tapitrisa hatramin’ny 1 miliara Ar

Article tiré de Newsmada

L’article APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola a été récupéré chez Newsmada.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Midi Madagasikara

Maevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro

Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka. Ankizy miisa valo eo indray mantsy no tratran’ny aretina kitrotro raha ny tarehimarika navoakan’ny tompon’andraikitry ny fanaovam-baksiny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ankoatra ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia mahita faisana ihany koa ny olon-dehibe, eny fa na dia ireo efa vita vakisiny tamin’ny fahakeliny aza. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia miseho amin’ny alalan’ny fanaviana io aretina io. Mitsororika ranon-delo ilay olona, maharary be  ny lohany, manakotsako ny vanin-taolany ary mety hikohaka izy. Mety hitsororika ihany koa ny ranomasony, na menabe ilay maso, izay fantatra fa mety hahajamba na hafaty raha tonga eny amin’ny atidoha. Mety hiteraka tsiranoka any amin’ny atidoha ilay aretina, na mety hampivalana ihany koa raha tsy voatsabo. Manoloana izay dia nisy ny fidinana ifoton’ny nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ireo sekoly rehetra teto Maevatanàna tampon-tanàna na miankina amin’ny fanjakana na ihany koa tsy miankina. Na izany aza, dia tsy ilay kitrotro loatra no mahafaty fa ireo karazan’aretina manafika ilay marary raha vatany vao midina ny hery fiarovana ao anatiny. Ny fanaovana vaksiny no vahaolana tsara indrindra. Maimaimpoana ny fanaovana izany eny anivon’ireo hopitalim-panjakana, toy ny CSB. Afaka mandray an-tanana ireo marary ihany koa ny fitandroana hatrany ny fahadiovana ary ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana feno hery sy be otrikanina. Nolazain’ity dokotera Felucien ity, hatrany fa tsy tokony hianatra ao anatin’ny 15 andro ny mpianatra voan’ny kitrotro fa manaraka fitsaboina, fa ireo  mpiasam-panjakana ihany koa  tsy tokony hiasa ao anatin’ny 15 andro rehefa tratran’ny kitrotro. Araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany dia manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora sy sasany hariva ny hopitalim-panjakana no tsy mitsahatra ny mandray marary isan’andro. RatantelyL’article Maevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fanisam-bahoaka

Amin’ny volana oktobra ho avy izao vao ho hivoaka ny valin’ny fanisam-bahoaka natao tamin’ny taona 2018 na ny RGPH3. Mbola ny fampidirana ireo tarehimarika amin’ ny solosaina no ataon’izy ireo ankehitriny, raha ny fanazavana azo. Dingana maro no mbola ho sahanin’ ny Ivon-toerana momba ny antontan’isa (Instat) aorian’io fikarakarana ireo tarehimarika ireo. L’article Fanisam-bahoaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard

Voatendry ho ambasadaoro vaovao ho an’i Frantsa hiasa sy honina eto amintsika, ny volana mey lasa teo, i Christophe Bouchard. Handimby toerana ny teo aloha, i Véronique Vouland-Aneini, nalefa niasa any Jordanie, ny tenany. Nivoaka tao amin’ny ivontoerana IEP ao Paris sy ny ENA ity ambasadaoro vaovao ity. Efa niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay niasa tany Afrika Avaratra sy ny faritra Moyen Orient iny ny tenany ny taona 1989. Efa mpanolotsain’ny minisitra Laurent Fabius misahana ny lafiny diplaomasia koa izy ny taona 1997. Ankoatra izany, andraikitra nosahaniny ny maha mpanolotsaina voalohany azy teo anivon’ny ambasady frantsay tany Alzeria ny taona 2005. Masoivoho niasa tany Niger taty amin’ny taona 2011. Mialoha izao fanendrena  zao, talen’ny fitantanan-draharaha ho  an’ny  konsily sy ny Frantsay any ivelany (DFAE) tao Paris, hatramin’ny taona 2015.Synèse R. L’article Masoivohon’i Frantsa: hisolo an’i Veronique Vouland-Aneini i Christophe Bouchard a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Amboaran’ny Caf: nandihizan’ny Elgeco Plus ny Deportivo Unidad

Tontosa, omaly alarobia tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny lalao mandroso savaranonando, amin’ny fiadiana ny “Amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina”, baolina kitra, nifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny Deportivo Unidad avy any Ginea Ekatorialy. Nibata fandresena ny Malagasy. Tsara ny vokatra ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus. Isa 3 no ho 1 ny nandavoan’ny ekipa malagasy ny ekipan’ny Ginea Ekatoraly. Nisy ihany ny lesoka teny am-panombohan’ny lalao ka namonoan-dry zareo Gineanina ny baolina voalohany. Tandrevaka sy tsy fitandremanana nataon’ny vodilaharana sy ny mpiandry tsatoby malagasy ny nahazoany penalty, teo amin’ny faha-7 minitra nilalaovana ka nampikobana ny harato ho an’ny Deportivo Unidad. 3 minitra taty aoriana anefa, namaly ny ekipa malagasy ary namono ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Nesta, laharana faha-18. Maro ny baolina mbola tokony ho tafiditra ho an’ny Malagasy, saingy tsy ampy ny fitandremana. Tamin’ny isa 1 no ho 1 ny nisarahan’ny roa tonta, teo amin’ny ampaham-potoana voalohany. Hita ho efa nihareraka ny ekipa roa tonta teo amin’ny ampaham-potoana faharoa. Na teo aza izany, tsara vintana ka nahatafiditra ny baolina faha-2 i Bila, 5 minitra nanombohan’ny ampaham-potoana faharoa. Nisesisey ny fanafihana ho an’ny Malagasy, saingy manary baolina matetika ny mpilalao ka very maina avokoa izany. 10 minitra nilalaovana, ampaham-potoana faharoa, nahafaty baolina indray i Nesta. Baolina faha-2 nampidiriny ity ary nampitombo ny isa ho 3 no ho 1. Nanomboka kivy ny Deportivo Unidad avy any Ginea Ekatoraly. Nanomboka teo, na izany aza, maro ihany ny fanafihana nataon’izy ireo, saingy tsy nahatafiditra baolina hatramin’ny ora farany ny Gineanina. Nisaraka tamin’ny isa 3 no ho 1, araka izany, ny roa tonta. Afa-po amin’izao vokatra azony izao ny mpilalao ao amin’ny Elgeco Plus na mbola misy aza ny mila harenina. “Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpilalao tsirairay ka nahazoana izao fandresena izao. Ekena anefa fa maro ny lesoka sy ny tsy fitandremana, indrindra teo amin’ny vodilaharana, saingy vonona izahay hanarina izany amin’ny lalao miverina”, hoy ny nambaran-dRaveloarison Dino, kapiteny ny Elgeco Plus, taorian’ny fiakarana an-kianja.   Mi.RazL’article Kitra – Amboaran’ny Caf: nandihizan’ny Elgeco Plus ny Deportivo Unidad a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Frantsa: manohitra tanteraka ny fiakaran’ny vidin-tsolika

Nanomboka ny tapaky ny volana novambra ka hatramin’izao ny hetsika ataon’ireo « Gilets jaunes » any Frantsa. Tsy eken’ny maro anisa intsony ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tao anatin’ny herintaona monja : ny lasantsy niakatra 15 % ; ny gazoala nanatombo 23 %. Mirotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana avokoa ny 2/3 avy amin’ireo vidin-tsolika ireo. Nanambara ny fitondrana frantsay fa ny vidin’io akora io eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny mahatonga izany, mety mbola hitohy hatramin’ny taona 2022. Toherin’ny maro anisa izany vidin-tsolika izany, ary vao mainka mihahenjana ny hetsika, miteraka fikorontanana manerana ny tanàna maro, indrindra raha ny hita tao Paris, ny faran’ny herinandro teo. 84 % amin’ny vahoaka frantsay manamarina ny ataon’ny « Gilets jaunes », araka ny navoakan’ny gazety Le Figaro. Mampitombo ny hatezeran’ny mponina ny valintenin’ny ny filoha frantsay, Emmanuel Macron. Tsy resy lahatra tamin’ny fanazavana nomen’ny filohany ny vahoaka frantsay.  Nanambara ireo mpitarika ny hetsika fa samy hafa tanteraka ny fitakian’izy ireo sy ny ataon’ireo mpanararaotra mandroba, mangalatra sy mandoro. Tranombarotra maro voaroba na tsy afa-nisokatra, fifamoivoizana tapaka. Mbola tsy voavaha izany ity olana goavana ity hatramin’izao. Firenena iray iharan’izay sondro-bidin’ny solika matetika izay i Madagasikara, nefa mbola tsy hita aloha izao ny loko manohitra izany fa ny loko manohana kandida amin’ny filoham-pirenena no betsaka.   R.MathieuL’article  Frantsa: manohitra tanteraka ny fiakaran’ny vidin-tsolika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP

 Niavaka ny tamin’ity indray mandeha ity. Nanatanteraka ny hetsika “Tagnamaro” – Andron’ny olom-pirenana teny amin’ny lycée Technique professionnel Alarobia ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP) ny asabotsy teo. Antony nisafidianana ity toerana ity ny fahamaroan’ireo injeniera sy ny teknisianina miasa ao amin’ny MAHTP amin’izao fotoana izao nandranto fahaizana sy fahalalana tao amin’io lycée io. Ho mariky ny valim-babena noho izany soa azo tamin’ity toerana ity izany ary fampisehoana amin’ireo mpianatra ankehitriny fa ilaina ny fikojakojana ny toeram-pianarana izao hetsika natao izao. Nohamafisin’ny fianakaviamben’ny MAHTP tamin’ny alalan’izao hetsika “Tagnamaro” izao fa ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana no ahatongavana amin’ny vokatra tsara. Nanadio sy nandoko ary nikojakoja ireo toerana rehetra eo anivon’ny LTP Alarobia izy ireo tamin’izany.Synèse R. L’article « Tagnamaro »: nanadio ny teny amin’ny LTP ny MAHTP a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

30 taona nijoroana ny MCCP: miasa ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana

Telopolo taona (1989-2019) teo amin’ny fanompoana ny Fiangonana sy ny fiarahamonina ireo mpikambana ao amin’ny « Firohotana Kristianina Mpiandraikitra sy Mpiasatena » (Mouvement Chrétien de Cadres et de Professionnels na MCCP). Nifotoran’ny MCCP ny tanjona voalohany napetrak’ireo mpanorina, anisan’izany ny fitondrana sy ny fampiroboroboana ny hafatry ny Vaovao Mahafaly amin’ny teny sy ny asa ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo mahantra sy sahirana.“Mandrosoa amin’ny lalina kokoa” (Lioka 5,4). Io no lohahevitry ny fankalazana izao faha 30 taona izao, hatao rahampitso 11 mey sy ny alahady 12 mey eny amin’ny Ekar Fanahy Masina, Analamahitsy, Antananarivo, ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo mpikambana mihoatra ny 400 avy amin’ny diosezy rehetra eto Madagasikara.Tao anatin’ny 30 taona nitsanganany, nampihatra hatrany ny fomba fiasa mahazatra “Mandinika sy mirotsaka ary miasa” ny MCCP. Maro ireo lohahevitra nodinihina sy notanterahin’ny MCCP nandritra ny kongresy nasionaly nifandimby, mamaritra amin’ny ankapobeny ireo drafitrasa mibaiko ireo hetsika mandritra ny telo taona mialoha ny kongresy nasionaly manaraka.Voninahitra lehibe indrindra ho an’Andriamanitra Ny 11 mey, aorian’ny fanokafana ny vavaka maraina, hisy ny fampianarana sy fanentanana ataon’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ; ny 12 mey, fankalazana ny Eokaristia Masina, tarihin’ny Evekan’i Miarinarivo, Mgr Randrianarisoa Jean Claude, Sekretera Jeneralin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, arahin’ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo “zokiolona mpanorina” ny MCCP. Hisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy mpikambana miaraka amin’ireo lahika sy pretra avy any Afrika sy Eoropa : RDC, Togo, Zimbabwe, Gabon ary Frantsa.Samy handray fitenenana  hizara ireo traikefa mikasika ny firohotana Katolika misehatra eo amin’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina ankehitriny izy ireo. Aorian’izany, anjaran’ny pretra Ravahatra Fridole Norbert sj, amin’ny maha mpiahy ara-panahy azy, hitondra fanentanana momba ny lohahevitra  voalaza etsy ambony.Mifandray amin’ny MIIC – Pax RomanaEo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny MCCP mifandray maharitra amin’ny fikambanana any Frantsa, sy amin’ny avara-pianarana (Mouvement International des Intellectuels Catholiques na Miic – Pax Romana), mandray anjara tsy tapaka amin’ny fivorian’ny “Miic Pax Romana Africa” sy ny Filankevitra maneran-tany ny “Pax Romana”. Ny Filoha nasionaly, Dokolahy Lainirina Donné, solontenan’ny kaontinanta Afrikanina, hizara ireo tsara ho fantatra nandritra ny Filankevitra maneran-tany ny “MIIC Pax Romana” tany Fribourg, Suisse, ny 18 hatramin’ny 22 marsa 2019.Aorian’izao fanokafana izao, maro ireo hetsika eo amin’ny sehatra nasionaly na eo anivon’ny diosezy tsirairay, ho tanterahin’ireo mpikambana ao amin’ny ekipan’ny MCCP isan-tsokajiny hanamafisana ny “Firosoana amin’ny lalina bebe kokoa ! “ R.MathieuL’article 30 taona nijoroana ny MCCP: miasa ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Andavamamba :: Fiarakely nivarina tao anaty lakandrano

Nivarina tetsy amin’ny lakandranon’Andriantany, teny Andavamamba, ny fiarakely iray marika « Peugeot 206 », ny alin’ny alahady lasa teo. Naratra tamin’izany ny vehivavy iray tao anatin’ny fiara. Mbola tra-maraina tao anaty rano ity fiara niharan-doza ity. Olona telo no voalaza fa tao amin’ilay fiara. Polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny no nahatazana azy efa tao anaty rano ka nanatona nanao ny fizahana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny Kaomisarian’ny polisy etsy Isotry fa niala lavaka no nampivarina ny fiara tao anaty lakandrano. Tsy voatazon’ny mpamily nyfamiliana ka nidona tamin’ny hazo ny fiara, avy eo namantana tany anaty rano. Natolotra ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ny fanadihadiana. L’article Andavamamba :: Fiarakely nivarina tao anaty lakandrano est apparu en premier sur AoRaha.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – CCOI N1A: hanainga rahampitso ny COSPN

Vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indiana, taranja basikety ny ekipan’ny COSPN, klioba eo anivon’ny polisim-pirenena. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelle ny 5 hatramin’ny 13 desambra ho avy izao. Ny COSPN izay hisolo tena ny firenena malagasy ary tompondaka tamin’ny fifaninanam-pirenena N1A 2018, taranja basikety, notontosaina teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, farany teo. Delegasiona miisa 16 no hanainga rahampitso, talata 4 desambra, amin’ny 1 ora maraina, hihazo an’ny Seychelle izay hahitana ireo mpilalao sy ny mpanazatra ary ny mpikambana eo anivon’ny polisim-pirenena. Nanambara ireo mpilalao fa hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. “ Tanjona ny handrombaka ny amboara amin’ity fifaninanana ity ary hitondra izany eto Madagasikara ho voninahitry ny firenena malagasy iray manontolo”, hoy ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny COSPN, seksiona basikety,  Lebiria Rufin, raha nisolo tena ireo mpilalao, izy. Ankoatra izay, nanolotra fisaorana ho an’ireo rehetra nitondra fanampiana sy nanohana ihany koa ny COSPN ary mbola manokatra ny varavarana ho an’ireo mahalala tanana vonona ny hanolotra fanampiana ho azy ireo amin’izao ady goavana hatrehan’izy ireo izao. “Ady goavana no hatrehana ka ilaina ny fanohanana avy amin’ireo tsara sitrapo ka vonona ny hifanolo-tanana aminay”, raha ny nambaran’ny solontenan’ny mpilalao. Omaly, tonga nangata-tsodrano teny amin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka ireo mpilalao eo anivon’ity ekipa hiatrika fifaninanana any Seychelle ity. Fihetsika feno fahendrena no nentin’izy teo anatrehan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka satria natolotr’izy ireo ny Minisitra ny amboara azony nandritra ny fifaninanana nandraisany anjara ka nahazoany vokatra tsara. Tetsy ankilany, tsy nitazam-potsiny ny ministera fa nanome fanomezana mba ho vatsin-dalana ho an’ ireo mpilalao sy nitso-drano ny ekipan’ny COSPN.   Mi.RazL’article Basikety – CCOI N1A: hanainga rahampitso ny COSPN a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs

Nakotroka ary tena tamin’ny fomba manetriketrika ny nandraisan’ny vahoaka alzerianina ny ekipan’ny Fennecs, taorian’ny nahazoan’izy ireo ny amboara amin’ny maha tompondakan’i Afrika azy, ny «Can 2019 », rehefa nandresy an’i Sénégal.Toy ny nandraisan’ny vahoaka malagasy ny Barean’i Madagasikara, ny asabotsy 13 jolay lasa teo, ny nitsenan’ny vahoaka alzerianina ireo mpilalaon’ny Fennecs, ny asabotsy 20 jolay. Vahoaka antapitrisany, niteraka fitohanana goavambe, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreny amin’ny toerana efa voaomana nandraisana azy ireo. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary dihy ny nanehoan’ny Alzerianina ny hafaliany, tamin’ny nahazoan’ny Fennecs fanindroany ny amboara.Raha tsiahivina, resin’ny Fennecs-n’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Cairo Stadium, ny zoma lasa teo. Baolina tokana, tafiditr’i Baghdad Bounedjah, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny fihaonana.Tsy mbola afa-bela indray izany tamin’ity ry Mané izay efa lavon’ny Fennecs, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ihany koa, nandritra ny lalaom-bondrona, tamin’ity “Can 2019” ity. Tsy mbola tao amin-dry zareo Senegaley mihitsy ny vintana satria indroa tonga teo amin’ny famaranana ny Lionan’i Teranga, saingy indroa resy.Ankoatra izay, ilay Nizerianina, i Odion Ighalo, no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra. Nahatafiditra baolina dimy izy, nandritra iny “Can 2019” iny. Teo amin’ny laharana faharoa ilay Senegaley, i Sadio Mané, sy ilay Alzerianina, i Riyad Mahrez, ary ilay Kongoley, Bakambu, samy nahafaty baolina telo avy. Ho an’ny Barean’i Madagasika indray, i Carolus no nahafaty baolina be indrindra, miisa roa. Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs a été récupéré chez Newsmada.

Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara

Tao anatin’ny roa andro izay, nametraka sora-baventy manoloana ny biraon’ny DRENTP, any Toliara, ireo mpampiantra ENF SUB, ho fitakiana ny tambin-karaman’izy ireo, nandritra ny enim-bola, izay mbola tsy voaray hatramin’izao. Hatreto aloha, tsy mbola ahitam-bahaolana ity raharaha ity na efa niezaka nandamina izany aza ny lehiben’ny DRENTP.“Miverimberina ny olana, noho ny tsy fahaiza-mitantana eo anivon’ny minisitera mpiahy”,  hoy ny fanehoan-kevitr’ireto mpampiatra ireto. Miangavina ny fitondrana foibe izy ireo mba hitady vahaolana haingana, ho fisorohana ny olana hafa, indrindra ny mahakasika ny fanatanterahana ny fanadinana, any ambanivohitra lavitra any, toerana hiasan’ireto mpampianatra ireto.Marihina fa tao anatin’ny roa herinandro no efa nampahatsiahivan’ireto mpampiatra ireto ny olana mianjady amin’izy ireo: ny tsy fandraisana ny tambin-karama nandritra ny enim-bolana. Nisy ny fitakiana tamin’ny alalan’ny fifampidinihana, saingy tsy nahomby izany ka nahatonga azy ireo nanao izao fihetsika izao: tabataba sy horakoraka, narahina fametahana io sora-baventy io.CMS L’article Enim-bolana tsy naharay tambin-karama: mitokona ny mpampianatra ENF SUB any Toliara a été récupéré chez Newsmada.

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Ny volana jona teo no nitrangan’ny raharaha. Niharan’ny fanararaotam-pahefana sy fihazonana tsy ara-dalàna, nataona polisy efa-dahy, miasa ao amin’ny biraon’ny polisy, Ambohimandamina, Mahajanga ny olona vitsivitsy.Tsy nipetra-potsiny ireto niharan’izany fa nanao fitarainana tao amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tany an-toerana. Voalaza fa hoe nitaky vola 2 000 000 Ar tamin’izy ireo ireto polisy ireto, ho sandan’ny famotsorana azy ireo.Nandray ny andraikiny momba izany àry ireo mpanao fanadihadiana sy famotorana ao amin’ny Bianco. Hita sy voamarina tamin’izany fa mitombina tokoa ny fitarainan’ireto olona niharan’ny fanararaotana nataon’ireto polisy ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany, tao Mahajanga ireto polisy izay voarohirohy ho nanao kolikoly sy fakam-bola an-keriny (extorsion).Fantatra, taorian’izay fa naiditra am-ponja avy hatrany ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ilay inspektera polisy. Ireo brigadiers telo lahy kosa noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana, na dia efa nohamafisin’ny fampanoavana aza fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ity raharaha maloto ity izy ireo. Hita taratra amin’izao ihany ny tsy fetezan-javatra eo amin’ny fitsarana izay efa hanaovan’ny mpanara-baovao maro fanamarihana sy fanakianana hatrany. Soa ihany fa, araka ny fantatra, efa an-dalam-pananganana amin’izao fotoana izao ny Pôle Anti-corruption any Mahajanga.M.R.L’article Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka

Nanamboatra lalankely eny amin’ny fokontany Andohatapenaka I, ny zoma teo, ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I sy ny avy eo anivon’ny departemanta misahana ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mirefy 120 m ny namboarina tamin’izany ary haharitra herinandro ny asa. Ho afa-pahasahiranan ireo mponina maro mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra ireo mpantsaka rano. Mikisilasila sy mamotaka izany làlana izany na amin’ny maintany aza. Tafiditra hatrany anaty fandaharansan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina eny ifotony izao. Hitohy amin’ny fokontany hafa miisa 44 izany.Synèse R.  L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka a été récupéré chez Newsmada.

MAE: matotra ny fiaraha-miasa amin’i Sina

 Anisan’ireo firenena afrikanina valo, nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sinoa, i Wang Yi, ny minisitra malagasy (MAE), Andriantsitohaina Naina. Votoatin’ny fotoana tany Sina ny fivoriamben’ny mpandrindra hanatanteraka ny vokatry ny fihaonana an-tampony tany Beijing, nandritra ny « Fihaonambe mikasika ny fiaraha-miasa Sina sy i Afrika » (FCSA), atao ny 24 sy 25 jona izao.Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitra sinoa, fa misy ny fanantenana hampiroboroboana hampifandrindrana ny Finiavana fifamatorana sy lalana (Initiative la ceinture et la route) sy ny vokatry ny fihaonamben’i Beijing (Focac), andaniny, amin’ny paikady hampandrosoana an’i Madagasikara, ankilany. Nanamarina ny minisitra sinoa, nilazany fa vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa i Sina.Notoloran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriantsitohaina Naina, mariboninahitra koa ny dokotera sinoa, miisa 30, ny 23 jona teo, ho fankasitrahana ny asa fitsaboana nataon’izy ireo taty Madagasikara. Nomarihiny fa anisan’ny zava-dehibe amin’ny fiaraha-miasa amin’i Sina ny fananganana fotodrafitrasa, ny fitaovana sy kojakojam-pitsaboana, ny fitetezam-paritra amin’ny fitsaboana. « Endriky ny fahatokisan’ny Malagasy ny fiaraha-miasa amin’i Sina izao hetsika izao », hoy ihany ny minisitra.Njaka A.L’article MAE: matotra ny fiaraha-miasa amin’i Sina a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza

Natao tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) ho an’ny mpiasa ao amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny synodam-paritany Toamasina. Maherin’ny 40 izy ireo, nahitana pastora, katekista, mpiasam-piangonana, sns, notarihin’ny prezida synodaly, ny pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nilaza ny talen’ny vola ao amin’ny CNaPS, Rakotoarison Hiaja, fa mila fantatry ny mpiasam-piangonana ny zo sy ny adidiny amin’ny fiahiana sosialy.Anisan’ny nampahafantarina tany Toamasina ny hampiakarana ho 6.000 Ar ny volan-jaza, manomboka amin’ny volana aogositra ho avy izao, raha 5.000 Ar amin’izao fotoana izao.Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny asa mendrika ity fiofanana ity. Marihina fa efa mandray vatsy ny fianakavimben’ny FLM tato anatin’ny roa taona.tena nahaliana ny mpiofana ny fisotroan-dronono sy ny fanampiana amin’ny loza vokatry ny asa. Nomena azy ireo ny antontan-taratasy hofenoina toy ny fangatahana fanampiana, ny fanambarana filazan-karama, sns.Njaka A.L’article Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar  ny volan-jaza a été récupéré chez Newsmada.

SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana

90 % ny olombelona no tsy mahafantatra akory hoe iza marina izy, inona ny tena  tanjony amin’ny fiainana, raha fanadihadiana manerantany. Hany ka manaraka ny onjam-piainana fotsiny na dia tsy mitarika any amin’ny fahombiazana aza. Ao ireo manontany tena fa nahoana no tsy mahomby mihitsy amin’izay rehetra atao. Anisany ho valiana mandritra ny seminera “INVINCIBLE” ho tanterahina ny  sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay 2019 eny amin’ny Arena Ivandry io fanontaniana io. Ho resahina ao anatin’ny roa andro ny fomba hahombiazan’ny olona iray amin’ny lafiny rehetra. Nambaran’ny mpanorina ny MasterLife, Rajaona Toky fa mifototra amin’ny fampivoarana ny maha olona no antom-pisian’ny orinasany. Hiompana amin’ny fahatokisan-tena sy filaminana anaty ny seminera andiany voalohany ity ka ho resahana amin’ny andro voalohany ny hoe: fahavalon’ny fahombiazana ny tahotra, ahoana ny hamadihana azy ho hery. Ny famohazana ny hatsarana ao anaty kosa no ho velabelarina amin’ny andro faharoa. Ankoatra izany, hampahafantarina mandritra ny seminera ny teknika  hahombiazana amin’ny lafiny fandraharahana. Araka ny fanazavan’ity mpampihatra ny teknika fampivoarana ny maha olona, “Programmation Neuro-Linguistique” (PNL) ity fa  misy singa maromaro mifanjohy no mandrafitra ny fahombiazana:  ny vola, ny asa,  ny fitiavana, ny tokantrano ary mila jerena akaiky ireo.  Nohamafisiny fa 80 % miantoka ny fahombiazana ny toe-tsaina, avy amin’ny fahaiza-manao kosa ny 20 %.  Mila manana vina, mijery lavitra, manana fahasahiana, manana fahatokisan-tena ihany koa raha te hahomby, hoy ny mpanorina ny orinasa mpamboly toe-tsaina te hivoatra. Nirina R. Cet article SEMINERA « INVINCIBLE »: Ny lalana hizorana any amin’ny fahombiazana est apparu en premier sur déliremadagascar.

Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III”

Niova tampoka! Tsy hisy indray ny “Tsenabe Tangorona III”, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, tokony hotanterahina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, any Ambatondrazaka. Araka ny loharanom-baovao, nahatonga izany ny fotoana tsy ampy fa akaiky loatra ka tsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’ny lalàna, nomena ny olona na ny orinasa, hiantoka ny fanatanterahana ity hetsika toekarena ity.Manampy izany, araka ny fiteny aty Alaotra, azo adika amin’ilay hoe “efa may ny mololo”, izany hoe, lany vola ny mpamboly amin’io fotoana nokasaina hanatanterahana ny “Tangorona III” io, sady efa fotoam-panadinana rahateo manomboka ny aorian’io 31 jolay io. Tsy afaka mamoaka tetibola rahateo ihany koa ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro satria mbola vonjimaika.RarivoL’article Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III” a été récupéré chez Newsmada.

Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo

Dahalo valo mianadahy indray voasambotry ny zandary avy ao ami’ny poste avancé (PA) Analavory distrikan’i Miarinarivo, ny alarobia 17 jolay 2019 lasa teo ka vehivavy (mpitahiry  ny fitaovam-piadiana ampiasain’ireo dahalo, miaraka amin’ny odigasy) ny iray amin’izy ireo.Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary avy any an-toerana, fokontany roa (Kianjasoa sy Ankaranana) ao amin’ny kaominina Analavory no lasibatr’ireto dahalo miisa valo ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 30. Tsiahivina fa ny 8 jolay 2019 lasa teo, nahazo antso ny zandary miasa ao amin’ny Poste avancé Analavory fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Kianjasoa, kaominina Analavory ka omby miisa 10 no lasan’ireo malaso. Namonjy teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny kizo fiafenany ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. nitsoaka ireo malaso, navelany teo ny omby miisa enina fa ny efatra kosa efa novonoin’izy ireo. Ny 10 jolay lasa teo indray, naharay antso indray ny zandary fa misy dahalo manafika ao amin’ny fokontany Ankaranana Ambodimanga, misy dahalo manafika io tanàna. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 20. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Natao ny sakana teo amin’ny kizo izay holalovan’izy ireo ary nampandrenesina koa ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambalanirana.Olona telo nidoboka am-ponja noho ny FIB hosoka…Rehefa nahatazana ny zandary sy ny fokonolona teo amin’ny kizo niafenany ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana. vokany, tsy nahatohitra ny zandary ireo malaso ka navelan’izy ireo ny omby miisa 20 ary dahalo iray tratra niaraka tamin’ny basim-borona calibre 12 vita gasy.Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary tamin’ity dahalo ity no nahafahana nisambotra ireo namany fito ka vehivavy ny iray izay nambaran’ny zandary fa mitahiry ny fitaovam-piadiana sy mpitazona odigasy. Nohamafisin’ny zandary fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Nahitana basim-borona roa hafa kao niaraka tamin’ny bala miisa enina, lefona, odigasy maromaro tao anaty kizo, ankoatra ireo niambozonan’ireo malaso. Mandritra ny hetsika ataon’ny zandary any an-toerana momba ny fijerena ny taratasin’omby (FIB) eny an-tsenan’omby ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, notarihin’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Itasy, ny Kly Ralaikoa Armandin dia maro ireo taratasin’omby (FIB) hosoka ary olona telo no efa naiditra am-ponja ao Miarinarivo. Manentana hatrany ny zandary amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka mba hahafahana misoroka mialoha ny asan-dahalo toy izao.Jean ClaudeL’article Kizo iray ao Analavory: vehivavy ny mpitahiry ny fitaovam-piadian’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.Vonjy A.               L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.