ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno

News - ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno

News - ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno

Tsy fiaraha-mitantana. Taorian’ny filan-kevitry ny Foibe MFM dia namoaka fehin-kevitra momba ny raharaha anatin’ny antoko sy ny raharaham-pirenena ireo mpizaika avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara. Ho an’ny raharaham-pirenena, manamafy ny MFM fa misy sakana ara-toetsaina, aram-pomba fiasa ny tsy nahafahan’ny firenena miroso ho an’ny amin’ny fampandrosoana ka nitarika faharatsiana teo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy, fiverimberenan’ny krizy, ny fifandirana politika indrindra ny lafiny ny fifidianana izany. Manoloana izany dia milaza ny antoko fa azo tanterahina amin’ny alalan’ny latabatra boribory ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ary vonona ny MFM hifampiresaka. “Heverin’ny MFM fa ny fananganana governemanta manana fahefana feno fa tsy fiaraha-mitantana, hanatanteraka andraikitra mazava tsara dia fanovàna sy fiovàna takian’ny firenena”, araka ny fehin-kevitra novakian’ny tomponandraikitry ny MFM misahana ny fifandraisana ivelan’ny antoko, Solohery Charles Hilaire, ny 01 martsa 2021. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovazaha Olivier fa Praiministra manana fahefana, manana zo hanangana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta no takiana, toy ny nataon’i Tompokolahy Guy Willy Razanamasy sy  Ntsay Christian tamin’ny 2018. Nilaza ihany koa Rakotoniaina Pety, misahana ny raharaha anatin’ny antoko MFM fa “tsy azo ialàna ny fanovàna sy ny fiovana satria misy ny olana ara-drafitra, fomba fiasa sy ny politika maloto”. “Mila mifampiresaka ka governemanta hanatanteraka fanovàna, hiroso amin’ny lalam-panorenana vaovao, lalam-pifidianana vaovao izay vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy izy. Miantso ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry ity antoko ity mba hiroso amin’ny fanatanterahina ireo fehin-kevitra ireo.

Lynda A.

Cet article ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno est apparu en premier sur déliremadagascar.

ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno

L’article ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 02/03/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mpianatra – Sekoly tsy miankina: betsaka ireo nifindra amin’ny EPP  

 Araka ny toromariky ny fitondram-panjakana, hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao ny mpianatra, ny alatsinainy 26 oktobra izao. Miomana sy mandamina ny fandraisana ny mpianatra ny talen’ny EPP eto an-dRenivohitra. “Efa vita ny fanamafisana ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra tranainy fa mbola mandray kosa ny mpianatra vaovao ho an’ny kilasy ankoatra ny 7ème sy ny 8ème, izay efa feno”, hoy ny tale iray eto an-dRenivohitra. Betsaka ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina niditra eny amin’ny EPP, raha ny zava-nisy ho an’ity EPP ity. Antony iray ny tsy fandoavana vola amin’ny fisoratana anarana ka nandrisika ny ray aman-dreny hanala ny zanany teny amin’ny sekoly tsy miankina. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranana nateraky ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. “Tsy maintsy mitondra ny “bulletin de note” ary mbola manao fitsapana ny mpianatra vaovao rehetra hanamarinana ny fari-pahaizany”, hoy ny fanazavana. Tsy mahazo mihoatra ny 50 koa ny mpianatra raisina isaky ny kilasy ka ferana ihany ireo mpianatra vaovao azo raisina.Ahina hiala ireo Fram “non sub” rehefa tsy misy karamaMomba ny mpampianatra Fram tsy mbola mahazo tambin-karama avy amin’ny fanjakana, manantena ny talen-tsekoly fa ny fitondrana no hiantoka ny karaman’izy ireo. Nanambara anefa ny filoha fa ny karama ho an’ny telo volana voalohany no iantohan’ny fitondrana, hatreto. Manahy ny mety ho vokatr’izany ny talen-tsekoly satria tsy naka intsony vola tamin’ny ray aman-dreny. Tsy ho vitsy amin’ny mpampianatra Fram ny hiala hifindra sekoly hiasana rehefa tsy mahaloa ny karamany ny EPP. Hatreto, tsy mbola tonga eny anivon’ny sekoly ny sora-bola avy amin’ny “caisse école”, hakana ny karaman’ny mpampianatra Fram “non subventionné”, araka ny fanazavan’ny filoha.Vonjy A.          L’article Mpianatra – Sekoly tsy miankina: betsaka ireo nifindra amin’ny EPP   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote »

Niaiky ny tsy nety teo aloha.“Hifamarafara isika ary tsy maintsy mifanafatra noho ny traikefa maro tamin’ny nanaovana depiote sy ny andraikitra maro noraisina ka manana adidy handefa hafatra dieny izao fiandohany izao mba hizorana amin’ny lalana tsara eo amin’ny asa atao amin’ny maha depiote… Mila haverina amin’ny hasiny ny Antenimierampirenena, araka ny nanambaran’ny filoha HCC izany farany teo. Niaraha-nahita ny zava-nisy teo aloha”, hoy izy tamin’ny lahatenin’ny zokiolona, ny depiote Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza, omaly. Nitarika ny fivoriana manokana ny tenany niaraka amin’ny depiote zandriny indrindra, i Tsaradia Marco, nialoha ny fanatanterahana ny fifidianana ny birao maharitry ny Antenimiera. Nohitsiny fa manana adidy ny depiote hanarina ny lesoka teo aloha ary tsy hiverina eny amin’io lapa io intsony ny tahaka izany. Antony tsy namparisika ny mpifidy ireny tranga ireny ka naha ambany ny taha nahavoafidy  azy ireo tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Notsiahiviny koa ny tokony hanajana ny lalàna eo amin’ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka… Niroso tamin’ny fifidianana ny rehetra ny tolakandro rehefa nandray izany hafatrafatra izany.Synèse R . L’article Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tafiotra, avandra sy ora-nikija teto an-drenivohitra: tanàna maro dibo-drano, taxi-be iray nianjeran’ny hazo

Nampitondra faisana ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina iny orambe sy tafiotra narahina havandra namely tampoka, omaly, iny. Maro ny tanàna dibo-drano, tany mihotsaka, hazo tapatapaka…Manohatra ny rivodoza nandalo ny takaitra navelan’ilay rivo-mahery narahina ora-mikija sy havandra, omaly, teto Antananarivo sy ny manodidina. Maizina ny andro nanomboka tamin’ny 03 ora tolakandro teto Antananarivo ary namaky lanitra ny kotroka sy ny tsela-baratra.Narahina rivotra nifofo mafy izany ary nirarakompana ny havandra niaraka taminy. Nijojo ny orana avy eo ary sady mafy fiavy no nasafotofoton’ny rivotra. Nikapokapoka ny filatsaky ny havandra tamin’ny fitaratry ny fiarakodia. Na nitsahatra aza ny havandra, mbola nikija nandritra ny fotoana maharitra ny orana.Maro ny toerana dibo-drano tampoka tao anatin’ny adiny iray nirotsahan’ny orambe. Anisan’izany ireo faritra iva eto Antananarivo toy ny eny Andravoahangy, Behoririka, Besarety, Antanimena, 67ha, Isotry, Ambodivona… Nikarama tampoka nitatitra olona hiampita arabe ny sarety sy ny posy. Maty an-dalana kosa ireo fiara madinika nandeha tamin’ireo lalana dibo-drano. 500 Ar ny nampita ny olona iray tamin’ny sarety tetsy Besarety, rehefa nitsahatra ny orana.Ankoatra izany, nisy ny hazo tapaka izay namoa-doza nianjera tamina taxi-be tetsy Antanandrano. Voa mafy ity fiara ity, saingy soa fa tsy nisy olona naratra tao anatiny. Tao ny tafon-trano nentin’ny rivotra toy ny teny Ambohimanarina, takela-by nianjera, tany nihotsaka, tamboho nirodana…Tetsy andaniny, nanimba zavatra ny havandra, indrindra ireo mpamboly manodidina an’Antananarivo. Ravarava ny vokatra kely mba nandrandraina. Potiky ny karazan’anana, izay tokony hamidy. Tapitra nihintsana ny voam-bary efa matoy teny an-tanimbary. Tamin-dranomaso no niandrasana ny fitsaharan’ny orana ho an’ireo tantsaha.Nanambara ny mpamantatra ny toetr’andro fa mbola hitohy ny orana tandrifin-drahona, mety hikorontana toy ireny amin’ny faritry ny afovoan-tany ka anisan’izany ny eto Analamanga. Mila mivonona amin’izany ny rehetra.Tatiana AL’article Tafiotra, avandra sy ora-nikija teto an-drenivohitra: tanàna maro dibo-drano, taxi-be iray nianjeran’ny hazo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ankizy nalaina an-keriny

Nalain’ny jiolahy an-keriny tao an-tranony ny ankizilahikely iray, 13 taona, zanaka mpamboly tany Anjiajia Ambato Boeny, ny alin’ny alahady lasa teo. Vola mitentina valopolo tapitrisa ariary no heno fa takian’ireo mpaka an-keriny ho takalon’ny famerenana an’ilay ankizy. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny ny zandary sy ny fokonolona dia votsotra ny ampitson’io izy. Tsy nisy ny fandoavam-bola an’ireo olon-dratsy. L’article Ankizy nalaina an-keriny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra: misongadina ny fambolena, ny fiompiana, ny indostria

Manao ezaka, araka izay tratrany, ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra (Fiova) hatramin’ny nanaovana fampisehoana any amin’ny faritra, tonga amin’ny andiany faha-21 tamin’ity taona ity. Nampahatsiahy ny filohan’ny Fiova, Ramarijaona Andrianjafy, momba ny fiaraha-miasa ho fampitaovana ireo orinasa, ny fampitoviana ny lafiny teknika momba izany fitaovana izany ary ny vidiny. Mijery ny hoavy hanatsarana ny seha-pihariana karazany maro misy ny orinasa tsirairay ny Fiova. Mampisongadina sy mampiavaka azy ireo ny fambolena sy ny fiompiana, ny indostria mpanodim-bokatra, sy ny sampana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy avy amin’ireo tsy miankina. Fantatra izany isan-taona. Samy mahita tombontsoa tandrify azy ireo mpandraharaha mpitantana orinasa, araka ny tomban’ezaka nataon’ny Fiova. Hita ivelan’ny faritra Vakinankaratra koa ny ataon’ny mpandraharaha mpikambana. Ankoatra ny asa vita, manao fikarohana ho amin’ny fanatsarana ny asa ny ao amin’ny Fiova, mampahafantatra ny vokatr’izany sy ny fomba fanatanterahana azy. Manokana lohahevitra samihafa izy ireo, ho fampandrosoana ny fihariana. Voateny matetika ny tsy fahampian’ny famatsiana angovo, ny faharatsian-dalana, ny tsy fandriampahalemana. Nambaran’ireo mpikambana fa tsy mifanaraka amina tamberin’andraikitra andrasana amin’ny fanjakana ireo olana ireo, nefa mandoa hetra ara-dalàna izy ireo.   R.MathieuL’article Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra: misongadina ny fambolena, ny fiompiana, ny indostria a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana

Nanokanana andro, omaly, ny politika momba ny hetra niantsoana sehatra sy sokajin’olona maro. Tsy adidin’ny fanjakana irery ny raharahan-ketra, araka ny fanamarihana nataon’ny sampandraharahan’ny hetra.Mbola ambany ny tahan’ny fidiran-ketra eto amintsika, 12 % monja, ka ny hampitomboana izany. Niantsoana ireo sokajin’olona samihafa avy amina sehatra maro, nitondra ny heviny. Lohahevitra nosoritana : “Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Andrasana avy amin’io fihaonana io ny hitsanganan’ny tambajotra iray ahitana ny avy amin’ny minisitera isanisany, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka any amin’ny oniversite. Havondrona ny hevitr’ireo rehetra ireo hamaritana izay tokony hampitomboana ny fidiran-ketra.  Kendrena ny ho 15 % amin’ny 2023.Iray nitondra ny heviny, ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Miara-miasa hatrany ny ladoany sy ny foiben-ketra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Tolo-kevitra iray naroson’ny ladoany ny fiarovana ny orinasa eto an-toerana, ka faritana ireo akora na entana tsy asiana fanamaivanan-ketra. Anatin’izay fiarovana ny orinasa izay ny fampidinana ny haba amin’ireo akora na fitaovana fampiasan’izy ireo. Fomba ampirisihina azy ireo izany hanondrana entana any ivelany, mampiditra vola vahiny. Tokony hatevenina koa ny haba alaina amin’ireo akora fototra fanondrana any ivelany, toy ny kraomita, fasimainty, volamena sy vatosoa, sns…Nanamafy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, fa mbola ezaka goavana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. “Hatramin’izao, TVA, haban-tseranana, solika, ireo no mampiditra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa mila fanantenana lavitrezaka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay avy amin’ny vola miditra aminy”, hoy ny tale jeneraly. Nampahafantarina ihany koa ny fahamaroan’ny asa fihariana ivelan’ny ara-dalàna, mahatratra 40 %, tsy mandoa hetra, araka ny tatitra nataon’ny FMI. R.MathieuL’article Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Azo tsaboina tsara, manatona « CSB 2 ».

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Azo tsaboina tsara, manatona « CSB 2 ». » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.AZO TSABOINA TSARA NY « COVID-19 » Hisorohana ny tranga misy fahasarotana, #MANATONA_HAINGANA_CSB_2 raha misy ireto soritraretina ireto ianao: – Mikoha maiña – Manavy – Mangorana – Mahatsiaro vizambizana – Marary an-doha – Marary tenda – Mivalana – Tsy mahare fofona – Tsy mahare tsironkanina.   #Arovy_ny_tenanao #Arovy_koa_ny_hafa #Zarazarao   Conception: SCM/MSANPL’article Covid-19: Azo tsaboina tsara, manatona « CSB 2 ». a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha

Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tafika mampita vaovao

Notanterahina, omaly, teny amin’ ny Cemes Soanierana ny fanomezana mari-pakasitrahana ireo miaramila avy amin’ny Tafika sy Zandary nanaraka fiofanana natao teny an-toerana momba ny fifandraisan’ny miaramila amin’ny mpanao gazety nandritra ny andro vitsy izay. Miaramila avy any Etazonia no nampanao ity fiofanana ity. Taorian’izao dia nilaza ny amin’ny tokony hifampi- resahan’ny mpanao gazety sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny miaramila ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. L’article Tafika mampita vaovao est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services RESPONSABLE DES RESSOURCES HUMAINES
29/04/2021

SEMBA basée à Ivato, spécialisée dans la production de carton ondulé étoffons notre équipe. Rejoignez-nous en tant que RESPONSABLE DES RESSOURCES HUMAINES!Les missions:Le ou la futur(e)RRH:- Décline et met en œuvre la politique RH groupe et du site- Définit la stratégie RH du site avec la direction RH Groupe, le Directeur Général et le Directeur de site, et la met en œuvre- Anime son équipe Ressources Humaines- Dans le respect des dispositions légales et réglementaires, assure le développement et la gestion des ressources humaines du site : administration RH (congé, maladie, prévoyance, paie, déclaration sociale, …), recrutement, formation, relations sociales, gestion de carrière et conditions de travail…- Apporte son expertise à l’ensemble du personnel- Garantit la sécurité des Hommes et des biens de son périmètre d’actions- S’implique et implique son équipe dans la conformité rigoureuse et continue au Système de Management de la Qualité Le profil:- Bac +4 en gestion ou droit privé, spécialisation en Ressources humaines- Expérience probante de 4 ans d’expériences en tant que généraliste RH dans le secteur industriel- Maîtrise des logiciels RH, ERP maison, GPEC, normes et procédures QHSEApte à travailler sous pression et dans un environnement fortement concurrentielRésidant de préférence aux alentours d'Ivato, Ambohibao, Ambohidratrimo et de Talatamaty CV, LM (prétentions salariales et disponibilités) sont à envoyer à jerecruterecrutement@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services RESPONSABLE DES RESSOURCES HUMAINES".

A vendre MOTO GRAND PRIX
06/05/2021

A VENDRE MOTO AGUSTAUne ligne SC Project ECU reprogrammée par MV Agusta,Boîtier puissance additionnelleTop block latérauxPneus m5Plaquette carboneStickers mv AgustaEn parfait étatModèle unique à MadagascarCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre MOTO GRAND PRIX".

A vendre Nouveau onduleur a vendre
30/04/2021

Onduleur marque UPS TECHNOLOGY 850 VA inlineAutonomy up to 14minPlage de tension 140V à 300V entrée2 prises europeenAdresse: Ankadilalana Rue RABOZAKA près du l'égliseTél: 034 11 776 46Obtenir votre devis sur email: mandimby.mg@gmail.comLivraison à domicileNe manquez pas nos offres du moment  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Nouveau onduleur a vendre".

Emploi et services Gagnez de l'argent en ligne
29/04/2021

Vous désirez avoir un complément de revenu pour arrondir vos fins du mois. Vous désirez gagner beaucoup d'argent en travaillant à votre rythme sur internet. C'est donc ici.Cliquez sur le lien ci-dessous :https://rupee4click.com/3jteyCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagnez de l'argent en ligne".

A vendre Mazda berline 323, moteur DIESEL
04/05/2021

Afin d'améliorer notre projet actuel, nous vendons une voiture légère. Les informations impétrantes concernant cette voiture sont résumées ci-dessous :Mazda berline 323, très bon état.Moteur DIESEL d'origine.Capitonnage et peinture d'origine.Consommation: 5 l au 100.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mazda berline 323, moteur DIESEL".

Emploi et services Comment Gagner de l'Argent avec WORL GOLD à partir de 15$
01/05/2021

Lien d'inscription 👇🏿👇🏿https://worlgold.com/registre/?ref=mamadououattara199119028*WorlGold* est une société en ligne basée aux Émirats arabes unis avec l’intention de donner aux membres du monde entier l’occasion unique de participer à l’économie de l’or international et à contribuer à une meilleure égalité numérique dans le monde du marché de l’or. Le réseau international de WorlGold se compose de millions de membres très ambitieux, passionnés par l’entrepreneuriat et les ventes qui fournissent à la fois des emplois et une source de revenus.★Investissez 15 $/en 60 jours (2 mois)*Recevez 0,375 $ par joursRecevez 1,875 $ en 5 joursRecevez 11,25 $ par mois*Rendement total = 22,5 $*★Investissez 25 $/en 60 jours (3 mois)*Recevez 0,625 $ par joursRecevez 3,125 $ en 5 jours Recevez 18,75 $ par mois *Rendement total = 37,5 $*★Investissez 50 $/ en 60 jours (3 mois)*Recevez 1,25 $ par joursRecevez 6,25 $ en 5 joursRecevez 37,50 $ par mois*Rendement total = 75 $*★Investissez 100 $/en 70 jours (3 mois 10Jours)*Recevez 2,5 $ par joursRecevez 12,5 $ en 5 joursRecevez 75 $ par mois *Rendement total = 150 $*★Investissez 300 $/en 80 jours (4 mois)*Recevez 7,5 $ par joursRecevez 37,5 $ en 5 joursRecevez 225 $ par mois *Rendement total = 600 $*★Investissez 500 $/en 100 jours (5 mois)*Recevez 12,5 $ par jours Recevez 62,5 $ en 5 joursRecevez 375 $ par mois*Rendement total = 1 250 $*★Investissez 1000 $/en 120 jours (6 mois)*Recevez 25 $ par joursRecevez 125 $ en 5 jours Recevez 750 $ par mois*Rendement total = 3 000 $*★Investissez 3000$/ en 120 jours (6 mois)*Recevez 75 $ par joursRecevez 375 $ en 5 joursRecevez 2250 $ par mois*Rendement total = 9000 $*Lien d'inscription* 👇🏿👇🏿https://worlgold.com/registre/?ref=mamadououattara199119028★Achat et Retrait en Dollars Perfect Money*Programme d'affiliation très rentable du plateforme d'investissement appelé Worldgold*★Gagner 2,5% d'affiliation direct★Gagner 2,5% d'affiliation du deuxième génération★Gagner 5% d'affiliation du troisième générationLe bonus d'affiliation est appliqué a chaque Achat du pack de vos filleuls*.Gagner désormais de l'argent avec Worldgold*Lien perfect money pour vous s'inscrire 👇https://perfectmoney.com/?ref=accountMon numéro WhatsApp pour vos besoins en Bitcoin, dollars perfect money et bien d'autres choses+225 05 46 45 25 53 Lien du groupe WhatsApp Worldgold 👇https://chat.whatsapp.com/LHUCyroWruL2ahqbKeClQnIntégré le groupe 🖕 WhatsAppCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Comment Gagner de l'Argent avec WORL GOLD à partir de 15$".

A vendre Arrivage Kymco bon occasion
05/05/2021

ARRIVAGE KYMCO BON OCCASION  (Ny tsara & lohany hatrany)(Misoratra @ izay aka azy ny papier) -KYMCO GP 125 CARBU /FUEL INJEC  -KYMCO JR 100 CARB & FUEL INJEC -KYMCO J POP 100 &KYMMCO MEGAFI 125 -Moto efa velona daholo, Faible KM  -Equipement ok! Livrée avec Battérie vaovao! -Visible à Tanjombato  Contact : 033 75 629 15 ou 034 75 629 15Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Arrivage Kymco bon occasion".

Emploi et services TRAVAIL EN LIGNE TSY MILA MANDOA VOLA FA TONGA DIA MIASA . EN $
30/04/2021

Asa en ligne tena matotra tokoa ity asa ity . Efa betsaka ihany no asa nandramana fa tena anisan'ny asa tena tsara sady azo atao hoe betsaka ny vola azo arakarakin'ny asa vitanao , ity ny lieu ;  https://paidera.com/?r=1967202        Mazotoa daholo ary e!Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services TRAVAIL EN LIGNE TSY MILA MANDOA VOLA FA TONGA DIA MIASA . EN $".

A vendre Mazda berline 323, moteur Diesel
04/05/2021

Afin d'améliorer notre projet actuel, nous vendons une voiture légère très bon état.Les informations impertinentes de cette voiture sont résumées ci-dessous :Mazda berline 323, très bon état.Moteur DIESEL d'origine.Capitonnage et peinture d'origine.Consommation : 5 litres au 100.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mazda berline 323, moteur Diesel".

A vendre Selling Apple iPhone 12 Pro Max 512Gb W/A: +919957430530
04/05/2021

Brand new Apple iPhone 12 pro max 512Gb and other Apple mobiles with complete accessories with 1 year warranty. contact below for more information on purchase. Bulk purchase attract more discount.Brand New Apple iPhone 12 Pro Max .. $850Usd Brand New Apple iPhone 12 Pro... $700Usd Brand New Apple iPhone 12 Mini .. $600Usd Brand New Apple iPhone 11 Pro Max : $510Usd Brand New Apple iPhone 11 Pro  :$460UsdSales Director : Faizhan Muhammed Whats-App : +919957430530 E-Mail: faizhanmuhammed@gmail.com Skype : faizhanmuhammedCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling Apple iPhone 12 Pro Max 512Gb W/A: +919957430530".

Cherche Cherche une camionnette plateau (3T5) : ISUZU, HYUNDAI, FORELAND ….
03/05/2021

Cherche à acheter une camionnette plateau 3T5 (Bonne occasion, pneu jumellé, papier en règle), marque ISUZU, HYUNDAI, FORELAND ....Si vous avez une proposition, n'hésitez pas de m'envoyer les photos : moteur, extérieur, intérieur ...Merci beaucoupMitady camion kely 3T5 Raha manana ianao dia aza misalala mandefa amiko ny momba2 izany, ny sary (anatiny, ivelany, motera) Misaotra indrindra Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Cherche Cherche une camionnette plateau (3T5) : ISUZU, HYUNDAI, FORELAND ....".

A vendre Toyota Land Cruiser V8
30/04/2021

Toyota Land Cruiser V8 D-4D 265  boite automatique, 420000 km , diesel,  5 portes, 7 places,  année 2009, couleur gris  avec  ABS, 6 airbags , caméra de recul, radio et chargeur CD, climatisation auto, jantes alu, ordinateur de bord, phares antibrouillard, rétroviseurs électriques,  toit ouvrant, verrouillage centralisé à distance. Voiture bien entretenue par des professionnels. C'est une dame de la route puis elle est  luxurieuse.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Toyota Land Cruiser V8".

Notsongaina

Statistiques Covid-19 : Quand un Rakotovao en épingle un autre
29/04/2021

Ils ont le même patronyme, mais viennent de deux bords politiques différents. Le ministre de la Santé publique, Jean Louis Rakotovao et l’ancien président du Sénat, Rivo Rakotovao, ont fait parler d’eux hier. « Vos propos sont vraiment injustes », a posté Rivo Rakotovao, sur sa page Facebook, hier, en s’adressant à l’autre Rakotovao, alors ministre de la Santé publique. Une phrase lâchée en public par le professeur Jean Louis Rakotovao, qui aurait affirmé que « les statistiques par rapport aux victimes de la Covid-19 dans le pays ne sont pas très graves », n’est pas du tout du goût du coordonnateur du parti Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Ce dernier juge déplacés les propos du ministre. Il a alors mis en garde le ministre de la Santé publique. « Mieux vaut être haï du roi que du peuple », a rappelé Rivo Rakotovao.   Deuil. Le ministre de la Santé publique s’est exprimé sur une chaîne étrangère et a analysé, dans une interview, la situation sanitaire actuelle, notamment la progression du virus dans le pays. Le professeur Jean Louis Rakotovao a affirmé que les statistiques dans le pays seraient moins “catastrophiques” par rapport à ce qui se passe ailleurs, surtout dans les pays où les contaminations flambent. Mais aux yeux de Rivo Rakotovao, les propos du professeur Jean Louis Rakotovao sont disproportionnés par rapport à la réalité du pays. Pour l’ancien président du Sénat, ce dernier a « déshonoré le deuil des familles qui ont perdu des proches » pendant cette pandémie en s’exprimant ainsi. « Peut-être que le ministre n’a ni vécu la perte d’un membre de sa famille, ni connu un proche contaminé par le virus », selon Rivo Rakotovao.   Depuis la première vague de la pandémie en 2020, les statistiques officielles du ministère de la Santé publique ont recensé 631 victimes de la pandémie. Depuis plus d’un mois, le nombre de contaminés et de ceux qui ont succombé des suites de la Covid-19 a connu une progression inquiétante. L’Etat a, en effet, décrété l’état d’urgence et les centres de traitement, ainsi que les hôpitaux, ne désemplissent pas.   Rija R. L’article Statistiques Covid-19 : Quand un Rakotovao en épingle un autre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Statistiques Covid-19 : Quand un Rakotovao en épingle un autre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Governoran’i Sofia: mitohy ny fikarohana an’i Jerison
06/05/2021

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny kaominina Anahidrano, faritra Sofia, afakomaly, ny governoran’ny faritra Sofia, ny Jly Lilyson Réne de Rolland nanome toromarika ireo fokonolona amin’ny fiaraha-mientana amin’ny mpitandro filaminana manoloana ny hetsika fampandrian-tany ao amin’ny faritra. Nohamafisin’ity manamboninahitra ity fa afaka roa herinandro, ho voapetraka ireo komitin’ny Dina Malain-kalatra manerana ny fokontany. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ny ankamaroan’ireo omby tafiditra am-balam-pamonjana miisa 600 mahery tao Anahidrano. Ankoatra izany ireo manana olana manokana iandrasana ny tompon’andraikitra ny fijerena izany. Na eo aza izany, mitohy hatrany ny fikarohana an’i Jerison ary tsy hamelana raha tsy tratra, araka ny nambarany. “Hatao hazalambo koa ireo fianakaviany sy namany voalaza ho mpiray tsikombakomba aminy. Tsy hijanona izao hetsika izao raha tsy mandry fahalemana tanteraka ny faritra Sofia”, hoy izy.J.CL’article Governoran’i Sofia: mitohy ny fikarohana an’i Jerison a été récupéré chez Newsmada.

Fomba fitantanana ny firenena: haka fanapahan-kevitra hentitra ny RMDM
30/04/2021

Ho tonga hatraiza? Nanambara ny eo anivon’ny RMDM fa handray fanapahan-kevitra hentitra manoloana ny ambaran’izy ireo fa fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana lalampanorenana ataon’ny mpitondra.« Be loatra ny fandikana ny lalàmpanorenana sy ny fandikana ny lalàna velona ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Miantso ny vahoaka  tompom-pahefana izahay handray ny anjara andraikitra tandrify azy amin’izany », hoy ny filoha lefitry ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, tetsy Bel Air, omaly. Nohitsiny fa tsy nohenoina koa izy ireo manoloana ny fanambarana sy ny fitakiana nataony. Anisan’izany ny momba ny vaksiny fanefitry ny Covid-19, ny fanapahan-kevitra niraisan’ireo minisitera momba ny haino aman-jery. Eo koa ilay resaka « Fasana ho an’ny firaisam-po »…Mahatsiaro ho tsy misy mihainoTsy misy mihaino ny mpanohitra ka tsy hijanona na hionona amin’ny fanambarana fotsiny intsony tahaka ny teo aloha, araka ny nambarany. Nanterin’izy ireo fa tany misy lalàna eto nefa voahitsakitsaka. “Tsy azo ekena ny hivarinan’ny firenena any an-davaka…”, hoy ihany izy ireo.Tsiahivina fa izao indray ny eo anivon’ity vovonan’ny mpanohitra ity vao naneho hevitra manoloana ny raharaam-pirenena, taorian’ny resabe momba ny fanafarana ny vaksiny sy ny fampiatoana ny fandaharana amin’ny haino aman-jery, niainga tamin’ny fanapahan-kevitry ny minisitera miisa dimy.Synèse R.L’article Fomba fitantanana ny firenena: haka fanapahan-kevitra hentitra ny RMDM a été récupéré chez Newsmada.

Ireo tratra tamin’ny sokatra 193: 12 volana sazy mihatra sy onitra 10 tapitrisa
04/05/2021

Olona fito tratra voampanga tamin’ny fitondrana sokatra 193 ny 7 avrily teo, ka nandalo fitsarana tao Ambovombe Androy, omaly. Voaheloka 12 volana sazy mihatra miampy onitra 10 tapitrisa ariary daholo izy ireo, anisan’izany ny komandin’ny zandary  any an-toerana voarohirohy tamin’ity fitondrana sokatra an-tsokosoko ity.Sokatra, anisan’ny harena sorobidy mampiavaka ny tontolon’ny zavaboary amin’ny faritra maro eto Nosy. Mateti-pitranga tokoa ny halatra sokatra toy izao, fitondrana izany an-tsokosoko ary misy manondrana any ivelany. Ambaratongan’olona maro no handalovan’ireo biby ireo miala any Atsimon’ny Nosy, tonga hatraty Antananarivo. Mazava ho azy fa misy ihany ny kolikoly ao anatin’izany, misy koa ny tsy mandefitra amin’ny trangan-javatra toy ireny. Efa an-taonany maro ny nisian’ny fanondranana sokatra, atahorana handripaka ireo karazan-tsokatra ireo. R.MathieuL’article Ireo tratra tamin’ny sokatra 193: 12 volana sazy mihatra sy onitra 10 tapitrisa a été récupéré chez Newsmada.

Acte de banditisme : Un ex-détenu dangereux abattu par les gendarmes
05/05/2021

Un ex-détenu appelé Dezifolaka, âgé de 37 ans a été abattu par les gendarmes ce lundi vers 4 heures de matin, à Marotandro Mandritsara. Deux balles l’a criblé dans le dos et il a succombé à ses blessures. Selon les explications de la gendarmerie, il était le cerveau et auteur principal de différentes attaques à main armée suivies de meurtre dans plusieurs communes dans le district de Mandritsara. Le criminel a été capturé dans la ville de Tsaratanana, la nuit du samedi au dimanche. « Sur le champ, les premiers éléments de l’enquête révèlent qu’il est le responsable des vols à main armée perpétrés et le bandit confirme la véracité de ces faits tout en dénonçant trois parmi ses coauteurs », selon toujours les précisions des forces de l’ordre. Les éléments de la gendarmerie ont procédé tout de suite à la recherche des autres malfaiteurs. Dezifolaka a conduit les forces de l’ordre vers l’endroit où se cachaient ses complices dans le quartier d’Anjiro, la matinée du lundi. En cours de route, l’ex-détenu a demandé aux gendarmes de l’autoriser à faire ses besoins. Soudain, il a tenté de prendre la fuite en profitant de l’obscurité. « Des fuites lui étaient possibles partout par la présence des buissons et des arbres. Étant données les circonstances, les éléments ont averti par des sommations mais il n’a pas obtempéré », a précisé la gendarmerie. Cette dernière a par la suite utilisé leurs armes et a dû tirer sur lui.  Dezifolaka a été touché par deux balles dans le dos etest mort sur le coup. La recherche des autres malfaiteurs se poursuit toujours afin de démanteler le réseau des bandits, auteur de diverses attaques dans le district de Mandritsara. En janvier 2020, Dezifolaka a été déjà capturé et déféré au parquet de Mandritsara et placé sous mandat de dépôt. Mais, vers la fin de cette même année, il était mis en liberté et de nouveau a repris à orchestrer les deux dernières attaques précitées ce mois d’avril dernier. Le corps du défunt a été remis à sa famille après constatation faite par le Médecin Chef du CSBII de Marotandrano. La population a approuvé  les efforts fournis par la gendarmerie nationale et a favorablement commenté l’acte rehaussant l’image de l’armée. Yv Sam L’article Acte de banditisme : Un ex-détenu dangereux abattu par les gendarmes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Acte de banditisme : Un ex-détenu dangereux abattu par les gendarmes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tselatra
29/04/2021

Lehilahy miasa ao amin’ny tobin-tsolika  Jovena ao Bekitrobaka Antsohihy no karohina amin’izao. Voalaza ho naka sy nitondra ny vola mitentina 4 tapitrisa Ar tao amin’io tobin-tsolika io izy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo ary tsy hita hatramin’izao. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mbola hitan’ny « caméra de surveillance » izy tokony ho tamin’ny 08 ora alina, tsy hita intsony kosa taorian’izay.Nilaza ho nafindra toerana hiasa any Befotaka avaratra ny tenany ka naka sy nitondra ireo lambany tokony ho tamin’ny 10 ora alina, hoy ny vadiny, raha ny fanazavana voarayL’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
03/05/2021

Nitrangana fahamaizana teny Mandrosoa Ivato, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. May tao anatin’ny ora vitsy ny trano lehibe misy rihana iray. Levon’ny afo tanteraka ireo entana maro isan-karazany ka tsy nisy intsony ny azo raisina. Niitatra tamin’ny ireo manodidina ny afo ka trano efatra hafa koa no may.Nitangorona maro ny olona teny amoron’ny lakan’Andriantany, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 02 ora. Nahoraka teny an-toerana ny filazana fa nisy voay tao anatin’io rano maloto io. Vokany, vory maro ny olona nijery izany, tsy voahaja intsony koa ny elanelana ho fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19.Vata-mangatsiakana lehilahy iray no nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 02 ora. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io lehilahy manodidina ny 50 taona io, hoy ny tompon’andraikitra tao an-toerana. Tsy mbola fantatra ny mombamomba io lehilahy io ary tsy mbola tonga teny ihany koa ny fianakaviany. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Entre le pays réel et le pays légal
03/05/2021

L’effectivité des mesures sanitaires dictées par la pandémie de Covid-19 est révélatrice de l’état des relations entre gouvernants et gouvernés, à un moment crucial où le pays a justement besoin de compréhension et de solidarité. Entre le pays réel et le pays légal L’état d’urgence sanitaire accentue la déconnexion entre le pays réel, empêtré dans les réalités de la vie, et le pays légal représenté par les institutions républicaines. Le respect ou non des mesures barrières illustre cette dichotomie maurrassienne, par référence à l’écrivain Charles Maurras qui a théorisé le déphasage entre le pays réel et le pays légal. Le premier, littéralement à bout de souffle, attend une bouffée d’oxygène de la part du second qu’il considère plus comme un Etat providence qu’un Etat gendarme face à la crise sanitaire avec tous ses variants sur le plan économique et social. La grande partie de la population qui vit ou survit grâce au secteur informel, a du mal à s’adapter aux mesures restrictives décrétées par les pouvoirs publics qui impactent sur leurs activités et leurs emplois occasionnels. Entre succomber au coronavirus demain et mourir de faim aujourd’hui, certains ont vite fait le choix. Ils préfèrent braver le confinement total, samedi et dimanche, plutôt que de rester cloîtrés tout le week-end dans leur promiscuité où la distanciation physique et les gestes barrières sont de vains… maux. Qui plus est, les mesures d’accompagnement tardent à venir. Les couches sociales les plus défavorisées sont en attente de la deuxième… vague de « Tosika Fameno » et autre « Vatsy Tsinjo ». Même ceux qui sont dans le secteur formel comme les enseignants du Privé hors classes d’examen sont en vacances forcées et non payées, les parents d’élèves ne pouvant ou ne voulant tous, régler les écolages. Leur seul espoir repose sur les subventions de l’Etat qui donne l’impression d’être déconnecté par rapport aux réalités actuelles. Le pouvoir est « low bat », dépourvu de chargeur pour rétablir le réseau, c’est-à-dire le dialogue et surtout la confiance, entre le pays réel et le pays légal en cette période mortifère. R.O L’article Entre le pays réel et le pays légal est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Entre le pays réel et le pays légal a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ady amin’ny covid-19: tonga ary haparitaka ny oxygène 2000 isa
04/05/2021

Tonga, omaly, teny Ivato ny tavoahangina oxygène 2000, nafaran’ny fanjakana avy any Sina. Nandray izany ny filoha Rajoelina Andry.Naparitaka avy hatrany any amin’ireo faritra ahitana ireo marary mafin’ny covid-19 ireo oxygène ireo. Anisan’ny hisitraka izany ireo faritra nakatona tanteraka, toy ny ao Vakinankaratra, Anosy ary Matsiatra Ambony.“Hamonjena haingana ny ain’ireo marary ny oxygène, indrindra ireo sempotra miady amin’ny fahafatesana noho ny  covid-19”, hoy ny filoha.2000, araka izany, ireo olona azo vonjena sy havotana ny ainy amin’ny alalan’ireo oxygène ireo ary heverina fa haharaka ny filàna izany.Nampanantena hatrany ny fitondram-panjakana fa hilofo amin’ny ezaka rehetra amin’ny ady atao amin’ny valanaretina covid-19.Tsiahivina fa efa nanafatra tavoahangin’oxygène 2000 ihany koa i Madagasikara, teo aloha, nanavotra ain’olona maro. Vao haingana teo koa no nanafatra concentrateur d’oxygène hiatrehana hatrany ny aretina.Tatiana A.L’article Ady amin’ny covid-19: tonga ary haparitaka ny oxygène 2000 isa a été récupéré chez Newsmada.

Antso an-tany efitra: tsy voahaja ny teny malagasy
06/05/2021

 Nisy ezaka teo aloha fa ankehitriny, manomboka miverina tsikelikely amin’ny findramana ny teny vahiny indray ny Malagasy. Tahaka izany ihany koa ny fanimbazimbana tanteraka ny teny malagasy any anaty tambanjotra isan-karazany. Toa zary lasa fomba mahazatra ny Malagasy ilay tai-dronono mandroatra. Maheno resaka momba ny fitiavan-tanindrazana, nanjary mafana fo miteny malagasy… Tsy lasa lavitra anefa fa herinandro raha ela indrindra, miverina amin’ny filolohavana ny teny vahiny indray. Saika hita any amin’ny sehatra samy hafa io tranga io.Marobe (olona tsotra, fikambanana,…) ireo nanao antso ny amin’ny tokony hanajana sy hanomezan-kasina ny teny malagasy, saingy antso an-tany efitra ihany izany. Mbola manalokaloka any amin’ny fianakaviana, eny anivon’ny toeram-piasana, eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra indrindra any amin’ny tontolon’ny fanabeazana ny fanjanahantsaina.Teny velona ny teny malagasy. Tena izay mihitsy ve anefa ny zava-misy? Miaina miaraka amin’ny teniny ve ny Malagasy? Mahay mampiasa ny teniny ve ny Malagasy? Fanontaniana maro tahaka izany ny ahafahana mandrefy ny dingana sy toeran’ny teny malagasy. Mitaky finiavana lehibe eo amin’ny tsirairay ny fanomezana haja sy hasina ny teny Malagasy mandritra ny fotoana maharitra.HaRy RazafindrakotoL’article Antso an-tany efitra: tsy voahaja ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

 « Ma thèse en 180 secondes » : andiany fahatelo ny fifaninanana
30/04/2021

Misokatra ny fifaninanana « Ma thèse en 180 secondes » andiany fahatelo amin’ity taona ity. Natokana ho an’ny olona manomana ny mari-pahaizana « docteur » na mikarakara « thèse » ny hetsika ka manana telo minitra ireo mpifaninana hampahafantarany ny fikarohana nataony ho an’ny olon-tsotra. Afaka mandefa ny fandraisany anjara amin’ny adiresy tranonkala http://mt180oceanindien.mg.auf.org ireo liana, mialoha ny 9 mey ho avy izao. Ny volana jona no hotanterahina ny dingan’ny famaranana nasionaly eto amintsika. Noho ny hamehana ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra no hampahafantaran’ny mpifaninana ny sanganasany. Mikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny AUF ary ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny masoivoho frantsay eto amintsika. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena ny mendrika indrindra.Vonjy          L’article  « Ma thèse en 180 secondes » : andiany fahatelo ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

Haute cour constitutionnelle : Florent Rakotoarisoa nouveau président
30/04/2021

Florent Rakotoarisoa a été le président du conseil consultatif constitutionnel qui a élaboré la Constitution de la IVème République. Son élection à la tête de l’institution était attendue depuis la constitution de la nouvelle mouture de la Haute cour constitutionnelle. Florent Rakotoarisoa prendra les commandes de la Haute cour constitutionnelle, après avoir été élu par ses pairs à l’issue d’un vote organisé, hier, en visioconférence. La situation sanitaire actuelle a conduit les nouveaux membres de cette institution à éviter une séance en présentiel, mais à privilégier l’utilisation des nouvelles technologies pour boucler le vote. Il a été plébiscité, à l’unanimité, et assurera la présidence de l’institution dans les sept prochaines années. Les neufs hauts conseillers ont tous été présents lors de ce vote en ligne. Décision. L’élection a attendu la disponibilité de Florent Rakotoarisoa. Depuis plus de deux semaines, ce haut conseiller de la Haute cour constitutionnelle a déserté les rangs pendant un certain temps, pour des raisons de santé. Les autres membres, quant à eux, s’étaient déjà réunis à plusieurs reprises. Mais Florent Rakotoarisoa ne pouvait être présent ce qui fait que le vote n’a pu avoir lieu. Ces collègues lui ont ainsi accordé du temps, afin qu’il se remette sur pied, afin d’entamer l’élection du nouveau président qu’il a donc remportée. Février 2002. Florent Rakotoarisoa n’est pas un étranger dans l’arène. Ce magistrat de carrière est une tête déjà connue à Ambohidahy, étant déjà membre de la Haute cour constitutionnelle dans les années 90, aux côtés de Norbert Lala Ratsirahonana, ou de Jean Michel Rajaonarivony, lesquels ont tous occupé le poste de président de cette institution. Lors de la crise politique de 2002, Florent Rakotoarisoa a figuré parmi les magistrats dont, entre autres, Johnny Richard Andriamahefarivo, actuel ministre de la Justice, qui ont organisé la très controversée investiture de Marc Ravalomanana en février 2002. Ravalomanana. Le nouveau président de la Haute cour constitutionnelle a également complété sa carrière professionnelle dans l’administration. Florent Rakotoarisoa a déjà occupé le poste de secrétaire général du ministère de la Justice et fut également ministre de l’Intérieur en 2012. Son parcours a été ponctué par une parenthèse dans la diplomatie. Sous le régime de Marc Ravalomanana, le magistrat avait occupé le poste d’ambassadeur de Madagascar au Canada. Son nouveau poste couronne alors ses décennies de carrière au service de la magistrature et de l’administration. Florent Rakotoarisoa remplacera Jean Eric Rakotoarisoa à la tête de l’institution d’Ambohidahy. Le professeur de droit devrait passer officiellement le relai à son successeur dans les jours qui viennent. Toutefois, des questions se posent sur la passation de service entre le nouveau président de la Haute cour constitutionnelle et le président sortant. Se déroulera t-elle en présentiel ? Rija R. L’article Haute cour constitutionnelle : Florent Rakotoarisoa nouveau président est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Haute cour constitutionnelle : Florent Rakotoarisoa nouveau président a été récupéré chez Midi Madagasikara.