Antenimierampirenena  : hahitsy ny lalàn’ny fandovana 

News - Antenimierampirenena  : hahitsy ny lalàn’ny fandovana 

News - Antenimierampirenena  : hahitsy ny lalàn’ny fandovana 

Hitondra fanitsiana ny lalàna
tamin’ny 1968 momba ny fanomezana sy fandovana ny tolo-dalàna avy
amin’ny depiote  Rakotomanga Lanto, eny anivon’ny Antenimiera.
Taloha, ny lehilahy miasa ary ny vehivavy mikarakara tokantrano.
Tsy izany intsony izao, fa efa miara-mitady ny roa tonta. Na miasa
ao an-trano aza ny vehivavy, mitondra fandaminana sy fampandrosoana
amin’ny fampandehanana ny tokantrano.

Marina fa nisy ny lalàn’ny
fanambadiana taloha : kitay telo andalana. Efa mizara ho antsasany
avy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fananana izao. Raha ny
lalàna, ny filaharana amin’ny fahazoana mandova: voalohany mandova,
ny zanaka; faharoa, ny zafikely; fahatelo, ny ray aman-dreny;
fahefatra, ny mpiray tampo; fahadimy, ny zanaky ny mpiray tampo…
Any amin’ny fahavalo vao ilay vady velona amin’izy mivady raha maty
ny iray; ny fahasivy, ny fanjakana no mandray ny fananana. 
           
“Tsy mety ny saina amin’izany raha ny zava-misy amin’izao
fotoana izao: misy miady, misy tsy fifankahazoana eo amin’ny
fianakaviana”, hoy izy. Satria lasa any amin’ny laharana
fahavalo amin’ny fandovana ny vady, nefa izy no niara-nihary
tamin’ny vadiny fony fahavelony. Hatao laharana fahatelo ny vady
amin’ny fandovana, araka ny fanovana nentiny.

R.Nd.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Antenimierampirenena  : hahitsy ny lalàn’ny fandovana  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tarika Mihir’All for Jesus: miezaka hampitodika ny olona  amin’ Andriamanitra

Mihir’All for Jesus, tarika mivelatra amin’ny gadona rehetra. Anisan’ny namorona ilay tarika i Abel Andoniaina. Tanora efatra  mianadahy no mandrafitra ny tarika izay manana ny tanjony…… « Hira mitory Filazantsara, ny fahatsaran’ilay Nahary, hampitodika ny olona amin’ Andriamanitra, mihitsy, no tanjonay. Rehefa sehatra azo itoriana ny Filazantsara, anehoanay ny voninahitr’Andriamanitra. Anisan’izany, ohatra, ny pejy  facebook  “Mihir’All for Jesus”, hifandraisana amin’ireo vonona hiaraka hiasa hanatrarana io tanjona io », hoy i Abel Andoniaina. Tsy manavaka antokom-pivavahana rahateo izy ireo fa rehefa mino an’Andriamanitra, mety avokoa.Nanomboka ny taona 2011 ny tarika no naneho an-tsehatra tamin’ny alalan’ny fitetezana ireo fiangonana kristianina maro. Teo koa ny fanafanana lanona sy ireo tolo-tanana isan-karazany. Eo am-panatanterahana ny hira faharoa « Mila manana anao » ny Mihir’All for Jesus, ankehitriny.Efa misy sanganasa maro miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera maro. Anisan’ny nanamarika ny tarika Mihir’All for Jesus, ilay hira “Tanindrazako”. Hira  mitory fibebahana sy fiverenana tanteraka amin’Andriamanitra amin’izao zava-misy eran-tany izao. ”Tsapanay tamin’izany fa tonga ny hafatra”, araka ny fanazavan’i Abel Andoniaina.NarilalaL’article Tarika Mihir’All for Jesus: miezaka hampitodika ny olona  amin’ Andriamanitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mankahery sy mandrisika ny atleta hatrany ny Minisitera

Isan’ny antoka iray tena mampahomby sy hahazoan’ireo atleta fahombiazana mandritra ity Lalaon’ny Nosy, tanterahina aty Maorisy ity, ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena. Azo lazaina fa eo akaiky hatrany na aiza na aiza misy ireo atletantsika mandray anjara amin’ity lalao ity. miakatra an-kianja aty Maorisy, dia hita eo hatrany ingahy Tinoka Roberto, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy ambava fotsiny fa tanterahiny  amin’ny asa ataony ny teny navoakany, nandritra ny fotoana nandraisany ny fitantanana ity minisitera ity, izay hoe hanakaiky anareo tanora mpanao fanatanjahantena hatrany izahay ary  rehefa misy ny fifaninanam-pirenena karakarainareo, indrindra rehefa faran’ny herinandro dia ho hita eny foana ny tenako sy ireo mpiara-miasa amiko.Nanome hery ny atleta tokoa izany ary lasa nivadika ho fananana fahatokisantena ho azy ireny satria dia tsy miady irery intsony rehefa eny ambony kianja fa eo indrindra ny ray aman-dreny manohana sy mampahery azy ireny. Miarintsoa.Raz L’article Mankahery sy mandrisika ny atleta hatrany ny Minisitera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famorana: niteraka tahotra ny fisian’ny zaza maty

Niteraka tahotra ho an’ny ray aman-dreny manan-janaka lahikely mbola hatao didim-poitra ny fiparitahan’ny vaovao sy sary momba ilay zaza maty vao avy  noforaina tamina tambajotra sosialy tato ho ato.Vokatr’izay, lasa mailo ny ray aman-dreny ary manadihady tsara ireo dokotera  handray an-tanana ny famorana ny zanany vao  manapa-kevitra. Ny sasany mandeha  dokotera  roa na telo samihafa mihitsy maka toky vao resy lahatra.Ny hafa aza moa nihemotra mihitsy ary hiandry amin’ny herintaona satria nahatsiaro tahotra loatra vokatr’iny tranga niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy iny.Efa betsaka ireo dokotera manao famoran-jaza amin’ny fomba amerikanina, tsy mandeha ra amin’izao fotoana ho amin’ny tanàn-dehibe. Aleon’ny ray aman-dreny mandany vola mandeha amin’izy ireny hitsinjovana ny ain-janany.Mbola tena mahasarika ireo any ambanivohitra kosa  ny  rain-jaza izay efa manana traikefa  manokana ihany koa amin’nyfamoran-jaza, saingy  mandeha ra ny ratra avy eo.Amin’izao fotoana anefa, betsaka ihany koa ny tranga mpiseho amin’ireny famoran-jaza  ireny. Ao ireo dokotera tsy mahatafavoaka tsara ilay famorana ka voatery  haverina foraina fanindroany ilay zaza noho izany tsy fahatomombanan’ny fandidiana natao izany.Efa misy ireo  dokotera mipetraka ny lazany ary malaza ho mahay tsara ny famorana. Tsy ny rehetra anefa no mahafantatra azy ireny. Efa mametraka avo ny fahaizany koa izy ireny ka lafo dia lafo ny saran’izany fanaovana didim-poitra izany, ao amin’izy ireny.Tatiana AL’article Famorana: niteraka tahotra ny fisian’ny zaza maty a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifandonana fiara sy môtô

Voadonan’ity môtô rehefa nijanona tampoka teo alohany ny fiara tsy mataho-dalana iray marika «Ford Berline». Teny Ivato no nisehoan’io loza io, afak’omaly. Naratra tamin’izany ny lehilahy, 26 taona, nitondra môtô. Simba ihany koa ny kodiaran-droa. L’article Fifandonana fiara sy môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Nihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana

Vokatra tsara. Nidina ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana tamin’ny Faritra 16 nandritra ny fametrahana ny fandaharanasa ho an’ny fahaveloman’ny reny sy ny zaza na MCSP, izay nanomboka nihatra tamin’ ny taona 2014. Raha 250 no maty isan-taona dia nihena ho 19 ankehitriny. “ Matetika zaza iray ao anatin’ny telo no maty alohan’ny hahaterahany satria betsaka ny olana mitranga eo am-piterahana. Amin’izao fotoana izao, dia nihena be izany araka io antontan’isa io na eny amin’ny hopitaly na CSB”, hoy Razafimandimby Eliane Ramiandrison, talen’ny fandaharan’ asan’ny MCSP. Toeram-pitsaboana fototra na CSB sy hopitalin’ ny distrika na CHRD miisa 822 ao anatin’ny Faritra 16 no niasan’ity fandaharanasa ity. Anisan’izany i Diana, Sava, Boeny, Melaky, Sofia, Analamanga, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Vatovavy Fitovinany, Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsinanana, Analanjirofo sy Ihorombe ary Atsimo Andrefana. Nahatratra efajato sy arivo ny olona nisitraka ny fampiofanana.“Nahazo fiofanana izahay amin’ny fomba fampiterahana. Teo ny fisorohana ny fahaverezan-drà eo am-piterahana amin’ ny alalan’ny tsindrona. Betsaka ny olona nanatona toeram-pitsaboana tao anatin’izany. Tao anatin’ny roa volana nahatratra 145 no tonga niteraka teto amin’ny CSB raha tany amin’ny renin-jaza foana hatramin’izay. Ny taona 2015 no nisy zaza efatra maty teo am-piterahana fa rehefa nahazo io fiofanana io aho dia tsy nisy intsony izany”, raha ny fanamafisan’ Andriamasoandro Edy, lehiben’ ny CSB II Anjiamangirana ao amin’ny distrikan’ Antsohihy. L’article FAHASALAMANA :: Nihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana

Nandray andraikitra avy hatrany ny boriboritany faha-4, manoloana ny zava-dozaataon’ireo mpanao biriky eny an-toerana. Mpanao biriky maromaro no hita sy tsikaritra mandavaka ny sisin’ny digy Anosizato, izay hita fa tena mihagoaka ka mety hitarika fahavakisana ato ho ato. Araka izany, natsahatra avy hatrany ny asan’izy ireo. Nomena taratasy fampiantsoana avy izy ireo ho tonga eny amin’ny boriboritany hijerena raha manana ny taratasy fazahoan-dalana feno nahafahany manao biriky eo amin’io toerana io.Raha sanatria ka misy fahavakisany ny arabe sy ny digy amin’iny faritra iny dia mety hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ny ranon’Ikopa, ka ho lasa dibo-drano ny faritra iva manodidina.Raha ny tokony ho izy, eny amin’ny nosy kely afovoan-drano ireto mpanao biriky ireto no tokony hihady ny tany izay ilainy, fa tsy eny amin’ny sisin’ny arabe sy digy toy ny ataony ankehitriny.Ho avy ny fahavaratra, mampanahy ny mety ho fahavakisana raha mitohy ny asa fanamboarana biriky mikaoka ny sisin’ny digy. Tandindomin-doza ny tanàna rehetra manodidina vokatr’izany.Mila hamafisina aza ireo efa nohadian’ireo mpanao biriky ireo mba tsy hampiitatra ny fahavoazana mialohan’ny fahavaratra izao. Noraisina izao fepetra izao mba ho fisorohana ny loza mety hitranga, ary ho fitsinjovana hatrany ny soa iombonan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, hoy ny tompon’andraikitra.Tatiana AL’article Digy Anosizato: ahiana ny fihotsahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Judo-Afrika seniors: nahazo medaly alimo efatra i Madagasikara

Nifarana, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-41, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “seniors”, taranja judo. Ny teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona ny namaranana izany, mbola nahazoan’i Madagasikara laharana fahatelo ka nahatafakatra ny isan’ny medaly ho efatra ho an’ny mpikatroka malagasy. Azo lazaina ho tsy nitsanga-menatra, araka izany, isika, raha io vokatra io. Raha hiverenana izay efatra andro nifaninanana izay, Rakotovao Narindra (-57kg), sokajy vehivavy, ny nisantatra ny fisalorana ny medaly, tamin’ny andro voalohany. Teo amin’ny faharoa, ny nandrombahan-dRatsimiziva Fetra (-81 kg), sokajy lehilahy, ny medaly alimo faharoa ho an’i Madagasikara, raha toa ka Ramiandrisoa Haingoniaina Durianah (+78 kg) kosa ny namarana ny fisalorana medaly, ho an’ny Malagasy, tamin’ny andro fahatelo, teo amin’ny fifaninanana samirery. Tsy nijanona hatreo anefa fa nampitomboin-dry Fetra sy ry Laura ho efatra ny medaly azon’ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana isam-bondrona, omaly. Nahazo ny laharana fahatelo i Madagasikara rehefa samy nandresy ny mpifanandrina taminy, tamin’ny ippon, Ratsimiziva Fetra sy Rasoanaivo Laura. Ity mpikatroka malagasy vehivavy ity izay tena manana ny hoaviny amin’ity taranja ity, raha jerena ny fahaiza-manaony sy ny taonany.Amin’ny ankapobeny, saika nifampizaran’ireo firenena sangany ny medaly volamena, saingy i Egypta ny nahazo betsaka indrindra, mialoha an’i Alzeria sy i Senegaly.“Tanteraka ny fanamby napetraka ny hahatontosa antsakany sy andavany ity fifaninanana iraisam-pirenena goavana ity teto Madagasikara”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Anio ny hotodi-doha any amin’ny firenena niaviany avy ireo delegasiona vahiny rehetra. Mi.RazL’article Judo-Afrika seniors: nahazo medaly alimo efatra i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery           

Mpivady 41 isa no nahafeno ny antontan-taratasy ilaina nanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe tao Ambatomainty, boriborintany fahadimy, ny herinandro lasa teo. Na maro aza ny namaly ny antso avy amin’ireo fokontany 27 ao anatin’ny boriborintany fahadimy, ireo ihany no nahavita ny antontan-taratasy ilaina. Vokatry ny ezaky ny boriborintany avokoa no nahafahana nanatanteraka ity hetsika natao maimaimpoana ity, hoy ny delegen’ny boriborintany fahadimy, Rakoto Emmanuel Richard.Notontosaina ny herinandro teo ny fanamboarana ny lalankely izay mampitohy ny fokontany Ambodihady sy fokontany maromaro eo anivon’ny boriborintany fahenina. Nifarimbonan’ny ekipa teknikan’ny boriborintany fahenina sy ny ekipa avy tao amin’ny asa vaventin’ny kaominina ny asa. Ny ekipan’ny boriborintany no naka sy nanangona ary nitaona ireo vato nesorina tamin’ny sisin-dalana na “trottoir”. Ny ekipa avy tao amin’ny DTP kosa no nandrafitra ny vato hirindra tsara ho rarivato. Vato avy nalan’ny Colas tamin’ny sisin-dàlana ireny no nahavitana lalankely. L’article Indray mijery            a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Antenimieram-pirenena :: Hijoro ho hery afovoany ny vondrona parlemantera repoblikana

Sady tsy ho mpanohana no tsy ho mpanohitra ny fitondram- panjakana. Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Vondrona parlemantera repoblikana (Gpr), tarihin’ny depiote Rakotomamonjy Nepatraiky. Nambarany fa “hijoro ho hery afovoany izy ireo ary tsy homba na hanohitra ny fitondrana”. Miisa iraika amby roapolo ireo depiote ao anatin’ity vondrona parlemantera ity, izany hoe mihoatra dimy amin’ny Vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara. Notsipihin- dRakotomamonjy Nepatraiky fa fototra hijoroan’ny vondrona parlemantera tarihiny ihany koa ny fipetrahana ho mpanolo- kevitra amin’ireo fanapahan-kevi-dehibe hoentina mampan- droso ny firenena. “Isan’izany, ohatra, ny momba ny fanolorana anarana Praiminisitra”, hoy izy. L’article Antenimieram-pirenena :: Hijoro ho hery afovoany ny vondrona parlemantera repoblikana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fanadiovana :: Noesorina avokoa ireo mpivarotra nanerana an’Analakely

Nanao be midina vao maraina nanemitra ny nanerana an’Analakely ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) niaraka tamin’ireo olon’ny Polisimpirenena, nanomboka tamin’ ny zoma alina. Raikitra ny fanadiovana faobe, nandritra an’ iny faran’ny herinandro iny, niainga teny Andohan’Analakely ka hatreny amin’ny gara Soarano. Isan’ny natao tamin’izany ny fanentanana ireo mpivarotena, fanesorana ireo mpivarotra toaka amoron-dalana sy ny mpisotro toaka ao anaty fiara. Nihatrana vao maraina (sabotsy) teny an-toerana ny Polisy monisipaly sy ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ ny mpamonjy voina ary ny ekipa sasany tao amin’ny kaominina, nandritra ny fanatanterahana an’izao asa fanadiovana izao. Norarana, tsy toy ny isan’andro, ireo mpivarotra mameno fiantsonana hatrany ambanin’ny “Arcade”. Noesorina hatramin’ ireo mpanamboatra finday sy ireo fiara maty izay niantsona an-taonany teny an-toerana. Natao ireo peta-drindrina mikasika ny toromarika miantefa amin’nyolona rehetra mandalo amin’iny toerana iny mba ho fanajàna ny fahadiovana sy ny fandaminana ny tanàna. Notohizana ihany koa ny fanentanana an’ireo mpandalo amin’ny fanajàna ny toerana fiampitana eny amin’ny arabe. L’article Fanadiovana :: Noesorina avokoa ireo mpivarotra nanerana an’Analakely est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Notsongaina

Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA
19/06/2021

Ilaina ny fananana antontanisa, ahafahana miatrika ny fampandrosoana. Anisan’ iza­ny ny eo anivon’ny CUA. Voadinika tamin’ny fivoriambe momba ny fanamby sy ny fahafaha-manao amin’ny antontanisam-panjakana eny ifotony ny amin’ny tokony ho fandraisana andraikitra bebe kokoa. Ni­fanakalo hevitra tamin’izany tetsy Analakely ny avy amin’ny masoivohon’i Sosia, amin’ny alalalan’ilay antsoina hoe «Road to Bern» . Niarahana amin’ny ONU ny fandinihana sy ny fijerena ny fomba fiasa manoloana ny eo anivon’ny firenena sy ny faritra ary indrindra ho an’ny eto amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra. Manana ny antontan-ke­vitra sy ny antontanisa ny CUA. Tsy ampy anefa izany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny Instat. Efa maha matihanina izy ireo. Tsy mbola misy ny fifanatonana sady tsy mbola mazava tsara ny fankatoavana ny antontanisa eo an-tananan’ny CUA. Nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana ny haitao ara-nomerika eo anivon’ny kaominina, Ranaivo Mihaja fa efa niezaka namoaka ny antontanisa eo an-tanany izy ireo, efa herintaona izao. Anisan’izany ny fitantanana ny tsena, Taxi, Par­king… «Miezaka hatrany izahay mba hanana antontanisa mitombina sy marina. Efa misy ny fomba fiasa vaovao ary efa an-dalana ny hanatsarana hatrany ny asa», hoy izy.Synèse R.L’article Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka
16/06/2021

Tsy mandalo fotsiny amin’ny Mpanoratra sy Poeta ny Iray volan’ny teny malagasy, fa misy hatrany ny hetsika hanamarihana izany. Namoaka ny boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka. Boky faharoa navoakan’ny tovolahy izy ity, raha ny « Hadalan’ny fo » ny boky voalohany navoakany, ny taona 2015.  « Amboaran-tononkalo miisa 30 pejy eo izy ity, I Zara Ainga nanao ny teny fanolorana ary i Bade RaAnRaMa nanao ny fampahafantarana ahy. Miresaka lafim-piainana maro, indrindra ireo lohahevitra tsy dia be mpiresaka eo anivon’ny fiarahamonina, ireo zavatra atao an-tsokosoko, ireo zavatra tsy sahin’ny rehetra lazaina anaty tononkalo, izay anisan’ny antony namoahana azy an-tsokosoko. Ezahina ny hanapariahana azy ho an’ny rehetra mpankafy ny literatiora malagasy », raha ny filazany. Marihina fa i Ando Harinjaka, poeta sady mpanoratra ao amin’ny Vondron’ny Korirakanton’ny Haisoratra, mpilalao teatra  sy zavakanto hafa ao amin’ny Bee Z’art.Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky Na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana sy ny mbola tsy fahafahana mamory olona maro dia noezahina ihany ny hampihodina ny literatiora .Tsapa koa fa sarotra ho an’ny olona ny hanjifa boky amin’izao hasarotry ny fiainana izao ka dia noezahina ny hamoaka boky mirary takatry ny rehetra, indrindra ireo tanora. Natao ihany koa izao boky izao ho fandraisana anjara amin’ity Iray volan’ny teny malagasy ity. Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky amin’ny teny malagasy ka izay no namoahana boky miventy lohahevitra mahaliana, sady hisarihana azy ho tia ny teny malagasy, araka ny nambaran’ i Ando harinjaka. Manana ny tambajotran-tserasera facebook “Ando harinjaka” ny tenany ho an’ireo te hifanerasera aminy.NarilalaL’article Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana
17/06/2021

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana efatra ny efa tontosa tamin’izany ka ny roa, tao amin’ny sokajy A ary ny roa, ho an’ny vondrona B. Raha hiverenana ny voka-dalao ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Arzantina sy i Chili ho an’ny vondrona B. Nahatafiditra ny baolina ho an-dry zareo Arzantin i Lionel Messi.3 no ho 1 kosa ny niondrehan’i Bolivia teo anatrehan’i Paragoay. Nilalao 10 ny Bolivianina, teo anatrehan’i Paragoay, rehefa nahazo karatra mena i Jaume Cuéllar, teo amin’ny minitra faha-45 + 9 mn. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao ireo, mitarika i Brezila sy i Kolombia, ao amin’ny sokajy A, samy manana isa 3. I Paragoay kosa ny lohany ho an’ny vondrona B, nahazo isa 3, arahin’i Arzantina amin’ny isa 1.Hitohy rahampitso zoma ny fifanintsanana ka hifandona i Kolombia sy i Venezoela ary hifanehatra kosa i Brezila sy i Perou.Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana amin’ity “Copa America” ity. I Brezila, i Kolombia, i Pérou, i Ekoatera, i Venezoela ao amin’ny vondrona A. i Paragoay, i Arzantina, i Chili, i Orogoay, i Bolivia kosa ny an’ny sokajy B. TompondakaL’article Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao”
16/06/2021

Nitohy teny amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Analamanga, ny 15 jona 2021 teny Nanisana,  ny fanentanana ny fanaovana vaksiny Covid-19 ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa avy nampahafantarina ny mpiasan’ny DREDD, ireo mponina eny amin’ny fokontany Nanisana maniry ny hanao vaksiny  ny mombamomba ny vaksiny  Covid-19 sy ny tombony azo avy amin’ny fanaovana izany dia niroso tamin’ny fanaovam-baksiny izy ireo. 60 olona teo no nataon’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka vaksiny tamin’io fotoana io. “ Izahay eto amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Analamanga dia resy lahatra fa tokony atao ny  vaksiny. Maromaro tato aminay no narary ary tratran’io  forme grave io , ary nisy nandao fianakaviana. Narary taminay ilay izy dia  tiana ialàna izay zavatra izay dia nanentana ny mpiasa izahay. Miara-miasa  akaiky amin’ireo mponina ety ihany koa izahay,  anisan’izany ny ato amin’ny fokontany Nanisana, ny distrika Avaradrano”, hoy ny Tale-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy  Andrianandrasana Herizo.  Nambarany fa “ny  fahasalaman’ny olona dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana”. “Hiatrika ady amin’ny afo izahay, isika ato ato. Ilaina salama ny olona, miara-miatrika an’izany ady izany mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana lovain-jafy”, hoy izy. Miverina amin’ny fiainana andavanandro Ho an’ny faritra Analamanga, misokatra ho an’ireo olona 18 taona mihoatra maniry ny hanao vaksiny Covid-19  ireo toerana natokana amin’izany toy ny  eny amin’ny  Stade Malacam, Kianja fanaovana basket  eny Anosisoa  Ambohimanarina,  ny “vaccinodrome” eo aorian’ny FJKM Salema vaovao 67ha… Mandray olona manomboka  amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 4 hariva ireo toerana ireo. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga, Raharimamonjy  Laliarisoa fa afaka manatona ireo olona te hisitraka vaksiny: olona maromaro na orinasa, fiangonana,  ministera, ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana.  “Raha mihoatra ny 40 isa dia azonay atao ny manatona”, hoy izy. Manentana ny rehetra, indrindra ireo olona mihoatra ny 45 taona Ramatoa Raharimamonjy  Laliarisoa hanao vaksiny satria “raha nahatsikaritra isika dia  io sokajin-taona io no maro olona lavon’ny covid, maromaro amin’ireo forme grave”. Nohamafisiny fa  ny  “fanaovana vaksiny no lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao, miala amin’ny fihibohana, miverina amin’ny fiainana andavanandro”.  Marihina fa anisany nanolon-tena amin’ny fanentanana ny mpiara-belona hanao vaksiny i Haingo Pararadis.  “Noho ny fahatsapana ny maha sarobidy ny aina dia resy lahatra fa ilaina ny fanaovana vaksiny ahafahana miatrika ny covid-19, tsy ahatongavana amin’ny forme grave. Amiko harena ny olona”, hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ity. Lynda A. Cet article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” a été récupéré chez Délire Madagascar.

Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… »
15/06/2021

Manoloana ny fahasarotan’ny fampidirana entana avy any ivelany ho an’ny taranja ara-panatanjahantena eto amintsika, nitaky ny  fandraisan’andraikitry ny fanjakana hijery akaiky ny  fomba entina hanamorana izany ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniako, omaly. Na eo aza ny tsy fandoavan’ny federasiona hetra araka ny lalàna misy eto Madagasikara, sahirana ireo tomponandraikitra  ara-panatanjahantena amin’ny fikarakarana ny taratasy hamoahan’izy ireo ny entana. «Noho ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy eo amin’ny famoahana ny fitaovana ara-panatanjahantena eto amintsika, tapitra very ny 60 ka hatramin’ny 70% amin’ireo fitaovana kasaina hanampiana ny atleta malagasy»,  hoy izy. Tetsy ankilany, nilaza koa ny filohan’ny UAJ fa mitaky fampitoviana hatrany ny fijerena ny taranja rehetra entina hampisongadinana izany. «Tsy mandroso ireo taranja ireo raha tsy misy ny fampitoviana eo amin’ny famatsiam-bola ho an’ny tsirairay », hoy hatrany ny tenany.  Marihina fa nigadona teny amin’ny seranam-piaramandina Ivato ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniaiko, omaly.Tsiferana R.L’article Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… » a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina
19/06/2021

Talenta vao, hisongadina tsy ho ela. Izay efa naheno ny sanganasan’i Aline Kaloina dia niteny izany avokoa. Manohy tsikelikely ny lalany izy.Vao 18 taona monja ity tovovavy ity… Avy ao antsirabe izy, ary manan-talenta amin’ny mozika. An­tony iray nampiakaran’ny tarika Mahaleo azy an-tsehatra io, tamin’ny fampisehoana farany notontosain’izy ireo tao amin’ ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny taona 2019. Fantatra izao fa hiroso bebe kokoa ao anatin’ny tontolon’ny mozika amin’izay i Aline Ka­loina. Efa vita rakitsary ny “Mandindona”, izay hira fiderana entiny hanombohana. Tsy io ihany anefa ny hirany, satria sady mpamorona, mpitendry no mpihira ihany koa ity tovovavy ity. Anisan’ny noforoniny ny “Sao ho nenina”, “Mpandresy”, sns, izay hozarainy tsy ho ela amin’ny mpankafy mozika. Noho ny nanehoan’i Dadah Rabel ireo hirany ireo indrindra no niantsoany azy hifampizara sehatra tamin’izy ireo teto An­tananarivo, Antsirabe ary Fia­narantsoa. Raha ny fitantaran’i Kaloina, nihaona tao amina trano fandraisam-peo iray izy sy i Dadah Rabel. Teraka teo ny fiaraha-miasa, izay zezika nanosika an’ity tovovavy ity amin’ny lalana kasainy haleha. Nialoha ny fihaonana tamin’ i Dadah sy ny tarika Mahaleo anefa, efa nanaraka fiofanana momba ny mozika i Kaloina, ny taona 2013. Nianatra nitendry gitara sy nitsoka sodina ary “clavier” ihany koa izy. Vao 7 taona monja dia efa hitan’ny fianakaviana taratra ny talentany. Efa nandray anjara tamina fifaninanana “cover”, ny taona 2016, ka nahazo ny laharana faharoa. Nampiara-peo tamin’i Rado Manantena, tao anatin’ ilay hira “Mozika” izy. Mpi­kam­bana feno ao amin’ny Normal Gospel ao Antsirabe ihany koa. Noho izay fivelarany eo amin’ ny mozika izay, tsy tena manana gadona na karazana mozika voizina manokana i Kaloina, na dia manana fironana amin’ny Pop soul aza. Manam-paniriana hanana trano fandraisam-peo azy ma­nokana ity tovovavy ity. Tsy mozika ihany anefa ny fiainany fa manam-pikasana ho lasa mpandika teny ka mandalina tenim-pirenena maro i Aline Kaloina. Efa mahafehy ny Fran­tsay, ny Anglisy ary ny Es­pagnol izy, mianatra indray ny teny sinoa sy ny teny alemà.Zo ny AinaL’article Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina a été récupéré chez Newsmada.

Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats
19/06/2021

Les secrétaires généraux des trois ministères concernés sont confiants quant à l’issue de cette conférence. La réforme du système éducatif sera de nouveau remise sur le tapis. Pas moins de 250 personnes œuvrant dans le secteur de l’éducation apporteront leurs remarques et leurs recommandations sur le sujet durant une conférence débat. Pendant deux jours, c’est-à-dire les 21 et 22 juin, tous les acteurs œuvrant dans le domaine de l’éducation se réuniront au Plazza Ampefiloha pour une conférence-débat en vue de la préparation de la revue thématique sectorielle du PSE (Plan sectoriel de l’éducation). C’est une initiative participative et inclusive des trois ministères responsables de l’éducation, dont le ministère de l’Education nationale (MEN), le ministère de l’Enseignement technique et de la formation professionnelle (METFP) et du ministère de l’Enseignement technique et professionnel (Mesupres). Les thèmes qui seront débattu s’articuleront autour de la politique enseignante et de la riposte Covid-19. Les secrétaires généraux de ces ministères concernés ont rencontré la presse, hier, pour faire le point sur le sujet. Le choix de ces thèmes n’est pas fortuit compte tenu du contexte sanitaire dans le pays. D’après le secrétaire général du METFP, Samuel Rakotondrainy, la Covid-19 a eu des impacts conséquents sur l’éducation. « Les écoles, les universités ainsi que les centres de formations professionnelles ont fermé leurs portes durant la pandémie. Il est donc essentiel de poser la question suivante : comment assurer la continuité de l’apprentissage de nos jeunes ? Le renforcement de la résilience du système éducatif face aux éventuelles catastrophes sera aussi mise en exergue », a-t-il souligné. Il a aussi indiqué dans la foulée que 250 participants dans toutes les 22 régions du pays seront attendus à cet évènement en présentiel et en visio-conférence. Concernant la politique enseignante, le milieu, la formation, la qualification ainsi que les conditions de travail des enseignants seront discutés par ces acteurs de l’éducation. L’objectif étant de dégager les recommandations et les remarques pour apporter des améliorations dans la réforme de l’éducation. Narindra Rakotobe L’article Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Revue thématique sectorielle du PSE : La politique enseignante et la riposte Covid au centre des débats a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso
16/06/2021

Hosantarina amin’ny fanamarihana ny niverenan’ny Fahaleovantena na tsy mbola hotokanana aza. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly fa hotanterahina eo amin’io toerana io ihany ny matso hataon’ny Foloalindahy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany.Nijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny kianja Barea ny filoha, omaly. Nambarany tamin’izany fa hatao eo ny matso ho an’ny 26 jona. “Tsy mbola fitokanana akory izany. Hatao amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita 100% ny asa”, hoy izy. Nanteriny fa mampiseho ny maha Malagasy ny ravaka rehetra: aloalo, ravinala, loko, ny sainam-pirenena mampiray. Ny Barea, mampiray ary hapetraka ho an’ny taranaka ity kianja ity. Hiteraka fidiram-bola ireo fotodrafitrasa rehetra. Ahitana hotely, efitrano fivoriana, toeram-pivarotana, kianja fanomanan-tena…  “Azo andraisana hetsika kolontsaina sy zavakanto koa…”, hoy izy.Midika izany fa tsy hisy ny “podium” lampihazo hanaovan’ny mpanakanto hetsika na koa ny afomanga, ny 25 jona.Hiova ny fankalazana ny faha-61 taona…Efa natsidiky ny filoham-pirenena ny alahady teo, niainga avy any Taolagnaro, fa hatao eny anivon’ny renivohi-paritany enina: i Mahajanga, Antsiranana, Antananarivo, i Fianarantsoa, i Toliara ary i Toamasina ny matso, hanamarihana ny fetim-pirenena. Anton’izany ny hamehana ara-pahasalamana. Nentaniny koa ny rehetra hanangan-tsaina, hanehoana ny hambompom-pirenena. “Mba hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana eo amintsika handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Midika izany fa hiverina eny Mahamasina indray ny matso raha teny Analakely izany tamin’ny herintaona. Hiova amin’ny endriny hafa koa anefa satria eo amin’ny kianjan’ny Barea nohavaozina sy nohatsaraina izany amin’izao faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.Synèse R. L’article Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra
17/06/2021

Tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana tato anatin’ny andro maromaro. Vatsim-pianarana tsy voaloa ny fototry ny olana sy ny fitakiana miafara amin’ny fifanandrinana amin’ny mpitandro filaminana.Taorian’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato-Fianarantsoa, omaly maraina, noho ny fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, mpianatra roa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Degs, sy ny filoha leftra, no voasambotra tao anatin’ny hetsika. Niraisan’ny lalam-piofanana rehetra ny fitakiana ka niato ny fampianarana ho an’ny mpianatra sasany fa nitohy kosa ny fanantanterahana ny fanadinana ho an’ireo miatrika izany, toy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Nanapa-kevitra hampiato ny fanadinana manomboka anio ny tomponandraikitra noho ny toe-draharaha misy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nisy nanimba ny fitaovana tao amin’ny CTCNanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina omaly no nandoro kodiarana nanoloana ny « barrière » eo amin’ny fiadidiana ny oniversiten’i Fianarantsoa ny mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianarana. Nitaona mpianatra namana hafa teny anivon’ny toeram-pianarana ny mpitarika nanatevina ny hetsika ary nanao sakana teny amin’ny tetezana Antanifotsy sy nandoro kodiarana indray, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Raikitra teo ny fifanjevoana ary nisy ny fandefasana grenady lakrimozena nandravana ny fitokonona. Rehefa voasambotra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, nihemotra ny mpitokona ka noravana ny hetsika. Ny tapak’andro hariva, nitohy tamin’ny fanimbana fitaovana tao anatin’ny CTC eo anivon’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ny hetsika. “Tsy fantatra mazava aloha hatramin’izao ireo nitarika ny fanimbana fa raikitra ny savorovoro”, hoy ny loharanom-baovao. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana, omaly hariva, ihany ireo mpianatra roa voasambotra ny maraina.Minisiteran’ny Fampianarana ambonyEo am-pikarakarana ny vatsim-pianarana volana fahafitoManoloana ny hetsika mafampana fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversite tany Mahajanga sy tany Toliara ary tany Fianarantsoa, nanao fanambarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Assoumacou Elia, omaly. Efa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Fampianarana ambony nijerena manokana ity raharaha ity, ny talata hariva lasa teo.Voalazany fa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana. Ireo tara tsy mbola nandray ny volana voalohany noho ny fihibohana, handray izany miaraka amin’ny fampitaovana. Hampifanarahina amin’ny famitana ny taom-pianarana kosa ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy. Manentana ny mpianatra ho tony ny minisitra mpiahy satria handray avokoa ny vatsim-pianarana feno izay voakasik’izany. Momba ny karaman’ny mpandraharaha eny anivon’ny oniversite, efa manao ny ezaka ny fanjakana handefa ny karama mialoha ny fetim-pirenena.Vonjy A.L’article Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.