Antenimiera roa tonta : misy ny volavolan-dalàna ny amin’ny politika momba ny teny 

News - Antenimiera roa tonta : misy ny volavolan-dalàna ny amin’ny politika momba ny teny 

News - Antenimiera roa tonta : misy ny volavolan-dalàna ny amin’ny politika momba ny teny 

“Ny toe-tsaina mihitsy no ilàna
ny politika momba ny teny. Efa niakatra teny amin’ny
Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona izahay eto amin’ny
Akademia. Ary efa eo am-pelatanan’ny filoha nifandimby teo ny
politika momba ny teny amin’izao fotoana izao” hoy ny tale
jeneralin’ny Foibe momba ny teny eny anivon’ny Akademim-pirenena,
Rasoloarimalala Randriamamonjy Esther, momba ny volavolan-dalàna ny
amin’ny politika momba ny teny izay efa napetraka eny amin’ny
Antenimiera roa tonta.

“Tsy mora io tsy akory”,
hoy izy. Tsy hoe hametrahana didy iray dia tsy maintsy miteny
malagasy avokoa ny rehetra, na tsy maintsy atao amin’ny teny
malagasy avokoa ny rehetra. Sarotra io satria 25 tapitrisa isika
ankehitriny. Andrasana ny valin-teny hisian’ny fanantenana indray
andro any.

Mbola tsy tena mahaleo tena
isika

Takina hatrany ny politika momba ny
teny. Tokony horesahina mialoha ny firafitry ny teny. Ny firafitry
ny toe-tsain’ny Malagasy manerana ny Nosy no anisan’ny lehibe ao
anatiny. “Revorevon’ny hoe azo ny Fahaleovantena isika, fa
mbola tsy tena mahaleo tena  raha tsy mivoaka io didy
io”, hoy ihany izy.

Ny manahirana ny olona
an-drenivohitra, indrindra ny any ambanivohitra, miady tany, miady
lova: tena very rehefa miditra fitsarana. Tena manahirana ny teny
frantsay ampiasaina amin’izany. Efa nahavita rakibolana momba ny
fitsarana ny eo anivon’ny Tahala Rarihasina amin’ny foibe momba ny
teny ao amin’ny Akademiam-pirenena. Saingy sarotra ny mamoaka boky
haparitaka. Nefa efa misy ezaka sy dingana lavabe efa vita.

Izany rehetra izany, araka ny
fanazavany, ho an’ny olona maka vadintany na miresaka amin’ny
mpisolovava na ny mpiara-miasa any amin’ny fitsarana: samy
nampitaina avokoa fa mba hatao amin’ny teny malagasy fa tsy
fantatry ny maro manana ady eny amin’ny fitsarana. Tokony hisy
fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana sy ny Akademiam-pirenena ny
amin’izany.

R.Nd.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Antenimiera roa tonta : misy ny volavolan-dalàna ny amin’ny politika momba ny teny  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Banky SG Madagasikara: tolotra tsy asiana sarany

 Ho an’ny banky Société générale (SG) Madagasikara, fotoana firoboroboan’ny toekarena ny volana jona. Hoentina hanohanana izany vanim-potoana izany ny fanomezana tolotra manokana tsy asiana sarany ho an’ny fanokafana kaonty vaovao sady miaraka amin’ny tolotra samihafa, sahaza ny tsirairay.Nanomboka ny tapaky ny jona teo ity tolotra vaovao ity ary manan-kery hatramin’ny 31 aogositra 2019. Maimaimpoana ny fahazoana ny tolotra (pack) Mandrosoa, ny Mandrosoa plus sy ny Akaiky, mandritra ny enim-bolana voalohany. Ahena tarehimarika efatra (4 points) koa ny fampindramam-bola Soafeno (lasa 16%). Omena karatra banky Poinsettia na Varongy Visa, ahafahana misintona na mandoa vola. Eo koa ny fitahirizam-bola Soafiandry, ny Messalia hijerena ny kaontim-bola amin’ny finday. Afaka mampiasa ny Mvola amin’ny pack Akaiky, famindram-bola amin’ny banky harotsaka ao amin’ny Mvola.Ho an’ireo mpandeha lavitra, azo atao ny mandoa na misintom-bola amin’ny Packs Eben Or amin’ny alalan’ny Visa Gold. Mampiasa ny 3D Secure amin’ny internet, tsy milahatra rehefa eny amin’ny masoivohon’ny SG Madagasikara rehetra, sns.Njaka A.L’article Banky SG Madagasikara: tolotra tsy asiana sarany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema

Hiady ny anaram-boninahitra ho tompondaka  2019  ny Fosa Juniors élite avy any amin’ny ligin’i Boeny sy ny As Adema avy amin’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Manana isa 14 ny ekipan’i Bob Kootwijk raha isa 12 kosa ny an’ny ekipan’i Jhonny. Miendrika lalao famaranana ny hitranga amin’ny andro fahafito farany, hihaonan’ny As Adema sy ny Fosa Juniors, hatao etsy Mahamasina, ny alahady 9 jona. Tsy maintsy mitady fandresena ny As Adema raha te hahazo ny amboara.  Ampy ho an’ny solontenan’i Boeny   ny ady sahala. Raha hiverenana ny voka-dalao,  nivoaka ho mpandresy  tao Tsiroanomandidy, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny As Adema nifandona tamin’ny Ajesaia.  Nahatafiditra io baolina tokana io i Aro ho an’ny ekipan’ny seranam-piaramanidina.Resy ny  CNapsTany Mahajanga indray, nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Fosa Juniors nanoloana ny CNaPS Sport. Vao roa minitra monja nanombohan’ny fihaonana, efa nahatafiditra baolina ny FJE, tamin’ny alalan’i Santatra. Namaly ny tompondakan’Itasy avy  eo, saingy narian’i Tendry izany  baolina tsara azony izany. Taty amin’ny minitra faha-29, nahazo “penalty” ny Fosa Junior, rehefa voafingan’i Ando kapiteny tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Besna. Tsy nihambahamba i Baggio teo nampiditra ny baolina ary io isa 2 no ho 0 io no nentina niala sasatra. Taty amin’ny minitra faha-59 nilalaovana kosa ny nahatafiditra ny baolina tokana ho azy ny CNaPS Sport tamin’ny alalan’i Lalaina.  Nisaraka 2 no ho 1 io  ny roa tonta.Mi.Raz L’article Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CAN 2019: mpanohana ofisialy ny lalao ny Orange

Fanineniny no hanohana amin’ny fomba ofisialy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, hatao any Egypta, ny orinasan-tserasera, Orange. Raha tsiahivina, mpiara-miombonantoka amin’ny baolina kitra afrikanina, nanomboka ny taona 2008 ny Orange.Firenena misy ny Orange avokoa ireo 11 amin’ireo 24 tafita amin’ny “Can 2019” ka anisan’izany, i Kameronina, Côte d’Ivoire, RD Kongo, Egypta, Ginea, Ginea Bisao, Madagasikara, Mali, Maraoka, Sénégal ary Tonizia. Araka izany, ho hita amin’ireo kianja hilalaovana ny marika Orange.Hisy fanentanana, hatao eto Madagasikara sy fifaninanana hahazoana mivahiny any Egypta. Hatao any amin’ireo toerana voatokana izany, miaraka amin’ny fahitalavitra lehibe hanarahana ireo lalao rehetra. Tanjona, ny iainan’ireo mpanjifa ity fetin’ny kitra ity. Hisy koa ny «tournoi orange kitra », hatao any amin’ireo faritra samihafa, hitondra ny anaran’ireo ekipa 24 miatrika ny «Can 2019 », ka hanomboka ny asabotsy 22 jona, ny fifanintsanana.Hisy koa ny «tournoi », atao amin’ny PES 2019, any amin’ireo firenena isan-tokony, ka hisolo tena ny fireneny avy, ny ho mpandresy, izay hiatrika ny famaranana lehibe «Panafricaine Orange Esport Experiecne», ny 17 sy 18 jolay, any Le Caire Egypta. Ho an’i Madagasikara, hotanterahina ny 15 jona, izao, eny amin’ny Arena Ivandry ny dingana famaranana. Ankoatra ny fivahinianana any Egypta, hijery ny famaranana ity «Can 2019» ity ihany koa io solontenan’i Madagasikara, io.Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny taona 2024, ny ho fanohanan’ny Orange, ny Caf, amin’ity fifaninanana, ity. Torcelin L’article CAN 2019: mpanohana ofisialy ny lalao ny Orange a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanjombato: sesilany ny asan-jiolahy, telo lahy saron’ny polisy

Saron’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Tanjombato, omaly maraina, ny telo tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana nisesy amin’iny faritra Tanjombato hatrany Andoharanofotsy iny. Maro ireo olona mitaraina amin’ny afitsok’ireo jiolahy, saika ho isan’andro izany, araka ny fijoroana nataon’ireo olona lasibatra. Raha ny loharanom-baovao voaray, nanomboka ny talata hatramin’ny alakamisy teo, nisy asan-jiolahy mitam-piadiana niseho tao Belambanana Andoharanofotsy. Tsy vitan’izay fa ankoatra ny fandrobana, mbola nisy vehivavy iray voaolana mihitsy aza nandritra izany. Nitohy ny zoma indray izany tao Ankadilalampotsy, kaominina Tanjombato, nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana koa tao an-toerana. Tokantrano iray notafihin’ny jiolahy, saingy tsy tontosan’ireo jiolahy hatramin’ny farany anefa ity fanafihana ity satria henon’ny tompon-trano. Nandeha ny fanadihadiana rehetra taorian’izay. Omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina, nisy nahatsikaritra teo an-tanàna ihany ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niantsoana polisy avy hatrany izy ireo ka noraisim-potsiny. Ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy satria mbola tsy fantatra na iray ihany na samihafa ireto jiolahy ireto.J.CL’article Tanjombato: sesilany ny asan-jiolahy, telo lahy saron’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Barea de Madagascar

Nolavin-dRandriamamy Mathyas, mpiandry tsatobin’ny Paris St Germain, ny fiantsoan’ny mpanazatran’i Frantsa azy, handrafitra ny ekipam-pirenena frantsay, sokajy U20. Nambarany fa ny hilalao ao amin’ny Barea de Madagascar no tiany ary hiaro ny voninahi-pirenena, amin’ny fihaonana rehetra ho avy. Tompondaka L’article Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mivoy ny gadona Batrelaka: dimy taona nanehoana ny talentany i Jacky Askany

Zanak’i Farafangana… Jacky Askany,  mivoy ny Batrelaka, araka ny gadona any amin’ny faritra niaviany. Dimy taona nilomana teo amin’ny tontolon’ny mozika ny tenany, ankehitriny.  Tao anatin’izay, nanomana hira vaovao foana ho an’ny mpankafy azy izy. Maro ny seho nanehoany ny talentany raha tsy hilaza afa-tsy  ny “cabaret” matetika tao amin’ny  Hôtel Le Glacier Analakely, ny fampisehoana  tany Atsimo Atsinanana, indrindra ny tao Farafangana.   Anisan’ny hira tena nahafantaran’ny maro an’i  Jacky Askany ny “Ino gne ratsy “.  « Tena miroborobo tsy misy ohatra izany ny mpihira, ankehitriny.  Misy foana ny hira vaovao mivoaka  na ny « nouveauté » heno sy hita amin’ny haino aman-jery isan-karazany. Indraindray anefa tsy hay ny tena manavaka ny sasany amin’ny hafa.  Mila manana ny mampiavaka anao amin’ny hafa  hatrany anefa ianao , ary izay no maha artista, na ilay famoronana tsy manampaharoa. Izany no mahatonga an’ireny mpihira taloha ireny tsy lefy laza hatramin’izao satria tena nahay nitrandraka ny maha izy azy izy ireo”, hoy i Jacky Askany, nanazava ny fomba fahitany ny mozika ankehitriny.Marihina fa misy 30 eo ho eo ny hirany ary 14 ny rindrantsary na “clip”hatramin’ny “lyrics” izay natao, araka ny nambarany. Ny zandriny lahy, i Jackot no manampy feo azy rehefa manao fampisehoana izy. Maka mpitendry manokana  kosa rehefa misy hetsika fa tsy manana mpitendry raikitra i Jacky Askany. Ny ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy no fanirian’ny lehilahy ary hanandratra ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao.  Tarigetrany ny hampahafantatra an’i Magasikara amin’ny alalan’ny mozika ataony .NarilalaL’article Mivoy ny gadona Batrelaka: dimy taona nanehoana ny talentany i Jacky Askany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony

Mbola ahina hihamafy ny kere any atsimo? Tsy fahampiana na tsy fisian’ny rotsak’orana ihany no antony. Hanao ahoana ny taom-pamokarana amin’izany? Tsia, tsy ny any atsimo ihany. Na ny manerana an’i Madagasikara aza, mampanahy sy mampiroaroa saina. Tsy ny rano no tsy ampy fa ny politika fifehezana azy no tsy nisy hatramin’izay.Miara-dalana amin’izay kere izay, tsy mahafa-bela ny firongatry ny mpifindra monina. Eny, na lazaina ho misy isan-taona aza ny mpila ravinahitra: tsy takona afenina ny fahamafisan’ny kere any Atsimo. Hanao ahoana? Samy manana ny fahasahirana ny amin’izao, ary marolafy ny olana: mahazo ny maro eny ifotony, tsy azo tamoraina, mila vahana maika…Mbola tsy mahafa-bela tanteraka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny doro tanety, ny ady tany… Manampy trotraka ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranana amin’ny famatsian-drano… Marolafy ny olana… mifampiankina. Marolafy ihany koa ny vahaolana? Ny ady tsy ahi-mahatratra. Nefa tsy ahina intsony izao ady izao fa efa mihatra.Azo antoka sy mahomby ny vahaolana, raha samy miatrika izay tandrify azy ny isan-tsehatra sy ambaratonga? Na anaovana ady am-parimbona ny raharaha… Atao raharaham-pirenena toy ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19… Nahombiazana farany teo; eny, na mbola tsy resy tosika tanteraka aza. Ny fiaraha-miady no antoka handresena.Tena misy ny fahatapahan-kevitra sy ny fahavononana hamaha olana? Fiatrehana eny ifotony sy mivantana ny ady, araka izay tandrify ny tena: tsy vitan’ny fanaraha-maso sy famoahana fanambarana, ohatra, fa tena vahaolana haingana sy mivaingana, miantraika mivantana amin’ny vahoaka, mampandroso ny fianam-bahoaka… Fotoan’ny asa izao.Izay ihany no antoka mahamarin-toerana sy mampilamina na toy inona mety ho fanaratsiana, fanakiviana, famafazana lainga, fanakorontanana… Ny olana mivaha na an-dalam-pamahana no tsy mampisy olana amin’izay mitranga sy atao. Mby aiza? Eo ny vahoaka manana ny fijeriny mahita izay atao aminy, mandinika sy mahalala koa izay ataony.Rafaly Nd. L’article Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery

Nozarain’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle fanafody ho enti-miady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid -19 ny mpiasa rehetra eto anivon’ny minisitera iadidiany, omaly. CVO, Magnésium-B6, vitamine C sy arotava no nozaraina. Nambarany fa ilaina ny fandraisana andraikitra sy fanajana ireo fepetra hoentina miady amin’ny valanaretina. Nisy ny fitiliana natao tamin’ny zoma lasa teo ho an’ny mpiasa ary mbola hitohy izany.Notokanana, omaly, ny efitranon-tsekoly roa vaovao etsy amin’ny EPP Antohomadinika. Fiaraha-miasa amin’ny masoivoho frantsay no nahafahana nanao izany trano izany. Tanjona ny hanamaivana ny isan’ny mpianatra raisina amina efitranon-tsekoly iray, indrindra amin’izao fihanaky valanaretina covid-19 izao. Nahafahana nanavao ny kojakoja enti-mampianatra sy ny fitaovana tao an-tsekoly ihany koa ny tohana avy amin’ny masoivoho frantsay. L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara

Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa  mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy  Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina
19/06/2021

Talenta vao, hisongadina tsy ho ela. Izay efa naheno ny sanganasan’i Aline Kaloina dia niteny izany avokoa. Manohy tsikelikely ny lalany izy.Vao 18 taona monja ity tovovavy ity… Avy ao antsirabe izy, ary manan-talenta amin’ny mozika. An­tony iray nampiakaran’ny tarika Mahaleo azy an-tsehatra io, tamin’ny fampisehoana farany notontosain’izy ireo tao amin’ ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny taona 2019. Fantatra izao fa hiroso bebe kokoa ao anatin’ny tontolon’ny mozika amin’izay i Aline Ka­loina. Efa vita rakitsary ny “Mandindona”, izay hira fiderana entiny hanombohana. Tsy io ihany anefa ny hirany, satria sady mpamorona, mpitendry no mpihira ihany koa ity tovovavy ity. Anisan’ny noforoniny ny “Sao ho nenina”, “Mpandresy”, sns, izay hozarainy tsy ho ela amin’ny mpankafy mozika. Noho ny nanehoan’i Dadah Rabel ireo hirany ireo indrindra no niantsoany azy hifampizara sehatra tamin’izy ireo teto An­tananarivo, Antsirabe ary Fia­narantsoa. Raha ny fitantaran’i Kaloina, nihaona tao amina trano fandraisam-peo iray izy sy i Dadah Rabel. Teraka teo ny fiaraha-miasa, izay zezika nanosika an’ity tovovavy ity amin’ny lalana kasainy haleha. Nialoha ny fihaonana tamin’ i Dadah sy ny tarika Mahaleo anefa, efa nanaraka fiofanana momba ny mozika i Kaloina, ny taona 2013. Nianatra nitendry gitara sy nitsoka sodina ary “clavier” ihany koa izy. Vao 7 taona monja dia efa hitan’ny fianakaviana taratra ny talentany. Efa nandray anjara tamina fifaninanana “cover”, ny taona 2016, ka nahazo ny laharana faharoa. Nampiara-peo tamin’i Rado Manantena, tao anatin’ ilay hira “Mozika” izy. Mpi­kam­bana feno ao amin’ny Normal Gospel ao Antsirabe ihany koa. Noho izay fivelarany eo amin’ ny mozika izay, tsy tena manana gadona na karazana mozika voizina manokana i Kaloina, na dia manana fironana amin’ny Pop soul aza. Manam-paniriana hanana trano fandraisam-peo azy ma­nokana ity tovovavy ity. Tsy mozika ihany anefa ny fiainany fa manam-pikasana ho lasa mpandika teny ka mandalina tenim-pirenena maro i Aline Kaloina. Efa mahafehy ny Fran­tsay, ny Anglisy ary ny Es­pagnol izy, mianatra indray ny teny sinoa sy ny teny alemà.Zo ny AinaL’article Efa niara-nihira tamin-dry Mahaleo…: hiditra lalina kokoa amin’ny mozika i Aline Kaloina a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Monde selection 2021 »: nahazo ny medaly volamena ny Eau Vive
17/06/2021

Azon’ny Eau Vive, vokatry ny orinasa Star, ny fankasitrahana ambony indrindra, ny medaly volamena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Monde sélection 2021 ». Manampy isa ny medaly volamena efa azon’ny Eau Vive ity fankasitrahana ity. Tsy nitsahatra nanatsara ny kalitaon’ny rano fisotro ny orinasa Star, amin’ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana  rehetra. Arahi-maso akaiky ny dingana amin’ny famokarana hatramin’ny fivarotana ho an’ny mpanjifa, nahatongavana amin’izao fankasitrahana izao. Azo sotroina amin’ny fotoana rehetra ny Eau Vive. Efa an-taony maro ny nitazonany ny laharana voalohany eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany, ary manamafy izany ity medaly volamena vao azo ity.Njaka A.L’article « Monde selection 2021 »: nahazo ny medaly volamena ny Eau Vive a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : nifampidinika ny mpianatra sy ny tomponandraikitra
19/06/2021

“Vatsim-pianarana dimy volana no notakinay ka tsy mahafa-po ny telo volana nambaran’ny minisitera fa haloa ary efa namoahana tetiandro”, hoy ny mpitarika ny hetsika fitakiana ao amin’ ny oniversiten’i Fianaran­tsoa, ny alakamisy hariva teo. Niantso ny mpianatra hanohy ny fihetsiketsehana noho izany izy ireo eny amin’ ny kianjan’ny serasera, omaly. Hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao ny fizarana ny vatsim-pianarana ka haharitra hateloana. Araka ny vaovao azo, naato aloha ny fanohizana ny fitakiana saika hatao omaly fa nisy fivoriana niarahan’ny mpitandro filaminana sy ny prefet ary ny solontenan’ny mpianatra ary ny solontenam-panjakana ao an-toerana. Nanamarika koa ny mpianatra fa tsy toromarika avy amin’ izy ireo mihitsy ny fandorana fananan’olona sy fanimbana fananana iombonana ka to­kony ho mailo ny mpianatra. Etsy an-daniny, nanao fanambarana ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony tamin’ny alalan’ny minisitra taorian’ny zava-niseho tany amin’ny oniversite’i Toliara ka namoizana aina sy naharavana fananana. Maname­loka ny herisetra sy ny fa­nao­vana fitaovana ny mpianatra ho fanakorontanana ny firenena ny minisitera mpiahy.Vonjy A.L’article Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa : nifampidinika ny mpianatra sy ny tomponandraikitra a été récupéré chez Newsmada.

Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre
19/06/2021

Le Premier ministre Christian Ntsay a reçu, hier matin, la délégation du Programme Alimentaire Mondial (PAM) conduite par David Beasley, et qui a vu la présence du ministre de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène. Le chef de délégation a fait savoir sa satisfaction concernant le partenariat avec les membres du gouvernement, notamment sur la lutte contre la Covid-19, les impacts des changements climatiques, mais surtout la descente dans le Sud du pays pour constater de visu la réalité. Il a également souligné que la priorité sera donnée, entre autres, à l’eau potable, à l’agriculture et à l’éducation. Recueillis par Dominique R L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mahazoarivo : Le PAM chez le Premier ministre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime
16/06/2021

Me Willy Razafinjatovo a été critique envers le chef de l’Etat. Me Willy Razafinjatovo, alias Olala, a tenu une conférence de presse, hier, à son domicile à Ankadifotsy. Sa rencontre avec la presse était principalement axée sur les récentes déclarations du président de la République. Il estime en effet, que les déclarations de ce dernier ne reflètent pas la réalité. Olala a ainsi cité, entre autres, que la RN13 part de Taolagnaro à Ihosy mais non pas de Taolagnaro à Ambovombe comme l’avait dit le président. La RN10 n’a pas non plus manqué à ses critiques en soulignant que les affirmations du président ne correspondaient pas à la réalité. A propos du pipeline, Olala de citer que le projet remonte au mandat de Hery Rajaonarimampianina. Il pense ainsi qu’« on ne fait que répéter ce qu’ont fait les autres. Il ne faudrait pas faire les choses à moitié ». En un mot, Me Willy Razafinjatovo a particulièrement critiqué le régime, et le président de la République en particulier. Recueillis par Dominique R. L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Me Willy Razafinjatovo : Critiques à l’encontre du régime a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera
15/06/2021

Nihaona mivantana tamin’ny mpisehatra rehetra mikasika ny kariera any Andilana Avaratra ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nanaiky hiditra amin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka ary hisy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajaina.Nidina tany Andilana Avaratra, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ravokatra Fidiniavo, ny 11 sy 12 jona teo. Nifanesy nihaona taminy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any amin’ny faritra, toy ny governor Alaotra Mangoro, ny prefe sy ny lehiben’ny distrika Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana OMC-Emmo, ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina rehetra. Teo koa ireo mpikirakira sy mpividy vato, ny tangalamena, ny tompon-tany, sns. Nifampidinihana ny vahaolana mikasika ity toeram-pitrandrahana vatosoa beryl ity. Nambaran’ny minisitra, fa harena iombonan’ny rehetra ny harena an-kibon’ny tany ka rariny raha misitraka izany ny vahoaka malagasy.Hatao kariera filamatraMarihina fa tsy nanana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka ka tsy maintsy hirosoana ny ara-dalàna. Tanjona ny hahazoan’ny rehetra tombontsoa sy ny tamberim-bidy entina hampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Maro ny soso-kevitra avy amin’ny tsirairay, hisy ny tondrozotra iombonana hitantanana ity kariera any Andilana Avaratra ity. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny hananganana bokin’andraikitra ho an’ireo mpitrandraka, hitantanana ny filaminana, ny fahadiovana, ny fomba fitrandrahana, sns. Hisy toerana iray hividianana ny vato, harahi-maso ny kalitao sy ny vidim-bato. Hatao kariera filamatra ny any Andilana Avaratra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Andilana Avaratra: maro ny vahaolana naroso ho an’ny kariera a été récupéré chez Newsmada.

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo
17/06/2021

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.Sajo L’article Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao
18/06/2021

Nifanaraka ny Jirama sy ny Green Yellow Madagascar (GYM) miaraka amin’ny vondrona Axian, hanitatra ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Ambatolampy, manana hery 20 hatramin’ny 40 Mw, sy batterie 5 Mwh. 17 tapitrisa euros ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mpampindram-bola ny Société Générale, ny GuarantCo, African Guarantee Fund, ary ny BMOI sy ny BNI Madagascar, izay samy nilaza fa mbola hanohana ny tetikasa dingana faharoa.Nambaran’ny Green Yellow Madagascar fa manomboka ny volana jona izao ny tetikasa ary azo trandrahina amin’ny faran’ny taona. «Tafiditra ao anatin’ny tanjona nofaritanay ny fampitomboana fahazoana herinaratra, madio sy maharitra, ary zakan’ny Malagasy rehetra. Miasa ho an’izany isan’andro ny vondrona Axian amin’ny alalan’ny Axian Energy, izay mahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy, fanamby lehibe napetraka na teo aza ny krizy ara-pahasalamana », hoy ny PDG vondrona Axian, i Hassanein Hiridjee.“Manamafy ny fisian’ny Green Yellow eto Madagasikara sy ranomasimbe Indianina izahay, voalohany amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina. Ny fanitarana izany ao Ambatolampy no hahafahanay sy ny Axian hiroso lavidavitra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an’izay mbola heverina hatao eto Madagasikara”, hoy kosa ny PDG GreenYellow, i Otmane Hajji.   R.MathieuL’article GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana
14/06/2021

Mijaly rano ny mponina any Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, maina ny tany, lafo ny vary, ary ratsy dia ratsy ny lalana. Ireo ny olana amin’ny ankapobeny mahazo ny mponina. Herinandro maromaro izao, tsy mahazo rano ny mponina na tsy ampy ny rano avy amin’ny Jirama. Milina mandeha amin’ny herin’ny masoandro no mampiakatra ny rano avy any ambany mankany ambony toerana. Rehefa ratsy ny andro, mihodina ihany ny milina, rehefa ratsy ny andro, tsy mandeha ny milina satria tsy misy “batterie” nanomboka ny volana marsa tamin’ity taona ity. Volan’ny CLD (Comité local de développement) anefa nividianana ny milina. Koa noho ny tsy fahampian-drano, lasa mividy rano amin’ny vovo ny olona, 400 Ar ny daba 20 l. Mavesatra ho an’ny tokantrano maro izany, satria tsy ampy iray andro mihitsy ny rano 20 l.800 Ar ny kapoakan’ny varySahirana ihany koa ny mponina amin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny vary, 800 Ar ny kapoaka; menaka, 8000 Ar ny litatra ; siramamy, 1100 Ar ny kapoaka. Mampihemotra ny fari-piainan’ny olona daholo ireo, tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Tsy tafita amin’ny vahoaka maro anisa ny tarehimarika navoakan’ny praiminisitra momba ny tahan’ny vidim-piainana, fa ireo PPN saika misondro-bidy isan’andro ny hitany.Olana iray goavana iainan’ny mponina hatramin’ny taona maro ny lalana RN10. 250 km avy eo Andranovory, 30 000 Ar ny saran-dalana avy any Toliara, atao iray andro amin’ny fiara lehibe mpitatitra, misy olona 80 ao anatiny miampy entana ambony sy ambany. Mihantona ny tongotra mandritra ny dia, resaka fotsiny izany elanelana sakana amin’ny valanaretina izany,  araka ny filazan’ny mponina. Tany lavitra andriana. R.MathieuL’article Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy
15/06/2021

Manan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mitohy hatrany ny famoahan’ny mpikarakara ny “Tiona Bagasy”. Hiompana amina mpanakanto iray izy amin’ity boky vaovao ity.Asa goavana no vita! Tontosa soa aman-tsara ka hivoaka ny 26 jona izao ilay boky sy CD (mirakitra ireo feonkira) nampitondraina ny lohateny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy. Araka io lohateniny io, natokana ho an’ireo hira nokaloin’i Henri Ratsimbazafy izy ity, ka hira sy tonony mahatratra 26 no voasoratra amina solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky roa sy voarakitra ao anatin’ilay kapila mangirana (CD) miaraka aminy ny feony. Amin’ny fiteny malagasy sy anglisy ary frantsay ny boky Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy, na ny “TBG HR”. Nanao ny solfa sy sorapeo : i Mbosa Rabenasolo sy i Olivier Ramorasata ary i Naina Andrianarivony.Ireto avy ireo hira vita solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky voalohany: “Bobongolo ilay fitia”, “Dans ma case en falafa” (Ao an-trano falafa), “Fitiavan’ankizy”, “Fony aho”, “Hodian-tsy hita ve”, “Ianao”, “Ilay sarinao”, “Indro tazako”, “Tiana”,“Kalon’ny any Tyrol”, “Kanefa…”, “Iarivo », « Kidaombaramita », « La chercheuse d’eau » (Ilay mpantsaka), « Lasa izahay ».Ny ao anatin’ny boky faharoa kosa : “Mamy indray ny miaina”, “Manimanina”, “Ny fitiavana ihany”, “Ny itiavako anao re ry Mama”, “Ny lambanao mikopakopaka”, “Prends ma main”, “Raozy maina”, “Ry Voahirana ô”, “Satria tia ahy ianao”, “Talaky mandeha”, “Ton lamba blanc”, “Vao teny antsasa-dàlany”, “Veloma… doria”.Nanao ny sasinteny i Benjamina Emadisson, nanoratra ny “préface & forewords” i Beby Randretsa-Rabenasolo. Teny fanolorana notontosain’i Mbosa Rabenasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy a été récupéré chez Newsmada.

Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités
18/06/2021

L’Organisme Mixte de Conception (OMC), représenté par le Préfet, soutient que le jeune décédé par balle hier n’était pas un étudiant de Maninday. Il appelle donc les universitaires à se calmer. De même, le patron de la Circonscription de la Gendarmerie confirme que le mort n’est pas un originaire de Tuléar. « Pour que les Forces de l’Ordre (FO) puissent mener leur investigation, la franchise universitaire a été levée », dixit le Président de l’Université de Tuléar. De leur côté, les étudiants, retranchés au Campus de Maninday, crient haut et fort que ce malheureux était leur camarade. D’ailleurs, un compagnon de lutte aux côtés de la victime a gardé une douille pour montrer que les forces de l’ordre ont tiré à balles réelles, quand ils ont été attaqués hier, mercredi 16 Juin près de la barrière du Campus. Une enquête est donc nécessaire pour connaître la vérité . Un Professeur de l’Université a reconnu tout de suite qu’il s’agissait bel et bien d’un étudiant de l’Université de Maninday, en provenance d’une autre province, après identification de la dépouille. « Comme il s’agit d’un sortant de 5è année en gestion/économie, il se peut qu’il ne soit pas inscrit cette année », raisonne le même professeur. Cette dernière version est possible car plusieurs meneurs de grève sont des sortants qui attendent la validation de leur Master, une validation qui tarde à venir. Pendant ce temps, le cadavre gisait toujours à la morgue, ce jeudi 17 Juin, ce qui démontre que le jeune sans vie, vient d’une autre Région, loin de sa famille. Les étudiants veulent bien le récupérer, mais ils sont séquestrés au Campus et ne peuvent aller à la morgue de l’Hôpital pour s’occuper de lui,  et lui rendre un dernier hommage. Charles RAZA L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités a été récupéré chez Midi Madagasikara.