Anosibe – Mandrangobato: trano fivarotana notafihin’ny jiolahy, olona iray naratra

News - Anosibe – Mandrangobato: trano fivarotana notafihin’ny jiolahy, olona iray naratra

News - Anosibe – Mandrangobato: trano fivarotana notafihin’ny jiolahy, olona iray naratra

Nitrangana fanafihan-jiolahy
nirongo fitaovam-piadiana indray teny Anosibe Mandrangobato, omaly
hariva tamin’ny 6ora sy 30mn. Trano fivarotana enta-madinika iray
ity voatafika ity. Araka ny fanazavan’ny raim-pianakaviana
tompon-tsena, mody hividy zavatra ry zalahy tamin’io fotoana io,
kanjo nandrangaranga antsy sy basy avy hatrany. Voalaza fa telo
lahy ry zalahy ka ny roa lahy nidaroka ilay raim-pianakaviana sy ny
mpanampy azy tao am-pivarotana. Vokany, voatsatoka antsy teo
amin’ny sandriny ilay mpanampy raha niezaka nanohitra ireo
olon-dratsy. Lasan’ireo mpanafika ny vola tao anaty harona, niampy
ny entana tao am-pivarotana. Tao anatin’ny fotoana fohy no
nanatanterahan’ireo ny fanafihana. Nitsoaka avy hatrany ireo
jiolahy taorian’izay, tsy nanampo na inona na inona rahateo ireo
niharam-boina. Tsy afa-nanoatra rahateo ny olona teo amin’ny
manodidina manoloana ny basy teny an-tananan’ireo jiolahy. Nentina
namonjy hopitaly kosa ilay tovolahy niharam-boina. Isan’ireo
faritra ahitana asan-jiolahy matetika eny Anosibe sy ny manodidina
iny ka isan’ny mampikaika ny olona eny an-toerana.

J.C

Article tiré de Newsmada

L’article Anosibe – Mandrangobato: trano fivarotana notafihin’ny jiolahy, olona iray naratra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Antsirabe: voatafiky ny jiolahy ny tobin-tsolika iray, lasa ny vola tanaty coffre

Nisy nandroba, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo koa, ny tobin-tsolika iray ao Ambaniandrefana Antsirabe. Omaly kosa vao nahatsikaritra ny fahavakisan’ny trano ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitantanana ny tobin-tsolika. Ireo mpiasa handeha hiasa vao maraina no nahatsikaritra ny fahavakisan’ny birao iray ao an-trano. Voazalan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa avy any andamosin-trano no nidiran’ireo jiolahy ary nivantana tao amin’ny biraon’ny tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny tobin-tsolika izy ireo. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny vola tao anaty vatamafihidy (coffre fort). Vola azo nandritra ny faran’ny herinandro teo ireto napetraka tao anaty vatamafihidy ireo, kanjo izao lasan’ny jiolahy izao. Tsy misy banky miasa rahateo ka izay no antony nitahirizana azy tao anatin’io vata io, araka ny fanazavana hatrany. Tsy vitan’izay fa nesorin’ireo mpangalatra koa ny “camera de surveillance” tao amin’ny birao sy ny solosaina mitahiry ny rakitsary rehetra niaraka tamin’ny “disque dur”. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny tentimbidin’ny zavatra very sy ny vola voaroban’ireo jiolahy. Notanana nanaovana fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana sy ireo mpiasa niasa tamin’io alahady alina io. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.J.CL’article Antsirabe: voatafiky ny jiolahy ny tobin-tsolika iray, lasa ny vola tanaty coffre a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis

Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa vondrona azoazo, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana any amin’ny “Can 2021”, tanterahina any Kameronina. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy K, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Niger ary i Kenya no misy ny Barea de Madagascar. “Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo roa voalohany, ny Barea de Madagascar. Raha ara-taratasy, ambony lavitra ny Barea, raha mitaha amin-dry zareo Kenyanina sy Niger. Ny Ivoarianina no mafy, saingy miankina amin’ny fanomanana ny zava-drehetra”, hoy  izy.Marihina fa samy niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta i Kenya sy i Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona ny Kenyanina, raha nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny Ivoarianina.Tafita hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina, ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsiahivina fa tsy miatrika ny lalao savaranonando, intsony ny Barea de Madagascar. Mbola hanao izany kosa i  Liberia sy Tchad, Sodan Atsimo sy Seychelles, Nosy Maorisy sy Sao Tomé sy Principe ary i  Djibouti sy i Gambia. TompondakaL’article Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Incendie à Tanambe : Un convoi dépêché par la Jirama pour rétablir l’électricité

La Jirama a envoyé immédiatement des générateurs, transformateurs, matériels et équipements pour rétablir au plus vite l’électricité à Tanambe Ambatondrazaka. Un court-circuit ! C’est ce qui a provoqué l’incendie, qui s’est déclenché dans la matinée de mardi dernier, dans la centrale de production d’électricité de la Jirama, à Tanambe Ambatondrazaka. D’après les responsables auprès de la Jirama sur les lieux, cet incendie a causé une coupure d’électricité. Une inspection et une évaluation des dégâts est en cours, en vue d’ inventorier les matériels et équipements récupérables. « Une concertation a été organisée rapidement par les dirigeants de la Jirama à Antananarivo, pour rechercher une solution permettant de rétablir rapidement l’approvisionnement en électricité. Ce même jour, dans l’après-midi, la Jirama a envoyé deux générateurs d’une capacité de 200KVA pour le premier et 90KVA pour le second, pour remplacer les matériels calcinés sur le site. Des transformateurs et d’autres matériels et consommables ont été ajoutés à la cargaison, afin d’assurer la distribution d’électricité aux usagers. De même pour le carburant permettant de faire fonctionner les générateurs en question », a indiqué la Jirama, dans son communiqué diffusé le jour où la catastrophe s’est produite. Selon la programmation faite par la Jirama, ces nouveaux matériels et équipements ont été installés hier même par les techniciens au sein de la société d’État ; et l’électricité rétablie dans la soirée d’hier. Pour la Jirama, rétablir l’électricité coupée à cause de problèmes techniques devient une course contre la montre, dans l’optique d’améliorer ses services aux usagers. Antsa R. L’article Incendie à Tanambe : Un convoi dépêché par la Jirama pour rétablir l’électricité est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Incendie à Tanambe : Un convoi dépêché par la Jirama pour rétablir l’électricité a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Mode - News - News Mada

AFT: « Modus mode » ho an’ny lamaody

Tsy fahita matetika ny hetsika mahakasika ny lamaody eto amintsika. Anisan’ireo vitsivitsy hanasongadina izany ny « Modus mode », hotanterahina ny 26 hatramin’ny 29 novambra, etsy amin’ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba. Andiany faharoa ny amin’ity taona ity, karakarain’ny AFT sy ny Twenty Ten Totem. Tanjon’ny “Modus mode” ny hampiroborobo ny indostrian’ny lamaody eto amintsika. Miara-dalana amin’izany ny fampahafantarana sy ny fanomezan-danja ireo sehatra asa samihafa miara-mifarimbona ao anatin’izany tontolon’ny lamaody izany. Anisan’izany, ohatra, ny famoronana, ny fanjairana, ny filatroana, ny fikarakarana volo, ny fakana sary, ny fandraisana horonantsary na “vidéo”, sns. Andiany faharoa ny « Modus mode » amin’ity taona ity. Misy karazany maro ny fandaharam-potoana ao anatin’izany: fihaonana sy fifanakalozana eo amin’ny matihanina, ny mpianatra ary ny mpankafy lamaody. Hisy koa ny fampirantiana saripika, miompana tanteraka amin’ny fanehoana ny asa famoronana lamaody malagasy. Manampy izany ny atrikasa mikasika ny asa manodidina ny lamaody. Tsy hadinoina ny alina miavaka, ny “Soirée de gala”, ny 30 novambra, ahitana filatroana sy fanentanana samihafa. Landy R.

News - News Mada

Tsy fisiana toerana fampinonoana: azo itarainana eny amin’ny sampana fanaraha-maso ny asa  

Minisitera efatra: ny Raharaham-bahiny, ny Asam-panjakana, ny Fahasalamana ary ny Fampianarana teknika ihany aloha, hatreto, ny minisitera sakaizan’ny zaza manana toerana manokana ahafahan’ny vehivavy miasa mampinono ny zanany ao am-piasana, isan’andro. “20 ny orinasa tsy miankina nanaja ny lalàna voalazan’ny lalàn’ny asa ka nanokana efitra mifandraika amin’izay. Nisy orinasa efatra vaovao hafa niditra amin’ny ara-dalàna ary efa sakaizan’ny zaza ihany koa, nanomboka tamin’ity Herinandron’ny fampinonoana ity”, hoy ny tomponandraikitry ny sampandraharaha momba ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny minisitera, Raveloarisoa Blandine, teny Mahamasina, omaly. Tokony hametraka fitarainana eny anivon’ny fanaraha-maso ny asa ny vehivavy mpiasa mahatsapa fa tsy misitrakak ny zo hampinono ny zanany mandritra ny 15 volana aorian’ny niterahany. Adiny iray isan’andro ny zo hampinono ho an’ny vehivavy miasa. Any amin’ny toerana manokana ao am-piasana izy no mampinono raha misy mampiasa vehivavy mihoatra ny 25 ilay orinasa.Aorian’ny fametrahana fitarainana, midina ifotony ny tomponandraikitry ny fanaraha-maso ny asa mijery ny zava-misy marina ary mandray ny fepetra hanasaziana ny tompon’ny orinasa tsy manaja lalàn’ny asa.Omaly, nisy fanentanana sy fampahafantarana ny lalàna momba ny fametrahana orinasa sakaizan’ny zaza. Ho an’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny hetsika izay nialohavan’ny filaharana nanehoana ny maha zava-dehibe ny fampinonoana ny zaza vao teraka hatramin’ny enim-bolana. Niarahan’ny ONG sy ny fikambanana maro ny hetsika: ny ONN, ny ACF, ny OMS ary ny minisiteran’ny Fahasalamana.Mbola adihevitra lehibe ny momba ny andro tsy iasana aorian’ny fiterahana izay tokony ho enim-bolana raha tiany ny hampinono tsy misy fangarony ny zaza.Vonjy A. L’article Tsy fisiana toerana fampinonoana: azo itarainana eny amin’ny sampana fanaraha-maso ny asa   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy

Anisan’ny manana lanja lehibe eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampitana ny maha Malagasy (tantara, fomba amam-panao, fanandroana, sikidy, fahaizana momba ny zavamaniry…) sy ireo kolontsaina iraisam-pirenena toy ny yoga ny Trano Kolotoraly Malagasy. Raha ny fantatra, araka ny vaovao nampitaina, hanatanteraka ny fivoriambeny amin’ny alahady 4 aogositra izao, ao amin’ny ELI Soarano (Toerana fampianarana teny anglisy) ity fikambanana ity.Na tsy mbola voalaza amin’ny antsipiriany aza ny lahadinika na ny fandaharam-potoana, azo inoana fa ho voaresaka ao anatin’izany fivoriambe izany ny fikatsahana izay hampandrosoana ny Trano Kolotoraly Malagasy sy ny adidy efa niantsorohany hatramin’izay.Raha tsiahivina, angady nananana sy vy nahitana ny Trano Kolotoraly Malagasy ny dokotera Rakotonirainy Joseph. Nahay zavatra maro izy ary nampianatra mpianatra maro ihany koa. Fa anisan’ny nampiavaka azy ny fitiavan-tanindrazana tao aminy.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandrobana teny Andohatapenaka :: Mpanendaka mpitondra sabatra nogadraina eny Tsiafahy

Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tovolahy iray, valo ambin’ny folo taona, noho ny fanendahana sy fandrobana olona eny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Mitondra antsy lava io tovolahy io rehefa manao ny asa ratsiny. Fantatra fa efa maro ny olona lasibatrany. Henon’ny polisy ny fisiana tovolahy mitondra sabatra maranitra mandehandeha sy mivezivezy ary manendaka eny Andohatapenaka sy ny manodidina. Nofantarina ny momba­momba azy rehetra talohan’ny nisamborana azy, tamin’ny herinandro lasa teo. Voamarina fa efa maro ny olona norobainy ary efa betsaka ihany koa ny fitoriana momba azy voarain’ny polisy ao amin’ny kaomisaria eny amin’ny 67 Ha. Telo andro taorian’ny famotorana no nitondrana azy teny amin’ny Fampanoavana, ka izao niafara tamin’ny famonjana vonjimaika izao. L’article Fandrobana teny Andohatapenaka :: Mpanendaka mpitondra sabatra nogadraina eny Tsiafahy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fahatongavan’ny razan’i Goly be: vitsy ireo nanotrona ny fianakaviana

Nahonena fa tsy nisy mpijery fa irery ny fianakavian-dRafalimanana Ferdinand (Goly be), omaly, nandritra ny fahatongavan’ny nofo mangatsiakany teny Ivato. Ireo mpiara-milalao fahiny sy ny fikambanan’ny mpilalaon’ny Club M, Scorpions, ny avy amn’ny federasiona malagasy (FMF), ary mpanao gazety vitsy ihany ny hany tonga nanotrona ny fianakaviana. Tsy hita ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity olympika malagasy, izay mpiahy voalohany ny atleta.Na teo aza izany, heni-kaja ary heni-boninahitra ny vady aman-janak’i Goly Be. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny razana ary niaretan-tory tao, omaly. Niainga tamin’ny 5 ora maraina ary nihazo an’i Mahajanga, mialoha ny handevenana azy, any Mandritsara, rahampitso talata.Ankoatra izay, nodimandry ny zoma teo ihany koa Rabearimanana Michel Telesphore, vodilaharan’ny AS PTT sy ny Club M. Tompondaka L’article Fahatongavan’ny razan’i Goly be: vitsy ireo nanotrona ny fianakaviana a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina.

TRANGA TSY MISY FAHASAROTANA (Forme simple): Tsaboina eny anivon’ny CSB II (Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina) sy eny amin’ny CMC-19 Andohatapenaka ary arahi-maso any an-trano (traitement ambulatoire). FANAMARIHANA : Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka, dia mandray an-tanana vonjimaika ihany koa ireo olona maneho tranga misy fahasarotana (Forme modérée, Forme grave) ary mandefa azy ireo any amin’ny « CTC-19 » na « CHU ». ————————————- « FORME MODEREE» : Ampidirina ka tsaboina any amin’ny: CTC-19 : Ivato (CCO), LTP Alarobia, Palais des Sports Mahamasina, CHRD : CHRD Anosiavaratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely, CHRD Bongatsara, CHRD Andramasina,CHRD Mahitsy. ————————————- TRANGA MISY FAHASAROTANA (Forme Grave) Ampidirina ka tsaboina eny anivon’ny Hôpitaly Lehibe: CHU Anosiala CHUJRA Ampefiloha CHUJRB Befelatanana, CHU Andohatapenaka CHU Fenoarivo, HOMI Soavinandriana ————————————- VEHIVAVY BEVOHOKA : CHU GOB Befelatànana ————————————- ZAZA LATSAKY NY 15 TAONA : CHUMEA Ambohimiandra ————————————- TOERANA AFAKA HANATONANA MIVANTANA HO AN’IREO OLONA MISY SORITR’ARETINA HANAO FITILIANA (PCR)  CMC-19 Andohatapenaka  CHUJRB Befelatanana  CHUJRA Ampefiloha FANAMARIHANA :  Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka dia toeram-pangalana singa fotsiny ihany, noho izany tsy mamoaka valim-pitiliana.  Ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina « Covid-19 » taorian’ny fitiliana natao azy dia mahazo antso na « sms » miampy toromarika avy amin’ny « Plateforme ».  HIALANA AMIN’NY FIVEZIVEZENA IZAY MAMPITOMBO NY FIPARITAHAN’NY ARETINA DIA TSY MISY INTSONY NY FAMOAHANA « ATTESTATION » MIKASIKA NY VOKATRY NY FITILIANA « PCR », FA NY « SMS » AVOAKAN’NY « PLATEFORME » DIA MAHASOLO IZANY. Loharanom-baovao: DGMP, DGFS_MSANP Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Notsongaina

Tselatra
17/06/2021

Nampidirina vonjimaika am-ponja ireo mpivady voarohorohy amin’ny fanolanana sy ny fampijaliana zaza tsy ampy taona tetsy Ambohijanaka. Mpianadahy 4 sy 6 taona ireo ankizy niharan’ny habibian’ireo mpivady rehefa tsy navelany intsony namonjy ny sekoly. Nafenin’izy ireo tao an-trano fonenany ihany ireo ankizy ary nanaparany ny herisetrany. Vokany, nanaitra ny manodidina ny kiakiaka sy ny tomanin’ireo ankizy isan-kariva. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha
16/06/2021

Manoloana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa efa mananika ny 90% etsy Mahamasina, tonga nitsidika voalohany ny kianjany ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry omaly…Tonga nijery voalohany ny fotodrafitrasa vaovao manara-penitra nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Afa-po tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fitsidihana ny toerana rehetra mandrafitra ny kianja. Anisan’ny resy lahatra amin’ny hakanton’ny kianja ny kapiteny Abel Anicet. « Tena mahafinaritra tanteraka ny fahavitany», hoy izy. Na mbola misy 10%-n’ny fanamboarana aza tsy vita, hita ho misongadina ny zava-bita na amin’ny endrika anatiny na ivelany. Tsy vitan’izay, matihanina tanteraka ny teknolojika mandrafitra azy noho ny fisian’ny « caméra de suirveillance » miisa 178 ao anatiny. Entina hanaraha-maso ny zava-mitranga rehetra sy ny olona mifamezivezy ao amin’ny faritry ny kianja avokoa ireo fitaovana ireo. Eo ihany koa ny fahitalavitra goavana roa mirefy 20 m ny halavany ary mahatratra 10 m ny haavony. Hahazaka mpijery miisa 44 266 ny kianja. Nanararaotra kosa, ny filoha Rajoelina nilaza tamin’ny Barea fa matoky azy ireo hitondra avo indray an’i Madagasikara. « Matoky aho fa hahavita zavatra goavana indray ny Barea, indrindra ny ahafahantsika Malagasy hiatrika ny fiadiana tompondaka eran-tany voalohany eo amin’ny tantara toy ny tamin’ny “Can 2019”», hoy ny filoha. Marihina fa ny faran’ny volana novambra ho avy izao no ho vita tanteraka ity fotodrafitrasa ity.Tsiferana R.L’article Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra
17/06/2021

Nitohy, omaly, ary vao mainka nihanahery vaika ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday, Toliara. Vokatry ny fifanjevoana, mpanao fihetsiketsehana iray namoy ny ainy, hoe maty voatifitra. Enina naratra, anisan’izany ny zandary roalahy…17 kosa nosamborin’ny mpitandro filaminana…Nihorohoro tanteraka, omaly, ny mponina ao Toliara nandritra ny tohin’ny hetsika nataon’ireo mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Nitohy ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra ary nihanahery vaika izany raha mitaha amin’ny afakomaly. Nanomboka maraina no efa nanao sakana toy ny fanaon’izy ireo ireto mpianatra mpanao fihetsiketsehana ireto. Efa nihatrana maraina koa anefa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana hanakanana ny fanelingelenana ataon’izy ireo. Nosakanana tsy hahazo miditra ao an-drenivohitr’i Toliara ireo mpianatra. Teo koa ireo andiany hafa nanao sakana tamin’ny alalan’ny sakana sy ny doro kodiarana. Nisy ny fifandonana ary somary nahery vaika aza izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny solontenan’ireo mpianatra. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro (omaly io). Ny mpianatra mitoraka, ny mpitandro filaminana kosa, nanapoaka grenady lakrimozena sady nanao tifi-danitra.Niala ny trano fonenany ireo mpampianatra…Vokany, mpanao fihetsiketsehana iray fantatra fa namoy ny ainy, hoe maty voatifitra nandritra ny savorovoro izy io. Tsy voamarina kosa anefa na anisan’ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana izy io na olon-tsotra ihany, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny oniversiten’i Maninday. Efa nalefa ao amin’ny Hopitalibe Toliara ny razana, omaly maraina ihany. Ankilany, olona enina naratra mafy ka anisan’izany ny zandary roa lahy tratran’ny tora-bato. Niampy 17 hafa indray ireo mpianatra voasambotra ankoatra ireo 18 efa tazonina anaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mpianatra izany ka niitatra tonga teny amin’ny faritra misy ny tranona mpampianatra ao Ankilahila Maninday ny fihetsiketsehana. Kilan’ny afo ka potika tsy nisy noraisina intsony tamin’izany ny tranona mpampianatra iray. Vokatr’izany, niala avy hatrany teny amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ireo mpampianatry ny oniversite ny ankamaroan’ireo mpampianatra noho ny tahotra. Miato ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’i Maninday…Manoloana ity zava-misy niafara tamin’ny fahafatesan’olona ity, nanao fanambarana ny filohan’ny oniversiten’i Toliara taorian’ny dinika niarahana amin’ny “conseil scientifique” omaly ka nampiato ny fampianarana manomboka anio mandra-pilamin’ny toe-draharaha eny Maninday. Nanamafy ireo mpianatra fa mbola hitohy ny hetsika ary vao mainka aza ho mafy no ho izao na inona na inona fepetra horaisin’ny fanjakana eo satria efa leo tanteraka mihitsy. Nanidy toeram-pivarotana avokoa ireo tranombarotra ao Toliara, nandritra ny hetsika nataon’ny mpianatra. Andrasana indray ny tohin’ny hetsika anio. Olana saro-bahana tsy ahitam-bahaolana matetika ity olana eny anivon’ny oniverisite ity.CMS/Jean ClaudeL’article Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”…
15/06/2021

Tontosa ny asabotsy teo ny fiofanana amin’ny fahaiza-mitarika na ny « leadership » ” sy ny “communication interpersonnelle”, nokarakarain’ny Sambatrattitude life, tetsy amin’ny  Centre sociale Arrupe Faravohitra. I Dadafara Zilibera sy i Kantopitia no nitondra ny fampiofanana. Nizara roa mazava ny tanjona tamin’izany: voalohany, hetsika nitadiavam-bola hanodidina ny tetikasan’ny mpikambana iny. Faharoa, fanampiana ireo olona mpitarika tsy mahatarika na tsy ampy fahaiza-manao, nanampiana ireo manana olana amin’ny tsy fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra mihitsy ihany koa, ary natao indrindra mba hanampiana ny hafa hahalala ny tenany sy ny hafa hahamora ny serasera sy ny resaka, rah any filazan’i Dadafara Zilibera.Miisa 27 mianadahy ireo nanatrika ity hetsika ity, ary azo lazaina fa tratra ny tanjona satria nihoatra ny vina nokasaina ireo olona tonga. “Niova ny fanao omaly, nampiasana “projecteur” ny “presentation”, izay tsy fanaonay hatrizay, tsapa hoe miroso amin’ny fahamatorana hatrany ny tena, ary mbola sahy mifanamby sy manome toky ireo mpanaraka foana hoe hanome ny tsara indrindra, izay koa ilay maha mpitarika”, hoy i Dadafara Zilibera. Ilana fahaizana sy traikefa ny fitondrana olona, maro ireo manana vina tsara fa ny famoahana azy no olana matetika, izany indrindra no ilana fiofanana amin’ny hivoarana amin’ny zavatra atao.NarilalaL’article Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”… a été récupéré chez Newsmada.

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika
14/06/2021

Toy ny fanaony isan-taona rehefa volana jona toa izao sy amin’ny maha volan’ny ankizy azy,  nanolotra akanjo mafana sy botofotsy ary sakafo ho an’ireo ankizy beaziny ao aminy ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Notanterahina ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Imamba, izany. Nisitraka izany ireo kilonga madinika miisa 305 mianadahy. Nambaran’Andrianasolo Avotra, filohan’ny fikambanana fa tsy ireo ankizy beazina eo amin’izy ireo ihany no nahazo izany fa teo koa ireo avy amin’ny fokontany hafa toa ny Tanjombato sy Behoririka, Sabotsy Namehana, Ivato, Ambohidratrimo. Notsiahiviny fa mitaiza sy mamolavola ankizy amin’ny taranja rugby ny RCTS, izay nijoro ny taona 1989. Miara-miasa amin’ireo mpanohana avy any ivelany ny RCTS ka anisan’izany ny RFF (Rugby French Flair), hivondronan’ireo mpilalao fahiny tao anatin’ny XV de France, izay manohana ara-bola sy ny Pachamama.Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fandaharanasan’ny RCTS dia ny hananganana tobim-pahasalamana izay tokony efa ho vita, saingy niato noho ny fisian’ilay valanaretina. Efa eo am-pamaranana ny fanamboarana ny taratasy hanoratana ny tany eo Imamba ho an’ny RCTS, ankehitriny ny mpitantana. Torcelin L’article Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika a été récupéré chez Newsmada.

Calypshow : Denise en terre conquise
17/06/2021

Pour sa reprise, Calypshow ouvrira ses portes aux fans de Denise. La diva retrouvera donc ses inconditionnels à Toamasina le 25 juin. La veille de la fête nationale sera sous le signe de l’afro pop de la Makua. Un moment convivial avec la Ladysoul et ses complices de scène, le temps d’un showcase,  tout en célébrant les 61 ans d’indépendance de la Grande Île. Au menu, les meilleurs tubes de la belle, et bien évidemment les morceaux de son album « Tsara joro » qui est sur toutes les lèvres des noctambules. Iss Heridiny L’article Calypshow : Denise en terre conquise est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Calypshow : Denise en terre conquise a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE
17/06/2021

30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Harilalaina, omaly. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny herintaona. Nanomboka ny 26 mey ny fanaovana ny CEPE andrana ho an’ny Cisco ary fanadinana andrana faharoa ny notanterahina ny talata lasa teo miaraka amin’ny Zap enina. Latsaka ny vokatra ho an’ny andrana voalohany ary efa nanao fanarenana ny mpanabe. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny valin’ny andrana faharoa. Efa misy rahateo ny sampandraharaha misahana ny kalitaon’ny fampianarana manampy hanarina ny lesoka mialoha ny tena fanadinana ny 6 jolay. Efa miomana ny tomponandraikitra amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Hamafisina avokoa ny fepetra efa nampiharina tamin’ny CEPE 2020 hiarovana ny mpiadina manoloana ny valanaretina Covid-19.Vonjy A.        L’article Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Il est où le courage politique, il est là …
14/06/2021

Si l’on faisait  le  parallèle entre les actualités politiques françaises et malgaches, on ne manquerait pas de noter comme similitudes,  la simultanéité de deux crises actuellement. En France, les mouvements sociaux font  tanguer le navire Macron. Que les cheminots mènent une grève  contre le changement de leur statut; que les  étudiants bloquent leurs universités  ou   que le mal-être frétille dans d’autres secteurs   créant une onde de chocs d’ampleur à ne pas négliger… Le président français assume la responsabilité  des objets de mécontentement (quitte à recevoir des soufflets !). Il ne dit pas qu’il n’en a cure  mais va devant armé seulement  de ses pourquoi  et de ses comment, parce qu’ils font partie du programme sur lequel il a été élu. Exemple de ce qu’on peut appeler  « courage politique ». Pendant ce temps à Madagascar, on observe une fièvre  de fin du premier  mandat du pouvoir  en exercice, la classe politique est en ébullition, la situation est explosive et le spectre d’une enième crise politique est menaçant. Le  tenant du pouvoir persiste dans un « J’y suis, j’y reste !»  Au risque de paraître dédaigneux. Pourtant, « Généralement, dans le gouvernement démocratique, le courage est une vertu qui ne peut se dissocier de la responsabilité, principe moral émergent de notre temps. Puisque la responsabilité consiste à répondre de ses actes ou décisions, et de leurs conséquences devant ceux qui sont concernés par ces actes ou décisions, elle constitue bien une épreuve dont la pratique enveloppe l’idée de courage » écrivait le philosophe Alain Etchegoyen, dans une éditoriale du Figaro. Quand les banderoles  bordent un trajet prévu et qu’on les évite, c’est  l’absence de courage. En  ce moment, le courage politique serait de dire «  j’ai le courage de dire que ce vote a été une erreur ou  j’ai le courage de dire qu’on est allé trop loin ».Car  le courage politique lui-même oscille dit-on,  entre la résolution et la témérité, le cran et l’entêtement, la fermeté et la crânerie. Le courage, dans sa définition immédiate… est toujours valorisé. Il est toujours perçu comme un compliment, suscite l’admiration, transforme le pouvoir en autorité. Déjà, De gaulle disait : «les hommes intelligents sont rarement courageux, les hommes courageux sont rarement intelligents». A méditer ! M.Ranarivao L’article Il est où le courage politique, il est là … est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Il est où le courage politique, il est là … a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar !
15/06/2021

Les joueuses malgaches ont échoué pour la troisième fois à la Coupe d’Afrique des Nations dames qui se tient à Yaoundé. Une expérience malheureuse, d’autant plus que la Fédération Malgache de Handball avait tout faux en rappelant deux joueuses de plus de 40 ans au nom de l’expérience. Madagascar s’est incliné pour la troisième fois devant la Guinée sur un score très sévère de 16 à 35. Une issue d’ailleurs prévisible après les défaites devant le Sénégal au premier jour et face à la Tunisie. Le plus de buts. Des résultats qui renvoient le handball malgache à la case départ. L’idée de recruter des expatriées sur une présentation des vidéos, n’était pas la bonne solution. Notamment en ce qui concerne Sandrine Mordaie, la gardienne en provenance de la Réunion, car à 40 ans, elle n’était plus en mesure de supporter ce jeu très physique imposé par les Africaines. Comme de surcroît, elle doit faire face à cette défense très perméable, elle a sans doute encaissé le plus de buts de sa carrière au cours de ces trois rencontres. Faut-il alors laisser le handball mourir de sa belle mort ? Bien au contraire car ce qu’il faut c’est se tourner vers la relève pour l’amener pas à pas vers le haut niveau. ANS de bas niveau. Les leçons de ce Yaoundé 2021 seraient alors de s’organiser en ciblant les sélections régionales puisque tous les clubs meurent à petits feux. Une décentralisation effective de cette discipline, qui pourrait être renforcée par les infrastructures bien en place avec la construction de plusieurs gymnases « manara-penitra ». Il appartient ensuite au ministère des Sports et l’Académie Nationale des Sports, fut-elle celle du bas niveau, de former des techniciens. Un passage obligé en attendant l’Académie de Tanamasoandro à Imerintsiatosika. Finalement tout est question de volonté pour cette fédération qui doit se battre pour avoir les moyens de ses ambitions. De gros moyens car le succès du handball malgache ne se construit pas en une année. Encore moins avec deux semaines de regroupement. Clément RABARY L’article Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Handball- Coupe d’Afrique des Nations Dames : Troisième défaite pour Madagascar ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo   
14/06/2021

               “Mbola misy ve ny fifampiraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena momba ireo Nosy manodidina? Raha mbola misy, aiza ho aiza izany ? Raha tsy misy intsony, nahoana no najanona?” hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy manodidina. Tamin’ny 26 jona 2020 no nilazan’ny mpitondra fa tsy maintsy hiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madagasikara. Herintaona aty aoriana, tsy mbola miverina amintsika izy ireo. Tsy fantatra hoe aiza ho aiza isika amin’ny resaka amin’izao fotoana izao?“Heverina fa tokony hitondran’ny fanjakana malagasy sy ireo delegasiona nalefan’ny fitondram-panjakana frantsay fanazavana izany. Samy mangina ny roa tonta izao”, hoy izy.Mahatonga ny Otrikafo manomana ny amin’ny fanohizana ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy ireo. Anton’ny fitakiana : ankalazaina isan-taona ny 26 jona lazaina fa  fiverenan’ny Fahaleovantena. Tsy mitsahatra mamerina hatrany ny antoko sy ny mpiara-dia aminy hoe: raha mbola misy ampahan-tanin’i Madagasikara eo ambany fifehezen’ny vahiny, sarotra ny mieritreritra fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena. Mbola tolona ny Fahaleovantena, fa tsy mbola afa-mihambo ho tena mahaleo tena isika. Tsy amin’ny maha tany malagasy azy ihany ireo Nosy malagasy ireo fa misy harena ary toerana stratejika.R.Nd.  L’article Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo    a été récupéré chez Newsmada.

Une trêve dans la vie actuelle
19/06/2021

L’espace d’un week-end, on peut espérer retrouver une certaine sérénité. Aujourd’hui et demain, on va essayer d’oublier la Covid-19 et les restrictions qu’elle entraîne. C’est en famille que les Malgaches vont célébrer cette fête des pères qu’ils ont tendance à oublier. Cette année aura été particulièrement mémorable car il n’y aura pas eu de véritable éclaircie dans la vie de la nation, et c’est une véritable routine que les citoyens doivent vivre, les contraintes sanitaires rendant encore plus difficiles  leurs conditions de vie. Durant ces deux jours, c’est une vraie trêve qui va être célébrée dans cette vie trépidante, et la famille aura retrouvé toute sa place pendant   ce court laps de temps. Une trêve dans la vie actuelle L’état d’urgence sanitaire, la lutte pour la survie, l’insécurité, la dégradation de plus en plus préoccupante du cadre de vie sont le lot de tous les Malgaches. Et c’est cette oppression de la vie quotidienne qui est en train de miner petit à petit la vie des citoyens. Cette année a été très pénible à vivre, et personne n’a vraiment le cœur à se réjouir. La fête des pères est pourtant l’occasion de voir se reformer, l’espace de  quelques heures, des liens familiaux distendus. La fête des mères a été l’occasion de ces retrouvailles, et maintenant celle des pères permettra de retrouver des relations mises à mal par la vie actuelle. Ce jour mémorable est cependant oublié par beaucoup de monde, et il ne donne pas lieu à de grandes réjouissances. La majorité des Malgaches n’a pas les moyens de marquer l’événement comme il se doit.  Auparavant, les animations publicitaires sur les chaînes de télévision et de radio  montraient son importance. Aujourd’hui, c’est même subrepticement que l’on en parle. Actuellement, la fête des pères a été ramenée à sa juste valeur. Les conditions de vie sont plus difficiles qu’avant, mais cette fête devrait être l’occasion de mettre l’amour familial à la place qu’il mérite. Patrice RABE   L’article Une trêve dans la vie actuelle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Une trêve dans la vie actuelle a été récupéré chez Midi Madagasikara.