Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule

News - Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule
Un pickpocket a été pris en flagrant délit, avant-hier, durant son acte. Cet homme venait de prendre en force le sac d’un passant. La victime a pu alerter les badauds en criant. Une course poursuite a été lancée par des personnes qui n’ont pas hésité à prêter main forte. Après quelques minutes de course poursuite, ils ont fini par appréhender le malfrat. La foule a rendu justice elle-même en tabassant le voleur. Même à l’arrivée des forces de l’ordre, la foule a continué de réclamer la vindicte populaire. Il a fallu une intervention manu-militari pour évacuer le malfrat des lieux sinon il aurait certainement laissé la vie. Les gens furieux ont estimé que la meilleure correction n’est autre que la justice populaire. « Nous en avons assez des pickpockets qui font la loi dans ce quartier et sèment la terreur auprès des habitants », a-t-on entendu sur place. Malgré les mesures de prévention prises par les riverains, les victimes de cette pratique malsaine sont encore nombreuses, car les malfrats y sont présents quotidiennement. Les femmes sont leurs cibles préférées. Ces derniers temps, la situation s’empire puisque les malfrats ne se contentent plus du vol à la tire mais vont jusqu’à violer les victimes et même jusqu’à les tuer avec des armes tranchantes. Ce dynamisme de vindicte populaire fait suite à ces actes barbares de la part des criminels. Certaines personnes trouvent que la pratique de la vindicte populaire est une manière pour elles de participer à la lutte contre le banditisme. La pratique, pourtant condamnée par la loi en vigueur, tend à devenir une habitude car les civils sont frustrés par leur quotidien miné par le barbarisme.
Yv Sam
L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule est apparu en premier sur Midi Madagasikara.
L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule a été récupéré chez Midi Madagasikara.
Vakio ihany koa
News - News Mada
AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana
Hamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pitiliana “radioactive”. Nanolotra fitaovana ny AIEA, mampiofana momba ny fampiasana azy ny INSTN. Tsy maintsy mila fitaovana mifanaraka ny vanim-potoana ankehitriny ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana. Ho fiarovana amin’ny fampidirana fitaovam-piadiana sy amin’ny asa fampihorohoroana, nanolotra fitaovana « détecteurs de rayonnement » sy « identificateurs » ho an’ny fadintseranana malagasy ny AIEA (Agence internationale de l’énergie atomique). Ny INSTN (Institut national des sciences et techniques nucléaires) no manome fiofanana ny mpiasan’ny fadintseranana amin’ny fomba hampiasana ireo fitaovana ireo.Fitaovana arifomba avo lenta ireo avy amin’ny AIEA ireo, hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hametrahana izany voalohany, amin’ny maha seranana iraisam-pirenena azy, ifamezivezen’ny olona maro. Matetika, tratra eny an-toerana ny zava-mahadomelina, ary izao andraisana fepetra izao koa ny fitiliana fitaovana misy « radioactif » mety hampidi-doza.Nambaran’ny ao amin’ny INSTN fa manampy betsaka amin’ny fiarovana mandritra ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara ireo fitaovana ireo; anisan’ny fepetra tsy maintsy arahina koa izany amin’ny vanim-potoana lehibe.Mampidi-bola be …Noho izay fanaraha-maso izay ihany, eny amin’ny fadintseranana Ivato, mihatsara ny vola miditra amin’ny fanjakana. 4,6 miliara ariary ny tamin’ny volana jona teo, ary tafakatra 4,9 miliara ariary amin’ity volana jolay ity. Ao anatin’ny fanaraha-maso mahomby ny fanafainganana ny famoahana entana, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Notsiahivina amin’ny rehetra ny fanarahan-dalàna, indrindra raha mahakasika ny raharaham-barotra izay tsy maintsy anaovana fanambarana. R.MathieuL’article AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fitsaram-bahoaka nahafaty polisy telo lahy: olona 20 izao no efa voasambotra
Na eo aza ny raharaha momba ny kidnapping, mahazo vahana any Toamasina, mandeha ny famotorana sy fanadihadiana ataon’ny zandary mikasika ilay raharaha fitsaram-bahoaka, nahafaty ireo inspektera polisy telo lahy, tany Fenoarivo Atsinanana, farany teo. Fantatra fa olona 20 izao no efa voasambotry ny zandary. Mitohy hatrany ny fanadihadiana manodidina ny famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana, ny volana oktobra teo, na somary nangingina aza. Miisa 20 indray ny olona nosamborin’ny zandary tao Ambodiazinina Fenerivo Atsinanana, ny fiandohan’ny herinandro teo, voalaza fa isan’ny mpandray anjara sy mpampirisika tamin’ny fahafatesan’ireo polisy inspektera telo lahy nambara namita iraka ara-dalàna. Saika hanao fanadihadiana momba ny resaka halatra lavanila tao an-toeran izy ireo, ary anisan’ny tafiditra amin’ireo olona voasambotra ireo ilay raim-pianakaviana nanaovana fisavana izay niantso vahoaka ka niteraka iny vonoan’olona mahatsiravina nahafaty polisy telo lahy iny. Raha tsiahivina hatrany, nanao fisavana ny trano fonenan’ilay rangahy mpandraharaha lavanila io ny polisy telo lahy. Nivadika anefa ny resaka ka lasa ireto mpitandro filaminana indray no voatondro ho olon-datsy, niantsoana fokonolona. Raikitra teo ny fitsaram-bahoaka ka niharan’ny famonoana feno habibiana izy telo lahy. Nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana taorian’izay, niasa mangina. Misahana ny fakana am-bavany sy ny famotorana ny zandary misahana ny fikarohana sy heloka bevava izay iarahany amin’ny polisy. Hiteny ny mpampanoa lalana Amin’ny zoma 7 desambra ho avy izao amin’ny 10 ora antoandro ao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambony Toamasina, fantatra fa hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny tonia mpampanoa lalana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Atoa Rajaonah Thierry. Vinavinaina fa hifantoka amin’ny raharaha tsy fandriampahalemana niseho tamin’ny endriny maro niseho tany Toamasina sy ny manodidina azy izany. Anisan’izany ny raharaha fakana an-keriny an’i Armane Kamis farany teo, nahavoatonontonona mpitandro filaminana roa lahy. Anisany koa ny “Raharaha Ambodiazinina”, nahfatesana polisy inspekitera telo lahy ary ny raharahan’ny fandosirana na fampandosirana ny fonjan’Ambalatavohangy an-dRajaonarison Roby Alphonse. Ity farany izay misy rohim-pihavanana amina mpitsara iray sy manamboninahitra amina polisy iray ihany koa. Na izany aza, mitohy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana ireo heverina ho mpiray tendro rehetra mikasika ny fakana an-keriny ilay teratany karana, i Arman Kamis, ka anisan’izany ny nahavoasambotra lehilahy iray tany Antananarivo farany teo. Ity farany izay heverina ho lehiben’ireo jiolahy mpaka an-keriny sy tompon’ilay fiara tsy mataho-dalana nampiasaina nitondrana ilay teratany karana, sy ingahy “Black”, tompon’ilay trano nanafenana sy nanagiazana an’i Arman Kamis. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa ity trano ity avokoa ny nihazonana an-keriny ireo rehetra nalaina an-keriny tany Toamasina tao anatin’ny efatra taona, mialoha ny hamindrana azy amin’ny trano sy fokontany hafa. Mbola misy vehivay roa mpisaron-tava manatitra sakafo an’ity teratany karana ity karohina fatratra. Sajo sy Yves S. L’article Fitsaram-bahoaka nahafaty polisy telo lahy: olona 20 izao no efa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar ny volan-jaza
Natao tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana nomen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) ho an’ny mpiasa ao amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao amin’ny synodam-paritany Toamasina. Maherin’ny 40 izy ireo, nahitana pastora, katekista, mpiasam-piangonana, sns, notarihin’ny prezida synodaly, ny pastora Toto Rija Chrysostome Joseph. Nilaza ny talen’ny vola ao amin’ny CNaPS, Rakotoarison Hiaja, fa mila fantatry ny mpiasam-piangonana ny zo sy ny adidiny amin’ny fiahiana sosialy.Anisan’ny nampahafantarina tany Toamasina ny hampiakarana ho 6.000 Ar ny volan-jaza, manomboka amin’ny volana aogositra ho avy izao, raha 5.000 Ar amin’izao fotoana izao.Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny asa mendrika ity fiofanana ity. Marihina fa efa mandray vatsy ny fianakavimben’ny FLM tato anatin’ny roa taona.tena nahaliana ny mpiofana ny fisotroan-dronono sy ny fanampiana amin’ny loza vokatry ny asa. Nomena azy ireo ny antontan-taratasy hofenoina toy ny fangatahana fanampiana, ny fanambarana filazan-karama, sns.Njaka A.L’article Cnaps-FLM Toamasina: hiakatra ho 6.000 Ar ny volan-jaza a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Afo nandravarava teny Ambodivona :: Voakorontana tanteraka ny fianaran’ ireo zaza hiatrika fanadinana
Goavana ny fahavoazana naterak’ilay hain-trano mahatsiravina niseho ny harivan’ny sabotsy 13 jolay lasa teo teny ambodivona, tsy lavitry ny fivarotana tongolo. Entana zakan’ny tanana ihany no avotra tamin’ ireo fananana nohariana an-taona maro. Potika hatramin’ny fianaran’ireo ankizy hiatrika fanadinana, araka ny fitarainan’ireo raiamandreny tao amin’ity tokantrano niharam-boina. Lavenona sisa no navelan’ilay hain-trano nitranga teo Ambodivona tamin’ny harivan’ny sabotsy lasa teo, fotoana nitsenana makotrokotroka an’ireo mpilalaon’ny ekipam- pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea avy any Ejipta. Gina ny rehetra. Mbola ranomaso no nirotsaka hatramin’ny ampitso nisehoan’ny loza, ho an-dRabemizaka Armand, izay rava trano dimy. Fonenana vita amin’ny hazo maherin’ny roapolo isa no hotohoton’ny afo tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 45 minitra hariva. Teo am-piomanana hiainga ny trano, mba hijery fety teny Mahamasina ity raim-pianakaviana ity no nahare fofona maimbo rainkona. “Niteny tamin’ny vadiko aho mba hanampoka rano ny laokanay, kinanjo afo be ny tao ambadiky ny misy anay”, hoy i Armand. Nikoropaka ny manodidina. “Nivoaka ny lakozia aho, kinanjo efa afo nijoalajoala no hitako. Tsy haiko izay nipoirany. Vitsy monja ny entana tafavoaka satria tampoka loatra ny loza”, araka ny fitantaran’ i Fanjarisoa Bakoly, vadin’i Armand. Nambarany fa efa nisafosafo ny tranon’izy ireo ny lelafo. Niriotra namonjy teny ivelany avokoa ny iray tanàna, izay zaza amam-behivavy ny ankamaroany, raha mbola tany am-pilanonana nanatrika ny Barea kosa ireo zatovolahy sy ny loham-pianakaviana sasany. Vonjy aina Nisavoritaka ny rehetra , s a dy nanovo rano nanondrahana ny toerana no niantso ny sampandraharahan’ny mpamonjy voina. Nandritra izany, nitsovaka ny tanan’i Armand rehefa nanongotra fanitso mivaivay mba hiarovana ny afo tsy hiitra haingana. Nampiasaina hatramin’ny rano maloto teo amin’ny lakandrano akaiky teo. Somary efa nalefaka ny afo vao tonga ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny fiara lehibe dimy, hoy ireo mponina niharam-boina. “Tany amin’ny faritra hafa izahay tamin’ny ora nisehoan’ ny fahamaizana, satria nandamin- draharaha amin’ny maha vaomieran’ny fandriampahalemana ety an-tanàna. Vantany vao nahare ny antso vonjy dia nidina taty haingana. Nisy iray naratra nandritra ny fifamonjena”, hoy i Joseph. Ny fianaran’ny ankizy Nidododo teny Ambodivona hatramin’ny polisy monisipalin ’Antananarivo renivohitra, ny polisin’ ny boriborintany fahatelo sy ny solon- tena vitsivitsy avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Noho ity hetraketraky ny loza ity, voatery niato tamin’ny fianarana avy hatrany ireo zaza maromaro mbola hiatrika fanadinana . Ny sasany mianatra amin’ny sekolin-dry masera eny Andravoahangy, ary ny hafa amin’ny sekolim-panjakana eny Manjakaray. Levona tamin’io hain-trano io daholo mantsy ny fitaovan’izy ireo, ka tsy misy azo atao, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Afaka manohy ihany anefa ireo ankizy ireo, saingy mbola baraingo ny amin’izay lafiny izay. Hakiviana sesilany Kivy tanteraka Randriamiandrisoa Jean Fidèle, mpanao vako-drazana, rehefa nahita fa kila ny taralilany sy ny gitarany. « Manomboka amin’ny 2 aogositra anefa ny fitendrena zava-maneno hataonay any amin’n y famadihan’olona. Ankoatra izay, may tao ihany koa ny karataninay any am- banivohitra mba napetraka tamiko amin’ny maha lahimatoa ahy », hoy ny sentosenton’i Fidèle. Ho an’i Ony kosa, tsy nisy azo noraisina intsony ireo voasary makirana noentiny avy tany Mandritsara, mitentina telo tapitrisa ariary, saika hamidy eto Antananarivo. Tao ihany koa ny vola tahiry tao an-trano izay tsy nisy niangana. Nanana môtô lehibe roa tao an-trano izy sy ny fi- anakaviany, kanefa rotiky ny afo ny iray. Tafapetraka tamin’ny alahady tamin’ny 10 ora antoandro ihany ny trano lay lehibe roa avy amin’ny B iraom-pirenena misahana ny loza voa- janahary (BNGRC). Nanome fitaovam-pihinanana sy lamba firakotra ry zareo saingy manify dia manify toy ny lamba famaohana izany, fa tsy toy ny bodofotsy. Ny hatsiaka anefa mamirifiry amin’izao ririnina izao, araka ny nambaran’ireo traboina. “Mitambatambatra ato anaty trano lay aloha izahay hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Miisa dimy amby fitopolo olona. Misy fianakaviana nandeha nipetraka any amin’ny havany fa tsy mahatanty ny hatsiaka mamanala . Ny anay kosa , akanjo nomen’olona sisa no anaovana”, hoy indray ramatoa Bakoly, sady nilaza fa mbola ao anatin’ny fiasana saina tanteraka na manomboka tsikelikely aza ny fanarenana ny simba. Niray feo ireo traboina, manantena fanampiana avy amin’ny fanjakana hahafaha-mioitra amin’ny fiainana indray. Mpivarotra madinika ny ankabeazan’izy ireo. L’article Afo nandravarava teny Ambodivona :: Voakorontana tanteraka ny fianaran’ ireo zaza hiatrika fanadinana est apparu en premier sur AoRaha.
News - Midi Madagasikara
Vaccin contre la Covid-19 : Madagascar ne passera pas de commandes de doses
L’Etat malagasy ne passera pas de commandes de vaccin contre la Covid-19. L’Exécutif estime que cela est contradictoire à toutes les initiatives prises par l’Etat malagasy dans le cadre de la lutte contre la pandémie. Madagascar ne fera pas partie des 172 pays et territoires qui participeront au Mécanisme COVAX. Une initiative mondiale qui consiste à collaborer avec les fabricants de vaccins contre la Covid-19 pour garantir aux pays du monde entier un accès équitable à des vaccins sûrs et efficaces, une fois qu’ils seront homologués et approuvés. En effet, selon un membre du gouvernement, le sujet a été évoqué lors du Conseil des ministres qui s’est déroulé hier au Palais d’État d’Iavoloha. Au vu de la tournure des débats, l’on peut affirmer que la Grande-île ne passera pas de commandes de doses de vaccin contre le coronavirus. Cela ne fait pas partie des priorités du moment, vu les difficultés auxquelles l’Etat fait face actuellement, avec notamment le “kere” dans le Sud et tous les problèmes socio-économiques engendrés par la période post-covid . Cela est contradictoire à toutes les initiatives et démarches déjà entamées par les autorités malgaches dans le cadre de la lutte contre la pandémie de COVID-19, estime-t-on du côté de l’Exécutif. Une allusion certainement à l’ouverture de l’usine Pharmalagasy et la découverte des différents remèdes et médicaments que les chercheurs malagasy ont trouvé pour faire face à la pandémie, entre autres, le Covid-Organics, le CVO Plus et le CVO+gélule. Le régime souhaite donc rester fidèle à ses engagements et activités. Une décision plutôt logique car commander des vaccins alors que le pays a déjà annoncé avoir réussi à vaincre la Covid-19 par les moyens locaux et les découvertes locales, serait politiquement incorrecte. D’autant plus qu’actuellement, et ce, contrairement aux autres pays européens qui enregistrent encore plusieurs milliers de cas confirmés par jour, le bilan est plutôt positif pour Madagascar. Selon notre source, les ministres concernés auraient reçu une instruction claire afin de préparer des réponses diplomatiques pour rejeter tout lobbying et/ou pression internationale liés à d’éventuelles offres ou commandes de vaccins contre le coronavirus. Désaveu. A l’allure où vont les choses, le risque d’un nouveau bras de fer entre l’Etat malagasy et l’Organisation Mondiale de la Santé n’est pas à écarter. En pleine période de pandémie mondiale, une friction a déjà eu lieu à cause de la découverte du Covid-Organics par l’Institut Malgache des Recherches Appliquées (IMRA). Il convient de rappeler, en effet, que le Mécanisme COVAX est coordonné par l’Alliance Gavi, en collaboration avec l’OMS. D’après les informations, 92 pays et territoires à revenu faible ou intermédiaire remplissent les conditions pour bénéficier du système de garantie de marché (AMC) du COVAX. Madagascar figurerait parmi ces pays. Force est d’ailleurs de noter que durant son passage à l’Assemblée nationale, le ministre de l’Economie et des Finances Richard Randriamandranto a annoncé devant les députés que la Grande-île commandera le vaccin contre la COVID-19. Une rubrique y afférente est même inscrite dans la Loi de Finances initiale 2021. Les débats du Conseil des ministres d’hier se présentent, en quelque sorte, comme un désaveu à l’endroit du Grand argentier. Réticents. Vu les problèmes socio-économiques post-COVID, l’Etat malgache, classé par l’OMS parmi les pays à revenu faible, ne pourrait pas se permettre de commander des vaccins anti-covid. L’Exécutif encourage plutôt le renforcement des gestes barrières et des mesures sanitaires, et choisit de faire confiance aux résultats des recherches réussies par nos chercheurs. Nul n’ignore d’ailleurs que les Malagasy ont toujours été réticents quand il s’agit de vaccins. Les contestations et les débats autour du vaccin contre la poliomyélite en est un exemple concret. On sait aussi que même en Europe et dans les pays développés, convaincre la population à se faire vacciner contre la Covid-19 n’est pas une mince affaire. En France par exemple, un Français sur trois seulement accepte le vaccin. Davis R L’article Vaccin contre la Covid-19 : Madagascar ne passera pas de commandes de doses est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccin contre la Covid-19 : Madagascar ne passera pas de commandes de doses a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy
Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Mpivady niady : Nosintonin-dramatoa ny filahiam-bady, namoy ny ainy ilay rangahy
Fiadina matetika ireto mpivady ireto, raha ny fanazavana azo. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia ratsy fiafara ny adin’izy ireo. Rehefa niaka-pofona iny mantsy ramatoa dia tany amin’ny filahiam-badiny no nosintominy mafy. Taova saro-pady anefa izy io ka niafara tamin’ny famoizan’ity farany ny ainy izany. Tany Andapa no nitrangan’ity seho hafakely ity, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo aloha hatreto, dia tsy fantatra mazava izay anton’ny disadisa teo amin’ireto mpivady ireto. Ny tokantranon’izy ireo rahateo, araka ny voalaza etsy ambony dia efa itrangana fifandirana lava ary saika miafara hatramin’ny ady igagan’ny fiarahamonina foana io. Tamin’io fotoana io dia gaga ny rehetra fa nihiakiaka niantso vonjy ilay lehilahy. Tonga avy hatrany ireo naheno. Ilay rangahy efa torana tsy mahatsiaro tena intsony no hitan’izy ireo. Nezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ny mpitsabo no nilaza fa voasintona mafy dia mafy ny taovam-pananahan-drangahy, antony nitarika ny fahafatesany. Ilay ramatoa namoa-doza kosa, taorian’io dia nitsoaka ary mboka karohina fatratra amin’izao. m.LL’article Mpivady niady : Nosintonin-dramatoa ny filahiam-bady, namoy ny ainy ilay rangahy a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”
“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly
Sekoly iray anisan’ny nanaporofo ny fahombiazan’ny tetikasa Tafita ny EPP Ambohinambo Talatamaty. Nohazavain’ny talen’ity sekoly ity fa niakatra ny taham-pahaizan’ny ankizy (T2 hatramin’ny T5) kajy sy vakiteny, rehefa nampiharin’ny mpampianatra azy ireo ny paikady vaovao. Tsy inona izany fa ny fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana mora hitan’ny ankizy, nandritra ny ora fanampiny, izany hoe, ankoatra ny tapany maraina efa voarafitry ny fandaharam-pianarana ofisialy.Nanomboka ny volana mey hatramin’iny volana jolay iny, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora ary intelo isan-kerinandro, izany ora fanampiny izany. Ankoatra ny fampiasana fitaovana tsotra sy mora hita, tsy mijanona eo ambony dabilio sy miatrika solaitrabe ny mpianatra fa atao toy ny lalao, miala amin’ny mahazatra, ny fampitana ny fahalalana.Tetsy ankilan’izay, vokatry ny tetikasa Tafita hatrany, mazava sy mahomby kokoa ny fitantanana ny sekoly. Tsiahivina fa, nanomboka ny taom-pianarana 2016-2017, ny fiaraha-miombon’ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny rafitra mitantana ny sekoly (EPP). Demokratika kokoa ity rafitra ity, ahitana « assemblée générale » ka voafidy ny filohany, ny birao maharitra (ahitana mpitambola sy mpanolotsaina) ary ny rafitra mpanara-maso.Rafetina, mandritra ny fivorian’io « assemblée générale » io, amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ireo asa hotanterahina ao amin’ny sekoly. Ho an’ny EPP Ambohinambo, io no nandany ny tokony hanatanterahana ora fanampiny amin’ny fampianarana ka nahazoana izao vokatra tsara izao.Teo amin’ny fitantanana ny sekoly, mazava sy ampahafantarina ampahibemaso (eo anatrehan’ny ray aman-dreny), toy ny natao omaly teny amin’ny EPP Ambohinambo, ny zava-bita sy ny fandaniam-bola tamin’izany, hatramin’ny mahakasika ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny sekoly.Nitondra tohana betsaka ny governemanta japoneyTanjon’ny tetikasa Tafita ny hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly sy ny famitan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana, ny hanatsara ny kalitaon’ny fianarana sy ny fitantanana ny sekoly. Manohana teknika ity tetikasa ity ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (Jica).Misitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania. Mizara roa ny fanohanan’ny Jica ka voalohany ny fanampiana ny fametrahana ny Feffi, efa tafapetraka amin’ny 99%-n’ny sekoly eto Analamanga ary 100% kosa ny any Amoron’i Mania. Nanampy tamin’ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny Japoney.Nanomboka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera ka hatramin’ny mpampianatra. Niompana tamin’ny fitantanana ny fiofanana. Nisy koa ny paikady fampianarana, mahakasika ny famakiana teny malagasy sy ny kajy. Ho tapitra amin’ny volana mey 2020 ny tetikasa Tafita ka anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manohy ireo voka-tsoa avy amin’izany.Landy R. L’article Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly a été récupéré chez Newsmada.