Andriamalazaray Andoniaina: “Mampihemotra ny demokrasia ny satan’ny mpanohitra”

News - Andriamalazaray Andoniaina: “Mampihemotra ny demokrasia ny satan’ny mpanohitra”

News - Andriamalazaray Andoniaina: “Mampihemotra ny demokrasia ny satan’ny mpanohitra”

                      “Mahita
izahay fa mampihemotra ny demokrasia ny zavatra toy ireny. Satria
tsy ny solombavambahoaka irery no antsoina hoe olom-boafidy eto
amin’ny tany sy ny firenena, raha tsy maintsy ao anatin’ny
Antenimierampirenena no ahitana ny lehiben’ny mpanohitra.”

Io ny fanehoan-kevitry ny filoha
nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray
Andoniaina, manoloana ny fahalanian’ny tolo-dalàna nanitsiana ny
lalàna mifehy ny satan’ny mpanohitra sy ny antoko politika.

Afa-manao politika ny olom-pirenena
tsirairay avy, afaka manohitra ary mahazo tsy manao
solombavambahoaka fa mirotsaka ho ben’ny Tanàna, ohatra. Tsy mety
ve izany? Tsy hoe tsy mankasitraka ny hoe tsy maintsy olom-boafidy
no lehiben’ny mpanohitra ry zareo, fa ny hoe tsy maintsy
solombavambahoaka ny lehiben’ny mpanohitra. Ny olana: mifantoka
amina olon-tokana ny adihevitra ny amin’ny fanoherana.

Mila miaraka ny ara-dalàna
sy ny
ara-drariny         

Koa ahoana raha mirotsa-kofidina,
ohatra, ny olona, mety manohintohina ny besinimaro? Tsy
mirotsa-kofidina izy, nefa mahazaka vahoaka maromaro ihany ary
mijoro ho mpanohitra. Tsy mirotsa-kofidina any amin’ny sehatra hafa
izay mety hahalany azy izy amin’izany: voafidy raha mirotsaka ho
solombavambahoaka, ohatra. Tsy mahaliana azy ny amin’izany fa ny
hofidina ho filohan’ny Repoblika, ohatra, no tiany. Koa rehefa tsy
voafidy amin’izany izy dia hanohitra ny filohan’ny Repoblika:
hosakanana ve izany izay zony izay?

Ny tsy tokony hohadinoina: aiza ho
aiza i Madagasikara amin’ny hoe ara-dalàna sy ny fampiharana izay
ara-dalàna izay, antsoina hoe ara-drariny? Raha vao tsy miaraka ny
ara-dalàna sy ny ara-drariny, azo amboarina amin’izay tiana
hanaovana azy ny lalàna. Saingy tsy atao mahagaga raha tsy
mifampitohy araka ny tokony ho izy izay ara-dalàna sy ara-drariny
izay.

R.Nd.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Andriamalazaray Andoniaina: “Mampihemotra ny demokrasia ny satan’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Karibotel26 Analakely: indroa miantoana ny seho

 Fety roa sosona ny namaranan’ny Karibotel26 Analakely ny herinandro teo, afa-po hatrany na ny mpanatrika na ny mpikarakara. Nosantarin’i Do Rajohnson, tamin’ireo vazo anisan’ny ahafantarana azy, sy ireo hira vaovao, izany, ny zoma 4 desambra teo nanomboka tamin’ny 8 ora alina. Afa-bizana sy nahazo fahafinaretana ny mpanatrika ka manantena ny hiverenany indray. Anisan’ny mampiavaka ity mpanakanto ity rahateo ny fananana ireo sanganasa milamina tontosaina amina feo kanto. Marihina fa anisan’ireo mpihira malagasy manana feo miavaka i Do Rajohnson raha ny nambaran’ireo mpahay momba ny hira.Nofaranan-dry Jess Flavi One, i Kougar ary i Titoh, izany, ny asabotsy 5 desambra nanomboka tamin’ny 7 ora hariva. Nitsinjaka sy nandihy ny rehetra nanala ny vesatry ny herinandro amin’ny rotoroton’ny fiainana andavanandro.“Miezaka hatrany manome sehatra ny mpanakanto izahay, hampifanatona kokoa ny mpankafy sy ny artista”, hoy ny tompon’andraikitry ny Karibotel26 Analakely.NarilalaL’article Karibotel26 Analakely: indroa miantoana ny seho a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha  

Hanao ahoana ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Ho raikitra amin’ity taona ity ihany sa tsia? Mbola hifampidinihana na hifampierana izany, ka ho hita eo…Tsy lavina: ny teny miakatra, ifampierana; ny teny midina, ifampifehezana. Na izany aza, sao ela fikenona ka ho very fotoana amin’ny fifampidinihana sy fifampierana lava amin’izay mitranga sy atao rehetra? Eny, na eo aza ny hoe; izay lava dinika, lava rariny.Tsy izany ve no anisan’ny ilàna ny fifidianana mpitondra amin’ny fifandimbiasam-pahefana hoe ara-pomba demokratika? Nampidramina fahefana hanapa-kevitra amin’izay efa nofaritan’ny lalàna, hanatanteraka izay fanamby nifidianan’ny vahoaka azy…Mbola miara-dalàna amin’izany koa ny lalàna ifampifehezana sy ifampitondrana, mba tsy hiadian-kevitra avokoa izay mitranga sy atao rehetra; eny, na efa misy sy mazava izao aza ny lalàna: inona no marina na hatao, ny an’iza no harahina sy hotanterahina… ?Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy ilaozan’izay manan-kambara hatrany: ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Rehefa inona na ahoana no atao sy  ilaina ny hoe fifampidinihana, na rehefa iza no miteny, henoina… ?Anisan’ny mety hahatonga ahiahy tsy ihavanana izay, rehefa tsy ny lalàna misy no hajaina sy hampiharina ary tanterahina avy hatrany? Tsy inona fa hoe kajikajy sy paipaika politika, araka ny ahiahy noho ny tsy fahatokisan-tena mahazatra ny sasany hatramin’izay.Saika ambonin’ny lalàna mandrakariva ny dinika politika? Na mahatapi-dalan-kaleha, sanatria, ny lalàna, ka voatery hitadiavam-bahaolana hafa tsy fidiny amin’ny fifampidinihana sy fifampierana… politika. Tonga amin’izany ve ny toe-draharaha amin’izao?Raha tiana ny hanova tokoa ny fomba fanaovana politika, tsy anisan’ny fototra sy voalohany amin’izany ve ny fanajana sy fampiharan-dalàna, ny fisaraham-pahefana, ny tsy fanavahana raha misy sy tsy azo ihodivirana ny hoe fifampidinihana sy fifampierana…?Rafaly Nd.       L’article Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andiany fahenina: 49 indray ireo Malagasy tafaverina an-tanindrazana

Mitohy ny fampodiana ireo Malagasy nila ravinahitra tany ivelany. Mandalo fitiliana ara-pahasalamana avokoa izy vao afaka mamonjy ny fianakaviany. Andiany fahenina ireto tonga tamin’ny asabotsy ireto.Teratany malagasy 49 indray ny tonga eto Madagasikara ny asabotsy teo. Tsy maintsy mihiboka mandritra ny efatra andro izy ireo hanaraha-maso ny fivoaran’ny fahasalamany. Tsy maintsy manao fitiliana PCR avokoa ary miandry ny valin’izany na ireo misy soratr’aretina na ireo salama.Raha ahitana tsimokaretina Coronavirus ilay olona, tsy maintsy mijanona mihiboka, tsy mahazo mamonjy fianakaviana fa tsaboina mandra-paha tsy ahitana intsony izany tsimokaretina izany ao amin’ny vatany. Raha tsy ahitana ny tsimokaretina kosa, afaka mamonjy fianakaviana aorian’ny valin’izany fitiliana izany.Mandray an-tanana ny fikarakarana ireto teratany malagasy vao tonga ny asabotsy teo ireto ny minisiteran’ny Mponina miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny . Eo koa ny CCO sy ny avy eo amin’ny fadin-tseranana miaraka amin’ny Ravinala Airports.Andiany fahenina ireto teratany malagasy nitodi-doha an-tanindrazana ireto tato anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Avy amin’ny firenena maro izy ireny ary anisan’ireo very asa sy tsy manan-kaleha tany amin’izany firenena nisy azy ka nangataka ny hody eto an-tanindrazana.Nisy amin’ireny ny efa nijaly, natory tamina toerana tsizarizary, niaritra ny mafy ka izao tonga soa eto an-tanindrazana izao ihany. Ny hafa aza, nitoka-monina am-bolana maro teny ambony ranomasina toy ireo mpiasa amin’ny sambo…Nandray andraikitra ny fitondram-panjakana tamin’ny fandefasana fiaramanidina manokana hitondra azy ireny ary narahina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany.Tatiana AL’article Andiany fahenina: 49 indray ireo Malagasy tafaverina an-tanindrazana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandrobana volabe 36 tapitrisa Ar: tratra ireo roa lahy naman’ilay zandary maty voatifitry ny polisy

Ankoatra ny lehilahy iray hafa, voasambotry ny polisin’ny borigady miady amin’ny herisetra (brigade criminelle), afakomaly alina ihany, ireo roa lahy, naman’ilay zandary maty voatifitry ny polisy, teny akaikin’ny Fasan’ny Karana. Voalaza fa polisy efa naato amin’ny asany ny iray, ary izao tafiditra amin’ny fandrobana vola 36 tapitrisa Ar izao.Tra-tehaky ny polisy ireo roa lahy hafa ahina ho mpiray tendro amin’ ilay zandary sy ny namany, tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny amin’ny faritra Anosizato. « Fantatra fa polisy efa naato amin’ny asany ny iray noho ny fandraisany anjara tamin’ny fanafihana tombin-tsolika iray eo ampitan’ny HJRA, tamin’ny fotoan’androny », hoy ny fanazavan’ny seraseran’ny Polisim-pirenena. Tratra tamin’izany koa ny basy poleta roa nisy bala miisa enina sy antsy ary vola antapitrisany maro. Fitaovana tao anaty kitapon’izy roa lahy tao anatina fiara marika Peugeot 309 nentiny ireo. Efa voasambotra koa ny naman’ilay zandary maty voatifitra.Zandary nisandoka ho polisyRaha tsiahivina ny tranga niseho, lavon’ny balan’ny polisy ny zandary iray niasa tao amin’ny Toby Ratsimandarava, ny alarobia maraina teo tokony tamin’ny 5 ora. Avy nanao fanafihana mitam-piadiana teny akaikin’Anosizato izy sy ny namany tamin’io. Nanao fanamiana polisy ireo lehilahy roa ka nisakana fiara Crafter iray. « Nitaky ny hisavana ny taratasy momba ny fiara ireo roa lahy ary nisava ny tao anaty fiara », hoy ny Polisim-pirenena. Nihevitra ireo niharam-boina fa mpitandro filaminana nanao ny asany izy ireo ka namela malalaka nisava ny fiara sy nanolotra ny taratasin’ny fiara. Nosintomin’ny iray amin’izy roa lahy ny kitapo nisy ny vola nitentina 36 tapitrisa Ar, nipetraka teo akaikin’ny mpamily. Nanambana basy ireo tompona fiara ireo jioalahy ary nilefa nandositra tamin’ny moto scooter avy eo.Nahazo fanairanaNanao antso vonjy amin’ny polisy ireo voatafika ka nanenjika ilay moto nizotra ho any Ankadimbahoaka. Vokatry ny fandehanana mafy, nianjera teo Fasan’ny Karana ilay moto. Vokany, nitsoaka ny iray amin’ireo roa lahy fa ny iray kosa, namoaka basy ka ary nikasa hitifitra ireo polisy efa nanatona. Voatery nitifitra azy teo amin’ny sandriny, araka izany, ireo polisy. Naratra ralehilahy ka nentina teny amin’ny hopitaly, saingy namoy ny ainy teny an-dalana. Hita tamin’ny fisavana ilay moto nentin’ireo olon-dratsy kosa ny « carte professionnelle » maha zandary an’ilay voatifitra. Teo koa ny taratasy maro samihafa mikasika azy. Nogiazana avokoa ireo fitaovana hita niaraka amin’ny basy sy ny moto.Araka izany, andrasana ny ho tohin’ity raharaha mahavoasaringotra mpitandro filaminana ity. Henintsoa HaniL’article Fandrobana volabe 36 tapitrisa Ar: tratra ireo roa lahy naman’ilay zandary maty voatifitry ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – PSG (3) – (0) Leipzig: niteraka savorovoro tao Paris ny fandresena

Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Paris St Germain no hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ry zareo Parizianina. 50 taona aty aoriana vao tonga eo amin’izany dingana izany ry zareo, taorian’ny nandreseny tamin’ny isa mazava 3 no ho 0 ny RB Leipzig, teo amin’ny manasa-dalana. Baolina nampidirin’i Marquinos, teo amin’ny minitra faha-13 sy ny an’i Di Maria minitra faha- 42 ary nofaranan’i Juan Bernat, minitra faha-56.Nanoloana ity fandresena goavana ity, nivoaka naneho ny hafaliany nanerana ny arabe tao Paris, Renivohitra ireo vahoaka frantsay nampaneno ny “klaxon” n’ny fiarany. Nitsoka anjomara sy kiririoka nandihy sy nitandahatra namonjy ny Champs Elysées ireo vahoaka analinkisa.Voatery niditra an-tsehatra ny polisy nandamina ka nandefa entona mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo vahoaka nifaly. Teo no nahatezitra ireo mpomba ny PSG ka nahatonga azy ireo nanimba ny fiaran’ireo mpitandro filaminana sy nitora-bato azy ireo. Nanoloana izany, nisy ireo olona nosamborina, nanao fanararaotana sy namboly fanakorontanana. Na teo aza izany, tsy nisy ny aina nafoy teo amin’ny roa tonta.Tsy nanafina ny hafaliany i Nasser Al-Khelaifi, filoha mpitantana ny ekipan’ny PSG, taorian’ity fandresena ity ka nanambara fa nahavita dingana goavana ny Paris St Germain, saingy tsy mbola vita ny lalao fa mila mibata ny amboara amin’ny famaranana, hatao ny alahady ho avy izao. TompondakaL’article Kitra – PSG (3) – (0) Leipzig: niteraka savorovoro tao Paris ny fandresena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Europa league”: Barea efatra no hiatrika izany

Tontosa omaly ny antsapaka eo amin’ny fifaninanana hiadiana ny amboaran’i Eoropa “Europa league”, taranja baolina kitra. Hiatrika izany, amin’ity, ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar efatra mirahalahy, i Abel Anicet, i Hery Bastien, Ilahimaharitra Marco ary i Sylvio Ouassiero.Raha ny fandaharam-potoana, hiatrika ny fihodinana faharoa ny Linfield FC, hilalaovan’i Hery Bastien ka hifanandrina amin’ny Floriana FC, tompondakan’i Malte. Toy izany koa i Sylvio sy ny SC Fola Esch, izay hanafika any Armenia ka hifandona amin’ny FC Ararat. Samy hotanterahina ny alakamisy 17 septambra avokoa ireo lalao roa ireo.Avy hatrany kosa dia miandry eo amin’ny fihodinana fahatelo i Marco sy ny Royal Charleroi SC ka hidona amin’izay ho mpandresy eo amin’ny FC Sfintul sy ny FK Partizan. Fihaonana, hatao ny 24 septambra ho avy izao. Mitovy amin’izay koa ny Ludogorets-n’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar, saingy tsy mbola fantatra izay ho mpifanandrina amin’izy ireo. Voalahatra ny 1 oktobra kosa anefa ny lalaony. Tompondaka L’article “Europa league”: Barea efatra no hiatrika izany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Firongatry ny valanaretina: 211 ireo lavon’ny Covid-19, mitombo ny isan’ireo marary

Niampy roa ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny 48 ora. Avy any Sava ny iray, maty ny asabotsy teo raha avy any Diana kosa ny iray nodimandry, omaly, araka ny tatitry ny CCO. Tafakatra 211 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy andaniny, miisa 88 ireo nifindran’ny Coronavirus tao anatin’ny roa andro farany ka avy eto Analamanga ny 25 amin’izany. Mbola mampanahy tanteraka kosa ny any Diana. Miisa 26 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora raha valo kosa ho an’ny any Sava.980 niakatra ho 1 176 ireo mbola tsaboinaAnkoatra izany, mihamaro hatrany ny isan’ireo marary sy mbola tsaboina. Tafakatra 1 176 izany, hatramin’ny omaly. Miisa 980 anefa izy ireo ny 8 septambra teo ary niakatra ho 1 010 ny ampitson’io (9 septambra). Efa hananika ny 1 200 indray izany izao.Na izany aza, miisa 14 368 ireo sitrana hatramin’izao tamin’ireo nitondra ny tsimoka aretina Covid-19 miisa 15 757. Nihena telo kosa ka 34 izany izao ireo marary mafy.Miisa 64 174 ny fitiliana PCR vita raha 6 798 kosa ny fitiliana vita ho an’ny eo anivon’ny GenExpert.Synèse R.L’article Firongatry ny valanaretina: 211 ireo lavon’ny Covid-19, mitombo ny isan’ireo marary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona

Natao ny 2 aogositra teo, tany Moroni, ny fivoriana iombonan’ny minisiteran’ny Rahaham-bahiny aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Tsara ny asa vitan’ny COI tao anatin’ny 35 taona. “Tsy mionona amin’izany anefa isika. Tsy maintsy miezaka hatrany isika hihoatra ny sarotra”, hoy ny solontenan’ny Nosy Kaomoro, i Mohamed El-Amine Souef. Ny hahatongavana amin’izany ny rafitra ao amin’ny COI, andraikitry ny filoham-panjakana mpikambana rehetra ny mamaritra politika ho amin’izany.Mandeha amin’izay lalana izay ny hevitra naroson’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina, nilaza fa « fanamby vaovao iombonana izao, ary tsy tokony hifanitsaka ny COI sy ny fikambanana hafa misy antsika satria miray isika eto manome lanja ny tena ilaina sy ny tombontsoa manokana ».Nohararaotin’ny mpivory ny tokony hanavaozana ny rafitra nananganana azy, indrindra momba ny fifanarahana natao tany Victoria, Renivohitr’i Seychelles, ny taona 1984. Fomba fiaingana vaovao indray ny andrasana, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, araka nambaran’ireo mpivory rehetra niray feo. R.MathieuL’article COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Vaccination : la dernière ligne droite

Au fur et à mesure que l’échéance du 17 juin approche, les autorités sanitaires mettent les bouchées doubles pour accélérer la campagne de vaccination. Le nombre des centres s’est multiplié, et les habitants de certaines localités éloignées des grands centres urbains peuvent recevoir leur précieuse dose. À l’allure où se déroulent les opérations, le maximum sera fait. Mais il n’y aura pas de miracle, la majorité des 250 000 doses devra être détruite. L’élan de cette première vague ouvre de belles perspectives pour la suite du programme de vaccination. Vaccination : la dernière ligne droite Même si certaines résistances existent encore, l’idée de se faire vacciner n’est plus incontestée. La communication faite par les autorités sanitaires semble convaincre de plus en plus de monde. Les artistes ont été des auxiliaires importants en apportant leur témoignage après avoir été vaccinés. Il reste une dizaine de jours pour pouvoir recevoir sa première dose…Les organisateurs de l’opération accélèrent le processus. Dans cette dernière ligne droite, tout est fait pour permettre à tous les volontaires de se faire vacciner. Les centres se sont multipliés. On apprend que des vaccinodromes mobiles sont disponibles et peuvent approcher la population si un groupe de vingt personnes est constitué. On pense que des files vont se constituer durant ces dix derniers jours car de nombreux indécis vont se laisser convaincre. Le bouche-à-oreille est très efficace. Le secteur du tourisme voit ses acteurs se plier de bonne grâce à l’opération car pour ces derniers, c’est une question de nécessité pour un véritable démarrage d’activité. Les personnels de santé et les forces de l’ordre ont fait partie des premiers bénéficiaires. Chez les simples citoyens, la réticence du début a commencé à s’estomper. Les derniers jours devraient voir une ruée vers les centres ouverts. Beaucoup de Malgaches disent cependant vouloir attendre l’arrivée de nouveaux vaccins. Patrice RABE L’article Vaccination : la dernière ligne droite est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccination : la dernière ligne droite a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fanafihana ny fiaran’ny Brinks: telo lahy nidoboka eny Tsiafahy

Telo lahy izao no fantatra fa naiditra am-ponja eny Tsiafahy, noho ilay raharaha fanafihana ny fiara mpitondra vola an’ny orinasa Brinks, teny Amoronakona, By-pass, ny asabotsy teo. Anisan’izany ilay tompon’ny moto nampiasaina nandritra ilay fanafihana, lehilahy iray mpiasan’ny tobin-tsolika Jovena izay nitsimpona ka nanitrika ny findain’ireo jiolahy nandritra ny fifanjevoana, ary lehilahy iray hafa.Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo olona telo voarohirohy ho tompon’antoka sy tao ambadik’ilay fanafihana ny fiaraben’ny orinasa Brinks hanatitra vola teny amin’ny banky iray eny Amoronakona By-Pass. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, ny zoma hariva tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana dia efa voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy noho ny fiaraha-miasa tamin’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely ny lehilahy roa tompon’ilay moto nampiasana nandritra ity fanafihana teny Amoronakona By-Pass ity. Nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany fa voasambotra ny ampitson’io nitrangan’ny fanafihana io koa ny lehilahy iray mpiasan’ny Jovena izay naka haingana ny telefaonina findain’ireo mpanafika izay latsaka teo am-pandosirana ka nanitrika haingana ilay telefaonina finday. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no nitrangan’ity fanafihana fiaraben’ny Brinks hanatitra tao amin’ny DAB amin’ny banky iray eny Amoronakona ka efa narahin’ireto jiolahy tamin’ny moto BWS iray. Tsikaritry ny zandary niambina teny an-toerana sy ao anatin’ny hetsika « Papango » izany ka nitifitra avy hatrany ireo jiolahy nanafika ilay fiaraben’ny orinasa Brinks. Vokany, lavon’ny zandary ny jiolahy roa.Tratran’ny zandary koa i Rams na Petit mpanao kidnapping…Voasambotry ny zandary koa ny jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana “kidnapping” antsoina hoe Rams na Petit. Tratra tao Soaranokely, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka ity jiolahy ity raha ny tatitra nampitain’ny zandarimariam-pirenena hatrany. voalazan’ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany fa naman’ilay jiolahy mpaka an-keriny antsoina hoe Boly ity jiolahy ity. Tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ny tompon’ny tranombarotra mpamongady iray eny Isoty ry zalahy ireto. Teo koa ny tompon’ny Metaplasco eny Ampasampito, ny tompon’ny tranombarotra iray Tsaralalana, ny karana iray tompon’ny fivarotana kojakojana fiarakodia eny Besarety ary ny ny karana tompon’ny hotely Mellis Analakely. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha fakana an-keriny ity.Jean ClaudeL’article Fanafihana ny fiaran’ny Brinks: telo lahy nidoboka eny Tsiafahy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Notsongaina

Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo
17/06/2021

Niompana amin’ny fandraisana an-tanan’ny fanjakana ny fanafarana entana ilaina ho amin’ny lafiny sosialy ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, omaly. Natao tamin’ny alalan’ny « visioncoference » izany.Nivoitra tamin’izany ny fankatoavana ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra momba ny fampidirana kaontenera misy famokarana sakafo. Nanambara ny eo anivon’ny Fondation Mérieux, ny 15 marsa teo, fa hanampy amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany.Ankizy maherin’ny 50 000 hisitraka fanampin-tsakafoHametraka ozinina famokarana fanampin-tsakafo ao Taolagnaro ho an’ny mpianatra any atsimon’ny Nosy izy ireo. « Vonona hanolotra maimaimpoana koa ny kaontenera fanampiny ahitana fitaovana famokarana izany ity Fondation lehibe ity », hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.Hisitraka ny vokatra avy amin’izany ozinina izany ny ankizy maherin’ny 50 000 any amin’ny faritra Anosy sy Androy ary hozaraina maimaimpoana eny anivon’ny « cantine scolaire » izany. Hahatratra 600 t isan-taona ny famokarana ataon’ity orinasa ity. Antony nanalefahana ny haba sy ny hetra izany, araka ny fangatahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Hahazo kamiao ny CUAEtsy andaniny, nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fanafaran’ny Unicef ireo fiara lehibe fakana fako « camion benne » miaraka amin’ny kojakoja samihafa ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). « Natao hanamafisana ny haitaon’ny sampana fandraofana ireo fako vaventy izany », hoy ihany ny tatitra.Ankoatra izany, nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manambara ny hampiasan’ny fanjakana ny tany ao amin’ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe, voafaritry ny reniranon’i Onibe sy ny kaominina Ampasimbe Onibe. Eo koa ny ao amin’ny kaominina Andondabe, ny reniranon’Ifontsy ary kaominina Antetezambaro miaraka amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao amin’ny drafi-pandrindrana ny tanàn-dehibe izany.Nankatoavina koa ny hampidirana maimaimpoana ireo fitaovana nohafarana omena ny ivontoerana fanofanana asa (CFP) ao Nosy Be. Tahaka izany koa ny nankatoavana ny fahazoan-dalana handray fitaovana : « appareils mammographies analogiques », miisa 10 sy ny « scanner 64 barettes, miisa dimy.Synèse R.  L’article Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny
16/06/2021

Navotsotry ny dahalo, omaly maraina, ilay renim-pianakaviana 46 taona nalain’ny dahalo an-keriny ny herinandro teo, tao Betatao, Anjozorobe. Hita teny akaikin’i Soalazaina izy ary tsy misy ahina ny fahasalamany. “Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ireo dahalo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Tsy nohamarininy kosa anefa raha nisy fangatahana onitra ho famotsorana ilay renim-pianakaviana io.Tsiahivina fa nitrangana fanafihan-dahalo niharo fakana an-keriny ny tao Betatao, herinandro vitsy lasa izay. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny renim-pianakaviana iray teo an-toerana. Saika efa niaina am-pilaminana ny mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe taorian’ireo fisamborana sesilany ireo ekipan’i Del Kely kanjo niverina tampoka ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana. “Vokany, mihorohoro tanteraka ny mponina, indrindra moa fa any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny distrika”, hoy ny loharanom-baovao iray. Henintsoa Hani L’article Fakana an-keriny tao Anjozorobe: votsotra ilay renim-pianakaviana nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra
15/06/2021

Niverina nihodina indray ny orinasa Tetikasa Ambatovy, ny marsa 2021 teo, taorian’ny fihibohana vokatry ny Covid-19. Neken’ny mpiray renivola ny fanohanana ny orinasa, ahafahana mihodina araka ny tokony ho izy. Nambaran’ny filohan’ny orinasa, i Stuart Macnaughton, fa be ny fanantenana ho an’ity taom-pamokarana 2021 ity mitaha ny taona 2020. Antony, mampiroborobo ny famokarana nikela sy kobalta ny fandrosoan’ny famokarana fiara mandeha herinaratra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Satria, akora ilaina amin’ny baterian’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ny nikela sy kobalta.99,9% ny taham-pahadiovanaNanazava ity tompon’andraikitry ny tetikasa Ambatovy ity, fa asam-pihariana marolafy sady be pitsopitsony ny famokarana nikela sy kobalta, manana taham-pahadiovana 99,9%. Tanjona ho an’ny orinasa ny hisitrahan’ny rehetra ireo vinavina ireo. Hajaina amin’ny antsipiriany ny fepetra hisorohana ny fiantraikan’ny Covid-19, mba tsy hiantraika any amin’ny famokarana. Ankoatra ny fepetra any amin’ny toeram-piasana, nentanina ny mpiasa hanaja izany koa any an-tokantrano sy amin’ny fifaneraserana amin’ny olon-kafa.Njaka A.L’article Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
18/06/2021

 Voasambotry ny polisy, ny alarobia teo ilay teratany vahiny 41 taona mpanao trafikana rongony. Tratra teny Analamahitsy izy ary mbola nahatrarana rongony milanja 450g. Fantatra ihany koa fa efa tapitra efa ela ny fe-potoanan’ny taratasy ahafahany mijanona eto Madagasikara, hoy ny polisy. Nambarany fa sady mivarotra no mifoka rongony io lehilahy io. Mifoka izany indroa isan-kerinandro izy ary ireo olona fantany sy mifandray aminy eny Analamahitsy sy Ambatobe no manjifa izany amin’ny vidiny 40.000Ar ny grama.Tra-tehaky ny polisy tetsy anoloan’ny HJRA, omaly maraina, ny lehilahy iray voalaza fa mpamaky fiara. Lasibatrany tamin’izany ny fiarana mpitsabo ao amin’ny HJRA ka lasany  ny « auto-radio » tao anatiny. Tsikaritry ny tompon’ny fiara ny asa ratsin’io lehilahy io ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana efa namboariny manokana hanokafany fiara. Natao fanadihadiana ralehilahy ary efa naverina tamin’ny tompony ny entana nangalariny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika
17/06/2021

Horaisina ny fepetra. Nidina ifotony tetsy amin’ny tetezan’Ampasika sy ny manodidina ny eo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (DRTP) niaraka amin’ny Apipa, omaly. Teo koa ny avy amin’ny kaominina Bemasoandro. Anton’izany ny fandavahan’ny mpivarotra sasany ny eo ambanin’ny tetezana, hakan’izy ireo fasika. Ahina hiteraka fahasimbana amin’ny tetezana Ampasika anefa izany. « Horaisina ny fepetra, ary hosazina ireo tratra mbola manohy maka fasika amin’iny faritra iny”, hoy ny DRTP, Andriamalalavonjy Solomanoro. Nohitsiny fa mety hitera-doza mihitsy izany raha mbola mitohy ny fakana fasika eo Ampasika.Araka izany, tsy azo atao intsony ny maka izany manomboka izao ary handraisana fepetra ireo mbola mihoa-pefy mitrandraka ny fasika eo amin’io toerana io.Synèse R. L’article Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika a été récupéré chez Newsmada.

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités
18/06/2021

L’Organisme Mixte de Conception (OMC), représenté par le Préfet, soutient que le jeune décédé par balle hier n’était pas un étudiant de Maninday. Il appelle donc les universitaires à se calmer. De même, le patron de la Circonscription de la Gendarmerie confirme que le mort n’est pas un originaire de Tuléar. « Pour que les Forces de l’Ordre (FO) puissent mener leur investigation, la franchise universitaire a été levée », dixit le Président de l’Université de Tuléar. De leur côté, les étudiants, retranchés au Campus de Maninday, crient haut et fort que ce malheureux était leur camarade. D’ailleurs, un compagnon de lutte aux côtés de la victime a gardé une douille pour montrer que les forces de l’ordre ont tiré à balles réelles, quand ils ont été attaqués hier, mercredi 16 Juin près de la barrière du Campus. Une enquête est donc nécessaire pour connaître la vérité . Un Professeur de l’Université a reconnu tout de suite qu’il s’agissait bel et bien d’un étudiant de l’Université de Maninday, en provenance d’une autre province, après identification de la dépouille. « Comme il s’agit d’un sortant de 5è année en gestion/économie, il se peut qu’il ne soit pas inscrit cette année », raisonne le même professeur. Cette dernière version est possible car plusieurs meneurs de grève sont des sortants qui attendent la validation de leur Master, une validation qui tarde à venir. Pendant ce temps, le cadavre gisait toujours à la morgue, ce jeudi 17 Juin, ce qui démontre que le jeune sans vie, vient d’une autre Région, loin de sa famille. Les étudiants veulent bien le récupérer, mais ils sont séquestrés au Campus et ne peuvent aller à la morgue de l’Hôpital pour s’occuper de lui,  et lui rendre un dernier hommage. Charles RAZA L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Grève à l’Université de Tuléar : Le jeune décédé n’est pas un étudiant, selon les autorités a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
19/06/2021

Tontosa omaly teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika eny Andohalo ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin’ny lehiben’ny Etama­zao­ron’ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika vaovao, ny Jly Sahivelo Delphin. Voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 18 jona 2021 teo ity manamboninahitra ambony hisahana ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity. Marihina fa nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika vaovao.Jean ClaudeL’article Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Un communiqué qui est un pavé dans la mare
18/06/2021

La campagne de vaccination contre la Covid-19 est maintenant terminée et ceux qui l’ont organisée peuvent considérer que leur contrat est rempli, même si un peu plus de 80 000 doses n’ont pas été utilisées. On a vu hier un certain flottement après l’annonce faite par l’ambassade de France affirmant que le Covishield n’était pas accepté par les autorités françaises. Après une suspension de quelques heures, la vaccination a repris et l’affluence dans les centres a été importante. Un communiqué qui est un pavé dans la mare Le communiqué publié sur la page Facebook de l’ambassade de France, précisant que le vaccin Covishield n’avait pas été accepté par les autorités françaises, a semé le désarroi chez les organisateurs de la campagne de vaccination. De nombreux vaccinodromes ont fermé leurs portes et le personnel présent a renvoyé les nombreux candidats qui faisaient la queue. Le ministre de la Santé a exprimé son incompréhension et a décidé d’interpeller l’OMS par rapport à cette affirmation. Mais après une longue concertation entre les responsables, l’opération a repris son cours pour ne pas léser les volontaires désireux de se faire vacciner. Le rythme a été très soutenu tout au long de l’après-midi/ 177 000 personnes ont donc pu recevoir leur première dose de vaccin au terme de ce mois et demi de campagne. Pour les observateurs, ce qui a été annoncé dans le communiqué est un véritable pavé dans la mare et il est tombé à un très mauvais moment. L’embarras des autorités sanitaires était palpable. Ces dernières se sont certainement senties trahies par l’OMS qui a manifesté une certaine assurance lors de la livraison des stocks de Covishield. Aujourd’hui, tous ceux qui se sont fait vacciner pour se protéger, mais aussi pour pouvoir voyager à l’international sont dans le désarroi. Un certain nombre d’entre eux ont accepté le Covishield car ils n’avaient pas d’autres choix. À présent, ils ont l’impression d’avoir été piégés. C’est maintenant vers le gouvernement qu’ils se tournent pour qu’une solution soit vite trouvée. Patrice RABE L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana
15/06/2021

Tsy natao ambanin-javatra ny lafiny fampianarana sy fanabeazana ka notolorana dabilio 25, fanitso 25 avy ho an’ny sekoly ambaratonga voalohany ao Vohipeno Razanaka, Fanasana, Lohariandava, ary Andekaleka. Etsy an-kilany, saika nitondra fitarainana ireo ben’ny tanàna nolalovana rehetra noho ny tsy fisian’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram, efa ho telo taona. Nohamafisin’ ny depiote Brickaville, i Satra Augustin, fa saika manerana disitrika manontolo mihitsy no tsy nisy io fandraisana ho mpiasam-panjakana io. Ny raiamandreny anefa efa reraka sy mizaka vesatra amin’ny fanohanana ny mpampianatra Fram.Satria mirongatra ny karazan’ aretina azo avy amin’ny renirano, toy ny fivalanana sy hafa dia handefasana teknisianina hanao fanadihadiana momba ny fampidirana rano fisotro ho an’ ireo kominina sy fokontany mbola tsy misitraka izany. Notolorana arovava orona ireo ankizy hiatrika fanadinam-panjakana rehetra isaky ny kaominina nolalovana ary fitaovana fanasana tanana sy savony.  Ampiana fitaovana ireo toeram-pitsaboana hanomezana tombony ny reny hiteraka.  Nanatontosa : SajoL’article Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra
18/06/2021

Raha efa nantenaina hilamindamina ny raharaha Oniversite Toliara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara amin’ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana mandra-pivaha ny olana, tsy izany anefa ny zava-nitranga tany an-toerana omaly.Mbola nitohy ny hetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ary vao mainka izany niitatra tamina fanimban-javatra. Tranona mpampianatra iray hafa indray no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo mpianatra no efa niantsoantso sy nifampitaona isam-baravarana. Nisy ny fitsofana kiririoka toy ny fanaon’izy ireo hatrany, narahina horakoraka. Vao naheno izany ny teo anivon’ny OMC dia nanatanteraka fivoriana haingana ka tapaka taorian’izay fa hisy ny fikarohana ireo mpianatra mpitarika ity fihetsiketsehana ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora, niditra tany amin’ny faritra misy ny trano fonenana ireo mpitandro filaminana nandondom-baravarana sady namoaka ireo mpianatra rehetra tany an-trano. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no nanohitra ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ka teo no nahavoatifitra ny iray amin’izy ireo. Vao mainka niteraka hatezerana ho an’ireo mpianatra ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ity. “Mampalahelo ihany ny mahita izao toe-javatra izao satria fitakiana tsotra no natao kanefa aina nafoy ka tsy hanaiky izao izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ireo mpampianatry ny Oniversite ka efa niala tamin’ny trano fonenany ao Maninday avokoa. Raharaha tsy ahitam-bahaolana efa hatry ny ela ity olan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ity. Karazana famonoana afo hatrany anefa no ataon’ny tompon’andraikitra fa tsy misy vahaolana matotra, toy ny hita atao amin’ireo mpampianatra aty amin’ny CEG, ny tambin-karama nitsara fanadinana BEPC tamin’ny taona 2019 hatramin’izao tsy mbola azo nefa ho avy indray ity ny fanadinana manaraka, hany ka lasa mifanilika andraikitra ny tompon’andraikitra isany. Izay voa aza tezitra!CMS/J.CL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra a été récupéré chez Newsmada.