Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika

News - Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika

News - Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika

Misy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Madagascar National Parks sy ny mpitando filaminana ao Mahajanga amin’ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny atiala hisorohana ny fidirana an-tsokosoko sy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 2013, hoy ny kaomandin’ny rezimanta voalohany ao Mahajanga ao anatin’ny faritany miaramila fahefatra, kolonely Nasinto Herilala Jean Christian. Rehefa tsy voafehin’ny mpiasan’ny MNP intsony ny fidiran’ny mpifindra monina tao anatin’ny valanjavaboary sy ny fanimbana, nanome tohana ny miaramila sy ny zandary. Tsy mbola nisy ny fifandonana mivantana hatramin’izay fa akisaka toerana fotsiny ireo mipetraka amin’ny faritra voaaro miaraka amin’ny miaramila.

Mamboly katsaka sy voamaina ireo mpifindra monina ao anaty ala ka ny hazo tapahana hanaovana ny tanimboly havadika ho arina fandrehitra. Amin’ny andro alina avokoa no hanaovana izany asa izany ka 30 ka hatramin’ny 50 olona no manatanteraka ny fambolena sy ny fiotazana ny vokatra hatramin’ny fanamboarana ny arina. Nisy ny zana-tanàna noravana niorina tao anatin’ny ala arovana sy fandravana ireo voly tratra rehetra miaraka amin’ny prefektiora sy ny MNP ary ny mpitandro filaminana.

 

Fametrahana brigade forestier

Tamin’ity taona ity, nidina teny ifotony ny tompon’andraikitra, ny volana avrily lasa teo. Nandray fepetra izy ireo ka olona dimy no nosamborina ary natolotra ny fampanoavana. Tolo-kevitry ny mpitandro filaminana ny fametrahana ny brigade forestier mipetraka any anaty ala mihitsy manara-maso ny tsy fanarahan-dalàna. Manampy azy ny vondron’olona eny ifotony mitantana ny ala sy manohana amin’ny fanentanana ny mponina tsy hiditra ao anatin’ny ala arovana.  Voalazan’ny mpandrindram-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana ao Boeny, Andrianjafy Ihandro fa nihahenjana ny fanenjehana ireo mpanimba ny atiala ao Ankarafantsika ka 23 ny olona notanana am-ponja vonjimaika ao Mahajanga, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ity volana ity. Ireo olona dimy voalaza etsy ambony ny farany indrindra. Ny volana aogositra sy septambra no tena betsaka ny doro ala.

27 ny mpiasan’ny MNP misahana ny velarana 136 513 ha  ka ny mpiasa iray mitantana 5 000 ha raha 500 ha ny fenitra.

Article tiré de Newsmada

L’article Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 31/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Fandratrana :: Nogadraina ilay tovolahy nitoraka polisy

Voatazona am-ponja vonjimaika, eny Tsiafahy, ny lehilahy iray, 22 taona, tao­rian’ny nitondrana azy teny amin’ny Fampanoavana, omaly. Nandratra polisy iray nandritra ny fotoana nanenjehana azy teny Ambodihady Ambohimanarina, tamin’ny alin’ny talata lasa teo, io lehilahy io. Niara-nidina teny Anosisoa Ambodihady ny polisy avy eny amin’ny Kao­misaria Ambohimanarina sy ny Hery vonjitaitran’ny polisy (Fip) rehefa naharay antso filazana amin’ny fisiana lehilahy iray mikasi-tanana ny rafo­zany. Nifanenjehan’ny polisy izy. «Nitoraka biriky sady nanompa an’ireo mpitandro filaminana ilay lehilahy, nandritra ny nanjehana azy. Voatoraka teo amin’ny lohany ny polisy iray ka naratra mafy sy nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly. Tafaporitsaka kosa ilay nenjehana», araka ny fanazavan’ny polisy. Notratrarina tao an-tranony, teny Ambodihady, ilay voarohirohy, ny ampitso ary nalefa teny amin’ny Fampa­noavana, ka izao nidoboka eny Tsiafahy izao. L’article Fandratrana :: Nogadraina ilay tovolahy nitoraka polisy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny

Hatramin’ny omaly hariva tontolo, mbola nifampitady amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny hatrany anaty alan’Amparafaravola ireo mpitandro filaminana. Ny azo antoka, efa navotsotr’izy ireo, omaly antoandro, ilay zazavavikely vao enin-taona.Navotsotr’ireo jiolahy, omaly antoandro, rehefa avy nandoana vola 20 tapitrisa Ar, ilay zazavavikely 6 taona nisy naka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Fantatra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, fa niditra an-tsehatra nanao ny fikarohana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’ny fahaverezan’ity zazavavikely ity. Taorian’ny adivarotra nifanaovan’ireo jiolahy sy ny ray aman-drenin’ilay zaza nalaina an-keriny, tapaka fa omaly maraina no natao ny fanakazolana ny vola tao amin’ny kaominina Ambakireny, distrikan’Amparafaravola.Tsiahivina fa nisy naka an-keriny, tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola ny alakamisy 25 jolay 2019 lasa teo, i Aina, zazavavy vao 6 taona monja. Nanomboka teo, tsy ankiato ny fangataham-bola nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny ray aman-dreniny. Taorian’io fakana an-keriny io, nisy ny fidinana ifotony tao Amparafaravola nataon’ny prefet-n’Ambatondrazaka sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Milaza ny angom-baovao avy amin’ireo mponina ao Ambodirano fa 20 tapitrisa Ar ny sandan’izao famotsorana izao.Nirefodrefotra ny poa-basy…Nilaza kosa ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana tsy nanaiky nitonona anarana fa efa tafakatra 60 tapitrisa Ar ny sandan’ny famotsorana ity zaza nalaina an-keriny ity. Mbola ifampitadiavana ireo jiolahy, hatramin’ny omaly antoandro, satria nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Hatramin’ny omaly hariva, fotoana farany nanoratanay, mbola mifampitady any anaty alan’Amparafaravola ireo mpaka an-keriny sy ireo zandary. Nomarihin’ny mponina ao Amparafaravola fa tsy nisy trangana fakana an-keriny mhitsy tany amin’izy ireo raha tsy vao izao. Nilaza rahateo ireo zandary any amin’ny faritra Alaotra fa mbola hanao tatitra momba ity raharaha ity aorian’ny famotorana rehetra.Andrasana, araka izany, ny vokatra ampitain’ny zandary any an-toerana momba ireto andian-jiolahy mpaka an-keriny ireto.Sajo sy Jean ClaudeL’article Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Mpivady niara-nidoboka am-ponjaTra-tehaka tao an-tranony ao Morafeno Ambositra ny ramatoa iray malaza ratsy amin’ny asa fangalarana, afakomaly. Sarona tao amin’io olon-dratsy io ny entana halatra toy ny lambam-pandriana. “Efa tapitra namidiny kosa ny ankamaroan’ny zavatra nangalariny”, hoy ny polisy. Ny vadin’ity ramatoa voasambotra ity izay nidoboka am-ponja herinandro vitsy lasa ary izao voasaringotra izao koa ny vadiny. Tsy fandriampahalemana“Tao anatin’ny telo volana monja, mahatratra enina sahady ireo zandary lavo am-perinasa”, hoy ny ministra Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena afakomaly. Fampandriana fahalemana ary fisorohana ny asan-dahalo misy eto amintsika no nitarika ny fahafatesan’ireo mpitandro filaminana ireo. Tsiahivina fa zandary sivy maty nandritra ny taona 2020.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra- Ho henjana ny fihaonana amin’ny Elefanta: kihon-dalana ho an’ny Barea ny lalao anio hariva

Hifantoka any Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire avokoa ny sain’ny Malagasy rehetra, anio. Hotanterahina any an-toerana ny lalao mandroso hikatrohan’ny Elefanta sy ny Barea de Madagascar. Hiady tanteraka ny baolina ary hitodika any ny mason’i Afrika…Hiara-hitempo sy hiaina mivantana, hanaraka ny lalao hikatrohan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Barea de Madagascar avokoa ny vahoaka malagasy, anio alakamisy alina, manomboka amin’ny 7 ora. Fihaonana mandroso hiadian-toerana ho an’ny “Can 2022”, tanterahina ao amin’ny kianja Alassane Ouattara ao Ebimpé izany.Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ity fihaonana ity, tsy ho an’ny Malagasy ihany fa ho an’i Afrika iray manontolo mihitsy sy izao tontolo izao. Ekipa nisongadina tao anatin’ny fotoana fohy mantsy ny Barea ka tena hitodihan’ny mason’ny rehetra. Na izany aza, ho henjana ny lalao satria hanohitra ny Elefanta ao an-taniny ny Barea de Madagascar, amin’ity.Raha tsiahivina, tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Ivoarianina mihitsy ny Malagasy, tao anatin’ireo fihaonana dimy nifanatrehana ka faharesena ny lalao efatra ary ady sahala kosa ny iray.Mailo tanteraka IvorianinaFanamby iray goavana izany no miandry ny Barea de Madagascar, amin’ity. Sarotra kanefa azo atao tsara ny mandresy ny Elefanta, ao amin’io kianja filalaovany io. Mailo tanteraka mantsy ny Ivoarianina, amin’izao fotoana izao satria hain-dry zareo tsara ny zava-bitan’ny Malagasy.Kihon-dalana lehibe ho an’ny Barea de Madagascar izany ity fihaonana anio ity, mety efa hahitana taratra ny ho tohin’ny lalana hodiavin’ny Malagasy. Fandresena, hahazoana isa 3 no tanjona, saingy tsara ihany koa ny ady sahala satria mbola hampiantrano ny lalao miverina, hatao any Toamasina ny Barea de Madagascar, ny talata 17 novambra, ho avy izao.Hahita mivantana ny lalao ireo tanàn-dehibe sasanyMialoha izany, niatrika ny fitiliana ny “covid 19”, ireo mpilalaon’ny Barea.Tsiahivina fa hahita ny lalao mivantana amin’ny alalan’ny “Ecran géant” iarahana amin’ny fiadidina ny Repbolika ho an’ny lalao anio sy ny amin’ny 17 novambra ny eny Itaosy, Ambohidratrimo, Sabotsy Namehana. Eo koa ny any Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, miaraka amin’i Miarinarivo sy Moramanga ary Maevatànana.TompondakaL’article Kitra- Ho henjana ny fihaonana amin’ny Elefanta: kihon-dalana ho an’ny Barea ny lalao anio hariva a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 29.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 29.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.La pandémie de covid-19 n’a pas encore épargné la Grande Île. En effet, 213 nouvelles contaminations sont recensées ce 29 juillet dont la plupart sont concentrées dans la capitale, Antananarivo. Par ailleurs, 3101 malades sont encore en cours de traitement avec 102 formes graves. Malgré l’accélération de la propagation de cette maladie, les patients guéris se multiplient également. Pour preuve, 1100 personnes ont échappé à son emprise depuis le début de cette semaine dont 504 guéries ce jour. Le Pr VOLOLONTIANA Hanta lors de son rapport a aussi signalé 6 nouveaux victimes du coronavirus soignés à l’hôpital Militaire Soavinandriana (2) et au CHUJRB (4). Ainsi, le nombre de décès à Madagascar a actuellement atteint 99.L’article Covid-19: Situation du 29.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Midi Madagasikara

Nécrologie du 24 août 2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 24 août 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Faritra Boeny: homen-danja sy hampiroboroboana ny asa tanana

Homen-danja sy hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana any amin’ny faritra Boeny. Izay no foto-kevitra entina hanajariana ny Ceram (Centre regional de l’artisanat malagasy Boeny) sy fanamboarana trano iray faharoa mahaleotena tarihin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa.Toerana atao hanamora ny fanofanana sy hanakaiky kokoa ny mpiofana  any amin’ny faritra, atao ihany koa ho fihaonan’ny mpitantan-draharaha sy ny mpanao asa tanana, ho toeram-pivarotana hihaonan’ireo mpanjifa amin’ireo mpihary. Hisy, araka izany, ny fampisehoana sy ny toeram-pivarotana hampiroboroboana ny tolotra sy ny tinady ao amin’ny faritra.Manana ny mampiavaka azy manokana ny asa tanana vita any amin’ny faritra Boeny, mirakitra ny kolontsaina any an-toerana. Hita izany, ohatra, amin’ireo haingo sy fitafian’ny vehivavy, ary natao indrindra ho zakan’ny mpanjifa eto an-toerana ny vidiny. Manome toky ny Mica fa tohizana ny fihodin’ny sehatry ny asa tanana hisarihana tanora, hanehoana fa matihanina ary hananganana tontolo iray hampivoatra ny toekarena malagasy. R.MathieuL’article Faritra Boeny: homen-danja sy hampiroboroboana ny asa tanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsaboana ny governora Rasoamaromaka: nitondra fanazavana ny eo anivon’ny Assistant +

Nitondra fanazavana ma­noloana ny resabe momba ny fitsaboan-tenan’ny governora Rasoamaromaka Hery tany ivelany ny eo anivon’ny fiantohana ara-pahasalamana As­sis­tant +. “Tsy maintsy nanao ny fanavotana ny ainy ka antony namindrana azy haingana tamin’ny alalan’ny fiaramanidina (Evasan) tatsy La Reunion ny fiandohan’ny vo­lana marsa teo”, hoy ny filoha tale jeneraly, i Patrick Cejudo, teny Ivato tamin’ity herinandro ity. Nanteriny fa niharatsy sy nisy fahasarotana ny toe-pahasalamany ka tsy maintsy natao ny vonjy aina rehefa tsy vita teto intsony izany, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa mpikambana teo anivon’ny Assistant + efa ho 10 taona ity governora ity ary mahaloa ny latsak’emboka 28 000 Ar isam-bolana. Anton’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana azy izany. Tsiahivina fa 40 izao ireo marary tsaboin’izy ireo eto an-toerana, amin’izao fo­toana izao. Manara maso iza­ny ireo mpitsabo eo anivon’ity tranom-piantohana momba ny fahasalamana ity.Synèse R.L’article Fitsaboana ny governora Rasoamaromaka: nitondra fanazavana ny eo anivon’ny Assistant + a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiparitahan’ny Covid-19: natoka-monina ny oniversiten’Antsiranana

Tsy misy mahazo miditra sy mivoaka ny faritry ny oniversiten’Antsiranana ary nanao fitiliana PCR avokoa ny mponina rehetra ao anatiny hamantarana na voan’ny Coronavirus na tsia. Nomena vatsy izy ireo ahafahany miaina nefa manaja ny fepetra ara-pahasalamana tsy hifampikasoka ety ivelany. Misy teratany vahiny iray nangataka “évacuation sanitaire” ka nalefa hitsabo tena any amin’ny firenena niaviany, araka ny vaovao azo. 100 mahery ireo manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ho an’ny faritra Diana ary tsy misy mampiseho fahasarotana, hatreto. Ireo mpianatra avy ao amin’ny oniversiten’Antsiranana no namindra tamin’ny mponina ety ivelan’ny faritry ny oniversite ka nitombo haingana ny isan’ny nifindran’ny tsimokaretina Covid-19. Efa voaray an-tanana avokoa ireo. Any an-toerana rahateo ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha.Vonjy      L’article Fiparitahan’ny Covid-19: natoka-monina ny oniversiten’Antsiranana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faran’ny herinandro: nangingina ny fetin’ny Paska

Nilamindamina ny fetin’ny Paska raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Nisy hatrany ny fiangonana nisokatra na eo aza ny tahotra ny valanaretina, saingy tsy dia hipoka toy ny mahazatra.Nozarazaina rahateo ny fidirana ka nanaja izany ny kristianina, tsy nisy ny fisisihana sy ny tangorona mihoa-pampana. Voahaja ny elanelana sy ny fepetra ara-pahasalamana teny amin’ireo fiangonana. Tsapa ho nihena ihany anefa ny mpivavaka na teo aza izany fandaminana izany, raha ny fanamarihan’ny mpitandrina iray.Efa noferana tsy hamonjy fotoam-bavaka rahateo ireo marefo sy zokiolona. Ankoatra izay ny fepetra nivoaka fa tsy tokony hihoatra ny 100 ny olona miara-mivavaka.Ny alatsinain’ny Paska kosa, vitsy ireo nivoaka ny nitsangantsangana raha ny tazana tamin’ireo toerana niankandrefana an’Antananarivo iny. Tsy nisy ihany koa ny karazana kilalao sy fialamboly fanao rehefa fetin’ny Paska amin’ireo toerana mahazatra.Nangingina tsy toy ny hatrizay, araka izany, ny fetin’ny Paska tao anatin’ny roa taona nampisy ny aretina covid-19 izay.Tatiana A  L’article Faran’ny herinandro: nangingina ny fetin’ny Paska a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Residence Rundong
15/10/2021

La Société Run Dong International Development S.A.R.L est en cours de constructions d’ un grand  projet qui consiste à construire une résidence de haut standing qu’ on a nommé  ‘’ Résidence Run Dong ‘’ située à Tanjombato - Anosimahavelona 500m du pont de Jumbo Smart.Nous allons commercialiser plusieurs appartements différents selon votre choix avec ou sans piscine.T3 1 living +2 chambres = 89m2 – 112m2T4 1 living +3 chambres = 112m2-136 m2-148m2T5 1 living +4 chambres = 148m2T4 et T5 avec piscine privée = 255m2En Duplex = 1ere étage 150m2 et rez de chaussé = 190m2Si nos appartements vous intéressent nous vous incitons déjà à réserver dès maintenant car vous bénéficieriez d’une grande réduction de prix et d’autres avantagesN’hésitez pas à nous contacter si vous avez besoins d’autres renseignements complémentaires034 37 333 33 / 033 05 666 66 / 033 25 999 999Contactrdg69@gmail.comNotre site: www.residencerundong.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Residence Rundong".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Notsongaina

Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena
12/10/2021

Taorian’Iakora, hisitraka tobi-miaramila vaovao koa ny ao Ambalakindresy, distrikan’Ambohimahasoa, izay hiantoka ny fandriampahalemana ao amin’ity distrika ity. Notokanan’ny filoha Rajoelina, ny asabotsy 9 oktobra teo ny “détachement spécial de sécurité” (DSS) ao Ambalakindresy, tafiditra ao anatin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra. Nanotrona izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny lehiben’ireo Etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Nohamafisin’ny filoha fa ny fananganana fotodrafitrasa toy izao dia isan’ny vahaolana maharitra entina hiadiana sy hamongorana hatrany amin’ny fakany ny tsy fandriampahalemana. Nosafidina hametrahana izao toby izao ity toerana ity noho izy voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo noho izy saro-dalana sy somary mitokana. Tanjona amin’ny fanavaozan-drafitra ny hanakekezana kokoa ny vahoaka. Ampinga iray lehibe hoenti-manafoana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Andringitra ka ahafahan’ny vahoaka any an-toerana mifantoka tanteraka amin’ny asa fampandrosoana.Jean ClaudeL’article Tsy fandriampahalemana…: hametrahana tobi-miaramila DSS ny faritra mena a été récupéré chez Newsmada.

Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa
11/10/2021

Nidina ifotony tany Ambositra ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, sady mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ny 9 otkobra teo. Nihaona taminy ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Nojerena ny fomba ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, mba hipaka any amin’ny kaominina ambanivohitra. Fantatra fa maro ny fotodrafitrasa natsangan’ny fanjakana any amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe, koa nojerena ny fomba hisitrahan’ny any ambanivohitra.Nodinihina manokana ny lafiny tontolo iainana, indrindra mikasika ny doro tanety, izay mbola mirongatra manerana ny faritra Amoron’i Mania. Mizaka ny voka-dratsiny, ankehitriny ity faritra ity, satria tsy maharaka intsony ny famatsian-drano, ka voatery manafatra rano any amin’ny faritra hafa. Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo ben’ny Tanàna, hanentana ny mponina hiaro ny tontolo iainana.Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana OMC koa Rtoa minisitra, niresahana izay resaka doro tanety izay sy ny tsy fandriampahalemana. Nampanantena ny minisitra Raharinirina Baomiavotse, fa hampita any amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta voakasika ny iraka nataony tany an-toerana.Njaka A.L’article Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa a été récupéré chez Newsmada.

Fifampitokisana mila fahatokisan-tena
11/10/2021

Tsy fifampitokisan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no lazain’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) no anisan’ny mahatonga ny olana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza na inona no tena fototra sy fositra amin’izany? Ahina lava ny mety hisian’ny korontana.Ny tsy fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny lalàna ve, ohatra, no mahatonga ny fifampiahiahiana lava? Misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, mibahan-toerana loatra ny kajikajy sy paipaika politika ka voahosihosy ho azy ny lalàna… Eo koa ny rafitra, ny fomba fiasa…Tsy vitan’izay, ao ny tsy matoky tena amin’izay lazainy sy ataony, hany ka miahiahy hatrany ny hafa ho antony tsy fahombiazan’ny tena? Na tsy mahalala ny momba aza izy amin’izany, fa mitsapatsapa fotsiny ka mitsarapaka any amin’ny fahavoazana. Dia ny hafa no omen-tsiny, ialana vonkona…Atao ahoana, ohatra, ny handresen-dahatra ny hafa amin’ny fifidianana, raha ny tena aza tsy resy lahatra amin’izay lazaina sy atao? Iray tarika amin’izany ny matokitoky tena fahatany na mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho voafidy. Nefa na herin’ny tena aza, ohatra, tsy fantatra mazava.Ekena, mety manao ny ataony tokoa ny hafa: ady fiady ny fifidianana. Mety eo koa ny lalàna, ny rafitra, ny fomba fiasa… Na izany aza, miankina  amin’ny fahatokisan-tena marim-pototra eo amin’ny tsirairay no anisan’ny manorina ny fifampitokisana amin’izay atao. Izay matoky tena no azo itokisana?Amin’izany, atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Dia mifanara-maso sy mifampiteny: iza no manao inona, iza no tsy manatanteraka? Hampiharina ny lalàna amin’izany raha ilaina, na iza izy na iza manao ny tsy mety. Tsy misy henamaso na tahotra, na fangatahana andro. Ho vita ve izany?Izay ilay hoe miankina amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fampiharan-dalàna, hisian’ny fangaraharana fa tsy hifampitahana an-toerana. Hisy fahatapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana…? Ny tena na ny tsirairay no antony, fa ny atao ihany no mampikorontana na tsia?Rafaly Nd.L’article Fifampitokisana mila fahatokisan-tena a été récupéré chez Newsmada.

Vol dans un bus : Une femme blessée par les voleurs à Ampefiloha
16/10/2021

Une agression s’est produite dans la matinée d’hier à Ampefiloha, pendant laquelle la victime a été blessée par un pickpocket. Ce dernier a pris de force le téléphone d’une passagère tranquillement assise dans un taxi-brousse. Alors que la victime tenait son téléphone à la main dans un bus de la ligne 138, le voleur, de l’extérieur, n’a pas hésité à le lui arracher en faisant entrer sa main entre les vitres latérales du taxi-be. La femme a réussi à le repousser mais le malfrat n’a pas renoncé et a persisté jusqu’à ce que les vitres du véhicule se brisent. La victime a été sérieusement blessée au niveau de la tête due à l’interaction entre elle et le voleur. Après avoir réussi son coup, celui-ci a pris la fuite. La scène s’est déroulée en présence des autres voyageurs, du chauffeur et de son aide dans le taxi-be. D’après les témoignages des autres passagers, tout le monde était paniqué. Certains sont restés immobiles, d’autres ont tenté de s’interposer face à l’homme violent, mais en vain. « Les cas de vols sont fréquents dans le quartier, ils sont souvent commis par des pickpockets, mais jamais on n’a été confronté à une telle violence, comme ce fut le cas ici …» raconte un riverain. Les passants, en particulier les femmes, sont souvent la cible des voleurs. « Ce genre de scène est choquant à voir et à assister, nous avons tous la boule au ventre mais on ne peut rien y faire…». Les forces de l’ordre ont lancé des opérations anti-pickpocket mais le phénomène ne risque pas de disparaître facilement. Tous les jours, des victimes se plaignent des agissements de ces bandits, partout dans la ville. Yv Sam L’article Vol dans un bus : Une femme blessée par les voleurs à Ampefiloha a été récupéré chez Midi Madagasikara.

CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra
11/10/2021

Roa volana ny faharetan’ny fifaninanana Cleaning Challenge karakarain’ny Fondation Terra. Ny volana voalohany no vita ka nozaraina loka ireo mpifaninana telo voalohany nanana naoty tsara indrindra. Fianakaviana 11 no mandray anjara amin’ity fifaninanana manadio sy mandamina ny ao an-tokantrano ity. Isan-kerinandro dia miatrika fiofanana izy ireo ary avy eo mampihatra izany any an-tokantranony. Misy ny fitsidihana ataon’ny mpitsara ka izay tsara naoty no mahazo loka. Ny “efitrano fandraisambahiny” no lohahevitra nisantarin’izy ireo izany. Manohana ny lalao ny orinasa SOMAPRO izay mamatsy ny vokatra IMPEC ampiasaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Nizara ireo vokatra sy fitaovana ho an’ireo mendrika indrindra ny orinasa ny sabotsy 09 Oktobra 2021. “Iray volana katroka izay no nanomboka ny Cleaning Challenge. Hita fa miha mitombo lenta ny fifaninanana ary izany indrindra no nahatonga ny Fondation Terra manolotra fiofanana maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara”, hoy RANDRIAMORASATA Willah, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Terra. Hiditra amin’ny volana faharoa ny fifaninanana, ka miova arak’izay ihany koa ny lohahevitra. Ny « rénovation » na ny « fanavaozana » no lohahevitra ho resahina amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavany. “Ampianarina ireo fianakaviana fa izay eo am-pelatanana sy izay fahefana hananana dia efa ampy hanavaozana sy hanatsarana foana ny ao an-tokantrano”, hoy izy. Nambarany fa ny fiovan’ny toetsaina sy ny fomba fanao no tena tanjona voalohan’ny Fondation Terra. Mivohy hatrany ny Fondation fa manomboka amin’ny toetsain’ny tsirairay ny fanovàna sy ny fandrosoana, ka izany indrindra no nahatonga azy nanao ity Cleaning Challenge ity. “Manomboka amin’ny kely indrindra ny fiovana, ary tsy mila zavatra betsaka fa rehefa tsy mandoto dia efa manadio”. Ra-Nirina Cet article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra a été récupéré chez Délire Madagascar.

Tratra ny tompon’ilay sambo…: olona 46 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte
12/10/2021

Tra-tehaky ny zandarimaria, ny herinandro teo, ireo olona miisa 44, saingy handeha an-tsokosoko any Mayotte.Voasambotra tao amin’ny kaominina Bemanevika andrefana ireo olona ireo raha efa tany anaty sambokely teny an-dranomasina ny sasany tamin’ireo mpandeha. Miisa 44 ireo mpifindra monina an-tsokosoko raha mpanamory ny sambo sy mpikarakara ny fifindra-monina kosa ny roa hafa. Nisy ankizy vao 12 taona tamin’ireo mpandeha ary zaza mbola minono ny roa tamin’izany, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Ankoatra izay, nisy ny vola mitentina 13 tapitrisa Ar sarona, nandritra ny fisamborana nataon’ny zandarimaria. “Io vola io izay saika hanaovana tsolotra ny zandary andravana ny raharaha”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Voasambotra avy hatrany ireo mpanao ratsy ary nogiazana ihany koa ny vola saika hampiasainy.  Hita tamin’ilay botry nitondra olona ireo olona ireo ny “moteurs” miisa telo sy lasantsy 1080 litatra.Tsiahivina fa tsy vao izao no nahatrarana tranga toy izao fa efa nisy ireo voasambotra tamin’izany. Henintsoa HaniL’article Tratra ny tompon’ilay sambo…: olona 46 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 16 octobre 2021
16/10/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 16 octobre 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta
11/10/2021

Fanta-daza amin’ny lafiny fanazarana sy fitarihana ny tanora mpilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasy ny basikety. Nandalovany avokoa ny sehatra maha mpilalao, mpanazatra ary mpitsara, fa ny teo amin’ny maha mpanazatra  ny tena nanamarika azy. Isan’ireo mpanazatra manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta na ny “Entrainement de Haut Niveau-Niveau 4) izy, izay vitsy dia vitsy ny mpanazatra manana azy io maneran-tany. Tany Canada ny nahazoan’ny DTN Angelot izany, ny taona 2008. Mbola niatrika fiofanana momba ny “Sciences appliquées aux Sports” tany Canada ihany koa izy, ny taona 2006 ka nahazo ny diplaoma Niveau 3, nitohy hatramin’ny taona 2013 ny fiofanana. Talohan’ireo fotoana ireo, efa nanana ny lazany teo amin’ny fizarana traikefa, ho an’ny taranja basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Saika mibata fandresena avokoa ny ekipa volavolainy, isan’izany ny klioban’ny Fanjamy tany Mananjary, nahazo ny tompondakan’ny faritra Fianarantsoa intelo nisesy, ny taona 1988, 1989 ary 1990. Nanamarika azy kosa teo amin’ny lafiny fitsarana lalao ny nahafahana ho mpitsara nasionaly, ny taona 1995 ary “major de promotion” mihitsy tamin’izay. Tsiahivina fa efa nanomboka, ny taona 1977, Razafiarivony Solofohery Angelot ny nitsara lalao basikety, izay mbola mpianatra asa tamin’izay.Nilalao tamin’ny seza mihantonaNanomboka tany amin’ny taona 1972 tany Fort Dauphin ny nilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, seza mihantona fa azo ampidirana baolina ny nilalaovana tamin’izany, raha ny fitantarany. Tia fanatanjahantena ny rainy ka nampitaina taminy sy ny iray tampo taminy izany. Tsy ny basikety ihany no nolalaovina fa teo ihany koa ny Hand ball, ny Volley ball, ny baolina kitra ary indrindra ny tenisy ambony latabatra. Isan’ny klioba nandalovan’ny DTN Angelot, ny COCE (Club Omnisport de Côte Est), ny 3FM Mananjary, niarahany tamin’ny mpiray tampo taminy miisa sivy mianadahy (5 vavy- 4 lahy) ary ny BTM. Isany niara-nilalao tamin’i Angelot tamin’izany koa i Herman, i Kiki, i Raymond, i Coco lavaloha, i Didi; i Loulou, i Mamiherilala, i Momo, i Solo, i Noarison, i Firaisana, i Jacques, i Rolland, i Grégoire ary i Tovo, mpilalao tany Mananjary avokoa.Vy nahitana ny fandresena tany Maorisy sy MaraokaTaom-pahombiazana ho an’ny taranja basikety, ny tamin’ny taona 2019. Isan’ny vy nahitana izany fandresena izany ny DTN Angelot, ka nahazoan’ny ekipa malagasy ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy tany Maorsiy sy nandritra ny lalao afrikanina tany Maraoka, teo amin’ny sokajy 3×3. Ankoatra izay, filohan’ny delegasiona, taranja basket tamin’ny lalaon’ny “francophonie” tany Niamey-Niger ihany koa izy, ny 2005 ary laharana faha valo isika tamin’izany. Nahazo loka iraisam-pirenena kosa, ny taona 2017 (voalohany tamin’ny fifaninanana fitarihana fiofanana). Nanamarika azy koa ny naha mpitarika fiofanana teto an-toerana sy iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritra fahafito. Efa nanofana mpanazatra basikety miisa 598 ka ny 36 amin’ireo dia aty amin’ny faritra fahafito.Mbola mila ezaka ny basikety etoMbola maro, hoy ny DTN Angelot ny lesoka, toy ny tsy fahafehezana ny fototra ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy fitaovana toy ny baolina… Eo koa ny tsy fahampiana eo amin’ny lafiny ara-bola ka miteraka faharavan’ny klioba ary ny fakana tahaka fahatany ny NBA. Tsy tokony ho kivy anefa, hoy izy, ny mpanao basikety fa efa maro ireo toerana manana sekolin’ny basikety ary azo isafidiana tsara. Etsy an-kilany manao izay ho afany ny FMBB amin’ny fanofanana sy fampandehanana ireo mpilalao hiatrika fiofanana any ivelany. Mandrisika ny rehetra hatrany, Razafiarivony Solofohery Angelot, hanao fanatanjahantena satria mahasalama sy mampavitrika ary mahalasa lavitra raha hay ny mandanjalanja azy amin’ny fianarana.Mi.Raz1981-1991:Filoha lefitra ny mpitsara (Fianarantsoa)1985: Mpanazatra1995-1997: Filoha ny “commission régionale arbitre”(Antananarivo)1998: Filoha ny CCA2003-2005 : DTN lefitra2006-2007/2017-2021 : DTN2008-2021 : « Instructeur » FIBA Afrika2017 : Commandeur de l’Ordre National/Diplaoma « Management du Sport ».L’article Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina
11/10/2021

Tsy ho ela intsony. Nifamory tao Andramasina, ny herinandro teo, ireo lohandohany sy mpitarika eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ity distrika ity. Nivoitra tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny hiatrehana ny fikaonandoham-paritry ny antoko, Analamanga, ho tanterahina ato ho ato. “Miainga amin’ny fanapahan’ny avy ety ifotony sy ny hetaheta na ny heviny ny fehinkevitra hivoaka amin’izany fikaonandoha-paritra izany. Tsy misy ny baiko midina…”, hoy ny avy amin’ny birao nasionaly, Ratavilahy Andry. Narindra sy nalamina tamin’izany ireo mpandray anjara ho solontenan’ny MMM distrika Andramasina. Manana olom-boafidy miisa 22 amin’ireo kaominina miisa 10 ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo ity any an-toerana. Hofaritana amin’ny fihaonana manaraka ny hanampy azy ireo, hitondra ny hevitry ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-paritra.Synèse R. L’article Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina a été récupéré chez Newsmada.

Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent
13/10/2021

La formulation des vœux devant le « Zafinimena » Le nombre de visiteurs au lac sacré de Mangatsa à Mahajanga a largement diminué depuis la pandémie. Le site reste toutefois ouvert au grand public sauf les mardis et jeudis, jours « fady » pour les offrandes. Depuis le confinement, les visiteurs du lac de  Mangatsa qui se trouve à 18 km de la ville de Mahajanga, dans la région Boeny, arrivent au compte-gouttes. Auparavant, les visiteurs venaient des quatre coins du monde et se comptaient par plusieurs dizaines par jour contre un maximum de cinq actuellement. Selon le guide sur place, Charlot Raveloniaina, seuls ceux qui veulent demander une bénédiction viennent. Les fonds générés par le ticket d’entrée fixé à 2 000 ariary n’arrivent plus à combler les besoins pour l’entretien des lieux. « Il y a des fois où nous n’enregistrons aucune visite en une journée depuis cette pandémie. S’ajoute à cela le raccourcissement des grandes vacances empêchant les touristes locaux de se rendre sur place car généralement, les vacanciers qui rejoignent Mahajanga font un petit détour chez nous », a-t-il indiqué. Au-delà des offrandes et des demandes de bénédictions, le lieu offre aussi la possibilité aux visiteurs d’observer des animaux exotiques tels que les crocodiles, les makis et des variétés de poissons de grande taille sans oublier le grand baobab.  Offrandes. Le site est ouvert au grand public mais les offrandes ne sont pas autorisées les mardis et les jeudis. Étant un lieu sacré, le poulet, le porc et la chèvre sont strictement interdits. Les personnes désirant déposer des offrandes doivent par contre se munir de miel qui symbolise la douceur et l’opulence ; d’agarbatti qui chasse les mauvais esprits et d’une bougie qui représente la vie, la pureté. La formulation des vœux se fait en deux étapes. Les uns au niveau de Zafinimena, et les autres au niveau de Zafinifotsy. Ces deux étant représentés par des arbres. Il est à préciser que les vœux formulés au niveau des deux « entités » doivent être exactement les mêmes. Quant à la nature des vœux, elle est à la fois diverse et différente allant du mariage avec un « vazaha » à la fertilité, en passant par le succès en affaires … Les demandeurs doivent impérativement revenir sur le lieu de culte une fois leur vœu exaucé sous peine de malheur avec l’offrande promise.  Narindra RakotobeL’article Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea
11/10/2021

Nampitaintaina! Namelona indray ny fanantenana teo amin’ny mpitia baolina kitra malagasy ny fandresen’ny Barea ny Leopard-n’i Congo, omaly. Nahazo isa 3 ny Barea ary mbola manohy ny lalana amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Niverina ao anaty hazakazaka ho an’ny fiadian-toerana, amin’ny “Mondial 2022”, indray ny Barea de Madagascar, rehefa nandresy ny Leopard-n’i Congo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady 10 oktobra. Ny faharesen’i Benin, nanoloana an’i Tanzania, tamin’io isa tokana io ihany koa no hananan’ny Barea, herijika indray. Samy mbola afaka miandrandra ny ho tafita avokoa, araka izany, ireo ekipa efatra.Hatreto,  mitarika amin’ny isa 7 mitovy i Benin sy i Tanzania arahiin’i RD Congo, amin’ny isa 5 ary fahefatra ny Barea, isa 3. Mbola hangotraka, araka izany, ny andro fahadimy sy fahenina. Raha tsy misy ny fiovana, hanafika any Benin ny Barea, ny 11 novambra ary hampiantrano an’i Congo kosa i Tanzania. Ny 14 novambra, handray an’i Tanzania ny Barea ary hanafika any Congo i Benin.Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana avy hatrany ny Barea, nahitana ireo mpilalao tanora nalahatr’i Eric Rabe, mpanazatra. Anisan’ireny i Mathyas, mpiandry tsatoby. Teo koa i Fabien Boyer sy i Fabrice, niampy an’i Marco sy i Rayan. Vao nanomboka 2 mn dia efa matin’i Njiva ny baolina taorian’ny tranonkala nifanaovan’i Rayan sy i Marco ary i Metanire. Nanindry avy eo ry Bakambu sy ry Binda ary i Samuel, saingy tsara ny hiditrano nataon’i Boyer sy i Mamy Gervais. “Afa-po tamin’ny lalaon’ny ekipa aho, satria nisy fahatokisana sy toe-tsaina vonon-kiady. Misy valiny foana ny ezaka atao ary mandeha miandalana ny vokatra. Tonga dia tafiditra ireo mpilalao tanora, saingy mila fahazarana kely. Tsy ho antsoina intsony ireo mpilalao nanda ny hanatevina ny Barea”, hoy i Eric Rabe. TompondakaL’article Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Revendications : Le gouvernement joue l’apaisement
11/10/2021

Le budget de l’Assemblée nationale a bénéficié d’un rajout. L’Exécutif a mis la main à la pâte pour apaiser les grognes qui ont gagné des secteurs.  À quelques jours de la rentrée parlementaire, l’Exécutif a fait un geste en faveur des députés. L’Assemblée nationale, dont certains députés auraient contracté un prêt de voiture à partir de leurs crédits carburants, a reçu un nouveau rajout de budget dans cette ligne de dépenses. Le gouvernement a adopté, mercredi dernier, un décret portant transfert de crédits complémentaires en carburant de la rubrique “biens et services” dans le cadre de la Loi de finances rectificative de 2021 de l’Assemblée nationale. Une décision qui va renflouer les caisses de cette institution et qui a, visiblement, pour vocation de faire taire toutes velléités de réclamations en matière d’avantages en carburants. Jour et nuit. Il y a deux semaines, le retard de paiement des indemnités des assistants parlementaires faisait beaucoup de bruit dans la chambre. Une situation qui n’a pas laissé indifférent les députés car leurs collaborateurs n’ont pas perçu leurs rémunérations du mois d’août et de septembre. Un problème de procédure est évoqué par l’administration au niveau de l’Assemblée nationale pour justifier le retard qui a vite été rattrapé. Selon certaines sources, les agents du service de la solde à Tsimbazaza auraient été mobilisés jour et nuit pour régler les indemnités, l’objectif étant d’éviter que les tensions ne montent à la chambre à deux semaines de la nouvelle session. Tentative d’évasion. Au niveau du personnel de santé, les tensions ont aussi vite baissé. L’interpellation de deux personnels médicaux de l’hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona, notamment le directeur adjoint technique du centre hospitalier et son chef de service urologie, a provoqué une manif dans les locaux de l’hôpital à Ampefiloha. Les médecins sont sortis de leurs gonds et ont manifesté leur soutien indéfectible à leurs collègues qui sont incriminés dans une tentative d’évasion d’un trafiquant notoire de bois de rose. Vendredi, l’appareil administratif à l’HJRA a été affecté par cette grève des médecins. Samedi, les médecins Auberlin Rakototiana et Jean Marie Rakotosamimanana ont été libérés. La grogne s’est donc dissipée à Ampefiloha, surtout après le règlement, également ce vendredi, des indemnités des agents vaccinateurs dans le cadre de la lutte anti-Covid. PAT. Dans les universités, en revanche, la grève perturbe la reprise des activités pédagogiques. La revendication des personnels administratif et technique des universités de Fianarantsoa et d’Antananarivo, préoccupe les universités, déjà confrontées au chamboulement des programmes pédagogiques suite à la pandémie. Ces derniers réclament des indemnités à l’État et ne comptent pas baisser les bras. Le ministère de l’Enseignement supérieur et de la Recherche scientifique, qui semble déjà rodé face à ce genre de situation, et ce depuis l’année dernière, est une fois de plus, très sollicité pour faire baisser les tensions. Rija R.   L’article Revendications : Le gouvernement joue l’apaisement a été récupéré chez Midi Madagasikara.