“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito

News - “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito

News - “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito

Hanamarika ny faran’ity
herinandro ity ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”. “Zava-baovao eo
amin’ny taranja mekanika izy ity”, hoy ny fanazavana
nentin-dRandriamorasata Ditratiana,
mpikarakara. 

Gazety Taratra (*): Inona
ilay hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0”?

Randriamorasata Ditratiana
(-): Hetsika karakarain’ny X’Inov créateur d’impact sy ny
BMC ary ny MCM sy ny Trace izy ity ary hazakazaka
adim-pamantaranandro natokana ho an’ny moto manana motera lehibe sy
matanjaka (grosses cylindrées), tanterahina amin’ny lala-miakatra
mampitohy an’Ambohimalaza sy Imerinkasinina, mirefy 4,03 km.

(*): Maninona no “grosses
cylindrées” fa tsy ny moto rehetra?

(- ): Tsotra ny antony, efa
manana ny hetsika sy ny fifaninanana ho azy ny moto kely toy ny
“scooter” sy ny hafa ka amin’ity, omena sehatra manokana ny moto
lehibe, sady hamerenana indray ny fitiavan’ny olona izany
fanatanjahantena mekanika izany, taorian’ny fihiboana naharitra
fito volana.

(*): Antony nizarana azy
ireo ho ao anaty sokajy fito?

(-): Na samy moto lehibe aza ireo,
tsy mitovy avokoa ny tanjany ary samy manana ny endriny avy ny
tsirairay. Noho izany, tsy maintsy sarahina ka ampiarahina izay
mitovy hery, hampifandanja tsara ny hazakazaka. Raha tsiahivina, ny
Chopper, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny
Sportive ary ny Custom Vintage ireo sokajy hifaninanana.

(*): Inona ny mason-tsivana
ho fandraisana anjara?

(-): Anisan’ny takinay amin’ny
mpifaninana rehetra ny fitondrana ny aroloha, ny arotratra ny
arovatana sy ny baoty ary ny arolohalika. Eo koa ny fizahana
teknika ny moto ary ny fizaham-pahasalamana ho an’ny mpifaninana
tsirairay. Raha misy tsy feno ireo, tsy azo atao ny mandray anjara.
Ankoatra izay, ferana ho 50 ihany ny isan’ny mpandray anjara.

(*): Misy fetra ve ny
taon’ny mpifaninana?

(-): Misokatra ho an’ny rehetra ny
“Ambohimalaza Time Attack 1.0”, saingy kosa mila taratasy fanekena
avy amin’ny ray aman-dreny ho an’ireo mpifaninana tsy ampy taona.
Hisy “licence journalière” omen’ny federasiona ho an’ireo tsy ao
anaty klioba.

(*): Nisy ilay
lozam-pifamoivoizana, nitranga herinandro lasa. Inona no fepetra
raisin’ny mpikarakara.

(-): Tanjonay ny mitandro ny ain’ny
mpifaninana rehetra. Mba hisorohana ny loza, tsy maintsy hidina ny
lalana rehetra ka tsy misy fiara na moto mahazo mandeha mandritra
ny fifaninanana. Fefena ny toerana misy ny mpijery sy ny
mpifaninana, amin’io.

(*): Hisy mpifaninana avy
any ivelany ve amin’ity?

(-): Efa nisy niantso anay ireo
mpifaninana avy atsy La Réunion sy avy any Frantsa fa miandry ny
fisoratana anaran’izy ireo izahay izao. Anisan’ny tadiaviny mantsy
ny zava-baovao tsy mbola nisy teto Madagasikara toy ity
“Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity.

(*): Ankoatra azy ireo,
mety hahitana mpifaninana vehivavy ve?

(-): I Karen, vehivavy malagasy
mpitondra moto lehibe. Efa nanambara ny fahavononany amin’ny
fandraisana anjara izy ary inoanay fa ho anisan’ireo hifaninana ny
tenany. Ankoatra azy, andrasan’ny rehetra koa ny fifanandrinana eo
amin’ireo zandrikely kalaza toa an’i Harena sy i Anjo.

(*): Ahoana ny
fankasitrahana ho an’ny mpandresy sy ny hafatry ny
mpikarakara?

(-): Hahazo amboara avokoa ireo
telo voalohany isaky ny sokajy mifaninana. Hisy koa fisarihana
hahazoana loka hafa, ho azy ireo, avy amin’ireo mpanohana sy
mpiara-miasa izay efa isaorana eto sahady. Tsy ho diso anjara
amin’izany koa ny mpijery. Tongava maro fa zava-baovao be ity
“Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity. Hahafinaritra ny lalao ary tsy
ho diso fanantenana ny mpankafy sy ny mpanatrika.

 

Dinika nangonin’i
Torcelin

Article tiré de Newsmada

L’article “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/11/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Taratasin’ny fiarakodia :: Hoferana ireo raharaha azon’ny CIM karakaraina

Hiverina hisokatra, manomboka rahampitso, ny foibe fanomezan-daharan’ny fiarakodia sady famoahana fahazoandalana mamily ary ny taratasin’ ny fiara na CIM eto Antananarivo, taorian’ny toromariky ny fanjakana amin’ny fiverenan’ny asampanjakana rehetra. Namoaka fampilazana ny foibe CIM, afak’omaly, fa hoferana ihany aloha ny asa hatolotra eny Ambohidahy sy Ankadimbahoaka noho ny hamehana ara-pahasalamana mihatra, hatramin’izao. Nampahafantarina ireo asa mbola azon’ny CIM kirakiraina aloha, amin’izao fiverenan’ny fisokafan’ny birao eny amin’ireo toerana roa ireo: ny fizaràna ireo taratasy mombamomba ny fiarakodia na “carte grise”, izay tokony ho nivoaka nandritra ny fihibohana miampy ny fanomezana toromarika momba ireo taratasy misy tsy fahatomombanana no hatao eny amin’ny CIM Alhambra Ankadimbahoaka. Eny amin’ny CIM Ambohidahy kosa ny fanomezana taratasy araka antoka sy fanombohana ny karatra volomparasy ary ny antontan-taratasin’ireo sekoly fianarana mamily fiarakodia. Voalaza fa samy hanana ny fandaminana apetrany avy ireo foibe ireo. Amin’ny fotoana manaraka indray no hizaràna ny fahazoandalana mamily fiara sy ny fandraisana antontan-taratasy vaovao mikasika ny mombamomba ny fiarakodia. L’article Taratasin’ny fiarakodia :: Hoferana ireo raharaha azon’ny CIM karakaraina est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Minisiteran’ny fahasalamana :: Mitsikafona ny fanodinkodinana volam-baksiny

Vaky am-batolampy ny fanamparam-pahefana sy kolikoly ary fanodinkodinam- bola natokana ho an’ny vaksiny tao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Olona dimy no fantatra fa indray niakatra teo anivon’ ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) noho ny kiantrano- antrano tamin’ny fividianana fitaovana nentina nanamboarana an’ireo vata fampangatsiahana fitehirizana vaksiny tamin’ny taona 2016. Mpiasan’ny minisiteran’ ny Fahasalamana efatra, tale sy mpitam-bola, sekretera jeneraly teo aloha ary loholona iray teo aloha, no voasaringotra tamin’izao raharaha izao. Famatsiam-bola vahiny no lasibatry ny fahalovana. Nahazo fahafahana vonjimaika ny olona iray, raha arahin’ny Fitsarana maso indray kosa ireo olona efatra ambiny. Vola mitentina 618 tapitrisa ariary mahery avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena « Global Alliance for Vaccines and Immunization » (GAVI) ho an’ny fanaovana vaksiny eto amintsika no voahodinkodina. Ilay loholona no voalaza fa tompon’ny orinasa nisahana ny fanamboarana an’ireto vata fampangatsiahana ireto tamin’ny sarany mihoapampana ary raharaha tsy natao akory. L’article Minisiteran’ny fahasalamana :: Mitsikafona ny fanodinkodinana volam-baksiny est apparu en premier sur AoRaha.

News - Téchnologie - Triatra

CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel »

Nahazo fanakianana nandritra ny fihodinana voalohany. Mialohan’ny hidirana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, fihodinana faharoa, dia nisy ny fitsirihina iraisam-pirenena natao tamin’ny kajimirindra, na ny « Logiciel » handraisana ireo vokatry ny fifidianana eo anivon’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Taorian’ny fitsirihina naharitra telo andro, dia nampahafantarina omaly ny vokatry ny fitsirihina, izay nataon’ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena. Niverenana nojerena ireo « logiciel » roa nampiasain’ny CENI tamin’ny fihodinana voalohany, dia ny teny anivon’ny SRMV, na ny sampana mpanangona ny vokatra eny anivon’ny distrika, sy ny teo anivon’ny foiben’ny CENI nasionaly. Nilaza ireo mpanao fitsirihina tamin’ny tatitra nataony fa azo antoka, azo ampiasaina tsara amin’ny fiatrehana ny fifidianana ireo « logiciel » ireo. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny fanatsarana azo atao ao anatin’ny fotoana fohy, sy amin’ny lavitr’ezaka. « Miainga amin’ireo fanatsarana ireo dia efa mijery lavitra sahady, satria mbola ampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka ireo « logiciel » ireo », araka ny fanazavan’ny kaomiseran’ny CENI, Marie Raharinarivonirina. Nifantoka kokoa teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny fikirakirana atao amin’ireo logiciel ireo ny fanatsarana naroso. Ankoatra ireo manam-pahaizana ireo, dia nasaina hiatrika izany fitsirihina izany ihany koa ireo manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny infôrmatika avy amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana, na ny avy eto an-toerana, na ny avy any ivelany, ny solontenan’ireo kandidà. « Nijery tamin’ny ankapobeny ny fomba fiasan’ireo logiciel ireo izahay. Tsy afaka miteny hoe misy olana ve ao anatiny na tsia izahay noho izany. Nisy ny fitakiana fanatsarana nataonay, izay efa nentin’izy ireo teo. Tsy hiteny ihany koa hoe matoky na tsia, fa hitanay ny fomba fampiasana azy dia hitanay ny fomba hanaraha-maso ny voka-pifidianana », hoy kosa Andriamanampisoa Fenoheritiana, manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny Infôrmatika avy amin’ny kandidà Ravalomanana. Miarantsoa L’article CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel » est apparu en premier sur .L’article CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel » a été récupéré chez Triatra.

News - People - Ao Raha

FAMPISEHOANA ETO ANTANANARIVO :: Hanohy ny fanamby amin’ny sehatra goavana i Shyn sy Denise

Hipoka tanteraka ny efitrano. Maro ireo tsy tafiditra tamin’ilay seho nankalazana ny tsingerin-taona faharoan’ny Grand Hotel Urban, Ambatonakanga, izay nohafanain’i Shyn sy Denise, ny alin’ny zoma teo. Midika izany, fa manana ny mpankafy azy hatramin’ izay izy mivady, izay efa ela nietezana teo amin’ny tontolon’ny mozika. Noho ny habetsahan’ ireo tsy afaka nianoka ny hiran’ireto mpanakanto avy Toamasina ireto, dia mampanantena izy ireo fa hanolotra seho tsy manam- paharoa eto an-drenivohitra, amin’ny taona 2019. “Ho an’ireo tsy tafiditra androany, hiezaka hitady toerana lehibe kokoa izahay hanomezana fahafaham-po ho azy ireo. Efa misy rahateo ny nahandro homanina ho an’ny eto Antananarivo amin’ny taona ho avy io”, hoy i Shyn. Raha seho takariva mantsy no tena nihaonan’ i Shyn sy Denise tamin’ ireo mpankafy azy teto Iarivo, tamin’ity taona ity, dia anisan’ireo seho hiavaka io satria hotontosaina amin’ny sehatra lehibe kokoa, raha ny nambarany hatrany. Andran-tsira sahady ho an’izay fampisehoana goavana izay, ny natolotr’ i Shyn sy Denise tetsy Ambatonakanga ny faran’ny herinandro teo. Nandravaka ny feomangan’ izy ireo ny angolan’ny lokangan-dry Quatuor Squad. Ankoatra azy mivady, dia tazana ihany koa ireo mpanakanto vao misondrotra ao amin’ny vondrona Makua, natsangan’ izy ireo. Nifandimby niaka-tsehatra tao i Boy Black, Shadow Bang, Kay Sha ary i Joyce Mena Makua. Tsy fampisehoana ihany, fa nanamarika ny fiarahana koa ny filatroana nanehoan’ny avy ao amin’ny Mihari sy ny Me-Chic Gasy ny fahaiza-manaony eo amin’ny tontolon’ny lamaody malagasy. Nikarakara ny bika aman’endrik’ireo mpanakanto kosa i Jenny Make Up. L’article FAMPISEHOANA ETO ANTANANARIVO :: Hanohy ny fanamby amin’ny sehatra goavana i Shyn sy Denise est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Tsipy kanetibe: nanao ampamoaka i Dolys, mpanazatra ny ekipam-pirenena

Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP) sy Randriamarohaja Dolys, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Nanao ampamoaka, tamin’ny mpanao gazety, ity farany mikasika ny goragora eo anivon’ny FMP. Nahitsy ary tsy nitsitsitsitsy fitenena mihitsy Randriamarohaja Dolys, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, raha namboraka ny zava-tsy mety eo amin’ny fitantanana ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe. Nanao ampamoaka zato isan-jato tamin’ny mpanao gazety izy, ny asabotsy lasa teo teny Mahamasina. Notsinkafoniny ny resa-bola  tena fototry ny olana. Anisan’izany ilay “prime” 10 tapitrisa Ar, nomen’ny fitondrana ho an’ireo sokajy “junior”, nandrombaka ny tompondaka eran-tany 2017. Hatreto, vao ny 6 tapitrisa Ar ny azon’ireo mpilalao fa tsy hita nanjavonana ny ambiny. Ankoatra izay, olana goavana teo amin’ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, natao tany Sina tamin’ny taon-dasa, tena nanala baraka satria tsy nisy na ny fitaovana hilalaovan’ireo mpilalao aza, nefa tokony ho ny federasiona ny miantoka azy. Tetsy ankilany, tsy naloan’ny federasiona malagasy ny vola nivahiniana  tany Sina ka saika nanongotana ny anaram-boninahitra azon’ny Malagasy. “Soa ihany fa teo i Claude Azema, filohan’ny federasiona iraisam-pirenena, nanefa izany fa raha tsy izay, notazomin’ny fanjakana sinoa tsy navelany nody ny ekipam-pirenena malagasy”, hoy i Dolys. Nitady vola ho an’ny ekipam-pirenena Izay ny ambangovangony teo amin’ny resa-bola, nasiany resaka ihany koa ny kitoatoa teo amin’ny fandrindrana ny ekipam-pirenena. “Efatra andro mialoha ny niaingana ho any Tonizia, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, vao nilaza tamiko ny filohan’ny federasiona fa raha te hiatrika izany ny Malagasy, mila mitady 45 tapitrisa Ar. Voatery ny tenako nikaroka tamin’ireo namana izay isaorana eto ka nahafahan’ny ekipam-pirenena nandeha niatrika izany. Soa ihany fa azontsika ny anaram-boninahitra ka naverin’ny federasiona io vola io. Ny mahagaga ahy, inona fotsiny ny antom-pisian’ny federasiona ka ny mpilalao sy ny mpanazatra no asain’izy ireo mitady vola hiatrehana izany lalao izany”, hoy i Dolys. Noho ny filazany ireo tranga sy ny zava-tsy mety ao amin’ny federasiona ireo, manangasanga ny sazy ho an’ity mpanazatra nahazo anaram-boninahitra betsaka indrindra ity. “Hatreto, tsy mbola naharay taratasy mahakasika izany aho fa tamin’ny alalan’ny haino aman-jery no nahitako fa hosazina ny tenako. Ny filazako ny marina ve no hanasaziana ahy?”, hoy izy namarana ny dinika.     Torcelin  L’article Tsipy kanetibe: nanao ampamoaka i Dolys, mpanazatra ny ekipam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Nécrologie du 9 novembre 2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 9 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 9 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fanabeazana: nahazo aron’akanjo ny any Fandriana

Nanomboka, ny herinandro teo, ny fiazarana aron’akanjo analiny, avy amin’ny filoham-pirenena ho an’ireo mpianatra eny amin’ny EPP ao amin’ny Cisco Fandriana. Nandray an-tanana ny fitaterana izany any an-toerana ny depiote Rakotomalala Dina rehefa nalaina teo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Noraisiny an-tanana koa ny fitsinjarana izany ho an’ireo mpianatra any an-toerana. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpianatra 1 139 manerana ny kaominina 15 mandrafitra ity Cisco Fandriana. Nankasitraka izany avokoa ny talen-tsekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary samy velom-pisaorana amin’ny fanatanterahana ny veliranao fahefatra momba ny fanabeazana.Etsy andaniny, hanohy amin’ny fitsinjarana ireo aron’akanjo ireo amin’ireo mbola tsy nahazo izany any amin’ny kaominina 14 hafa ny depiote sy ireo mpiara-miasa aminy.Synèse R. L’article Fanabeazana: nahazo aron’akanjo ny any Fandriana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe: “Mbola azo atao amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny Tanàna”

“Raha mijery ny fivoaran’ny toe-draharaha politika amin’izao ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, mbola matoky fa azo atao tsara amin’ity taona ity ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, na ambanivohitra na ambonivohitra io.”Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna nokasain’ny Ceni hatao ny 28 oktobra. Toy ny tolo-kevitra rehetra, raha nanome vinavinana tetiandrom-pifidianana ny Ceni.Tsy voatery hanaraka izay ny governemanta, izay mpanapa-kevitra hoe rahoviana ny hamoahany didim-panjakana ny amin’izany. Raha manapa-kevitra, ohatra, izy, afaka herinandro vao hataony izay, mbola mety koa izany ny herinandro aorian’ny 28 oktobra.Tsy tsara ny manao fifidianana ao anatin’ny andro ratsyNa izany aza, mila fehezina ihany ny toetr’andro. “Tsy tsara ny manao fifidianana ao anatin’ny vanim-potoan’ny andro ratsy”, hoy izy. Raha ny tokony ho izy, any amin’ny voalohandohan’ny novambra no tokony hanaovana fifidianana. Vita io rehefa teny ierana fa miankina amin’ny fahavononana.Tsy tokony hohadinoina fa fifidianana eny anivon’ny fiarahamonina io, manakaiky vahoaka. Tsy azo anaovana sangisangy izany fa mety hitera-doza raha tsy atao tsara. Mampahazo vahana ny Ceni ny fanaovana fifidianana tsara, na mihemotra andro vitsivitsy aza. Mba hahazoany manao zavatra araka ny tokony ho izy izany.Zava-doza raha manendry PDSRaha sanatria mihemotra amin’ny taona 2020 io fifidianana kaominaly io, ny tsy mahatsara an’izay: manohitra ny demokrasia. Olom-boafidy ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna, ary manana ny fe-potoam-piasany. Tsy voahaja ny lalàna mifehy izay fe-potoam-piasana izay, raha mihemotra ny fifidianana. Tan-dalàna ny firenena demokratika. Tsy demokratika rehefa tsy tan-dalàna intsony.Hohalavaina ve ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo, ary alalana avy aiza? Mbola tsy fanajan-dalàna ihany koa izay. Sa hosoloina PDS? Vao mainka zava-doza: lasa olom-boatendry izany fa tsy olom-boafidy. “Hita be izany hoe misy paipaika maloto ao anatin’ilay raharaha, raha vao hatao PDS avokoa ny mitantana ny kaominina”, hoy izy. Aleo aza mihafihafy amin’ny fanalavana fe-potoam-piasana, nefa tsy ara-dalàna izay.R.Nd. L’article KMF/Cnoe: “Mbola azo atao amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny Tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

20% ny taham-pahafahana tamin’ny andrana: miverina hariva ny mpiadina amin’ny CEPE

20% ny tahan’ny fahafahana CEPE raha tarafina amin’ny CEPE andrana farany teo ho an’ny EPP Analakely. Ambany ny taha ka ho fanarenana ny lesoka, miverina amin’ny hariva ny mpianatra mahatratra 76 ao amin’ny kilasy 7ème. Manampy amin’ny famerenana ny mpampianatra ao amin’ny 9ème sy ny 8ème manara-maso ny mpianatra tsirairay. « Mbola sahirana ny mpiadina amin’ny taranja problèmes sy opérations ka tsy maintsy hamafisina ny fifehezana izany », hoy ny talen-tsekoly. Nanome tohana amin’ny sakafo kosa ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra Feffi ao anatin’ny sekoly. Ny 8 aogositra ho avy izao ny andrana faharoa ka hitsapana ny fivoarana misy taorian’ny fanarenana natao.Na izany aza ny vokatra, tsy kivy fa miezaka manarina satria manana iray volana hanampiana ny banga. Nanamarika ny tomponandraikitry ny fampianarana fa vokatry ny fanapahana matetika tamin’ny taom-pianarana farany teo no nitarika ny fari-pahaizan’ny mpianatra 7ème somary nihemotra. Nisy fiantraikany tamin’ny famintana ny fandaharam-pianarana sy ny fizarana ny fiatoana matetika noho ny antony samihafa.Vonjy L’article 20% ny taham-pahafahana tamin’ny andrana: miverina hariva ny mpiadina amin’ny CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services DIRECTEUR D’AGENCE (H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour entreprise dans le domaine du Transport et du Transit :DIRECTEUR D’AGENCE (H/F)  Réf. DATamatave/0121(poste basé à Tamatave) Missions :- Garantir la bonne marche, le développement et le pilotage de l’agence sous tous les aspects ;- Animer et gérer l’équipe au sein de l’agence.- Gestion et organisation des opérations du groupe et de ses services avec animation, contrôle et réparation des tâches au sein des opérations ;-Assurer le contrôle et le suivi des dossiers maritimes import et export ;- Maîtrise et contrôle des dépenses et des opérations concernant les débours douanes ainsi que les frais généraux liés au fonctionnements des opérations ;- Assurer les relations vis-à-vis des entités externes et de l’administration, des clients et des fournisseurs, des recettes et douanes en cas de litige ou problème dû aux opérations ;- Gestion et suivi quotidien du personnel des opérations ;- Vérification quotidienne des dossiers à facturer ;- Gestion administrative d’un entrepôt sous douanes ;-Profils requis :-           5 années d’expériences au moins dans un poste de management à grande responsabilité ;-           Bonne maitrise dans les opérations de transit ;-           Bonne connaissance dans la logistique et le transport de marchandises ;-           Excellente capacité managériales et de leadership ;-           Autonome dans la prise de décision et la recherche de solution ;-           Capacité à travailler sous pression.Pour postuler, veuillez envoyer votre CV à recrutement@human-talent-consulting.com avec comme objet la référence du posteCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DIRECTEUR D’AGENCE (H/F)".

Emploi et services COURS DE LANGUE ET CULTURE JAPONAISE
21/01/2021

COURS DE LANGUE ET CULTURE JAPONAISE   Inscription ouverte: niveau débutant, jusqu'au 3février 2021Détails: - Rentrée: 3 février 2021 - Lieu: IFR (Institut FJKM Rainandriamampandry) Ankadifotsy - Frais d'inscription : 10000Ar - Frais de cours: 30000Ar/mois - Séance de deux fois par semaine (tous les mercredis de 14h-16h et samedis de 8h-10h) - Durée: 10 mois Objectifs: - HIRAGANA et KATAKANA - KANJI (+ de 120) - GRAMMAIRE DE BASE - SAVOIR S'EXPRIMER EN JAPONAIS (Expressions de tous les jours,conversations en classe) - JLPT (Japanese Language Proficiency Test) N5 Autres:  Diverses activités concernant la culture japonaise(une activité par mois: Origami, Shodo, Yukata, Soran bushi, etc) Enseignants: - expérimentés - sortant de l'Université d'Antananarivo, Mention Etudes Anglophones, Parcours Anglais-Japonais - ayant eu l'opportunité de séjourner au Japon - ayant suivi un cursus universitaire au Japon※Inscriptions pour niveaux N4-N3 également ouvertes, veuillez nous contacter pour plus de détails.Contacts: email: fianaranatenyjapone@gmail.com tél: 034 87 689 52Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS DE LANGUE ET CULTURE JAPONAISE".

Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français – Anglais)
25/01/2021

ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)  Missions principales : Profil :Qualités exigées :Travailler chez Smartelia, c’est développer des compétences à la pointe de la technologie dans une ambiance conviviale et stimulante.Alors si vous êtes sérieux (se), ce job est fait pour vous ! Envoyez nous vite votre CV avec une photo récente et un numéro de téléphone pour contact rapide ainsi qu’une lettre de motivation avec votre prétention salariale, le tout avec la référence “APH ” à talents@smartelia.com  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)".

Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)
20/01/2021

Pour renforcer ses équipes, QDATA recherche actuellement, un Opérateur Polyvalent Multitâche (H/F) Missions principales seront :Profil requis :Possibilité d’évolution du poste :Veuillez transmettre votre CV, Prétention salariale ainsi que votre lettre de motivation, avant le 30/01/2021, à l’adresse recrutement@qdata-mg.com sous la référence R2101_DE-POLYVALENT.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)".

Emploi et services Offre de prêt – crédit en Madagascar
24/01/2021

Bonjour Madame et Monsieur. N’offrons des prêts à toute personne capable de nous rembourser avec un taux d’intérêt annuel de 2 %. Les remboursements seront ajustées en fonction de votre budget mensuel. Nos conditions sont simples et bien définis. Vous pouvez obtenir un prêt de 5.000 € à 90.000.000 € en fonction de votre choix. Le remboursement de votre budget mensuel peut être déterminée. E-mail: yasmina.briois01@yahoo.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Offre de prêt – crédit en Madagascar".

A vendre INNOV HOTEL SOFT: Logiciel de gestion hôtelière – Téléchargement gratuit
20/01/2021

Innov-Hotel Soft  est un logiciel hôtelière. Téléchargez gratuitement le logiciel sur  http://innov-softs.com Pour plus d’informations contactez-nous par whatsapp /Télégram/Signal au +237 677 79 21 92 ou par mail à l’adresse  contact@innov-softs.com . Facile à installer et à prendre en main, rien n’est plus facile que la configuration et l’installation de  Innov-hôtel Soft.Innov-Hôtel Soft est un logiciel de gestion hôtelière. Il permet, de manière simple et rapide de gérer les aspects suivants de la gestion d’une structure hébergement :-La gestion des réservations avec suivi en temps réel des plannings d’occupation ;-La saisie des consommations ;-La saisie des règlements ;-La gestion des débiteurs divers-La gestion des arrhes-Une tarification flexible, possibilité de paramétrer plusieurs grilles de tarifs et des forfaits-L’impression de nombreuses statistiques (rapport de caisse, rapport de fin de journée,…) et fiches de travail (ménage, main courante,...) Téléchargez gratuitement le logiciel sur  http://innov-softs.com   Pour plus d’informations contactez-nous par whatsapp /Télégram/Signal au +237 677 79 21 92 ou par mail à l’adresse  contact@innov-softs.com. https://www.facebook.com/LogicielsGestionCMCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre INNOV HOTEL SOFT: Logiciel de gestion hôtelière – Téléchargement gratuit".

A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).
22/01/2021

Accédez Tout de suite à Ce nouvel Outil qui Force Google à vous envoyer chaque jour des tonnes de visiteurs qualifiés qui achètent !Cliquez ici ,https : // bonheur-viral.com/business/wp-profitent/?aid=assialex3Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).".

A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro
21/01/2021

- Stylete sans fil, sans besoin de recharge/batterie- Pression du stylet: 8192 Level- 12 Fixed Key + 16 Express Keys- Zone active: 10*6 pouces- 266 PPS- Résolution : 5080 LPI- Compatible avec Windows 7 et version supérieure- Compatible avec Photoshop, Illustrator, Clip Studio Paint, Krita, etcPas de mp, contact direct au 0334927717 ou au 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro".

Emploi et services ASA EN LIGNE EN TEMPS PARTIELS
21/01/2021

https://t.me/Free_Ethereum_Mining_v2_bot?start=r01634066660ceci est un travaille en ligne qui collecte du cryptomoney ETHERUM .La valeur du cryptomoney ETHERUM augmente ce temps ci .Il suffit juste de rejoindre ce canal Et de collecter tous les jours des bonus 0,003 ETH soit 3,2669Euro BONUS D'INSCRIPTION sera aussi 0,003ETH et le parrainage sera aussi 0,003ETHT'a le droit de retiré ton argent si t'a atteint 0,5 ETH soit 1251USD dollar americainBAH c'est un travaille que je vous recommende a vos petit jeune pour leur argent de poche d'apres mes calcule il suffira 3 mois pour atteindre ce 0,5 ETH si tu collecte seulement le bonus sans parrainage ; mais si avec parrainage tu atteindra ce 0,5 ETH en 10 jours si t'es travailleurs.Merci A vous rejoignez moi svphttps://t.me/Free_Ethereum_Mining_v2_bot?start=r01634066660Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASA EN LIGNE EN TEMPS PARTIELS".

Emploi et services Travail en ligne
25/01/2021

WowApp est une application de messagerie comme WhatsApp qui récompense ses utilisateurs pour le temps qu’ils passent sur l’application. Rejoins-moi sur WowApp. Viens prendre connaissance de ma page personnelle à https://www.wowapp.com/w/duca04 . Merci.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne".

A vendre TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY
26/01/2021

REF.14461TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY ANTANANARIVO MADAGASCAR Localisation : Ambohimangakely Terrain de 1 310 m2 titré, borné, clôturé en pierre, bord de la route national, prêt à bâtir, non morcelablePrix de vente: nous consulterVisites gratuitesMob. : (261) 34 22 273 82 / 33 23 273 82 E-mail : info@innova-immo.com Site web: www.innova-immo.com Adresse :  Lot IB 8 Isoraka, 24 Rue Rainitsarovy, 101 ANTANANARIVOCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
26/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

Ivandry: tratra ny jiolahy mpangalatra entana anaty fiara
27/01/2021

Efa nipetraka mialoha tao anatina fiara iray nipetraka teo akaikin’ny fiara nidiran’ilay ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) Analamahitsy ka noraisim-potsiny tamin’izany ity jiolahy iray (26 taona) ity omaly maraina. Raha ny fanazavan’ny polisy, teo akaikin’ny sekoly iray eo Ivandry ity jiolahy ity no tratran’ny polisy noho izy malaza ratsy amin’ny fangalarana entana anaty fiara. Taorian’ny fitarainana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina ity toeram-pianarana ity sy ny fitoriana napetrak’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fisian’ity jiolahy ity mangalatra entana ao anatin’ireo fiara no nahafahan’ny polisy nanao ny vela-pandrika rehetra. Ireo fiara mijanona eny amin’iny faritra iny no tena lasibatr’ilay jiolahy. Manoloana izany, nandray fepetra manokana ireo polisy miasa eny amin’iny faritra iny hisamborana azy. Afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, efa nihatrana mialoha teny an-toerana ny polisy. Tsy nanampo na inona na inona ilay jiolahy fa nanohy ny asa ratsy fanaony ihany. Tratra tao anaty fiara ary tsy afa-nihetsika intsony izy. Mbola tratra teny aminy ny ordinatera entin-tanana iray sy poketra iray. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy izy nanaovana famotorana. Nohamafisin’ny polisy fa fahatelo amin’ireo jiolahy mpangalatra entana anaty fiara tratra teny an-toerana ity mpamaky fiara ity.J.CL’article Ivandry: tratra ny jiolahy mpangalatra entana anaty fiara a été récupéré chez Newsmada.

  Jirama: nihena ny vidin-jiron’ny 80%-n’ny mpanjifa
21/01/2021

 Nampiharina nanomboka ny volana janoary izao ny Optima, fisokajiana ny mpanjifa amin’ny fandaniany jiro. Nampihena ny faktiora ity fepetra vaovao ity, indrindra ny tokantrano marefo, izay mitombo isa vokatry ny Covid- 19. Mizara efatra ny Optima. Ny “tarif social”, ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kwh isam-bolana. Ny “tarif économique”, ho an’ny mandany latsaky ny 150 kwh. Ny “tarif confort”, ho an’ny mandany latsaky ny 300 kwh. Ary ny “tarif superconfort”, ho an’ny mandany mihoatra ny 300 kwh.Araka ny tatitry ny Jirama, nihena ny vidin-jiro naloan’ny 80%-n’ny mpanjifa amin’ny fampiharana ny Optima. Ahitana tokantrano maherin’ny 455.000 manerana ny Nosy. Nidina manodidina ny 15% ny ao anatin’ny “tarif social” rehetra, mandany latsaky ny 100 kwh. Manodidina ny 6% hatramin’ny 26% ho an’ny “tarif confort”, mandany latsaky ny 130 kwh. Njaka A. L’article   Jirama: nihena ny vidin-jiron’ny 80%-n’ny mpanjifa a été récupéré chez Newsmada.

Instat: mila fanavaozana ny antontanisa
26/01/2021

Tokony ho efa nanomboka ny asa amin’ny fanangonana antontanisa ataon’ny Instat, ho fanavaozana izany, raha ny nambara tao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, herinandro lasa izay. Maro ny ilàna singa vaovao hoentina mifampiraharaha amin’ireo mpamatsy vola, toy ny hifanarahana  amin’ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena amin’izay tetikasa hatao .Anisan’ny ilàna antontanisa ny hahafantarana ny tena isan’ny mponina amin’ny faritra rehetra, an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ireo tsy anasa, tsy mianatra. Tsara ho fantatra koa ny momba ny fambolena, ny jono, ny lalana, ny angovo…Ny hahafantarana izany ny hamaritan’ny teknisianina tetikasa sy ny tetibola mifandraika aminy.Tsy ambanin-javatra koa ny ady atao amin’ny Covid-19, amin’ny lafiny rehetra. Mila mailo amin’io valanaretina io, hahafantarana ny antontanisa mazava: ny isan’ny marary, ny fiantraikany eo amin’ny toekarena, sns. Raha tamin’ny 2020, tsy nisy antontanisa azo antoka, na teo aza ny navoaka isan-kerinandro. R.Mathieu L’article Instat: mila fanavaozana ny antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion
21/01/2021

La première édition du tournoi Open nouvel an, organisée par Art Original Pro Sport, a connu son dénouement ce week-end sur le terrain synthétique Andohalo. Vingt-huit clubs issus de différentes entreprises, de familles ou d’associations ont entamé la phase des éliminatoires lors de la première journée. En finale, FC AMI a été sacré champion en s’imposant face au FC Compagnie sur le score de 1 but à 0. Dès le coup d’envoi de la rencontre, les deux équipes se sont montrées très agressives de tous les instants.  Dominés lors de la deuxième mi-temps, les joueurs de FC Compagnie ont essayé de riposter en tentant le tout pour le tout pour recoller au score mais en vain. Et c’était sur ce score de un but à zéro que les deux équipes ont quitté le terrain. Avec cette victoire, Herimanitra et son équipe ont remporté la somme de 200.000 ariary contre 50.000 ariary pour le vice-champion. Bet 261 et FC Sporting étaient de leur part éliminés en demi-finale. Place au tournoi « Dona Mafy » Prévue initialement ce week-end, la deuxième édition du tournoi football à 7 « Dona Mafy » est repoussée de trois semaines, les 13 et 14 février sur le terrain synthétique d’Andohalo. Cette fois-ci, le champion empoche le gros lot de 2.600.000 ariary. Les inscriptions sont déjà ouvertes. Pourtant, le nombre de participants est arrêté à 32 équipes. Une équipe pourra aligner trois joueurs licenciés. Manjato Razafy L’article Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Foot à 7- « Open Nouvel An » FC AMI sacré champion a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fandrarahana fanafody ny toeram-pianarana: vita ny 30%-n’ny sekoly ho an’ny Cisco Atsimondrano  
25/01/2021

Araka ny didy navoakan’ny prefen’ny polisy eto amin’ny faritra Analamanga ho an’ny toeram-pianarana, tsy maintsy fendrahina ranom-panafody hiarovana amin’ny otrikaretina, mitohy ny asa fandrarahana ho an’ny Cisco Atsimondrano, 30% amin’ny sekoly ny vita hatramin’ny omaly. Lany ny ranom-panafody ka miandry ny tomponandraikitra hanatitra tahiry. Rehefa andrarahana fanafody ny efitrano, 48 ora no tsy maintsy akatona vao azo ampiasaina indray. Anjaran’ny sekoly tsirairay ny mandray ny lamina mifandraika amin’izay, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Cisco. Efa mahalala ny toromarika tokony hampiharina avokoa raha sendra ahitana tranga mampiahiahy ny mpianatra na ny mpampianatra momba ny Coronavirus. Mifarimbona amin’ny fanomezana ranom-panafody ny mpiray ombon’antoka maro.Ho an’ny sekoly tsy miankina, andraikitr’izy ireo ny mitady ny ranom-panafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fandrarahana izany amin’ny efitrano. Izy ireo rahateo, mandray saram-pianarana ka afaka misahana ny fividianana ny kojakoja ilaina. Voalazan’ny didy fa tokony halaina ny maripana ho an’ny mpianatra sy ny olona rehetra miditra ny faritry ny sekoly. Hatreto, ny fanaovana ny arotava ihany sy ny fanasana tanana no voahaja isan-tsekoly. Misy koa ny sekoly miahy tena sahirana amin’ny fanantanterahana ny didy satria betsaka ny ray aman-dreny tsy mahavita nandoa saram-pianarana araka ny tokony ho izy noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. “Didy izany ka hojerena ny fomba hampiharana azy, araka ny eo am-pelatanana”, hoy ny talen’ny sekoly tsy miankina.Vonjy A. L’article Fandrarahana fanafody ny toeram-pianarana: vita ny 30%-n’ny sekoly ho an’ny Cisco Atsimondrano   a été récupéré chez Newsmada.

Taolagnaro: sarona ireo jiolahy niaraka amin’ny odigasy
26/01/2021

Noraisim-potsiny ! Tratran’ny polisy avy ao amin’ny Sut Taolagnaro, omaly, ny jiolahy miisa efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Isaka Ivondro, kaominina ambanivohitr’i Taolagnaro, ny alatsinainy 11 janoary lasa teo. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny raim-pianakaviana iray niharana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro, ny alarobia 13 janoary 2021 teo. Araka ny nambarany, nitondra basy ireo jiolahy mpanafika ary naka ny fananany rehetra tao an-trano. Lasa nandositra ireo  jiolahy taorian’ity fanafihana ity. manoloana izany, nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka nahitam-bokany izany, omaly maraina, tamin’ny 8 ora. Jiolahy miisa efatra no indray saron’ny polisy. Tamin’ny fisavana ny trano nitoeran’izy efa-dahy ireo dia basy vita gasy miisa efatra, odigasy sy mohara no tratra tao an-tranon’izy ireo. mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity fanafihana ity.J.CL’article Taolagnaro: sarona ireo jiolahy niaraka amin’ny odigasy a été récupéré chez Newsmada.

Rakotoarivelo Edmond (Ratafia): mpanazatra tranainy indrindra, 87 taona mbola nanazatra ny ekipam-pirenena
25/01/2021

Vao miteny hoe Ratafia, tsy misy tsy mahafantatra izany olona izany raha vao miresaka basikety eto Madagasikara. Isan’ireo mpanazatra nametraka ny anarany ny lehilahy, izay efa handray ny faha-91taona afaka volana vitsy. Izy avokoa no nitantana ny ekipam-pirenena vehivavy, niatrika ny Lalaon’ny Frankofonia tany Maraoka, ny fifaninanana Lalaon’ny Nosy natao tatsy Maorisy, tamin’ny taona 1985. Mbola Ratafia hatrany no nitondra ny ekipam-pirenena, niatrika ilay fivahiniana tany Chine ary noho ny fahaiza-manao nananany, tsy nisalasala ny mpitantana teo anivon’ny federasiona tamin’izany fotoana izany, nanendry azy hanazatra ny ekipam-pirenena, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Dakar Sénégal. Isan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy tamin’izany ry Bao Monique, izay namiratra satria dia sady lava no ranjanana ary mailaka. Tao ihany koa ry  Pepe sy Sitraka, izay hain-dRatafia tsara ny nampiaraka azy ireo teny ambony kianja. 87 taona izy,  mbola nanao izay asa maha mpanazatra azy izay.Mamie, Kilobo, Bayard, Henri, mpianatr’i Ratafia avokoaTsy ny vehivavy ihany moa no novolavolain-dRakotoarivelo Edmond fa nomeny sy nozarainy ny traikefa ihany koa ny mpilalao lehilahy, isan’izany Ravelomanantsoa Mamie, izay miavaka amin’ny fahaizana mitifi-davitra. Zandriny taty aoriana, isan’ny nahazo fitaizana sy fahaizam-baolina avy aminy ihany koa ry Kilobo Naguib, teo koa ry Coach Bayard, mpanazatra ny ekipan’ny DTSC sy ry Coach Henri, izay mpanazatra manana grady ambony indrindra.Nilalao ny niantombohanyNilalao tao amin’ny klioban’ny Orient de Tananarive, vao 17 taona monja ary isan’ny sangany teo amin’ity taranja Basikety ity Ratafia, mialoha ny naha mpanazatra azy. Ankoatra ny nitondrany ny ekipam-pirenena, efa nanazatra ny klioban’ny Us Cheminots vehivavy sy ny Asut ihany koa Ratafia ary tsy hadino ny ekipan’i Stade Olympique de l’Emyrne, izay nahazo indimy misesy ny tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny 1985 ary dia lasan’izy ireo tanteraka ny amboara niadiana tamin’izany. Nahavita be ary angady nananana sy vy nahitana ho an’ireo mpilalao sangany eto Madagasikara tokoa Rakotoarivelo Edmond (Ratafia) ary mendrika ny homena lanja tanteraka. Mi.Raz L’article Rakotoarivelo Edmond (Ratafia): mpanazatra tranainy indrindra, 87 taona mbola nanazatra ny ekipam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika »
21/01/2021

Tsy nanadino ireo tanora sy ireo sahirana. Nialoha ny fifaranan’ny dian’ny filoha Rajoelina Andry, omaly tao Taolagnaro, mbola nitondra fanampiana sy nitokana zava-bita ny tenany tany an-toerana.Anisan’izany fitokanany ny “Hotspot wifi” na ny toerana misy “Connexion internet” maimaim-poana eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra fa ny tanora izany. “Velirano ny hanao an’i Madagasikara ho maoderina sy mivoatra amin’ny lafiny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra. Tanjon’ny fotodrafitrasa ny hanampiana ireo tanora amin’ny fikarohana sy ny fianarana ary ny fifandraisana”, hoy izy. Na izany aza, voarara ny fitsidihana ireo pejy mamoafady, voarara ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona.Nanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana…Nialoha izany, nanolotra fanampiana toy ny sakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana avy any amin’ny faritra Androy, tonga miakatra ao Taolagnaro hikaroka fivelomana ao an-toerana koa ny filoha. Mandray an-tanana ireo fianakaviana sahirana ireo ny fikambanan-dry Masera Fille de la Charité – Sahan’i Maria, miara-miasa akaiky amin’i Père Pédro eto Antananarivo. Nampanantena ny fikambanana fa hozaraina ara-drariny ary ho tonga amin’ny fianakaviana mila izany ny fanampiana. Hifanome tanana amin’ny fizarana ny ao anatin’ny Fikambanan’i Md Vincent de Paul. “Tsy irery ireo fianakaviana sahirana ireo miatrika ny fahasahiranana noho ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tsy maintsy hojerena ny fomba hahafahana mamonjy azy ireo”, hoy ny filoha.Synèse R.  L’article Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika » a été récupéré chez Newsmada.

Mihatra ny filazana loza mitatao: efa mandravarava any avaratry ny Nosy i Eloise
20/01/2021

Ora-mikija sy rivotra mifofo no entin’ilay rivodoza Eloise any amin’ny tapany avaratra any. Miakatra ny rano, tapatapaka ny hazo. Mihatra ny filazana loza mitatao.Be fiavy ilay rivodoza Eloise satria mahatratra 100km isan’ora ny rivotra entiny ary tafakatra 140 km isan’ora ny tafiotra manaraka azy, manodidina ny foibeny. Efa mandravarava ao amin’ny distrikan’Antalaha sy Maroantsetra ny tafiotra sy ny orambe entiny. Maro ireo toerana efa dibo-drano any an-toerana. Tapatapaka ny hazo. Mitsahatra ny fampianarana, hatramin’ny omaly mba tsy hitera-doza ho an’ny mpianatra ary mitohy anio izany. Fanapahan-kevitry ny sekoly manokana izany ho fitandroana ny ain’ny mpianatra. Notapahina ihany koa ny herinaratra amin’ny faritra sasany mba tsy hitera-doza.Hatrany Toamasina, efa orambe, hatry ny omaly tontolo vokatr’ity rivodoza ity hatrany. Tanàna maro ihany koa no efa dobo tsy misy andehanana. Efa nampilaza ny Meteo Malagasy fa mihoa-pampana ny orana entiny ka mila mailo ny rehetra.Niditra an-tanety ao amin’ny distrikan’Antalaha, omaly hariva, i Eloise. Miaina tanteraka ao anatin’ny rivodoza ny mponina any an-toerana. Mizotra mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 17 km/ora.Hanavatsava mianandrefana izy, anio tontolo ary rahampitso any ho any vao hivoaka an-dranomasina manodidina an’i Maintirano.Mihatra avy hatrany ny filazana loza mitatao miloko mena ho an’ny faritra Sava manontolo, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.Filazana loza manambana miloko mavo ho an’i Toamasina I-II sy Alaotra.Filazana fanairana miloko maitso ho an’i Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga.Mitsahatra avokoa ny fampiasana fitaterana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratr’i Vatomandry sy ny avaratra andrefana. Tsy tokony hiandriaka intsony ny mponina.Tatiana AL’article Mihatra ny filazana loza mitatao: efa mandravarava any avaratry ny Nosy i Eloise a été récupéré chez Newsmada.

Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony
21/01/2021

Mbola ahina hihamafy ny kere any atsimo? Tsy fahampiana na tsy fisian’ny rotsak’orana ihany no antony. Hanao ahoana ny taom-pamokarana amin’izany? Tsia, tsy ny any atsimo ihany. Na ny manerana an’i Madagasikara aza, mampanahy sy mampiroaroa saina. Tsy ny rano no tsy ampy fa ny politika fifehezana azy no tsy nisy hatramin’izay.Miara-dalana amin’izay kere izay, tsy mahafa-bela ny firongatry ny mpifindra monina. Eny, na lazaina ho misy isan-taona aza ny mpila ravinahitra: tsy takona afenina ny fahamafisan’ny kere any Atsimo. Hanao ahoana? Samy manana ny fahasahirana ny amin’izao, ary marolafy ny olana: mahazo ny maro eny ifotony, tsy azo tamoraina, mila vahana maika…Mbola tsy mahafa-bela tanteraka, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny doro tanety, ny ady tany… Manampy trotraka ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranana amin’ny famatsian-drano… Marolafy ny olana… mifampiankina. Marolafy ihany koa ny vahaolana? Ny ady tsy ahi-mahatratra. Nefa tsy ahina intsony izao ady izao fa efa mihatra.Azo antoka sy mahomby ny vahaolana, raha samy miatrika izay tandrify azy ny isan-tsehatra sy ambaratonga? Na anaovana ady am-parimbona ny raharaha… Atao raharaham-pirenena toy ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19… Nahombiazana farany teo; eny, na mbola tsy resy tosika tanteraka aza. Ny fiaraha-miady no antoka handresena.Tena misy ny fahatapahan-kevitra sy ny fahavononana hamaha olana? Fiatrehana eny ifotony sy mivantana ny ady, araka izay tandrify ny tena: tsy vitan’ny fanaraha-maso sy famoahana fanambarana, ohatra, fa tena vahaolana haingana sy mivaingana, miantraika mivantana amin’ny vahoaka, mampandroso ny fianam-bahoaka… Fotoan’ny asa izao.Izay ihany no antoka mahamarin-toerana sy mampilamina na toy inona mety ho fanaratsiana, fanakiviana, famafazana lainga, fanakorontanana… Ny olana mivaha na an-dalam-pamahana no tsy mampisy olana amin’izay mitranga sy atao. Mby aiza? Eo ny vahoaka manana ny fijeriny mahita izay atao aminy, mandinika sy mahalala koa izay ataony.Rafaly Nd. L’article Vahoaka… mahalala izay atao aminy sy ny ataony a été récupéré chez Newsmada.

Mamely mafy ny rivo-doza Eloïse tany Avaratra: nentin’ny rano ny 4×4 iray, tsy hita ny mpandeha roa
20/01/2021

Tsy nanam-po ireo mpandeha. Tampoka  ny nandalovan’ny ranotrambo tao amin’ny Pont Namakia Antsiranana, mihazo an’Antsahampano. Nopaohiny tamin’izany ny fiara 4×4 iray, ka lasa lavitra ary simba tanteraka. Mbola tsy hita popoka ny mpandeha roa, tamin’ny ora farany nanoratanay, omaly. Vokatry ny orambe nialohan’ny nidiran’ny rivodoza Eloïse ny ranotrambo. Fiara 4×4 nitondra mpandefa efatra ity lasan’ny ranotrambo ity. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nandeha teo amin’ny tetezana (pont Namakia) ity fiara ity no sendran’ny ranotrambo tampoka ka lasan’ny rano. Lasa lavitra mihitsy ilay fiara ka nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana ireo olona sy ilay fiara ny zandary sy ny Tafika nampian’ny fokonolona tao an-toerana. Voavonjy ny olona roa, saingy efa naratra mafy raha tsy hita popoka kosa hatramin’ny omaly ny olona roa hafa. Potipotika ilay fiara 4×4 ary mbola mitohy ny fikarohana ireo olona roa hafa tsy hita hatramin’ny omaly hariva. Voalaza fa noho ny fiakaran’ny rano tampoka nateraky ny rivodoza Eloïse tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny no nahatonga ny loza. Mafy dia mafy ny rano mandalo eo amin’io tetezana io ary efa mihoatra ny tetezana mihitsy ny rano. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra rehetra any amin’iny faritra iny ka nandray andraikitra niaraka tamin’ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona tamin’ny fampiakarana ny fiara avy ao anaty rano. Nanamafy hatrany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) fa efa misy fiantraikany amin’ny toetr’andro any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ilay rivodoza Eloïse. Koa entanina ny mponina amin’iny faritra iny mba hitandrina manoloana ireo tany mety mihotsaka, ireo hazo mety hianjera tampoka, indrindra amin’ny fiakaran’ny rano. “Manentana ny rehetra ho mailo hatrany amin’ny loza mety ateraky ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra handalovan’ny rivodoza”, hoy hatrany ny fanazavan’ny MDN.Jean ClaudeL’article Mamely mafy ny rivo-doza Eloïse tany Avaratra: nentin’ny rano ny 4×4 iray, tsy hita ny mpandeha roa a été récupéré chez Newsmada.

Deuxième anniversaire de l’investiture présidentielle : Andry Rajoelina renouvelle ses Velirano
20/01/2021

Andry Rajoelina a marqué la deuxième année de son investiture en plantant des arbres. 19 janvier 2019 – 19 janvier 2021. Le président Andry Rajoelina a célébré hier le deuxième anniversaire de son investiture qui a marqué sa prise de pouvoir officielle au stade de Mahamasina. Un événement que le numéro Un d’Iavoloha a choisi de célébrer avec la population de la Région Anosy, autour d’un  » nofon-kena mitam-pihavanana « , précédé d’un reboisement. Pour couronner le tout, l’évènement s’est déroulé sous une forte pluie, qui est devenu un phénomène rarissime dans cette partie Sud de Madagascar. Impossible pour la délégation présidentielle, accompagnée de quelques membres du gouvernement de trouver un abri. Le Chef de l’État considère ces toutes premières gouttes de pluie dans le Sud comme un  » Tso-drano « . En effet, d’après les explications des responsables locaux, tous les districts du Grand Sud touchés par la sécheresse, entre autres, Andalatanosy, Ambovombe, Tsihombe, Bekily, et Fort Dauphin, ont eu des journées pluvieuses cette semaine. Émergence. Dans son discours à Faradofay pour sa deuxième année de pouvoir, le président Andry Rajoelina a renouvelé son Velirano vis-à-vis du peuple Malgache.  » Je réitère ici mon engagement que je fournirai tous les efforts pour développer Madagascar, avec mon équipe et les membres du gouvernement « , a-t-il déclaré. Et de soutenir au passage :  » le pays connaîtra l’émergence et nos actions auront des impacts concerts au niveau de chaque ménage « . Tout au long de sa journée très chargée, Andry Rajoelina a martelé que 2021 sera l’année du travail et des résultats. Et lui de promettre que pour la troisième année de pouvoir, le TGV enclenchera la vitesse supérieure.  » La voiture roule plus vite au fur et à mesure que le chauffeur passe la vitesse « , a-t-il soutenu. Mana-rapenitra. En ce qui concerne la Région Anosy, une trentaine de projets ont déjà démarré depuis deux ans. En tout cas, c’est ce qu’a annoncé le Gouverneur Hatrefindrazana Jerry. Parmi ces projets figurent le terrain manara-penitra et la route en pavés à Ampasakay mesurant 2,100km. Le numéro Un d’Iavoloha a aussi réitéré que la réhabilitation de la route nationale n°13 reliant Ambovombe – Fort Dauphin débutera cette année. La délégation a constaté de visu le début des travaux de construction du gymnase Arena Sport d’Ampasakay d’une capacité d’accueil de 1000 personnes assises. Selon le Gouverneur, la Région Anosy a déjà construit plus de 10 km de routes pavées au niveau de différents districts. Lors de ce passage dans l’Anôsy, Andry Rajoelina a annoncé que pour les trois années à venir, 10km de route en pavés seront construites au niveau de chaque district. L’objectif attendu est donc de 1190 km par an, a-t-il évoqué. Le chef de l’État a aussi assisté au lancement officiel de la caravane du Sud. 10 camions transportant entre autres, 1160 tonnes de riz, 24 000 litres d’huile alimentaire, des médicaments, ainsi que de l’eau potable pour 50 000 familles victimes du kere, ont quitté Fort Dauphin hier pour rejoindre tous les districts touchés par ce fléau. D’après les explications du Professeur Vololotiana Hanta Marie Danielle, DG de l’ONN, 300 000 personnes vont bénéficier de ce projet pendant plusieurs mois et que des camions vont se rendre sur les sites au moins deux fois par semaine. Objectif. Mais l’évènement marquant de la journée d’hier fut le lancement officiel du reboisement annuel pour l’année 2021. Le Chef de l’Etat a choisi le domaine La Cascade, Plantation Lansargues Manatantely, dans le massif de Tsitongambarika, Commune de Soanierana qui se trouve à une dizaine de kilomètres de Fort Dauphin ville. La Cascade de Tsitongambarika est la principale source d’eau pour l’irrigation à Taolagnaro. Cependant, depuis quelque temps, la forêt se dégrade considérablement à cause des feux de brousse et des coupes illicites. 10 000 jeunes plants ont été plantés hier. Mis à part le président Andry Rajoelina et quelques membres du gouvernement, des représentants des organismes rattachés et des ONG, ainsi que des associations féminines, une centaine d’élèves des écoles publiques locales, ainsi que 800 militaires ont pris part à ce reboisement national. Si en 2019, 40000 ha de terrains ont été reboisés, cette année le Ministère de tutelle se fixe l’objectif d’un reboisement sur 75 000 ha de terrains. Davis R L’article Deuxième anniversaire de l’investiture présidentielle : Andry Rajoelina renouvelle ses Velirano est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Deuxième anniversaire de l’investiture présidentielle : Andry Rajoelina renouvelle ses Velirano a été récupéré chez Midi Madagasikara.