Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano

News - Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano

News - Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano

Manoloana ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly any amin’ny Distrikan’ Ambanja amin’ny afitsoky ny mpangalatra, dia namoaka daty ny fanjakana, ka hisokatra androany alatsinainy amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy ny tsenan-davanila amin’ny faritra Sambirano. Ny asabotsy teo, raha ny vaovao voaray, dia mpanagom-bokatra « Mandateur » sy « Collecteur vanille » miisa 144 no nizarana karatra, tao amin’ny biraon’ny Distrikan’ Ambanja.

Eric Manitrisa

L’article Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo

Mpaka saripika iray amin’ireo manana traikefa matanjaka. Sehatra maro no efa nahitana azy sy ny sanganasany. Ankehitriny, nahatafita dingana iray lehibe i Rijasolo…Tsy ny eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany no ahitana ny famirapiratan’ny tanora malagasy. Tsikaritra koa izany eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Taona vitsy lasa izay, olana goavana nosedrain’ny mpanao hosodoko, mpanakanto araka endrika amam-bika ary ireo milomano ao amin’ny tontolon’ny sary isan-karazany, ny tsy fisian’ny toeram-pampirantiana.Amin’izao fotoana izao, misy amin’izy ireo ny miezaka fa tsy miandry fotsiny ny vahaolana entin’ny fanjakana ka manangana toeram-pampirantiana na « galerie » azy manokana. Anisan’ireny i Rijasolo, iray amin’ireo fanta-daza sy manana ny maha izy azy amin’ny fakana sary kanto sy matihanina. Araka ny fantatra, misokatra ho an’ny rehetra ny toeram-pampirantiany eny Faravohitra eny. Toerana tony sy milamindamina, ahafahana mankafy ireo sanganasany sy mitafa amin’ny aingam-panahiny.Afaka roa volana eo ho eo, izany hoe, amin’ny volana septambra, hihazo an’i Frantsa i Rijasolo, hanatanteraka fivahiniana arahim-pamokarana na « résidence de création », any amin’ny Cité internationale des arts. Raha tsiahivina, ity no anisan’ny loka goavana azo tamin’ny fifaninanana « Loka Paritana » andiany fahatelo.Haharitra telo volana ny diany ka, aorian’izay, haranty any an-toerana ny zava-bitany. Tsy ho diso anjara amin’izany ny eto an-tanindrazana, toy ny nataon’ireo mpandresy tamin’ny andiany roa voalohany tamin’ity fifaninanana ity.Landy R.L’article Saripika: manana ny toeram-pampirantiany i Rijasolo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…  

Efa nampoizina amin’izao fitondrana izao? Mendrika sy niavaka ny fankalazana ny andron’ny 26 jona. Nanome fahamendrehana sy fiavahana tamin’ny matso lehibe teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ohatra, ny vahiny nasaina manokana, ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, fitaratra amin’ny fitantanana, fampihavanam-pirenena…Teo koa ny famoahana fanamiana sy fitaovana vaovaon’ny Foloalindahy: fiaramanidina, helikoptera, fiara 4 x 4, fiadiana… Niara-dalana tamin’ izany ny famindra haingana kokoa. Nisy ny fampisehoana fidinan’ny miaramila tamin’ny elonaina, ny fampisehoana hakingana isan-karazany: haiady, fiadiana amin’ny asan-dahalo…Tamin’izany, niova, ohatra, ny arofenitra tamin’ny nisafoan’ny filohan’ny Repoblika sady filoha faratampon’ny Foloalindahy ireo nanao matso. Ankoatra ireo, teo ny hetsika teo aloha naverina toy ny kermesy nokarakarain’ny miaramila, ny alim-pandihizana, ny “podiums”… Niombonana sy nampiombona avokoa ireny rehetra ireny?Inona na ahoana koa ny manaraka? Vita iny fankalazana, tsy nitsanga-menatra ny firenena malagasy, ny vahoaka malagasy, ny fanjakana malagasy… Miatrika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka indray izao! Mitondra inona eo amin’ny tsirairay iny fankalazana ny faha-59 taon’ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena iny?Mba hisy amin’izay ny fiovana amin’ny fiaraha-mijery ny soa iombonana ho an’ny rehetra amin’ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay, ny fijerena lavitra ho amin’ny taranaka any aoriana amin’izay atao ankehitriny… Mbola lavitra sy be no atrehina, fa fisentoana na fihatahana  ahazoana maka vahana ny fetim-pirenena teo.Toy ny tsy nahazoana mora ny hoe Fahaleovantena niadiana fo no mbola iadiana amin’ny tena fahaleovantena ara-toekarena sy ara-politika, ohatra. Mba tena ho mendrika izany tokoa i Madagasikara sy ny Malagasy? Miavaka fa tsy mpanaraka ambokony ny hafa, tsy mpiankin-doha, tsy manaiky fitsabatsabahana… Kibo mitsara tena?Rafaly Nd.L’article Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Madio izahay ?

Antomotra ny fety. Mihetsiketsika indray isika mianakavy fa handray vahiny. Samy miedinedina ery mandray andraikitra manadio tanàna. Handalo eto tokoa mantsy ny Filohan’i Rwanda, Paul Kagamé, ka tsy maintsy hovaina endrika ho tsaratsara kokoa sy manintona ny maso ireo toerana rehetra holalovany. Sao mantsy ka ho afa-baràka isika satria ity firenen-dry Kagamé ity no filamatra amin’ny fahadiovana sy filaminan’ny tanàna aty Afrika. “Madio izahay!”, (Ny Rahona Ratsimba Georges) hoy ny tsianjery tany an-tsekoly fahiny. Jereo ny tanànanay fa mba mitovy amin’ny anareo ihany koa. Madio saingy…mety ho ao anatin’ny fotoana fohy ihany. Izao aza moa, efa andro vitsy sisa no tsy hahatongavan’ny Fetim-pirenena, mbola tahaka ny inona ny fako mivangongo ao afovoan’Analakely, ao? Tsy mbola madio ny renivohitr’i Madagasikara. Fofona ampy sy fako miparitaka etsy sy eroa no handraisana ny fety. Dia mbola ho toy inona koa aza izany rehefa vita fety? Malagasy mifety ve moa, tsy hanao izay saim-pantany e! Olana eto amin’ity firenentsika ity ny tsy fahampian’ny fanabeazana ho olom-pirenena. Ary rehefa amin’ny andro fety mihitsy aza no vao mainka mampisavovona ny fako. Tsy mba lanjaina amin’ny kilao fotsiny fa amin’ny taonina mihitsy. Andeha hiverenana kely aloha ilay resaka fandalovan’ny Filohan’ny Rwanda, izay vahiny homem-boninahitra amin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena malagasy. Raha tsy misy ve izany aloha io fitsidihana ofisialy io, dia tsy nozaraina loko maimaim-poana ireo trano manamorona ny arabe holalovany? Marina fa tsara ny madio saingy ity izy atao anatin’ny fihatsaram-belatsihy tsotra izao no tena mahavàka. Maninona, ohatra, no tsy natao hatramin’izay, na farafaharatsiny, tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra no nanaovana izany ? Raha ny tokony ho izy aza, raha hanao ihany, dia mila haseho an’i Kagamé avokoa ireo toerana ratsy sy maloto indrindra eto amin’ny firenena. Apetraka aminy ny velirano fa rehefa miverina amin’ny diany manaraka eto Madagasikara indray izy any aoriana any dia ho hitany fa hiova “Tana masoandro” ireo tanàna korondondo eto an-drenivohitra ireo. Izany no tena velirano, fa tsy sanatria faly te hoderaina fotsiny amin’ny hoe “madio izahay”, nefa…hay mihaingo ambony tsikoko! L’article Madio izahay ? est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Saron’ny polisy ny telo tamin’ireo dahalo ampolony nikasa hanafika tao Maintirano. Afakomaly ireto malaso ireto no nifanehitra tamin’ny polisy. Fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona no nahafahan’ny polisy nisambotra azy ireo. Mbola hita tany amin’izy ireo ny basy fampiasan-dry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Fantatra fa avy any Morafenobe ireto dahalo ireto ary nikasa hanao fanafihana tao Maintirano.Nitrangana fahafihan-jiolahy tao Amparihimena, fokontany Tsarafara, kaominina ambanivohitra Ambano, distrikan’Antsirabe II, ny faran’ny herinandro teo. Nanao tifi-danitra ireo jiolahy mialoha ny nidiran’izy ireo tao amin’ilay tokantrano notafihina. Tsy afa-nanohitra ireo niharam-boina fa nijery fotsiny izay nataon’ireto jiolahy ireto. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny akoho fakana nofo miisa 30. Tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Faratsiho no manao ny fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanendrena saro-piterahana

Miandry indray ny fanendrena ny tale jeneraly vaovaon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) raha noheverina ho nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra manokana natao teny Iavoloha, omaly. Tsy tafiditra tao anatin’ny lahadinika io fanendrena io. Efa tapitra tamin’ny 24 jona 2019 ny fepotoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco teo aloha, Jean Louis Andriamifidy. L’article Fanendrena saro-piterahana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fitiavam-bolan’ny depiote: tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro

Tsy am-piheverana! Nolanin’ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza, ny talata teo, ny nampihenany ny tetibola hanampian’ny fanjakana ny Jirama. Lasa 205 miliara Ar ny fanampiana ny Jirama, raha novinavinain’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Vola ho 255 miliara Ar. Nangatahin’ny depiote hanampiana ny vola ho an’ny Vaomiera ifotony ho an’ny fampandrosoana (CLD) ny 50 miliara Ar, ary nampiakariny ho 400 tapitrisa Ar isaky ny distrika, tantanin’ny solombavambahoaka. Izany hoe, azo adika fa nahenan’ny depiote ny tetibolan’ny Jirama, tokony hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny fatiantok’ity orinasam-panjakana ity, fa aleon’izy ireo mampitombo ny vola tantaniny, vokatry ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola, mialoha ny fiafaran’ny fotoam-piasany amin’ny taona 2019. Tsy azo ihodivirana Efa tsinjon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo ity tranga ity na tsy nolazainy mivantana aza. Nambarany, ny talata maraina teo (nolanina ny tolakandro ny tetibola 2019), fa entina manentsina ny banga amin’ny fatiantoky ny Jirama ny 255 miliara Ar, aloa aminy amin’ny kaompania mamatsy solika sy herinaratra. Koa raha mihena io fanampiana omen’ny fanjakana io, tsy maintsy hozakain’ny mpanjifa any amin’ny fiakaran’ny faktiora ny elanelana. Miala tsikelikely amin’ny fanampiana ny Jirama ny fanjakana, ary tsy handoa vola aminy intsony amin’ny taona 2020, raha ny vinavina. Efa mihamiarina ny toe-bolan’ny Jirama tato anatin’ny roa taona farany, saingy ahina ny hoaviny raha tanteraka izao fitiavan-tenan’ny depiote izao. Soa fa manana ny teny farany ny Fitsarana avon’ny lalàmpanorenana (HCC), afaka mandinika sy manapaka tsara ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana. Singa tena miantraika any amin’ny toe-piainan’ny Malagasy an-tanàn-dehibe ny vidin-jiro, ankoatra ny vidin-tsolika, ny hofan-trano, ny saram-pitaterana, ny vidim-bary, sns. Fanamby miandry izay filoham-pirenena vaovao ho lany eo ireo voatanisa ireo. Randria  L’article Fitiavam-bolan’ny depiote: tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana R.L’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25

Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny voka-pifidianana ôfisialin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, omaly. Tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa na « 2è Tour », hotanterahina ny 19 desambra izao kosa ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, sy ny kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina. Araka izany, nampiseho ny fahavononany hiatrika izany fihodinana faharoa izany ny kandidà laharana faha-25, tamin’ny alalan’ny solontenany, ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Nambaran’ity solontenan’i Marc Ravalomanana ity taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana fihodinana voalohany tetsy amin’ny HCC, fa vonona hiatrika izany izy ireo, ary ny vahoaka no tompon-tsafidy amin’izay hitantanana azy ireo sy ny firenena. Na izany aza, nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, fa hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana amin’ity “2è Tour” ity ny eo anivon’ny kandidà laharana faha-25. « Efa samy nahatsapa ny rehetra, eny, hatramin’ireo vahiny nanara-maso teto amintsika aza niaky, fa betsaka ny tsy fahatomombanana tamin’iny fifidianana Filoham-pirenena, fihodinana voalohany iny. Anisan’ireo nametraka fitoriana teo anivon’ny HCC ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Saingy, mba ho fitsinjovana sy fijery lavitra, nisintona ireo fitoriana sy fitarainana miisa 208 napetraka teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana izahay. Saingy kosa, hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana sy ny zotra fandatsaham-bato izahay eo anivon’ny kandidà laharana faha-25”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Ankoatra izay, notsindrian’ity solontenan’ny kandidà Marc Ravalomanana ity, fa raha toa ka mbola mahita tsy fahatomombanana mivaingana izy ireo amin’ity fihodinana faharoa ity dia tsy hanaiky, ary tsy hilefitra intsony fa hiroso amin’ny fitoriana. « Betsaka ny lesona azo notsoahina tamin’iny fihodinana voalohany iny, noho izany, mino izahay fa tsy ho toa izany ny amin’ity fihodinana faharoa atrehintsika ity », hoy hatrany izy. Etsy andaniny, tsy nohadinoin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny nanao antso avo amin’ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny tanindrazana, sy fanehoana ny safidy amin’ny alalan’ny latsa-bato. MN L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 est apparu en premier sur .L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 a été récupéré chez Triatra.

News - Ao Raha

Fahatapahan-dalana

Namoaka fanambaràna ny avy ao amin’ny minisiteran’ ny Asa vaventy sy ny fotodrafitrasa fa hisy ny fahatapahan’ ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN-6) mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana eo amin’ny PK 468 ao Ambanja. Noho ny fanamboarana tsy maintsy atao eo amin’ny tetezan’i Sambirano no anton’ity fanapahan-dalana ity. Nanomboka, omaly hatramin’ny alakamisy 6 desambra ho avy izao izany fahatapahan-dalana izany manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Nomarihin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny fotodrafitrasa fa tsy misy familian-dalana azo atao ao anatin’io fotoana io. L’article Fahatapahan-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/haTanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany. R.Mathieu Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-OuestPVS (2) : Sélection variétale participativeL’article Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps

Vita ny antsapaka, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba, taranja baolina kitra. Hidona amin’ny ekipa tompondakan’i Maorisy ny Fosa Jr. Tsy miatrika ny savaranonando kosa ny Cnaps Sport.Hifanehatra amin’ny Fosa Jr Boeny, eo amin’ny fihodinana voalohany, ny ekipan’ny Pamplemousses SC avy atsy Maorisy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hampiantrano ny lalao mandroso ny Fosa Jr, ny 9 na ny 10 na ny 11 aogositra, ary hanafika atsy Maorisy kosa eo amin’ny fihaonana miverina, ny 23 na 24 na 25 aogositra ho avy izao.Ekipa fantatra anarana fotsiny, saingy tsy mbola misy mahalala ny fomba filalaony. Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, milalao ao amin’ity Pamplemousses SC ity Rabemananjara Praxis. Na izany aza, heverina fa mety tsy hampanano sarotra ny Fosa Jr ny handingana an-dry zareo Maorisianina, izay ambany lavitra raha mitaha amin’ny zava-bitan’ny Fosa Jr. Ny hany tombony ho an’ny Pamplemousses SC, izy ireo handray ny lalao miverina.Raha tafita eo ny Fosa Jr, hidona avy hatrany amin’ny Tout Puissant Mazembe avy any amin’ny RD Kongo, eo amin’ny lalao ampaha-16-n-dalana. Hotanterahina ny 13, ny 14, ny 15 septambra ny lalao mandroso ka eto Madagasikara ny hanatanterahana izany. Ny 27, ny 28, ny 29 septambra kosa ny fihaonana miverina.Tafita amin’ny fihodinana faharoaMiaina kely kosa ny Cnaps Sport Itasy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona satria tsy miatrika ny lalao savaranonando izy ireo fa miandry avy hatrany eo amin’ny fihodinana faharoa, na ny ampaha-16-n-dalana.Hikatroka amin’izay tafavoaka eo amin’ny TS Galaxy avy atsy Afrika Atsimo sy ny ST Louis Seychelles, ekipa nilalaovan-dRadafison Jimmy (Kundé), kosa ny Cnaps Sport, eo amin’izany dingana izany. Hivahiny an-tanin’olona ny Cnaps Sport, eo amin’ny lalao mandroso, hatao ny 13 – 15 septambra, ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina, ny 27 – 29 septambra. Heverin’ny rehetra fa mety ho ry zareo Afrikanina Tatsimo no hikatroka amin’ny Cnaps Sport, amin’izany. TompondakaL’article Kitra – Afrikanina: hidona amin’ny Pamplemousse SC ny Fosa Jr; tafita amin’ny ampaha-16-n-dalana ny Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

MAE: matotra ny fiaraha-miasa amin’i Sina

 Anisan’ireo firenena afrikanina valo, nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sinoa, i Wang Yi, ny minisitra malagasy (MAE), Andriantsitohaina Naina. Votoatin’ny fotoana tany Sina ny fivoriamben’ny mpandrindra hanatanteraka ny vokatry ny fihaonana an-tampony tany Beijing, nandritra ny « Fihaonambe mikasika ny fiaraha-miasa Sina sy i Afrika » (FCSA), atao ny 24 sy 25 jona izao.Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitra sinoa, fa misy ny fanantenana hampiroboroboana hampifandrindrana ny Finiavana fifamatorana sy lalana (Initiative la ceinture et la route) sy ny vokatry ny fihaonamben’i Beijing (Focac), andaniny, amin’ny paikady hampandrosoana an’i Madagasikara, ankilany. Nanamarina ny minisitra sinoa, nilazany fa vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa i Sina.Notoloran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriantsitohaina Naina, mariboninahitra koa ny dokotera sinoa, miisa 30, ny 23 jona teo, ho fankasitrahana ny asa fitsaboana nataon’izy ireo taty Madagasikara. Nomarihiny fa anisan’ny zava-dehibe amin’ny fiaraha-miasa amin’i Sina ny fananganana fotodrafitrasa, ny fitaovana sy kojakojam-pitsaboana, ny fitetezam-paritra amin’ny fitsaboana. « Endriky ny fahatokisan’ny Malagasy ny fiaraha-miasa amin’i Sina izao hetsika izao », hoy ihany ny minisitra.Njaka A.L’article MAE: matotra ny fiaraha-miasa amin’i Sina a été récupéré chez Newsmada.

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2.  Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832  km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article  ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite

 Toy ny isaky ny asabotsy fahatelo amin’ny volana, hanatanteraka “tagnamaro” ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina  (MCC), androany. Nosafidiana amin’ity andiany ity ny eny Ambohitsaina, izay hita fa tsy ampy fikolokoloana. Araka ny fantatra, ho mafimafy ny asa satria hisy ny fandokoana ireo trano fianarana, hita ho efa mihavasoka. Eo koa ny fanadiovana sy ny fanalana ny lobolobo, izay manangona voalavo sy manaratsy endrika ity toeram-pampianarana ambony ity.Entanina handray anjara amin’izany voalohany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny Oniversite sy ireo mpianatra eny. Raha tsiahivina, tetikasa fifanampiana, entina hamohazana indray ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy, ny “tagnamaro”. Asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ho tombontsoa iombonana ny atao.Hetsika iray enti-manova ny toe-tsaina mba hahay handray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena sy mba hahay hanaja ny fananana iombonana ny “tagnamaro”. Entanina handray anjara amin’izany ny olom-pirenena rehetra, ny fikambanana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo masoivoho vahiny eto amintsika, sns.Natomboka tamin’ny volana marsa ny “tagnamaro” ka, ankoatra ny eto an-dRenivohitra, manatanteraka izany koa ny any amin’ny faritra samihafa.Landy R.  L’article Tagnamaro-MCC: hodiovina ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io…Na mbola somary vitsy aza, manomboka miorina tsikelikely eto an-drenivohitra ireo sekoly fianarana zavakanto ambara fa nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana na ny fisiany na ny diplaoma omeny (Etablissement agréé par l’Etat – Diplômes reconnus par la Fonction Publique). Saika sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireny. Endrika iray mana-porofo fa mihamivelatra lehibe kokoa hatrany ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Matoa azo ny fankatoavana tahaka io, manaraka ny fenitra takina ho amin’izany ilay toerana fampianarana (fotodrafitrasa, mpampianatra, fandaharam-pianarana, sns). Faharoa, manana rafitra mazava afaka mankato izany ihany koa ny fanjakana.Tsy tokony hatao bambaray anefa ny zava-misy sy iainan’ny kolontsaina rehetra fa misy tokony  hodinihina akaiky kokoa ny amin’izy ireny. Manana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny Malagasy. Efa misy ny mampianatra azy ireny. Anisan’izany ny kabary,  ny valiha, ny fanorona, ny fahaiza-mihira (firafitry ny hira sy feo malagasy), ny katro, ny raokandro,  ny fanandroana, ny sikidy, ny fomba amam-panao, sns. Mila rafitra manokana izy ireny mba hahazo fankatoavana amin’ny fanjakana ny fisian’ilay toerana fampianarana sy ny diplaoma omeny. Tsy tokony hatsofotsofoka any anatina toeram-pampianarana mozika lazaina fa « agréé par l’Etat » fotsiny, ohatra, ny fianarana valiha na sodina ka lazaina fa manana diplaoma ankatoavin’ny fanjakana izay mpianatra avoakan’ireny sekoly ireny.Omeo lanja sy hasina ny MalagasyMila rafitra hafa mihitsy hoenti-mankato azy ireny. Tsy sarotra ny manao izany. Rafitra izay hampitodika, na ny Malagasy na ny vahiny any amin’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny ka hampisongadina indray ny lanja aman-kasin’ny Malagasy sy i Madagasikara. Tsy olona zara fa mahay mitsoka vava tavoahangy akory no hanome diplaoma ankatoavin’ny fanjakana ho an’ny mpitsoka sodina. Tsy ny mpampianatra valiha tsy mahay akory ireo karazana « velombaliha » no hanome mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana ny mpianatra nianatra tao aminy satria lazaina fa « agréé par l’Etat » ilay toeram-pampianarana iasany.Omeo lanja sy hasina ny Malagasy. Mila ankatoavin’ny fanjakana ny fahaizan’ny Malagasy ny zavakantony. An’ny Malagasy ny fanorona, ny katro, ny valiha, ny sokela, ny kabary, ny beko, sns, mila ankatoavin’ny fanjakana ireny ary hampahafantariny maneran-tany ny fisiany.… Tsy azo hadinoina fa ilay firoboroboana tafahoatra teo amin’itony antsoina hoe « Etablissemnent agréé par l’Etat » itony no anisan’ny nampihen-danja ny diplaoma sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha eo amin’ny fianarana ankapobeny. Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hianaka any amin’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tranga tahaka io.Ilaina ny manara-drafitra. Apetrao io rafitra io. Tsy vitan’ny olon-tokana ny fametrahana izany. Ny tsy azo lavina anefa, an’ny Malagasy ireny zavakanto ireny, noho izany,  ny Malagasy no tokony hisikim-ponitra amin’ny fanasoavana ny azy !HaRy Razafindrakoto L’article «  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra

Olan’ny sarimihetsika sy ny zavakanto malagasy ny tsy fahampian’ny sehatra hanehoana ny vokatra. Nitondra vahaolana amin’izany ny CanalOlympia, ka nanangana ny CanalOlympia Iarivo, eny Andohatapenaka.Notokanana omaly ny CanalOlympia Iarivo, toerana lehibe iray ahitana efitrano fijerena sarimihetsika sy toerana fanaovana fampisehoana. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny Fifandraisana sy ny kolontsaina.Raitra sy manaraka ny teknolojia ny fitaovana hita ao amin’ny trano fijerena sarimihetsika, izay mahazaka mpijery miisa 300. Hita ao, ohatra, ny “écran scope” lehibe (14m) sy ny fanamafisam-peo mahafa-po. Tsy latsa-danja amin’izany ny ho an’ny fampisehoana ety ivelany, izay mahazaka mpijery anarivony.Misokatra avy hatrany ho an’ny rehetra ny CanalOlympia Iarivo. Miisa 19 isan-kerinandrano ny sarimihetsika alefa ao ka amin’izao folo andro voalohany izao, ireo horonantsary fanta-daza nivoaka farany, toy ny “Avengers End Game” sy ny “Captain Marvel” no hatolotra ny mpijery.Tsy ho tara amin’ireo horonantsary vao hivoaka ihany koa ny eto Antananarivo, satria miaraka amin’ny any amin’ny firenen-kafa ny fandefasana azy ireny ao amin’ny CanalOlympia Iarivo, mandritra ny “Week-end Premières”. Isaky ny asabotsy sy alahady maraina, hisy ny fandefasana horonantsary natokana ho an’ny tanora.Homen-danja ny zavakanto malagasy Toerana iray hampiroboroboana ny zavakanto malagasy ihany koa ny CanalOlympia Iarivo. Hanana ny anjarany ao ny horonantsary malagasy. Ankoatra izany, handahatra mpanakanto ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny kolontsaina ka ho azon’izy ireo ampiasaina maimaimpoana ihany koa ity toerana ity. Ireo no anisan’ny votoatin’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ity minisitera ity, ny CanalOlympia, izay natao Sonia, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana.Toeram-pandefasana sarimihetsika sy fanaovana fampisehoana lehibe indrindra aty Afrika ny CanalOlympia. Toerana faha-13 misy azy ny eto Antananarivo.Landy R.  L’article Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra a été récupéré chez Newsmada.

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo

Ny Voromaherin’i Nizeria no nahazo ny laharana fahatelo, ary nandrombaka ny medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», taranja baolina kitra. Resin’i Nizeria, tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, ny Tonizianina, ny alarobia lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Al-Salam Stadium Cairo.Baolina tokana, nampidirin’i Odion Ighalo, teo amin’ny minitra fahatelo monja, nanombohan’ny lalao. Niezaka nanindry sy nanao valim-panafihana avy eo ny Tonizianina, notarihin-dry Anice Badri, saingy tsy tafavoaka fa tsara fiarovan-tena ny Nizerianina. Somary henjankenjana ny fifandonana teny ambony kianja ka nisinisy ihany ny karatra mavo azon’ny ekipa roa tonta. Anisan’izany, ny azon’ilay Nizerianina, Wilfred Ndidi sy ny an’i Ghaylen Chaalei, ho an’i Tonizia. Saika mbola nahatafiditra baolina fanindroany indray ny Nizerianina, teo amin’ny minitra faha-81, saingy voatohan’i Chaouat, ny dakan’i Osimhen. Medaly alimo fanimbalony azon’i Nizeria, ity norombahiny teo amin’ny “Can” ity. Mitarika eo amin’ny famonoam-baolina, hatreto, i Odion Ighalo, izay nahatafiditra baolina 5.Mety mbola hosongonan’ilay senegaley, Mané sy ilay Alzerianina, Adam Ounas, anefa izany. Izy mirahalahy ireo izay hiatrika ny famaranana, rahampitso zoma. TompondakaL’article Kitra – «Can 2019»: lasan’i Nizeria ny laharana fahatelo a été récupéré chez Newsmada.

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.