Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery   

News - Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery   

News - Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery   

“70 mahery ny antontan-taratasin’ady efa vonona hotsaraina momba ireo ady heloka bevava ireo. Hiezaka izahay ho voatsara avokoa ireo raharaha nentina eto amin’ny Pac.”

Izay ny fanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny fitsarana misahana ny raharahana kolikoly (Pac), Antananarivo, Razafindrakoto Solofohery, teny 67 ha, afakomaly, momba ireo raharaha ady heloka bevava voarain’io rafi-pitsarana io hatramin’izao ary kendrena hovitaina amin’ity taona ity.

Andiana fitsarana valo ny hataon’ny Pac amin’izay fitsarana ady heloka bevava izay.

Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro, ny 19 aogositra, hatramin’ny 27 aogositra ny andiany voalohany: miisa 13 nyantontan-taratadin’ady tsaraina amin’izany, misy voampanga 38. Manomboka amin’ny volana septambra kosa ny andiany roa. Toy izay koa amin’ny oktobra izay misy andiany roa, ary ny novambra sy ny desambra, misy andiany roa avy.

Maro ireo karazana heloka bevava hitsaraina

Anisan’ny tsaraina amin’izany ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny famotsiam-bola, ny fanaovana kolikoly, ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka, ny fanondranana zava-mahadomelina, ny fanondranana olona, ny fanamparam-pahefana, ny fisandohana andraikitra… Mety hahatafiditra am-ponja dimy ka hatramin’ny 20 taona sazy an-terivozona ireo heloka bevava ireo, miampy tsy fahazoana mandia faritra mandritra ny dimy taona.

Tsy misy sazy mihantona na fanalefahan-tsazy ny didy avoakan’ny Pac. Na izany aza, misy fiarovana avy amin’ny fanjakana an’ireo voampanga. Nahatratra aoriana ny fanombohan’ny fiasan’ny Pac hatramin’izay ny fifidianana ireo mpitsara mpanampy.

R.Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery    a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 21/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kizon’i Soarano: tratra ireo dahalo naka an-keriny zandary roa sy sivily telo

Nirefotra ny basy, ny asabotsy teo tao amin’ny kizon’i Soarano (toerana fieren’ireo dahalo) nandritra ny fisamborana ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zandary roa sy sivily telo nandritra ny halatra omby tao Ampandrabe, kaominina ambanivohitr’Ankilizato. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, notapohin’izy ireo tampoka ity kizo fieren’ny dahalo ity. Dahalo efatra no tratran’ny zandary tao an-toerana tamin’io fotoana io ka ny iray amin’izy ireo no nitifitra, saingy noho ny fahaiza-manaon’ny zandary dia maty tsy tra-drano ny iray, ny iray hafa kosa azo sambo-belona fa ny roa tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana. Tratra koa ny zokiolona roa mpampiantrano sady mikarakara ny fanovana ny anaran’ireo dahalo voasambotra. Tsiahivina fa nitrangana halatra omby tao Ampandrabe, ny 27 novambra 2017 izay nataona andian-dahalo maromaro ka nanao vonjy taitra ny borigadin’ny zandary ao Ankilizato. Tratran’ny be no ho ny vitsy anefa izy ireo ka lasa takalon’aina ny zandary roa lahy niampy sivily telo avy amin’ireo fokonolona mpanara-dia ary tsy votsotra raha tsy nandoavana vola 7 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Telo andro taorian’io, nahazo loharanom-baovao ny zandary avy any Morondava sy ny FIGN ka olona miisa 21 indray voasambotra tao amin’ny fokontany Soarano sy Malaimbandy. Olona miisa 14 indray naiditra am-ponja.Jean ClaudeL’article Kizon’i Soarano: tratra ireo dahalo naka an-keriny zandary roa sy sivily telo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanabeazana sy kolontsaina: vitsy ireo tetikasa ahitam-bokatra tsara

Anisan’ny firenena maro tetikasa indrindra i Madagasikara aty amin’ny kaontinantan’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanabeazana. Hatreto anefa, tsy mbola hita misongadina ihany ny vokatra tsara avy amin’ireny tetikasa ireny. Tafahitsoka ao anatin’ny fahantrana hatrany ny Malagasy. Anisan’ny antony miteraka izany, raha ny fandinihan’ny mpandalina sy ny mpahay momba ny fiarahamonina, ny tsy fifanarahan’ny olana sy ny vahaolana.Tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy ny asa sasany tontosaina ao anatin’ireny tetikasa ireny. Miainga any amin’ny fanadihadiana ka hatrany amin’ny fanatanterahana, samy toa mitarika ahiahy ho an’ny Malagasy hany ka teren-ko masaka fotsiny ny zava-drehetra.Na ho rakotra tetika antapitrisa aza i Madagasikara manontolo, raha mbola tsy miainga amin’ny fanajana sy ny fanomezan-kasina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy izany, azo antoka fa handamoka hatrany. Amin’ny fomba ahoana moa, ohatra, ny hampahomby ny tetika hoenti-mampitia indray ny vaky boky ny zaza malagasy kanefa boky voasoratra amin’ny teny vahiny mitantara anganom-bazaha no ezahina aparitaka amin’ny alalana tetikasa? Fa nankaiza ry Ikotofetsy sy Imahaka, Imbahitrila, i Zanakantsaly, sns?HaRy RazafindrakotoL’article Fanabeazana sy kolontsaina: vitsy ireo tetikasa ahitam-bokatra tsara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Vakomanitra »: nahazo ny anjarany ny tsirairay

Faran’ny herinandro… Niavaka ny tetsy amin’ny Cemdlac! Ireo mankafy tantara tsangana, nahita izay notadiaviny. Ny mpitia hira, nianoka izany. Ny finaritra mahita dihy, afa-po. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra nandritra ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara « Izay mivadika aloha kely ila » nandritra ny hetsika « Vakomanitra » nokarakaraina sy notontosain’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy, sampana Analamanga Mi.Kolo.Nanamafy io fahazoan’ny tsirairay ny anjarany io ny fahaizan’ny mpanoratra sy ny mpandrindra nampifamatotra ny vanim-potoana fahiny sy ny ankehitriny. Nisongadina izany teo amin’ny tantara nolalaovina. Nandrenesana ny teny malagasy madiorano fa nahahenoana ilay fomba fitenin’ny tanora ankehitriny ihany koa. Ny hira nokaloina nahahenoana ny kalon’ny fahiny sy ny hira amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny dihy… Afa-po ny rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article « Vakomanitra »: nahazo ny anjarany ny tsirairay a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Loza an-dranomasina :: Olona efatra naratra tamin’ny faharendrehana lakana

Rendrika teny ambony ranomasina ny lakana iray, tany Soanierana Ivongo, omaly maraina. Naratra ny efatra tamin’ireo mpandeha fito niaraka taminy. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy. Nitondra mpandeha sy entana maromaro ity lakana tra-doza ity. Heverina fa noho ny fahavesaran’ny entana no nahatonga ny faharendrehana. Voalaza fa nidiran’ny rano tao anatin’ny lakana. Nivadika, avy eo. Nanavotra aina ny mpandeha. Nisy ny naratra nandritra izany sy teo am-piandrasana ny lakana hafa namonjy teny ambony rano. Samy tonga nanavotra sy nijery an’ireo niharam-boina ny polisy sy ny zandary. Nentina notsaboina any amin’ny hopitaliben’ i Fenoarivo Atsinanana ny sasany tamin’ireo naratra. Simba ny ankamaroan’ny entana. L’article Loza an-dranomasina :: Olona efatra naratra tamin’ny faharendrehana lakana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fangatahana lalao firahalahiana: hifandona amin’i Luxembourg sy i Nizeria ny Barea

Betsaka ireo firenena mangataka hanao lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Misy ireo avy aty Afrika ary eo koa ireo any Eoropa ka anisan’izany i Luxembourg.Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika lalao firahalahiana ny Barea de Madagascar, ny volana oktobra ho avy izao. Hatreto, marobe ireo firenena mangataka hikatroka amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Anisan’ireny ry zareo Luxembourg. Raha tsiahivina, ekipa efa nikatroka tamin’ny Barea de Madagascar izy ireo, ny taona 2019, nialoha ny nandehanana tany Egypta ka nisaraka ady sahala, 3 sy 3, ny roa tonta, tamin’izany.Efa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Barea, tamin’io, ary tany amin’ny fanampim-potoana no nanasahalan’i Luxembourg ny isa. Eo ihany koa i Burkina Faso sy ny Voromaherin’i Nizeria. Ity farany izay efa resin’ny Barea, 2 no ho 0, tao amin’ny vondrona nisy azy ireo, tamin’ny “Can 2019”.Mety hisy lalao roa izany hataon’ny Barea, mialoha ny hiatrehana an’i Côte d’Ivoire, ny 9 novambra ho avy izao, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2021”. Hatreto, tsy mbola namaly ireo fangatahana ireo ny federasiona fa mbola hisy ny fifampiresahana amin’ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis, izay mahafantatra ny fandaharam-potoany. Tsy mbola voafaritra, araka izany, ny firenena hanaovana io lalao firahalahiana io.Mbola olana ny kianja sy ny fikarakaranaAnkoatra izay, tsy maintsy jerena ny toerana hanaovana ny lalao izay mety ho ao Paris. Raha ny zava-misy ao Frantsa amin’izao fotoana izao anefa, tsy mandray olona avy amin’ireo firenena voalaza fa faritra mena amin’ny Covid-19 izy ireo.Mila vola ihany koa anefa ho saran-dalan’ireo mpilalaon’ny Barea, raha toa ka atao aty Afrika ny lalao. Mety fihaonana tsy azon’ny rehetra atrehina (à huis clos) mantsy io lalao firahalahiana io ka tsy hisy vola ho azo. Araka izany, mbola mila mitady mpanohana io lalao io ny firenena roa tonta, hoenti-manana ny fikarakarana rehetra. TompondakaL’article Kitra – Fangatahana lalao firahalahiana: hifandona amin’i Luxembourg sy i Nizeria ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

IKM! Aogositra, volan’ny varatava

Varatava, heverina fa mbola vaovao amin’ny sofin’ny maro ity voambolana tena malagasy ity, kanefa milaza endri-javakanto iray, miroborobo sy be mpankafy, amin’izao fotoana izao. Sary endrik’olona vita hosodoko, nalain-tahaka avy amin’ny saripika na natao teo am-pijerena ilay olona mivantana ny atao hoe varatava.Tsy vitsy ny tanora manan-talenta amin’izany, voaporofo amin’ny fahamaroan’ireo manao ity karazana hosodoko ity ho antom-pivelomana mihitsy, amin’ny toerana samihafa, eto an-dRenivohitra. Maro, rahateo, ny olona tia atao hosodoko. Ho fampivondronana io talenta iombonana io sy hisian’ny sehatra ifampizarana traikefa, tafajoro ny Varatava Association.Hatramin’izay, tsy mbola nisy ny hetsika natokana tanteraka ho an’ny varatava. Ankehitriny kosa, manoloana iray volana be izao ho an’izany ny fikambanana. Hanomboka rahampitso io hetsika io ary hotanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola. Fampirantiana, fanaovana varatava eo no ho eo, fifaninanana, sns. Hatevina ny fandaharam-potoana, mifanojo indrindra amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pialan-tsasatra ho an’ny kilonga.Landy R.  L’article IKM! Aogositra, volan’ny varatava a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Raharaha fonjan’Ambositra :: Hatolotra ny Fitsarana ilay vehivavy nitory an’ireo gadra nitsoaka

Hatolotra ny Fitsarana, eny Anosy, ny vehivavy iray voatondro ho nisoloky ny anaran’ny vadin’ ny Filohan’ny Repoblika, anio, raha tsy misy ny fiovana. Nitory olona telo naiditra am-ponja tany Ambositra, tamin’ny 29 jona lasa teo, izy. Avo lenta ity raharaha ity satria fampiasana ny anaran’ny fikambanana Fitia no nitorian’ireo gadra nitsoaka azy. Iretsy farany, izay mbola karohina, hatramin’ny omaly, taorian’ny fandosiran’izy ireo niaraka tamin’ny lehiben’ny fonjan’Ambositra sy ny mpandraharahan’ny fonja iray, nanomboka tamin’ny 2 jolay 2020. “Avo lenta ito raharaha ito”, hoy ireo mpanao famotorana eny amin’ny Sampana misahana ny heloka bevavan’ny Zandarimaria, eny Fiadanana, omaly. Izy ireo no naka an’itsy vehivavy torian’ireo gadra nitsoaka ho nisoloky tany Ambositra, tamin’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa vola an’arivony tapitrisa ariary maro no mihodinkodina ao anatin’izao raharaha izao. Fisolokiana sy fanaovana hosoka ary fampiasana hosoka, niampy fisintonana an-tsokosoko ny vola fanao an-tratra tany amin’ ny banky (provision) no niampangan’ilay vehivavy an’iretsy olona telo ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy ireo, tany Ambositra. Misy mitonona ho mpanolotsaina eo anivon’ ny andrim-panjakana eto amin’ny firenena mihitsy aza amin’ireo voafonja tsy hita ireo. L’article Raharaha fonjan’Ambositra :: Hatolotra ny Fitsarana ilay vehivavy nitory an’ireo gadra nitsoaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nivoy ny basesa: nodimandry koa i Manda Kaïamba

Ramandandrainy Razafindraleta, fantatry ny maro emin’ny sekahatry ny kanto amin’ny anarana hoe Manda. Anisan’ireo mandrafitra ny Kaïamba, izay lasa anarana tarika taty aoriana, izy. Nodimandry ny asabotsy lasa teto ity mpanakanto ity, vokatry ny fiakaran’ny tosi-dra tampoka. Nalefa notsaboina haingana tao amin’ny hopitaly ao Morafeno Toamasina ihany, saingy tsy tana ny ainy. Taorian’i Dors izay nindaosin’ny fahafatesana tsy ela akory izay, lasa ihany koa ity mpively amponga maroanaka ao amin’ny tarika Kaiamba ity. Teraka ny 4 janoary 1959  teto Toamasina i Manda, teo amin’ny faha-10 taona izy dia efa nilomano teo amin’ny tontolon’ny mozika. Maro ireo tarika efa nisy azy: Les Stars Jet , Éclair , Univers , Jupiter , Capricorne ary Farthem .Ny taona 1975 kosa izy no nanangana ny tarika Manda ex-Farthem ary taorian’izay dia anisan’ ireo  mpanakanto  nanao fandraisam-peo tao amin’ny trano mpamokatra Kaiamba, izay lasa anarana nisaloran’ireo mpivoy ny gadona basesa taty aoriana. Anisan’ny hira nahalalana azy ny “Nenga tsy nizaka”, “Mbola bitika”, “Samy salegy”, “Taona raiky”, … Ny marain’ny alatsinainy teo no niala ny efitrano malalaky lapan’ny Tanana tao Toamasina ny vatana mangatsiakan’ i Manda ary hoentina any amin’ny fasan-drazany ao Mahanoro.  Nialoha izany, nisy ny fiandrasam-paty nataon’ireo mpanakanto namany, ka anisan’ny niaka-tsehatra nanao hira farany ho fanaovam-beloma ny andefimandriny, i Lucienne izay  mpanakanto ihany koa. Nampihetsi-po ny rehetra tonga nanotrona izany.Sajo/ Zo ny AinaL’article Nivoy ny basesa: nodimandry koa i Manda Kaïamba a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra”
24/10/2020

Rakotonarivo Jean Donné, mpihira fototra ao amin’ny tarika Don.FR sady tompon-kevitra amin’ny fananganana izany, ny taona 2017. Milaza ny heviny momba ny zavakanto sy ny mpanakanto ary ny akony.Tarika mampiray ny kanto malagasy manerana ny Nosy ny Don. FR… Mivoy ny karazan-kira mifangaro, izany hoe, manao ny gadona rehetra toy ny tsapiky, ny basesa, ny milamindamina sy ny maro hafa ny tarika. Noho ny fisian’ny mpikarakara, taty aoriana, nisy fiovana tanteraka ny tarika fa tsy toy ny nahitana sy nahalalana azy tany aloha. Na teo amin’ny lafiny hira izany na ny hevitry ny anaran’ny tarika. Talenta ny “Don” ary Fi­rai­sankina ranoray kosa ny “FR”. Ankoatra ny gadona voalaza ery aloha mantsy, mitambatra ho iray ao anatin’ny tarika ireo mpikambana 10 mianadahy avy amin’ny faritra. “Tsy laza ny tanjona ma­hamaika fa ny hampita hafatra ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora. Hijanona ha­trany amin’ny fanaovana mozika maneho fananarana sy fitaizana ho an’ny fiarahamonina ny tarika fa tsy hanao hira mety hanafintohana ny hafa”, hoy i Jean Donné. Maro ny sanganasa mihodina eny anivon’ny serasera toy ny «Allo Tiako», ny «Tsin­jaka», ny «Maloto lamba», ny «Tsy mahavita tena», ny «Modia», ny «Ombay mitady», sns. Vao tsy ela akory izay ny namoahan’izy ireo ny hira: «Neny» sy ny «Zana­kao». Manomana seho miavaka eto an-dRenivohitra ny tarika amin’izao ary hisy rakipeo kononkononin-dry zareo amin’izany. Tsy vitsy ny mpanakanto malaza efa nampiara-peo tamin’i Don.FR toa an’i Bolo Pix sy i If Clark. Ankoa­tra ny rindran-tsary, efa nisy ny seho nataon-dry Don.FR tany Antsirabe sy tany amin’ny faritra hafa. «Manantena fiaraha-miasa hatrany aminareo mpankafy izahay ka raha misy ny tsy mety, aza misalasala manome fanamarihana fa raisinay hakana lesona izany fa tsy hitezerana akory», hoy ny mpikarakara ny tarika. Marihina fa tovolahy mpikabary ihany koa i Jean Donné ary efa betsaka ny kabary am-panambadiana efa nataony. Araka izany, afaka mivady tsara aminy ny kabary sy ny mozika fa tsy mifanitsaka akory.NarilalaL’article Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra” a été récupéré chez Newsmada.

Fametrahana fanjakana tsara tantana Natsinkafon’Imbiky Anaclet ny kolikoly ao amin’ny fitsarana
27/10/2020

 Nitondra famelabelarana momba ny paikady iadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana, mifandray amin’ny Covid-19 sy ny toekarena,  ny mpahay lalàna, Imbiky Anaclet, omaly tetsy Ampefiloha.Nambarany fa voa mafy isika tamin’iny valanaretina iny ka tsy maintsy mitady vahaolana sy fomba hanarenana indray ny toekarena sy ny fihariana. Nahitsy anefa ny tenany nilaza fa mitaky fepetra hentitra sy mafy izany iatrehana ny hampandehanana ny toekarena. Niaiky izy fa misy ny olana. “Miankina amin’ny fahatsaran’ny fitsarana ny fahombiazan’izany. Anisan’ny mahatonga ny toekarena marefo ny kolikoly… Firenena be kolikoly indrindra maneran-tany isika raha ny filaharana sy ny antontanisa. Anisan’ireo sampandraharaha telo na efatra voalohany be kolikoly ny fitsarana, raha ny tsapan-kevitra”, hoy izy.Tsy maintsy diovina ny fitsaranaNotsiahiviny fa efa maro ireo rafitra sy lalàna natao iadiana amin’ny kolikoly. Tsy maintsy diovina ny fitsarana hampandehanana indray ny fihariana sy ny toekarena.Etsy andaniny, nohitsiny koa fa betsaka loatra ny kabary etsy sy eroa manoloana ity ady iray ity. “Tsy misy ny fanatanterahana fa resabe, tsy arahina asa izany”, hoy ihany izy. Noderainy koa anefa ny fanjakana amin’ny fandaharanasany maneho fahavononana hiady amin’ny kolikoly.Famakiana bantsilana sy fanenjehanaTsy ampy anefa izany, araka ny nambarany hatrany. “Tsy tokony hiantehitra amin’izany fotsiny isika raha te hahita vahaolana mahafa-po fa ilaina koa ny fiarahamonim-pirenena. Tokony handray andraikitra izy ireo hampibaribary sy hamaky bantsilana ary hitory ireo mpanao kolikoly”, hoy ihany ity minisitra teo aloha ny Fitsarana ity. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny fahitana ireo fananana harena sy ny fandaniana mihoa-pampana nefa tsy mifanaraka amin’ny vola raisiny. Tokony henjehina sy hanaovana fanadihadiana ireny. Ohatra, ireo tsy mandoa hetra, na fadin-tseranana, na ny kolikoly eny amin’ny tsenambaro-panjakana, araka ny nambarany.Synèse R.L’article Fametrahana fanjakana tsara tantana Natsinkafon’Imbiky Anaclet ny kolikoly ao amin’ny fitsarana a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
24/10/2020

Nametraka laminasa mazava ny mpanjaka Mohamed VI any Maraoka, ho fanarenana ny toekarem-pirenena sy ho fiarovana ny sosialy noho ny Coronavirus. Manodidina ny 13 miliara dolara ny hiatrehana izany: antoka sahanin’ny fanjakana sy ny tahiry fampiasam-bola ho fampandrosoana fototra. Laharam-pahamehana ny fanarenana ny indostria, ny fanajariana ny sehatra tantanan’ny fanjakana, tahiry Mohamed VI ho fampiasam-bola. Ny fahitan’ny mpanjaka Mohamed VI any an-toerana ny fahasahiranan’ny mponina ny nahatonga azy nandray fepetra maro, indrindra ho fanarenana ny toekarena.Miara-tonga ny revolosiona indostrialy sy ny Corona­virus, manova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa, ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manolo asa 85 tapitrisa mialoha ny 2025 ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ampolo tapitrisa ny toeram-piasana voasolon’ny « robot ». Tsy araka ny niheverana azy fa ho haingana ny fandrosoan’ny fampiasana ireo fitaovana teknolojia samihafa noho ny fihanaky ny Covid-19, araka ny fanadihadiana isan-taona ataon’ny The Future of Jobs. Mivoatra haingana ankehitriny ny fampiasana milina any amin’ny toeram-piasana samihafa.Nihena 26,4 % ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny any Tonozia nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ ity taona ity, raha ampitahana ny tamin’ny 2019. Nihena avokoa ny seha-pamokarana rehetra any amin’ity firenena ity, avy amin’ny indostria vahiny sy ny tompon-tany. Anisan’ny tena misongadina ireo orinasa vahiny mpanodim-bokatra, ny sehatry ny fizahantany. Tojo fatiantoka avokoa ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) ka eo am-pamolavolana ny laminasa hanarenana izany izao ny governemanta tonizianina.Tsara toerana ny toekarena amerikanina maneran-tany ny taona 2012-2016, nitondran’ny filoha Barack Obama; mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahitan’ny filoha Donald Trump azy. Koa nambaran’ny filoha ankehitriny ny mampiavaka azy: ady ara-barotra amin’i Sina, ny fampidinana hetra amin’ny ankapobeny, ny fanovana fomba fiasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana… Talohan’ny Covid-19, efa nanomana politika entiny mandritra ny fampielezan-kevitra i Donald Trump koa nomaniny ny lafiny toekarena, nambarany fa « tsara indrindra hatramin’izay ».L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema”
27/10/2020

Raikitra fa handalo eto Madagasikara, amin’ny 14 – 22 novambra izao ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, Nomcebo, fantatra amin’ilay hira nalaza tao anatin’ny fihibohana “Jerusalema”. Hiatrika fitetezam-paritra, hanomboka any Sambava handalo an’i Toamasina sy Mahajanga ary hifarana eto Antananarivo, ity mpanakanto vahiny ity, amin’ izao fitsidihany an’i Madagasikara izao, araka ny nambaran’i Bryan, avy ao amin’ny Malagasy MusicEvent mpikarakara hetsika any Eoropa. Hiara-hisalahy amin’izy ireo amin’izany ny Mick Prod’Zik. « Madagasikara, toy ny firenena maro maneran-tany, ka niatrika ny fihibohana. Sahirana ny saina ary tao anatin’izany no nipoiran’ilay hira Jerusalem. Na ny mpianakavy, na ny mpinamana, eny hatramin-dry bebe sy dadabe ary ireo kilonga aza samy faly, nianatra ary niezaka nandihy an’ilay hira avokoa », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fikambanana mikarakara an’ity seho ity nanazava ny anton’ny safidy. Hira maro Manana hira maro ity mpanakanto ity, ankoatra an’ilay “Jerusalema”, ka afaka hahazaka sehatra tsara. Na izany aza, hizara sehatra amina mpanakanto malagasy maro izy ka isan’izany ry Black Nadia, Nael, Mad Max, Jerry Marcoss, Tence Mena sy ny maro hafa. Hanomboka ny seho any Sambava, amin’ny 14 novambra, i Nomcebo. Any Toamasina (15 novambra) sy Mahajanga (21 novambra) kosa ny tohiny. Hiakatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe indray izy amin’ny 22 novambra, araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ny mpikarakara. Mialoha ny hiampitany eto Madagasikara dia hanolotra seho iray any Burkina Faso ity, mpanakanto Afrikana Tatsimo ity amin’ ny 31 oktobra ho avy izao. Hifindra lasy atsy amin’ny nosy Maorisy kosa ny vehivavy amin’ ny 13 – 14 febroary 2021. Hetsika karakarain’ny Malagasy MusicEvent hatrany ireo rehetra ireo, araka ny fanazavana. Misy lalao maro efa miparitaka any anatin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook hahafahan’ireo mpankafy misitraka fanomezana maro manomboka amin’ny tapakila hijerena ny seho ka hatramin’ny lelavola roa tapitrisa ariary. L’article Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema” est apparu en premier sur AoRaha.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty
28/10/2020

  Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezan’Anjamana, fokontany Ampano, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora. Vokany, mpandeha miisa roa (lehilahy 23 sy 33 taon) maty tsy tra-drano. Lehilahy roa hafa koa maratra mafy raha tsy naninona kosa ilay mpamily fiara. ” Kamiao nitondra omby miisa 44 avy any Ihosy io tra-doza io ary saika hivarotra ireo omby ao amin’ny tsenan’i Vohiposa androany”, hoy ny fanazavan’ny polisy ao Fianarantsoa, misahana ny famotorana. Fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy, tafavoaka ny fiolahan-dalana mahazo ny tetezana eo Anjamana ny fiara ka nivarina an-kady.Taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Nandefa ihany koa an’ireo naratra any amin’ny toeram-pitsaboana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Voalaza tamin’izany fa maty teo no ho eo koa ny omby valo tamin’ireo saika hamidy. Ny mpamilin’ny fiara kosa atao andrimaso sy hanaovana fanadihadiana ao Fianarantsoa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola ao an-toerana ilay kamiao nivarina an-kady. Efa an-dalana haka ireo razana roa ihany koa ny fianakavian’ny maty. Ireto farany, izay samy avy ao Ihosy avokoa. Voalaza fa ombivavy ny ankamaroan’ireo omby noentin’ny fiara saika hamidy. Fantatra fa matetika isehoana lozam-pifamoivoizana eo an-toerana ary lasibatra amin’izany ireo kamiao mpitondra omby.Ankoatra izay, mpivady nanao taingin-droa tamin’ny moto koa voafaokan’ny fiara 4×4, omaly tetsy Mandroseza. Vokany, nipitika avy eny ambony moto ilay ramatoa raha nosokirina tao ambany fiara ilay rangahy vadiny. Naterina vonjimaika teny amin’ny hopitaly ireo niharam-boina taorian’izay.  Henintsoa HaniL’article Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty a été récupéré chez Newsmada.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja
23/10/2020

Mozika metaly… Tsy mety harafesin’ny fotoana ny fisian’izany tarika Iraimbilanja izany. Hitondra ny gadona mavesatra, etsy amin’ny Le By Pass, izy ireo, anio zoma 23 oktobra. Manomboka amin’ny 7 ora hariva ny lanonana. Hafampana, araka izany, ny faran’ny herinandro… Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hitondra ny mozikany amin’io fotoana io, indrindra ny mpankafy rock. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana maro.Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika. Anisan’izany ny “Tao an-tsekoly”, ny “Tehina”, ny “Ikopa”, ny “Alitara” sy ny maro hafa tsy ampoizina. Marihina fa anisan’ireo toerana manome lanja ny mpanakanto malagasy sy ny kolontsaina malagasy ny Le By Pass, akaikin’ny sampanana Ambohijanaka, eo anelanelan’ny Le Jardin sy ny Elgeco Plus.Nomarihin’ny tomponandraikitra fa hajaina tanteraka ny fepetra rehetra ara-pahasalamana amin’ny seho sy korana tahaka izao tsy hampihanaka ny valanaretina Coronavirus.NarilalaL’article Le By Pass- Afterwork: hitondra ny mozikany ny tarika Iraimbilanja a été récupéré chez Newsmada.

Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza
28/10/2020

Les membres de la Commission spéciale de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice à l’Assemblée nationale se sont réunis en travaux de commission hier. L’Assemblée nationale commence le traitement des dossiers des personnalités qui seront traités au niveau de la Haute Cour de Justice (HCJ). En effet, les membres de la Commission spéciale de mise en accusation auprès de la HCJ à la Chambre basse ont tenu leur première réunion en commission, hier. Les 17 membres de cette commission, dirigée par le député de Vohipeno, Tsabotokay Honoré, ont une vingtaine de jours pour trancher sur le sujet. Si l’on se réfère à l’ordre du jour adopté à l’Assemblée nationale, la présentation de leurs travaux en commission aura lieu le 17 novembre prochain. A cette date, les députés valideront en séance plénière les dossiers qui vont être transférés à la Haute Cour de Justice pour être jugés. Hier, le président de la Commission spéciale de mise en accusation a annoncé qu’au total, 12 dossiers ont été reçus à Tsimbazaza. Tsabotokay Honoré a toutefois annoncé que trois dossiers impliquant des anciens hauts responsables étatiques seront étudiés pendant la session ordinaire en cours. Des dossiers concernant des anciens ministres du temps de la Transition de 2009 à 2013, mais aussi sous le régime Rajaonarimampianina, de 2014 à 2018. Faux et usage de faux, détournements de deniers publics, marchés fictifs, affaires bois de rose. Ce sont entre autres, les principaux chefs d’inculpation inscrits dans ces dossiers. Exil. Pour l’heure, le député de Vohipeno se défend de révéler l’identité des personnalités impliquées. Et ce, même si il y a longtemps que des noms circulent. Parmi les dossiers qui pourraient être traités en premier devant la Haute Cour de Justice, les affaires Mahafaly Olivier Solonandrasana, Anthelme Ramparany, Maharante Jean de Dieu, Onitiana Realy et Reboza Julien. Tous, ou enfin presque, sont frappés d’interdiction de sortie du territoire (IST), mais ont cependant réussi à s’exiler à l’étranger. Les investigations concernant leurs dossiers ont déjà été finalisées par les enquêteurs du Bureau Indépendant Anti-Corruption. L’identité des personnalités impliquées dans les trois premières affaires à traiter par la Haute Cour de Justice sera donc connue lors de la séance plénière du 17 novembre prochain à l’Assemblée nationale. Davis R L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia
23/10/2020

Zatra ny lalan-dririnina! Nandritra ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna teo aloha ary notohizan’ny filohan’ny delegasiona manokana taorian’izay ny fahazaran-dratsin’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina amin’ny fakana vola tsy hampidirina ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina fa any am-paosy avy hatrany. Tsy asian’ny tompon’andraikitra resaka anefa izany fa vao mainka aza arovany ny mpiasa manao izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy any Toamasina. Vokany, leon’ny fakana vola mihoa-pampana ataon’i Jidiajia ny mpivarotra ao Bazarikely sy Ankirihiry ka nitondra ny fitoriana teo anoloan’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny kaominina, fakam-bola hatramin’ny andron’ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysée ny raharaha ary mbola tohizan’ity lehibena sampanasa iray eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana eo anivon’ny kaominina ity. Ireo mpivarotra lamba tonta, voankazo, akoho amam-borona, telefaonina finday ireto voasolokiny ireto izay lazainy fa esorina eo ianareo fa omena toerana ka mandoa vola. Vokany, misy manome 3 ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ireo mpivarotra. Teo koa ireo nandoa 5 tapitrisa Ar. Nilaza ny talen’ny eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana fa aleo ianareo mpivarotra mitory any amin’ny mpitandro filaminana hahafahana manao ny fikarohana ity mpisoloky ity.Sajo sy J.C L’article Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia a été récupéré chez Newsmada.

MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony
24/10/2020

Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Mitentina 450.000 euros io famatsiambola io. Notanterahana ny 23 oktobra 2020 ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tanteraka nandritra ny tetikasa toy ny tsena sy lalana Ankaditany-Avarajozoro ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Raha ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia ny tahala ao amin’ny tsenan’ny Alakamisy Fenoarivo, ny fantsona  sy ny lakan-drano fanarian-drano fanarian’ny mpivarotra rano maloto, efitrano-tsekoly  efatra ao amin’ny CEG ary lalana mirefy 770 metatra.  “Manao antso avo aho fa ny dabilio no tena olana ety, be dia be ny simba, ny efin-trano fianarana mitombo”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené.  Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo efitranon-tsekoly ary 80 tapitrisa Ariary ny  lalana, araka ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa 5 %  ny vola nampiasaina ny fandraisana anjaran’ny kaominina ary nohamafisiny fa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony no mampandroso ny haingana ny tanàna. Raisin’ny olona am-po « Araka fanazavan’ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina teo fa tsy nomena ilay vola fa nisy fifaninanana natao, appel à proposition, nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana. Ny fiarahamiasa matotra no nahatonga voafidy », hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra ary ihany koa mampisitraka ny filàna ara-tsosialy indrindra ny fanatsarana ny fampianarana, ny fahasalamana, ny rano fisotro madio . « Ao anatin’izay tetikasa izay, napetraka ho vain-dohan-draharaha ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fametrahana ny mangarahara hatrany amin’ny fomba fieritreretana sy fanatanterahana ny tetikasa ka hatrany amin’ny fanjohiana ny fanatanterahana ny tetikasa ary irariana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fikojakojana ireo tetikasa tanteraka eny anivon’ny kaominina », hoy izy. Rehefa mampandray anjara ny olom-pirenena ny fitondrana indrindra eto ifotony, ety amin’ny kaominina dia mamaly hatrany ny filàny olona ety ifotony ny foto-drafitr’asa tanteraka ary tena raisin’ny olona am-po izany ary tonga dia mandray anjara amin’ny fikojakojana sy fiarovana ireo foto-drafitr’asa tanteraka izy ireo. Amin’ny  taona ho avy ny Msis Tatao dia hiezaka hanitatra ny fomba fiasa, hametraka ny mangarahara amina kaominina 40 eto Madagasikara, mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny kaominina ary ahafahan’izy ireo misitraka tetikasa tahaka izao. Lynda A. Cet article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony a été récupéré chez Délire Madagascar.